Apok.1.7b « … ary hitomany Azy ny firenena rehetra ambonin’ny tany. Eny, Amena.”

Zava-dehibe amin’ny fiainana maha-kristiana ny fahafantarana ny antom-pisian’ny fiainana maha-kristiana. Jesosy Kristy tonga nofo niditra teo amin’ny fiainantsika no ivon’izany fiainana maha-kristiana izany, ary Izy no mitondra antsika ho amin’ny làlam-pahasambarana ho amin’ny fiainana mandrakizay. Anatin’izany anefa fiainana maha-kristiana izany anefa dia misy ny fanenjehana satria tsy mora izany mizotra amin’ny làlana ho any amin’ny fiainana mandrakizay izany. Efa nanambara izany Jesosy tenany fa « Raha misy olona ta-hanaraka Ahy, aoka izy handà ny tenany sy hitondra ny hazo fijaliany ka hanaraka Ahy.” Mat.16.24

***𝐅𝐈𝐓𝐀𝐑𝐈𝐇𝐀𝐍-𝐓𝐄𝐍𝐘 𝐁𝐎𝐊𝐈𝐍’𝐍𝐘 𝐀𝐏𝐎𝐊𝐀𝐋𝐈𝐏𝐒𝐘***

Tantara efa niseho taloha ny voalaza ao raha ny fomba nanoratana azy no jerena, manan-kolazaina momba ny fiainana ankehitriny koa anefa ny bokin’ny Apokalipsy ary indrindra ny amin’ny fiainana ho avy koa. Misy koa ny milaza fa mitodika amin’ny ho avy fotsiny ny boky kanefa rehefa raisina ny boky manontolo dia mitondra fampaherezana ho an’ny Kristiana. Na mandalo fanenjehana sy fitsapàna mafy aza ny Kristiana amin’ny maha-kristiana azy, na dia manapatra ny heriny aza satàna dia tsarovy fa misy fetrany izany rehetra izany fa tsy maintsy mandresy Andriamanitra. Mampahery ny Kristiana tsy ho kivy ary tsy hiala amin’ny fahasoavan’Andriamanitra ny boky ka hihazona hatramin’ny farany ny famonjena izay efa nataon’Andriamanitra ho azy tamin’ny alalan’i Jesosy Kristy. Andriamanitra irery ihany no tompon’ny teny farany ka hampandresy miaraka amiNY ny kristiana izay mitazona izany fahasoavana sy famonjena izany.

Ny teny hoe Apokalypsy (fr, apocalypse) dia avy amin’ny teny grika hoe « apocalypten » izay midika hoe « manala saro-tava » ary adika malalaka hoe « manambara na mampiseho ». Ezahana noho izany ny manambara sy mampiseho ny hevitr’Andriamanitra marina amin’ny alalan’ity Boky ity. Na dia milaza ny zava-misy tamin’ny fotoana nanoratana azy aza ny boky dia milaza ihany koa fa efa akaiky ny farany. Ambarany fa miharatsy izao tontolo izao izay anjakan’ny satana ary ny ratsy dia manjaka amin’ny alalan’ny fiainana ny faha-jentilisàna. Anatin’izany no anenjehan’ireo jentilisa ny mpino kristiana mpankatoa an’Andriamanitra ka ampahoriany azy. Koa mampahery ireo Kristiana mpanara-dia an’i Jesosy amin’ny alalan’izao taratasy izao Jaona Apostoly. Nosoratana indrindra izao ho fampaherezana ny Fiangonana fito tany Azia Minora eo anatrehan’ny fanenjehana.
– Ny Fiangonana any Efesosy dia ampaherezina mba hanana fitiavana, hiorina sy hiaina amin’izany fitiavan’Andriamanitra izany, dia ilay fitiavana voalohany izay efa nitiavan’Andriamanitra azy.
– Ny Fiangonana any Smyrna dia ampaherezina mba hanana faharetana tsy ho kivy na ho ketraka ary haharitra hatramin’ny farany amin’izay fiainana maha-Kristiana.
– Ny Fiangonana any Pergamosy dia entanina mba tsy ho tratry ny fanompoan-tsampy ka hiala amin’Andriamanitra marina.
– Ny Fiangonana any Tyatira dia ampaherezina mba tsy ho tafalatsaka amin’ny fijangajangàna satria anisan’ny zavatra manimba ilay toetra maha-Zanak’Andriamanitra izany.
– Ny Fingonana any Sardisy dia ampaherezina mba hiambina hatramin’ny farany.
– Ny Fiangonana any Filadelfia dia ampaherezina mba hitandrina ny Teny izay efa nomena azy fa izany teny izany no anisan’ny mampiorina ny fiainana amin’ny maha-Kristiana.
– Ny Fiangonana any Laodikia dia ampaherezina sy ampirisihina mba hazoto hibebaka.
Mampahafantatra ny mino ny bokin’ny Apokalypsy fa tsy ho foana ny fanoloran-tena atao ao amin’i Kristy. Amin’izany fanoloran-tena izany no ananan’ny mino fiainam-baovao hahatonga azy hahatsapa ny hasarobidin’ny fiainana maha-Kristiana izany satria homena azy rehefa maharitra amin’ny finoana izy ny lanitra vaovao sy tany vaovao. Mialohan’izany fotoana izany dia tsy maintsy hisy ny fitsaràna, ireo mpanao ratsy dia hotsaraina araka ny asany, toy izany koa ireo tsy maharitra amin’ny finoana.

***𝐕𝐎𝐓𝐎𝐀𝐓𝐈𝐍’𝐍𝐘 𝐋𝐀𝐇𝐀𝐓𝐄𝐍𝐘***

Mampieritreritra ny lahateny « ary hitomany Azy ny firenena rehetra ambonin’ny tany. Eny, Amena.” Ranomasom-pifaliana noho ny fahitàna ny famonjen’i Jesosy sy ny fiaviany sa ranomasom-pahoriana noho ny loza mitatao? Hojerentsika ny fandehan’ny tantara ao amin’ny boky hamaliana izany fanontaniana izany. Azo lazaina fa vokatry ny fanenjehana ny Kristiana tamin’izany no antony nanoratana ity boky ity. Ampeherezina ny mino fa tsy tokony hihemotra na hamoy fo ny Kristiana na dia misy aza ny fanenjehana sy ny fampijaliana ary ny fahafatesana martiora. Tsy maintsy mandresy Andriamanitra. Miverimberina anatin’ny teny faneva ny hoe “izay maharesy” mba entina mampahafantra ny Kristiana fa raha mihemotra izy, na kivy izy, na miala amin’ilay fahasoavan’Andriamanitra izy dia midika ho faharesena izany. Tsy eo an-tanan’Andriamanitra ny fiainan’ny resy fa anjakan’ny Satana izay mamatotra sy mangeja, tsy ho tanteraka ao amin’ilay lanitra vaovao sy tany vaovao ary tsy ho isan’izay hiombon-dova amin’i Kristy. Mila fananarana sy fampaherezana ny Fiangonana noho izany satria anisan’izay nanahirana teo amin’ny fiainan’ny Fiangonana ary mila tsy ho zakan’ny Kristiana ny fitenenan-dratsy izay nataon’ny Jiosy taminy. Eo ankilany anefa ny fanenjehana izay nataon’ny Jentilisa ary voalaza ao amin’ny boky mihitsy ny fisian’ny seza fiandrianan’ny Satana ary nisy ny Kristiana maty martiora. Ny toe-javatra tahaka izany dia mahatonga ny olona hanontany hoe “Mbola ao ve Andriamanitra, Mbola miasa ve Izy, Mba mahita ny fiainanay ve Andriamanitra, Nahoana izahay no iharan’izao fampijaliana izao?” ary mety hahakivy azy. Fakam-panahy ho an’ny Kristiana izany ary nisy mihintsy ireo niala amin’izany maha-Kristiana izany. Nisy koa ny fampianaran-diso izay tafiditra tao amin’ny Fiangonana, anisan’izany ny fampianaran’ny Nikolaita izay nanome alalana ny Fiangonana hihinana ny sakafon’ny fanompoan-tsampy sy hijangajanga. Izany fampianarana izany no nolazainy fa marimaritra iraisana ho fijanonana amin’ny maha-Kristiana no sady fanatanterahana ny fanaon’izao tontolo izao ka tsy hiharan’ny fanenjehana sy fampijaliana. Tsarovantsika anefa: tsy misy marimaritra iraisana amin’izao tontolo izao ny maha-Kristiana, tsy misy marimaritra iraisana toy izany ny fiainana miaraka amin’Andriamanitra fa rehefa “ENY” dia “ENY” rehefa “TSIA” dia “TSIA”. Ilaina ny faharetana noho izany fa izay maharitra hatramin’ny farany no hovonjena. Ny maharesy dia izay maharitra mitazona ilay famonjena efa noraisiny na dia misy aza ny fanenjehana. Mila fampaherezana ny Kristiana fa tafiditra ao amin’ny fiainan’ny Fiangonana tokoa ny fangatsiaham-po na dia ambara aza fa saro-piaro amin’ny fampianarany ny Fiangonana. Ny Fiangonana tao Efesosy dia efa nandao ny fitiavana voalohany, ny Fiangonana tany Smyrna dia nanana anarana velona kanjo maty ihany, ny Fiangonana tany Laodikia dia sady tsy mangatsiaka no tsy mafàna. Tsara lavitra anefa ny ao amin’ny Jesosy Kristy ary tsy misy maharombaka izay Azy. Ny Kristiana velon’ny finoana dia manana an’i Kristy Jesosy ho modely eo amin’ny fiainany, alaivo ho fianarana ho antsika koa izany. Fa izay tomany eto amin’ity fiainana ity dia ho faly tokoa any amin’ilay fiainana mandrakizay, hody fifaliana ny fahorianareo hoy Jesosy.

Ry havana, zavatra lalovan’ny Fiangonana ankehitriny koa izany toe-javatra izany noho ny fiainany ny maha-Kristiana azy. Mety hisy ny hametra-panontaniana hoe aiza ianao Jesosy ? Nahoana ianao no tsy manampy anay amin’izao toe-javatra misy iainanay izao ? Mety halaim-panahy hilaza hoe aiza Andriamantira amin’izao areti-mandringana izao ? Nahoana no tsy miasa Andriamanitra ? Ny zavatra tokony ho tsarovantsika dia izao : ny ijoroantsika hatramin’ny farany ny amin’ny efa nanorenan’Andriamanitra ny fahasoavany ho famonjena antsika ka andraisantsika an’i Jesosy ho Tompo sy Mpamonjy eo amin’ny fiainantsika. Mila miorina sy miatrika ny ady lalovantsika isika manoloana ny toe-javatra maro. Ny asan’i Jesosy araka ny fampianaran’ny Apostoly Jaona dia voalohany manome voninahitra an’Andriamanitra, ary toy izany no tokony fiainan’ny Kristiana na dia anaty fanenjehana sy toe-javatra samihafa aza. Ny asan’i Jesosy faharoa dia asa fanafahana antsika sy hamaha ny fatorana eto amin’izao tontolo izao. Fahatelo, ny asan’i Jesosy dia manome fiainana : « Izaho avy mba hananany fiainana, sady hananany be dia be.” Anisan’ny tanjona amin’ny fampaherezana voalazan’ny Boky ny fanomezana fiainana ho an’izay mino.

***𝐅𝐄𝐇𝐈𝐍𝐘***

Hitomany sy hidradradradra ireo firenena izay tsy nandray Azy, izay nanenjika ny Kristiana, ireo izay tsy naharitra hatramin’ny farany. Ranomasom-pahoriana no anjarany. Misy fetrany ny ratsy atao. Izao andro iainantsika izao no androm-pahasoavana, ny faharetana no ialàna amin’izany ranomasom-pahoriana izany.

Ny faharetana dia ny ahatsapantsika indrindra fa ao amin’i Kristy irery ihany no manana ny hery handresy ny herin’ny ratsy. Maharitra izay mirafitra amin’i Jesosy fa hoy Izy « Izay miray amiko, ary Izaho aminy, dia mamoa be izy; fa raha misaraka amiko kosa ianareo, dia tsy mahay manao na inona na inona.” Manana planina hitondra fiadanana Andriamanitra, tsy planina henjana fa hanohizany ny fiadanana amin’ny alalan’ny fibebahana ataon’ny olona. Voalazan’ny tantara ny nisian’ny fahoriana, ny isiany ary ny mbola hisiany, manao antso avo i Jaona fa Andriamanitra dia manana ny fomba entiNY mampandresy ny mpino Azy. Ny Kristiana rehetra dia tokony ho sahy hijoro amin’ny finoany ka tsy hatahotra na dia misy aza ny fampihorohoroana ary hibanjina ny anton’ny fanantenana. Ny antom-pahaveloman’ny Kristiana dia ao amin’i Jesosy Kristy. Ny fiombonana amin’ny Tompo no hahazoana fandresena ary ny fandresena no hahazoana ny satroboninahitra.

Ny fiainan’ny Kristiana dia tokony arak’izay voasoratra ao amin’ny bokin’ny Eksodosy, Eksodosy vaovao: mandalo amin’ny fahafatesana ho amin’ny fiainana, mamakivaky ny tany karakaina, misedra hanoanana, kanefa Andriamanitra ihany no miahy azy ary mampiditra azy ao amin’ilay tany nampantenaina. Izay maharitra hatramin’ny dia ho faly satrai vita teto ny fiazakazahany, ny fijaliany, ny fahoriany. Ho anao izay maharitra dia anisan’izay ho faly rehefa tonga Jesosy, ENY, AMEN. Vita ny adiny adiny mafy. Jesosy no tompon’ny teny farany ka mampandresy ny Kristiana naharitra tamin’ny fanarahana Azy.

Voninahitra anie ho an’Andriamanitra irery ihany.

Share