Toriteny: Galatiana.3:15-22

Toriteny: Galatiana.3:15-22

            Andeha ho jerena fohy ny momba ny Epistily

 

Hevitra roa izay mifampiankina no asehon’ny Epistily ho an’ny Galatiana. Izany dia vokatry ny teo-java nisy niainan’ireo Kristiana tao amin’ny Fiangonana tao Galilia.

  1. Ny Fiangonana teo Galilia dia isan’ireo Fiangonana naorin’i Paoly Apostoly tamin’ny dia misionery nataony manerana an’i Azia Minora. Saingy rehefa lasa izy dia tonga ireo mpampianatra sandoka nitondra fampianarana tsy araka ny Filazantsara marina. Mba hahatanteraka izany dia ny fahefana naha Apostoly an’i Paoly no nezahin’izy ireo notsatsoina.
  2. Ambaran’i Paoly mazana amin’ny taratasy anefa fa tsy mba avy amin’olona fa fiantsoana mivantana avy tamin’ Andriamanitra ny naha Apostoly azy ary toy izany koa ny Filazantsara izay toriany hatraiza hatraiza.

Toy izao ny fampiaran-diso tamin’izany: Ireo mpanao fampianaran-diso avy amin’ny Fariseo dia nilaza fa raha  tian’ireo Kristiana avy amin’ny Jentilisa ireo ho azo antoka ny famonjena azony, dia tsy maintsy hoforana sy hitandrina tsara ny didy sy ny lalàna Jiosy momba ny fivavahana izy, toy ny fitandremana ny sabata. Efa nisy voasongitr’ izany fampianarana izany ireo Galatiana.

Nanao antso avo i Paoly Apostoly hitarika ny Galatiana tsy hanaraka io Fampianaran-diso io, ka nahasahy niteny hoe: “Ry Galatiana adala!” Olona nitaominy tao amin’ny Filazantsara, dia ny famonjen’ Andriamanitra maimaim-poana ny olona noho ny fahasoavany ny Galatiana kanefa tratry ny fikorotanan-tsaina manoloana ny fampianarana vaovao misosoka eo amin’izy ireo. Noho izany dia voatery nampianatra i Paoly fa tsy azo amin’ny alalan’ny fitandremana ny lalàna (asan’olombelona) ny fandraisana ny fahasoavana araka ny teny fikasan’ Andriamanitra fa miankina amin’ny finoana irery ihany. Mpitaiza vonjy maika ny  lalàna fa rehefa tonga Jesosy iraky ny Ray nanao ny fanavontana antsika , dia nanangana antsika ho zanaka afaka Izy Mpandova ary olon-dehibe (Gal.3:25-4:7). Koa izay miankina amin’ny lalàna hamonjy azy dia toy ny miverina amin’ny abidim-pampianaran’ izao tontolo izao ka voaheloka sy ambany fanandevozana. Ny mino an’i Jesosy kosa no hahazo famelan-keloka sy fanamarinana handeha araka ny Fanahy ka olom-baovao miaina amin’ny fahafahana hanompo amin’ny fitiavana vontoatin’ny lalàna satria tonga zanak’ Andriamanitra.

Antsoina hoe: “Epistilin’ny FAHAFAHANA” ity Epistily ity  satria notandindomin-doza noho ny fampianaran-diso izany ny Kristiana sy ny Fiangonana tao Galatia; nefa noho ny Filazantsara notorin’i Paoly tamin’ izy ireo  dia afaka amin’izany izy ireo. Ny fanavotana vitan’i Kristy teo amin’ny hazofijaliana dia herim-panavaozana hahazoana “Fiainana vaovao ao amin’ Andriamanitra” araka ny teny fototra ny Epistily hoe: “Ho amin’ny fahafahana no nanafahan’i Kristy antsika….., aza mety hohazonin’ny zioga fanandevozana intsony” (Gal.5:1).

Araka ny Perikopa anjarantsika eto (Gal.3:15-22): dia: “Mitaky izay ampanaovin’ny Fitiavana araka izay itarihan’ny Fanahy Masina”

Mangetaheta fitiavana mandrakariva ny olona itoeran’ny Fanahy Masina. Tsy ny tenany no mitaky izany fitiavana ho hataony izany fa ny Fanahy Masina ao aminy. Aseho ny Tenin’ Andriamanitra anjarantsika eto fa tsy misy fe -petra ho an’ny jentilisa amin’ny famorana vao azo raisina Kristiana izy ireo. Arovany Paoly izany.  Asan’ny lalàna dia tsy andraisana Filazantsara no tsy andraisana finoana. Ny andraisana ny fanahy Masina dia ny fitoriana Filazantsara amin’ny alalan’ny finoana. Ny hoe: Fanahy no miverimberina ao amin’ny Galatiana toko 3 sy toko 5 ary ny Romana toko 5 hatramin’ny toko 9.

Fanahy mahatonga finoana mitondra any amin’ny fiainana mandrakizay. Fanahy mihazona ny olona amin’ny finoana an’ i Jesosy Kristy. Fampianarana avy amin’ Andriamanitra no atolotry Paoly eto ka azo itokisana. Tsy misy ady hevitra ny Fanahy eto fa Ilay Fanahin’ Andriamanitra velona ka atolotra ny mino an’i Jesosy. Atolotra amin’ny alalan’ny Filazantsara. Efa vita fanekena vaovao amin’ Andriamanitra ny vita batisa ka tokony hiorina ao amin’i Jesosy. Ny fitsanganan’i Jesosy tamin’ny maty no fahatanterahany amin’ny alalan’ny fitoriana ny Filazantsara. Lalàna ho an’ny nofo ary ny Filazantsara ho an’ny Fanahy; zavatra roa miavaka tsara izany. Fanahy azo avy amin’ny Filazantsara fa tsy amin’ny asa.

Abrahama ny amin’ny finoana fanekena vaovao misy fanomezana Fanahy Masina.

-Ny Fanahy Masina no mampino ny olona mitarika amin’ny vavaka ka mahatonga ny faneken’ny olona ho zanak’ Andriamanitra ary asan’ Andriamanitra izany

– Ny Fanahy Masina no mitondra ny olona ho amin’ny fifaliana mandrakariva

– Ny Fanahy Masina no mitondra ho amin’ny fitiavana (hahay hitia). Io no fanevantsika

– Ny Fanahy Masina no mitondra ho amin’ny fahamasinana mitondra ny tsirairay amin’ny asa fanompoana ny namana sy ny fanomezam-pahasoavana ho amin’ny Fiangonana (1Kor.12). izany dia mitondra antsika hijery ny foto-kevitry ny Teksta ny alahady faha 13 manaraka ny Trinite izay mampisongadina ny FITIAVANA. Ny tampony dia izay nataon’ilay Samaritana tsara fanahy izay manondro ny nataon’i Jesosy araka ny Lioka.10:23 sy ny manaraka.

Ny fanontaniako hamaranana izao tenin’ Andriamanitra izao:

Mpivavaka ve ianao sa Kristiana?. Tena hitanao taratra ao aminao ve ireo asan’ny Fanahy Masina izay voatanisa teo ambony (vavaka, manao ny asan’ Andriamanitra, fifaliana, fitiavana, hahay hitia ny hafa, fahamasinana, amin’ny fanompoana ny hafa, sns). Tena hitanao na tena mihatra amin’ny tenanao, tsapanao fa ao amin’ny tenanao ve ireo zavatra hamantarana ny vokatry ny Fanahy Masina ireo. Tanteraka amin’i Jesosy ny teny fikasana tamin’ Abrahama.

Fehiny :

            Abrahama no modely tamin’ny fiantsoana ka nandray ny Fanahy Masina ka nanapa- kevitra niala tany amin’ny tanindrazany, tany nahabe azy, tany nahazatra ary raha ,ahere ny tenin’ I Jehovah manao hoe: “ Mialà amin’ i tany nahazatra anao sy ny havanao ary ny tranon’ny rainao hankany amin’ny tany izay hasehoko anao” (Gen.12:1) tany be fanompoan-tsampy io tany io. Sarotra ihany anefa ny miala amin’ny mahazatra; nefa noho ny finoana dia nanaiky Abrahama sy Saraha vadiny. Nandray ny fanekena izy ary napetrak’ Andriamanitra aminy ny teny fikasana “hahatonga anao ho firenena lehibe aho, sady hitahy anao sady hahalehibe ny anaranao. Ary ho fitahiana tokoa hianao. Ary hitahy izay manisy soa anao aho; ary hanozona izay manozona anao; ary aminao no hitahiana ny firenena rehetra ambonin’ny tany” (Gen;12:2-3). Mafy tamin’ Abrahama anefa izany nefa Jehovah tsy mivadika amin’ny fanekeny. Taty aoriana anefa lasa mpifahavalo ny taranak’ Abrahama, indrindra fa ny Jiosy sy ny Samaritana. Tsy maintsy tanteraka ny teny fikasana sy ny fanekena. Tonga Jesosy ilay fahatanterahany ka dia nanome fampianarana ho antsika izy; izay voalaza ao amin’ny Lio.10:23-37 (perikopa alahady faha 13 man Trinite, izay Filazantsaran’ ity Epistily anjarantsika ety): izay nanehoany ilay tantaran’ny Samaritana tsara fanahy; izay anehoan’I Jesosy ny tenany (Jao.8:48), satria tanteraka amin’i Jesosy ilay teny fikasana nolazain’ Andriamanitra tamin’ Abrahama. Nantsoina tahaka an’ Abrahama koa ianao ary nandray ny Fanahy. Mandehana manaova toy izany koa hoy Jesosy.

Lazain’i Paoly ao amin’ny Gal.3:15-22 izay perikopantsika fa tao amin’i Kristy no niantsoan’ Andriamanitra antsika ho amin’ny Fanjakany mandrakizay, ary tsy karaman’ny mpiasa izany fa lovan’ny zanaka araka ny teny fikasana izay efa nataony. Ary raha tena zanaka dia mpandova; tsy ny Fanjakan’ Andriamanitra ihany fa ny asam-pitiavany mitondra famonjena koa. Araka ny tenin’i Jesosy hoe “Izay mino Ahy ny asa ataoko ataony koa” (Jao.14:12) Antso ho an’ny mino rehetra izany; antso ho anao izay mandre izao tenin’ Andriamanitra izao koa. Izay rehetra mino an’i Jesosy dia manaradia Azy, ary manao ny asam-pitiavana izay nataony. Izany no tena Kristiana fa izay miditra Fiangonana ka tsy manara-dia an’i Jesosy no mpivavaka. Satria tsy nijanona ihany anefa fa nilaza koa Jesosy hoe “ary hanao asa lehibe noho izany aza izy, satria Izaho mankany amin’ny Ray” (Jao.12:14). Asam-pitiavana izay tsy mitady valiny ary tsy hahitana fatiantoka fa handraisana fiainana.

 

Voninahitra anie ho an’ Andriamanitra Ray sy Zanaka ary Fanahy Masina. Izay anjarany hatramin’ny taloha indrindra ka ho mandrakizay. Amen

 

 

Share