Toriteny: Mat. 28:19a « Koa mandehana ianareo, dia ataovy mpianatra ny firenena rehetra. »

Toriteny: Mat. 28:19a « Koa mandehana ianareo, dia ataovy mpianatra ny firenena rehetra. »

Ankaramalaza 2019; Zoma 02 Aogositra; 08:00 maraina (Fotoan-dehibe Fanokanana)

Toriteny: Mat. 28:19a (Past. Dr Rakotonirina David, Filohan’ny FLM)

Ny mampiavaka ity Faneva ity dia izy amerenana amintsika ilay Iraka Lehibe avy amin’ny Tompontsika ho antsika rehetra.

Ny filazantsaran’ny Matio izay lazain’ny mpampianatra sasany koa ho Filazantsaran’ny Fanjakan’ny Lanitra dia mibanjina tanteraka ny famoriana ny olona rehetra ho tonga ao amin’izany Fanjakan’ny Lanitra izany. Vao miandoha kely ny Filazantsara ao amin’ny toko faha 4 aorian’ny nakana fanahy an’i Jesosy dia efa niseho miharihary izany tamin’ny fiantsoana ny Mpianatra hamory olona ho amin’ny Fanjakan’Andriamanitra. Ary eo amin’ny fisasahany latsaka, eo amin’ny toko faha-10, dia hitantsika ao ny fanirahana ireo 70 lahy mbola hamory olona ho amin’ny Fanjakan’Andriamanitra ihany, ary nampandehanina tsiroaroa izy ireo. Aorian’ny fitsangan’i Jesosy tamin’ny maty, amin’ny famarana ny boky, dia mbola miverina indray ny fanirahana, kanefa ity iray ity dia antsoina he fanirahana lehibe.

Miavaka tokoa ity iraka ity fa mifamatotra amin’ny fitsanganan’i Jesosy VELONA. Amin’ny fiantsoana ny Petera dia voatsindry ihany ny hoe “andeha hanaraka Ahy fa hataoko mpanarato olona ianao” ary tamin’ny  fanirahana ao amin’ny toko faha folo dia irahina izy ireo hanasitrana ny marary, hanadio ny boka, ary hamoaka demonia. Tsy mitovy hery velively amin’ny hoe ataovy mpianatra anefa izany fa hatramin’ny fitsanganan’i Jesosy ho VELONA dia manome fahefana sy iraka ny mpianany ny Tompo tsy ny ho mpianatra ihany fa ny hanao mpianatra koa, tsy ny ao Palestina ihany fa ny firenena rehetra mihitsy.

Hita eto koa fa misy fanjakana mifanohitra eto amin’izao tontolo izao ary tsy mba mifamaly moramora fa tena ady mihitsy aza izay. Miseho imbetsaka amini’ity filazantsara izany ady amin’ireo fanjakana roa ireo izany dia ny fanjakan’ny Satana sy ny fanjakan’Andriamanitra. Manana ny heriny anefa ny iraka lehibe izay mifamatotra amin’ny fitsanganan’i Jesosy anirahana ny Mpianatra eto. Misy dikany lalina io fahaveloman’i Jesosy miala avy amin’ny fahafatesana io vao maniraka.  

Matetika dia mifangaro tsy hain’ny olona avahina ny teny samihafa sy ny raharaha samihafa araka ny fanirahana ataon’i Jesosy. Afangaron’ny olona ireto: mijoro ho vavolombelon, mitondra hafatra, manambara ny filazantsara, mitory Teny, ka amin’izay anatonantsika ity Faneva ity dia havoitra ny hoe : FITORIANA NY FILAZANTSARA VELONA.

Raha ny nahazatra ny Fariseo sy ny Mpampianatra Jiosy dia nilaza ratsy sy niteny ratsy ny namany. Olona tsy afaka manao mpianatra ny firenena rehetra ireo fa lany andro amin’ny filazana ratsy ny namana fotsiny. Io no teboka lehibe voalohany havoitrantsika miaraka amin’ity teny faneva ity.

Hita amin’ny fanatonana izao teny faneva izao koa ny hoe: afangaron’ny olona ny filazana tsara ny tenany sy ny FILAZANTSARA MARINA. Ary io no hevitra sarobidy faharoa, anatonantsika koa izao teny faneva izao. Raha lazaina fa vokatry ny herin’ny ota ao amin’ny fo, mitondra sy mitarika ho amin’ny fihatsarambelatsihy, ka tsy hahazoana manao mpianatra ny filazana ratsy ny namana sy ny filazana tsara ny tena dia ambara fa tena miavaka ity iraka lehibe ity satria FILAZANTSARA MIFAMATOTRA AMIN’NY FITSANGANAN’I JESOSY HO VELONA. 

Tsy filazantsara, ary tsy mahataona olona ho amin’ny filazantsara ny filazana ratsy ny namana. Io dia notondroin’i Jesosy mazava hoe: ianareo tsy miditra ary ny te-hiditra sakananareo. Ny sitrapon’Andriamanitra mazava amin’izao teny izao dia ny hahatonga olona maro dia ny firenena rehetra ho ao amin’ity Fanjakana tarihin’i Jesosy Kristy Tompo ity.

Mat. 9:3; 15:2; 17:24: Ny Fariseo dia mandany andro sy fotoana milaza ratsy ny namany, mandany ny heriny hanondro ny faharatsian’ny namany. Tsy filazantsara ireo ary tsy hahatonga olona ho ao amin’ny fanjakan’i Jesosy, tsy manolotra fiainana izany fomba izany fa vao mainka mamono. Hita koa izany tamin’ny fitantaran’i Lioka ilay Fariseo nivavaka ka tafiditra hatrany anatin’ny vavaka ny fanaratsiana ny hafa. Isika rehetra ry havana dia nantsoina ary omena iraka lehibe mba hanao mpianatra ny firenena rehetra mba hahatonga olona maro ao amin’ny Fanjakan’Andriamanitra, dia ny fanjakana tarihin’i Jesosy. Koa na iza na iza manaiky marina fa nandray izany antso iraka lehibe izany, indrindra amin’izao isan-taona faha 78 izao dia enga anie mba tsy handany andro amin’ny fanaratsiana namana ka tsy handany andro hisakana ny olona mba tsy hiditra ao amin’ny Fanjakan’ny lanitra fa kosa hikely aina andro aman’alina hampitombo ny isan’ny olona hatao batisa, ho tonga zanak’Andriamanitra, manana an’i Jesosy ho Tompony, olona marobe ho mpiara-mandova izany Fanjakan’ny lanitra izany.

Anterin’ny didy fahavalo koa izany araka ny fanazavana nentin’ny Dr. Martin Lotera ao amin’ny fotopianarana kely nosoratany, ary manome toromarika izy amin’izany ny mba hahatonga antsika tsy hanaratsy fa hilaza soa, tsy hanameloka fa hanafaka azy aza. Amin’ity fanirahan’i Jesosy ity dia aza mba ho isan’izay manaiky hitondra filazana ratsy fa meteza ho mpitondra filazatsara marina amin’ny fotoana rehetra sy ny toerana rehetra ka na izay sainina na izay lazaina na izay atao dia hampiharihariana fa velona Jesosy. Velona ny Teny izay lazainao. Velona ny fihetsika asehonao. Velona Jesosy ka namelona anao. Ary aoka ianao hahavelona olona maro koa amin’ny fizarana izany. Fa izany no sitrapon’Andriamanitra tsara sady ankasitrahana no marina.

Faharoa araka ny nolazaintsika teny am-piandohana dia mbola tsy filazantsara marina koa ny filazana tsara ny tena. Fanamarinan-tena no hevitr’izany (Mat. 9:14). Raha iverenantsika ilay Lio. 18:11 teo momba ilay Fariseo nivavaka dia nitanisa ny maha-tsara azy koa izy. Tena nandany fotoana izy hanamarinana ny tenany teo anatrehan’Andriamanitra sy ny olona. Maro ny ohatra momba izany izay mampiharihary fanamarinan-tena amin’ny fomba samihafa. Ary ireny dia tsy hahatonga olona ao amin’ny Fanjakan’ny Lanitra velively koa fa manidy ny varavaran’ny lanitra amin’ny olona aza. Jesosy tenany dia nananmeloka avy hatrany ity Fariseo ity sy ny mpihatsaravelatsihy tahaka azy. Ary tsy izany ihany fa na ny tenanao aza dia handray fanamelohana matanjaka koa raha miaina amin’izany fanamarinan-tena izany.

 

Nampihariharian’i Jesosy fa efa nomena Azy ny fahefana rehetra mba tsy hisy na iza na iza hisalasala ny amin’ny maha-Mpanjaka Tompon’izao tontolo izao Azy ka iantsoany antsika mba Aminy no handohalika ny lohalika rehetra ary ny lela rehetra hanome voninahitra Azy koa. Io no kendreny. Ary mba tsy hahatonga antsika ho amin’ny an-kavia na ho amin’ny an-kavanana no anamelohany izany mivantana.

Miatrika izany rehetra izany, ny filazantsara marina dia Jesosy nitsangana tamin’ny maty, Jesosy velona. Izay tsy maintsy hameno ny saintsika, ny fontsika, amin’ny teny rehetra lazaintsika sy ny asa rehetra ataontsika dia Jesosy velona sy Jesosy nitsangana tamin’ny maty. Na miresaka mangina amin’ny tenananao ianao na amin’ny manodidina, na amin’ny fihetsika amin’ny takona, na ny ampahibemaso dia aoka ho izao no kendrena: MAHATAONA OLONA MARO HANAIKY AN’I JESOSY VELONA, MITONDRA FIAINANA HO AN’NY OLONA.

Fahadisoana matetika mandavo ny olona ny tsy fiheverana afa tsy ny tenany: Voavela ny heloko, akaiky an’i Jesosy aho, manana fifandraisana tsara amin’ny Tompo aho, … dia Tapitra eo izany. Fahadisoana lehibe tokoa izany ary fahadisoan-kevitra. Koa amin’izao iraka lehibe izao, na kely na lehibe, na lahy na vavy, antitra sy tanora, na tambanivohitra na mpiasa am-birao, na mpiompy na mpivarotra, na iza na iza no omena izao iraka izao dia izao no zava-dehibe: Ny sainy, ny teniny, ny asany dia hanolotra ny fahaveloman’i Jesosy amin’ny manodidina azy rehetra. Ity Iraka Lehibe ity dia milaza mazava indrindra ny hahazahoana ny olona rehetra ho an’i Jesosy. Malaza ankehitriny ny mondialisation ka samy te hifehy izao tontolo izao amin’izay heriny sy ny fahefany ny rehetra. Araka izany koa dia tena Programa lehibe anirahana antsika ny hanao mpianatra ny olona rehetra. Tsy ny hanagadrana azy na ny hanamelohana azy fa ny hanafahana sy hanomezana fiainana azy kosa.

Matetika aho no mamerimberina ny efa nilazan’ny FLM efa ho 10 taona mahery izao fa ny Kristiana iray dia mila mahataona Jentilisa iray. Impiry impiry no nandrenesantsika izany kanefa dia mbola tsy tratra ihany izany tanjona izany. Inona ny antony? Satria betsaka ny tsy mandray anjara ary misy koa ny manao ireo fomba roa izay sakana ho an’izany. Izany indrindra no amerena izao iraka masina izao amintsika mianakavy mba tsy hisy afa-miala isika rehetra. Efa naverimberina koa fa fony 3 tapitrisa ny Malagasy dia nametraka tanjona ny Misionery mba hahatratra izany isa izany. Efa nihoarana lavitra tokoa izany isa izany kanefa mbola tsy latsaky ny 10 tapitrisa ny tsy manana io fahavelomana ao amin’i Jesosy io.

Tamin’ny taona lasa aho dia nampanao fanadihadiana ny Tonian’ny Tafika Masina Maharitra SP,  eto amin’ny sahan’ny FLM mba hanome antontan’isa ny amin’ny fandrakofantsika fiangonana an’i Madagasikara. Vitsy ny efa nahatanteraka izany kanefa misy nahazoana isa ihany tamin’ny taona lasa ka tena mampalahelo ny vokatra satria any amin’ny faritra DIANA ohatra dia mbola misy Commune 29 tsy misy fiangonantsika. Any SOFIA dia mahatratra 106 ny Commune tsy misy FLM. Nahoana ary no tsy mihevitra afa tsy ny tenantsika isika? Nahoana no tsy afaka misaina izany vahoaka sesehena izany ka ho fointsika tsy hanana anjara amin’ny fahavelomana atolotr’i Jesosy koa izy ireo. Tena misy ary tena maro no tsy manana izany fiainana izany ka tokony hanao ezaka lehibe tokoa ny Fiangonana.

 

Rehefa tsy hanolotra fianana satria kamo hanao Tafika Masina isika fa variana manaratsy ny namana sy manamarin-teny ihany dia tsy hahatonga mpianatra ho an’i Jesosy velively. Ary ny loza dia hosaroman’ny ratsy aza ka ho resy amin’ny ady atao aminy. Rehefa tsy hanafika mantsy ianao dia hanafika anao ny olona. Rehefa tsy hitondra fiainana ianao, aza variana fa hamafy ny herin’ny fahafatesana Satana. Handrasantsika handripaka tanteraka ny Malagasy ve ny herin’ny fahafatesana?

Vitsy ny mpianatra 12 izay lazaina ao amin’ny toko 4, vitsy koa ireo 70, vitsy ny misionery tonga teto Madagasikara kanefa vokatry ny fanoloran-tenan’izy ireo sy ny asan’i Jesosy tamin’ny alalany dia mba tonga Kristiana ianao. Eny niorina tamin’ny asa sy fiezahan’izy ireny ny naha mpiandry anao tao anatin’ny taona maro izao na vao hatokana anio ka anjaranao koa ny mandeha. Rehefa tsy manatanteraka izao isika dia hampiasa ny heriny ny fahafatesana ka hihemotra ny fiangonana. Hiandry izany eto va isika? Hoy Jesosy, mandehana, ataovy mpianatra ny firenena rehetra. Tena mbola misy sehatra malalaka ahazoantsika miasa hampitombo isa sy hanitatra ny sahan’i Jesosy eto Madagasikara.

Efa naverimberiko koa fa vao tamin’ny ity 10 taona farany ity no vao misy Loterana amin’ireo nosy manodidina antsika na dia efa 150 taona aza ny fiangonantsika. Vokatr’izany dia manana Mpiandry 4 avy any Commores isika amin’ireo 378atokana androany. Malagasy ireo, ary ny iray manambady komoriana.

Hatraiza ny fandraisantsika andraikitra tsy amin’ny asa misiona anatiny ihany fa ny any ivelany koa. Sahiran-tsaina fatratra aho raha nahazo ny vaovao avy any Norvezy, ka tsy maintsy namory Komity maika fa hoe ampodiana hono ny misionera anankiray fa tsy misy vola hiantohana azy izahay. O rey olona e! Jesosy anie no mibaiko e! Ka nahoana isika no tsy hahavita izany? Marina ve fa tena tsy afaka maniraka Misionery isika. Mba samia moa manao kajy hoe firy tapitr’isa no lanintsika rehetra ireo mandritra ny dia sy ho fahatanterahan’izao fivoriana izao dia ny saran-dalana sy saram-pipetrahana aty? Sahy milaza tokoa ve isika fa tsy manambola hanirahana Misionery?

Andeha isika hiasa araka izany didin’i Jesosy izany ry Havana, hanolotra fahavelomana ho an’izao tontolo izao tokoa amin’izay ananantsika rehetra.

Raiso ny fitahiana: Ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’Andriamanitra Raintsika sy Jesosy Kristy Tompo; Amena!

 

#Ankaramalaza2019; #Ankaramalaza; #Toriteny

 

share