NY FOTOTRA MAHA LOTERANA

NY FOTOTRA MAHA LOTERANA

Ny Katekista sy ny Evanjelistra miaraka amin’ ny vadiny avy no tsy maintsy lohalaharana ao amin’ ny Fiangonana amin’ ny fahalalàna izay inoany sy ny fahafantarana ny fototra maha-Loterana. Ray aman-dreny ara-panahy ianareo satria miara-miasa amin’ ny Pastora amin’ ny fiandràsana ireo ondrin’ Andriamanitra, koa tsy maintsy mahalala sy miaina amin’ ny Foto-pinoan’ ny Fiangonana, izay ambara amin’ ny alalan’ ny Fanekem-pinoana.

Ny Fanekem-pinoana dia nampiasaina hatramin’ ny Fiangonana Kristiana voalohany. Nisy ny tantaram-pivoaran’ izany. Na dia tsy mitovy tanteraka aza ny tantara fototra ny amin’ ny nahazoana ny Fanekem-pinoana, dia maro ny mpahay tantara no mifototra amin’ ireto toko sy andininy amin’ ny Tenin’ Andriamanitra ireto ho nahazoana ny Fanekem-pinoana : Asa 2:29-39; Rom. 10:9-10; 1 Kor. 12:3; 1 Pet. 3:18 snm.

Ny fanontaniana ilaintsika apetraka sy hodinihina dia izao :

Inona no antony ilàna ny foto-pinoana ?
Inona sy inona avy ireo fampianarana sasany heverina ho fototra maha-Loterana ?
Inona sy inona avy ireo hevi-baventy, tena fototra maha-Loterana ?
Marihina moa fa ireo foto-pampianarana izay tànan’ ny Fiangonana sady anorenany ny finoany no atao hoe Foto-pinoana.

FAMELABELARANA

IREO ANTONY ILANA NY FOTO-PINOANA
Ny fanontaniana misy mametraka dia ny hoe : Tsy efa ampy ve ny Soratra Masina, ka nahoana no mbola asiana Fanekem-pinoana koa ?

Marihina fa tena ampy tokoa ny Soratra Masina. Io no fahefàna fototra sy ambony indrindra, ka mahatapaka ny zavatra rehetra(norma normans).Miatrika fahasarotana maro anefa ny olona amin’ ny famakiana ny Soratra Masina, vokatr’ ireo fampianaran-diso maro, ka dia manampy azy ireo ny Fanekem-pinoana amin’ ny fahazoana ny hevitry ny Soratra Masina. Ny Fanekem-pinoana, araka izany, dia milaza mazava ny fampianaran’ ny Soratra Masina ary miankina aminy (norma normanta). Ny Soratra Masina irery ihany no loharano nanovozana sy nanankinana ny fandrafetana ny Fanekem-pinoana, teo ambany fitarihan’ ny Fanahin’ Andriamanitra, ka azo antoka sy mahatoky tokoa izay ambarany.

Hevitra dimy farafahakeliny no tokony hambara, mba hahafantarana izay antony ilàna ny foto-pinoana :

Fanambaràna ny finoana (Rom. 10:9-10; Heb. 11:1)
Fanambaràna ny finoana no antom-pisian’ ny Fanekem-pinoana. Tsy asan’ ny saina ho amin’ ny fahatakaran-javatra ny finoana, fa asan’ ny Fanahy Masina ao am-pon’ ny olona. Izany dia midika fa na dia tsy takatry ny saina aza ny finoana dia takatry ny fo kosa noho ny herin’ ny Fanahy Masina mamangy sy manampy ny kristiana. Izay mino rahateo no afaka hahafantatra ireo zava-miafina momba ny finoana, fa tsy izay olona any ivelan’ ny finoana tsy akory. Koa na dia tsy hitan’ ny masontsika aza Ilay Tompo Andriamanitsika sy ny tontolony araka izay anehoan’ ny Soratra Masina azy, dia tena inoantsika marina tokoa izany satria ny Teniny no milaza ireny ary ny Fanahy Masina no vavolombelona manambara sady manamarina izany ao am-pontsika (jereo Jao. 15:26). Amin’ izany àry, raha manao Fanekem-pinoana isika, dia izay inoantsika tokoa no ambarantsika, ary izay ambarantsika dia ezahintsika fatratra ny handalina izany araka izay anehoan’ ny Soratra Masina azy.

Fijoroana ho vavolombelon’ ny Tompo izay inoana (Jao. 15:27; II Tim. 1:12)
Fijoroana ho vavolombelon’ ny Tompo inoana ihany koa no antony faharoa anambaràn’ ny Fiangonana ny finoany. Izany no antony mahatonga ny fanambaràm-pinoan’ ny Fiangonana atao amin’ ny feo mafy sy matotra ary amin’ ny fahatokiana tanteraka. Tsy menatra ny amin’ ny finoana ananantsika isika kristiana fa sahy mijoro ka manambara izany amin’ ny fomba miezinezina satria fantatsika araka ny fanambaràny ny Tenany tokoa Ilay Andriamanitra izay inoantsika.

Famantarana ny maha-kristiana (I Kor. 12:3)
Tamin’ ny vanim-potoan’ ny fanenjehana, dia ny foto-pinoana no anisan’ ny marika nifankahafantaran’ ny samy kristiana, ka mety ho notononina am-bava na natao tamin’ ny alalan’ ny kisary famantarana. Ny samy kristiana ihany no nahalala izany teny ifankahafantarany izany, dia ny Fanekem-pinoana izany, mba hanehoany ny maha-kristiana azy marina. Ny Fanekem-pinoana, araka izany, no iavahan’ ny kristiana amin’ ireo tsy kristiana, satria mifototra amin’ ny fankatoavana ny maha-Tompo sy Mpamonjy an’ i Jesosy Kristy indrindra izany.

Fiarovana amin’ ny fampianaran-diso
Araka ny tantaran’ ny Fiangonana, dia narafitra ireny Fanekem-pinoana samihafa ireny mba ho valinteny sady fehin-kevitra teo anoloan’ ireo adihevitra sy fisalasalàna momba izay Foto-pinoana marina ilaina tànan’ ny Fiangonana. Marihina fa naharitra fotoana lava tokoa ny nandrafetana ireo Foto-pinoan’ ny Fiangonana ireo, satria tsy maintsy nialohavana adihevitra teolojika nifarimbonan’ ireo rain’ ny Fiangonana samihafa nifandimby izany vao navoaka sy nampianarina ny kristiana.

Fanabeazana
Ny Fanekem-pinoana dia ampiasaina ho fanabeazana ny kristiana, hitomboany amin’ ny finoana velona sy ny fampianarana ny Baiboly.

IREO FAMPIANARANA SASANY HEVERINA HO FOTOTRA MAHA-LOTERANA
Maro no mamboly etsy sy eroa fampianarana izay heverina ho anisan’ ny fototra maha-Loterana. Santionany amin’ izany ireto tanisaina manaraka ireto :

Ny fanaovana rakitra vola madinika sy ny fomba fandatsahan-drakitra
Raha miresaka ny eto Madagasikara isika, dia isan’izay iheveran’ny olona ny maha Loterana ny fanaovana rakitra vola madinika. Misy antony ara-tantara tsy mifamatotra amin’ny maha Loterana io fa mifamatotra amin’ny fahantrana sy ny tahotry ny Misionery sao tsy hanary ny sampiny ny Malagasy ka tsy hanatona ny Fiangonana raha andoavana vola be izany.

Momba ny fandatsahan-drakitra indray, dia misy ny milaza fa tsy fomba Loterana ny mananty rakitra fa ny mandatsa-drakitra manodidina ny Alitara ihany.

Ny tsy fampiasàna ny Baiboly DIEM sy ny fampiasàna ny Anaran’ ny Tompo
Isan’ny ahafantaran’ny maro ny Loterana koa ny hoe tsy afaka mampiasa ny DIEM sy sarotiny amin’ny fampiasana ny anaran’ny Tompo (Jesosy, YHWH).

Raha ny marina dia tsy ireo no maha Loterana fa fiarovana ny maha Loterana no mahatonga ireo. Raha tsy apetraka ireo dia mety ho tonga mora foana ny fampitoviana volo ary tsy ho hita akory izay maha izy azy ny Loterana fa ho sarona tanteraka any. Tsy ampy koa anefa ny mametraka izany fiarovana izany fotsiny fa tokony hatanjaka mihitsy ny fampianarana ny maha Loterana mba samy hahatakatra ny hahavony sy haharaka ny sakany sy ny lavany ny rehetra ka tsy ho variana amin’ny zavatra ivelany sy mety ho madinika aza.

Ny fandàvana bontolo ny fomba amam-panaon’ ny EKAR
Heverin’ny sasany ho famantarana ny maha Loterana koa ny fandavana bontolo ireo fomba amam-panaon’ny fiangonana hatramin’ny voalohany kanefa toa mamofona ny fomban’ny EKAR. Tsy misy fampianaran-diso ao amin’ny fampiasana ny mariky ny hazofijaliana izay entin’ny vita batisa rehetra nefa rehefa misy olona manao izany dia toa tsy Loterana fa EKAR no iheverana azy. Marika entin’izay mifady ny devoly sy ny asany rehetra izany ka ampiasaina ho fandroahana ny devoly koa. Famantarana ananan’izay mino ny Ray sy zanaka ary Fanahy Masina izany ka ampiasaina amin’ny fiankohofana amin’Andriamanitra Telo izay iray koa.

Ny Litorjia
Heverina ho isan’ny maha Loterana koa ny Litorjia. Tena tsy mahazo aina mihitsy ny krsitiana sasany rehefa tonga amin’ny toerana tsy misy Pastora Loterana hitarika io Litorjia io. Sorena koa ny sasany rehefa ovàna tsy araka ny mahazatra azy ny fiainana io Litorjia io.

Raha ny marina dia misy fototra teolojika loterana izay mibaiko izany ary ny maro amin’ny Kristiana aza dia tsy mahafehy izany akory. Efa tonga amin’ny faha-150 taona niainana isika izao, ka tsy tokony hijanona amin’ny rononom-panahy fotsiny intsony fa hitombo amin’ny fahalalana araka izay lazain’i Paoly hoe: “Mba homen’ Andriamanitr’ i Jesosy Kristy Tompontsika, Rain’ny voninahitra, ho anareo ny fanahin’ny fahendrena sy ny fanambarana amin’ny fahalalana Azy tsara.”(Efes.1:17). Io fahalalana tsara an’i Kristy io no tena zava-dehibe. Mba tsy ho fihetseham-po na zavatra hafa no mibaiko sy mitondra ny finoantsika sy ny fiainantsika.

Ny fampiasàna ny raozin’ i Lotera
Isan’ny ahafantaranana ny Loterana koa ny fampiasana ny raozin’i Lotera. Tsy ampy anefa izany raha tsy ampiarahana amin’ny fampianarana matanjaka.

Maro no mbola azo lazaina toy ny hoe : manofahofa tànana fa tsy mitehaka, tsy mahazo mandihy ao am-piangonana, ny tsy fanaovana hira ao amin’ ny Fihiràna fanampiny, ny fihiràna ny andininy rehetra rehefa manao hira ao amin’ ny Fihiràna fa tsy ny andininy sasantsasany ihany, …Tsy ny fitanisana ireny no tena vahaolana fa ny fampiharihariana ny maha izy azy ny Loterana.

IREO HEVI-BAVENTY, TENA FOTOTRA MAHA-LOTERANA
Ny Fiangonana Loterana dia manompana be dia be ny Foto-pinoany amin’ izay nampianarin’ i Lotera. Fototra folo lehibe no mivoitra ao anatin’ ny Foto-pinoana izay tànantsika, araka izay hita ao amin’ ny bokin’ ny Konkorda (1580) :

Ny Fanekem-pinoana Apostolika (taona 140)
Ny Fanekem-pinoana Niseana (taona 325-381)
Ny Fanekem-pinoana Atanaziana (670)
Ny Konfesiona Aogostana (1530)
Ny Fotopianarana kely (1529)
Ny Fotopianarana lehibe (1529)
Ny Apolojian’ ny Konfesiona Aogostana (1531)
Ny Artikla Smalkalda (1537)
Ny fahefàna sy ny fahambonian’ ny Papa (1537)
Ny Formule de Concorde (1577)
Ny manam-pahaizana Loterana iray dia nilaza fa : “Isaky ny tokantrano Loterana iray dia tokony hisy bokin’ny Konkorda iray.”Mbola maro amintsika anefa ny tsy namaky akory ny vontoatin’izany boky izany. Mbola tsy misy amin’ ny teny malagasy rahateo moa io boky io.

Ho antsika Fiangonana Loterana Malagasy (FLM), dia ireo fototra dimy voalohany ihany no mbola tànantsika. Ny antony nahatonga izany dia izao : ireo fototra dimy ireo no lova avy tamin’ ireo Fiangonana Loterana avy tany Amerika Avaratra sy ny NMS, izay nitondra ny finoana loterana teto Madagasikara. Ireo fototra dimy ireo dia efa voarakitra ao amin’ ilay boky antsoina hoe : “Ireo Fanekem-pinoan’ ny Fiangonana Loterana Malagasy”. Manamafy izany koa moa ny Lalàm-panorenana (pejy 7, Fizaràna I, Toko I, and.2, edisiona 2013). Toy izao ny voarakitra ao :

“Ny FLM dia mino sy manaiky ary mampianatra fa ny Soratra Masina ahitàna ny Boky Kanonika ao amin’ ny Testamenta Taloha sy ny Testamenta Vaovao, dia ny Baiboly, no Tenin’ Andriamanitra. Izany Soratra Masina izany no hany fototra iorenan’ ny finoany sy ny fampianarany ary ny fiainany sy ny asany.

Ny FLM dia mandray ny Boky Symbolika sy ny Konfesionan’ ny Fiangonana Loterana ho filazàna fohy ny vontoatin’ ny Soratra Masina. Ireto avy izany :

Ny Foto-pinoana eken’ ny Fiangonana Kristiana eran-tany (Symboles Oucuméniques), dia ny Fanekem-pinoana Apostolika sy Niseana ary Atanaziana.
Ny Konfesiona tany Aogsborga, edisiona voalohany taona 1530 (Confessio Augustina Invariata) sy ny Fotopianarana kely nosoratan’ i Dr Martin Luther.
Tsy azo ovàna ny Foto-pinoana voalaza amin’ ity Fizaràna voalohany, Toko voalohany, Andininy faha-2 ity”.

Mba tsy haha-tompon-trano mihono antsika momba ireo fototra folo maha-Loterana ireo, dia hojerentsika tsirairay avy izy ireo amin’ ny ankapobeny :

Ny Fanekem-pinoana Apostolika
Tamin’ny andron’ny Fiangonana Kristiana voalohany ka hatramin’ny taon-jato faharoa dia io Fanekem-Pinoana izay voafintina ao amin’ny Rom 1:3-5 io no niainan’izy ireo sy nijoroany ary niantonan’ny fampianarany sy ny toriteniny. Tamin’ny taon-jato faharoa dia novelarina kokoa izany ka nahazoana io Fanekem-Pinoana Apostolika, izay tononintsika isaky ny alahady aorian’ny famakiana ny Filazantsara io. Ny tenin’i Jesosy ao amin’ny Mat 28:19 manao hoe ‟manao batisa azy ho amin’ny anaran’ ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina” no niaingan’izany famelarana izany ary hatramin’ izany no efa fampiasa tamin’ny Batisa izany fanekem-pinoana izany. Marihina fa tsy ireo Apostoly akory no nanoratra azy ary tsy Soratra Masina ny Fanekem-pinoana fa famintinana kosa ny fampianaran’ireo Apostoly momba an’Andriamanitra Telo Izay Iray.

Ny Fanekem-pinoana Niseana
Rehefa nandroso anefa ny fiainan’ny Fiangonana dia nitombo sy niseho lany niaraka tamin’izany koa ireo fampianaran-diso isan-karazany. Niseho sy nafana vay ohatra ny fandàvana ny maha Andriamanitra tokoa an’i Jesosy. Nambaran’ny Arianisma tamin’izany fotoana izany ohatra fa ‟tsy hatramin’ny taloha indrindra ny Zanaka ka tsy mitovy fomba sy toetra amin’ny Ray”. Tamin’ny taona 325 AD àry dia nivory tao amin’ny tanàna iray nantsoina hoe Nisea ny Konsilin’ny Fiangonana ka nandrafitra ny atao hoe ‟Fanekem-pinoana Niseana”. Nohatsaraina indray izany fanekem-pinoana izany tamin’ny fivorian’ny Konsily izay natao tao Konstantinopla tamin’ny taona 381 AD. Amin’ny ankapobeny, dia mifototra ihany amin’ny Fanekem-Pinoana Apostolika ity Niseana ity saingy ny maha-Andriamanitra tokoa/marina an’i Jesosy mitovy amin’ny Ray sy ny Fanahy Masina no voatsindry kokoa sy vontoatin’izany Fanekem-pinoana izany. Voalaza ao anatin’izany Fanekem-pinoana izany koa ny filazàna fa avy amin’ny Ray sy ny Zanaka ny Fanahy Masina(filioque).

Ny Fanekem-pinoana Atanaziana
Tsy nijanona teo anefa ny fampianaran-diso fa nandroso sy nihamafy hatrany araka ny fandrosoan’ ny fiainan’ny Fiangonana koa. Hatramin’ny taon-jato faha-6-8 dia nihamafy hatrany ny fandàvana ny maha Andriamanitra an’i Jesosy izay efa novoizin’ny Arianisma.Tao koa ny fandàvana ny maha Telo izay Iray an’Andriamanitra. Teraka tamin’izany fotoana izany ohatra ny fivavahana Silamo izay nilaza fa ‟tokana Andriamanitra ary Mohameta ihany no mpaminaniny”. Narafitra indray vokatr’izany àry ny ‟Fanekem-pinoana Atanaziana” teo anelanelan’ny taon-jato faha-6 ka hatramin’ny taon-jato faha-8. Arak’ izany anarany izany, dia nampitondraina ny anaran’i Atanazy izay Rain’ ny Fiangonana izay nanao ny drafitry ny Fanekem-pinoana Niseana voalohany ity Fanekem-pinoana ity. Misy andininy 40 ity Fanekem-pinoana ity. Ny fampianarana momba ny Trinite (1-26) sy ny Personan’i Jesosy ary ny asany (27-40) no vontoatin’izany Fanekem-pinoana fahatelo izany antsoina hoe Atanaziana izany.

Ity Fanekem-pinoana ATANAZIANA ity dia fiarovana antsika ihany koa amin’ ny Vavolombelon’i Jehovah sy ny Mormona.

Ireo Fanekem-pinoana telo ireo (Apostolika, Niseana ary Atanaziana) dia iombonan’ny Fiangonana Kristiana rehetra manerana an’izao tontolo izao satria saiky tamin’ny vanim-potoana mbola tsy nahavaky ny Fiangonana no nahaterahany. Izany hoe na ny Fiangonana Loterana na ny EKAR na ny FJKM na ny Anglikana sns… dia samy mampiasa avokoa azy ireo. Antsoina koa hoe Fanekem-Pinoana Ekiomenika araka izany ireo telo ireo. Ireo roa farany ireo anefa dia toa tsy fantatry ny ankamaroantsika Kristiana Loterana loatra noho izy tsy ampiasaintsika matetika/mihitsy ao amin’ny fanompoam-pivavahany/Litorjiany. Ka tsy midika akory izany fa tsy isan’ny Fanekem-pinoantsika Loterana izy ireo fa tena isany tokoa saingy iombonantsika sy mampiombona antsika amin’ireo Fiangonana rahavavy izany.

Ny Konfesiona Aogostana
Ny Konfesiona Aogostana dia anisan’ ny lehibe indrindra amin’ny Fanekem-Pinoana manokan’ny Fiangonana Loterana. Mbola maro anefa ny kristiana loterana no tsy mahalala ny fisian’ny Konfesiona Aogostana sy izay ampianarina ao, ka dia zary anarana sisa ny maha Loterana. Fampianaram-pinoana mifototra tanteraka amin’ny Soratra Masina irery ihany izay fototry ny finoan’ny Kristiana Loterana ny Konfesiona Aogostana. Voasoratra ao ihany koa moa ireo fiviliana izay ahitsin’ny Fiangonana Loterana amin’ny alalan’izany Fanekem-pinoana izany.

Ara-tantara dia i Philip Melanchthon, izay mpiara-miasa tamin’i Dr Martin Lotera akaiky, no nanoratra azy tamin’ny tamin’ny 25 Jona 1530. Ny Emperora iray nantsoina hoe Charles V dia nanasa ireo Printsy Loterana sy ny Teolojiana rehetra mba hanatrika fivoriana tao amin’ny tanàna iray nantsoina hoe Aogsborga any Alemana mba handinihana ny fifanoherana nisy tao amin’ny Fiangonana nanerana ny fanjakany. Tamin’izay fivoriana izay indrindra àry no nanehoana sy namelabelaran’i Melanchthon ny Konfesiona Loterana, ary noho izy nambara miharihary tao Aogsborga no nahatonga ny anarany hoe “Konfesiona Aogostana”.

Fitambarana fampianarana maro samihafa nataon’i Lotera no nangonin’i Melanchthon, ka nahazoana ity Fanekem-pinoana fototra ity, izay mamintina ny fampianaran’ny Fiangonana Loterana sy mamaritra ihany koa ny fiainana pratikan’ny Pastora sy ny Fiangonana Loterana.

Misy Artikla 28 ity Fanekem-pinoana Aogostana ity ary mizara roa: Art. I-XXI (1-21): Fampianaram-pinoana, Art. XXII- XXVIII (22-28): Artikola sasantsasany izay fanitsiana ireo fomba tsy mety niainan’ny Fiangonana tamin’izany fotoana izany. Anisan’ny voaresaka voalohany ao amin’izany Fanekem-pinoana izany ny fanamafisana izay voalaza ao amin’ireo Fanekem-pinoana Ekiomenika telo teo ambony momba an’ Andriamanitra Telo izay iray, mba ho fandàvana ireo fampianaran-diso samihafa izay mbola niseho lany tamin’izany fotoana izany, ny amin’ny Zanak’Andriamanitra, izany hoe Jesosy… Voalaza ao koa ohatra ny amin’ny Fahotana lovàna: “Hatramin’ny fahalavoan’i Adama dia teraka manam-pahotana ny olona”, ny amin’ny fanamarinana ny mpanota: “Tsy ny hery ananan’ny olona, na ny asa tsara izay ataony no ahazoany fahamarinana eo anatrehan’Andriamanitra, fa Kristy no anamarinana azy maimaimpoana amin’ny finoana raha matoky ny fahasoavan’Andriamanitra sy ny famelan-keloka amin’ny alalan’i Kristy izy”. Izay nohamarinin’Andriamanitra dia mamoa voa tsara amin’ny alalan’ny fanoavana vaovao Azy. Ampianarina lava ao ny momba ny asa tsara izay ataon’ny mino.

Voaresaka ao ihany koa ny amin’ny raharaham-piangonana: “Mba hahazoantsika izany finoana izany dia voatendry ny raharaham-piangonana, dia ny fitoriana ny Filazantsara sy ny fanolorana ny Sakramenta…” Toy izany koa ny famaritana ny atao hoe Fiangonana sy ny Sakramenta, ny Konfesy sy ny fibebahana marina, ny amin’ny mpanao raharaham-piangonana: “tokony tsy hisy avela hampianatra sy hitory teny eo amin’ny fiangonana, na hanolotra Sakramenta raha tsy voatendry marina”… Voaresaka ao koa ny tsy tokony hivavahana amin’ny olo-masina sns…

Ohatra ihany ireo satria tsy ho voatanisa eto daholo izay voarakitra ao. Noho izany tsara ho anareo Katekista ny manana sy mamaky ny Konfesiona Aogostana ao amin’ny Boky kely mitondra ny Lohateny hoe: Ny Fanekem-pinoan’ny Fiangonana Loterana Malagasy, pejy 7-37, mba hahalalanareo antsipirihany izany.

Ny Fotopianarana kely
Ny Fotopianarana Kely na koa ny Katekisma dia fampianaram-pinoana fototra sy fohy momba ny Finoana Kristiana izay nosoratan’i Lotera, tamin’ ny taona1529, hampianaran’ ny ray aman-dreny Soratra Masina ny zanany ao an-tokantrano.

Ny Fotopianarana lehibe
Ny Fotopianarana Lehibe dia novelarina kokoa noho ny Fotopianarana Kely, araka ireo toriteny izay nataon’i Lotera tamin’izany fotoana izany. Tamin’io taona 1529 io ihany koa no namokarany ny Fotopianarana lehibe.

Ny Apolojia
Raha ny filaharany dia saiky mitovy amin’ny Konfesiona Aogostana ihany ny Apolojia. Marihina anefa fa ity no lava indrindra amin’ireo Fanekem-pinoan’ny Fiangonana Loterana. Soratra fanamarinana sy fiarovana ny Konfesiona Aogostana ny Apolojia. Ny and.4 izay manazava ny amin’ny FANAMARINANA no tena matanjaka sy ivony indrindra amin’izany ary azo lazaina aza fa isan’ny fon’ny Bokin’ny Konkorda mihitsy.

Manampy betsaka amin’ny famaliana ireo fampianarana ataon’ny Sekta mikasika ny tsy maha mpanota ny zaza ny and.2 momba ny fahotana nolovàna.

Ny Artikla Smalkalda
Sarobidy tamin’i Lotera mihitsy ny fandavana izay diso tsy mifanaraka amin’ny Soratra Masina sy ny fanamafisana ny fanaterana ireo fampianarana mifanaraka amin’ny Tenin’ Andriamanitra ary tokony hihazona mafy izany izay mitoetra ho tena LOTERANA tokoa. Isan’izay ananteran’izy tenany ho matotra tokoa izany fampianarana izany ny Artiklan’ny Smalkady. Heverinay fa tsy ny handray fotsiny ireo hevi-baventy aroson’i Lotera no maha Loterana antsika fa ny fandinihina tsara sy fanolorana koa ny fampianarana natolony ary ny fiainana izany. Manana ny lanjany araka izany ity Artikolan’ny finoana ity.

Ny fahefàna sy ny fahambonian’ ny Papa
Amin’ny soratra mikasika ny Fahefana sy ny fahambonian’ny Papa no ananteran’I Melachthon ny mahasarobidy ny asa Pastoraly sy izay andavana ireo fampianarana rehetra mifanohitra amin’ny S.M. mikasika izany. Hevitra telo lehibe no tsipahintsika amin’ny fahefan’ny Papa: ny fangatahan’ny Papa ho ambony noho ny Eveka sy ireo Pastora hafa rehetra,ny fangatahan’ny Papa hanana fahefana eo amin’ny Fiangonana sy ny fanjakana,ny fanirian’ny Papa mba haneken’ny maro fa isan’izay ahazoana famonjena koa ny fahefàny. Nisy fiovana hatrany izany teo amin’ny tantara, kanefa dia mbola mitoetra ny fampianarana ny amin’ny fahambonian’ny Papa izay misolo mivantana an’i Kristy. Rehefa mitondra ny fanoherana ireo fampianarana ireo sy mametraka tsara ny anjara fanompoan’ny Pastora isika, dia ireto no zava-dehibe anterin’ity tahirin-kevitra ity amin’ny andininymiisa 82: porofo avy amin’ny Soratra Masina,porofo ara-tantara,fanoherana ireo tohan-kevitry ny EKAR,ny fifanoherana misy eo amin’i Kristy sy ny Papa,ireo mariky ny bibidia,ny andraikitry ny Eveka sy ny Pastora.

Ny formule de Concorde
Amin’ny endrika isehoany, dia atolony aloha ny zavatra izay iadian-kevitra. Avy eo, arosony ny fampianarana avy amin’ny S.M. ary faranany amin’ny fanoherana matanjaka ireo fampianaran-diso. Lohahevitra 12 no ampianarina ao.

Misy vatofantsika enina sarobidy izay fampiasantsika hamintinana ny fototra maha-Loterana:

ny Fahasoavana irery ihany
Asan’Andriamanitra zato isan-jato ny famonjena antsika ary fanomezana maimaimpoana izany. Tsy miankina amin’ny asa vitantsika, tsy miankina amin’ny fahamendrehantsika. Tsy hoe tsy misy vidiny ny famonjena antsika fa lafo loatra ka tsy takatry ny volantsika ka aleo omena maimaimpoana. Isika koa aza anefa tsy manam-bola, satria an’i Jehovah ny tany sy izay rehetra eo aminy (Sal.50 :10,12), ka na ny volantsika na ny tenantsika dia mbola fananan’ Andriamanitra avokoa. Manamarina izany fa tsy misy avy amintsika ny famonjena antsika fa asan’Andriamanitra zato isan-jato.

Ireo asa tsara samihafa ataon’ ny kristiana dia asan’ ny olom-boavonjy ihany, asa manambara fahavelomana ao amin’ i Kristy, fa tsy asa atao mba hahazoam-pamonjena akory.

Ny finoana irery ihany
Lotera dia milaza fa hamarinina maimaimpoana amin’ny finoana isika, satria amin’ny maha-olona antsika dia tsy misy marina na dia iray akory aza ary samy eo ambany fahatezeran’Andriamanitra ny olona rehetra (Rom.3 :10).

Jesosy irery ihany no marina ka afaka hisolo ny mpanota. Ny fisoloana nataon’i Jesosy no mahamarina antsika fa tsy ny asantsika. Ny fahamarinantsika eo anatrehan’Andriamanitra dia amin’ny alalan’ny famelan-keloka ao amin’i Kristy. Ny finoana no làlana na fitaovana handraisantsika ny fahamarinan’i Kristy fa tsy anton’ny fahamarinantsika ao amin’i Kristy. Ny Fanahy no miasa amin’ny alalan’ny Filazantsara ka manome antsika ny finoana.

Ny Soratra Masina irery ihany
Nampianarina ny Fiangonana tamin’ ny andron-dry Lotera fa ny tenin’ny Papa dia mitovy lanja amin’ny Soratra Masina. Ary na dia tsy lazain’ny Soratra Masina aza ka ambaran’ny Papa dia tsy maintsy ekena sy inoana ho Dogman’ny Fiangonana. Manana fahefana ambony noho ny Concile aza ny Papa. Ankoatr’izany, ny lovan-tsofina koa dia mitovy lanja amin’ny Soratra Masina satria maro ny zavatra nambaran’i Jesosy no tsy voarakitra an-tsoratra fa nampitain’ny Apostoly am-bava ihany.

Izany no nahatonga an’i Lotera hampianatra hoe : “ny Soratra Masina irery ihany”. Ny dikan’ izany dia izao : Na ny tenin’ny Papa, na fanapahan-kevitry ny Concile, na ny tenin’ny lovan-tsofina, na hevitry ny Teolojiana iza na iza, rehefa tsy mifanaraka amin’ny fampianaran’ny Soratra Masina, dia tsy maintsy lavina fa fampianaran-diso.

Jesosy irery ihany
Ny dikan’ ny hoe : “JESOSY IRERY IHANY” dia izao : lavintsika ny fivavahana amin’ ny olomasina, ny fivavahana amin’ i Maria renin’ ny Tompo, ny fivavahana amin’ ny razana, satria toherin’ ny Soratra Masina ny fanaovana izany.. Tsy misy azo asolo an’ i Jesosy ireo.

Sady marina no mpanota
Tsy hoe niova ho anjely ny olona nohamarinina fa mbola olona ihany. Mbola tsy tanteraka amin’ny hevitra sy ny teny ary ny asa.

Ny Filazantsara dia milaza amintsika hoe : Voavela ny helokao rehetra.

Ny lalàna dia manao hoe : Sady teraka ho meloka hianao no manana toetra simba ka tsy afaka tsy hanota.

Nefa ny sazy vokatr’io fahotana io mihitsy no noraisin’i Jesosy teo amin’ny hazo fijaliana ho famelana ny fahotantsika.

Mpanota ny olona amin’ny mahaolona azy nefa marina izy noho ny finoana ny fisoloana nataon’i Jesosy teo amin’ny hazo fijaliana.

Mbola mitohy ihany anefa ny fiainana ka voatarika hanota indray ny olona ka mila mibebaka sy mandray ny famelan-keloka Eto no anomezan’i Lotera lanja ny atao hoe : Ady amin’ny fakam-panahy.

Mila mangataka famelan-keloka isan’andro ny mino satria sady mpanota no marina ary Andriamanitra dia mahatoky sy marina ka vonona hamela heloka mandrakariva.

Mpisorona ny mino rehetra
Tsy ampianarin’ny Soratra Masina ny hoe : ny olo-masina no mpanelanelana ny olona amin’Andriamanitra ka hiantsoana mandrakariva ny olo-masina hivavaka ho antsika eo anatrehan’Andriamanitra na hitondra ny vavaky ny mino ho eo anatrehan’Andriamanitra. Ampianarin’i Lotera fa tsy mpanelanelana ny olona amin’Andriamanitra ny Papa satria efa noravan’i Jesosy ny efitra mampisaraka ny olona amin’Andriamanitra. Noho izany, ny Papa dia mitovy laharana amin’ny mpamafa trano eo anatrehan’Andriamanitra. Samy afaka mifandray mivantana amin’Andriamanitra tahaka ny sampana amin’ny voaloboka, ny rantsana sy ny vatana , ny ondry sy ny mpiandry, ny mpampakatra sy ny ampakarina ny mino rehetra sy Andriamanitra.

Ao amin’ny Fiangonana no anolorany ny tenany sy ny rany ary ny teniny. Koa tsy mila mpanelanelana intsony isika fa ao anatintsika Andriamanitra. Mpisorona ny mino rehetra fa tsy misy intsony ny hoe : ny mpisorona na ny Papa na ny Eveka no hisolo tena eo anatrehan’Andriamanitra.

Araka ny Eksodosy 19 :6, dia ny Fiangonan’Isiraely no nataon’YHWH ho fanjakam-pisorona, ary ny Kristiana no Isiraely vaovao izay ambaran’ny Artikola fahatelo hoe Fiangonana masina manerana izao tontolo izao, fiombonan’ny olona masina. Ny dikan’izany dia hoe tokana ihany ny Fiangonana eo anatrehan’Andriamanitra na dia miparitaka eran’izao tontolo izao aza.

Araka ny Konfesiona Aogostana, ny Fiangonana dia ilazana ny fikambanan’ny olona masina, izay ampianarina marina ny Filazantsara sy anolorana marina ny Sakramenta araka ny Soratra Masina (Konfes.VII).

Mba hahazoana ny finoana ao anatin’izany Fiangonana izany dia voatendry ny raharaham-piangonana, dia ny fitoriana ny Filazantsara sy ny fanolorana ny Sakramenta, fa izany no ahazoana ny Fanahy Masina, izay mahatonga finoana arak’izay sitrak’Andriamanitra amin’ny fon’ny olona izay mihaino ny Filazantsara, dia ny teny izay manambara fa tsy ny asa izay ataontsika, fa ny fisoloana nataon’i Kristy no amelan’Andriamanitra ny fahadisoantsika amin’ny alalan’i Kristy (Konfesiona Aogostana V).

Noho izany, na dia samy mpisorona aza ny mino rehetra arak’izay nanosoran’Andriamanitra miray telo azy tamin’ny alalan’ny batisa, Andriamanitra kosa dia mametraka olona ho amin’ny fanompoana manokana ao amin’ny Fiangonana amin’ny alalan’ny fiantsoana manokana sy ny ordinasiona.

Na ny TV na ny fanekem-pinoana Loterana dia samy manamarina fa tsy afaka misaraka sady tsy azo sarahina ny fisoronan’ny mino sy ny fanompoana manokana izay ataon’ny Pastora amin’ny fotoana iray ao amin’ny Fiangonana.

Ny ministera manokana dia marihina amin’ny alalan’ny ordinasiona, ary izany indrindra no mahamanokana azy. Hoy ny Konfesiona Aogostana :« Tsy misy olona tokony havela hampianatra ankarihary na hizara Sakramenta ankarihary raha tsy voatendry marina na voatolotra marina izy » (Konf.Aog.XIV).

Tsy hoe fandaminan’olombelona fotsiny anefa ny fisian’ny fanompoana manokana ao amin’ny Fiangonana fa fahefana avy amin’Andriamanitra mihitsy arak’ireto andinin-tSoratra Masina manaraka ireto :

Asa 20 :28 « Tandremo ny tenanareo sy ny ondry rehetra izay nanaovan’ny Fanahy Masina anareo ho Mpitandrina, hiandrasanareo ny Fiangonan’Andriamanitra izay novidiny tamin’ny rany » ampit.Lio.10 :16, Efes.4 :11-12.

Hoy koa Paoly Apostoly : « Misaotra an’i Jesosy Kristy Tompontsika aho, izay nampahery ahy, fa nataony mahatoky aho, ka notendreny ho amin’ny fanompoana » (1Tim.2 :12.)

Arak’izany, ny Ministera dia raharaha (office) fa tsy laharana (order). Ny fanompoan’ny Pastora dia atao amin’ny anaran’ny Fiangonana sy ny fahefan’ny vahoakan’Andriamanitra ary tena baikon’ Andriamanitra sy fandaminany mihitsy.

Ary izay mampianatra ankarihary ao amin’ny Fiangonana dia tokony hanana fahalalana mivelatra kokoa sy fahombiazana bebe kokoa amin’ny fampianarana (1Tim.3 :1-7,5 :22, Tit.1 :5-11).

Izany rehetra izany dia milaza fa Andriamanitra mihitsy no mametraka ny Pastora eo amin’ny Fitandremany hanao fanompoana manokana. Manarak’izany dia hita koa fa misy mihitsy ny Ministera manokana izay natao ho an’olona manana fiantsoana manokana ao amin’ny Fiangonana na dia samy Mpisorona aza ny mino rehetra.

Mila olona mahatoky sady vita fianarana amin’izany asa izany ny fanompoana manokana atolotra ny olona sasany ao amin’ny fiangonana. Paoly Apostoly dia olona teo ambany saokan’i Gamaliela ilay Mpampianatra tamin’ny Sekoly ambony momba ny Soratra Masina sady nalaza teo amin’Isiraely, ary nahavita fianarana tamin’izany Sekoly izany. Na dia nanenjika ny Fiangonana Kristiana aza izy teo aloha noho ny herin’ny Jodaisma izay nahazo laka tamin’izany fotoana izany, dia hain’i Jesosy ny nampiova ny fomba fijeriny, vokatry ny fisehoan’i Jesosy taminy tany Damaskosy, ka nanendry azy ho Apostolin’ny jentilisa.

Ny olona tendrena hanao fanompoana manokana dia olona matotra, hendry, olona mahalala tsara ny foto-pinoan’ny Fiangonana, olona afaka hampianatra.

Izany rehetra izany anefa dia tsy milaza fa mifanipaka ny fanompoana manokana izay ataon’ny Pastora sy ny fisoronan’ny mino izay ataon’ny vahoakan’Andriamanitra fa mifameno. Ny fanompoana manokana, izay ataon’ny Pastora dia tsy misaraka amin’izay kendren’i Jesosy ao amin’ny Fiangonana dia ny famporisihina ny vahoakan’Andriamanitra tsy hihemotra na dia miatrika fanenjehana aza (Mat.10 :22, Jao.17 :14).

Ny Pastora dia mpitarika, mpanetsiketsika ny talenta samihafa ananan’ny olona, mpanofana ny vahoakan’Andriamanitra ho vonona amin’ny ministera mivelatra, mamohafoha ny talentan’ny mino sy ny fanomezam-pahasoavana samihafa izay ananany.

Ny kendrena amin’ny Ministera manokana dia ny mba hahatonga ny Kristiana hijoro ho vavolombelona amin’ny toerana maro samihafa misy azy na aiza na aiza.

Manamarina izany i Tertullien hoe : « Ny fanjakam-pisorona voalaza ao amin’ny Eksodosy 19 :5 no maha Firenena voatokana ny Isiraely ka hijoro ho vavolombelon’YHWH eo anivon’izao tontolo izao. Izany maha-fanjakam-pisorona ny Isiraely ambaran’ny Eksodosy izany no ampiharin’i Petera amin’ny Kristiana koa ao amin’ny I Pet.2 :5,9 ampit. Apok.1 :6 ; 5 :10 ; 20 :6. Ny fiainan’ny mino andavanandro no tiana hambara amin’izany sy ny fanatanterahan’ny vita batisa rehetra ny asa tandrify azy tsirairay ao amin’ny Fiangonana.

Hita arak’izany ary, fa raha miresaka sy mampianatra ny fisoronan’ny mino i Lotera dia tsy milaza hoe afaka hanao batisa sy hampandray ny Fanasan’ny Tompo koa ny olona rehetra, na sanatria manao tsinotsinona ny ministera manokana izy, fa izay toherin’i Lotera indrindra amin’izany dia ny fanamparam-pahefana nataon’ny Papa ka nandraisany ny andraikitra rehetra tokony hataon’ny vahoakan’Andriamanitra hatramin’ny fahalalana ny tenin’ Andriamanitra, ny fahafahana mivavaka mivantana amin’ Andriamanitra Ray sy Zanaka ary ny Fanahy Masina, ny fivarotana ny famelan-keloka izay efa nataon’i Jesosy maimaimpoana tao Kalvary, ny fitaomana ny vahoakan’ Andriamanitra hitady famonjena amin’ny ezaky ny tenany sns…

Ny fametrahana ny vahoakan’Andriamanitra amin’ny toerana tandrify azy eo anatrehan’Andriamanitra amin’ny fiainany eto an-tany no tena tian’i Lotera hahatongavana fa tsy ny fanaovana tsinontsinona ny Ministera manokana akory. Manamarina izany ny Konfesiona Aogostana XIV sy ireo tenin’Andriamanitra izay mametraka tsara ny toeran’ny Ministera manokana toy ny Asa 20 :28 sns.

Anisan’ny fikendrena amin’ny Ministera manokana koa ny mba hisian’ny fahamendrehana sy ny filaminana ao amin’ny fanompoam-pivavahana (I Kor.14 :40), izany hoe mba tsy ho lasa raban-tsahona ny raharaha ao amin’ny Fiangonana dia misy izay nampianarina manokana sy notendrena manokana ho mpitarika. Anisan’ny tena kendrena amin’ny fisoronan’ny mino dia ny hahatonga ny vahoakan’Andriamanitra hijoro ho vavolombelona eo anivon’ny fianakaviana, eo amin’ny sehatry ny asa isan’andro, amin’ny namana, any an-dakilasy ho an’ny mpianatra. Amin’ny toerana maro samihafa misy azy, ny mino no manambara ny fideràna an’Andriamanitra Izay niantso antsika hiala tamin’ny maizina ho amin’ny fahazavana mahagaga ao amin’ny Fanjakany (I Pet.2 :9).

Ny fisoronan’ny mino anefa dia mila ny fanohanan’ny ministera manokana amin’ny fanofanana matanjaka sy marina araka ny Soratra Masina mba hahazoany hijoro ho tena vavolombelon’i Jesosy sy ny famonjeny marina.

Ny Ministera manokana koa anefa dia mila ny fisoronan’ny mino amin’ny fanohanana maro samihafa arak’izay ambaran’i Paoly Apostoly hoe : “Raha izahay namafy izay zava-panahy ho anareo, dia zavatra lehibe va raha mba mijinja izay anananareo araka ny nofo kosa izahay ?” ( I Kor.9 :11).

Mifameno sy mifanohana ireo ary ampifandraisin’ny fitiavana. Ny Pastora dia manompo ny fisoronan’ny mino amin’ny alalan’ny fitoriana ny teny sy ny fizaràna ny Sakramenta. Ny fisoronan’ny mino indray dia manompo ny namany tahaka ny nanompoan’i Jesosy antsika.

Ny Reformasiona nataon-dry Lotera tamin’ ny taonjato faha-16 no niteraka ireo vatofantsika enina ireo. Matetika dia lazain’ny olona fotsiny izany fa tsy azony ny dikany sy ny antony ary izay maha izy azy ireo vatofantsika ireo. Midika ho tsy fahalalana feno ny maha Loterana koa izany.

FAMARANANA

Manam-pifaliana sy fahasambarana anaty isika Katekista sy Evanjelistra eo am-panatanterahana ny asa fanompoana an’ Andriamanitra, noho ny fahafantarantsika izay inoantsika, ka tsy kivy na ketraka eoanoloan’ ny zava-manahirana rehetra.

Tsy miova sady tsy azo ovàna ny Foto-pinoan’ ny Fiangonana, satria tsy miova ny Tenin’ Andriamanitra iorenany. Ho sarobidy amintsika ny mihazona izay maha izy azy antsika nefa tsy ho zavatra kely amintsika ny fiaraha-miasa amin’ny hafa. Ho tandrovintsika tokoa ny fototra maha LOTERANA antsika nefa mivoatra hatrany kosa ny fomba entintsika Fiangonana maneho sy manazava io finoantsika io, noho ny fandrosoan’ ny asa fikarohana teolojika izay tsy azontsika avela satria miantoka ny fahavelomantsika izany..

Mpampianatra ianareo Katekista. Noho izany, azo indramina ihany koa izay voalazan’ny Konfesiona Aogostana ka iantsoana sy ampaherezana koa anareo ny hoe: “Tokony tsy havela hanao ny asan’ ny Katekista ny olona iray raha tsy farafahakeliny mahalala sy manaiky am-pinoana tokoa izay voarakitra ao anatin’ireo Fanekem-pinoana Loterana ireo izy”. Aza mba ho zaza-bodo amin’ny fahalalana izay inoanaoàry, raha amin’ny lolom-po dia aoka ho zaza-bodo aza, fa amin’ny fahalalana izay inoanaoambaran’ireo Fanekem-pinoana Loterana ireo kosa dia aoka ho lehilahy tokoa (ampitahao 1 Kor 14:20).

Ho an’ Andriamanitra irery ihany anie ny voninahitra. Amena.

Pastora RATEFIARIVONY Jacques Audaces

Mpitatsoratsy ny SPAnta –  Mpitondra fileovana Anosibe SPAnta

share