Apokalypsy 19: 11 – 21

Apokalypsy 19: 11 - 21
Vanim-potoana nampamaivay ny fanenjehana ny KRISTIANA no nanoratana ity Bokin’ ny Apokalypsy ity. Ny hafatry ny Boky dia ho fampaherezana ny enjehina tamin’izay fotoana izay. Ka hafatra an-tsary ifankazahoan’ ny enjehina, fa tsy fantatry ny mpanenjika no natao tamin’izany. Raha vao miteny hoe “fanenjehana” dia tsara ho faritana ny atao hoe MPANENJIKA, ny ENJEHINA, ny ANTONY NANENJEHANA ary ny FOMBA NANATANTERAHANA NY FANENJEHANA.
1) MPANENJIKA : Tamin’ ny vanim-potoana nanoratana ity bokin’ny Apokalypsy ity dia ny KAISARA ROMANA no nanenjika ny KRISTIANA ka ny rangory fototry ny afo amin’ny fanenjehana dia Satana ka nampiasa olona ho fitaovana izy tamin’izany. Satana sy ny forongony, Kaisara sy ny miaramilany mihitsy no tondroina amin’ny hoe:bibi-dia sy ny mpanjakan’ny tany mbamin’ny miaramilany izay tafangona hiady araka izay lazain’ny and. 19 amin’ity toko faha-19 ity. Mpaminany sandoka mpamitaka ny olona, io no niaraka taminy, ary ny mpaminany sandoka dia voalaza mazava tsara fa manao famantarana hamitahana olona hanara-dia azy.
2) ENJEHINA: Izay enjehina dia Jesosy izay loharanon’ ny Filazantsara. Fa izay milaza an’i Jesosy no hiharan’ny fanenjehana tamin’izany. Handray ohatra isika: Saoly noho ny tsy fahalalany dia miaramila nampiasain’i Satana izy teo aloha nanenjika ny Kristiana, kanefa dia Jesosy mihitsy no nilaza taminy hoe: “Saoly! Saoly! Nahoana no dia manenjika Ahy ianao?” Tamin’izany dia voalaza fa Jesosy mihitsy no nenjehina, na dia nieritreritra aza i Saoly tamin’izany fa olombelona no nenjehiny satria nitory ny anaran’i Jesosy ka nandehanany tany Damaskosy. Jesosy no nilaza fa: “Izaho no JESOSY izay enjehinao”. JESOSY sy ny Kristiana enjehina no aseho an-tsary mitaingina soavaly fotsy eto amin’ity sary an’ohatra ity.
Ny fanenjehana ny Kristiana izany dia adin’ny fanjakan’ i Satana trotra-dremby (very remby, very haza) sy ny Fanjakana entin’i Jesosy. Adin’i Satana izay very remby sy Jesosy sy ny ao amin’ny Fanjakany . Adim-panahy, ka ady amin’ny fanahy ratsy eny amn’ ny rivotra no ilazàn’I Paoly Apostoly azy, kanefa ady amin’ny fanahy mampiasa olona, dia ny olona izay manao herisetra amin’ny vatan’ny olona izay manaiky hitory ny Anaran’I Jesosy. Izao no zava-misy: ny irak’i Satana dia miasa, manao herisetra mihatra amin’ny vatan’ny olombelona izay manara-dia sy milaza ny Anaran’i Jesosy. Fa izay iharan’izany kosa anefa, dia izay enjehina nohon’ny anaran’i Jesosy, dia tsy mba mahazo mamely amin’ny sabatra fa amin’ny alalan’ny Teny ihany.
Ampahafantarina ianao ry Kristiana malala, miaramilan’i Jesosy, fa tsy mbola nisy ary tsy hisy fotoana tsy hisian’ny fanenjehana Kristiana. Hisy mandrakariva izany, miasa amin’ny heriny hisakana ny Filazana an’i Jesosy Satana ary olona no fitaovana ampiasainy amin’izany, ary ny maharomotra azy hanenjehiny ny Kristiana dia ny manelingelina ny asany, ary mitaona ny olona mba tsy ho ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra.
3) Ny ANTON’ny fanenjehana tamin’izay fotoana izay dia izao: nivolon-ko andriamanitra ny Kaisara Romana, ka izy no hiankohofana sy hotompoina ary hanaterana fanatitra. Ny Kristiana tamin’izany tsy mahafoy zavatra ho an’i Kaisara, na tsy te hanoa fanjakana ka manohitra ny voalazan’ny Romana toko faha-13, hanaiky ny fahefana lehibe, tsy izany tsy akory, fa noho ny maha fomba fivavahana ny fiankohofana sy fanaterana fanatitra ho an’i Kaisara, izany no nandavan’ny Kristiana ny fanaterana fanatitra sy ny fiankohofana, satria endri-pivavahana na fomba fivavahana natao tamin’i Kaisara no natao tamin’izany fotoana izany.
Ny fivahana kristiana dia tsy manaiky hampirafy an’Andriamaniitra amin’ andriamanin-kafa: ny didy voalohany no mandrara azy amin’izany. Tsy dia noraràna hivavaka amin’ izay andriamanitra hivavavahany ny vahoaka tao amin’ny fanjakana romana tamin’izany fotoana izany fa noterena ho tsy maintsy manao ny fombam-pivavahana amin’i Kaisara. Izany hoe azo ampirafesina amin’i Jehovah ny Kaisara, fa Jehovah tsy mety hampirafesina aminy. Ny fivavahana Kristiana, izay hambaran’ny BAIBOLY, dia tsy milaza Andriamanitra tokana ihany, fa mitaky fanompoana tokana an’Ilay Andriamanitra tokana. Tsy hoe milaza Andriamanitra tokana ihany, fa mitaky fanompoana tokana an’ilay Andriamanitra tokana, izany no ambaran’ny Baiboly.
4) NY FOMBA NANATANTERAHANA NY FANENJEHANA tamin’izany: Norahonana, noterena ny kristiana hiankohoka amin’I Kaisara sy ny sariny amin’ny faritra izay tsy nisy azy. Izay tsy nety niankohoka tamin’I Kaisara dia nosamborina, nampijaliana, ka isaky ny mandre mangirifiry amin’ny fampijaliana atao azy, dia nasaina nanozona an’I Jesosy. Ohatra fotsiny tamin’izany: Petahana vy mahamay dia nasaina nanozona an’ I Jesosy; ka isaky ny mipetaka ny vy mahamay dia hoe anozona an’I Jesosy. Raha tsy mety manozona fa miteny hoe “JESOSY NO TOMPO”, dia tohizana ny fampijaliana mandrapaha tapitry ny fofon’aina. Faraha miteny hoe “VOAOZONA JESOSY”, dia afaka ka votsorana tamin’izany. Nisy ihany kristiana tamin’izany, rehefa mafy ny fampijaliana ka nangirifiry, dia niala, ka nilaza hoe: “VOAOZONA JESOSY” dia novotsorana. Fa izay miteny hoe: “JESOSY NO TOMPO” dia tohizana mandra-pahatapitry ny fofonaina ny fampijaliana.
JAONA Apostoly izay nanoratra ity Bokin’ny Apokalypsy ity dia anisan’ ny niharam-panenjehana ka natao sesitany, dia lazainy tsara amin’ny toko 1 and. 9 fa ny nanaovana sesi-tany azy tany Nosy Patmo dia noho ny Tenin’Andriamanitra sy ny filazana an’I Jesosy. Nohon’ny filazàna an’i Jesosy no nanaovana azy sesi-tany tany amin’ny Nosy Patmo.
Fanenjehana miseho amin’ ny herisetra mihatra amin’ ny vatana ka niafara amin’ ny famoizana aina no nihatra tamin’ ny Kristiana tamin’ izany taonjato voaloahany izany.
Ny fikendren’ ny mpanenjika dia ny hamongotra ny fivavahana kristiana. Fa Andriamanitra TSITOHA kosa mamela ny fanenjehana hiseho. Ny hoe TSITOHA dia lazain’ny hirantsika hoe: “tsy misy mahalà” izay tiany hatao, ary tsy misy afaka manao izay raràny. Izany no atao hoe “Andriamanitra Tsitoha”. Fa matoa miseho ny zavatra iray dia avelany. Avelany hiseho ny fanenjehana ka miasa amin’ izany ny Fanahiny. Toa mahery, toa mandresy ny mpanenjika ary toa malemy ka resy ny enjehina. Kanefa, amin’ izany toa fahalemena sy faharesena izany, no isehoan’ ny heriny sy ny fandresena.
Alaim-panahy indraindray ny enjehina hihevitra hoe : malemy sy resy ny Tompo tompoiny. Ho fampaherezana ny enjehina no antony hanoratana izao Boky izao. Ka aseho an-tsary amin’ ity toko fah-19: 11-21 anjarantsika ity, fa MAHERY sy MPANDRESY ny Tompo, ary mandresy koa ny olona miaraka Aminy, dia ny olona masina izay miaraka Aminy. Manana ny fomba fiadiny ny Fanjakan’Andriamanitra ka tsy tokony haka tahaka ny paikadin’ny Fanjakan’ny devoly ny olona ao amin’ny Fanjakan’Andriamanitra.
Atodiko avy hatrany aminao izay mihaino (mamaky) izao toriteny izao ny FAMPAHEREZANA atolotr’ ity Perikopa anjarantsika ity:
Izao no fampaherezana atolotr’ity perikopa ity antsika:
I-MPANJAKA-MPITSARA-MPISORONA MAHERY NY TOMPONTSIKA
II-IANARO NY FOMBA FIADINY
III-MPANDRESY IANAO MIARAKA AMINY
I.1-MPANJAKA-MPITSARA-MPISORONA MAHERY NY TOMPONAO
Mpanjaka: Mpanjakan’ny mpanjaka no ilazàna Azy eto. Tompon’ny Tompo no ilazàna Azy eto, izany hoe Mpanjakan’ireo Kaisara izay nampijaly tamin’izay fotoana izay, ary Tompon’ny Kaisara izay nilaza ho tompoina sy nilaza ho andriamanitra tamin’izay fotoana izay. Ny Lanitra no seza fiandrianany: io no voalaza eto.
Soavaly fotsy: fotsy mariky ny fahadiovana sy fiadanana: io no taingenany. Manana miaramila: dia ny anjely sy ny olo-masina mitaingin-tsoavaly fotsy tahaka Azy koa ity Mpanjaka ity. Ny anarany dia TENIN’ANDRIAMANITRA na ILAY TENY TONGA NOFO, Ilay hatramin’ny taloha indrindra, ary ny tehina eny an-tànany, TEHIM-BY ary izany no hanapahany ny firenena rehetra. MPANJAKA ILAY TOMPONAO.
I.2 – MPITSARA: Mahatoky sy Marina = tsy mivadi-panekena sy tsy mitsoaka amin’ny TENY FIKASANA nataony. Mitsara amin’ny FAHAMARINANA, ka Andriamanitra Mpitsara tsy manao kolikoly. Manaiky ny Fitsarany ny firenena rehetra. Eny, ny fahatezeran’Andriamanitra, ampanginin’ny fahamarinany ny fahatezeran’Andriamanitra tsy hihatra amin’ny mpanota izay mibebaka. Ampangininy tsy hihatra amin’ny mpanota izay mibebaka ny fahatezeran’Andriamanitra.
I.3 – MPISORONA koa ity Tomponao ity. Voafafy rà ny fitafiany, hoy ny Teny voavaky teo. Milaza ny fisoloany ny mpanota ka mampangina ny fahatezeran’ Andriamanitra izany.
Ry Kristiana izay mbola hiharam-panenjehana mandrak’ankehitriny, ny fahatanterahan’ny Testamenta Taloha no hita ao amin’ny Tomponao. MPANJAKA TSITOHA Izy, MPITSARA MARINA Izy, MPISORONA nandatsaka ny rany Ilay Tomponao. MAHEREZA ny amin’ny fanana izany Tompo izany.
II-IANARO NY FOMBA FIADINY:
FAHAMARINANA no entiny miady araka ny voalaza eto. Ny masony dia ny lelafo, sabatra =Tenin’ Andriamanitra no mivoaka ny vavany, ka aza alaim-panahy hampiasa ny herisetran’ny fanjakan’ny devoly, fa ny TENY, io no SABATRY NY FANAHY iadiana amin’ny fanahy ratsy eny amin’ny rivotra hoy I Paoly Apostoly ao amin’ny Efesiana toko faha-6. ITOKIONAO ny Teny naloaky ny vavany fa maharesy ny fahavalo izany. TENY TOKANA dia mahalavo ny fahavalo, dia ny anaran’I JESOSY no lazaina amin’izany. Maso lelafo mandevona no entiny mifanandrina amin’ny fahavalo, ka na dia mandrahona aza ny fahavalo, eo amin’ny fotoana izay androahan’ny Fifohazana na androahan’ny Mpiandry ny devoly dia izao: mampiseho maso tsy toy ny mason’olombelona ny devoly amin’izany, kanefa omen’Andriamanitra maso lelafo mifanandrina amin’izany ny miaramilan’i Jesosy ka mandresy amin’izany.
III-MPANDRESY IANAO MIARAKA AMIN’NY TOMPONAO:
Aseho amin’ny sary eto fa na dia miangona aza ny bibidia sy ny miaramilany, samborina izany ka hatsipy any amin’ny helo mirehitra afo; Ny SABATRA izay mivoaka amin’ny vavan’Ilay Mitaingin-soavaly, io no mandresy, mandripaka ny fahavalo, dia ny biby dia sy ireo mpanara-dia azy. Eny, na dia miasa amin’ny alalan’ny famitahana, amin’ny alalan’ny famantarana aza ny mpaminany sandoka, ny Teny izay miloaky ny vavan’Ilay Tomponao ka hampiteneniny anao ankehitriny koa, dia mbola mandresy izany, ka mandripaka ny fahavalo. Amin’izao fotoana iainantsika izao, ny Tenin’Andriamanitra izay mivoaka ny vavan’ny mpanompony maro, ka miantefa amin’ny sofin’ny olona maro, dia isaorana an’Andriamanitra fa mbola misy an’izany amin’izao fotoana izao, hamelona izay manaiky izany Teny izany. Fa mandripaka, na mamono izay rehetra manohitra izany koa ny Tenin’Andriamanitra.
Ry havana malala, toa resy ianao enjehina, nefa mpandresy. Toa resy ny fomba fijery ny hihetraketrahan’ilay ratsy, kanefa mpandresy.
Ny fanenjehana: dia iasàn’ny Fanahy Masina amin’ny fomba maro izany fanenjehana izany:
1- Hery Mampahery haharetana fijaliana sy fahoriana mandra- pialan’ny fofon’aina ny Fanahy Masina: mahagaga, fa olombelona miharitra fijaliana kanefa dia maharitra an’izany. Ny Fanahy Masina no miasa mampahery amin’izany. Fa Paoly Apostoly dia milaza mazava tsara ao amin’ny 1 Korintiana 12:3: “Koa mampahafantatra anareo aho, fa tsy misy olona ampitenen’ny Fanahin’Andriamanitra ka manao hoe: voaozona Jesosy, ary tsy misy mahay manaiky hoe: Jesosy no Tompo raha tsy ny Fanahy Masina.” Ny Fanahy Masina tao amin’ny olona nenjehina no nahafahany niteny hoe: JESOSY NO TOMPO, na dia nangirifiry aza ny vatany , ka nihatra hatramin’ny faran’ny fofon’ainy izany. Miasa amin’ izay mandinika ny manjo ny enjehina koa ny Fanahy Masina ka mandresy lahatra azy ireo ho babon’i Jesosy. Ka ny mpanenjika mihevitra fa resy ny enjehina nefa fandresena na dia toa resy aza. Ny toa faharesen’ny enjehina anefa no fandresena ka vao maika nampiroborobo ny Filazantsara izany, ka izany indrindra no ilazàna hoe: ny ràn’ ny maritiora no zezika nampidoroboka nampanjary nampamokatra ny Filazantsara. Arakaraky ny hisian’ny ràn’ny maritiora latsaka no vao maika niasan’ny Fanahy ka nahatonga ny olona hoe: misy antony lehibe mahatonga ny olona miharitra ka na izay mbola tsy tao aza, dia niditra ka nirotsaka ho naman’ny Kristiana satria niasa ny Fanahy, lasa zezika ny ràn’ny maritiora.
2 -Ny fanenjehana no ahatazanana ny ho avy mamirapiratra dia ilay voninahitra maharitra mandrakizay ampanantenaina any an-danitra.
Ry havana malala, ity bokin’ny APOKALYPSY ity dia fanambaran’ Andriamanitra ny ho avy mamirapiratra antenain’ny Kristiana. Ny hoe APOKALYPSY= manala sarona: misy zavatra misarona, tsy mbola hita fa alàna sarona mba ho hita. Ary eto amin’ny andininy faha-11, dia ny lanitra VOASOKATRA, izay nolazaina eto. Voasokatra ny lanitra ka hitan’i Jaona Apostoly. Ary izany no entiny ampaherezana koa amin’izao soratra nataony izao. Voasokatra ny lanitra, hitany ilay Mpanjaka Mahery, ary hitany ny fandreseny, ampaherezina amin’izany ny mino izay hiharan’ny fanenjehana ankehitriny.
Ny bokin’ny Apokalypsy dia FAMPAHEREZANA ny KRISTIANA izay IHARAM-PANENJEHANA. Alàna sarona, sokafana ny lanitra mba ho hita. Boky fampaherezana ity fa tsy boky fampitahorana. Fa izay matahotra, dia mety ho naman’ny mpanenjika. Fa izay enjehina, ka avoakan’ny Fanahy Masina aminy ny hevitr’ity Boky ity, dia mahazo fampaherezana izy. Ka aoka hahazo fampaherezana amin’ny alalan’ity Boky ity.
Ry Havana malala, tsy hiato ny fanenjehana fa tsy maintsy misy io. Adin’ny Fanjakan’I Satana sy ny Fanjakan’I Jesosy ity, ka tsy maintsy hisy io. Ny fomba hisehoany sy ny antony no mety no mety hiovaova, fa misy hatrany hatrany, ary mety miova endrika ny fanenjehana ny Kristiana izay tena mijoro.
Amin’ izao vaninandro iainantsika izao, dia mavaiavy ny fanenjehana, indrindra fa isika Fifohazana. Manangana fikambanana Satana, ary maro ny olona manao fanekena ho mpikambana ao anatin’izany. Ary mamitaka amin’ny alalan’ny famantarana ny mpaminany sandoka, tahakan’ny efa voalaza hatramin’izay. Toa manao famantarana ka maro no voafitaka. Mamitaka ny mpaminany sandoka. Ary amin’izao fotoana izao, dia mihatra amin’ny alalan’ny herisetra maro samihafa izany. Eny, na tsy amin’ny herisetra aza, dia miseho amin’ny endrika fandraràna maro samihafa, ny amin’ny tsy handrenesantsika ny Tenin’Andriamanitra. Kanefa amin’izany indrindra no ampaherezana antsika, fa Jesosy dia Mpanjaka Mahery. Izy Ilay Mpitsara Marina. Izy Ilay Mpisorona efa nisolo voina antsika ary nanao sorona ny Tenany, nandatsaka ny Ràny, ary izany no antoka lehibe ho antsika amin’ny fandresentsika.
Sao halaim-panahy ianao ka hilaza fa malemy, toa mora resy ny Tompo tompoinao raha iharan’ny herisetran’izao fotoan’andro izao. Sanatria izany! Andriamanitra Mahery Izy, ka Amin’ity toko faha-19 ity dia ambara mazava tsara fa Andriamanitra Mahery no ivavahanao, Tompo Mahery no tompoinao. Raiso ny fitaovam-piadiana izay atolony anao, ampiasao izany, ary ny vava indrindra no ivoahan’izany Teny izany ho sabatra handringana ny fahavalony teo. Fa ny vava indrindra koa no ivoahan’izany Teny izany, ho fampaherezana izay iharam-panenjehana rehetra. Koa mahereza ry havana, fa ny fanenjahana izay natrehin’ny Kristiana tamin’izay fotoana izay, izay mitohy sy miseho amin’ny endrika maro samihafa koa ankehitriny, dia mbola misy izany kanefa matokia fa mpandresy ianao; miaraka amin’i Jesosy Ilay fa nandresy izao tontolo izao.
Voninahitra anie ho an’Andriamanitra Ray sy Zanaka ary Fanahy Masina, izay efa hatramin’ny taloha indrindra ka ho mandrakizay. Amen.
Share