TATITRY NY FILOHA FLM tao amin’nyKMSL 141 VONDROZO

TATITRY NY FILOHA FLM tao amin'nyKMSL 141 VONDROZO

TATITRY NY FILOHAN’NY FIANGONANA LOTERANA MALAGASY

ATOLOTRA NY KMSL FAHA-141 MIVORY AO AMIN’NY FLM VONDROZO,

SYNODAM-PARITANY AMBODIHARAN’I VONDROZO SPAV, ny 31 Mey – 5 Jona 2019

 

Teny faneva : “ Ary toy izany ihany koa ianareo: raha fatra-paniry ny zava-panahy, dia izay hampandroso ny fiangonana no tadiavo indrindra. ” I Kor.14:12

 

“Ho aminareo anie ny fiadanana!”

 

TENY FAMPIDIRANA

Misoatra an’i Jesosy isika fa Izy no mitondra ny Fiangonany! Misaotra antsika rehetra ihany koa tamin’ireo fanapahan-kevitra rehetra noraisina sy ny fanatanterahana izany! Mikatsaka ny fampandrosoana ny FLM mandrakariva isika ary miezaka mandresy ny sarotra rehetra, noho ny fahasoavana avy amin’i Jesosy!

 

Arahabaina isika tonga soa eto Vondrozo amin’izao KMSL 141 izao, ka mandray ny Teny Faneva roa lehibe

: Fanehoana ny FINOANA sy ny fahatokiana an’i Jesosy sy ny vokatr’izany eo amin’ny fiainantsika araka ny Gen.33:11b “…fa efa nanisy soa ahy Andriamanitra, ka manam-be aho.” Mitarika antsika hiasa fatratra ho amin’ny FIZAKANTENA marina izany ka ahombiazantsika amin’ny FAMPANDROSOANA ny FLM sy ny firenena! Fa fampaherezana lehibe koa no atolotra amin’izao fanokanana ny SPAV ho Synodam-Paritany izao ka itenenan’i Jesosy hoe: “Koa aza manary ny fahasahianareo izay misy valiny lehibe.” Heb.10:35.

 

Manana fahasiana tokoa isika hampandroso ka hiditra amin’ny atao hoe FIZAKANTENA! Mirary soa ho an’ny fanapahan-kevitra rehetra ho raisintsika eto amin’ity KMSL 141 ity mba tsy ho nofy izany FIZAKANTENAN’NY FLM izany fa ho tanteraka sy lavorary tokoa!

 

I.FA NATANTERAHANA NY FA NAPAHAN-KEVITRY NY KMSL 140

  1. Efa nisy Synoda nahazo ny fampianarana mivantana avy amin’ny Filohan’ny FLM mikasika ny Boky Lesona Efa nanaovana ezaka be koa ny fampianarana ny amin’ny FIZAKANTENA. Kasaina havoaka boky daholo izy roa ireo fa mangataka vavaka. Hita fa mahasoa ny FLM mihitsy izany!

 

  1. Tanteraka soa aman-tsara ny ATRIK’ASA momba ny FIZAKANTENA FLM tao ANTSIRABE, tamin’ny 24 – 25 Janoary Isan’ny mpandray anjara feno tamin’izany isika KMSL ankoatry ny olona hafa nasaina ho fatsakana hevitra. Hankatoavina amin’ny fanombohan’ity KMSL 141 ity ireo fehiteny ary handraisana fanapahan-kevitra amin’ity KMSL 141 ity kosa ny fampiharana izany ho FAMPANDROSOANA ny FLM.

 

  1. Efa navoaka sy nampiainina ny Litorjia Fanokanana
  2. Efa nanaovana fanentanana ombieny ombieny ny fampiaharana ny FISOTROAN-DRONONO Misy ny efa manatanteraka. Misy ireo mbola mandamina. Adidinay ny mampahatsiaro mba ho tanterahanina feno izany fa fanapahan-kevitra noraisintsika.

 

  1. Efa nidina matetika tany Amboaloboka izahay Birao Efa nanangana ny Komity ao amin’ny SPAf mba hijery akaiky ny raharaha. Miezaka mafy amin’ny famahana olana izy ireo. Mbola mitohy sy manahirana ny olana ao Amboaloboka: Trosa miavosa; olana fifandraisana ao amin’ny mpiara-miasa.

FIANGONANA LOTERANA MALAGASY (F.L.M.)

EGLISE LUTHERIENNE MALAGASY – MALAGASY LUTHERAN CHURCH – GASSIK LUTHERSK KIRKE)

NY SYNODA LEHIBE (S.L.)

(Le Synode Général – The General Synod – General Synoden)

NY FILOHA – LE PRESIDENT – THE PRESIDENT

 

  1. Efa nivory ny KM/SALFA ary nandamina ny fanendrena ny Atoa Rivo ANDRIAMAMPIONONA, Pastora, no voatendry ho DAF vaovao tamin’ny 28 Janoary 2019.

 

  1. Efa nivory KM/FLF. Efa miasa tsara ny Vaomiera mpanao Efa miezaka hampaneno ny Radio FM ny Radio Teny Fiainana. Mbola maro ny olana saingy mahabe fanantenana ny ezaka natao. Niverina matetika tao amin’ny FLF izahay hanamafisana izany vahaolana izany. Andrasana ny tatitry ny Tale amin’ireo asa rehetra nankinina aminy. Efa miroso amin’ny fijerena ny ho avy koa ny Tale hatramin’ny fiheverana izay handimby mba hampizotra tsara ny asa eto amin’ny FLF.

 

  1. Tsy mbola vita ny niantso ireo mambra ny Vaomiera momba ny Lalam-pifidianana na dia nokasaina Ao ny olana ara-bola, ao ny olana ara-potoana. Ho ezahina amin’ny manaraka ny famitana izany.
  2. Ampahatsiahivina ihany isika mba haka andraikitra ka izay olona tena ilain’ny SP na ny Sampana no angatahany Vatsi-pianarana. Na dia misy maro be aza ekentsika eto dia vitsy tokoa no sisa mahazo raha mbola hisy Ny Vaomiera momba ny Vatsi-pianarana dia efa nampahafantatra antsika ny fomba arahina. Ankoatra ny fankatoavana eto amin’ny KMSL dia iray avy isan-tSynoda no omena laharam- pahamehana. Ny LWF dia efa nilaza fa 5 ihany no halefa hifantenan’izy ireo. Matetika ny vehivavy no laharam-pahamehana!

 

  1. Efa natolotra ny Biraon’ny KP ny Tonian’ny FFPM vaovao natolotry ny KMSL, Ny Pastora RAMITSIRIHAJA Andriantseheno Nandray ny asany nanomboka ny 07/01/2019 izy.

 

  1. Ireo Fileovana vaovao dia ny SP no nanokana azy fa tsy tratrako noho ny hamaroan’ny

 

  1. Efa novangiana sy ho vangiana daholo ny STPL 6 ka nanazavana ny maha sarobidy ny fanapahan-kevitry ny KMSL 140 momba ny stage pratika 1 taona ka ilazan’ny fiangonana isan’ambaratonga ny maha matotra ny FIANTSOANA ny Kandida sy hirosoana amin’ny Mamaha olana marobe izany ary tena FAMPANDROSOANA ny FLM. Efa mandray ny andraikitra sahaza daholo ny SP, ny STPL, ary ny Kandida rahateo hiatrehana izany. Hita fa tandrify sy mendrika raha hatevenina izany fifaneraserana izany ka irinay ho tohizana amin’ny taona mifandimby ny famangiana sy fampianarana any amin’ny STPL. Nampahatsiaro azany ny Mpandrindra STPL/SALT tamin’ny dinika nifanaovanay fa mila izany koa ny SALT.
  2. Ny 23 – 24 martsa 2019, no nanatanterahana ny Jobily ny Tonia SHALOM, Pastora RAKOTOARIJAONA Daniel,

 

  1. Efa namory ny mpiara-miasa tao amin’ny TMM, tamin’ny 14/11/18 ka nanolotra ireo daty hanatanterahana ny Jobily faha-50 taonan’ny Fanokafana, 9-10 Martsa 2019 tao amin’ny FLM Mahazoarivo, SPAM. Ivony, 29-30 Jiona 2019 ao Toliara. Famaranana, 9-10 Novambra 2019 ao Antananarivo. Efa niezaka namita ny andraikitra nomena azy ny Komitin’ny Jobily ka tolorana fisaorana.

 

  1. Fanokafana ny Jobilin’ny Filohan’ny SPaFi, Pastora RANDRIAMANDIMBISOA Alfred, mivady, 07 Aprily 2019 tao Hatao ao Fandriana ny ivony amin’ny 28 Aogostra 2019. Faranana ao amin’ny Toby Andranoraikitra amin’ny 23-28 Septambra 2019.

 

  1. Tanteraka soa aman-tsara ny Jobily faha-25 taonan’ny Toby Mahavelo, Ambovombe, Nanao ny Alitara sy Toriteny tamin’izany ny Filohan’ny FLM.

 

  1. Nanatrika ny KSPBA sy ny ivon’ny Jobilin’ny Pastora MAHATOKY mivady, Filohan’ny Synodam-Paritany Synodam-Paritany Betioky Atsimo SPBA ny 4 – 5 May

 

  1. Ho tanterahina ao Masombahoaka, SPAf, ny fanokafana ny Jobilin’ny Tonian’ny FLM Pastora RANDRIANIRINA Dieu Donne, Hataontsika amin’ny KMSL 142 izay hatao ao Fianarantsoa ny volana Oktobra 2019 ny ivon’ny Jobily. Ary ho faranana amin’ny KMSL 143 ao Antananarivo ny Volana Mey 2020 izany. Mampahatsiaro anareo Komitin’ny Jobily mba hihetsiketsika fa mandroso ny fotoana.

 

7

 

  1. Efa nivory ny Komitin’ny Soritr’asa Manohana ny Traboina (SMT), fa hatao ao amin’ny FLM Ambohimena SPAM, ny fankasitrahana an’Atoa RANDRIAMANANDRAINA Stephan, Hozaraina eto amin’ny KMSL 141 ny valopy momba izany, toy izay efa fiainantsika.

 

  1. Ho sokafana ny 23 – 24 Novambra 2019 ny Jobilin’ny Sekoly Fanofanana ho Mpampianatra (SFM), araka ny efa Nangatahina aminay Foibe ny Ivony ka ny 22 – 23 Febroary 2020, no atolotra anareo. Ho faranana amin’ny 25-26 Jolay 2020 izany.

 

  1. Nanaovana fanentanana tamin’ny famangiana natao ny fanaovana Tafika Ary ny hieritreretan’ny Synoda sy ny Fileovana ny fampisiana ny Evanjelistra.

 

  1. Samy miomana fatratra amin’ny Zaikabe ny Sampana tandrify Misy aza efa nivoaka ny Programa. Izay tratranay dia natrehina fa misy kosa ireo tsy nahafahana nanoatra noho ny hamaroan’ny asa.

 

  1. Nandaniana fotoana ny famahana ny olana ny Dinika manokana sy maharitra tamin’ny Tale, Teolojiana RAZANAMARO Myriame, ka niafara tamin’ny fametrahany ny fialany. Dinika niaraka amin’ny Tonian’ny FBL, izay sady Talen’ny ILOFAV rehefa nametra-pialana ny Tale. Dinika tamin’ny mpiara-miasa rehetra ao amin’ny ILOFAV, ka rehefa voajery ny fototry ny olana rehetra dia nifanaraka hanao Chomage teknika aloha ny mpiasa mba ahazoana manao ny fanarenana. Nananganana Komitin’ny Fanarenana mba hamaha ny olan’ny ILOFAV. Marihina koa fa nahazo fanampiana matanjaka 97 tapitrisa ariary avy amin’ny LWF ny ILOFAV.

 

  1. Efa nirosoana ny fandaminana any amin’ny SPAvA ao amin’ny FLM SAMBAVA Tokony efa hilamina ary inoana fa hilamina ihany na dia mbola misy ihany aza ny indrokelin’ny Mpandrafitra.

 

  1. Efa hirosoana miaraka amin’ny fananganana ny Oniversite Martin LOTERA ny fananganana ny Sekoly momba ny “Communication Numerique”.

 

  1. Tsy mbola ahitam-bokatra ny RAKITRA ho an’ny raharaha Vaha olana tokana ny fanosehana ho lasa lavitra ny KITAPO IOMBONANA sy ny FIZAKATENA FLM isan’Ambaratonga.

 

  1. Samy nanaovana ezaka daholo ireo Sampana tsy nahatonga tatitra mba handroso tatitra sy hampahomby ny fiaraha-mientana eto amin’ny Misy hatrany anefa ireo tsy mamaly na manohina ny antso. Anjaran’ny KMSL ny hampanakery ny ezaka ataonay Foibe mba tsy hatao angady tsy mahatapakahitra, sanatria?

 

  1. Efa tafatsangana ny Vaomieran’ny Tsangambaton’ny Jobily na ny Vaomieran’ny taon-Trano Foibe FLM ao Efa nivory koa izy ireo. Ento am-bavaka ny asa!

 

  1. Isaorana ny ezaka rehetra niarahana Efa voavidy tamin’ny volana Marsa teo ny fiara ho an’ny Filohan’ny FLM. Mbola misy tsy feno ny vola ka mbola tsy afaka niainga avy any Geneve ny fiara amin’izao fotoana anaovana ny tatitra izao. Inona fa ho tonga any amin’ny KMSL ny fiara!

 

  1. Efa nalefa ny taratasy milaza ny fanapahan-kevitry ny KMSL manambara mazava fa tsy mbola nanapa- kevitra ho ILC ny Aroso ho dinihina amin’ity KMSL 141 kosa, araka ny fangatahan’ny maro tany Ambatofinandrahana ny tahiri-kevitra mikasika ny FIFANARAHAM-PIARAHA-MIASA FLM-LCMS. Fanatanterahana ny fanapahan-kevitry ny KMSL 139 rahateo izany. Ny KMSL 134 sy ny KMSL 135 dia samy efa niroso tsikelikely sy moramora ho amin’izany fifampidinihana izany.

 

  1. Isaorana Jesosy fa nahomby ny fitarihana sy ny fandaminana nankinina tamin’ny SPAf sy ny FIFIL momba ny fanitsiana ny Toby Koa dia ambara fa Toby miray amin’ny Tobilehibe FARIHIMENA ny Toby Ankerana. Manaraka feno ny fampianarana sy ny fomba fiasa ary ny fiainan’ny Tobilehibe FARIHIMENA. Ny Pastora tendren’ny SPAf no ray aman-drenin’ny Toby Ankerana.

 

8

 

  1. FAMANGIANA NATAO

SYNODA

14/09/18 SPAM, Vinaninkarena, Zaikabe KTLM SPAM

15/09/18 SPAn, Mananjaray, Nanao mariazy ny zanaky ny Tonia TMM, Mpiasan’ny SALFA Fianarantsoa rahateo koa izy mivady natao mariazy. Famangiana voalohany ny Fileovana Mananjary ka sady nitoriteny no nampianatra.12/05/18 COCO DIAKONIA.

16-18/09/18 SPAf, Tobilehibe Soatanana

4-5/10/18 SPMa, Fileovana Vohipeno, niofana momba ny CNaPS tao @ SEFAFI FIHAONANA izy ireo. 7/10/18, SPAf, Fileovana Ivory Avarattra, Alitara sy Toriteny.

10/10/18 SPAM, Fileovana Betafo, Isan-taonan’ny Katekisata. 11/10/18 SPAM, Fileovana Betafo, Isan-taonan’ny FIFIL.

12/10/18 SPAf, Fandevenana Pastora RAKOTONIRINA Jean, Filohan’ny SPAF.

12-13/10/18, SPM, Fileovana Miandrivazo, fanokanana FLM BEMIHA, fanokanana Toby MAHAMASINA, fanokanana Sekoly Loterana. Fanokanana Mpiandry miisa 24.

14/10/18 Jobilin’ny Filohan’ny SPAnta, Alitara sy Toriteny tao amin’ny FLM Ambatovinaky. 22-28/10/18 Fanokanana ny SPATsim sady KMSL fah-140 tao Ambatofinandrahana.

08/10/18 Nitarika ny famangiana ny fianakavian’i Pastora Herinjaka Jacki Odelice, Mpitondra Fitandremana Bekily, SPAA, tao amin’ny FLM Ambolokandrina.

11/10/18 Fanokanana Misionery sy fankalazana ny faha-40 taonan’ny Gazety DIADEMA, natao tao amin’ny Fileovana Anosibe, SPANTA.

16-19/11/18 Jobily faha-20 taonan’ny SPFa sy ny faha-130 taona nidiran’ny Filazantsara :

Nampianatra momba ny FIZAKANTENA, Alitara sy Toriteny, fanokanana Moto miisa 12, ka ny 11 ho an’ny Mpitondra Fileovana, ny 1 an’ny SOFATAL/EXPLOITATION FARADOFAY.

25/11/18 SPAnta, FLM SOANAFINDRA, Alitara sy Toriteny 02/12/18 SPAnta, FLM Tsarahonenana, Alitara sy Toriteny.

09/12/18 SPAM, FLM AMBOHIMENA Jobily faha-40 taona. Alitara sy Toriteny 16/12/18 SPAnta, FLM EBENEZERA, Alitara sy Toriteny

23/12/18 SPAnta, Fileovana Ankatso, Fanokanana trano Fiangonana vaovao sy ny maha Fitandremana ny FLM Manjakandriana.

25/12/18 SPTm, FLM MORARANO, Toamasina, Alitara sy Toriteny, nisy Konfirmasiona. 26/12/18 SPTm, FLM Depot, Analakininina, Krismasy faharoa, Alitara sy Toriteny

30/12/18 SPAM, VINANINKARENA, Fanokanana FLM AMBOHIMANARIVO FIORENANA

06/01/19 SPAnta, FLM Tanjombato, Alitara sy Toriteny

13/01/19 SPAnta, FLM AMBOHIBAO Antampotanana, Alitara sy Toriteny

15/01/19  SPFa,  Fivoriana  niarahana  tamin’ny  Biraon’ny  SPFa,  tao  aorian’ny  fanokanana  Mpiandry, fandaminana samihafa, manatrika ireo asa maro miandry.

20/01/19 SPAnta, FLM IVATO FAMONJENA, famaranana ny faha-30 taona sy fanokanana ny trano fiangonana lehibe vaovao.

21/01/19 SPAM, Dinik’asa niarahana tamin’ny Birao sy ny Mpandinibola momba ny olana ao amin’ny FAFAFI/SAPM.

27/01/19 SPAM, Fileovana Antanifotsy, FLM AMBANINDRIANA, Alitara sy Toriteny, ary Asa sy Fampaherezana. Nitsirika ny asa nataon’ny LFW tany an-toerana. Fiangonana manao asa Diakonaly lehibe, tetezana, fitsaboana marary sy ny sisa…

03/02/19 SPAM, Jobily faha-150 taonan’ny FLM Antsirabe Antampotanana.

05-13/02/19 Komitin’ny SPAM natao tao Ambalavato, Antsirabe, Nandray anjara mavitrika amin’ny fanitsiana sy toromarika rehetra amin’ny fandraisana ny tatitra, Asam-baomiera sy Fivoriambe. Nanolotra fampianarana maro, indrindra ny amin’ny FIZAKANTENA. Alitara sy Toriteny.

18/02/19 Nitarika ny Birao Foibe sy ny Mpiara-miasa rehetra namangy an’i Pastora RABESOA,

SPA tao amin’ny Hopitaly Befelatanana sy nanao fanentanana ny SPAnta tamin’ny tolo-tanana ka maro fiangonana tonga sy nandray anjara.

23-25/02/19 SPAf, FLM Mahamanina, Fanolorana ny Filohan’ny SPAf, Pastora MAHAY Jaonary, mivady. 25/02/19 Dinik’asa niarahana tamin’ny Biraon’ny SPAf, fandaminana momba ny Maso Fianarantsoa.

26/02/19  Nitarika  ny  Birao  Foibe  sy  ny  Mpiara-miasa  rehetra  namangy  an-dRtoan’i  Pastora  Rafisy, Mpitondra Fileovana Mahavatse, SPFT.

01-03/03/19 SPAM, Jobily faha-130 taonan’ny FLM Mahazoarivo. Nandray anjara tamin’ireo fampianarana nisesy isan’andro. Toriteny tamin’ny famaranana ny Jobily.

 

9

 

04/03/19 SPAM, FLM Mahazoarivo, nihady fototra ny trano vaovao lehibe hatao Sekoly sy fianaran’ny Sekoly Alahady.

14/03/19 Dinik’asa niarahana tamin’ny Birao SPAA. 15.03/18 Dnik’asa niarahana tamin’ny Filohan’ny SPFa.

16-17/03/19 Famahana olana tao amin’ny FLM ANTANIMANDRY, niaraka tamin’ny Filohan’ny SPAM sy ny Mpitondra Fileovana Masinandraina.

28-31/03/19 Jobilin’Atoa RAMAROLAFY Leopold Calixte Bien Aime, mivady, Filoha Nasionalin’ny Komitin’ny SALOMA, Tonian’ny SALOMA SPM. Nampianatra momba ny ASA DIAKONALY, Alitara sy Toriteny, tao amin’ny FLM MAHAMANINA ANDAKABE.

02-04/04/19 Famangiana ny SPAB tamin’ny alalan’ny Fampianarana ny bokin’ny Genesisy, ny FIZAKANTENA FLM, Alitara sy Toriteny tamin’ny fanokafana ny Komitin’ny Synoda tao amin’ny FLM ZIONA ISOANALA.

05-07/04/19 Famangiana ny SPaFi tamin’ny alalan’ny Fampianarana ny FIZAKANTENA FLM, Alitara sy Toriteny tao amin’ny FLM MANANTENASOA Ambositra, sady nanokatra ny Jobilin’ny Filohan’ny SPaFi, Pastora RANDRIAMANDIMBISOA Alfred, mivady no nanampy tamin’ny fiatrehana ny Komity Synoda.

09-14/04/19 Famangiana ny SPA tao amin’ny FLM Dzamandzar. Fampianarana isaky ny maraina. Alitara sy Toriteny.

Isaorana Jesosy fa ity no KSP voaloahany, nanapaka fa hanao Latsakemboka 60.000 ra isataona ny vita Batisa tsirairay. Maro ireo SP efa te hanomboka fa mbola mandinika tsara. Ny tena fanirianay sy hitantsika fahombiazana kokoa dia ny hanaovana izany manerana ny sahan’ny FLM. Nankatoavin’ity Komity ity koa ny fangatahan’i Pastora Johnson handeha hisotro ronono. Misaotra azy mivady isika. Hatao Jobily amin’ny 2020.

18/04/19 SPFLME, Nanao Alitara sy Toriteny ary Fampianarana tao amin’ny FLM Paris, nandritra ny Alakamisy Masina.

21/04/19 SPAM, Jobily faha-135 taonan’ny FLM VINANINKARENA sy fankalazana ny Paska : Alitara sy Toriteny, Batisa miisa 35, Fampandraisana.

24/04/19 SPAf, Fileovana ALAKAMISY Ambohimaha, nampiofana ny Komitin’ny Fileovana momba ny FIZAKANTENA FLM.

25/04/19 SPAf, namangy tao amin’ny FLM AMBALAVAO.

25-28/04/19 SPH, Komitin’ny SPH tao Ambararata, sady fanokanana ny Fileovana Ambararata, Fampianarana, Alitara sy Toriteny.

28/04-01/05/19 SPFT, Komitin’ny SPFT, tao amin’ny Fileovana Betania, Fampianarana sy nanolo-kevitra ny Komity, nitarika fifidianana. Lany ho Tonian’ny FIFIL/SPTF Pastora RANDRIANANTENAINA Edmond, Voafidy ho Mpitondra Fileovana Befandriana misolo azy, Pastora Jean Noel. Lany hitondra ny Fileovana vaovao ao Antseva Pastora RAJAONARY Elie Andre.Velom-panantenana ny amin’ny ho avin’ny FLM aho, rehefa avy nampianatra roa andro momba ny Genesisy sy ny FIZAKANTENA FLM. Nanapakevitra avy hatrany ny SPFT fa hampihatra tsy misy fepetra ireo paikadin’ny FIZAKANTENA : Latsakemboka 10.000 ariary isaky ny vita batisa, ampahan’ny RAKITRA hatolotra ny Foibe FLM.

01-05/05/19 SPBA, Namangy tao Betioky, KSP faha-69, Nampianatra, FIZAKANTENA FLM. Alitara sy Toriteny tamin’ny Jobilin’ny Pastora MAHATOKY Tsiombota, mivady, Filohan’ny SPBA. Nanapa-kevitra ity KSPBA faha-69 ity, fa hanangana ny Komitin’ny Kitapo Iombonana, hanolotra 10% ny Rakidehibe isaky ny Alahady ho an’ny FLM rehetra manerana ny SPBA.

TOBY

16-18/09/18 Tobilehibe Soatanana, Alitara sy Toriteny ary nitarika ny fanokanana : Mpiandry, Mpampianatra, Ray aman-drenin’ny Toby Ifanadina.

12-13/10/18 Fanokanana ny Toby MAHAMASINA, Bemiha, Miandrivazo, SPM. Fanokanana Mpiandry miisa 24.

21-22/11/18 Alitara sy Toriteny, nitarika fanokanana Toby Betesa

24/11/18 Namangy ny Toby Siloama, Amparihikambana, Tsiroanomandidy 01/01/19 Namangy ny Toby Ambohimahazo

13-16/01/19 Namangy ny Toby Nenilava Faradofay tamin’ny alalan’ny Jobily faha-40 taona sy ny Isan- taona. Alitara sy Toriteny ary nitarika ny fanokanana.

14/04/19 Alitara sy Toriteny Toby Mahavelo, fankalazana ny faha-25 taona Toby, SPAA.

 

10

 

  • FIVORIANA NATREHINA SY NOTARIHINA
    • Tany ivelany

29/10-07/11/18 Namangy tany Bremen any Alemaina. Nankalaza ny REFORMASIONA niaraka tamin’ny Fiangonana Loterana Alemana. Nitoriteny sy nampianatra. Nifampidinika ny amin’ny hisian’ny Asa Misiona hataon’ny FLM any Alemana. Fihaonana tamin’ny Pastora maromaro sy ny Eveka ao Bremen.

 

  • Teto an-toerana

Birao Foibe

  • 22-28/10/18 Fivorian’ny KMSL 140 natao tao Ambatofinandrahana sady fanokanana ny 22/10/18 Fivorian’ny Birao Foibe sy ny Filohan’ny SP tao Ambatofinandrahana.
  • 23/10/18 Birao Foibe nandinika ny vokatra azo sahady avy amin’ny fanentanana sy ny hilana fanampiana ny lafiny ara-bola.
  • 24/10/18 Birao Foibe, nandamina ny fiaraha-miasa sy ny momba ny LCMS ary ny 25/10/18 Birao Foibe sy ny Filoha SP namonjy Zaikabe FKTLM ary ny Birao FKTLM.
  • 24/10/18 Birao Foibe nandamina ny fiaraha-miasa, nijery ny lahadinika haroso KMSL: Mijanona aloha ny momba ny ILC sy ny fiaraha-miasa @ Marihina fa ny KMSL nangataka ny handinihana ity indray amin’ny KMSL 141 any Vomdrozo.
  • 27/10/18 Birao Foibe, nandray ny taratasy fametraham-pialan’ny Filoha Niezaka nandamina sy nifampidinika mba tsy horaisina, eny tsy hanan-kery io taratasy fametraham-pialana io.
  • 28/10/18 Fiaraha-nidinika tamin’ireo Solotena SPAvA momba ny FLM Sambava 12/11/18 Birao Foibe, nandamina ny fanatanterehana ny fanapahan-kevitry ny KMSL.
  • 13/11/18 Birao Foibe, nandamina zavatra maro ho fampan-dehanana ny 03/12/18 Birao Foibe, FFL sy ny lafiny ara-bola sy tatitra samihafa.
  • 07/01/19 Birao
  • 17/01/19 Krismasy Birao Foibe
  • 21/01/19 Famoriana ny mpiasa rehetra teto anivon’ny Foibe FLM sy ny SALFA ary ny Fanofanana ny mba ahazoana vokatra tsara kokoa.
  • 04/02/19 Birao Foibe
  • 26/02/19 Birao Foibe manomana ny Fivoriana iarahana amin’ny Mpiara-miasa
  • 27-28/02/19 Fivoriana niaraka tamin’ny Mpiara-miasa rehetra ato amin’ny FLM, teto
  • 08/04/19 Birao Foibe, nampiofana sy nanao tari-dalana momba ny Site Web Nampiofana sy nanao tari-dalana momba ny adiresy e-mail hampiasain’ny Foibe FLM sy ny SP ary ny Sampana. Nampiofana sy ny tari-dalana momba ny fitantanana amin’ny kajy mirindra, ka nifantoka tamin’ny tahiry hangonina momba ny Pastora sy ny vehivavy Teolojiana. Ho velarina amin’ny lafiny samihafa toy ny Statistika momba ny fiangonana sy ny momba ny fitantanam- bola.

 

SAMAM-PIKAMBANANA SY SAMPAN-DRAHARAHA

  • 10/10/18 Nanao sonia ny fiaraha-miasa SEMAMO sy TIER MONDE SOURD (TMS) 09/11/18 Famoahana ny Mpianatra andiany FANAOVANTSOA, SEFAM, 11/11/18 Fankalazana faha-40 taonan’ny Gazety DIADEMA.
  • 13/11/18 Fihaonan’ny Birao Foibe tamin’ny Birao FKTLM ka ny Filoha sy ny Mpitahiry vola ihany no
  • 14-15/11/18 Komitin’ny Lovasoa 4C tao 14/11/18 Dinik’asa tao amin’ny TMM.
  • 15/11/18 Dinik’asa tamin’ny Tale Jeneralin’ny SALFA sy ny DT, namaha ny olan’i Dr Blaise, Talen’ny SALFA
  • 21/11/18 Famaranana ny Jobilin’ny Tonia Nasionalin’ny FIFIL, Pastora ANDRIANARIJAONA Germain, mivady tao amin’ny Toby Betesda
  • 21/11/18 Fihaonana tamin’ny Mpiandraikitra ny Fifanakalozana Tanora : Pastora Andres, avy amin’ny NMS sy Rtoakely Miranto, avy amin’ny Marihina fa fifandraisana FLM sy NMS izao.
  • 26/11/18 Fanokafana ny Atrik’asa Kristiana sy Mozolmana, FOFIKRI, Ilafy, nokarakarain’ny Marihina fa tsy marisika amin’ity Fifampiresahana ity ny havantsika avy amin’ny EKAR, EEM, FJKM. Tsy mbola nisy fotoana koa nanasan’ny MOZOLMANA antsika fa isika hatrany no nanasa azy ireo.
  • 29/11/18 Dinika tamin’ny Tonian’ny FBL izay sady manao ny asan’ny Talen’ny ILOFAV sy ny Dinika tamin’ny mpiaram-miasa ao amin’ny ILOFAV.

 

  • 04/12/18 Namangy ny SALFA FOIBE, Toriteny tamin’ny culte
  • 06/12/18 Fihaonana tamin’ny Tale TPFLM, ANTSAHAMANITRA, SOFATAL, nitady ny hevitra haroso hifampiraharahana amin’Atoa RADANIELSON Vincent, tena tompon’ny tany ara-dalana hatramin’ny 07/12/18 Namory ny mpiasa n’ny FOFAJA sy namaha olana momba ny fitoriana, handeha @ 10/12/18 ny famotorana.
  • 11/12/18 Fihaonana tamin’ny Talen’ny FLF sy ny mpiara-miasa Nanomana ny fanatanterahana ny fanapahan-kevitra KMSL 140, ho fampandehanana ny FLM sy Ivon-toerana momba ny Fifandraisana ary ny fanarenana ny FLF.
  • 17/12/18 Nitoriteny tamin’ny Krismasy SALFA, tao Andohalo tamin’ny
  • 17/12/18 Nanao fanadihadiana ireo Kandida ho DAF/ SALFA niaraka tamin’ireo ekipa 21/12/18 Nitoriteny tamin’ny Krismasy TPFLM, I sam.12:22.
  • 21/12/18 Namoaka  ny Mpianatra  andiany FITSINJO,  ireo  mpiofana  arak’asa sady nanao  ny Krismasy AKAM
  • 22/12/18 KRISMASY TPLA SALFA AMBOHIBAO.
  • 09-11/01/19 Fandevenana Rev Dr MAKA Charles, SALT Ivory Avaratra 19/01/19 Nitarika ny famindran-draharaha teo amin’ny Talen’ny Ilofav sy ny Tonian’ny FBL. 24-25/01/19 Komitin’ny Zaikabe-I FD-FLM, Antsirabe.
  • 26/01/19 Krismasin’ny Marenina, FOFAMA
  • 30/01/19 Fampianarana momba ny Teolojia sy ny Etikan’ny asa teo amin’ny Mpiasan’ny
  • 02/02/19 FOFAMA SY STPL ATSIMONIAVOKO, Fanadinana Pratika Kandida, NDREMAHOLISON Herman, tao amin’ny FOFAMA Ity no Kandida Marenina voalohany ary miomana hiroso amin’ny Ordinasiona ka tonga nandray anjara tamin’ny fanadinana azy aho.
  • 06/02/19 Dinik’asa niaraka tamin’ny Mpiasan’ny TMM, tao Antsirabe 02/03/19 Dinik’asa niaraka tamin’ny Talen’ny SEMAFI, SEFAMA, SEMAMA 02/03/19 Dinik’asa niaraka tamin’ny Talen’ny FOFAJA
  • 02/03/19 Dinik’asa niaraka tamin’ny Tonian’ny TMM sy ny Mpandrindra ny SB 04/03/19 Famoahana Mpianatra nahavita License Agronomique, ISPATA, Tombotsoa 05/03/19 KM/SALT
  • 06/03/19 KS/FFTL
  • 07/03/19 KM/SBVA AMBOALOBOKA
  • 08/03/19 KM/TMM ANTSIRABE
  • 08/03/19 Dinik’asa niarahana tamin’ny Tale SEFAM 09/03/19 Dinik’asa niarahana tamin’ny Tale FOFAJA
  • 09-10/03/19 Jobily TMM FLM MAHAZOARIVO ANTSIRABE
  • 20/03/19 KM/TPFLM
  • 22/03/19 KM/SHALOM
  • 22-24/04/19 Jobily Pastora RAKOTOARIJAONA Daniel Stephan, Tsaramandroso, Mahajanaga 25/03/19 Nampianatra tao amin’ny STPL Betela Marovoay
  • 26/03/19 Komity Teknika FOFAMA
  • 27/03/19 KM/FOFAMA
  • 28/03/19 KM/FOFAJA
  • 28/03/19 KM/FAFITO
  • 29/03/19 Nampianatra tao amin’ny STPL Betela Morondava 02/04/19 Namangy ny SB Mananovy SPAB
  • 15/04/19  KM/FAFAFI    VATOMANDRY,    sady    tohin’ny    famahana    olana    niarahana    tamin’ny
  • 16/04/19 Birao Foibe FLM sy ny Birao SALFA, namaha ny olana SALFA SAMBAVA sy ny fandaminana tsy maintsy nilaina teo an’ivon’ny SALFA Ny tatitra ara-bola sy ny Tetibola 2020 dia hafindra Oktobra 2019 fa misy zavatra mbola mila alamina.
  • 23/04/19 Namangy ny SALT ny Birao FFPM sy ireo tompon’andraikitra ao amin’ny Ecole Nohazavaina ny niandohana sy nivelaran’ny hevitra avy amintsika, Filoham-piangonana, nankatoavin’ny KP. Nohazavaina ny lalana nizorana teo amin’ny sehatry ny FFPM sy ny fanapahan-kevitra noraisin’ny Ministera.
  • Notsindriana fa rehefa tafatsangana soa aman-tsara ny Oniversite Dr Martin LOTERA dia ho isan’ny manana anjara feno koa io Oneversite hantsangatsika Fa misy Sehatra fikarohana mamorona asa iraisan’ny FJKM sy ny FLM koa ato amin’ny FFPM.

 

Hiezaka fatratra isika amin’ny fahavitan’ny taratasy rehetra momba ny Oniversitentsika. Ento am-bavaka! Fa hivory indray ny ekipa fampianarana ambony amin’ny 26-27 Oktobra 2019, any Fianarantsoa. Efa manomboka ny fianarana ao amin’ny Ecole Doctoral ary hohatsaraina hatrany izany.

24/04/19 Nampianatra tao amin’ny STPL ALAKAMISY AMBOHOMAHA.

 

FANDRINDRANA

  • 08/10/18 COCO AMI tao Antsirabe 09/10/18 COCO MIRD tao Aantsirabe
  • 26/10/18 COCO SMT tao Ambatofinandrahana 27/10/18 COCO EMPOWER tao Ambatofinandrahana
  • 01/12/18 Fiantsoana ny Mpandrindra sy ny DAFPP mba hitondra fanazavana sy hiarahana mikaroka ny vahaolana ary fametrahana tsara ny fomba fiasa mba harahina tokoa fa tena mampisy olana amin’ny NMS sy ny An’ny FLM ny asa hanompoany ny firenena ka tokony hatao tandrify tsy hanalabaraka ny FLM. 08/01/19 COCO EXPLOITATION.
  • 09/01/19 CA
  • 21/01/19 COCO EMPOWER ato ANTSIRABE
  • 29/01/19 Dinik’asa niarahana tamin’ny mpiasan’ny IRA 29/01/19 COCO DAF PP ato ISORAKA
  • 07/02/19 Dinik’asa niarahana tamin’ny mpiasa ao amin’ny LOVASOA 4C 09/04/19 COCO SMT
  • 09/04/19 COCO AMI
  • 15/04/19 COCO AMI, fandaminana ny Tetibola 2019 sy ny

 

FFPM SY FFKM

  • 15/10/18 Fivorian’ny Filoham-piangonana sy ny Filakevi-pitondrana FKP FMBM momba ny olana lehibe eo amin’ny Tonia
  • 21/10/18 Famaranana ny Jobily faha-50 taona FJKM sy ny faha-200 taona LMS tao 07/10/18 Famangiana ny Foibe EKAR noho ny fodiamandry ny Evekan’i Mahajanga.
  • 08/10/18 Fivorian’ny Birao KP, nandamina asa maro, ho fanatanterahana ny fanapahan-kevitry ny KP Nanomana ny kalendrie 2019.
  • 08/10/18 Fivorian’ny  Filoham-piangonana  sy  ny  Birao  Foibe  FFKM,  nanomana  ny  Komity  Foibe   Nanomana ny kalendrie 2019.
  • 10/10/18 Fanokanana ny Chapel APU
  • 22-25/11/18 Komity Foibe faha-41 FFKM tao Marihina fa mbola vitsy an’isa isika FLM. 26/11/18 Birao Komity Protestanta, namaha olana ireo Sampana mila izany : ISPPM, EDISIONA SALOHY, MPIKRIMA.
  • 03/12/18 Fiaraha-mivavaka
  • 03/12/18 Birao Komity Protestanta, nandamina ny asa KMI sy KT
  • 05/12/18 Fihaonana tamin’Atoa RADANIELSON Vincent, ho famahana ny olana ao amin’ny tany novidiny tao Manana ny taratasy mazava nividianany azy indroa misesy Atoa RADANIELSON Vincent. Efa lasany hatramin’ny antsasaky ny Sehatra Maitso ka tsy misy asa azo atao intsony ao Antsahamanitra. Voatery manao fifam-piraharahana ahazoana mampiodina an’Antsahamanitra!
  • 06/12/18 Komity fanarenana ny
  • 06/12/18 Filoham-piangonana sy Birao Foibe
  • 12/12/18 Filoham-Piangonana sy Birao Foibe FFKM, nandray ny tolo-kevitry ny SEFIP manoloana ny toe-
  • draharaham-pirenena, hisorohana ny savorovoro momba ny
  • 13/12/18 Niaraka amin’ny FOibe FJKM sy ny SP Antananarivo Andrefana, nametraka ny Mpitandrina RANDRIAMISATA Roger, mivady, tao amin’ny FJKM SALEMA VAOVAO 67Ha
  • 13/12/18 Fihaonana tamin’Atoa RAFALIMANANA, Mpampiasa ny tany ao Antsahamanitra sy ny olana momba io tany
  • 13/12/18 Fihaonana tamin’Atoa RADANIELSON Vincent, niaraka amiko ny Tonia Lefitra sy ny Tale TPFLM, Tale Antsahamanitra, Mpandrindra ny SOFATAL, ka nangataka mivantana amin’ny anaran’ny FFPM, ny FJKM, sy ny FLM mba haverina amin’ny FFPM ny tany ka hoatrinona ny vola tadiavinareo? Mbola tsy voavaha ny
  • 16/12/18 Krismasy Akany Avoko Faravohitra,
  • 17/12/18 Nitoriteny tamin’ny Krismasy Akany FIFAMPANDROSOANA Ambodinisotry, FFPM, sady famoahana Mpianatra, Andiany SANTATRA, tamin’ny maraina.
  • 17/12/18 Krismasy FMBM, teny Ampasampito, tamin’ny
  • 17/12/18 Fandaminana hampizorana tsara ny Ecole Doctorale, efa nahazo ny 16/01/19 Fivorian’ny Filoham-piangonana.
  • 18/01/19 Fiarahabana tratry ny taona 2019, tao
  • 18/01/19 Fiaraha-mivavaka ny FFKM, tao amin’ny FJKM Atsimon’i 20/01/19 Fiaraha- mivavaka FFKM, Famindran-draharaha amin’ny fitarihana, avy amin’ny EEM ho amin’ny FJKM. Tao amin’ny EKAR Andohalo. Feno ny trano. Isika no mitarika ny FFPM, FFKM amin’ny 2019. Maniry izahay mba ho maro an’isa isika amin’ny 2019.
  • 01/02/19 Fivorian’ny Mpampianatra ao amin’ny Rehefa nametra-pialana Dr Georges RAZAFINDRAKOTO, nefa ny FFKM mangataka mba hampitomboina ho 4 aza ny Mpampianatra dia Dr Peri RASOLONDRAIBE, Dr RAKOTONIRINA David ary ny Dr RAKOTOZAFY Denis, no misolotena antsika ao ka niaraka nanatanteraka ny fivoriana.
  • 04/02/19 Fiaraha-mivavaka FFPM, Vohipiraisana 04/02/19 Fivorian’ny Birao KP, Vohipiraisana
  • 15/02/19 Fivorian’ny Filoham-piangonana ho famahana olana ny
  • 26/02/19 Fanokafana ofisialy ny taom-pianarana IPAE, natrehanay Filoham-pianginana 4 Marihina fa isan’ny Mpampianatra misolotena ny FLM ao Dr RAKOTONIRINA David, Dr RASOLONDRAIBE Peri, Dr RAKOTOZAFY Denis.
  • 11/03/19 Fivorian’ny Birao KP, tao Antsahamanitra, AKZL 08/04/19 Fivorian’ny Birao KP, Vohipiraisana
  • 16/04/19 Fihaonan’ny Filoham-piangonana 4 miarahalahy tamin’ny Solotenan’ny Papa eto Madagasikara, nandamina ny prograama handraisana ny Papa François amin’ny 6-10/09/19.

 

 

FIFANDRAISANA IRAISAM-PIRENENA

  • 19/09/18 Nandray ny Biraon’ny Federstion Protestante Franç
  • 17/10/18 Nandray ny Dépiote sy Mpanaramaso ny fifidianana avy amin’ny UNION EUROPEENNE, ka nandinika lalina momba ny
  • 19/10/18 Namangy teto amin’ny Birao ny DIAKONIA MAITSO na ny Plante tree avy any Nanamafy ny fiaraha-miasa amin’ny FLM ka hamangy Toby marobe am’izao diany izao. Mianatra zavatra maro eto amintsika momba ny asan’ny FLM ho fanasoavam-bahoaka any amin’ny Toby izy ireo.
  • 13/11/18 Nandray ny Solotena NMS vaovao, Atoa Per Ivar 19-20/11/18 Nitarika ny Fivoriambe FMBM, ho famahana olana.
  • 28/11/18 Nitarika ny Komity Fanarenana ny
  • 29/11/18 Namangy ahy Atoa Ringsbu, momba ny famoahana boky ho an’ny tontolo
  • 04/12/18 Nifampidinika maharitra tamin’i Atoa Jean Chrystophe HUET, tompon’andraikitra ny ACSI, aty Manana tambazotra iraisam-pirenena ny Fampianarana Protestanta.
  • Misy fiahiana azy aty Kendrena ny ahazoana mametraka tambazotra hampisy fankatoavana iraisam- pirenena ny Diploma atolotry ny Sekolintsika.
  • 06/12/18 Komity Fanarenana
  • 08/12/18 Voa asa sy nanatrika ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny ady @ KOLIKOLY natao teto Izaho irery no Mpitondra fivavahana, tonga namaly ny antso na ny Foibe FFKM na ny Faritany FFKM ANTSIRABE.
  • 08/12/18 Nandray ny solotenan’ny LWF, teto amin’ny LOVASOA ANTSIRABE, manao ny tombana ny asan’ny
  • 12/12/18 Fihaonanna sy dinik’asa niarahana tamin’Atoa Sigurd, mamangy izy sy manohy ny fiaraha-miasa amin’ny EMPOWER, Ampiasao ny Nijery akaiky ny fampandrosoana ny asa sahan’ny Ampiasao ny Talentanao ho Fampandrosoana ny FLM.
  • 14/12/18 Namarana ny Tombana momba ny SMT niaraka amin’ny LWF, sy nandray ireo toromarika samihafa ho fanatsarana kokoa ny
  • 14/12/18 Nandray an’i Rev John sy Mme Jessy, Pastora vaovao hiandraikitra ny FLM Sinoa ao Behoririka sy nanao veloma an’i Rev Françis sy Rev Lily, fa hiverina any Malaysia izy
  • 14/12/18 Nahazo fanasana avy amin’ny Fredrich Ebert sy ny YLTP (Youth Leadership Training Program), tao amin’ny Carlton, momba ny Demokrasia sy ny olana na Krizy politika eto
  • 20/12/18 Komity Fanarenana ny FMBM 28/12/18 KomityFanarenana ny FMBM
  • 04/01/19 KomityFanarenana ny FMBM
  • 07/01/19 Asaramanitra teny Ivoloha, notarihin’ny Filoham-pajakana, Rivo 08/01/19 Niarahaba ny Filoham-panjakana Rivo RAKOTOVAO ny FFKM.
  • 10/01/19 Dinik’asa niaraka tamin’ny SPAf sy ny Maso
  • 10/01/19 Dinik’asa niaraka tamin’i Pastora Kitel Aano, SG NMS teo aloha, nangataka ny hanomezana ny Doctorat Honoris Causa ho an’i Prof RAKOTOARIVONY
  • 11/01/19 Fihaonana tamin’Atoa RATSIRAHONANA Norbert 12/01/19 Fihaonana tamin’Atoa Marc RAVALOMANANA.
  • 12/01/19 Nitoriteny tamin’ny fifam-piarahabana taom-baovao 2019 niarahana t@
  • 15/01/19 Dinika  niarahana  tamin’ny  Ben’ny  Tanana  Faradofay,  nangataka  fanafoana  ny  amphany  sy fandoavana tsikelikely ny sisa amin’ny hetra tsy voaloa nandritra ny 5
  • 17/01/19 Komity Fanarenana
  • 17/01/19 Fanokafana Ofisialy ny Fampiofanana Institut Malagasy de Leadership,
  • 19/01/19 Nanatrika ny fianianan’ny Filoham-pirenena Andry RAJOELINA, tao MAHAMASINA sy teny
  • 31/01/19 Komity Fanarenana ny
  • 15/02/19  Dinika     Pastoraly     nataon’ny     Filoham-piangonana     tamin’ny     SG     FMBM,     Pastera RAKOTOARIVONY
  • 15/02/19 Komity Fanarenana ny
  • 01/03/19 Fihaonan’ny Filoham-pirenena Atoa Andry RAJOELINA sy ny Filoham-piangonana 4 avy amin’ny
  • 18/03/19 Dinik’asa  niarahana  tamin’ny  Solotenan’ny  DANMISSION  sy  ny  Mpandinibolan’ny  FLM  ho famahana ny olan’ny FAFAFI VATOMANDRY, eo ambany fiahian’ny
  • 19/03/19 Dinik’asa niarahana tamin’ny NMS, Mme Sophie RAKOTONIRAINY sy ireo mpiaradia aminy, nandinika ny hanombohana ny asa momba ny FITANTANANA ny ady sy fifanolanana, ao anatiny sy ivelan’ny Maitre Andry FIANKINANA RANDRIANASOLO, Mpandrindra ny SRFL no mandray ity Soritrasa mameno ny asany ity.
  • 19/03/19 Dinik’asa niarahana tamin’ny NMS, Mme Ann Karin sy ny mpiaradia aminy nijery akaiky ny fizotran’ny asa mahazo fanohanana avy amin’ny Hiverina ireo Mpiara-miasa, NMS sy CBM fa asiana fanamboarana matanjaka ny lafiny fitantanam-bola.
  • 08/04/19 Nandray ny famangiana nataon’ny Eveka any Malaysia, Rev Aaron sy ireo mpiaradia aminy : Namantatra misimisy kokoa hatrany, nanamafy ny fiaraha-miasa amin’ny FLM SINOA ao Behoririka, nanao ny fanasana mba hamangian’ny FLM any

 

  1. FAMPIOFANANA SY ATRIKASA NATAO
  • 5-6/09/18 Fampiofanana CNaPS tao
  • 22-23/01/19 PNFD nandraisan’ny Birao Foibe sy ny Filoha SP anjara,
  • 24-25/01/19 Atrikasa momba ny FIZAKANTENA, Fitanatanana ny vola sy fananana FLM, 26/01/19 Fampiofanana momba ny TAMARA, Fampiofanana momba ny filozofia sy pratikan’ny tatitra eto amin’ny FLM.

 

LAHADINIKA :

  1. FANANGANANA NY ONIVERSITE LOTERANA

Tonga ny fotoana hananganantsika ho ara-panjakana ny Oniversite Loterana. Efa manana Lalam-piofanana maro isika: SALT, LIME, SEFAM, ISPATA. Tandrify ny hampijoroana azy rehetra ho ambany fiahian’ny Oniversite lehibe iray. Manana ny Foibeny ao Ivory Avaratra, Fianarantsoa. Efa nekentsika tamin’ny KMSL 140 tao Ambatofinandrahana ny Sekloy Ambony momba ny FIFANDRAISANA sy ny Teknolojia Vaovao. Hanatevina ireo efa misy voatanisa teo aloha izany. Ampidirina hankatoavina eto koa ny Sekolin’ny Mozika sy ny Sekoly momba ny LEADERSHIP sy MANAGMENT. Kendrena ho velarina hanatratra izany maha Sekoly Ambony azy izany koa ny SFM.

 

 

  1. FIFIDIANANA:
  • Vice-Doyen SALT
  • Doyen Sekolin’ny Mozika

d- Doyen Sekoly Leadership sy Management

f- Doyen Sekoly FIFANDRAISANA sy Teknolojia Vaovao g- Filohan’ny Oniversite Loterana

h- Filoha Lefitry ny Oniversite Loterana i- Tale FFL

 

  1. TOLO-KEVITRA MOMBA NY PNFD

Nandinika akaiky ny Birao Foibe sy ny Filohan’ny SP tamin’ny 22-23 Janoary 2019 kanefa tsy afaka namoaka fehin-kevitra fa mbola hanohy ny asany amin’ny 20-23 Aogositra 2019. Ny KMSL-142 any Fianarantsoa indray izany no hanaovana amintsika ny tohiny.

 

  1. FANKATOAVANA NY VOKATRY NY ATRIKASA LEHIBE TAO ANTSIRABE

Tena lafo vidy sady voasaina lalina ny vokatry ny Atrik’asa tany Antsirabe. Asantsika KMSL iny vokatry ny nandraisantsika ny tatitry ny Atrik’asa tamin’ny taona lasa tao Antsirabe iny. Ny olona maro tonga araka ny fanasana natao, nanatevin-daharana antsika sy nanolo-kevitra. Atolotra antsika eto Vondrozo  ny fandravonana ka hankatoavina mba ho voarakitra ao amin’ny Firaiketana ny fanapahan-kevitra.

 

  1. FANATANTERAHANA NY FANAPAHAN-KEVITRA MOMBA NY FIZAKANTENA

Hatolotra amin’ity KMSL 141 ity ny tolo-kevitra fanatanterahana ny FIZAKANTENA, KITAPO IOMBONANA, ka angatahana fankatoavana amintsika mba hiainana avy hatrany fa lasa ny fotoana.

 

  1. LCMS

Efa tapaka tany amin’ny KMSL 139 tany Ambatovinaky fa hiroso amin’ny fiaraha-miasa amin’ny LCMS isika ka hanomboka amin’ny lafiny Fampandrosoana sy sosialy. Efa vonona koa ny tahiri-kevitra momba ilay fifanekem-piaraha-miasa savaranon’ando, araka ny tapaka tany Ambatovinaky fa ho dinihina amin’ny KMSL 140 any Ambatofinandrahana. Nangatahinay Birao Foibe fanemorana anefa izany ka hatolotra anareo eto indray, araka ny tapaky ny KMSL 140 tany Ambatofinandrahana. Ankoatra izay dia nanapaka ny Birao Foibe nivory tamin’ny 04 Febroary 2019 fa ilaintsika ny manao politikan’ny fisokafana fa tena tsy tandrify ny hijanona fotsiny amin’izao. Efa misy rahateo ireo Fikambanana manohana ny asantsika.

 

  1. FIVORIANNY FILOHANNY SP SY NY PS FJKM

Efa nangina teo aloha ny resaka fifanakalozana Alitara. Fa rehefa nivory ny Teknisiana momba ny fanaovana Tafika Masina miaraka, dia nahita fa ilaina aloha ny fiaraha-midiniky ny Filoha SP sy ny PS FJKM. Kasaina hatao any Toliara amin’ny 18 Nov. 2019 izany, araka ny tolo-kevitry ny Birao KP. Samy maniry io fatratra na ny FFPM na ny FFKM.

 

  1. Fananan’ny FLM MPANOLOTENA NA VOLONTAIRES

Efa misy mpanolotena ao @ ATN, ny MIRD, fa misy lahateny ao ny tokony hananan’ny FLM izany feno. Rehefa ekena ny fisiany dia hatolotra antsika manaraka ny Sata hifehy izany sy ny fomba fiasany.

 

  1. Misionery any Thailand

Fiaraha-miasa amin’ny NMS sy ny ELCT izany. Manana Misionery roa isika any : Pastora RAZAFIMANANTSOA Olave sy Dr ROVASOA. Nampandre ny NMS fa iray ihany sisa no Misionery ho tohanan’izy ireo. Nivory ny COCO AMI, ka dia hanolotra hevitra antsika eto ny amin’ny tokony hampodiana ny Misionery iray fa tsy mbola zakan’ny toekarena misy eto amin’ny FLM ny fiantohana feno ny Misionery.

 

  1. FANDRAISANA SY FAMPIANTRANOANA NY LWF

Hivory ao Antananarivo ny Vaomiera LWF momba ny fiarahan’ny LOTERANA SY NY PENTEKOTISA. Isika no manao ny fampiantranoana. Misy fombafomba fanatanterahana izany ka mila miomana ny teti-bola momba izany isika. Hanangana Vaomiera manokana hiandraikitra izany isika : Birao Foibe FLM, Birao SPAnta, Mpitondra Fileovana Ambatovinaky, Mpitondra Fileovana Fahamarinana 67 ha, Dr RASOLONDRAIBE Peri, Mme RAHAINGONJATOVO Daniel.

 

 

  1. FAMPAHATSIAHIVANA SY FANATANTERAHANA NY KMSL 136 momba ny KOMITY MPANATANTERAKA

Mampahatsiahy izahay Birao ny hampiharana izany. Tena mamaha olana betsaka io.

 

  1. DATY KSL

Rehefa nandinka akaiky ireo raharaha maro manodidina izahay, dia mitondra izao tolo-kevitra izao : Ny 23- 30 Septambara 2020 no hanaovana ny KSL 23 any Mahajanga.

 

  1. DATY SY TOERANA KMSL

Rehefa nijery ireo lafiny samihafa izahay dia manolotra ireto daty sy toerana ireto hanatanterahana ny KMSL manaraka : KMSL 144, Oktobra 2020 any Betroka, KMSL 145 May 2021 any Morondava.

 

  1. FANAMIANA KATEKISTA

Nandritra ny famangiana nataoko no nahitana didin’akanjo Katekista 4 samihafa raha kely indrindra. Miteraka fanontaniana marobe izany. Aoka handray ny andraikitra tandrify antsika avy isika. Tsy tanteraka ireo raha tsy misy manome alalana.

 

  1. AKANJO PASTORALY

Efa nisy fampianarana maro niverimberina ny momba ity : Pastora Tomren, Pastora Ramaro, Tonia FLM ankehitriny. Efa noresahina betsaka tamin’ny Lasy Pastoraly Nasionaly. Koa mba tsy hifampitsarana sy hifanamelohana ary tsy hanahirana ny fiangonana, satria tena mitombo ny fampiasana Alb sy ny salotra’akanjo, dia angatahina amin’ity KMSL 141 ity ny fampiasana ireo. Tsy manafoana ny efa misy fa manome alalana mazava ny fampiasana ireo lova litorjika. Miditra moramora ireo rahatoa ka tsy tandrify, toy ny fampiasana ny hoe FANATITRA sy ny sns … fa tsy miteny isika. Masiaka mihitsy anefa mitsara sy manameloka ny lova litorjika. Koa hamafisina ny fangatahana ny hampiasana ireo lova ireo.

 

  1. FANITSIANA NY LITORJIA

Araka ny efa nandraisan’ny KMSL 138 ny fitarainana momba ny Litorjia sy araka ny antso efa nataonay Foibe FLM dia efa misy tonga ireote tolo-kevitra fanitsiana ny Litorjia ireto ka atolotra antsika eto mba hankatoavin. Efa vita ny an’ny FIFIL.

  • Angatahana fanitsiana eto koa izao : Tokony hesorina ao amin’io Litorjia io ny momba ny Efa nisy resaka ihany ity tany Toamasina saingy mbola hita ato ka misy fangatahana hanesorana azy.
  • Misy fanamarihana mba tsy hafangaro amin’ny Skramenta ny Asa sy Fampaherezana ary koa ny Fanasana Aoka havoitra mazava ny fahasamihafana hoy ny fanontaniana miverina matetika.
  • Aoka tsy ho foanana ilay Pastora mandohalika amin’ny Fiaiken-keloka. Mbola voatazona daholo ireo amin’ny toerana Maro koa ireo Pastora mbola tsy mizotra manatanteraka izany ka miteraka fahasamihafana indray. Ny fampitoviana no kendren’ny fandaminana.

 

  1. LALAMPANORENANA FFPM

Nahitsy hifanaraka kokoa amin’izay iainana anketriny ny Lalam-panorenana FFPM. Efa nandinika izany ny KP-88 ka manolotra azy eto amintsika KMSL-141 mba ho dinihina sy hahitsy. Hatolotra ny Fivoriambe faha-17 amin’ny 12-17 Novambra 2019 izay vitantsika eto.

 

  1. Naharay taratasy izahay sy nandray dinika maro momba ny ho fandaminana sy fanatanterahana ny fifidianana
  2. FITSIPI-PITONDRANTENA: FIJANGAJANAGANA SY KOLIKOLY

Efa nahavita ity FITSIPIKA ity ny SALT ka nankatoavin’ny KM/SALT sy ny KS/FFTL mba hampiharina amin’ny SB, STPL, ary SALT. Niangavianay ny SALT mba hameno ny sisa banga ao dia hamboarina ho lasa FITSIPIKA (Code de Conduite) manerana ny FLM koa io.

 

  1. FANITSIANA FITSIPIKA MANANKERY

Efa misy tonga ny toro-hevitra avy amin’ny teknisiana na dia mbola manamasaka ny hevitra aza ny vaomiera notendren’ny KMSL 138. Atolotra eto amin’ny KMSL 141 ny vokatry ny asan’izy ireo mba hankatoavina. Raha ampifandraisina ny asan’ity Vaomiera ity sy ny vokatry ny fikaonan-doha momba ny ho fanatanterahana ny PNFD dia mety ho tonga amin’ny fieritreretana ny fanitsiana ny Lalam-panorenana koa amin’ny KSL 23 hatao any Mahajanga amin’ny 2020? Efa niezaka niasa hatrany ny Vaomiera ka manan- javatra hatolotra antsika eto izy ireo.

 

  1. ADIDY ANY IVELANY

Misy tolo-kevitra tsara, milaza fa aoka ho andraikitry ny SPFLME ny fandoavana ny adidy ivelany rehetra. Maromaro ihany ireo : LWF, LUCCEA, CETA, ACT ALLIANCE, Manodidina ny 15 000 dollars.

  1. FIZARANA FILEOVANA (Jereo fangatahana avy aminny SP)
  2. LAHATENY SAMIHAFA (Jereo boky manokana momba ny Lahateny)
  3. IREO LAHADINIKA AVY AMINNY KM SAMIHAFA
  4. IREO LAHADINIKA AVY AMINNY TATITRA ETO @ KMSL 141
  5. Ireo rehetra tsy vita tany aminny KMSL 140 tany Ambatofinandrahana.

 

Ny Filohan’ny Fiangonana Loterana Malagasy

Pastora Dr RAKOTONIRINA David

 

share