Tao Toamasina no nisy ny asan-dranomasina voalohany tato amin’ny FLM tamin’ ny alalan’ ny LAMM (Lutheran Advocates for Maritime Ministry ) ny Aogositra 1990. Foto-drafitr’ asan’ ny SPTm manokana io niarahana tamin’ ny LAMM io ary io amin’ ny sary io no nanomboka izany niaraka tamin’ ny kristiana tao amin’ ny SPTm.

Niorina tamin’ ny taona 1995 indray ny AMLT teo amin’ ny sehatra nasionaly tamin’ ny alalan’ ny fahatongavan’ ny Sailors Society tato amin’ ny FLM araka ny fanapaha-kevitry ny KMSL tany Ambovombe Androy
Ny AMLT dia Asa Misiona Loterana amin’ ny Tatsambo mitory ny Filazantsara amin’ ny mpiasan-dranomasina sy ny ankohonany ary voarakitra amin’ izany ny fikolokoloam-panahy atao amin’ izy ireo. Manao asa sosialy amin’ izy ireo koa ny AMLT amin’ ny alalan’ ny fanampiana ireo tatsambo tsy an’ asa amin’ ny fikarakarana ny antota- taratasin’ izy ireo mba ho voaray hiasa hahafahany mamelona ny ankohonany. Mitady mpanohana eto an-toerana sy any ivelany ho an’ ny mpanjono ihany koa ity sampan-draharaha ity mba hahafahan’ izy ireo mahazo fitaovam-panjonoana tsara sy manara-penitra mba hahazoana vokatra tsara kalitao sy betsaka. Ao anatin’ izany koa ny fitadiavana mpanohana ny fianaran’ ny zanaky ny mpiasan-dranomasina tsy afaka miasa intsony ny raim-pianankaviana noho ny antony manokana

Sarobidy ny asan-dranomasina satria mpiasan-dranomasina mpanarato no nantsoin’ i Jesosy ho mpianany voalohany sy hitory ny Filazantasara araka ny Mat 4:19-20 » Dia hoy Jesosy taminy: Andeha hanaraka Ahy fa hataoko mpanarato olona ianareo. Dia nandao ny harato niaraka tamin’ izay izy ka nanaraka Azy ». Tsy misalasala isika ny milaza ny maha-zava-dehibe ny asan-dranomasina satria 90% ny entana ilain’ ny mponina amin’ ny fiainana andavanandro dia miankina amin’ ny fitaterana an-dranomasina daholo. Ny firenena iray dia mampiditra entana avy any ivelany ary manondrana entana mankany koa. Tsy ny mpiasan-dranomasina ihany anefa no velomin’ ny asan-dranomasina fa iankinan’ ny fandrosoan’ny firenena koa ary mendrika ny hanohanantsika ity sampan-draharaha ity izany.
