NY MAHA IZY AZY NY FLM

NY MAHA IZY AZY NY FLM

I.NY MAHA-IZY AZY NY FLM

l.l.Ny fiorenany

Ny Fiangonana Loterana Malagasy, afohezina hoe FLM, dia »Fiangonana niorina noho nv asa misiona nataon’ireo Misionera vahinv avy anv Norvezy (NMS) sy Amerikana (ELC:A) ary ny Frantsay (ANELF).

1.2.Ny zava-kendreny Ireto avy no zava-kendren’ny FLM

.:.- Fampielezana ny Filazantsaran’i Jesosy Kristy manerana an’i Madagasikara sy any amin’ny firenena hafa ;
.:.- Fanabeazana sy fampiorenana nv olona amin’nv finoana sy nv fiainana kristiana, fitoriana sy fampianarana marina sy madio ny Tenin’ Andriamanitra amin’ny alalan’nv teny sy ny asa, ary ny fizarana marina araka ny Tenin’ Andriamanitra ny Sakramenta ;
.:.- Fijoroana ho vavolombelon’ny fahamarinan’ Andriamanitra amin’Fiangonana eo amin’ny Firenena sy izao tontolo izao ;
.:.- Fampandrosoana ny olona rehetra sy ny olona manontolo.

1.3.Ny asany

Ireto asa ireto no entin’ny FLM manatanteraka ny fikendreny :

1. Mitory ny Filazantsara amin’ny olombelona rehetra ;
2. Manao batisa sy mizara ny Sakramentan’ny Fanasan’ny Tompo any amin’ny isampiangonana ;
3. Mampianatra sy manabe ny kristiana mpikambana amin’ny Fiangonana;
4. Manorina Fiangonana sy trano fiangonana ;
5. Manao asa soa eo anivon’ny fiaraha-monina amin’ny alalan’ny fanorenana sekoly sy tobimpahasalamana ary manorina ivo-toerana misahana ny olona mana na fahasahiranana manokana;
6. Miady amin’ny fahantrana amin’ny alalan’ny fampiofanana sy fanentanana momba ny fambolena sy fiompiana ary ny tontolo iainana ;
7. Manofana ny olona voantso ho amin’ny asany: Mpanao raharaham-piangonana sy Mpanao asam-piangonana.
8. Manangana ireo sehatra’asa fanasoavana nv olona tehetra sy ny olona manontolo;
9. Mihazona ny firaisan’ny fiangonana mitovy fikendrena aminv (FFPM; FFKM; CETA; LWF; LUCCEA; sns.)
10. Mitaiza ny mpino ao aminy ho tompon’andraikitra mahatokv eo amin’ny raharaham-pirenena ametrahan’nv Tompo Jesosy azy ho vavolombelona.

1.3.Ny soatoaviny

1.3.1. Ny finoany sy ny fampianarany

Ny FLM dia mino sy manaiky ary mampianatra fa ny Soratra Masina ahitana ny Boky Kanonika ao amin’ny Testamenta Tàloha sy ny Testamenta Vaovao, dia ny Baiboly, no Tenin’ Andriamanitra. Izany Soratra Masina izany no hany fototra iorenan’ny finoany sy ny fampianarany ary ny fiainany sy ny asany. Ny FLM dia mandray ny Boky Symbolika sy ny Konfesionan’ny Fiangonana Loterana ho filazana fohy ny votoatin’ny fampianaran’ny Soratra Masina. Ireto avy izy ireo :

.:.- Ny foto-pinoana eken’ny Fiangonana kristiana eran’:’tany (Symboles Oeucuméniques), dia ny Fanekem-pinoana Apostolika sy Niseana ary Atanaziana ;
.:.- Ny Konfesiona tany Aogsborga, edisiona voalohany taona 1530 (Confessio Augustana Invariata) sy ny Foto-pianarana Kely nosoratan’i Dr Martin Luther.

Manana Lalam-panorenana sy Fitsipika manankery mifehy azy koa ny FLM. Ny fampianarany dia niorina be dia be tamin’ny foto-kevitra nentin’i Reformatora Martin Lotera izay mbola tanany sy iainany hatramin’izao. Na izany aza dia tsy Fiangonana fondamentaliste toy ny sekta ny FLM, fa Fiangonana manorina ny fampianarana ny teolojiany amin’ny fampiasana ny « Méthode Historico-critique» izay miaro ny fampiasana ara-bakiteny toy ny littéraliste ny Soratra Masina. Tsy manao « contextualisation » anjambany koa anefa izy fa feran’ny atao hoe fifamenoan’ny teny ao amin’ny Soratra Masina, ny Soratra Masina no manazava ny Soratra Masina.

1.3.2. Ny fifohazana

Manana Tobilehibe 3 izay anaovany asam-pifohazana sy anovozany hery sy fitaizana marary ary fanokanana Mpiandry ny FLM. Hita ao anatin’ny litorjia Alahady maraina ny fanatanterahana izany. Ireto avy ireo Tobilehibe 3: Soatanàna, Ankaramalaza, Farihimena ary miara-miasa amin’ny Tobilehibe Manolotrony an’i FJKM. Ireo Mpiandry ireo, izay misy vehivavy sy lehilahy, dia mandray aniara amin’ny fitoriana ny tenin’Andriamanitra amin’ny fotoam-pivavahana.

1.3.3. Ny fahaleovatenany sy ny fizakantenany

Fiangonana manana ny Lalam-panorenany sy ny Fitsipika manankery, ny litorjia ary ny rafitra mifehy ny mpikambana sy ny asa ataony ny FLM ka mahaleotena tanteraka amin’ny fanapahan-kevitra heveriny fa mahasoa ny fiainany. Manoloana izany, afaka manao ny asany samirery ny FLM amin’ny alalan’ireo loharanonkery (olona) sy loharanon-karena (fananana) eo ampelan-tànany ka tsy miankina amin’ny fiangonana na fikambanana hafa eo amin’ny fitantanana ny raharaha ao aminy. Kanefa na eo aza izany, afaka miara-miasa amin’ny fiangonana sy ny fikambanana hafa ny FLM amin’ny fanatanterahana ny zava-kendreny.

Noho izany, ny fiaraha-miasa eo amin’ny FLM sy ny hafa dia tsy fiaraha-mitantana fa fiaraha-miombona antoka amin’ny fanaovana ny asa. Ny fahaleovantenan’ny FLM eto dia tsy midika velively hoe fiolonolonana fa miseho indrindra amin’ny fahatsapany ny filany amin’ny fampandrosoana ny asany, na amin’ny fitoriana ny Filazantsara, na amin’ny asa soa rehetra tanterahiny. Izany rehetra izany anefa dia tsy maintsy atao amin’ny fanajana ny rafitra ao aminy voarakitra ao anatin’ny Lalàmpanorenany.

1.3.4. Ny fiombonany

Ny finoana an’ Andriamanitra Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina, ny fanekena sy fanarahana ny foto-pinoana voalaza ao amin’ny Lalam-panorenana, ny fankatoavana ny Fitsipika Manankery, ny rafitra synodaly iainany no mampiombona ho iray ny FLM. Ao anatin’izany fiombonana izany no ahafahany miasa hanatrarana ny zava-kendreny. Mpikambana amin’ny fiombonan’ny Fiangonana eto an-toerana (FFPM, FFKM) sy any ivelany koa izy (LWF, FLET,LUCCEA, sns). Nanomboka tamin’ny 1950 dia mpikambana amin’ny Fiangonana Loterana eran-tany ny FLM.

Mpikambana amin’ny FFPM nandritra ny 100 taona. Mpikambana amin’ny FFKM nandritra ny 30 taona. Miombona amin’ny fifohazana Tobilehibe 4 koa ny FLM. Izany maha-iray tsy azo vakiana ny FLM izany dia hita taratra amin’ny fihazonana ny Baiboly tokana ekeny sy Fihirana FFPM hampiasaina amin’ny fotoam-pivavahana; ny Litorzy sy ny Perikopa ampiasaina amin’izany; ny raharaham-pivavahana tanterahin’ny Pastora vita ordinasiona sy ny azon’ny laika atao, sns.

1.3.5. Ny fijoroany vavolombelona

Mijoro ho vavolombelon’i Jesosy Kristy amin’ny alalan’ny teny sy ny fiainana ary ny asa ny FLM. Anisan’ny hery lehibe entina manatanteraka izany ny asam-pifohazana amin’ireo Tobilehibe 4 sy ny Toby Madinika miankina aminy ary ny fandaharan’asam-pifohazana atao isaky ny Fiangonana. Ny Asam-pifohazana dia tena endrika izay mampiavaka ny FLM amin’ny Fiangonana Loterana rehetra eran-tany. Tobilehibe efatra izay niainga avy amin’ny asan’ Andriamanitra tamin’ny lehilahy roa sy vehivavy roa. Tsy azo,foanana eo amin’ny Tantaran’ny FLM izany satria niaingan’ny fifohazam-panahy ka namelona ny fiainam-panahin’ny Kristiana izany rehefa mila hotandindomin’ny « orthodoxisme » maty ny Fiangonana. Hita ankehitriny ny vokatr’izany asam-pifohazana izany fa maro no niova fo izay mampitombo haingana ny isan’ny kristiana. Ny asa soa ataon’ny FlM koa dia manampy betsaka ny firenena amin’ny fanampiana ny vahoaka ao anatiny. Ny FLM no niandraikitra betsaka ny olona voan’ny habokana izay natahorana taloha. Toy izany koa ny fikarakarana ny moana sy marenina, ny jamba, ny marary. Ny «Aumônerie}) miandraikitra ny olona voafonja, ny mpianatra, ny marary any amin’ny hopitaly,ny miaramila. Mila famonjena daholo ireny rehetra ireny, ka amin’ny asa fijoroana ho vavolombelona toy izany no iaingany voalohany. Andraisan’ny FLM anjara koa ny fikarakarana ireo zaza tanora tsy ampy taona nania voaheloky ny fitsarana, ao koa ny vehivavy mpivaro-tena, ao ireo olona voan’ny Sida; Adidy lehibe tsy nataon’ny FLM ambanin-javatra ny fanabeazana ny zanaka Malagasy ka nisian’ireo karazana Sekoly hampivoarana ny fiainany: ao ny Sekoly amin’ny fampianarana ankapobeny sy Teknika; ao koa ireo Sekoly amin’ny fampianarana amin’ny fambolena sy Fiompiana izay mahakasika indrindra ny vahoaka Malagasy 85% izay tantsaha.

1.3.6 Ny rafitra

Fiangonana miara-dia ny FLM ka nisafidy ny rafitra synodaly. Ny Lalàm-panorenany sy ny Fitsipika manankery no mihazona izany fiombonana synodaly izany, noho izany, ny fanapaha-kevitry ny Ambaratonga ambony dia ankatoavin’ny Ambaratonga eo ambany. Ny fanapahan-kevitry ny Ambaratonga ambany izay tsy mifanaraka amin’ny Lalam-panorenana dia foanan’ny Ambaratonga eo ambony.

Izany rafi-pitondrana izany dia ahitana ireto ambaratongam-pitondrana fototra dimy ireto : ny Fiangonana, Fitandremana, Fileovana, Synodam-paritany, Synoda Lehibe. Manana Sampampikambanana sy Sampan-Draharaha ampiasainy amin’ny fanatanterahana ny zava-kendreny koa, ny FLM. Samy manana ny komitiny sy ny biraony ireo ambaratonga rehetra ireo saingy ampifandraisin’ny rafitra.

Tsy kongregasionalista ny FLM , tsy presbytero synodaly, tsy episkopaly fa tena Synodaly. Fa raha misy ny ambaratonga ao anatin’ny rafitra eo amin’ny FLM tsy manaja izany dia manala ny tenany tsy ho isan’ny FLM.
Ny fomba fiasa ao amin’io rafitra io dia mandala indrindra ny foto-kevitra hoe: «teny miakatra ifampierana, teny midina ifampifehezana ». Amin’ny ambaratonga rehetra misy eto amin’ny FLM, na eo amin’ny Fangonana izany na eo anivon’ny Sampana, dia misy ny solotena voafidy avy amin’ny ambaratonga ambany ny mpikambana mandrafitra ny ambaratonga eo ambony.

1.3.7.Ny etikany

Ny Soratra Masina, ny Lalam-panorenana ary ny Fitsipika Manankery ary ny Fotopianarana Kely nosoratan’i Dr Martin Lotera no mifehy ny etika ato amin’ny FLM. Izay fomba sy toetra rehetra mifanohitra amin’ireo fitsipi-mpitondrantena ireo dia tsy azo ekena. Ny etikan’ny FLM dia tsy miainga avy amin’ny tontolon’ny kolo-tsaina manodidina, fa mifototra hatrany amin’ny fanamarinana ny fitsipi-piainana sy fitondran-tena amin’ny alàlan’ny Soratra Masina Irery ihany. Ny FLM dia fiangonana mihazona ny fahamasinana ary tsy mandefitra amin’ny fanao rehetra manimba fanahy.

Tsy eken’ny FLM :

.:.- Ny fanompoan-tsampy
.:.- Ny fampirafesana
.:.- Ny fijangajangana
.:.- Ny famadihan-drazana
.:.- Ny fisaraham-panambadiana
.:.- Ny pédophilie
.:.- Ny homosexualité
.:.- Ny euthanasie
.:.- Ny magie
.:.- Ny voyance
.:.- Ny horoscope, ny fanandroana
.:.- Ny Sodomita
.:.- Ny Illuminatie
.:.- Ny fidirana amin’ny fikambanana satanique, Franc maçonnerie
.:.- Ny pornographie
.:.- Ny fanalan-jaza
.:.- Sns …

II. NY FOMBA FIASAN’NY FLM
II.1. Ny fanapahan-draharaha
Mizara roa ny fanapahan-draharaha ato amin’ny FLM :

1. Ny Ambaratongam-Mpanapa-kevitra : ny komity izay mandray ny fanapahan-kevitra sy manaramaso ny fahatanterahany any amin’ny isan’ambaratonga.
2. Ny Ambaratongam-Mpanatanteraka : ny birao Izay manatanteraka ny fanapahan-kevitry ny komity.

Voafetra ihany ny fahefan’ny komity isan’ambaratonga. Ny zavatra mahakasika ny ain’ny FLM manontolo dia manaraka ny fomba fiasa izay mandalo ny fandinihan’ny Komitin’ny Synoda tsirairay, dia akarina amin’ny Synoda Lehibe, indrindra raha mahakitika ny Foto-pinoana voalazan’ny Lalàmpanorenana izay nadika amin’ny teboka 1.3.1 etsy ambony.

Ny zavatra tapaky ny KMSL na SL dia Izy ihany no manana fahefana hanova na hanafoana azy. Ny KSL/KMSL irery ihany no manana fahefana hankato sy handrava ny fiaraha-miasa amin’ny mpiaramiombonantoka.

Ny Fomba fiasan’ny FLM dia manaraka ny rafitra rehetra araka izay voarazan’ny Lalàm-panorenany. Kanefa amin’ny fitantanana ny raharaha dia manana ireo mpikambana ao amin’ny Birao Foibe izy izay miantoka ny fomba fiasa sy ny fanarahamaso ireo fanapahan-kevitra notapahin’ny KSL sy KMSL.

Samy manana ny andraikiny manokana Izy ireo :

Ny Filohan’ny FLM no tompon’andraikitra voalohany amin’ny fiainan’ny Fiangonana rehetra eran’ny sahan’ny FLM ka izy no mihazona sy miaro ny maha-FLM ny FLM araka ny namaritan’ny lalàmpanorenana azy. Izy no misolotena ny FLM amin’ny Sehatra rehetra na ara-panjakana na arapiangonana eto an-toerana sy any ivelany. Manana lefitra miara-miasa aminy ny Filoha.

Ny Tonian’ny FLM no misahana ny Sampana rehetra eran’ny sahan’ny FLM, ary mitarika izany amin’ny fifandraisany amin’ny mpiara-miombonantoka tandrify.

Ny Tonia lefitra izay miara-miasa amin’ny Tonia dia azo ametrahana andraikitra hafa koa.

Ny fanapaha-kevitra eto amin’ny FLM dia mandala indrindra ny foto-kevitry ny maro an’isa. Izay nahazo vato betsaka amin’ny fanapaha-kevitra no raisina ho hevitry ny ambaratonga nandray izany, ary manan-kery izany amin’ny ambaratonga midina rehetra. Anjaran’ny ambaratonga eo ambony no mampahafantatra izany amin’ny ambaratonga eo ambaniny. Saingy tsy mahazo manapa-kevitra ny Komity eo amin’ny ambaratongam-pitondrana rehetra raha tsy manatrika ny 2/3-ny mpikambana ao aminy.

Il.2.Ny flkambanana azo iaraha-miasa

Mikendry ny hahazoan’ny olombelona rehetra famonjena ny FLM. Amin’izay lafiny izay dia misokatra amin’ny fikambanana rehetra izy, kanefa kosa apetraka ho fepetra hentitra amin’ny fiaraha-miasa ny fanajana ny maha-izy azy ny FLM voalaza amin’ny fizarana voalohany. Ireto ny misiona sy ny fikambanana efa iaraha-miasa ;
.:.- Ny NMS, ELCA, DANMISSION, ANElF, SINOA
.:.- LWF, lUCCEA, CETA,
.:.- Ny Fikambanana Mampiely Baiboly
.:.- Ny FFPM
.:.- Ny FFKM
.:.- Sns
Mahazo miara-miasa amin’ny fikambanana hafa izay manaiky ny lalam-panorenan’ny FLM ka tsy manohintohina ny fiandrianany.

Il.3.Ny karazana fiaraha-miasa azo atao
Misy roa karazana ny fiaraha-miasa azo atao :

a) fiaraha-miasa maharitra natokana ho amin’ny evanjelizasiona : TMM, FiFiL, ny fampianarana teolojika : SB, STPL, SALT, Lasy pastora Ireo fikambanana misiona Mpamaky lay sy ireo efa Mpiara-miasa amin’ny FLM hatramin’ny ela no mpiara-miombonantoka amin’ity sokajy ity.

b) fiaraha-miasa amin’ny fotoana voafetra na maharitra izay azo havaozina ka manaja ny maha-izy azy ny FLM, mahakasika ny asa fampandrosoana na sosialy sy ny asa soa ary ny fanampiana amin’ny voina . Afaka miara-miasa amin’ity sokajy ity avokoa ny fikambanana rehetra na ny voalaza amin’ny teboka (a) na ny Fiangonana sy ny Fikambanana vaovao izay te-hiditra ho mpiara-miombonantoka.

Ny KSL/KMSL no manana fahefana manaiky sy manafoana ny fiaraha-miasa rehetra ato amin’ny sahan’ny FLM. Ny Filohan’ny FLM no tomponandraikitra voalohany amin’ny fampiharana ny fanapahan-kevitry ny KSL sy ny KMSL

III. NY ASA SOA SY NY FAMPANDROSOANA ILAN’NY FLM FIARAHA-MIASA AMIN’NY MISIONA ARY NY SEHATRA AZO IRAHA-MIASA

Manana Vina momba nv fampandrosoana nv olombelona rehetra sy ny olona manontolo ny FLM. Ny asa soa sy ny fampandrosoana ataony dia mifototra amin’ny fitiavan’i Jesosy Kristy izay mikarakara nv olombelona.

Ireto avy ny Asa soa sy ny fampandrosoana ilàna fiaraha-miasa.

Ny «Asa soa »

Ny « Asa soa » dia fitambàran’ireo hetsika atao aloha sy aorian’ny fandalovan’ny loza mihatra amin’nv fiaraha-monina ary ny asa mahakasika ny zon’olombelona. Ireto avy izy ireo :

.:.- Fanampiana aorian’nv fandalovan’nv rivodoza, nv tondradrano, nv haintrano, ny valanaretina, ny krizy politika, sns. ;
.:.- Fampihenana ny tandindondoza (Réduction des Risques de Catastrophes) ;
.:.- Fanampiana ny manana fahasembanana ;
.:.- Fandraisana an-tànana ireo tratran’ny tsindry hazolena ;
.:.- Action pour la réinsertion sociale;
.:.- Prise en charge des enfants des rues.

Ny Fampandrosoana
Mizara roa ny fampandrosoana :

a} Fampandrosoana eo anivon’nv fiarahamonina : ny fitambaran’nv asa atao mifandray amin’ny ady amin’ny fahantrana mikendry vokatra maharitra:
.:.- Fambolena sy fiompiana ;
.:.- Fikajiana ny tontolo iainana ;
.:.- Fampianarana sy fanabeazana ary fampiofanana ho an’ny olona rehetra sy ny sembana;
.:.- Fahasalamana;
.:.- Fanatsarana ny serasera ;
.:.- Fampianarana mamaky tenv sy manoratra;
.:.- Ireo soritrasa mikendry fandriam-pahalemana ;
.:.- Soritrasa manala amin’nv fitokana-monina ;

b) Fampandrosoana eo anivon’ny Fiangonana : ny fitambaran’nv asa atao ho fanohanana sy fitazomana maharitra ny fizakatenan’ny Fiangonana:
.:.- Fanorenana fotodrafitrasa ho loharanom-bola maharitra ;
.:.- Fampiofanana sy Fanamafisana ny fahaiza-manaon’ny mpitarika sy ny tomponandraikitra;
.:.- Fampitaovana;
.:.- Fanatsarana nv fari-piainan’ny mpikambana amin’ny alalan’ny fampiofanana momba ny AGR sy nv fivarotana ny vokatra ;
.:.- Fanatsarana ny lafiny statistika ;

Pastora ANDRIANJAFY Octave Bénil, Filoha SPATS

Filoha lefitry ny FLM

 

share