Toriteny Fanokanana ny FLM Morarano, Fileovana Miandrivazo, SP Menabe.

Toriteny Fanokanana ny FLM Morarano, Fileovana Miandrivazo, SP Menabe.

Teny Faneva: Mat. 7:17 (Mat. 7: 15-21, Alh VIII man. Trinite)

Baiko tamin’ny nanorenana ny trano: Hag. 1:8b

Soratra eny amin’ny alitara: Isa. 44:22b

Misaotra an’Andriamanitra lehibe isika ry havana fa nanome baiko Izy: Ataovy ny tranoko dia hankasitrahako izany sady hankalazaina. Zava-dehibe izay hanomezan’Andriamanitra izany baiko izany. Ity dia tsy hafa fa ny Israely izay babo. Ary rava tanteraka ny trano fivavahana, ka dia hahafantarana hoe afaka amin’ny fahababoana izy dia tsy izy mijanona any amin’ny tany fahababoana fa izy miverina ao amin’ny tanin’ny fiadanana. Tsy izy tsy manana toerana izay handrenesany ny Tenin’Andriamanitra mazava sy handraisany koa ny famelan-keloka mazava tsara fa izy izay manana izany toerana izany hahitany an’Andriamanitra velona, hiasan’Andriamanitra velona ao aminy ary handraisany famelan-keloka marina sy handraisany tokoa ny fitahiana rehetra. Izy izay tena ao amin’ny tananan’ny fiadanana marina. Izany no nanirahan’Andriamanitra azy: Makà hazo, ataovy ny tranoko, dia hankasitrahako izany, hankalazaina.

Mahafaly an’Andriamanitra mihitsy ny hoe: vonona hihaino ny teniny, vonona hanao ny sitrapony, vonona hiverina amin’ny maha zanak’Andriamanitra azy ny zanak’Andriamanitra rehetra. Na tamin’ny andron’ny Israely izany na amin’ny andron’ny Fiangonana vaovao ankehitriny. Ary ny ahalalana fa misy izany fahavonona izany dia ny fananana izao trano fiangonana mahafinaritra izao.

Ry fiangonana malala, aza mba isan’izay olona miavonavon-kevitra ka ny trano vita lehibe sy tsara tarehy, fa ny olona mijanona any ho any. Avonavona mihitsy izany, ary mitera-doza mihitsy izany. Fahafatesana no vokatr’izany. Fa mba ho velona ianao, amin’izay nanorena ity trano ity tahaka izao, dia tongava mihaino izay lazain’i Jesosy aminao eto, sy manao ny sitrapon’Andriamanitra ampanaovin’i Jesosy anao avy eto.

Nody avy any Vangaindrano izahay, nandalo Antsirabe, omaly, dia variana aho mahita ny fijoalajoalan’ny trano ataon’ny Mormona ho trano fivavahana. Dia nifanontany: Maninona no anankiroa ity? Dia hoy ny valiny: Ny iray misy tilikambo io an’ny lehilahy, ny iray tsy misy tilikambo io an’ny vehivavy sy ny ankizy. Fa ny raharaha amin’io dia izao: ny trano dia tsara tarehy dia tsara tarehy, fa tsy misy olona ao anatiny. Ary raha sendra ka mba misy, dia misy olom-bitsy ao anatiny.

Ry Fiangonana malala, izay nibaikoin’Andriamanitra hampisiana trano fiangonana tsara tarehy eto, ary nataony izay azo atao mba hampisy an’izany eto dia tena sitrapon’Andriamanitra, hahazahoan’i Jesosy miteny aminao marina, hahazahoan’i Jesosy miasa aminao marina, handrenesanao mazava ny Tenin’Andriamanitra, handraisanao marina ny Sakramenta, tena misy famelan-keloka sy fiainana mandrakizay.

Rehefa nilahatra iny isika hiditra aty am-piangonana dia jereko fa misy lehilahy eny an-tokontany eny, misy tanora eny an-tokontany eny; dia tsy amin’ny fisalasalana fa amin’ny fitiavana mihitsy no anaovana fanasana: Mandrosoa tompoko, tia anareo koa Jesosy. Tena mbola misy olona sahy, tsy mihaino izany feon’Andriamanitra izany. Na dia manao izay azony atao rehetra Andriamanitra, dia mbola misy ny mafy sofina, mbola misy ny mafy fo. Fa ho an’izany mafy fo izany dia mazava ny Tenin’Andriamanitra: Tena fahafatesana mandrakizay no takalony. Ary tena helo afo tsy misy fanafana no vidiny. Na iza na iza tsy te-handre izay lazain’Andriamanitra aminy dia indro fa mihatra aminy ny fanamelohan’Andriamanitra. Koa aza miavonavona tsy handre ny Tenin’Andriamanitra. Meteza hihaino ny Tenin’Andriamanitra marina.

Fa rehefa vita soa amantsara ny trano fiangonana dia misy antso lehibe izay atao. Izay nanaitra ahy indrindra dia ity: tsy antso natao ho an’ny Jentilisa any amin’izay tsy mahalala ny mombamomba an’Andriamanitra any ity fa antso natao ho an’ny Zanak’Andriamanitra marina. Dia teny izay natao ho an’ny Isarely babo, fony izy nanohitra, fony izy nandà, fony izy niala amin’izay fanekena nataon’Andriamanitra taminy, dia niantso azy Andriamanitra ka nanao hoe: Koa miverena Amiko, fa efa nanavotra anao Aho. Io koa no antso lehibe izay atao ho anareo ry Morarano.

Ny tantara dia mazava: efa tamin’ny taona 1945 no tonga teto Jesosy. 55 taona izany tamin’ny taona 2000. 65 taona izany tamin’ny taona 2005. 75 taona izany tamin’ny 2015. 80 taona latsaka anankiray izany amintsika izao miteny izao. Izay olona nateraka tamin’izany andro izany izao dia olona tena efa rangahy. Na izahay izao dia mbola tsy nahita masoandro tamin’izany. Tsy mba tany izay tsy fantatry ny Filazantsara raha i Morarano, raha ny Fileovan’ny Miandrivazo. Fa izao no antso izay atao’ny Tenin’Andriamanitra: Miverena Amiko fa efa nanavotra anao Aho.

Ry fiangonana malala, tenim-pitiavana izany, antsom-pitiavana izany. Tsy mbola mandre fanamelohana amin’izany ianao na dia kely aza. Taiza moa no toerana nisy anao ka tsy hitan’Andriamanitra? Oviana moa ny fotoana nisitrihanao ka tsy hitan’i Jesosy ianao? Fa amin’izany rehetra izany, indro misy tenim-pitiavana lehibe: Koa miverena Amiko fa efa nanavotra anao Aho. Izao no tonga tao an-tsaiko ry havana: Rehefa hanorina fiangonana tahaka itony dia mikisakisaka aloha ny olona: Raha izaho no miditra ao izao, dia tototry ny adidy, handany hoatrinona koa vao hitsangana io? Dia any izy mipetrapetraka any am-body kily any.

Tsy hainao atao izy amin’izany. Fa raha efa mitsangana toy izao tokoa ny trano, mbola hisy olona hisitrika any am-body kily any ka tsy handre ny Tenin’ny Tompo, Jesosy tia anao milaza hoe: Koa miverena Amiko fa efa nanavotra anao Aho. Dia fihantsiana an’Andriamanitra anie izany e! Famonoan-tena anie izany e! Izay anokafan’Andriamanitra midanadana ny varavaran’ny fiangonana ry havana dia ny hanananao anjara amin’izany antsom-pitiavana lehibe izany. Fa Jesosy no miteny aminao hoe: Koa miverena Amiko fa efa nanavotra anao Aho.

Lehibe izany antsom-pitiavana izany ry havana. Aza manentsi-tadiny. Tandremo ny manampin-tsofina. Sao manao Jamba mana-maso. Ianao no iantefan’ny fitiavan’i Jesosy ka itenenany mazava hoe: Koa miverena Amiko fa efa nanavotra anao Aho. Ho anao izany tenim-pitiavan’i Jesosy izany. Ho anao no antony nanorenan’Andriamanitra trano lehibe tsara tarehy sy mahafinaritra toy izao. Dia ho anao koa no itenenan’i Jesosy: Miverena Amiko fa efa nanavotra anao Aho.

Rehefa namaky ny Sal. 84 teo isika ry havana dia misy olona izay tena tamana ao amin’ny tranon’Andriamanitra, ary tena mahita tsirony amin’ny Tenin’Andriamanitra. Izay irin’i Jesosy dia mba ho ianao izay anankiray izay mihira ny Sal. 84 koa tena tamana ato an-tranon’Andriamanitra. Ary tena mahita tsirony, hilaza hoe: mihoatra noho ny tantely ato ambavako aza ny tsiron’ny Tenin’Andriamanitra, ka tsy mba te hiala mihitsy ato amin’ity tranon’Andriamanitra ity mba te handre mandrakariva izany Tenin’Andriamanitra velona izany. Mba te hihinana sy hisotra an’ny tena sy ny ran’i Jesosy izay atolony anao mandrakariva tokoa.

Ry fiangonana malala, tsy vitsy anefa izay mandeha am-pahazarana, tsy vitsy anefa izay mandeha araka ny fombafomba. Dia izao no itenenan’ny olona azy, izaho tsy tia mampiasa azy fa voatery mamerina azy: Kristiana Alahady fa mangalatr’akoho Alatsinainy. Manahirana an’i Jesosy ny nanomezany ny tenany sy ny rany ho anao. Dia mbola misahirana koa Jesosy manao trano fiangonana tsara tarehy sy mahafinaritra ho anao. Dia mbola misahirana koa Jesosy mandefa Pastora hitory teny aminao, hampianatra anao, hampandray anao, hikarakara anao amin’izay maha-zanak’Andriamanitra marina anao. Asan’i Jesosy daholo izany kanjo tsy mandray tsara izany ho fiainany ny olona fa maro ny mihatsaravelatsihy. Izany indrindra no lazain’ny Perikopantsika hoe: Ny hazo tsara rehetra dia mamoa voa tsara.

Tsy avelan’i Jesosy ho isan’ny mpihatsaravelatsihy ianao ry havana. Tsy eken’i Jesosy ho olona izay mandeha ampahazarana sy amin’ny fombafomba fotsiny tokoa ianao ry havana fa tiany ho velona tsara ao Aminy. Raha mamaky ity Mat. 7:15-21 ity isika dia antsoin’ny Tenin’Andriamanitra hamaky tsara koa izay lazain’ny Jao. 15:1-7. Izao indrindra izay tiana ho lazaina amin’izany ry havana: Raha fombafomba no alehanao aty dia tsy mamokatra. Izany hoe tsy mamokatra izany dia mitovy amin’ny olona tsy nankaty ihany. Ary ny tena loza, matiantoka lavitra noho ireo olona tsy nankaty. Izao no antony: Ny tsy nankaty sy ny mankaty ara-pomba dia samy hiharan’ny fanamelohan’Andriamanitra rahampitso. Fa ny tsy nankaty dia efa nanao ny sitrapony tany izy. Fa ianao sady lany fotoana, lany vola, kanjo iharan’ny fanamelohan’Andriamanitra ihany. Izay no loza. Dia izay no lazain’ity Mat. 7 ity sy izay lazain’ny Jao. 15: Aza ho isan’izay sampana tsy mamoa.

Na izay lazain’ny Jao. 15, na izay lazaina eto dia mazava tsara: Rehefa tsy mamoa voa tsara ianao fa mamoa voa ratsy na tsy mamoa dia izao no izy: ho kapaina ka hatsipy any anaty afo. Izay no lazain’ny and. 19, fa izany ihany koa no lazain’ny Jao. 15.  Ny sampana rehetra tsy mamoa, ny sampana mamoa voa ratsy rehetra: hokapaina, hatsipy any anaty afo. Tsy misy toerana ho an’ny fihatsarambelatsiny ny fanjakan’Andriamanitra any an-danitra. Na dia azonao atao ihany ny mipetraka amin’ny dabilion’ny fiangonana, fanjakan’Andriamanitra ety an-tany, ny fihatsarambelatsihy dia tsy misy toerana ho an’izany any an-danitra. Kapaina, dorana, levon’ny afo, izay no ambarany.

Fa izay tondroiny mazava tsara amin’ny and. 17, ny hazo tsara rehetra dia mamoa voa tsara. Io dia ambara tsara koa ao amin’ny Jao. 15, indrindra ny and. 5 sy ny 7. Fa amin’izay ananao fiombonana marina amin’i Jesosy, amin’izay ivelomanao marina amin’ny Tenin’Andriamanitra, amin’izay andraisanao marina ny Sakramentan’ny Fanasan’ny Tompo, mamoa voa tsara, izay no ilazan’ny Tenin’Andriamanitra azy, mamoa voa tsara. Ary ireo dia mahazo sitraka amin’Andriamanitra.

Ilazan’i Hagay azy teo dia hoe hankasitrahana, fa ny olona izay tena velona amin’ny Tenin’Andriamanitra, tena velona amin’ny tena sy ny ran’i Jesosy, tsy mba isan’ny mpihatsaravelatsihy, mamoa voa tsara, dia ankasitrahan’Andriamanitra koa, tena ankasitrahan’Andriamanitra koa. Ka tsy izay manao fampianarana, na teny mitondra fiviliana ihany no atao hoe faminaniana sandoka, fa ny manao fitondran-tena koa izay tsy araka ny sitrapon’i Jesosy dia faminaniana sandoka. Ka izay mihaino izany faminaniana sandoka izany, tsy mamoa voa tsara, harian’i Jesosy. Fa izay mamoa voa tsara, io dia tena sitrak’Andriamanitra, tian’i Jesosy.

Fa izay ho tsindriantsika manokana ry havana, ny amin’ny atao hoe mamoa voa tsara, ankoatry ny filazana ankapobeny hoe: miaina araka ny sitrapon’Andriamanitra, dia manao izay tsara rehetra. Ary izany no maha be fanontaniana sy tsy mampangina amin’ny fitarihana ny fiangonana, amin’ny andraikitra eto amin’ny firenena ka ilazana hoe: Nahoana tokoa no firenena Kristiana i Madagasikara, kanefa tototry ny faharatsiana. Mamoa voa tsara ve ny Kristiana amin’izany? Voa tsara ve ny kolikoly mambotry ny firenena ankehitriny ity? Ary hanamarin-tena ve ka hilaza hoe: ah! dia raharahna’ny Jentilisa izany, kanjo ianao Kristiana, mpandray ny Fanasan’ny Tompo, ianao zanak’Andriamanitra, tena mandray anjara mavitrika amin’izany. Tsy mamoa voa tsara, ary tsy afaka hilaza fa ho zanak’Andriamanitra marina tokoa izay mampahory ny tenany, mampahory ny ankohonany, mampahory ny fiarahamonina, mampambotry firenena, manimba fiangonana. Tsy voa tsara izany. Ary tsy sitrak’Andriamanitra izany. Tena tsy sitrak’i Jesosy izany.

Fa raha ny Amosa no milaza azy, ipetrahan’ny tsy fahamarinana ara-tsosialy isan-karazany ka mahabe ny elanelana amin’izay manan-katao sy amin’izay tsy misy ho raisina, mampitombo isan’andro ny isan’ny mahantra sy ny fadiranovana dia tena fampanjakana ny tsi-fahamarinana izany ary tsy mba isan’ny voa tsara izany. Tena voa ratsy, famotehana ny firenena, fandravana ny fiangonana izany. Fa izay mamoa voa tsara dia maneho ny fahatsaram-pitondrantenany ao amin’ny fiainany manokana aloha, fa maneho ny fahatsaran’ny asany eo amin’ny ankohonany koa ary mitondra vokatra tsara ho an’ny fiarahamonina.

Dia misy tokoa anie ra-olona ny olona izay antsoin’ny fiarahamonina hoe mangidy hoditra ka raha tonga ny fotoana andehanany dia hoy ny olona: Mba izay ahay. Dia tena olon-dratsy anie iny teo e! Fa misy koa izay mamy hoditra, tsongoin’olom-bolo, ka na zavatra kely ihany no midona sy mihatra dia mitsetra ny fiarahamonina manontolo: fa dia naninona re! mba lehilahy mahafinaritra anie izy iny! Mba vehivavy tonga lafatra anie izy iny! Fa mihoatra noho izany fitsaran’ny fiarahamonina azy izany no ahitana sy ahalalan’i Jesosy: Voa tsara ve sa voa ratsy? Hokapaina ve sa mahasoa ny fiarahamonina, mahasoa ny fiangonana? Tena ho fahavelomantsika izany ambaran’ny Tenin’Andriamanitra izany. Nantsoina ianao: Miverena Amiko, fa efa nanavotra anao Aho, hoy Jesosy. Ary antsoina ianao hisitraka ny soa sy ny tsara rehetra amin’izay nataon’i Jesosy. Fa antsoina koa ianao mba haneho izany fahatsaran’i Jesosy izany ao amin’ny fiainanao isan’andro.

Tsy voatery ry havana hanao zavatra lehibe sy mahatolagaga vao lazaina hoe mamoa voa tsara, fa ilaina ny fisian’ny manao zavatra lehibe sy mampitolagaga. Miara-dalana amiko hatrany Manakara ny controleur-n’ny Fiangonana Loterana Malagasy, dia niara-tonga amiko eto Miandrivazo omaly. Dia gaga izy rehefa itantarana hoe misy olona, misy olona manaiky, tsy manao hoe ahy ity ka dia tsy omeko anao, fa dia manolotra amim-pitiavana ho an’i Jesosy, ho an’ny fiangonana, ho an’ny fiarahamonina, ary dia misitraka izany maro, Mijery an’izao trano fiangonana tsara tarehy sy mahafinaritra izao, dia hoy izy: Tena vavolombeloha nahita maso aho ka dia afaka milaza fa misy tokoa ny olona afaka tena manome be amin’ny FITIAVANA.  Afaka manao izany koa ianao!

Ary tsy olona anankiray no tokony hanao izany, tsy olona anankiray no tokony hanao izany, fa na iza na iza, amin’izay rehetra nomen’Andriamanitra azy, dia tsy hamihin-tanana fa hanolotra. Ary raha isika rehetra samy manaiky fa misy izany fanomezan’Andriamanitra izany, raha isika rehetra samy manaiky fa hitondra izany zavatsoa izany, mamoa voa tsara, dia ho hitanao ahoana izany mamoa voa tsara eo amin’ny fiainanao manokana, eo amin’ny fiainan’ny ankohonanao, eo amin’ny fiainan’ny fiangonana, eo amin’ny fiainan’ny firenentsika.

Ry Kristiana malala, aza ho Kristiana mpihatsaravelatsihy ka manao hoe tompoko! tompoko! Fa meteza ho olona izay nandray fanomezana feno avy amin’i Jesosy ary mamoa voa tsara. Izay ilazan’ny Tenin’Andriamaitra azy dia izao: na manao tompoko, tompoko aza ianao dia tsy hiditra amin’ny fanjakan’ny lanitra, fa raha mamoa voa tsara kosa ianao, Jesosy ilay niantso hoe: Miverena Amiko fa efa nanavotra anao Aho, Jesosy ilay nampanao trano Fiangonana hivelomanao ety an-tany, dia hampiditra anao amin’ilay trano tsy nataon-tanana any an-danitra.

Ny mpanao fanatanjahan-tena ry havana dia manao fanazaran-tena isan’andro mba hahazahoany fandresena amin’ny fifaninana farany. Na dia ho fanazaran-tenanao fotsiny aza, fa tsy izany akory, na dia ho fanazaran-tenanao fotsiny aza mba mizatra an’izany hoe mihaino an’i Jesosy, tonga mihaino ny Tenin’Andriamanitra, mivelona amin’izany isan’andro, izany no ho fivelomantsika rahatrizay any an-danitra. Aza malaina amin’izany ianao.

Tia anao Jesosy ka milaza aminao hoe: Koa miverena amiko fa efa nanavotra anao Aho. Meteza hamoa voa tsara amin’izany antso masina izay nomen’i Jesosy anao izany

Pastora Dr RAKOTONIRINA David

Filohan’ny FLM

share