Fampianarana Soratra Masina: Romana 8:1-17

Fampianarana Soratra Masina: Romana  8:1-17

Izao Tenin’Andriamanitra izao, ry havana malala, no ivon’ity Epistily nosoratan’i Paoly ho an’i Romana ity; ary tena tandrify mihitsy amin’ny atao hoe Fifohazana izao teny izao. Ary ao anatin’ny teny hoe Fifohazana dia misy izay tsy maintsy fantarintsika. Tsy hoe olona natory sy mifoha no lazaina amin’izany ka ny taloha ihany no miverina rehefa mifoha. Fa raha izao Tenin’Andriamanitra izao no dinihina dia tsy fifohazana avy amin’ny torimaso no lazaina amin’izany. Fomba fiteny mantsy ny hoe voan’ny torimasom-panahy. Raha torimasom-panahy ihany anefa dia ilay fanahy nentina natory ihany no entina mifoha koa, ka tsy misy fiainam-baovao mihitsy ao anatin’izany. Tsy lasa mihitsy ny zavatra taloha, ka indro fa efa tonga vaovao. Tsy nateraka indray mihitsy ilay olona araka ny tenin’i Jesosy tamin’i Nikodemosy. Fa izay an’Andriamanitra dia tsy maintsy ateraky ny Fanahy ary ateraky ny rano; misy fahateraham-baovao ao anatin’izany.

Izany no atao hoe: Fifohazana, tsy fialana avy amin’ny torimaso fotsiny fa Fifohazana miala avy amin’ny fahafatesana. Fa fahafatesana no tambin’ny ota, ary izany fahafatesana izany no nisintoman’i Jesosy Kristy antsika, nanala antsika tao. Avy ao anaty lavaky ny fahafatesana isika no indro no nalain’i Jesosy ka napetrany ao anatin’ny fiainana, ao anatin’ny Fanjakan’Andriamanitra. Raha niteny Izy hoe: “mibebaha fa efa akaiky ny Fanjakan’Andriamanitra”, tsy fotoana ho avy no lazainy hoe akaiky fa milaza ny tenany izany fa izay misy Azy no misy ny Fanjakan’Andriamanitra. Izy no Mpanjaka, Mpanjakan’ny mpanjaka, Andriana finaritra eto amin’ity izao tontolo izao ity.

Raha izany àry no hevitry ny hoe Fifohazana dia fialana avy ao amin’ny fahafatesana mankao amin’ny fahavelomana, fialana avy ao amin’ny fasana ka fidirana ho ao anatin’ny fanjakan’ny fahavelomana dia izao no zavatra marina: be dia be ny mampisalasala amin’ny atao hoe Fifohazana eo amin’ny fiainantsika andavan’andro. Indrindra raha Fifohazana efa naharitra 100 taona mahery tahaka antsika avy eto Soatanana. Hitantsika moa indraindray fa marina ihany ny tenin’ny Mpandinika momba ny fanambadiana hoe: ny telo na efa-taona voalohany amin’ny fanambadiana, hoy izy, dia velombelona mihitsy ny fitiavana, mifampitsinjo mihitsy ny roa tonta, ary mifamela heloka tokoa; fa rehefa mihoatra an’izany anefa, rehefa teraka ny zaza voalohany, faharoa, ary fahatelo, na sanatria tsy misy zanaka fa efa any amin’ny faha-5 taona na faha-6 taona any, dia hoy ny mpandinika: efa tsy fitiavana intsony no mipetraka fa fiarahamonina milamina no sisa.

Ary izay no tena loza mitranga sy mitatao amin’ny atao hoe fifohazana. Rehefa miaina ela amin’izany isika dia tsy Ilay Fanahin’Andriamanitra intsony no hita, tsy Ilay Fanahin’Andriamanitra intsony no mampiaina, ary tsy ny Tenin’Andriamanitra intsony no tena fiainana, fa ilay fitsipika, ilay fombafomba ety ivelany ihany sisa manjaka. Ny fanarahana ireny fitsipika ivelany ireny sisa ilazana fa hoe Fifohazana isika satria tsy maintsy miakanjo tahaka izao, tsy mihinana an’ity sy tsy mihinana an’iry… Fiteny matetika ny hoe tsy misotro toaka, tsy mihinam-paraky, tsy mifoka sigara. Tsy mampirisika ny amin’izany velively ny tenako, kanefa raha izany fotsiny no atao hoe Fifohazana dia be dia be ny manao izany na noho ny lafiny ara-pahasalamana fotsiny aza no anaovany azy. Koa ny olona mitandrina izany ara-pahasalamana ve dia hatao hoe Fifohazana? Tsia de tena tsia.

Eny ry havana, marina izany, fa indray mandeha izahay nanao tafika masina miaraka tamin’ny mpiandry, tamin’ny toerana anankiray. Jentilisa maro no nanatrika ka nitoriana ny Tenin’Andriamanitra sy nanaovana Asa sy Fampaherezana. Rehefa avy eo anefa dia nitey izy ireo hoe: “efa Kristiana rahateo anie izahay e!” Gaga izahay ka nanontany: “ianareo angaha efa vita Batisa? Aiza ianareo no miangona?” “Tsia!” hoy ny valiny “tsy vita Batisa izahay, ary tsy miangona na aiza na aiza, fa kosa, izahay tsy mifoka sigara, tsy misotro toaka, tsy mihinam-paraky, tsy manao zava-mahadomelina sns.” “Hay ve! Fa inona ianareo?” hoy izahay. “Mpanao ringa izahay,” hoy izy “mpanao Sport ka tsy manao an’ireo.”

Hitantsika amin’izany fa zavatra ivelam-belany no heverintsika hoe fifohazana, dia ny hoe: tsy manao Bal, tsy miteny ratsy, sns. Izany ve anefa no tena atao hoe Fifohazana? Misy olona tena tia fiarahamonina sy manaja fiarahamonina ka tsy manao teny ratsy, teny maloto, eo afovoan’ny fiarahamonina. Azo antsoina hoe Fifohazana anefa ve izany fanajana ny fitsipiky ny fiarahamonina izany na dia ataony aza? Misy koa ny tsy mamonjy Bal satria tsy mahazaka ny fofona ao anatin’izany toerana izany, satria  ny toe-batany tsy mahazaka an’izany. Izany ve no atao hoe Fifohazana?

Eto dia averiko indray fa raha miteny an’izany rehetra rehetra izany aho dia tsy milaza hoe ataovy izany rehefa tsy izany no atao hoe Fifohazana. Tsy izany mihitsy no hevitry ny teny fa ny hevitry ny teny dia izao, mandeha lalindalina kokoa miala amin’ny fahafatesana ho tonga eo amin’ny fiainana. Miala avy ao amin’ny fanjakan’ny andrian’izao tontolo izao, ary miditra ho ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra. Ka tsy ny herinao na ny tanjakao na ny fahamendrehanao no hahafahanao hanao hoe: hanala ny tenako amin’ity aho, Tsia! Tsy mahavita izany ianao fa Jesosy, amin’ny alalan’ny Fanahiny, no mahatanteraka izany.

Raha niteny isika tany am-boalohany hoe, ity no ivon’ny Epistily ho an’ny Romana dia diniho kely fa tamin’ny voalohany i Paoly, any amin’ny toko voalohan-dohany any dia milaza fa ny Jentilisa rehetra, izany hoe, ny olona rehetra, dia mpanota daholo, fa na dia mahalala sombintsombiny ny amin’ny lalàn’Andriamanitra aza izy dia tsy manompo an’Andriamanitra, fa indro ny zavatra nataon’ny tanany, dia ny sampy no heveriny hoe andriamanitra. Ary loza aza, hoy i Paoly Apostoly, fa ny vehivavy dia tsy nanao intsony ny fomba fanaony amin’ny fanambadiana amin’ny lehilahy, ary ny lehilahy dia tsy nanao intsony ny fomba fanaony amin’ny vehivavy, fa samy nifampila ny vehivavy samy vehivavy, ary ny lehilahy samy lehilahy.

Tsy izany va no tena mitranga amin’izao fotoana izao? Ka tena miditra ao anatin’ny fahajentilisana lalina dia lalina ny olombelona amin’izao fotoana izao? Ary indrisy, eny indrisy, fa misy aza fiangonana tafiditra ao anatin’izany, faha-Jentilisa hiringiriny izany! Tena diso eo anatrehan’Andriamanitra izy amin’izany, fa ny fanompoan-tsampy no indro fa tompoiny. Lazao ahy ny Andriamanitra tompoinao, hoy ity lehilahy anankiray, dia ho lazaiko anao ny fitondran-tenanao.

Amin’ny Jiosy kosa, izay fatra-pitana ny lalàna, dia mieritreritra ny tenany ho marina avy hatrany sy ao anatin’ny Fanjakan’Andriamanitra avy hatrany izy. Dia hoy i Paoly, ao amin’ny Epistily: ianao izay miteny hoe aza mandainga, moa mba mandainga koa va ianao? Ianao izay miteny hoe aza mangalatra? Moa mba mangalatra koa va ianao? Ianao izay miteny hoe aza mijangajanga, moa va mba mijangajanga koa ianao? Dia nambaran’i Paoly amin’ny Fanahin’Andriamanitra, sy nampanoratin’ny Fanahin’Andriamanitra ho Tenin’Andriamanitra ny hoe: na ny Jentilisa mpanompo sampy na ny manana ny lalàna kanefa tsy mahatanteraka ny lalàna, ary na dia mahatanteraka aza kanefa tanteraka ivelany fotsiny fa tsy tanteraka ao anaty, dia samy diso eo anatrehan’Andriamanitra.

Ity tanteraka ivelany ity dia mampifangaro ny Kolotsaina amin’ny fivavahana amin’Andriamanitra. Kolotsaina, izay no iheveran’ny olona ny fivavahana ka fanatanterahana Kolotsaina, fitaizan-tena amin’ny alalan’ny Kolotsaina, izany no iheverany ny atao hoe fivavahana. Fa ilay fihaonana amin’Andriamanitra sy maha tempolin’ny Fanahy Masina ny tena kosa no tsy ao indrindra. Ary io no samy nodisoin’i Paoly na amin’ny Jentilisa na amin’ny milaza azy ho mitana ny lalàna. Ary Jesosy dia tena nanindrona ny fahalemen’ny Fariseo, ny Sadoseo, sy ny Mpanora-dalàna, mitandrina amin’ny fomba ivelany ny lalàn’Andriamanitra.

Isika Malagasy dia mahay milalao ny fitsipi-dalaon’ny fiarahamonina. Ao am-piangonana isika, olo-masina; any ivelan’ny fiangonana kosa anefa isika, dia izay fiarahamonina misy antsika any no lasa toetrantsika sy fombantsika, ka arahintsika. Noho izany dia manana fitsipi-dalao marobe ny olona anankiray arakara ny fiarahamonina izay iarahany. Ka inona no iafarany? Fihatsaram-belatsihy, izany no fiafaran’ny fanompoany an’Andriamanitra. Tsy misy an’Andriamanitra ny ao anatiny ary izany indrindra, no tena diovin’Andriamanitra amin’izao teny izao.

Toy izao ny anombohan’i Paoly ny filazana ny amin’ny fanadiovana: raha ny olona iray no nanota ka nahatonga fahatezerana sy fanamelohana ary fahatezerana ho an’ny maro, vao mainka va raha ny olona anankiray no hiavian’ny fahasoavana izay mandresy ny asan’ny maizina rehetra? Ary ao anatin’ny hoe fahafasoavana dia tsy hoe fahasoavana maimaimpoana fotsiny ka azo atao tsinontsinona, araka ny tenin’i Paoly manao hoe: Satria va fahasoavana dia hiezaka hanota isika? Sanatria izany hoy i Paoly Apostoly. Tena sanatria izany! Manana tolotra avy amin’Andriamanitra isika hamonjena antsika dia Jesosy Kristy. Jesosy no tolotra avy amin’Andriamanitra mba hamonjena antsika, fa nirahiny ny Zanany lahitokana, mba tsy ho very izao tontolo izao, fa ho voavonjy izay rehetra mino Azy ka hanana ny fiainana mandrakizay. Ahoana ny lalana hidirana amin’izany? Izay mino sy atao Batisa, io no hovonjena.

Natoron’i Paoly, ao amin’ny toko faha-6, io Batisa io hidirantsika, hananganana antsika ho zanak’Andriamanitra. Amin’izany fananganana antsika ho zanaka’Andriamanitra izany dia indro fa mitsangana ho fahavalon’izao tontolo izao isika. Vavaka nataon’i Jesosy ao amin’ny Filazantsara araka an’i Jaona rahateo ny manao hoe: eo amin’izao tontolo izao izy, fa tsy naman’izao tontolo izao. Izany indrindra no tian’i Paoly Apostoly hasongadina eo amin’ny toko faha-7 ka itenenany hoe: misy zavatra mifandrirotra ato anatiko ato fa mahalala ny marina ihany aho ao amin’ny saiko sy ny foko, kanefa ny ataoko dia manohitra izany marina sy ny lalàna izany. Misy mifandrirotra ato anatiko!

Asan’ny Fanahy Masina io ry havana. Ary izay asan’ny Fanahy Masina izay no fanombohan’ny fahafahana, fa raha ny Zanaka no manafaka dia ho afaka tokoa ianareo. Fanombohan’ny fahafahana io satria raha eo anatrehan’ny fahotana sy ny fakam-panahy ianao, raha amin’ny tena maha-fifohazana, dia miala amin’ny fahafatesana ka mankao amin’ny fiainana. Na dia tian’ny devoly hiverina ao amin’ny fahafatesana aza ianao, fa fahafatesana no tambin’ny ota, dia izao: miteny aminao mandrakariva ny Fanahy, ary ny teniny manao hoe: tsy mety io, diso lalana ianao. Ary ilay feon’Andriamanitra, raha mamaky tsara ny tantaran’i Elia ianao, dia tao anatin’ny malefaka indrindra. Toa hoatran’ny mora resena indrindra izany Fanahin’Andriamanitra izany. Kanefa ny Fanahin’Andriamanitra izay malefaka ny fihaino azy dia mahery, ary tena mahery, ka manongotra ny olona avy ao amin’ny fasana ary mamindra azy ho avy ao amin’ny fiainana.

Izany ady izany no fanombohana, ary izany ady izany no misy ao anaty. Ary raha avy amin’ny Fanahin’Andriamanitra tokoa isika ka manana ny Fanahin’Andriamanitra tokoa sy baikoiny dia manohitra sy miady ary mandresy izany. Fa ambaran’ity toko faha-8 ity fa ny fihevitry ny nofo dia fandrafiana an’Andriamanitra. Ary ny fihevitry ny nofo dia tsy ahitana ny asan’ny Fanahy, fa ny asan’ny Fanahy kosa no mandresy izany asan’ny nofo izany.

Ry havana, ilay teny hoe ambany fahasoavana manko dia mandiso fisainana ny maro. Toy ny hoe, na inona na inona hataoko dia eo ambany fahasoavana mandrakariva aho. Mandiso hevitra ny maro tahaka izany ihany koa ilay teny hoe: Andriamanitra be famindram-po. Heveriny fa na inona na inona ataoko dia hamindra fo aminy hatrany Andriamanitra. Misy ny fahatezeran’Andriamanitra ry havana. Ao amin’ny Soratra Masina ao dia misy karazany roa no fiasan’ny rano. Ao ny rano izay manala hetaheta, manondraka tanim-boly sy ny tanim-bary, fa lazain’ny Tenin’Andriamanitra ihany koa anefa fa ny rano, raha mandeha mafy, ary raha maro dia mahatonga tondra-drano, mandrava zavatra betsaka. Izany tondra-drano, fahatezeran’Andriamanitra mandrava izany dia hadinon’ny olona rehefa maneho famindram-po Andriamanitra. Fialanenina anefa ny famindram-pon’Andriamanitra, mampahatsiaro fa raha miala amin’Andriamanitra isika dia fahafatesana tokoa no hahazo antsika. Io indrindra no ampahafantarina amin’ny ady rehefa mandresy ianao, fa izay tarihin’ny Fanahin’Andriamanitra no zanak’Andriamanitra, ary miseho amin’ny fandresena izany.

Ahoana àry no tokony ho fiainan’ny zanak’Andriamanitra?

Ny fiainan’ny zanak’Andriamanitra dia azontsika tsara amin’ilay fiteny Malagasy manao hoe: Tsy manary anaran-dray. Tsy manala-baraka anaran-dray. Izay no fiainan’ny Zanak’Andriamanitra. Iza moa no raintsika? Jesosy ihany no miteny fa aza miantso ny ety an-tany hoe rainareo, fa ny rainareo dia any an-danitra. Ary io rainareo izay any an-danitra io dia miahy anareo. Jereo hoy Izy ny voninkazo, moa va tsy mitafy tsara noho i Solomona ireny? Jereo ny voromanidina sy ny tsintsina, moa va tsy mihinan-kanina mandrakariva ireny, na dia tsy mamboly aza?

Tena mandray an-tanana ny fiainanareo Andriamanitra, tsy ny fiainana amin’ity tany ity ihany fa raha amin’ity tany ity ihany no anantenantsika an’Andriamanitra dia faran’izay mahantra indrindra isika, fa ny fiainana mandrakizay, dia ilay fiainana lalindalina kokoa, ilay fiainana izay tena mifototra sy miraikitra amin’i Jesosy Kristy Tompo, Izay tena voaloboka, ary isika no sampany, mahavokatra. Tsy amin’ny maha-sampany antsika no ahavokarantsika fa mpitondra ny vokatra fotsiny isika, fa Jesosy no tena voaloboka, Izay tena mampahavokatra ny fiainantsika. Misy manko ry havana olona, indraindray eo amin’ity asam-pifohazana ity, raha vao mba misy olona sitrana nametrahany tanany, na nahazo ny zavatra izay nangatahiny tamin’ny alalany dia izy no mandoka tena, manao hoe, ny nametrahako tanana tamin’iny no nahasitrana azy, ny namoahako demonia azy no nahasitrana azy, ny nanaovako toy izao azy no nahazoany valim-bavaka. Tena diso lalana ny manana fisainana toy izany!

Misy koa no manao an’i Jesosy ho Jesosy hampitombo ny fitiavan-tenany, ary rehefa mivavaka lavabe izy, mitanisa ireo zavatra tadiaviny dia faranany izany amin’ny hoe: ary izay rehetra tsy voatonon’ny vavanay, ka mahasoa, dia tanteraho Jesosy o! Ny tenany ihany no hitany amin’ny zavatra rehetra izay ataony. Hadinony fa ny fisiany eto amin’ity tany ity dia ho voninahitr’Andriamanitra, fanitarana ny fanjakany, fankalazana ny anarany. Ary izany indrindra no ambarany eto fa izay misy ny zanaka no hisy antsika raha ohatra ka ny Fanahin’Andriamanitra no ao anatintsika.

Isika afaka miantso hoe: Aba Ray o! amin’ny alalan’i Jesosy Kristy Tompo. Fa Jesosy nampianatra hoe: Rainao izay any an-danitra.

Ny hoe lanitra eto dia tsy toerana na fotoana fa ilay lanitra izay anjakan’Andriamanitra amintsika, hitantany ny fiainantsika amin’ny tanana ankavanan’ny fahamarinany. Izay no atao hoe lanitra, ary izany eo ambany fiarovan’Andriamanitra izany, eo ambany fiahian’Andriamanitra izany, moa va misy toy izany koa? Izany no nampiteny an’i Petera Apostoly hoe: Hankaiza koa moa izahay fa eto akaikinao no mahatsara anay. Ary eto, mbola lalindalina kokoa izany hoe akain’i Jesosy izany. Ahoana no maha lalina azy? Miaraka amin’i Jesosy eto amin’ity tany ity isika kanefa efa mpiray lova amin’i Jesosy ao amin’ny fiainana mandrakizay sahady.

Ny hoe fiainana mandrakizay dia tsy hoe, rehefa maty aho vao mankany amin’ny fiainana mandrakizay. Mbola ilay finoana Jentilisa mahakasika ny ambondrombe izany, toy ny hoe rehefa maty ianao dia ho aiza? Ho any ambondrombe. Ary indraindray aza na ny fitenintsika, misy diso ihany toy ny hoe: “Eh! Maty izy! Nankany amin’i Jesosy izy!” Hoatrany hoe ny toerana misy an’i Jesosy dia toerana mpisy ny maty. Dieny eto an-tany ry havana dia mpiray lova amin’i Jesosy isika, dieny eto an-tany dia tena zandrin’i Jesosy, rahalin’i Jesosy sy anabaviny isika, dieny eto an-tany. Mpiray lova aminy amin’ity tany ity fa nomena Azy ny fanjakana sy ny fahefana rehetra ety an-tany ka hatrany an-danitra.

Mpiaradia miaraka amin’i Jesosy Kristy ny Zanak’Andriamanitra manana ny Fanahy ka mandeha araka ny Fanahy. Fa izay tarihin’ny Fanahin’Andriamanitra no Zanak’Andriamanitra. Toriteny velona izany olona izany na dia ny fiainany madinika indrindra aza. Teny, fihetsika, fiakanjo, fitondran-tena miteny sy maneho an’i Jesosy Kristy Tompo no hita amin’ny fiainany. Ary io no tian’Andriamanitra hahafantaranao ny atao hoe Fifohazana dia zanany izay manana an’i Jesosy sy velona amin’i Jesosy, miasa miaraka amin’i Jesosy sy ao amin’i Jesosy Kristy tokoa araka ny teniny hoe: Tomoera ato amiko ianareo, ary izaho ao aminareo: ato anatintsika. Amin’izany ry havana dia marina tokoa ny Tenin’Andriamanitra hoe: raha velon’ny Fanahy isika dia ho velona tokoa miaraka amin’i Kristy.

Amena.

Share