Teny Fisaorana sy Famporisihina

Teny Fisaorana sy Famporisihina

…Ny fiàsan’ ny fivavaky ny marina dia mahery indrindra. Jak.5:16.

Amin’izao andro mahory mihatra amin’ny Firenena sy midona amintsika Kristiana rehetra izao, ny Foibe FLM dia mampahery sy misaotra ny Pastora rehetra izay manao ny ainy tsy ho zavatra amin’ny alalan’ny famahanana ny Kristiana rehetra amin’ny Tenin’Andriamanitra sy ny Sakramenta. Tsapanay fa misy ny voan’ny Covid-19 eo ampanatanterahana ny asa, ary misy ny efa eo an-dalampahasitranana, koa dia mivavaka ho anareo rehetra izahay. Hoy Paoly Apostoty : Koa amin’izany, ry rahalahy malalako, dia miorena tsara, aza miova, ary mahefà be mandrakariva amin’ny asan’ny Tompo, satria fantatrareo fa tsy foana tsy akory ny fikelezanareo aina ao amin’ny Tompo (1. Kor.15:58).

Mitondra fisaorana ho an’ny Katekisita, ny Mpiandry rehetra, ny Diakona, ny Teknisiana isan-tsokajiny ao amin’ny Fiangonana izay manohy ny zara fanompoana na dia eo aza ny fahasarotana atrehina amin’ny fandavorariana ny asa. Mirarisoa ho an’ny ankohonanareo rehetra izay miara-manompo amainareo. Hoy Jesosy : Jao.9;:4: Isika tsy maintsy manao ny asan’izay naniraka Ahy, raha mbola antoandro; avy ny alina, ka tsy mahazo miasa ny olona.

Mitondra fankasitrahana ho an’ny Mpiasan’ ny Fahasalamana ( Dokotera, Mpitsabo Mpanampy, ny mpiasan’ny fahasalamana rehetra amin’ny fandraisana an-tanana ireo marary sy manampy azy ireo mba hahazoany fahasalamana feno. Misy aminareo no mbola mararin’ny Covid-19 ary misy koa ny aina nafoy teo am-pananaterahana ny asa. Hoy Jesosy :”… Atỳ amin’izao tontolo izao no ahitanareo fahoriana; nefa matokia; Izaho efa naharesy izao tontolo izao (Jao.16:33).”Mirary fankaherezana ho antsika Kristiana rehetra, ireo tsy salama sy miady amin’ny fahasarotana, ireo fianakaviana namoy Havana, ireo mandalo sedra sy fahasarotana. Hoy Jesosy: “Ary Andriamanitry ny fiadanana anie hahamasina anareo samy ho tanteraka, ka aoka harovana avokoa ny fanahinareo sy ny ainareo ary ny tenanareo ho tanteraka ka tsy hanan-tsiny amin’ny fihavian’i Jesosy Kristy Tompontsika (1.Tes.5:23).

Farany, dia mangataka antsika rehetra mba hanokana fotoana hiaraha-mivavaka isaky amin’ny 8:00 ora alina ho an’izay afaka, Ary manainga antsika mpiandry rehetra koa mba handray ny akanjo Masina ka hiasa any an-tokantrano satria ady amin’ny fanahy ratsy no atao, araka ny tenin’I Paoly ao amin’ny Efe.6:12: “Fa isika tsy mitolona amin’ny nofo aman-drà, fa amin’ny fanapahana sy amin’ny fanjakana sy amin’ny mpanjakan’izao fahamaizinana izao, dia amin’ny fanahy ratsy eny amin’ny rivotra.” Misaotra ireo manolo-tena handeha hampahery ny marary eny amin’ny Hopitaly.

1Pet. 3:8-9 : Farany, miraisa saina hianareo rehetra, ka miaraha ory, mifankatiava tahaka ny mpirahalahy, mifamindrà fo, manetre tena, 9 tsy mamaly ratsy ny ratsy, na fanaratsiana ny fanaratsiana; fa aoka hisaotra kosa, satria ho amin’ izany no niantsoana anareo mba handova fitahiana.

Pastora Dr RAKOTOZAFY Denis, Filohan’ny FLM

share