Malakia 2 : 17 – 3 : 9

Malakia 2 : 17 - 3 : 9

𝐅𝐈𝐓𝐀𝐑𝐈𝐇𝐀𝐍-𝐓𝐄𝐍𝐘

Ny bokin’ i Malakia dia mirakitra faminaniana enina, izay nampitondraina ny mpaminany Malakia:
1. Fampahatsiarovana ny fitiavan’Andriamanitra an’ny Israely izay vahoaka nofidiny (1.1-5).
2. Fanaovan’ny mpaminany teny mafy ireo mpisorona sy ny vahoaka noho ny tsy nanajany ny Anaran’ Andriamanitra tamin’ny nanaovana sorona biby marary, ka famaizana no hihatra aminy raha mikiry tsy manatanteraka ny tokony hataony (1.6-2.9).
3. Tsy fankasitrahan’ Andriamanitra ny fisaraham-panambadiana sy ny fanambadian’ny Jiosy ny hafa firenena (jentilisa). Tamin’ny alalan’ny fanambadiana jentilisa dia tsy manaja ny fanekem-pihavanana tao Sinay ny vahoaka jiosy (2.10-16).
4. Fampahatsiarovana ny maha antomotra ny fitsaran’ Andriamanitra sy ny fiaviany, fandefasan’ Andriamanitra ny irany (2.17-3.5).
5. Fanazavana fa misy ny valala ka ratsy ny fiotazam-bokatra ary misy ny mosary noho ny famitahan’ny vahoaka an’ Andriamanitra tamin’ny tsy nanoloran’izy ireo ny ampahafolon-karena manontolo izay efa voasoratra ao amin’ny lalàna. Raha aloan’ izy ireo manontolo izany, dia hesorin’Andriamanitra ny ozona ary hampahavokatra ny fambolena izy (3.6-12).
6.Fanambarana fa ny fankatoavana an’Andriamanitra dia ho valiana soa ary sazy no miandry ny mpanota amin’ny andron’ny fitsaràna (3.13-21).

Araka izany, dia ny faminaniana faha 4 sy faha 5 no anjarantsika eto. Hafatra roa lehibe no atolotra eto.

𝐈. 𝐓𝐒𝐘 𝐌𝐀𝐈𝐍𝐓𝐒𝐘 𝐇𝐎 𝐀𝐕𝐘 𝐍𝐘 𝐓𝐎𝐌𝐏𝐎 (𝟐.𝟏𝟕-𝟑.𝟓)

Ny zava-misy eto dia izao: manao tsinontsinona ny Tompo ny olona, ka miaina amin’ ny faharatsiana. Nihevi-tena izy ireo tamin’ izany, fa “izay rehetra manao ratsy dia tsara eo imason’ i Jehovah ka ankasitrahany” (Mal. 2.17b). Tsy jeren’ Andriamanitra fotsiny anefa izany ratsy ataon’ ny olona izany. Inona àry no nataony? Valinteny roa no atolotra eto :

𝐈.𝟏 𝐍𝐲 𝐟𝐚𝐧𝐝𝐞𝐟𝐚𝐬𝐚𝐧𝐲 𝐢𝐫𝐚𝐤𝐚 𝐦𝐢𝐚𝐥𝐨𝐡𝐚 𝐧𝐲 𝐟𝐢𝐡𝐚𝐯𝐢𝐚𝐧𝐲
Mazava ny tenin’ ny Tompo eo amin’ ny and. 1a: “Indro, haniraka ny irako Aho, ary izy hanamboatra làlana eo alohako”.
Hialoha ny fahatongavan’ny Tompo ny iraka. Mazava tsara ny asa ampanaovina io iraka io: “hanamboatra làlana”. Ny hoe “mamboatra làlana” dia enti-milaza fanamoràna ny fifandraisan’ Andriamanitra amin’ny vahoakany, izany hoe hanomana ny fon’ny olona, hitaona azy ireo hiala amin’ ny ratsy fanaony. Misahirana mihitsy Andriamanitra maniraka olona mba hahatsara mandrakariva ny fifandraisany sy ny fihaonany amin’ny olony. Araka izany, ny iraka avy amin’Andriamanitra dia sady mampitandrina, manitsy ny vahoaka amin’izay mety ho fahadisoana no manoro ny làla-marina. Alefa ny iraka hanatanteraka izany mba tsy hahita loza ny vahoakan’ Andriamanitra amin’ny andro hiavian’ny Tompo. Manondro an’ i Jaona Mpanao Batisa io iraka nalefa io. Andinin-tSoratra Masina maro no manamarina izany. Anisan’ izany izay ambaran’ i Jesosy ao amin’ ny Mat. 11.10: “Izy no ilay voasoratra hoe: “Indro, Izaho maniraka ny irako hialoha Anao, Izay hamboatra ny làlanao eo alohanao (Mal. 3.1)””. I Jaona Mpanao batisa no nialoha làlana an’i Jesosy teo amin’ny Israely. Amin’i Jesosy, dia i Jaona Mpanao Batisa no mpaminany lehibe indrindra teo amin’ny Israely (Mat. 11.9b). Ny hoe “mialoha làlana” dia enti-milaza ny fanomanana ny Israely handray ny Mpamonjy, dia Jesosy Kristy. Anisan’ny asan’ny mpaminany ny manomana ny olona handray an’i Jesosy.
Ry havana! Ny Fiangonana, ireo mpitondra fiangonana no Jaona ankehitriny, mpanomana ny olona rehetra handray ny famonjena, mpanomana ny vahoaka Malagasy handray an’i Jesosy Ilay voahosotr’ Andriamanitra hamonjy izao tontolo izao. Isika kristiana tsirairay avy no Jaona ankehitriny manomana ireo olona rehetra mbola tsy mivavaka handray an’i Jesosy. Fotoana izao hanambaràna amin’ny olona rehetra fa ho avy ny Tompo. Andeha isika hibebaka sy hitaona ny olona ho amin’ny fibebahana.

𝐈.𝟐 𝐍𝐲 𝐟𝐢𝐡𝐚𝐯𝐢𝐚𝐧’𝐧𝐲 𝐓𝐨𝐦𝐩𝐨
Samy hita taratra eto, na ny fihaviany voalohany, na ny fihaviany fanindroany :

𝐈.𝟐.𝐀 𝐍𝐲 𝐡𝐚𝐭𝐚𝐨𝐧’𝐧𝐲 𝐓𝐨𝐦𝐩𝐨 𝐚𝐦𝐢𝐧’ 𝐧𝐲 𝐟𝐢𝐡𝐚𝐯𝐢𝐚𝐧𝐲 𝐯𝐨𝐚𝐥𝐨𝐡𝐚𝐧𝐲
Amin’ ny fihaviany voalohany, dia hanadio ny Tompo. Hoy indrindra ny voalaza eo amin’ ny and. 3 : “Ary hipetraka handrendrika sy hanadio volafotsy Izy; eny, hanadio ny taranak’i Levy Izy sy handrendrika azy toy ny fandrendrika volamena sy volafotsy, ka dia ho an’i Jehovah ireny ho mpanatitra fanatitra amim-pahamarinana”.
Ambaran’i Malakia fa hodiovin’Andriamanitra ny Jiosy eto (taranak’i Levy). Toy ny fanadiovana volamena sy volafotsy no hanadiovan’ Andriamanitra azy ireo. Ilay manadio volamena sy volafotsy dia misy izay mampiavaka azy manokana: “harendrika”. Ampiasaina ny afo ho enti-mandrendrika. Vonoina avokoa ary levonina izay rehetra tsy volamena sy tsy volafotsy. Fa ny hoe “mandrendrika” koa dia ho enti-milaza fanadiovana tanteraka mba hahazoana kalitao tsara kokoa mihoatra noho ny teo aloha. Miasa koa Andriamanitra mandevona izay rehetra manaratsy ny vahoakany, mandevona izay rehetra tsy mifanaraka amin’ny sitrapony ka manimba ny kalitao maha-vahoakan’Andriamanitra azy ireo. Rehefa vitan’ Andriamanitra izao asa fanadiovana izao dia vahoaka tsara kalitao kokoa, madio noho ny teo aloha no azo. Ary io vahoaka voadio io raha manatitra fanatitra no ankasitrahan’ Andriamanitra. Io indrindra no voalaza eo amin’ ny and. 4: “Dia ho mamin’i Jehovah ny fanatitry ny Joda sy Jerosalema”.
Ry havana! Efa nanadio anao ny ràn’i Jesosy Kristy. Noho ny ràn’i Jesosy dia tonga kristiana tsara kalitao kokoa ianao. Noho ny ràn’i Kristy dia tonga sitrak’Andriamanitra ianao. Rehefa tena ao amin’i Jesosy ianao dia hankasitraka anao sy izay rehetra atolotrao Andriamanitra. Rehefa voadio ho afaka amin’ny fahotana ianao, rehefa voadio ho afaka amin’ny herin’ny ota ianao, dia azo antoka fa ho afaka mifandray tokoa amin’Andriamanitra amin’ny alalan’i Jesosy Kristy. Sarotra ho anao ny hanana fiombonam-piainana miaraka amin’i Jesosy raha toa ka tsy manaiky hodioviny ianao. Ny mahafaly eto dia ny mahafantatra fa tena manana hery hanafaka anao amin’ny herin’ny fahotana ny ràn’i Jesosy Kristy. Manafaka anao amin’izay mampanalavitra anao amin’i Jesosy Kristy araka izany ny fanadiovany anao. Andeha àry ianao hanaiky hosasany, andeha hanaiky hodioviny tokoa ianao mba ho marina ny fifandraisanao Aminy, mba ho mpanompon’ Andriamanitra ho mendrika Azy tokoa ianao amin’ ny asa sy ny fanompoana Azy.

𝐈.𝟐.𝐁 𝐍𝐲 𝐡𝐚𝐭𝐚𝐨𝐧’𝐧𝐲 𝐓𝐨𝐦𝐩𝐨 𝐚𝐦𝐢𝐧’ 𝐧𝐲 𝐟𝐢𝐡𝐚𝐯𝐢𝐚𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐧𝐢𝐧𝐝𝐫𝐨𝐚𝐧𝐲
Amin’ ity fihaviany fanindroany ity, dia hitsara ny Tompo. Hoy indrindra Izy eo amin’ ny and. 5: “Ary hanatona anareo ho fitsarana Aho ka ho vavolombelona faingana hanameloka ny mpanana ody sy ny mpijangajanga sy ny mpianian-tsy to sy ny mpampahory ny mpikarama amin’ ny karamany mbamin’ ny mpitondratena sy ny kamboty ary izay mampahory ny vahiny; fa tsy matahotra Ahy izy, hoy Jehovah, Tompon’ ny maro”. Ho avy amin’nv heriny ny Tompo, ka hanameloka ireo izay tsy matahotra Azy Izy, haringany izay tsy manaja Azy, hofongorany ireo mpanao ratsy, dia ny mpanao magie, ny mpanitsakitsa-bady, ny mpianiana lainga, ny mpamaly karaman’ ny mpiasa, ny mpampijaly ny mpitondratena sy ny kamboty, ny mpampahory vahiny. Ny ao ambadik’ izay dia izao: hankasitraka izay manao ny tsara Izy, dia ireo izay mijoro amin’ ny fahamarinana sy mandeha araka ny sitrapon’ Andriamanitra. Manamafy izany izay ambaran’ i Jesosy ao amin’ ny Mat. 16.27 hoe: “Fa ho avy ny Zanak’olona amin’ny voninahitry ny Rainy, mbamin’ny anjeliny, dia hamaly ny olona rehetra araka ny nataony”. lo fotoana hihavian’ ny Tompo io dia antsoin’ny mpaminany hoe: « Andron’ ny Tompo ».
Ry havana! tsarovy fa ho avy i Kristy hitsara ny velona sy ny maty. Io moa no anisan’ ny fanambaràna ataontsika ao amin’ ny Fanekem-pinoana Apostolika. Koa mivonona ianao hihaona Aminy. Hevero mandrakariva ny fitsarany. Ny valin’ny fitsarany dia roa ihany: na fanamelohana mandrakizay, na famonjena mandrakizay sy fanolorana fiainana mandrakizay. Miankina amin’izay ataon’ny olona eto amin’izao tontolo izao io. Tena mampatahotra ny didim-pitsaran’ Andriamanitra, tena mampatahotra ny fitsaran’ Andriamanitra. Na dia mampatahotra aza izany, dia azo antoka ny handovàna ny fiainana mandrakizay ho an’ izay mino ny Tompo. Hoy indrindra mantsy i Paoly hoe: «ary amin’izany dia tsy misy fanamelohana ho an’izay ao amin’i Kristy Jesosy… iza no manameloka? Kristy Jesosy no efa maty, eny, sady nitsangana tamin’ny maty koa ka mitoetra eo an-tànana ankavanan’ Andriamanitra ary mifona ho antsika» (Rom 8.1,34). Na dia mampatahotra aza ny fitsaran’ny Tompo, dia tonga mahazo toky ny mino fa hanana fiainana mandrakizay.

𝐈𝐈. 𝐌𝐈𝐕𝐄𝐑𝐄𝐍𝐀 𝐀𝐌𝐈𝐍’ 𝐍𝐘 𝐓𝐎𝐌𝐏𝐎 𝐀𝐍𝐃𝐑𝐈𝐀𝐌𝐀𝐍𝐈𝐓𝐑𝐀𝐎 (𝟑.𝟔-𝟏𝟐)

𝐈𝐈.𝟏 𝐍𝐲 𝐚𝐧𝐭𝐬𝐨 𝐚𝐭𝐚𝐨𝐧’𝐧𝐲 𝐓𝐨𝐦𝐩𝐨 𝐡𝐢𝐯𝐞𝐫𝐞𝐧𝐚𝐧𝐚 𝐀𝐦𝐢𝐧𝐲
Miantso ny olona hiverina Aminy Andriamanitra. Hoy indrindra Izy eo amin’ ny and. 7: “Miverena Amiko, dia mba hiverina ho eo aminareo kosa Aho”. Antsom-pitiavana no ataony eto, mitaona ny Isiraely ho amin’ny fibebahana. Ny fibebahana moa dia tsy hoe mifona fotsiny rehefa mahatsapa ny ratsy natao. Ny fibebahana marina dia ny fiverenana amin’ Andriamanitra amin’ ny fo rehetra, amin’ ny faharesen-dahatra rehetra, fiantorahana amin’ Andriamanitra, fanekena marindrano fa hiverina hanompo an’ Andriamanitra, manenina noho ny lasa izay nanalavirana an’ Andriamanitra, mahatsapa fa ny eo akaikin’ Andriamanitra no toerana tsara indrindra hanompoana Azy. Hiverina amin’ ny fankatoavana ny didin’ Andriamanitra no iantsoana ny Israely eto. Taomin’ ny Tompo izy ireo hiala amin’ ny faharatsiana ka hiaina sy hankato ny didiny efa nomeny azy ireo. Fitiavana Izy, ka tsy ankasitrahany ny fahorian’ ny olona. Efa fotoana ela no niala, niodina tamin’ Andriamanitra ny zanak’ Israely ka nandeha tamin’ ny ditran’ ny fony. Nataon’ izy ireo tsinontsinona ny didin’ Andriamanitra. Araka izany, dia manao antso avo Izy eto fa rehefa miverina Aminy indray ny olona dia hiasa, hanasoa, hanafaka ny olona amin’ ny fahantrana Izy. Izay no dikan’ ny hoe: “dia mba hiverina eo aminareo kosa Aho”.
Ry havana! Mbola fotoana izao hiverenanao amin’ Andriamanitra. Atolory Azy tanteraka ny fonao, ka maneke hotarihiny. Aza miandry ora farany ianao. Antsom-pitiavana mbola ataony aminao izay efa nomeny an’ i Jesosy Zanany Lahitokana ho Mpamonjy anao koa izany. Hevero ny tontolo misy anao. Saino ny manjo ny firenentsika: kere, fahantrana, covid-19, tsy fandriam-pahalemana. Mila mandini-tena isika Malagasy satria loza izany kere, fahantrana, covid-19, tsy fandriam-pahalemana izany. Mila mandini-tena isika kristiana: sao ianao no tsy mety mibebaka, sao ianao no mbola mifikitra amin’ ny sitrapo adala. Tsarovy fa mahazo fitahiana manokana izay tena mifikitra amin’ ny Tompo. Tsy fombafomba no ivavahana mba hialan’ ny loza tsy ho aminao; mba hampitobaka ny fitahiana dia ilaina ny tena fibebahana marina. Aza manosi-bohon-tànana an’ i Jesosy, aza mankamamy ireny fanompoan-tsampy ireny, mihavàna amin’ Andriamanitra ary mibebaha marina.

𝐈𝐈.𝟐 𝐍𝐲 𝐟𝐨𝐦𝐛𝐚 𝐟𝐢𝐯𝐞𝐫𝐞𝐧𝐚𝐧𝐚 𝐚𝐦𝐢𝐧’𝐧𝐲 𝐓𝐨𝐦𝐩𝐨 𝐬𝐲 𝐧𝐲 𝐯𝐨𝐤𝐚𝐭𝐫’𝐢𝐳𝐚𝐧𝐲
Ny fiverenana Aminy dia asainy porofoina amin’ ny asa, amin’ ny fandoavana ny fahafolon-karena. Izany no maneho ny fahavononana hankato ny didin’ Andriamanitra. Mazava tsara ny teny eto: mandroba, mangalatra amin’ Andriamanitra ny olona tsy mandoa ny fahafolon-karena izay tokony hatolotra ny mpisorona mba hitohizan’ ny fanompoam-pivavahana (Deoteronomia 14.24-27). Tsy nanaja sy nanome voninahitra ny Tompo ambonin’ny zavatra rehetra ny Israely sady tsy nankato ny Teniny. Araka izany, rehefa mandroba an’ Andriamanitra izy ireo, dia tsy hahita fankasitrahana avy Aminy, tsy hahita fiainam-pitahiana mihitsy, ho voaozona (and. 8-9); fa loharanom-pitahiana kosa ny fandoavana izany (and. 10-12). Mahita ny fo tena tia sy manaja Azy ny Tompo ka manome valisoa ho an’ireo mpankato ny teny. Hotahiany ny ao an-trano (10b), hotahiany ny any an-tsaha (11), hotahiany ny fireneny manontolo (12). Hiova sata, hiova fiainana satria sambatra miaraka amin’ny Tompo.
Ry havana! Vahaolana atolotr’ Andriamanitra ho anao te hahita fitahiana ny fanekenao handoa ny fahafolon-karena. Efa nomen’ i Jesosy heviny vaovao izany, ka izay rehetra anananao mihitsy no afoy ho Azy. Hoy indrindra Izy ao amin’ ny Lio. 14.33: “izay tsy mahafoy izay rehetra anananareo, dia tsy azo ekena ho mpianatro”. Izany hoe: tsy mihary na manangona harena ho fahafinaretan’ny tena, fa izay ahy dia hanomezako ho an’ny asan’ny Tompo, ho voninahitry ny Anarany. Izy no ekenao hanapaka izany, ary ianao kosa dia ho mpitantana fotsiny ihany. Marihina fa tsy ho voatery ho vola ihany no atolotra amin’ ny fanompoana an’ Andriamanitra, fa takiana koa ny hery, ny fotoana, ny fahaizana, ny fahazotoana, ny fahendrena, ny hafanam-po, ny fitiavana, ny fanetren-tena, ny faharetana, sns… Nahazo fitahiana maro tamin’ ny Tompo isika, ka tokony hanolotra ho Azy.

𝐅𝐄𝐇𝐈𝐍𝐘

Ry havana ! Sambatra ny miverina ao amin’ ny Tompo. Koa mibebaha, mialà amin’ ny ratsy fanaonao ary manompoa Azy amin’ izay rehetra anananao. Tsarovy fa mpitandrina ny fananan’ Andriamanitra ianao. Tsy maintsy ho avy ny Tompo, ka miomàna mandrakariva ianao hihaona Aminy. Dia ho tanteraka aminao ny Tenin’ i Jesosy ao amin’ ny Apok. 3.5, izay teny fanevan’ izao Isataonan’ ny Tobilehibe Ankaramalaza izao: “Izay maharesy dia hitafy lamba fotsy tahaka ireo koa, ary tsy hamono ny anarany eo amin’ny bokin’ny fiainana tokoa Aho, fa hanaiky ny anarany eo anatrehan’ny Raiko sy eo anatrehan’ny anjeliny”.

Share