Apokalipsy 1: 9-20

Apokalipsy 1: 9-20
Raha ny momba ny Apokalipsy, ry Fiangonana malala, dia be dia be izay efa nambaran’ireo Raiamandreny teo aloha satria Toriteny fahafito izao no niantsoan’ny Tompo ahy ny amin’ity fotoana manokana izay anehoan’Andriamanitra ny fitiavany antsika. Ity Apok.1: 9 ity dia ny fisehoan’ny voninahitr’i Kristy, ary izany indrindra no andeha hatrehintsika Fiangonana amin’izao fotoa-manan-daza izao: ny hanahafantsika an’i Kristy manana ny voninahiny.
Toy ny fanoratana tantara rehetra dia nisy ireo mpandray anjara, mpandray anjara fototra amin’ireny tantara ireny. Eto amin’ity Apok.1: 9-20 ity, hoya ho, dia ny fisehoan’i Kristy tamin’i Jaona Apostoly, ka Jesosy sy Jaona izany no mpandray anjara fototraeto, ka lesona avy amin’izany no andeha horaisintsika.
Voalohany, ny Apostoly Jaona izay nahita ny fahitana, izay ambara ao amin’ny Soratra Masina fa tamin’ny andron’ny Tompo, ary misy ireo Baiboly sasany manambara mihitsy hoe: ny andro Alahady, izay manambara ny Filazantsara hitan’i Jaona tamin’ny fahitana noho ny tsindrin’ny Fanahy Masina. Ka eto Jaona dia tsy mba tahaka ny filazany tamin’ny Filazantsara fahefatra ny fliazany eto, fa eto izy dia manambara azy tenany ka manao hoe: izaho no, amin’ny Filazantsara izay ambara miharihary amintsika eto. Milaza, mijoro vavolombelona eto ity mpanompon’Andriamanitra ity izay mitaona antsika koa hanana izay toetra izay satria mahita ny voniahitr’i Kristy i Jaona ka mijoro ho vavolombelona.
Anankiray amin’izay, ry havana, izay zavatra tsy tokony hohadinointsika, ireo Raiamandreny efatry ny Tobilehibe efatra eto Madagasikara, nijoro vavolombelona noho ny niantsoan’Andriamanitra azy. Ka ny anankiray hisarihako antsika eto dia tena tokony ho voarakitra an-tsoratra tahaka izao ataon’i Jaona izao ny amin’ireo Rraiamandrenintsika izay nanorenan’Andriamanitra ny Tobilehibe efatra. Jaona eto dia milaza mazava, satria ny Tompo no miteny azy araka ny hitantsika eo amin’ny and.11: soratana, alefa any amin’ny Fiangonana, fa tsy hoe: tenenina fotsiny mba hipetraka, araka ny fahendren’ireo Raiamandrenintsika hoe: ny soratra mipetraka fa ny teny mandalo ihany. Ka zava-dehibe amin’izao fisehoan’ny voninahitry ny Tompo amintsika Fiangonana izao ny fipetrahan’ny fijoroana ho vavolombelona.
Ny Tenin’Andriamanitra eto, ry havana, dia mahavelombolo, fa mitaona antsika Fiangonana ho tahaka an’i Kristy Zanak’Andriamanitra, ary izay tokoa isika, araka ny nambaran’ireo Raiamandreny efa nifandimby teo aloha fa izay manana ny endrik’i Kristy dia zanak’Andriamanitra. Ka eto Jaona dia manambara fa namany iska, rahalahiny isika satria zanak’Andriamanitra, zandrin’i Jesosy. Noho izany, ry havana, eto dia manana fampianarana lehibe ho antsika i Jaona. Nenjehin’ny Emperora Romana satria nitory ny Filazantsara marina ary nijoro tamin’ny Tenin’Andriamanitra izay efa niantsoana sy nomena azy. Ho antsika Fiangonana koa, ry havana, dia efa ao amintsika ny Tenin’ny Soratra Masina, fa izay rehetra te-ho velona araka ny Fanahin’Andriamanitra ao amin’i Kristy Jesosy dia hohenjehina. Ary nambaran’ny Tompo fa ho amin’ny fahoriana lehibe no hidirana amin’ny fanjakan’Andriamanitra. Ka isan’ny fampianarana lehibe izay omen’Andriamanitra antsika ny amin’ity mpanompoiny ity, tao amin’ny nosy Patmo. Tsy nety nangina fa nitory ny Filazantsara, tsy nety nangina tao anatin’ny fanenjehana mavaivay nahazo ny Fiangonana sy ny Kristiana. Hany herin’ny fitondram-panjakana tamin’izay fotoana izay nanao sesitany ity lehilahin’Andriamanitra ity tany amin’ny nosikely atao hoe: Patmo, ary tsy vitan’ny hoe: sesitany ihany fa nohazonina tao am-ponja mba hahafahana miaro tsy hiteny ny Tenin’Andriamanitra. Tsy izay anefa no niseho, ry havana, fa tena Jesosy Zanak’Andriamanitra, no niseho tamin’i Jaona, izay miseho amin’ny Fiangonana koa ankehitriny. Tsy dia ataontsika mahagaga amin’izao fotoana izao raha misy ny fotoana izay hikatonan’ny Fiangonana noho ny amin’ny valan’aretina misy. Ka io ry havana, no mitaona antsika hanaraka tsara ny Tenin’Andriamanitra, fa ao amin’ny Lio.21: 11, dia nitenenan’i Jesosy fa hisy mosary, hisy ny areti-mandringana any amin’ny tany samihafa, hisy ny horohorontany, ary hisy ny zava-mahatahotra eny amin’ny lanitra. Ry havana, tsy moa manambara amintsika ny fahatongavan’ny andron’ny Tompo tokoa ve izao zavatra mihatra amintsika izao? Voafetra ny mahazo miditra ao amin’ny Fiangonana, dimampolo ihany, manao ny arotava, izany no fandaminan’ny fitondram-panjakana eto amintsika. Fa ny Tenin’Andriamanitra ao amin’ny Eks.23: 25 dia milaza Andriamanitra fa «manompoa an’i Jehovah Andriamanitrareo dia hotahiany ny ranonareo, hotahiany ny haninareo, ary esorina taminareo ny aretina». Izany, ry havana, no fanambaran’Andriamanitra amin’ny fitiavany ny Fiangonana. Ary izay no mampiteny ny Fiangonana : manompoa an’i Jehovah Andriamanitrareo, tsy ankanavaka satria Andriamanitra tsy mba miangatra, dia hesorina amintsika ny aretina. Indray mandeha, ry havana, dia nisy firahalahiana maromaro izahay niresaka; dia tsy nihambahamba ireo rahalahy izay mboloa ivelan’ny Fiangonana nitodika tamin’ny tenanay ka nilaza fa «ahoana ianareo amin’ity aretin-devoly be maneran-tany ity?». Isaorana ny Tompo fa nampahatsiaro ny Fanahin’Andriamanitra ka nampiteny hoe: fahatanterahan’ny Filazantsara izao ry rahalahy, satria ny Tompo mihitsy no efa nanambara fa hisy ny areti-mandringana maneran-tany. Zava-dehibe ambaran’ny Fiangonana ho ren-tany ho ren-danitra fa izay manompo an’i Jehovah Andriamanitra dia hesorin’Andriamanitra ny aretiny.
Ry havana ao amin’ny Tompo, taomin’i Jaona isika rahalahiny sy namany hanana ny fahavononana na dia ao anatin’ny fanenjehana ka hijoro manatrika ny fisehoan’ny voninahitry ny Tompo.
Ny manaraka amin’ity fampianarana nataon’Andriamanitra tamin’ny mpanompony, dia i Jaona ity, dia izao: mampanoratra antsika Fiangonana Andriamanitra halefa any amin’izao tontolo izao, dia ny sahan’ny fitoriana ny Filazantsara. Sao mantsy , ry havana, hisy hihevitra ny hoe: holevon’izao zava-misy izao isika, fa mandalo fanenjehana ny Fiangonana mba ho hita hoe: tena mpandresy! Ahoana moa no ahafantarana hoe: mpandresy, ry havana, raha tsy misy zavatra natrehina ka levona teo anatrehantsika izany, hahamarina fa mpandresy isika. Alao hery, ry Fiangonana malala, ny amin’izao fampianarana mivelatra eto anatrehantsika, amin’izao andro manokana, andro malazan’ny Tompo, amin’ny Isataonan’ny Tobilehibe Ankaramalaza izao, mampahatsiaro antsika tsy hangina, sao ny vato no hiantsoantso! Mampiteny antsika Fiangonana, eny na any amin’ny sesitany aza, na any am-ponja, tahaka izao misy ny rahalahinstika izao, mitenena ihany!
Anankiray ny amin’izay azo tsoahina ihany koa, ny amin’ity Soratra Masina atrehintsika ity, dia ny endriky ny voninahitry ny Tompo niseho tamin’ity fotoana ity. Voalazany eto fa ny lohany sy ny volony dia fotsy. Io moa amin’izao fotoana izao dia mba te-hiezaka mafy ny Fiangonana hitory, indrindra ho an’ny taranaka ankehitriny. Nataon’Andriamanirtra ho maitso mavana ny volo, fa ireo taranaka amin’izao, ny tanora amin’izao, indrindra ny any ivelan’ny Fiangonana: tsy ekeny izany sitrapon’Andriamanitra izany! Sitrapon’Andriamanitra ny maha-maitso volo, fa tsy eken’ny tanora ankehitriny izany. Mba tsy hitenenako zavatra maro hitantsika any ivelan’ny Fiangonana, ary idnro anaovana fanairana : ny tanoran’ny fiangonana mba tsy ho amin’izany! Fa omeo voninahitra amin’ny volo maitso Andriamanitra!
Eto isika rehetra dia tarihin’izao Tenin’Andriamanitra izao, fa ny Tompo niseho tamin’ny voninahiny dia manao akanjo fotsy lava. Akanjon’ny fahamasinana, akanjon’ny maha-zanak’Andriamanitra. Eto, ry havana, tsy amboamboarim-bava fa VOASORATRA, VOASORATRA izany zavatra izany mba hananantsika koa fitafy entina manompo an’Andriamanitra voalaza any amin’ny Salamo fa amin’ny fihaingoana masina. Mahatahotra, ry havana, toa tsy ho mpandresy ny Fiangonana amin’ny ataontsika fa ny fitafy entina miditra aty amin’ny Tempolin’Andriamanitra dia efa mila ho ampahatelon’ny Kristiana no manao fitafy tsy mba tahaka izao ambara eto amin’ny Apok.1: 9-27 izao, fa mila hivaona. Ka manao fanairana antsika mba ho tena mpoandresy, ary mba tsy ho voavono ny anarantsika araka ny ambaran’ny fanevan’ny Tobilehibe Ankaramalaza amin’izao fotoana izao.
Ny manaraka, ry havana, hiverenako kely ny amin’ny hoe: ny lohany sy ny volony dia fotsy. Mariky ny fahamatorana, sitrapon’Andriamanitra ho an’ny olona nahazo taona, olona mendrika hianaran’ny taranaka. Ny any ivelan’ny Fiangonana dia mandoko volo izy fa loko hafa. Fa ny hanairana antsika Fiangonana kosa dia izao: aleo hipetraka amin’ny sitrapon’Andriamanitra ny volo sy ny loha, ka ny fotsy ho an’izay ampy taona. Ambara maromaro ao amin’ny Soratra Masina, miverimberina ao amin’ny Ohabolana, ny filazana ny amin’ny volo fotsy: fanomezam-boninahitra an’Andriamanitra.
Mitohy ny fampianarana, fa Jaona raha nahita ny voninahitry ny Tompo, dia lavo niankohoka teo amin’ny tongotry ny Tompo tahaka ny maty. Izany no manambara, ry havana, fa voninahi-dehibe mendrika atahorana ny voninahitr’Andriamanitra eo amin’ny Fiangonana noho ny amin’ny mpanompony. Manao ahoana isika amin’ny fotoan’ny Isataona tahaka izao? Manao ahoana isika amin’ny andavanandrom-piainana? Fa ny Tompo dia efa nilaza fa tsy hanala anareo teo amin’izao tontolo izao Aho fa hiaro anareo amin’ny ratsy. Raha ny fahtahorantsika ny asan’Andriamanitra, ry havana, andeha mba handini-tena isika. Tsy hiteny aho raha tsy ny amintsika mpiandry amin’ny Tobilehibe efatra, isika vita batisa, isika mpandray ny Fanasan’ny Tompo. Raha manatrika ny asan’Andriamanitra dia andeha ny tenantsika no asiana ho mangana. Indraindray, ry havana, te-hanao nya san’Andriamanitra dia manao, tsy te-hanao dia mipetraka malalaka, nefa nanao fanekna. Nanao fanekena teo amin’ny fIraisana amin’ny Fanasan’ny Tompo, teo amin’ny fiomanana ho Diakona, teo amin’ny fiomanana ho Mpiandry, dia misy ny fanekena izay natao. Kanefa moa raka izay tokoa ve? Fa eto ny fampianaran’ny Tompo tamin’i Jaona, dia lavo niankohoka teo amin’ny tongotry ny Tompo noho ny fahatahorana ny halehiben’ny voninahitr’Andriamanitra izay naseho an’ity lehilahin’Andriamanitra ity.
Manao antso avo amintsika, ry havana, izao Teny izao: andeha manaobva ny asan’ny Tompo amin’ny fahatahorana, amin’ny fahazotoana, fa isan’ny fanenjehana anankiray izay avelantsika halalaka amintsika ange ny fahakamoana hiatrika ny asan’Andriamanitra e! Mahazo laka ny fahakamoana, ary mbola mahazo laka koa ny sitraponao amin’ny maha-olombelona. Fa eto Jaona dia manao fampianarana araka ny sitrapon’Andriamanitra: tokony ho lavo miankohoka tahaka ny maty. Ary amin’izay fotoana izay, ry havana, dai ny fitiavan’Andriamanitra amin’ny alalan’i Jesosy no mandray antsika amin’ny tanany ankavanana ka milaza: «Aza matahotra, Izaho ilay Voalohany sady Farany, dia ilay velona nefa maty, velona mandrakizay mandrakizay sady manana ny fanalahidin’ny fahafatesana sy ny fianantsihita »
Zava-dehibe izany ry havana, ilay fandehanana amin’ny tahotra ny sitrapon’Andriamanitra, ny fandehanana araka ny sitrapon’Andriamanitra, dia tena zava-dehibe amin’ny fianantsika zanak’Andriamanitra. Mijery antsika Andriamanitra ary nitaona an’i Jaona hoe « soraty » ny andininy 19 izay ilazana ny zavatra ankehitriny asehon’ny Tompo , na ny zavatra ho avy mba ho fiomanantsika . Dia ndrao aharihary sahady araka ny maha- Apokalypsy ny hoe : fanambarana : boky manala ny saro-tavan’ny zavatra tsy hita , mba hiharihary na ny miafina ankehitriny na ny ho avy dia indro lazainy fa : « soraty izay zavatra hitanao, zavatra ankehitriny na izay zavatra mbola ho avy raha hatrizay ka alefaso amin’ny Fiangonana fito ». Fitiavan’Andriamanitra lehibe izany ry havana, tsy avelan’Andriamanaitra handeha amin’ny tsy fahalalana isika ka ampanoratiny ny mpanompony ary lohany amin’izany ny Soratra Masina izay eo amintsika isan’andro isan’andro.
Mampanontany tena ry havana hoe :
– Moa ve izaho isan’ny ho afaka hiala tsiny ny hoe : tsy mahita soratra nefa ny Baiboly eo am-pelatanantsika ?
– Moa ve isika misy afaka hilaza, hanana fialan-tsiny eo anatrehan’Andriamanitra ny amin’izay efa nomena antsika : ny fampianaran’ny Fiangonana, fampianaran’ny Tobilehibe efatra, izay ao anatin’ny Fiangonana ?
Tsy tokony handosirana ny fanenjehana raha izao fampianarana izao fa tokony hiainana amin’ny Anaran’ny Tompo satria Fiangonana mpandresy isika. Ary eto ny Tompo dia manambara amin’izao Isantaonan’ny Tobilehibe Ankaramalaza izao fa tsy hamono ny anaran’ny mpandresy ao amin’ny bokin’ny fiainana.
Ry havana ao amin’ny Tompo , tsaroako ny tenin’ny Raiamandreny filohan’ny Fiangonana Loterana Malagasy tamin’ity taona ity raha nanao ilay fiombonam-bavaka izy efatra mirahalahy ka nanao antso avo tamintsika zanany indray mandeha :« Gaga antsika vahoakan’Andriamanitra aho fa misokatra ny fiangonana andosirantsika fa tsy mamonjy fanompoam-pivavahana isika, fa raha indro mikatona ny Fiangonana mitabataba sy mimenomenona toa manome tsiny an’Andriamanitra isika ». Teny tsy mba hohadinoiko ry havana izay nambaran’ny Raiamandrenintsika izay. Ankehitriny dia manao fitaomana ho antsika eo an-tanan’ny Tompo amin’izao fisehoan’ny voninahiny izao : ny fanaovan-jiro fito eo an-tanan’ny Tompo, ny kintana fito izay milaza ny fandresen’ny fiangonana ny amin ‘izay fanoherana ny asan’Andriamanitra.
Mandalo fotoan-tsarotra isika amin’izao fotoana izao ry havana, ary tsy afa- miala fa tokony mandini-tena ny tsirairay . Ny tenanao aloha dinihina tsara ho amin’ny fibebahana mba hahafahana mitondra fampianarana ho amin’ny manodidina. Izaho, ry havana, dia mijoro vavolombelona aminareo fa dia sarotra na ny fatantanana ny ankohonana amin ‘izao , fa toa samy mila handeha ho azy. Kanefa tsy avelan’Andriamanitra isika manana andriakitra eo amin’ny Fiangonana, isika manana andraikitra eo amin’ny Tobilehibe efatra , fa tsy maintsy mitondra fampianarana, ka ny sitrapon’Andriamanitra araka ny sokajy misy antsika avy. Zavatra iray mahafaly ary tena mahafaly ny fahitana ny fiombonan’ny Tobilehibe efatra ao anatin’ny Fiangonana, tsy nivoaka ny Fiangonana fa ao antin’ny Fiangonana . Na dia misy aza ny atao hoe indraindray hevitra kely tsy dia mitovy amin’ny isambatan’olona fa ny fijoroan’ny Tobilehibe efatra ao ami’ny Fiangonana no mitaona antsika ho velona araka ny sitrapon’Andriamanitra. Mampandinika ry havana , fa raha tonga ny fanambaran’ny Komitin’ny Tobilehibe Ankaramalaza niantso anay ho amin’izao toriteny faha sivy izao dia mahavelom-panantenana ny ho fandresentsika satria miombona ny Fiangonana . Tsy variana amin’ny anaram-piangonana intsony amin’izao hatongavan’ny andron’ny Tompo izao fa tena miomboana arak’ ilay teniny hoe « mba ho iray ihany izy rehetra ».
Hamarana izao tenin’Andriamanitra izao aho ry havana dia andeha isika hijoro amin’ny toky sy ny finoana nomen’Andriamanitra antsika Fiangonana. Fa Fiangoanna mpandresy ka tsy mba ho vonoin’Andriamanitra , tsy mba hohesorin’Andriamanitra ao amin’ny bokin’ny fiainana ny anaran’izay mandresy .
Aza atao mahakivy fa mariky ny fanenjehana amin’ny endriny vaovao ny zavatra iainana amin’izao fotoana izao, tsy nisy ny isantaona maromaro tamin’iny enimbolana voalohany iny na ny Tobilehibe Soatanàna , na ny Tobilehibe Manolotrony miray ao amin’ny FFPM, na ny Tobilehibe Ankaramalaza, na ny Tobilehibe Farihimena. Dia nisy fandaharam-potoana maro tsy tanteraka noho ny amin’ity areti-mandringana ity. Izao ry havana, aza atao mahakivy, mandinika sy mamaky ny baiboly isika dia in-tsivy amby enipolo miverina ao amin’ny Testamenta Taloha ny teny hoe areti-mandringana, ary voasoratra ao amin’ny Testamenta Taloha koa ny hoe areti- mandripaka. Indroa miverina izany teny izany, tahaka izay koa ny hoe areti-mandoza indroa miverina voasoratra ao amin-ny Testamenta Taloha, fa in-dray mandeha ihany no mba ahitako izany ao amin’ny Testamenta Taloha dia ny hoe misy aretimbe. Aty amin’ny andron’ny Tompo , aty amin’ny Testamenta vaovao dia dia ambaran’ny Tompo araka ny voalazako teny ambony fa hisy ny areti-mandringana any amin’ny tany samihafa. Izaho tsy hanao hoe fanenjehana izany ka hampihemotra antsika fa tena fahatanterahan’ny Soratra Masina amin’ny maha Fiangonana ny Fiangonana. Ary isika no mahalala izany, fa ny any ivelan’ny Fiangoanna dia lasa resaka mangonohano, lasa resabe samihafa. Ka ny herintsika ry havana dia ndao hitory sy hanambara fa aza sondriana ny hoe nisy izao fanenjehana maro nahazo an’i Jaona izao ka hatao sakana. Fa tena hery lehibe ho antsika ny fisehoan’ny voninahitr’i Kristy ambaran’izao Apk 1 : 9-20 izao.
Hisehoan’ny Tompo hoy aho tsy hiverenako izay efa voambara teo fa anjarantsika no manohy. Ho rentsika eto ny tenin’Andriamanitra mifandimby na amin’ny Lahateny, na amin’ny Fampianarana, na amin’ny Toriteny tahaka izao , ka anjaranao no mivonona mandray , fa tsy avela mandalo ihany izay ambaran’Andriamanitra amin’ny alalan’izao isantaona izao .
Raha tsy any Ankaramalaza ny maro amintsika fa aty amin’ny tempolin’Andriamanitra samihafa na any an-tonkatranonao, aza adino fa manana antom-pitiavana aminao Andrimanitra no namohazany ny Tobilehibe efatra ao anatin’ny fiangonana.
Ry havana ao amin’ny Tompo, izao fisehoana am-boninahitra nataon’ny Tompo tamin’i Jaona tao amin’ny Nosy Patimoa izao dia aminao koa , amin’ny fiainana andavanandro . Fa tsy mba misy fotoana ahafahanao milaza hoe tsy mahita ny voninahitry ny Tompo : omena anao ny fahasalamana, omena anao ny fiainana lavorary, omena anao ny fahaiza- mionona, araka ny tonom-bavaky ny Tompony hoe « izay sahaza anay omeo anay ».Fiainana lavorary izany ry havana, isika Fiangonana ihany no manana izany, . Koa dia havaozy ny fanoloran-tenantsika ao amin’ny fanompoana an’Andriamanitra. Ny mpanompon’Andriamanitra dia mijoro vavolombelona : manorata tantara ny amin’izay nitiavan’Andriamanitra anao ka niantsoany anao ho isan’ny mpitory ny Filazantsara, niantsoana anao ho isan’ny mpanompon’ny Fiangonana. Ary ny anankiray lehibe amin’izao andro izao mandinin-tena dia mibebaka ny isambatan’olona. Mitaona ny ankohonanao koa hibebaka, fa tsy mifampitsara, na ho lany andro mifampijerijery, tsy ho lany andro hijery ny fahorian’ny sasany fa mijoroa tahaka an’i Jaona ka manoratra mba ho lova mipetraka eo amin’ny fiainana araka ny maha zanak’Andriamanitra antsika.
Ho an’Andriamanitra ny voninahitra izay efa Azy hatramin’ny taloha indrindra sy ankehitriny ary mandrakizay.
AMEN
Share