RAFITRY NY FLM

Maro tokoa ireo karazana rafitra izay itondrana ny Fiangonana toy ny :

  • Ny Rafitra Kongregasionalista
  • Ny Rafitra Presbytero‐Synodaly
  • Ny Rafitra Episkopaly
  • Ny Rafitra Synodaly

Fa izay resahantsika eto dia ny Ny Rafitra Synodaly, izay rafitra ho an’ny FLM manokana:

Inona izany rafitra Synodaly izany?

Ny hoe: Synoda dia avy amin’ny teny Grika hoe: “συνοδία”, izay ahitana ny hoe: “συν” (“with, together with”= miaraka) sy ny hoe: “’οδός” (“a way, road”= làlana). Izany hoe, ilazana vondron’olona izay miara‐dàlana ity teny ity. 
Misy ihany koa mpandinika izay milaza fa avy amin’ny teny hoe: “συν” sy ny hoe: “οδός” (“seuil de la maison”= varavarana) ity teny ity ka izany no nahatonga azy ho nanondroana fivoriana na fiombonana manapakevitra.
Azo ampifandraisina ireo hevitra roa ireo satria asehon’ireo ny foto‐kevitra izay hita sy raketin’ity Rafitra Synodaly ity, izay azo faritana ho fiombonana na fiarahana midinika eo amin’ny mino mba handraisana
fanapahan‐kevitra mikasika ny fiainan’ny Fiangonana. Maneho ny fiombonan’ny mino rahateo izany amin’ny fanatanterahana ny misionany sy amin’ny maha mpisorona azy.

Araka izany, izay anisan’ny mampiavaka azy ity dia ny fandraisana anjara feno ataon’ny sokajy samihafa ao amin’ny Fiangonana. Rafitra demokratika kokoa, izay ahitana ny fandraisan’ny Fiangonana manontolo anjara amin’ny fitondrana ny raharahany. Izany fandraisana anjara izany dia miseho amin’ny alalan’ny fanendrena na fifidianan’izy ireo ny solon‐tenany eo amin’ny Rafitra mpanapa‐kevitra ao amin’ny Fiangonana. Anisan’izay mampiavaka ity Rafitra Synodaly ity izany.

Marihina anefa fa samy mampiasa ity teny ity avokoa ny Fiangonana rehetra. Na dia izany aza, dia samy hafa be ihany ny famaritana izay hita amin’izany. 
Ho an’ny EKAR, izay mampihatra ny Rafitra Episkopaly, ny hoe: Synoda dia entina ilazana ny fihaonam‐ben’ireo Eveka sy ny Pretra mba handinika ny fiainam‐panahin’ny kristiana ao aminy, hanamafy ireo lalàm‐piangonana ho fanitsiana ny tsy mety ary hampandrosoana ny fiainambavaka sy ny fanarahana ny Fiangonana.

Ao amin’ny Fiangonana Protestanta kosa, dia entina ilazana ny fivoriam‐ben’ny mpitondra fivavahana sy ny Laika amin’ireo Fiangonana mitovy sata misy eo amin’ny faritra iray ny Synoda, izay fahefana mandinika sy manapaka ireo hevitra fototra hitondrana ny Fiangonana sy ny asa izay hotanterahiny. Izany dia miorina indrindra amin’ny fitovian‐jo sy adidy eo amin’ireo samy fiangonana, ny samy Pastora, ary ny samy laika.

Fa inona moa no maha izy azy ity Rafitra Synodaly ity ?

a) Eo amin’ny fandraisana fanapahan‐kevitra

Matetika, raha vao ny teny hoe: Synoda no resahina, izay tonga ao antsain’ny maro ao amin’ny Fiangonana avy hatrany, dia ny Filohan’ny Synoda. Vokatr’izany, dia tsy mahagaga raha toa ka maro no tsy mahalala na diso hevitra ny amin’izay maha‐izy azy ny Synoda, eny fa na dia ny mpitondra sasany eo amin’ny Fiangonana aza.
Ao amin’ny Rafitra Synodaly anefa ny atao hoe: Filoha na “Président” dia olona izay napetraka hitarika ny asan’ny Fiangonana sy hanatanteraka ireo fanapahan‐kevitra rehetra; mamporisika sy manaramaso ny fanatanterahana azy.
Izay mampiavaka ity Rafitra Synodaly ity amin’ireo Rafitra hafa dia hita eo amin’ny fomba fandraisana fanapahan‐kevitra, izay mipetraka amin’ireo Komity samihafa isan’ambaratonga eo amin’ny Fiangonana. Izany
Komity izany dia ahitana ny fandraisana anjaran’ny loholona sy ny mpanao raharaham‐piangonana. Izany hoe, tsy ny Eveka na ny Filohan’ny Synoda na ny mpitarika irery no manapaka izay raharaha hatao sy hotanterahina
fa ny Komity. Ny fomba fanorenana ny Komity dia miainga avy amin’ny fifidianana na fanendrena, izay ataon’ny Fiangonana tsirairay isa‐toerana, ireo olona izay hisolo tena azy eo amin’ny fitondrana ny Fiangonana.

b) Eo amin’ny fomba fiasa

Eto no tena ahitana ny fiombonana eo amin’ny Fiangonana, ka ahitana ny maha‐Synoda araka ny famaritana izay efa nomena tany aloha. Eo amin’ny fomba fiasa ankapobeny, dia iombonana ny fitsipika mifehy, ny Litorjia
ampiasaina ao amin’ireo Fiangonana mambra ao amin’izany Synoda izany.
Eo amin’ny fampandehanan‐draharaha ankapobeny ao anatin’ny Fiangonana kosa dia mipetraka amin’ny fiombonan’ny mino ihany koa. Ohatra iray amin’izany resaka tetibola izay zaraina amin’ny Fiangonana tsirairay.
Voakasika amin’izany tetibola izany ny raharaha mahakasika ny ara‐bola, toy ny karama na fiveloman’ny mpiasa sy ny mpanao raharaha mba hahalavorary ny andraikitra napetraka tamin’izy ireo. Ao koa ireo asa izay
iombonan’ny isan’ambaratongampitondrana. 
Eo amin’ny faharetan’ny fotoana izay itondrana indray, dia voafetra ny ao amin’ity Rafitra Synodaly ity, fa tsy tahaka ny ao amin’ny Rafitra Episkopaly izay maharitra mandrapahatongan’ny fotoana fisotroan‐dronono.

Raha lazaina amin’ny fomba tsotra ary izay maha‐izy azy sy mampiavaka ny Rafitra Synodaly dia ny fandraisana anjaran’ny Fiangonana amin’ny fitantanana ny raharahany rehetra, amin’ny alàlan’ireo solon‐tena voafidiny mandritra ny fotoana voafetra. Ka amin’izany, ny fanapahan‐kevitra rehetra izay raisina, ny asa samihafa izay tanterahina dia vokatry ny fifampidinihana teo amin’ireo sokajin’olona samihafa ao amin’ny Fiangonana (Laika sy “Clergés”) izay voafidy ho solon‐tenan’ny mino rehetra.

Ny tsara ho marihina ihany eto am‐pamaranana dia izao: tsy ny anarana fiantsoana ny mpitondra eo amin’ny Fiangonana toy ny hoe : Président na filoha/ Eveka na Bishop, akory no maha‐Synodaly na Episkopaly ny Rafitra iray, fa miankina indrindra amin’ny fomba fandraisana fanapahan‐kevitra eo amin’izany Rafitra izany.

Araka izany dia tsy maintsy ho fantatra ny hoe: Iza eo amin’ny Fiangonana no mpanapa‐kevitra izay hotanterahina amin’ny fandavorariana ny misionany, izay antom‐pisian’ny Rafitra eo amin’ny Fiangonana?

Ireo ary ireo karazana Rafitra eo amin’ny Fiangonana, koa mipetraka ny fanontaniana hoe : 
Rafitra inona marina no ampiharina eo amin’ny F.L.M ? Na koa ny hoe : tena mipetraka amin’izany Rafitra Synodaly izany ve ny F.L.M ?

Samy afaka mandinika sy mamaly izany isika tsirairay avy.

Pastora ANDRIAMIHARIMANANA Fidiniaina Berthier

share