FANAMAFISANA NY TOROMARIKA ARA-PAHASALAMANA NOHO NY COVID-19

FANAMAFISANA NY TOROMARIKA ARA-PAHASALAMANA NOHO NY COVID-19

A) Inona avy ny toetran’ity tsimokaretina Covid-19 ity ?

  • Tsimokaretina tsy hita maso ary tsy mandeha irery fa tsy maintsy manaraka zavatra , ohatra : tànana, akanjo, vola, seza, poignet -mbaravarana, na poignet-na fiara, sns
  • Afaka mitoetra velona ivelan’ny tenan’olombelona mandritry ny ora maromaro ary mety andro vitsivisty mihitsy ny Covid-19, izany hoe mety misy Covid-19 velona daholo na vola, na varavarana, na téléphone, na poketra, na kiraro, sns
  • Na dia mbola tsy misy fambaran’aretina aza ny olona iray dia efa mamindra raha toa ka mitondra ny tsimokaretina izy satria ao aorian’ny 10-14 andro vao mety hitranga ny fambara ;
  • Ny fambara na symptômes mety ho hita dia : Mafana hoditra, harerahana, koha-maina, misy marary ny tratra, sempotra tsy afaka miaina tsara izay mihasarotra rehefa mihombo ny aretina, tsy maheno tsiro-kanina sy fofona, mety harary ny loha ,ny kibo, ny vanintaolana, manakotsako ny hozatra rehetra, mety mandoa sy
    mivalana aza indraindray !Toa ho voan’ny gripa koa ; Mety koa sempotra tampoka na misy marary tampoka tsy ampoizina ny tratra ;

B) Inona ary ny fepetra tokony arahina ? « Arovy ny tenanao, arovy ny hafa manodidina anao »!!!


1.Mijanona ao antrano raha mbola azo atao ;
2.Raha tsy maintsy mivoaka mandeha miasa, na miantsena, na mankany amin’ny banky, na birao hafa dia :


  • Manaova arotava izay manarona ny orona sy ny vava mandritry ny fotoana maha any ivelany anao
    Manasà tanana matetika amin’ny rano sy savony raha amin’ny toerana ahitàna izany ; Asio Gel hydroalcoolique foana tsy misaraka aminao any anaty paosy na poketra na kitapo na aiza na aiza alehanao ary ampiasao isaky ny : mikitika vola, mikitika zavatra avy amin’ny olona( taratasy, stylos, boky, gazety), mamoha varavarana-birao na fiara, miditra na mivoaka amin’ny toerana iray( mpivarotra, pharmacie, grande surface,
    sns)
  • Hajao ny elanelana 1m amin’ny olona iray na aiza na aiza : taxi-be, taxi-brousse, filaharana samihafa, any am-piangonana, any an-tsena, amin’ny fivoriana samihafa tsy mihoatra ny olona 50.
    Fadiana ny lanonana mahavory vahoaka ka hifaneraserana akaiky
    Fadiana ny fifandraisan-tanana sy ny fifanorohana

3.Rehefa tonga ao antrano avy nivoaka indray:

  • Asio koveta na serpillère misy rano sy eau de javel eo ambaravarana ka hitsahina
  • hanadiovana ny ambany ny kiraro na kapa(semelle) ;
  • Esory ny arotava, tonga dia ariana any amin’ny dabampako raha « à jeter », ary tonga dia atao anaty koveta misy ranontsavony raha lamba, sasàna ary pasohina ambadika sy ambadika rehefa maina ;
  • Tsara raha vao aty ivelan’ny trano dia esorina ny kiraro sy ny lamba fitafy ivelany, avy eo esorina ny akanjo nanaovana rehetra dia raha afaka mandro dia mandro avy hatrany, raha tsy afaka dia sasàna maharitra amin’ny rano sy savony ny tanana vao mikasika ny zavatra ao antrano ; Raha handray zaza dia aleo mandro tanteraka ary manao akanjo madio aloha ;


4.Toromarika ankapobeny :

  • Rehefa mikohaka na mievina dia mikohaka na mievina ao amin’ny lanton-tsandry na anaty mosara à jeter izay ampiasaina indray mandeha ihany ;
  • Mihinana sakafo manome hery raha azo atao , indrindra ny voankazo
  • Atao ampy ny torimaso, tsy miari-tory firy ;
  • Manao mafana tsara indrindra amin’izao ririnina izao
  • Misotroa rano matetika ka ny rano mafana no tena tsara( dité, ranonampango, rano matavy, ron’anana na izay misy) ; raha azo atao dia isaky ny 15mn misotro kely hatrany.
  • Sasao matetika amin’ny ranon-tsavony na gel désinfectant ny zavatra kitihinao matetika : telefônina, télé-commande, lakile, poketra kely , sns ;
  • Aza avela kitihin’olonkafa ireo zavatrao voatanisa eo ambony ireo , torak’izany koa ny ordinateur-nao ;
  • Manaova evoka isan’andro fa mahasoa anao izany, na evoka amin’ny
    ranomangotraka fotsiny na asiana goutte d’huiles essentielles na ravintsara tsotra izao ;

5.Hafatra ho antsika Zanaky ny FLM :

  • Hajao ireo toromarika rehetra ireo ary andraikitry ny tsirairay ny fanatanterahana izany na ireo Raiamandreny mpitarika ( Pastora, Filohan’ny Sampana samihafa), na isika Kristiana rehetra
  • Ny trano Fiangonana dia tokony handrarahana désinfectant aloha sy aorian’ny fotoam-pivavahana iray ;
  • Ny dabilio dia tokony voadio sy voararaka désinfectant koa
  • Asiana koveta na lamba misy rano sy eau de javel ny varavarana idirana rehetra
  • Aza adino ny arotava (masque) sy ny elanelana 1m
  • Mitondrà foana Gel Désinfectant any aminao ;
  • Zava-dehibe ny fandraisana ny anarana sy ny adiresy ary ny nomerao telefônin’ny mpiara-miavavaka na misoratra anarana mialoha any amin’ny Pastora na izay birao miandraikitra izany ;

6.Hafatra hoantsika mpiasan’ny SALFA :

Andraikitsika mpitsabo ny mampianatra tsy sasatra ny olona mba hanarahany ny toromarika ara-pahasalamana rehetra ;

Mangataka amin’ny Pastora Mpitondra Fitandremana rehefa avy miresaka amin’ny Raiamandreny Filohan’ny Synoda mba hahazo fotoana ampitaina ny toromarika hoan’ny Kristiana mpiara-mivavaka isaky ny fotoamapivavahana  ary manara-maso ny fanatanterahana ireo toromarika ireo ;

Mampihatra antsakany sy andavany ny toromarika sy fepetra ara-pahasalamana rehetra manoloana izao valan’aretina Covid-19 izao ;

Miara-miasa akaiky amin’ny Médecin Inspecteur sy izay fitondram-panjakana mahefa eo an-toerana amin’ny fandaminana amin’ny tranga rehetra .

7.Hafatra hoantsika rehetra :


Raha misy mampanahy dia aza misalasala manontany mpitsabo fa hanoro hevitra anao izy ;
Ary, farany nefa ny lehibe indrindra dia « Mivavaha ka aza mitsahatra ! » I Tes 5 :17

SALFA – Sampan’Asa Loterana momba ny Fahasalamana

share