NY TEOLOJIAN’NY FAMPANDROSOANA

NY TEOLOJIAN’NY FAMPANDROSOANA

 

By Rev Prof David RAKOTONIRINA

 

FITARIHAN-TENY

Teny manan-danja amin’ny androntsika izao ny hoe FAMPANDROSOANA. Mety ho efa mahazatra ny sasany ihany ny mikasika ny Teolojia nefa azo lazaina fa vaovao koa. Noho ny fandrosoana ankehitriny dia maro tokoa ireo famoahan-kevitra samihafa. Misy aza efa tonga amin’ny teolojian’ny tolona ho fampivoarana ny vehivavy, ny mainty hoditra sy ny sisa. Isika eto mandritra ny roa andro dia handinika akaiky mikasika ny fampandrosoana. Hifantoka kokoa amin’ny TEOLOJIAN’ny FAMPANDROSOANA. Inona tokoa moa izany? Hijery famaritana tsotsotra araka izany isika. Nahoana no mandinika izany isika? Azo lazaina ve fa manana olana momba izany isika? Ny fandalinana ny fijery samihafa sy ny fanatrehana ny olana prartika dia tsy mamela antsika handingana fotsiny ny fototra ara-tSoratra Masina sy ny fanazavana teolojika momba izany ka ahazoantsika manatsara kokoa ity lafiny fampandrosoana ity amin’ny ho avy. Nahoana tokoa moa isika no miezaka amin’ny fampandrosoana ity? Hahita valiteny maro tokoa isika ny amin’izay mety hanaovan’ny olona ny FAMPANDROSOANA. Ilaintsika izany mba hamaritantsika mazava koa ny antony hirosoantsika lalina sy izay tena kendrentsika ny amin’izany FAMPANDROSOANA izany. Tsy fantatra na ho tratrantsika eto aloha na tsia fa ilaina ihany ny miresaka ny amin’ny fomba fanatanterana izany FAMPANDROSOANA izany eto amintsika eto amin’ny FLM? Maro koa ny fanontaniana mety mbola mila valiny sy eritreretina hoe mbola hapetrakareo nefa aleo aloha ajanona amin’izay ireny sao manao be famaritra toa rambonosy eto isika!

Nanome fotoana malalaka tokoa ny BMSFAFI ary miandry sy mantena zavatra mafonja tokoa ka naniry aza mba hahazo mizara aminareo mialoha ny kopian’ny fampianarana. Ialana tsiny mialoha anefa fa tsy tanteraka ireo noho ny antony maro izay tsy ho tanisaina etoana. Koa izay kely azo atolotra dia angatahanay tso-drano avy aminareo mba ho azonareo itarina sy hampiasaina tokoa ho fampandrosoana ny Fiangonana sy ny firenentsika. Mandritra ireo fotoana lava ihaonantsika eto ireo dia malalaka tsara koa ianareo hametraka fanontanina ka ifanakalo hevitra araka izany isika. Inona araka izany fa ireo tahirim-peo sy sary izay ho azo eto dia hanampy antsika koa akotra izay tahiri-tsoratra efa voaomana eto izao sy azo hatsaraina koa!

 

NY FAMPANDROSOANA

Sarotra ny mamaritra ny voambolana tahaka itony, nefa sarotra koa ny hitondra fanazavana tsy misy famaritana mialoha izay tiana ho lazaina na izay tsy maintsy hazavaina.

Ara-piforonan-teny ny hoe: “mandroso” dia maneho ny dingam-pivoarana mankany aloha na mety hilazana koa ny miakatra. Mifanohitra amin’ny midina na mihemotra izany. Izany hoe misy toerana iangana sy toerana tiana ho tratrarina. Koa ny fampandrosoana amin’izany dia ilazana ny ezaka rehetra atao mba hanatanterahana io na ireo fifindrana ho amin’ny toerana hafa na tanjona tiana ho tratrarina ireo.

Amin’ny heviny hafa koa dia lazaintsika hoe fandrosoana ny fandraisana ireo kolotsaina vahiny ka tsy hijanonana fotsiny amin’izay efa mahazatra ny tena. Misy ezaka lehibe takiana araka izany koa ny fampandrosoana raha miresaka ny fampidirana na ny fandraisana ireo kolotsaina vahiny hahazoana ny fenitra tiana ho tatrarina isika.

Fa misy famaritana hafa koa ilazana ny fampandrosoana dia ny fahafahana na fahazoana hampiasa ireo fitaovana teknolojika sy elektronika samihafa ho entina manatsara ny fifandraisana amin’ny sehatra iraisam-pirenena nefa tena misy vokatra amin’ny lafiny samihafa: ara-toe-karena, ara-tsosialy, eo amin’ny tontolo iainana ary politika.

Maro no mety ho azo lazaina nefa toa voafetra ihany isika izany amin’ny lafiny maro. Koa izay ho resahintsika farany dia mikasika izay lazain’ny maro hoe fampandrosoana amin’ny fanaganana soritr’asa izay ahazoana famatsiam-bola mety ho matanjaka mihitsy aza. Amin’ny ankapobeny dia ikendren’ny mpamatsy vola vokatra na fiatraikany ara-tsosialy, ara-politika ara-toe-karena ary eo amin’ny tontolo iainana izy ireny araka ny safidin’ny mpamatsy vola tsiraray. Tsy azo lavina anefa fa tsy tena izany no zava-misy. Mazava araka ny tatitra ihany ireny rehetra ireny fa tsy mihatra amin’ny tena nikendrena azy. Raha marina fa nihatra araka ny fikendrena ireny dia tsy isalasalana fa efa fiovana lehibe mihitsy no nisy teto amin’ny firenena. Eny fa na dia ny fiangonana izay nantenaina sy nitokisana aza dia tsy vitsy ireo namadika izany fitokisana izany ka tsy mitsahatra ny mitombo ireo fasan’ny tetik’asa. Vokatr’izany dia efa niy mihitsy mpikaroka teto amintsika nanoratra mikasika ity fasan’ny tetik’asa ity. Araka izany dia tsy marina araka ny tokony ho izy io famaritana fa mandeha ila satria fampandroana ny mpamatsy vola sy fampandrosoana ny mpitantana ny tetik’asa no tena betsaka ao fa tsy fampandrosoana izay tiana hampandrosoina tokoa?

IREO FIREHANA TEOLOJIKA

Tsy resahintsika lava eto satria tsy mikasika antsika ireo lafiny fampandrosoana tanterahin’ireo fikambanana tsy miankina samifaha sy ireo ezaka ataon’ny Fanjakana. Fampandrosoana izy ireny saingy miorina amin’ny baiko politika fa tsy miafototra amin’ny teolojia. Izay tsy maintsy lazaintsika eto izany dia ny ahazoantsika manavaka ny Fampandrosana ataontsika Fiangonana amin’ny ataon’ireo maro hafa tsy ho voatanisa. Tsy ny asa atao na ny vokatra azo avy aminy no hamaritana azy fa ny hery manetsika na manosika ny fanaovana ny Fampandrosoana. Noho izany dia tsy maka tahaka be fahatany isika fa mandinika tsara eo am-panaovana ny asantsika ho araka ny Teolojian’ny fiangonantsika.

Samy manana ny teolojiany tokoa ny Fiangonana ary izany no mibaiko ireo Fandrosoana atao. Itovizana ny fikendrena hampivoatra ny fiainan’ny olona eto an-tany. Itovizantsika fiangonana koa ny hoe fomba iray entintsika mitory ny Filazantsara ireny asa Fampandrosoana ireny. Mampiavaka antsika amin’ireo fikambanana hafa izany. Fa ankoatra izany dia manana ny teolojiany ny fiangonana tsirairay: Ho an’ny EKAR ohatra dia misy miezaka manao fampandrosoana tokoa satria heveriny fa ahazoany sitraka amin’Andriamanitra izany ezaka ataony izany. Eo amin’ny fanatanterahana ny asa koa dia mivoy ny fomba fiasa ny hoe ny vokatra no manamarina ny fomba fiasa. Koa dia hita fa tena mikely aina amin’izany izy satria fototra lehibe amin’ny fampianarany izany. Saiky mandrakariva dia mahita fahombiazana izy satria matanjaka dia matanjaka ny fifehezan-tena mba hahafaly an’ Andriamanitra sy ny fiaraha-monina. Valipitia no manosika azy ireo hiezaka mafy ary tena mahomby izy amin’izany.

Tsy dia lavitra loatra izany ny fomba fiasan’ny havantsika Anglikana nefa tsy dia hita ho matanjaka sy mahazo laka tahaka ny EKAR izy ireo.

Tsy hivalapatra amin’ireo karazana teolojia tsy ho voatanisa koa isika fa hionona amin’ny an’ireo fiangonana efatra lehibe miara-miasa ao anivon’ny FFKM. Na izany aza dia aza odiana tsy hita fa isan’ny mitondra anjara biriky lehibe koa ny Fampandrosoana ataon’ny Adavantista, amin’ny alalan’ny ADRA, izay tena mivoy koa ny fampianarana arosony. Mirona betsaka amin’ny fampanajana ny Sabata sy ireo lalana maro momba izany izany fijery izany. Tsy azo lavina tena ilaina ho fantasika daholo izany ary fomba tena mety sy tandrify araka ny hevitray raha tena matanjaka ny fahalalantsika ny tenatsika sy ny fahalalantsika ny hafa koa satria manosika ho amin’ny FAMPANDROSOANA kokoa izany. Ezahintsika anefa aloha mba hampitombo ny fahalalantsika antsika sy izay tokony hataontsika izao dinika sy fifanakalozana eto izao ka amin’ny manaraka dia azonareo atao tsara ny manatsoaka hevitra avy amin’ireto indray mba hanaovana fandalinana bebe kokoa.

Ny teolojia mitondra ireo havantsika FJKM dia tena teolojian’ny asa. Mamokatra eo ambany fahasoavan’Andriamanitra izy ireo ary mikely aina momba izany. Ilofosany tokoa ny hanatsara araka izay azony atao ny fiaraha-monina. Misy fahafaham-po eo amin’ny fanaovana zavatsoa ho an’ny hafa ary ahitana sitraka amin’Andriamanitra izany.

Mizara telo ny fijerintsika Loerana araka ny fahitako azy: Ao ireo efa manakaiky kokoa ireo namatsika FJKM amin’ny teolojiany na dia Loterana izy ka manao ho laharam-pahamehana tokoa ny asa.

Ao ireo miaina tokoa ny teolojia Loterana ka fanamarinana maimaipoana raisina amin’ny finoana noho ny fahasoavan’Andriamanitra dia tsy mamela azy hipetraka fotsiny fa tena manosika sy mitarika hanao asa tsara. Ao ireo mifaly tokoa amin’ny fahasoavana saingy finoana malemy tanteraka izany ka tsy ahitana vokatra akory fa manjary anara-maneso toy ny anamany sisa!

Tsy fanaratsiana tena tahaka ny omby atsika akory fa tena mbola betsaka ny ezaka tsy maintsy hataontsika FLM hampiorenana mafy ny fampianarana ka ahatonga antsika rehetra ho matanjaka amin’ny finoana sy maneho miharihary amin’ny asa lehibe tokoa ka miteraka fampandrosoana azo tsapain-tanana izany finoantsika izany. Betsaka ny ezaka tena tsy azo tazanina fotsiny saingy raha tsy matanjaka tsara sy mafy orina ny finoana hiatrehana izany dia mbola ho be hatrany ny sakana. Ireo finoana tsy mitondra vokatra tsara dia tondroin’i Jakoba mazava tsara fa finoana maty izany.

Maro ny zava-bita hatramin’izao saingy raha ampitahaina amin’ny taonantsika sy ny fahalehibezantsika dia toa tsy mbola mahapo izany. Ireo ezaka rehetra vita koa dia saiky tetik’asa avy any ivelany avokoa. Ilaina mihitsy anefa ny maneho ny finoantsika amin’ny asantsika. Etsy andaniny dia tsy azo lazaina fa tena tafita koa ireo tetik’asa fa somary nisedra olana koa amin’ny ankapobeny! Samy mila fanarenana avy amin’ny fandalinana ny teolojiantsika avokoa izany. Tsy midika akory izany fa ny lafiny teolojika ihany no lesoka. Azo lazaina koa fa efa lasa lavitra ihany anie isika raha

ny teolojia e! Fa ny fiainana azy sy ny fampiharana azy mihitsy no olana amin’ny ankapobeny. Misy lafin-javatra hafa koa mila ezaka araka izany raha miresaka fampandrosoana isika. Efa mizy ezaka maro ihany tato ho ato mikasika ny fitantanana nefa tsy manafoana ny fanatsarana mbola tokony hanara-penitra kokoa izany! Izay imasoantsika eto anefa satria izay no manandrify antsika sy natolotra antsika dia ny lafiny teolojika.

FOTOTRA ARA-TSORATRA MASINA

Miainga mandrakariva amin’ny fototra ara-tSoratra Masina isika; Eo no manao ny fandalinana teolojika ka misava ny lalana ahazoantsika manana ny fiainana pratika koa.

Hojerentsika aloha ireo fototra ao amin’ny TT.

Ny famoronana araka izay hita ao amin’ny Gen1-2 no milaza mazava ny sitrapon’Andriamanitra mikasika ny tokony ho fiainantsika olombelona. Vorilanona nanodidina ny olombelona daholo ny zavatra rehetra. Tsara ny fifandraisany amin’Andriamanitra. Tsara ny fifandraisan’ny samy olombelona. Tsara ny fifandraisana tamin’ny zavaboahary amin’ny karazany rehetra. Io fiainana tonga lafatra tsy manan-java-mahory io no programan’Andriamanitra ho an’ny olona.

Midika izany fa tsy ao anaty fandaharan’Andriamanitra hatramin’ny voalohany ny fahantrana izay mamely mafy izao ary mitombo hatrany.

Raha izany dia mampieritreritra lalina koa ny fiheveran’ny maro izay mampiaina ny olona ny fahantrana. Mivandravandra loatra izany amin’ny fampahoriana ireo Mpianatra ho Pastora sy ny mpiara-miasa rehetra ao amin’ny sehatry ny fanofanana Pastora (STPL sy SALT); Miseho koa izany amin’ny fiainan’ny Pastora sasany any am-perin’asa. Moa tsy tena mifanohitra amin’ny fikendren’Andriamanitra va izany?

Tsy izany ihany fa misy mihitsy fampianarana izay iainan’ny olona na ampiainana ny olona manahirana koa. Raha ity famoronana ity no iaingana dia tena tsy azo eritrertina mihitsy ny fampianarana milaza fa ratsy izao fiainana izao sady mandalo ka tsy tokony hisahiranana na handaniana andro ny fikarakarana azy. Hevitra manohitra tanteraka ny fampandrosoana izany; Lalim-paka ihany anefa izany.

Hevitra lehibe iray manan-danja koa izay iankinan’ny fampandrosoana nefa toa lasa maivana indray dia ny filazana mazava sy mivantana amin’ity famoronana ity fa hiasa sy hitandrina ny saha na ny paradisany ry Adama sy Eva. Hevitr’Andriamanitra matanjaka tokoa ny tsy maintsy hiasantsika na dia eo anivon’ny Paradisa aza fa tsy ho mpitazana fotsiny. Tena olombelona tompon’andraikitra isika araka ny namoronanan’Andriamanitra antsika. Indrisy anefa fa samy tsy te ho tompon’andraikitra ny maro. Mila ezaka lehibe ara-panabeazana izany rehefa miatrika ny fampandrosoana isika.

Niditra moa ny fahotana ary nitombo andro aman’alina ka dia mandripaka ny olona rehetra koa ny fahafatesana; Tsy misy fampandrosoana ho an’ny maty sy ao amin’ny fasana.

Mila ezaka lehibe koa ity satria antony lehibe iray tsy ahafahana mampandroso ny toerana lalina misy ny famadihana ankehitrny; Misy fototra ara-pinoana izany nefa dia misy fandravana toe-tsaina sy toe-karena mavesatra koa; Misy ezaka lehibe tokony hiarahan’ny Pastora sy ireo ratsa-mangaikan’ny fampandrosoana rehetra momba izany.

Mazava izay ilazan’ny Gen.3:14, 17 azy fa ny fidiran’ny fahotana dia nandrava zavatra betsaka: Tsy ny fahafatesan’ny olona ihany ka nitondra ny fisrahany amin’Andriamanitra fa ny fahasimban’ny fifandraisan’ny samy olombelona koa. Voafaoka ao anatin’izany vokatry ny fahotana izany koa ny faharavan’ny fifandraisan’ny olona amin’ny zavaboahary hafa sy ny fanozonana nanjo ny zavaboahary koa; Fahafatesana amin’ny lafiny maro tokoa izany. Fantasika fa raha hiresaka fampandrosoana isika dia tsy azo ialana ny zavaboahary izay fototra iangana tokoa; Koa raha tsy vita fihavanana amin’ny zavaboahary isika dia tsy misy fampandroana ho vita. Toe-tsaina raikitapisaka amin’ny mpanota ny fandravana ny zavaboahary na biby izany na zavamaniry. Miarotena mandrakariva koa izy ireny amin’ny fanafihina ataon’ny olombelona amin’ny ka dia tsy mitsahatra ny mifankatahotra eo ny bibilava sy ny olona e!

Tsy maintsy tsindriana sy havoitra mazava fa asa mahery nataon’Andriamanitra no nahafahan’i Noa valo mianaka naira-nonina tamin’ireo biby isan-karazany; Azonao an-tsaina ve hoe: Nahoana ny liona no tsy nandripaka ireo biby madinika sy nitelina koa an’izy valo mianaka? Raha ny vesatry ny fahotana dia ho naharomotra tokoa na dia ny biby aza satria nisarim-biby mihitsy ny olona tamin’ny andron’ny Noa. Niasa anefa Andriamanitra ka dia indro fa azo natao ny fiaraha-monina vaovao teo amin’ny olona sy ny zavaboahary, Gen.6-9.

Notanterahin’Andriamanitra avokoa ireo fampanantenana rehetra nataony ka feno fitahiana tokoa ny fiainan’ny Israely olon’Andriamanitra; Asehon’ny Gensisy fa nanan-karena tokoa ry Abrahama, omby sy ondry izany. Tahaka izany koa ny harena teo amin’i Jakoba: “Fa samy be loatra ny haren’izy mirahalahy, ka tsy mba nahazo niray monina izy; ary tsy omby azy ny tany fivahiniany, noho ny omby aman’ondriny.” Gen.36:7

Tena programan’Andriamanitra mihitsy ny hameno antsika ny fiadanany. Nasehony teo amin’ny fiainan’ny Israely fa raha eo an-tananan’Andriamanitra izy ireo dia tsy fiadanam-panahy ihany no azony fa ny harena sarobidy teto an-tany koa na ny vokatry ny fiompiana izany na ny vokatry ny fiompiana. Misy kosa anefa fotoana izay ihodinan’ny olomboafidin’ Andriamanitra ka dia miaritra ny fahoriana rehetra vokatr’izany izy ireo. Ny mazava tsy azo lavina dia tena planin’Andriamanitra ny hananantsika ny fiadanana ary mpiara-miasa amin’Andriamanitra isika hanolorana izany ho an’ny hafa manodidina antsika.

Tsy ho voatanisantsika eto avokoa ireo endriky ny fampandroana hitantsika ao amin’ny TT fa hiampita avy hatrany amin’ny TV isika.

Fampandrosoana hita ao amin’ny TV

Jesosy tenany na dia tsy nanana trano aza dia tena olon’ny fiaraha-monina sy nandray adidy tokoa; Nandoa hetra Izy. Tena fampandrosoana ny fandraisana andraikitra amin’ny fandoavan-ketra. Tsy natony tamin’ny fomba mahagaga fotsiny izany fa nasehony tamin’ny fanatanterahan’i Petera ny fiainany an-davan’andro araka ny maha mpanjono sy mpanarato azy, Mat.17:27. Tahaka izay efa hitansika tao amin’ny TT dia andraisantsika fitahiana ny asa fivelomantsika: fambolena, fiompiana, jono sy ny sisa ary tena mitondra fampandrosoana tokoa izany.

Heloka ary mitondra fahaverezana mihitsy ny tsy fandraisana andraikitra ho fampandrosoana. Tsy ny fahakelezana na fahabetsahan’ny fatiantoka no olana fa ilay toe-panahy feno fandava sy fanoherana an’Andriamanitra fonosiny, Mat.25:14-30. Ity ilay voalazantsika teo aloha mikasika ny fahasamihafan’ny fototra ananterahana ny fampandrosoana ka tsy ijerentsika fotsiny ny vokatra. Fampandrosoana tokoa no miseho araka ny famaritana efa nataontsika raha tonga talenta 10 ny 5 ary nanjary 4 ny roa. Tsy fitantanana tsotra tahaka izay ianaran’ireo mpikaroka mikasika ny fitantatana izany na iainan’ireo mpitantana izay tsy mikatsaka afatsy ny tombotsoany ka na dia misy endrika halatra aza dia tsy ihemorana mihitsy. Fitantatanana ao ambany fitahian’Andriamanitra sy atao araka ny sitrapon’Andriamanitra ka tena mahavokatra tokoa.

Betsaka ny foto-kevitra ao amin’ny TV no milaza fa tena manana ny toerany ny fampandrosoana ka izay ahazoana manatanteraka ny drafitr’asan’Andriamanitra indrindra izany fa tsy hafa. Samy voaresaka ao na jono tahaka izay efa hitantsika teo na fambolena tahaka izay asehon’ny Mat.13:18-37. Tahaka izany koa ny fiompiana, Lio.2; Jao.10 sy ny sisa. Manana ny toerany koa ny varotra, Asa.16:14 sy ny asa Tanana. Paoly tenany dia nivelona tamin’ny fanaovana lay fa tsy mba niandry ny fameloman’ny fiangonana. Mbola horesahintsika manaraka ao fa misy olana izy nefa tokony tsy ihemorana. Tena lafiny fampandrosoana ny fiainana ety an-tany mihitsy araka izay maha zanak’Andriamanitra ny mino nilazan’i Paoly hoe: “Fa fony mbola teo aminareo ihany aza izahay, dia nandidy anareo hoe: Raha misy tsy mety miasa, dia aoka tsy hihinana izy.” II Tes.3:10

Ny filazantsara izay lazain’I Jesosy hoe: “Izaho avy mba hananany fiainana, sady hananany be dia be.” Jao.10:10 dia tsy teny fampanantenana fotsiny fa asa efa notanterahany. Tsy momba ny fiainana mandrakizay ihany fa mahakasika koa ny fiainantsika eto an-tany. Hoy indrindra ny filazan’ny Soratra Masina izany: “Anaka, tandremo ny teniko; Atongilano ny sofinao hihaino ny filazako…Fa aina ho an’ny mahazo azy izy Ary fahasalamana ho an’ny nofony rehetra.” Ohab.4:20, 22

Matanjaka dia matanjaka ny fanehoan’ny Tenin’Andriamanitra fa nanasitrana olona maro Jesosy ary nomena fahefana hanao izany koa ny Apostoly. Mbola tohizan’ny fiangonana hatramin’izao izany satria tena sarobidy mihitsy ny lafiny fampandrosoana. Tsy hoe tsy afaka miasa fotsiny ny marary fa tena vesatry ny fiaraha-monina ka tsy ahafahana mandroso. Ny fahasalamana tokoa no voalohan-karena! Fampandrosoana izany ary tena mifanaraka amin’ny drafitr’asan’Andriamanitra.

Tsy ho voatanisantsika eto fa manana ho lazaina amin’ny lafiny rehetra tondrointsika hoe FAMPANDROSOANA ny Baiboly milaza amintsika mazava ny hevitr’Andriamanitra. Mbola tsy voaresaka matanjaka eto amintsika koa nefa manana ny lanjany sy ny toerany amin’izany fampandrosoana izany ny fampanjakana ny fahamarinana na ny ady amin’ny tsy fahamarinana. Manana sampan-draharaha iray atao hoe SRF koa izao FLM nefa raha ny fahazoana azy dia mbola ny lafiny lalàna hisorohana ny olana mavesatra mianjady matetika amin’ny FLM io fa tsy mbola ilay tena fanoherana ny tsy fahamarinana sy ny tsindrihazolena fahita eo amin’ny fiaraha-monina ka misakana ny fampandrosana marina.

Izay hamaranatsika ity lafiny ara-tSoratra Masina eto ity dia ny fampahatsiahivana fa manana ny programany Andriamanitra tamin’ny famoronana izay nametraka ny fiadanana ho an’ny olona ka tsy nisy fahantrana tamin’izany. Manana ny programany Andriamanitra ka mitondra ny olona ho amin’ny fandresena farany sy ny fahatanterahana ka hiaina ny fiainana tsy misy fahoriana intsony Apok.21. Ny fandehanana eo anelanelan’ireo fiaingana sy fahatongavana ireo no tena ilantsika ny FAMPANDROSOANA. Ady atao izy ity satria misy tokoa izay te hitazona antsika ho amin’ny fahantrana na ny fahafatesana mihitsy aza. Fa misy koa izay mitarika antsika ho amin’ny tsaratsara kokoa hatrany ary ho tonga amin’izany tanjona izany. Asa mahery efa natombok’Andriamanitra Telo Izay Iray izany ary mbola tohizany hatramin’izao.  Nifidy antsika izy ary maniraka ny Fiangonana hahatanteraka izany. Mila ezaka araka izany ny hanatanterahana ny FAMPANDROSOANA izay tsy safidintsika ny hanao izany na tsia fa isan’ny baiko nomen’i Jesosy ny Fiangonana izany.

FANAZAVANA TEOLOJIKA NY FAMPANDROSOANA

Teo amin’ny famoronana dia nanana planina mazava ny amin’ny hananan’ny olona fiadanana Andriamanitra: Fifandraisana amin’Andriamanitra; Fifandraisana amin’ny samy olombelona ary fifandraisana amin’ny zavaboahary. Efa hita tao ny hevitry ny fampandrosoana satria napetraka hiasa ho amin’ny fanatsarana izany sy ny fiarovana izany no olombelona.

Simba sy rava izany noho ny fahotana ka dia very tanterka teo ny paradisa an-tany. Mafy ary tsy hay lazaina ny vokatry ny fahotana izay nitondra hatramin’ny fahafatesana sy niatraika amin’ny fahalovana tanteraka.

Raha isika olombelona ihany dia tsy misy vahaolana mandrakizay izany fa dia manan-kery tokoa ny fahafatesana faharoa fa tsy ny falovan’ny nofo ihany.

Isaorana anefa Andriamanitra Telo izay Iray fa niasa sy mbola miasa ka na dia simba izay noforoniny satria tsy ny olombelona ihany no milanja ny vokatry ny fahotana fa ny zavaboahary rehetra koa. Mbola Izy Andriamanitra no nanolotra ny ainy hamonjy antsika tamin’ny faneken’i Jesosy hanolotra ny tenany sy ny rany hamelana ny helotsika rehetra sy hananatsika ny fiainana mandrakizay ary tsy izany ihany fa hanomezana antsika koa fiainana be dia be eto amin’ity fandalovana ity. Mandraka ankehitriny dia tena miasa ny Fanahy Masina manamasina ny Fiangonana ary isan’izany asa izany ny Fampandrosoana fa tsy ny fahadiovam-panahy ihany. Diniho tsar any Mat.6:33; Rom.8:32.

Marobe ireo porofo ara-tSoratra Masina, na dia tsy ho voatanisantsika eto daholo aza izany, milaza fa misy ary manana ny toerany izany FAMPANDROSOANA izany ka ny Fiangonana no tokony ho lohalarana manao izany fa tsy hoe mandray izany.

Asehon’ny Soratra Masina mazava tsara koa fa mitohy ary mbola tsy mijanona ireo asa mahery ataon’Andriamanitra hampiharihariany ny sitrapony fa tsy ao amiin’ny drafitr’asan’Andriamanitra mihitsy ny fahantrana sy ny fampahantrana, na dia tsy maintsy hiatrika izany sy hiady mafy amin’ izany fahantrana izany aza isika noho ny afitsoky ny fahavalon’ny fanjakan’Andriamanitra.

Marihina aloha fa isan’ny fanatevenan-daharana ny fahavalon’ny fanjakan’Andriamanitra ny hakamoana sy ny tsy fandraisana andraikitra ataontsika olombelona. Fa araka izay hita ao amin’ny Apokalipsy dia misy ny fahatanterhana izany hoe tsy misy FAMPANDROSOANA itsony. Raha azo lazaina dia mihoatra noho ilay paradisa very ity satria manatrika ny tavan’Andriamanitra mandrakariva, Apok.21. Ny hampiaina antsika io fahatanterahana io no tena sitrpon’Andriamanitra. Tsy fampanantenana poakaty io na sanatria mampanonofy am-pitsanganana.

Fa ambarapahatanteraka izany dia eto an-tany fiadiana isika ary tsy maintsy mampianatra sy miaina ny FAMPANDROSOANA. Manampy ny olona, mitaona ny olona handao ilay toerana sy fomba fiainana ratsiratsy kokoa misy azy ankehitriny mba hiroso amin’ny tsaratsara kokoa hatrany amin’ny lafiny maro eo amin’ny fiainatsika: toe-karena, sosialy, politika, tontolo iainana sy ny sisa ka ny fahatanterahana indrindra dia izay ambaran’ny Apok.21 amintsika fa ho fiainantsika rahatrizay. Tsy andrasana fotsiny izany fa iainana mihitsy araka ny toro-hevitry ny Soratra Masina sy ny fitarihan’ny Fanahina Masina antsika.  Isaintsika ho isan’izany fanomezana sarobidy izany ireo fahaiza-manao isan-karazany atolotry ny taona arivo fahatelo sy ireo fitaovana sarobidy miaraka aminy.

Misy andraikitra sarobidy araka izany atolotr’Andriamanitra antsika mba hitondra ny Fiangonana sy ny Firenena ho amin’izany fahatanterahana izany isika; Izany no FAMPANDROSOANA izay tsy azontsika ialana mihitsy fa tsy maintsy hizorana; Manana olana pratika maro ihany anefa isika ka tsy maintsy vahana koa ireny fa tsy tazanina fotsiny; Izay no hizorantsika ho amin’ny FAMPANDROSOANA hatrany.

OLANA PRATIKA ATREHIN’NY FIANGONANA

Manana finiavana handroso sy hampandroso tokoa ny FLM araka ny fandraisany ny Soratra Mzsina. Misy olana pratika ihany anefa satria ny fiangonana sy Fitandremana ary Fileovana maro dia efa zatra notolorana hatramin’ny faha Misionery. Koa na dia misy aza ny ezaka ho fampandrosoana dia izao no tonga ao an-tsaina voalohany. Aiza ny famatsiam-bola? Tsy mbola tafita aloha ny hoe mianga avy any ifotony ny zavatra fa efa tena zatra miandry mana latsaka!

Olana iray pratika hafa koa ny lafiny fitantanana izay mba azo; Mbola tena mila fanatsarana pratika koa ireny.

Olana pratika iray hafa koa ny fiheverana fa ny zavatra iombonana dia tena tsy misy mpikarakaraka mihitsy koa. Io toe-tsaina manomana ny olona ho tompony io hisian’ny fandraisana andraikitra dia tena mbola mila ezaka be dia be amin’ny lafiny fanabeazana fa tsy vantanina amin’ny vaha olana pratika fotsiny koa.

Rentsilka mandrakariva fa sahirana ny fiangonana satria kely ny vola miditra! Marihina anefa aloha fa tsy ho voatery ho rakitra no loharanom-bolan’ny fiangonana. Mbola tokony hivelatra tsara koa ny fahaizana manome ho an’Andriamanitra. Ary ankoatr’izany dia manana ny toerany koa famokarana iombonana araka ny toerana misy ny fiangonana tsirairay. Mifangaro araka izany koa ny atao hoe Fizakan-tena sy ny fampandrosoana.

Ka na dia efa fampandrosoana aza no resaka dia mijanona amin’ny tomanin’ny zaza vao teraka hatrany ny resaka ka tsy misy afatsy ny ho ahy ho ahy!

Fa na dia manana vola koa aza ny Fiangonana dia tsy mbola tafalatsaka lalina mihitsy ny lafiny fampandrosoana raha ny fanasoavana ny hafa no resahina. Fa marina ila ihany ny fampandrosoana raha ny fanasoavana ny tenany no heverina.

FANATANTERAHAN’NY FLM NY FAMPANDROSOANA

Mila ezaka araka izany ny fanatanterahan’ny FLM ny Fampandrosoana. Isika izao no isan’ireo ratsa-mangaika antenaina hahatafita izany ezaka rehetra noresahintsika izany.

Manan-karena tokoa isika FLM na dia misy mihevitra aza fa ny mahantra no mandrafitra ny FLM amin’ny ankapobeny. Manan-karena isika satria omen’Andriamanitra ny ho enti-manana. Ny olona no harena hoy Pastora RAKOTOMALALA. Manana olona betsaka isika amin’ny fanomezana maro miaraka aminy tsirairay avy. Ny fahaizana mitrandraka ireo olona maro ireo sy ny zavatra maro miaraka aminy dia tena hitondra FAMPANDROSOANA tokoa. Koa ny fanatanterahana ny FAMPANDRSOANA dia hifototra amin’ireo fampianarana maro efa noresahintsika teo aloha sy ny fahaizana hampiasa ny olona tsirairay sy ny talenta ananany avy ary ny fitaovana samihafa momba izany. Anatin’ny fanitsiana ny Lalam-panorenana sy Fitsipika izao ary isan’izay mila fanatsarana ny rafitra itondrana ny FAMPANDROSOANA ka hifanaraka amin’ny tolo-kevitra aroso koa izany mba ahazoana manao tsara kokoa ny FAMPANDROSOANA. Raha tsy latsapaka amin’ny olona mihitsy ny maha iraka avy amin’Andriamanitra hanaovany ny FAMPANDROSOANA fa mbola hiandry izay ho azy manokana izy aloha dia mbola tsy afaka miatrika ny FAMPANDROSOANA tokoa. Ary rehefa masaka izany ka samy vonona handray andraikitra ny rehetra dia tsy hevitra sy asa ary rafitra alatsaka avy any ambony fotsiny no ahazoana manao ny tena FAMPANDROSOANA fa ho toy ny hazo ka haniry sy hitombo avy amin’ny fakany; Haneho vokatra lehibe izany ka ho tena FAMPANDROSOANA marina.

 

Tsy voatery hiandrasana rafitra matanjaka koa anefa afaka manomboka amina zavatra kely sy olona vitsy nefa miitatra hatrany. Namangy tamin’ny Fitandremana iray aho dia nahita fa sahirana ny Pastora tsy manana tranom-pitandremana ny Fitandremana ka dia afindrafindra trano araka izay tian’ny Kristiana Pastora. Tsy nitadiavana famatsiambola fa ny herin’ny tenany no nentin’ny Fitandremana nanagana trano. Saiky hanao trano kely ho an’ny Pastora ny olona kanjo nanasa ahy indray rehefa hiady fototra ka notolorako saina hanitatra satria tsy mifanaraka amin’ny voninahitr’Andriamanitra napetrany ao amin’ny Pastora ilay trano bongo saiky hajoro. Akory ny fahagagako rehefa nandalo indray taty aoriana fa nahavita lapa soa ho an’ny Pastora ny Fitandremana. Variana fotsiny aho rehefa nandalo indray fotoana elaela fa feno tranontantely ny tokotany sy ny lavarangan’ny Pastora. Tena fampandrosoana tsy mba niandrasana tosika akory avy any ivelany izany. Fa nitondra fanazavana tamiko io Pastora io izay mpianatra vao navoakanay fa nataon’izao mba ho modely ho an’ny hafa ka mikasa izy hitarika ny Fitandremana mba hanao izany ho loharanombola maharitra ho azy. Izany no hamitany ny adidiny sy ny fanasoavany ny hafa. Toy izay efa voalazantsika anefa dia manana fahavalo ny Fampandrosoana. Koa na dia tsara toy izany ny ezaka vitan’ity Mpianatray ity dia miseho hatrany ny fanakianana. Misy amin’ny toerana rehetra koa izany fa tsy ny azy ihany.

Raha tsy manao ezaka ilay Pastora fa miandry ny fivelomana dia tena sahirana tokoa. Manao ezaka indray izy ka tsy miandry ny fivelomana dia enjehina fa tsy mahavita ny asany ka manakalo zavatra hafa ny Ministera masina. Raha ny marina aloha dia tokony samy handanjalanja tsara ny Pastora sy ny fiangonana ka ny Pastora tsy hanamaivana ny anjara fanompoana manokana natolotra azy. Ny fiangonana koa tsy hitarain-tana-miepaka amin’ny famitana ny adidy tokony hataony amin’ny Pastorany sy ny adidy iombonana rehetra ary tokony hatao amin’ny fitiavana vokatry ny fiainana ny Tenin’Andriamanitra izany. Ny Pastora dia iray amin’ireo fanoitry ny fampandrosoana ka tokony ho modely mihitsy amin’ny fiainany izay hita fa mandroso tokoa. Tokony hiseho sy hiharihary eo amin’ny fiainany fa feno fahasoavana tokoa ary ampoky ny fitahiana avy amin’Andriamanitra ny fiainan’ny Pastora fa tsy olona miandry fitserana sy fiantrana. Ny Pastora amin’ny maha fanoitry ny fampandrosoana azy dia mitarika ny fiaraha-monina amin’izany fiainana ny fampandrosoana izany. Amin’ny toerana lavitra any ambanivohitra any dia saiky iandrasan’ny olona ny Pastora daholo ny zavatra maro eo amin’ny lafim-piainana mahaolona. Nahita aho tamiin’ny famangiana nataoko fa ny Pastora avy nanindrona omby dia feno doveniksa ny tanany. Izahay raha mbola nianatra teny amin’ny SALT dia niompy akoho maro ary izaho ihany no nanindrona azy ireny ny vaksiny sy ny fanafody nilainy hahatsara kokoa ny vokatra. Ankehitriny dia mitarika ny STPL Atsimoniavoko manontolo ka manao izay mba ho tratra amin’ny fambolena sy ny fiompiana ahazoana miditra lalina amin’ny fampandrosoana. Izay manavanana anay kokoa anefa dia ny fampandrosoana amin’ny alalan’ny famokarana boky teolojika.

Heverinay araka izany fa ny Fampandrosoana ataon’ny FLM dia hianga avy amin’ny fototra no ampiakarina araka izay azon’ny olona atao. Ny fanampiana avy any ivelany tsy ho lavina sanatria fa atao fanampindaoka raha misy! Hita fa efa mitaky ny fandraisana anjara mavitrika avy amintsika izao ny Havana any dilam-bato. Tsy noho ny fitakian’izy ireo fotsiny koa anefa fa ao indrindra ny fitarihana ataon’ny Tenin’Andriamanitra mampandray andraikitra antsika.

Tsorina fa misy dikany lehibe mihitsy ny safidy teolojika sy ny fanabeazana takian’izany. Tsy nandray anjara na inona inona isika raha nanomboka ny asa teto ny FLM fa novatsian’ny vazaha manontolo. Nanomboka nandray andraikitra tsikelikely isika ary efa mahavita be ihany izao nefa mbola tokony hahavita bebe kokoa. Amin’ny toerana maro dia hita fa misy fiangonana tena miezaka sy ahitana vokatra. Matetika anefa aloha dia ny fanasoavana ny tenany izao no laharam-pahamehana. Niangona tao amin’ny fiangonana anankiray aho vao tsy ela izao dia tena nitsangana sy nanao teny fisaorana sy famporisihina mihitsy rehefa nahita fa tonom-bola tsy misy fanentanana firy alohan’ny rakitra no natao mba hamitana ny trano fiangonana izay matetika tsy ahazoana famatsiam-bola intsony dia nahazoana vola 1 tapitr’isa ariary teo no eo. Hafa noho io ny rakitra sy valopy izay mbola misy kitapo dimy hafa rehefa manao rakitra.

Fampianarana sy fanentanana mikasika ny fampandrosoana no tokony hatao mba tsy hijanona amin’ny fanasoavana ny tenany ihany ny ezaka ataon’ny fiangonana.

FAMARANANA

Hitantsika fa milaza mazava amintsika ny heviny Andriamanitra ny amin’ny hanomezana ny tena fiainana ho an’ny olona. Efa nanolotra sy vonona hampitoetra ny fiadanana ho antsika sy ny firenentsika Andriamanitra. Ny fihazonantsika tsara sy fiainantsika eo amin’ny fiainantsika isan’andro ny fampianarantsika araka izay maha Loterana antsika dia tena fototra tokoa. Nandalo dingana maro isika FLM: Nanomboka tamin’ny fiakinan-doha tanteraka ka zatra noloram-potsiny. Toa tsy tsaroana na tsy nasiana vidiny ny fanomezana lehibe natolotr’Andriamanitra antsika tao amin’I Jesosy ka dia tsy tena nandray andraikitra araka izay maha mpandova ny Ray antsika isika. Nandray andraikitra tsikelikely ka nandray an-tanana ireo zavatra sasany ary efa mitombo amin’izany ny Fiangonana. Nanao asa Fampandrosoana maro isika araka ny tondrozotra sy fanampiana mety ho voaraintsika. Efa mihasarotra izany ankehitriny na dia irina tsy ho foana tanteraka aza. Tena fotoana fandraisana an-tananana ny FAMPANDROSOANA tokoa ka iheverantsika ny hafa sy hitondrantsika fiainana be dia be ho azy ireny koa. Tsy safidy fa adidy ity fampandrosoana ity rehefa mandinika tsara ny Soratra Masina isika indrindra manome lanja ny teolojia izay ijoroan’ny fiangonantsika

share