RAKITRA VIDIN’ATODY
I Korintiana 16:1 Ary ny amin’ny famoriam-bola ho an’ny olona masina, dia mba
manaova koa ianareo toy izay nasaiko nataon’ny fiangonana any Galatia.
I Korintiana 16:2 Amin’ny andro voalohany isan-kerinandro dia samia manokana ao aminy avy ho rakitra na amin’inona na amin’inona no anambinana azy, mba ho vita rahateo ny famoriam-bola mandra-pahatongako.
Lioka 21:4 Fa ireo rehetra ireo, dia tamin’ny haben’ny fananany no nandatsahany tao amin’ny rakitra; fa izy kosa tamin’ny fahantrany no nandatsahany ny fivelomany rehetra izay nananany.
FITARIHATENY
Saiky amin’ny fahazarana matetika no anatanterahan’ny maro ny atao hoe: RAKITRA? Indrisy fa tsy izany no sitrapon’i Jesosy!
Tsy mora ny mamafa ny fahazarana. Sarotra ny mamboly ny fisainana sy fomba fiasa vaovao! Iray amin’ny antony handraisantsika anjara amin’izao FAMPIANARANA izao izany.
Ny Doyen SALT, Dr LOTERA Fabien, nandritra ny ATRIKASA momba ny FIKATENA sy ny KITAPO IOMBONANA teto Antsirabe tamin’ny 24-25/01/2019, dia nilaza mazava, tamin’ny anjara fampianarany, fa tena mbola tsy ampy ny FAMPIANARANA momba ity resaka FIAKATENA ity.
Tena efa fanapahan-kevitry ny KMSL 141 tany Vondrozo ny hirosoana amin’ny KITAPO IOMBONANA. Tsy afaka mandeha irery io KITAPO IOMBONANA io fa tsy maintsy matanjaka ny FIZAKATENA amin’ny rafitra rehetra: FIANGONANA, FITANDREMANA, FILEOVANA, SYNODA ary Foibe FLM.
Tsy maintsy hiresaka lafin-javatra maro isika raha hanatratra ny fenitra momba io KITAPO IOMBONANA io. Ny fiainan’ny Fiangonana hatramin’ny voalohany ka hatramin’izao dia tsy afaka hankinina fotsiny amin’ny RAKITRA fa tsy manao famoriam-bola hafa koa ny Fiangonana. Tsy maintsy hanao loharanom-bola hafa koa ny Fiangonana. Fa ny anjarantsika eto androany aloha dia ny momba ny RAKITRA. Io no mila fanatsarana voalohany, manomboka amin’ny zaza ka hatramin’ny olon-dehibe na lahy na vavy.
Ho jerentsika voalohany ny FAMARITANA ny hoe: RAKITRA mba hiavaka tsara ny RAKITRA sy ny tsy RAKITRA. Fa ho dinihintsika koa ny famaritana ara-tSoratra Masina sy ny lafiny Litorjika.
Handinika isika ny hoe: NAHOANA ISIKA NO MANAO RAKITRA? Hijery akaiky ny lafiny ara-tSoratra Masina sy ny FAMPIANARAM-PINOAN’NY FIANGONANA isika fa tsy hanadino ny olana ara-tantara koa.
Izany no hitarika antsika hijery ny lafiny ara-tantara momba ny atao hoe: RAKITRA sy izay niandohan’ny vidin’Atody?
Hitarika antsika hijery sy hampihatra ireo tolo-kevitra momba ny fanatanterahana ny RAKITRA amin’ny ho avy izany ka mba handroso isika fa tsy hijanona amin’ny RAKITRA VIDIN’ATODY. Tsy hijanona any amin’ny 150 taona lasa sy ny fihemorana tsy nitsaharatra isika, raha ity RAKITRA ity no lazaina.Hibanjina ny 150 taona ho avy isika ka hanatratra ny loka eo anoloantsika! Fanamby lehibe izany!
INONA MOA NO ATAO HOE RAKITRA?
Amin’ny famaritana dia asehontsika ny lafiny tsy marina sy ny lafiny marina:
a-Izay lazaina hoe RAKITRA kanjo tsy izy.
Misy fahadisoana izay ahitsintsika avy hatrany aty am-panombohana. Amin’ny fotoana hanaovana ny RAKITRA dia misy milaza hoe: FANATITRA.
Ny FANATITRA dia fanomezana entin’ny mpanota mitady FAMELAN-KELOKA. Misy karazany maro ny FANATITRA araka ny heloka vita. Hitanao miverina in-731 ao amin’ny Baiboly izany.
Ny RAKITRA kosa dia FANOMEZANA entin’ny VOAVELA HELOKA, manatona an’i Jesosy, anehoany ny hafaliany sy anehoany ny FANOLORANY ny tenany manontolo sy izay rehetra momba azy!
b- Izay lazaina mazava hoe RAKITRA
Ny hoe RAKITRA dia Tena voambolana biblika. Miverina in-50 ao anaty Baiboly io teny hoe RAKITRA io. Ny voalohany dia ilazana ny Israely olona nalain’Andriamanitra ho an’ny Tenany.
“ …dia ho rakitra soa ho Ahy mihoatra noho ny firenena rehetra ianareo; fa Ahy ny tany rehetra.” Eksodosy 19:5
Salamo 135:4 “Fa Jakoba nofidin’i Jehovah ho Azy, Ary Isiraely ho rakitra soa ho Azy.”
Ny faharoa dia ilazana ireo volafotsy sy volamena ary fanaka sarobidy natolotry ny fiangonana ho an’i Jehovah.
Nehemia 7:70-71 « Ary ny sasany tamin’ny lohan ny fianakaviana dia nahafoy hanaovana ny asa. Ny governora nanome darika volamena arivo sy lovia famafazana dimam-polo sy akanjo-mpisorona telo-polo amby dimam-jato ho ao amin’ny rakitra.
Ary ny sasany tamin’ny lohan’ny fianakaviana dia nanome darika volamena roa alina sy manome volafotsy roan-jato sy roa arivo ho ao amin’ny rakitra hanaovana ny asa. »
Natao hampiasaina ho famelomana ny Levita sy fanamboarana sy filojakojana ny Tempoly izany. Natao hikarakarana ny mahantra sy ny sahirana.
Nisy RAKITRA koa tamin’ny andron’i Jesosy. Ary ny RAKITRA nataon’ny mpitondratena, vokatry ny fony sy ny fitiavany, no nankasitrahan’i Jesosy!
Niaina sy nampiana ny fanaovana RAKITRA koa ny Apostoly.
RAKITRA: ZAVATRA SAROBIDY, EFA NOTEHIRIZINA ELA. MANANA NY LANJANY SY VIDINY MANOKANA MIHITSY.
Tsy mba izay ambiny sisa tsy lany na izay tsy ilaina no atao RAKITRA fa izay efa nomanina sy voatahiry, vokatry ny FO tokoa.
d- Famaritana ara-tSoratra Masina
Araka izay lazain’i Paoly ao amin’ny I Kor.16:1-2 dia zavatra efa notehirizina sy natokana satria sarobidy ny RAKITRA. Atolotra isaky ny Alahady ao amin’ny fanompoam-pivavahana izany. Ireo fitahiana, fanambianana voaray isan’andro, no anokanana izany ka amerenana amin’ny Tompony, Jesosy izany, ireo fanomezana ireo antsoina eto RAKITRA.
I Tantara 29:14 “…Fa avy aminao ny zavatra rehetra, ary avy tamin’ny Anao ihany no nanomezanay Anao.”
Tena nanome volamena sy volafotsy ary zavatra sarobidy hafa koa ny olona maro ho famitana ny Tempoly, araka ny fitarihana nataon’i Davida. Ampianarina tena hahafoy zavatsoa ho an’ny Jesosy izay manome andraikitra lehibe ny Fiangonana isika. Ho velarintsika betsaka ao amin’ny lafiny fampianaram-pinoana raha mamaly ny fanontaniana hoe: Nahoana isika no manao RAKITRA ity fampianarana atolotr’i Davida Mpanjaka ity.
Marka 12:43 “Ary Jesosy niantso ny mpianany hanatona Azy ka nanao taminy hoe: Lazaiko aminareo marina tokoa fa io mpitondratena malahelo io no efa nandatsaka be noho izay rehetra nandatsaka tao amin’ny fandatsahan-drakitra.”
Tsy mba ny ampahany tamin’ny tahiriny no natolony fa izay rehetra nanany. Ny fahatokiany an’i Jesosy no zavadehibe sy fototra amin’izao RAKITRA nankasitrahan’i Jesosy izao. Manazava betsaka izao fihetsika manoka asehon’ity Mpitondratena ity izao ny FAMPIANARAM-PINOANTSIKA. Diniho tsara ny Lio.21:4 izay milahatra amin’izao lazain’i Marka izao. Tsy ho manokana intsony izao rehefa mitombo ny Kristianina velona amin’ny FINOANA ka maneho izany amin’ny asany. Iray amin’ireny ny RAKITRA.
e- Famaritana litorjika
Voalohany dia lazaina mazava fa manana anjara toerana lehibe ao amin’ny Litorjia ny RAKITRA. Ary tsy FANATITRA no anarany ao fa RAKITRA. Vokatry ny fahakivian’ny Pastora iray amin’ny RAKITRA vola madinika matetika dia nanazatra ny olona izy. Tsy nisy lahateny na fampianarana akory fa nanazatra ny olona izy dia nanova hoe: FANATITRA. Ny mba ahazoana vola bebe kokoa no tao an-tsainy fa tsy nanova zavatra io satria efa lalipaka loatra ilay fanabezana tany aloha ary tsy mbola nisy fanabezana sy fampianarana mitarika ho amin’ny fanovana izany satria tsy mahaomby io fomba taloha io.
Ilay hira hoe: Fanatitra an-tsitrapo no nataony kitro hifaharan’izany. Saingy indrisy fa tsy vaha olana ilay izy ary tsy nahomby!
Eo ny dikan’ny RAKITRA efa noresahintsika teo. fa izay tsindriana eto izao dia ny toerany ao amin’ny LITORJIA. Tsy aloha, tsy afara fa manaraka ny Toriteny. Azo lazaina fa isan’ny mitarika sy manana toerana lehibe amin’ny lafiny Sakrifisialy, na ny asa vokatry ny FINOANA, ao amin’ny Litorjia. Tsy azo atao alohan’ny Toriteny, na dia misy fiangonana, tsy FLM, manao izany aza. Miandry ny vokatry ny Toriteny izay mamelona ny FINOANA tokoa. Tsy RAKITRA izy raha tsy hita fa tena vokatry ny FINOANA. Tsy izy koa ilay hafanampo ataon’ny sasany ato amintsika, manao famoriam-bola raha vao vita mihitsy ny Toriteny ka mbola tsy vita akory ny vavaka manaraka ny Toriteny. Marihina fa mbola isan’ny Toriteny na mamarana azy mihitsy iny vavaka iny ka tsy mbola tokony ho sarahina aminy.
Tsy atao any amin’ny faran’ny fotoana koa anefa fa vokatra voalohany amin’ny hanehoana ny FINOANA io.
Ny maha fanomezana sarobidy vokatry ny FINOANA azy ka aneke’ny Kristianina tsirairay fa hanao sy hahavita ny MISIONA, MINISTERA, DIAKONIA, FOTODRAFITR’ASA, FAMPANDEHAN-DRAHARAHA no maha izy azy ny RAKITRA.
NAHOANA NO MANAO RAKITRA ISIKA?
Misy antony vitsy ho resahintsika eto:
- Fahazarana
Raharaha mihitsy ity manaraka ny fahazarana sy ny fomba amam-panao fotsiny ity? Ny tsy manana moa dia efa izy tsy manana izay fa na ny manana koa aza rehefa zatra ilay RAKITRA vola madinika dia mandeha amim-pahazarana fotsiny fa tsy afaka misaina sy ho tarihin’ny Fanahy Masina intsony. Kanefa na dia izay mihevitra ny tenany ho mahantra aza, na lazaina hoe mahantra aza, dia mbola afaka manome sy manao RAKITRA vokatry ny FINOANA. Ohatra lehibe amin’izany io Lio.21:4 io. Fa izahay nanao fizaran-draharaha teto Antsirabe tamin’ny 1995 koa dia niaina izany mivantana. Vehivavy Mpitondratena, nipetraka amin’ny tapatsihy izahay raha namangy sy nampahery azy. Fa rehefa vita ny fampaherezana azy ka tena faly ny fony, ilay vola 500 ariary, hany mba fananany dia natolony anay daholo. Nampitomany izany nefa tena fanomezana vokatry ny FINOANA. Jereo tsara koa ilay Mpitondratena tao Zarefata, I Mpanj.17:10-16.
- Fitarihan’ny Tenin’Andriamanitra
Matoky nyTeny Fampanantenana sy ny Fanomezan-toky ataon’i Jesosy isika!
Mamaly ny ANTSO IRAKA lehibe ampanaovin’i Jesosy antsika isika.
Misy ohatra maro avy amin’ny Tenin’Andriamanitra fa milaza zavatra vitsy ihany isika hatao ohatra sy halaina tahaka:
Nampandresy an’i Abrahama teo anatrehan’ny fahavalony Jehovah ka dia nanao RAKITRA, nanolotra ny fahafolon-karena Abrahama.
Genesisy 14:20 “Ary isaorana anie Andriamanitra Avo Indrindra, Izay efa nanolotra ny fahavalonao teo an-tananao. Dia nomen’i Abrama azy ny ampahafolon’ny zavatra rehetra.”
Nahita fitia tamin’Andriamanitra Jakoba, na izy tany amin’ny tany nonenany ka nahazo harena be dia be, na izy hiverina any amin’i Esao zokiny ka nitolona tamin’Andriamanitra aloha. Nahazo toky lehibe tamin’Andriamanitra Jakoba ka nanorina ny fiangonana ary nanome ny ampahafolony hampandehanana ny asa koa.
Genesisy 28:22 “ary ity vato izay naoriko ho tsangam-bato ity ho tranon’Andriamanitra, ary izay rehetra homenao ahy, dia homeko Anao tokoa ny ampahafolony.”
Tsy Abrahama sy Jakoba ihany no nanolotra ny vokatry ny fony noho ny asa lehibe nataon’Andriamanitra taminy. Betsaka ny ohatra momba izany ao amin’ny TT. Natao ho fampianarana matanjaka mihitsy ny hiantohan’ny Israely ny asan’ny Fiangonana sy hamelomany ny mpiasam-piangonana.
Fa maro koa izany ao amin’ny TV. Jesosy tenany dia niaina izany sy nampiana izany! Ny Apostoly nanentana sy nampianatra ary nitarika ny Fiangonana mba hahavita be sy hanana fahombiazana amin’izany.
3- Fitarihana avy amin’ny FANEKEM-PINOANA
Famoronana
“Mino aho fa Andriamanitra no namorona ahy mbamin’ny zava-boahary rehetra, ka nanome tena sy fanahy ary izay rehetra momba azy. Ary tsy izany ihany, fa mino koa aho fa Izy no mitàna ny zavatra rehetra mba tsy ho levona; ary Izy no manome isanandro ny zavatra rehetra ilaina amin’ ity fiainana ity, toy fitafiana, hanina, trano, vady aman-janaka, tany ambolena, biby ompiana ary ny zava-tsoa rehetra.Mino koa aho fa Izy no miaro ahy amin’ny loza rehetra ka misakana ny ratsy rehetra. Ary tsy noho ny asa marina izay ataoko no anaovany izany rehetra izany, fa araka ny fahasoavany sy ny famindram-pony lehibe. Koa amin’izany dia tsy maintsy hisaotra sy hidera Azy aho ary hanompo Azy sy hanaraka ny sitrapony. Izany rehetra izany dia marina tokoa.”
Fisaorana an’i Jesosy ny RAKITRA. Diniho tsara izao FANEKEMPINOANTSIKA izao. Tena sy fanahy, fanomezana avy amin’i Jesosy. Izay ilaina isan’andro, fanomezana avy amin’i Jesosy, Mat.6:33-34; Rom.8:32. Fisakanana ny loza rehetra, mbola asan’i Jesosy, Sal.23; Jao.10. Dia iza moa no isaorana amin’izany raha tsy Jesosy? Ny fahendrena Malagasy milaza fa ny vato nahitana soa hosorana menaka.
Famonjena
“Mino aho fa Jesosy Kristy, Izay Andriamanitra tokoa, nateraky ny Ray hatramin’ny taloha indrindra, sady olona tokoa, naterak’ i Maria virijina, no Tompoko. Izay nanavotra ahy, olona very sy voaozona, ka nanafaka ahy tamin’ny ota sy ny fahafatesana ary ny fanjakan’ny devoly; kanefa tsy volafotsy na volamena, fa ny rany masina sy sarobidy ary ny fijaliany sy ny fahafatesany tsy amin-keloka no nanavotany ahy. Mba ho Azy tokoa aho, ary mba hanompo Azy ao amin’ny fanjakany amin’ny fahamarinana sy ny fahafinaretana mandrakizay, tahaka Azy nitsangana tamin’ny maty, ka velona sy mandrakizay. Izany rehetra izany dia marina tokoa.”
Endrika iray lehibe amin’ny fanompoana an’i Jesosy ny RAKITRA. Anehoana ny fahavelomana ao amin’i Jesosy ny RAKITRA.
Fanamasinana
“Mino aho fa tsy ny heriko na ny saiko no ahaizako mino an’ i Jesosy Kristy, Tompoko, na manatona Azy, fa ny Fanahy Masina no niantso ahy tamin’ny Filazantsara sy nanazava ahy tamin’ny fanomezana ary fanamasinana sy nihazona ahy tamin’ny finoana marina. Ary Izy koa no miantso sy manangona sy manazava ary manamasina izay rehetra ao amin’ny fiangonana, ary miaro azy eo amin’ i Jesosy Kristy amin’ny finoana iray marina. Ary ao amin’ izany fiangonana izany no amelany ahy sy ny mino rehetra ny heloka rehetra isan’andro, ary amin’ny andro farany no hananganany ahy mbamin’ izay rehetra maty, ka hanomezany ahy sy ny mino rehetra ny fiainana mandrakizay. Izany rehetra izany dia marina tokoa.”
Manome antsika ny zavatra madinika hatramin’ny zavatra lehibe indrindra Jesosy. Diniho tsara koa ny hevitry ny hataka fahefatra. Famelan-keloka sy fiainana mandrakizay no lehibe indrindra amin’ny fanomezan’i Jesosy. RAKITRA: Valiteny amin’ny fanotaniana hoe: Ka dia mba inona izao no ahy taminao? Hira laharana faha-110. Tsy hira natao ho an’ny Fandraisana ny Fanasan’ny Tompo ity sy ny 109 fa tena fanolorana ny tenantsika amin’ny fanomezana ny RAKITRA.
Tena misy antony lehibe ny anaovantsika RAKITRA kanefa dia RAKITRA vola madinika ve no hataontsika? RAKITRA VIDIN’ATODY ve no hataontsika RAKITRA?
Ny Fiangonana voalohany dia tsy niandry famatsiam-bola fa nanomboka amin’ny RAKITRA ary nitady ny fomba sy hevitra hafa koa ho famoriana vola mba hiantohana ny asan’i Jesosy izay nankininy tamin’ny Fiangonana.
Manao RAKITRA isika olom-boavonjy, misaotra an’i Jesosy amin’ny zavatra rehetra fa tsy mandeha amin’ny fahazarana.
Manao RAKITRA isika satria misy asa lehibe anirahan’i Jesosy antsika: MISIONA, MINISTERA, DIAKONIA, FOTODRAFITR’ASA, FAMPANDEHANAN-DRAHARAHA. Mitaky vola be daholo ireo fa tsy ny fiangonana na sanatria ny Pastora no TIA VOLA?
Ny ampahany amin’ireo asa marobe ireo dia vitan’ny RAKITRA VIDIN’ATODY nahazatra antsika ihany. Fa ny sasany amin’ireo dia tsy ho zaka intsony amin’izany RAKITRA VIDIN’ATODY izany. Ary tsy maintsy hitady fomba hafa koa araka ny Soratra Masina, sy ny Fampianaram-pinoan’ny Fiangonana, izay itarihan’ny Fanahy Masina antsika mba hamoroana vola hanaovana ireo asa lehibe sy sarobidy ireo.
Fa ho jerentsika izao ny tantaran’ny RAKITRA mba ahazoantsika tsara ilay RAKITRA VIDIN’ATODY sy ahitantsika hevitra hanatsarana izany amin’ny ho avy.
TANTARAN’NY RAKITRA
Manana fototra ara-tSoratra Masina, na ao amin’ny TT na ao amin’ny TV ny RAKITRA. Manana ny tantarany sy ny antony ara-teolojia matanjaka koa ny RAKITRA.
Nanana olana lehibe anefa ny Misionery rehefa tonga nitory Filazantsara teto Madagasikara ka nanorina ny FIANGONANA LOTERANA. Farafahakeliny dia ireto olana telo ireto no nanahirana azy ireo:
a- Ny fahantrana novantaniny teto Madagasikara
Azo lazaina fa efa nahantra ny Malagasy tamin’izany raha nitaha amin’ireo firenena mandroso tahaka an’i Norvezy sy Amerika. Ny fanadihadiana nataon’ny Iraisam-pirenena no milaza fa firenena faha-5 mahantra indrindra eto amboni’ny tany isika. Fa vao maika niha mahantra lavitra noho izany isika izao. Ary raha tsy misy ny fiovana fomba fisainana sy fomba fiasa dia mbola hiha mahantra ihany! Isika Fiangonana, ny Kristianina tsirairay no entin’i Jesosy manavao sy manova ny firenentsika koa! Iray amin’izany fanombohana ny fanovana sy fanavaozana izany izao resahintsika eto izao. Fialana amin’ny RAKITRA VIDIN’ATODY.
Sarotra tamin’ny Misionery tonga voalohany teto no hampandoa vola hahavitana ny asa anirahan’i Jesosy ka dia izy ihany no nanome ny RAKITRA.
b- Ny fahavononany sy ny fananany vola sy fitaovana ampy iantohana ny asa
Nanana fahavononana be sy nanolotra vola amam-panana be ary fitaovana marobe nanaovany ny asan’ny Fiangonana teto Madagasikara ny NMS raha nanomboka ny asany teto. Izy daholo no nanao ny zavatra rehetra. Isaorantsika feno sy tanteraka izany ezaka lehibe izany!
Zaza madinika, na Sekoly Alahady sy zokiolona na ireo efa misotro ronono no tena nanohana ny asa nefa nahavita be teto amintsika. Isaorantsika mitafotafo izy ireo!
Fieritreritra lalina ny hoe: Aiza ny zaza Malagasy? Aiza ny be antitra Malagasy? Dia havela amin’ireo olona mbola tsy miditra amin’ny tontolon’ny asa na efa nandao ny tontolon’ny famokarana ve ny asan’ny Fiangonana dia ny asa anirahan’ny Jesosy ny FLM? Sanatria ve dia hitazana fotsiny na hiraviravy tanana ny Tanora, lahy sy vavy tena mpiantsehatra sy antoky ny FAMOKARANA?
Efa miha lehibe ny asa sahanintsika amin’izao fa tsy toy ny tany aloha. Efa miha maro koa isika amin’izao. Ary efa maro mihoatra noho ny tamin’ny lasa ny firenena sy asa sahanin’ny NMS. Efa miha vitsy koa ireo mpanohana ny NMS. Dia mbola hiandry azy hanome RAKITRA VIDIN’ATODY VE ISIKA? Ahoana no ahavitana ny asa raha tsy hovana izany fomba fisainana sy fomba fiasantsika izany?
Tsy miantoka ny zavatra toy ny taloha intsony ny NMS ary tsy manampy ny Foibe FLM na dia ariary aza! Ireo asa Diakonaly maro aza dia efa notapahiny daholo izao ireo fanohanana nataony. Tsy manome tsiny azy amin’izany iska fa mivavaka ho azy ireo mandrakariva koa mba handroso hatrany amin’ny FINOANA!
d- Ny fiheverana fa tsy hiditra am-piangonana ny Malagasy raha am-pandoavina vola: Olana momba ny Teolojian’ny FAHASOAVANA
Nibahan-toerana loatra ny FAHANTRANA dia nandiso hatramin’ny fampiasana ny TELOJIAN’NY FAHASOAVANA. Ny famelan-keloka no tsy vidina vola, ny famonjena no tsy azo sandaina. Tsy maintsy atao mazava izany.
Fa ny ho enti-manana ny fiainana an-davan’andro, isan’ireny ny fiainam-piangonana, dia tena misy vidiny lafo. Tsy misy maimaipoana mihitsy ny fitaovana ahazoana manatanteraka ny MISONA, MINISTERA, DIAKONIA, FOTO-DRAFITR’ASA, FAMPANDEHANAN-DRAHARAHA.
Nanangona vola sy fitaovana maro ny tany Norvezy sy ny tany Amerika ary naniraka olona taty. Nanao izany ny Kristianina rehetra hatramin’ny niorenan’ny fiangonana voalohany. Koa nahoana ary ny Malagasy irery no tsy nampanaovina?
Vokatr’ireo olana voalaza teo aloha ireo dia ny Misionery no nanome ny RAKITRA ho an’ny Kristianina Malagasy.
Iraimbilanja, Venty sy Kirobo, sikajy dimy no vola madinika tamin’izany.
Sikajy dimy na iraimbilanja telo no vidin’ny atody iray. Io no vola madinika natolotry ny Misionery ho RAKITRA ataon’ny Malagasy tamin’izany fotoana izany.
Dia zatra nanao RAKITRA vola madinika ny Loterana. Ny fanadihadiana natao no nahitana fa rehefa nanontaniana ny olona izay hamantarany ny FLM dia isan’ny valiteny iray lehibe tamin’izany ny hoe: RAKITRA vola madinika.
Nivoatra ny vola Malagasy. Mety ho nihatsara ve sa niharatsy izany sanda izany?
Tonga ny Ariary. Nahazo mofo gasy lehibe roa izany tamin’ny taona 1970 tany. Nisy koa aza dokam-barotra nalaza nilaza fa Pecto 4 no ariary. Ny mofo gasy 2 ariary fahiny izao dia tsy latsaky ny 500 ariary. Lasa fihomehezana ny arirary rehefa tsy mahazo zavatra intsony: Ariary be miantsena!
Ireny no nanjary RAKITRA vola madinika. Dia niova ho ariary 10. Niakatra ho ariary 20. Tonga tamin’ny ariary 50. Nihendanja hatrany ny vola Malagasy ka na ny ariary 100 tsy mahazo afatsy mofo gasy manify toy ny taratasy. Nahagaga fa nasian’ny Banky Foiben’i Madagasikara sary fiangonana koa izy taty aoriana. Dia vao maika naka laka ao amin’ny RAKITRA ny vola madinika ariary 100. Tsy mety handray ireny ny mpangataka. Mandà ireny ny ankizy raha omena goutez. Ny Parking aza moa ao Antananarivo efa 500 ariary izao. Ny RAKITRA sisa no fanateran’ny olona ny ariary 100.
FOMBA IATREHANTSIKA NY RAKITRA AMIN’NY HO AVY
150 taona no nianantsika ny RAKITRA VOLA MADINIKA. Raha ny marina dia nihena tsy mitsahatra izany ka tsy nahatratra intsony ny VIDIN’ATODY fa maro ankehitriny no manao RAKITRA ampahadimin’ny vidin’Atody. Sikajy dimy no vidin’ny Atody iray fahiny. Io no natao RAKITRA. 500 ariary izao ny atody iray. Koa ny RAKITRA ariary 100 DIA AMPAHA-DIMIN’NY VIDIN’ATODY.
Dingana lehibe aloha izany ny handaozantsika ilay RAKITRA LATSAKY NY VIDIN’ATODY. Ezaka manaraka ny ahafahan’ny maro miverina ka manao RAKITRA VIDIN’ATODY na 500 ariary. Tsy vita mora io fa tena mila FAMPIANARANA matetika sy ezaka lehibe ifarimbonan’ny tompon’andraikitra rehetra!
Fa fanamby apetraky ny taona arivo fahatelo amintsika hiatrehana ny 150 taona manaraka ny hanaovantsika tsara kokoa noho izany ka hianarantsika ny namantsika tany Norvezy: Na ankizy, na tanora na antitra na lahy na vavy dia mba samy ho mpandray anjara mavitrika hahavitana ny: MISIONA, MINISTERA, DIAKONIA, FOTODRAFITR’ASA, FAMPANDEHANAN-DRAHARAHA.
Miainga amin’ny fampianarana omen’ny Soratra Masina isika ka manangona, mitahiry zavatra tsara isan’andro, atambatra ary atolotra amin’ny FO tokoa ho mariky ny FANOLORANTSIKA ny tenantsika. Hanehoantsika ny hafaliantsika VOAVELA HELOKA ka vonona hisaotra an’i Jesosy mandrakariva sy hanome voninahitra an’i Jesosy lalandava! Tsy fombafomba izany fa tena fiainan’ny olom-boavonjy tokoa ka mikely aina fatratra hanao ny asan’i Jesosy fa tsy mijery na mifanjana amin’ny hafa!
Ny tantaran’ny fiangonana no milaza fa na dia nanome vokatry ny fony sy ny finoany tokoa aza ny Kristianina maro dia tsy ampy hisahanana ny asa rehetra nankina amin’ny Fiangonana izany ka nitady fomba hafa sy hevitra hafa ny Fiangonana. Ny zavadehibe dia afaka niatrika feno ny adidiny ny Fiangonana. Io no lazaintsika hoe FIZAKATENA ankehitriny.
FAMARANANA
Tena zavatra lehibe sady sarobidy ny RAKITRA. Koa ataovy ho zavatra lehibe eo amin’ny fiainanantsika sy anabezanantsika ny zanakantsika! Ataovy ho isan’ny zavatra voalohany hanehoana ny valiketsiky ny FINOANA. Amin’izay itsanganantsika hanao RAKITRA dia mba ho isan’ny marika hita maso sy tena lehibe amin’ny FANOLORANTSIKA NY TENANTSIKA NY RAKITRA.
Tsy misy lalàna na didy manery antsika na mangataka amintsika tsy maintsy hanao ny FAHAFOLOKARENA. Fa tsy misy koa fandrarana na fisakanana izany. Ampianarin’ny Tenin’Andriamanitra sy ny Fampianaram-pinoantsika isika mba hanolotra sy tena hanome ny vokatry ny FO, haneho ny tena FIFALIAN »NY OLOM-BOAVONJY ka tsy hahihitra amin’ny asan’i Jesosy nankininy amintsika!
Samy hanao izay zakantsika tahaka ny Fiangonana tany Galatia, tany Korinto ka hiaraka hikely aina fatratra hahavita ny: MISIONA, MINISTERA, DIAKONIA, FOTODRAFITR’ASA, FAMPANDEHANAN-DRAHARAHA
Recent Sermons

Lahateny 1: Koa amin’ izany aoka ho tanteraka hianareo toy ny fahatanterahan’ ny Rainareo Izay any an-danitra (Mat.5:48).
septembre 14, 2020

Toriteny: Galatiana.3:15-22
septembre 14, 2020

Fampianarana Soratra Masina: Romana 8:1-17
septembre 14, 2020