FSFLM

FSFLM na firaisan’ ny Sktotisma Loterana Malagasy dia fitambaran’ny Tily sy ny Mpanazava, dia miandraikitra manokana ny fitoriana ny Filazantsara amin’ny zaza sy ny tanora ary manabe azy ireo araka ny Soratra Masina, ny Foto-pinoan’ny FLM,

Mitaiza ihany koa sampana FSFLM amin’ny fomba fanabeazana skotisma, ho olona vanona amin’ny fandraisana andraikitra sy ny fanaovana asa soa.
Toy izao no zava-kendren’ny Fikambanana Skoto FLM: mandalina sy manamafy orina ny finoan’ny mpikambana araka ny Soratra Masina;
mitarika ny mpikambana hijoro vavolombelon’ i Jesosy Kristy eo anivon’ny mpiara-belona sy ny Fiangonana; mamolavola sy manefy toetra hahatonga ny mpikambana ho olom-pirenena vanona; mampiasa ny tànana mba hampivelatra ny saina amam-panahy; mitaiza sy mikolokolo ny fahasalamana mba ho afaka mamokatra; manandratra ny firahalahiana sy fifankatiavana mikendry ny soa iombonana eo amin’ny samy mpikambana ary ny manodidina; manatateraka amin’ny alalan’ny fandaharam-panabeazana skotisma ireo zava-kendrena ireo.

Sampam-pikambanana ao amin’ny FLM ny FS.FLM ka manaiky sy manaja ny rafitra sy ny fandaminana sy ny lalampanorenana mifehy ny FLM.
Miombona amin’ny Fikambanana « Mpanazava sy Tily Eto Madagasikara (MTEM) ihany koa ny FS.FLM, ka manaiky sy manaja ny rafitra sy ny fandaminana misy ao aminy. Misy any amin’ny Synodam-paritany manerana ny sahan’ny FLM ny FS FLM, hatrany Eoropa (SP FLME).