TATITRY NY TONIA LEFITRA FLM – KMSL 141 VONDROZO

TATITRY NY TONIA LEFITRA FLM - KMSL 141 VONDROZO

TATITRY NY TONIA LEFITRY NY FIANGONANA LOTERANA MALAGASY

ATOLOTRA NY KMSL FAHA – 141 MIVORY AO AMIN’NY FLM VONDROZO

SYNODAM-PARITANY AMBODIHARAN’IVONDROZO (SPAV) ny 31 May -5 Jona 2019

 

Teny faneva: “… Fa efa nanisy soa ahy Andriamanitra ahy ka manam-be aho” Gen 33: 11b

 

TENY FAMPIDIRANA

Jakoba rahalahin’ i Esao dia nahatsapa fa ny fitahian ‘Andriamanitra no nahatonga azy nanana fananana manana amby ampy Maro ireo olona notahian ‘Andriamanitra fa indraindray dia heveriny fa nohon’ ny fahaizany sy ny fihafianay no iavian ‘ny harena ananany; Jakoba anefa dia manitsy izany fa ny fananana dia tsy hafa fa Andriamanitra no namome sy loharano niaviany. . Enga anie isika hahatsapa fa nomen” Andrimanaitra be FLM alalan ‘ny olona, tany trano ary fahaiza-manao samihafa ka hahay misaotra sy mampiasa izany amin’ ny fahendrena. Am-pifaliana no anolorana antsika mpiara-miasa ny tatitra Moraly manandrify ny andraikitra napetraky ny FLM taorian’ny KMSL-140 hatramin’izao KMSL-141 atao eto FLM amin’ ny FLM Vondrozo izao.

 

I.FANATANTERAHANA NY FANAPAHAN-KEVITRY NY KMSL

Raha jerena ny fanampahan-kevitry ny KMSL izay notapahana dia toa tsy misy fijerena firy ny fanatanterahana ny fanampakevitry ny KMSL. Ny KMSL 136 no mankaty dia maro ireo fanampahan-kevitra notapahana no goragora ny fampiharana na “follow – up” azy. Ohatra nanapaka ny KMSL 139 ny amin’ ny rakitra sy adidy samihafa hatraiza anefa ny fanatanterahan ‘ireo voakasika izany ara -potoana? Misy tsy mambra KMSL ireo nomena Adidy na rakitra tafita any omena adidy ve ny hafatra?

Hitanisa vitsivitsy ihany aho ireo zavatra goragora ny fampiharana azy: ohatra nyy rakitra fanampiana ny sampana syn y AMI, ny tehaka sy ny dihy ao am-piangonana, ary amin’ izao aza ireo antom-pihira rahavavy asaintsika noho ny fisian ‘ny fiombonana dia mampianatra mihitsy ny tehaka ho an “Andriamanitra sy Jeso ary ny Fanahy Masina.Ao koa ny fanampiana fombafomba sy teny anampy tsy voasoratra ao @ ritoaly sy litorjia santionany ihany voalaza eo ambony. Ny fisian izany dia ahitana taratra fa tsy misy firaisana isika @ fanajana ny fanampahan-kevitra. FLM iray Mangataka ity KMSL ity raha mety mba hanao tombona fahalalan’ ny olona ny atao hoe KMSL sy ny fanampahenkevitra notapahana hatramin’izay ary tsy ny hanao ny tombana ihany fa hitady izay paikady mahomby amin’ ny fifandraisana mba hampisy ny fiaraha – mientana eo amintsika mpitarika sy ireo izao antsointsika ho tarihina.

 

Momba ny asan’ ny Birao Foibe FLM sy ny fiainany ankapobeny:

Nisy fandaminana teo fizarana ny asa araka ny taratasy avy amin’ ny Filoha ny 13 Novambra 2018. Ny Filoha lefitra, ny Tonia lefitra dia manatanteraka ny asa araka ny fanirahana ataon’ ny Filoha sy Tonia araka ny Lalampanorenana sy ny fitsipika manankery. Noho izany ny fandrindrana sy ny Departamanta ary ny sampana dia miverina avy any amin’ ny “Secretariat General”. Araka izany tsy maintsy miezaka mafy ny tompon ‘andraikitra amin’ ny fanaraha -maso sy fiantomorana ny asa satria efa lasa ihany ny fotoana. Ho fanatsarana ny asa dia anisan ‘ny nampidirina ho andraikitry ny Tonia Lefitra ny miara-manao sonia ny taratasy fampamoaham-bola miaraka Mpandrindra Nasionaly. Noho ireo andraikitra ireo tsy dia afaka mandeha manao famangiana lava loatra fa miandraiktra ny asa birao. Na dia izany anefa dia misy 2 synoda roa no napetraka tamin’ ny lamina fa hovangian ‘ny Tonia Lefitra dia SPN, SPSofia.

 

Ny fiainan’ ny Foibe FLM : Amin’ ny ankapobeny saro -dazaina dia toy akondro mahia misy masaka ny fiainan’ ny Foibe FLM.Nanomboka ny volana Novambra 2018 dia tsy dia ara- potoana ny fandraisana karaman’ ny mpiasan ‘ny Foibe ary mihasahirana hatrany ny Foibe FLM ara-bola. Ohatra ny karaman’ ny mpiasa dia tara foana. Isaorana ny Filoha sy ny Mpiandraikitra ara-bola mitady etsy sy eroa mba hampandehanana ny asa. Ny tompon’andraikitra ara-bola mety hanazava izany fa izay zavatra hita dia maro tamintsika no tsy mahefa ny adidy ara-potoana. Isaorana ireo nandray ny antso natao avy Foibe ka nandrotsaka ny azy, antenaina koa ireo mbola tsy nahefa ny azy mba handrotsaka ny azy fa sahirana ny Foibe FLM. Mangataka ity KMSL ity mba hijery akaiky ireo olona izay ananantsika FLM vola mba ho hetsehina hanefa ny volan’ ny FLM. Ireto ny adidintsika any ivelany tsy voaloa LUCCEA :33.000 USD LWF 34.500 trosa efa nolovaina efa talohan ‘ny Filoha FLM Past DR RABENOLOLAHY Benjamin ireo.

Ny adidintsika 2019 efa takiana amintsika dia 6.408 Euro.

 

Momba ny tsangambato Jobily: Efa vita ny Jobily ny tatitra izay nankalazaintsika. tsara averina eto ihany ny fanapahankevitry tsangambato Jobily:

  • Fanatsarana ny stasiona eny amin’ ny FLM Imasombahoaka
  • Fanatsarana ny Kianja maitso Ambohitsimanova ao amin’ ny FLM Betafo
  • Fananganana ny trano birao Foibe FLM

Vaomiera mandinika ny Lalàm-panorenana: Araka ny fanampahan- kevitry KMSL 140 dia manohy ny asany vaomiera. Efa nivory ny vaomiera ary nametraka vinavina tetiandro fa ny KMSL 142 no hanolorana ny asa rehetra. Mahita koa ny vaomiera fa ny asa nataon’ ireo izay vaomiera nanao ny lalam-pifidianana raha mety dia alefa any amin’ ny vaomiera mba hahafahana mijery sy manampy izay tokony ampidirina ho fanatsarana izay efa ananatsika ao amin’ ny Lalam-panorenana sy ny fitsipika Manankery. Isaorana ny mambra ny voamiera izay notarihin’ ny Tonia FLM amin’ ny asa mafy izay nataon’izy ireo.

 

II.FANARAHAMASO NY SAMPAM-PIKAMBANANA SY TANTSOROKA NATAO.

V VATSIM-PIANARANA:

 

Ireto mpianatra nahazo vatsim-pianarana:

Isaorana ny Tompo fa nahavita ny fianarany ireo zanantsika avy amin’ ny SPAnta Ity vola Mey 2019 ity no hivoahan izy reo:

– Rtoa RAZAFIARISOA, Norolala manao master (vatsimpianarana avy amin’ ny ELCA

-Rtoakely STHELA HOLLY Hanitrinirina Bachelor in Arts Social work (vatsimpianarana avy amin’ ny ELCA)

-Past FRACISCO Sabotsy, manao Master any Stavanger SPAVA mivoaka amin’ny 2019 (NMS) Efa nampahafanatarina ny SP voakasika mba hijery ny fandaminana momba izany

Ireto kosa ireo mbola mianatra:

– Rtoa ARO SANDANIANINA Mamy Brunah, (SPBM) avy amin’ ny LWF mianatra ao SALT

-Rtoa VEROMANITRA Frankline, (SPAF) mianatra anglisy eto antoerana Antananarivo(ELCA)

-Past HORIPA Parouse Georges, (SPA) manao Master any amerika avaratra mivoaka amin’ny 2020 (ELCA)

-Rtoa MANDA Emeralda ANDRIMBOAVONJY, SPAVA Master 2 Défap sy ny CoLuRéOum any Frantsa fiaraha -miasa SALT Montpelier

-Past VALISOA (SPAM) mianatra any Frankfurt.

Vatsim-pianarana 2018 -2019 avy LWF: Dimy no candidat naroso, ny SALT17, SALT 18. Tsy nahazo famatsiam-bola vatsim-pianarana ny kandinda avy amintsika afa tsy iray ihany dia Dr NASOLONIAINA Rivososoa (salfa) satria mila manaraka tsara ny fepetra takian’ ny LWF 40 % vehivavy lehilahy 40% 20 % tanora ary ny Caneva dia tsy maintsy arahana koa.

Vatsim-pianarana ELCA:

 

. Miisa 05 Mpiasa na mpianatra nahafeno ireo antontan-taratasy ilaina amin’ ny fangatahana vatsim- pianarana 2018-2019 ELCA, 1 no nahazo vatsim-pianarana hianatra anglisy eto antoerana Ny antony dia izao tsy mantanjaka tsara ny fiantohana ataon’ ny ataon’ ny mpaniraka @ asa homena aorian’ ny fahavitan’ ny fianarana, eo ihany koa ny salan-taona ilaina amin’ ny fianarana.

 

Momba ny fanomezana tsodrano ataon’ ny KMSL: ny isan’ny nangataka hatramin’ ny 2016 mankaty dia 110 ny nahazo anefa dia ireo hitantsika ery ambony. Ny Synoda na Sampana, Institistiona maniraka dia mila mamaritra mazava ny laharam-pahamehany sy vina amin’ ilay olona hangatahana vatsim-pianarana koa rehefa vita ny fianarany dia mandray ny asany avy hatrany izy. Ny fangatahana vatsim-pianarana dia tsy maintsy miainga amin’ ny filan’ ny Synoda niaviana..

 

Momba ny mpianatra ao amin’ ny SALT nankany ivelany tamin’ny alalan’ ny fiaraha- miasa MHS school, DEFAP tsara raha mandalo ny tsodran’ ny FLM ihany mba tsy hisy olana amin’ ny fiverenan’ ny mpianatra any min’ny Synoda nihaviany. Ny mpianatra nahazo vatsim- pianarana @ VID dia tsy dia mandalo ny vaomieran ‘ny vatsim-pianarana fa ny SALT no miandraikitra izany. Na dia izany aza tsara raha mba mahazo tsodrano KMSL ny mpianatra mivoaka ivelan ‘ny Madagasikara.

Hamafisina hatrany fa anisan’ ny zavatra manahirana rehefa mameno ny taratasy fangatahana vatsim- pianarana eo amin’ny ELCA na FFLET ny tsy fananantsika “Policy Guidline for human resource / capacity development”. Miangavy ity fivoriana ity hijery akaiky momba izany.

 

27

 

FKTLM:

Fiaraha- miasa amin’ ny NMS :

-Connect project:

Nisy solotentsika tanora Malagasy tratran’ ny tsy fahasalamana tany Norvege Atoa Yannick, SPFT. Sarotra ihany ny aretina satria ny nisy fahatapahan ‘ny lalandra mandinika tany loha fa isaorana Jesosy fa nandray andraikitra ny tany Norvege. Nisy fianakaviany roa nalefa tany noho ny tsi -fahasalamana. Araka ny tatitra avy Pastora ANDREAS Holms mpiandraikitra ny connect project any Norvege dia efa nentiny nivavaka Yannick tamin’ ny Paska 2019 lasa teo..Efa nody koa any Norvezy e ireo mpanao asa antsitrapo izay taty amintsika. Miandry ny andiany manaraka koa isika. Araka ny vinavina dia any amin’ ny SPFA, SPMA, SPAnta no handefasana azy. Kendrena tsikelikely mba hankany SP izay tsy mbola nahazo izy ireo. Raha misy SP liana momba izany tsara ny mifanatona amin’ ny tompon’andraikitra.Tanora Malagasy hankany Norvezy:

Amin’ ity taona ity dia ireto ny synodam-paritany handefa tanora any Norvegy amin’ ny fifanakalozana eo anivon’ny tanora Malagasy sy n y Norveziana.: SPBM, SPA,ary SPAtsim .

-Bible camp:

Ny solontena avy amin’ ny SPAV no mandeha mankany Amerika hamonjy ny Bible Camp. Miara – miombona alahelo amin’ ny FKTLM isika fa namoy mpiara- miasa izy ireo dia itompokolahy RANDRIANAMPIANTSOA Lantonirina. Izy no anisan’ ny niandraiktra ity Bible camp ity. Na dia izany aza ny zava-nisy dia mahafinaritra fa efa manana lamina Nasionaly matipaika ny FKTLM momba ny fandefasana solontena mankany ivelany.

FIFIL: Vita soa amantsara isankeritaonan’ ny Toby Betesda Ambohibao SPAnta ny famaranana ny Jobilin” ny Pastora ANDRIANARIJAONA Germain mivady, Tonia Nasionaly FIFIL. Isaorana ny komity manonama ny fankalazana ny jobily sy ny hetsika rehetra izay natao. Ankasitrahana ihany koa ny FIFIL/SP sy ny Toby izay nanana ny lamina nataony momba ny Jobilin’ ny Tonia Nasionaly FIFIL mivady.

FDL: Ny KNFDL dia ho tanterahinaa amin’ny 02- 4 jolay 2019 any Mahajanga SPBM.

FBL: Hanao ny Zaikabe faha -16 ny FBL izay hatao any SPMA. Efa miomana ny FBL momba izany ary ny logo sy ny hira Faneva Zaikabe efa vita.

 

Momba ny ILOFAV: Mandroso tsara ihany asa amin’ ny ankapobeny na dia misendra fahasarotana aza ny ILOFAV. Nametra-pialana ny talen’ ny ILOFAV Rtoa RAZANAMARO Miryam Pauline. Taorian’ny fifampidinihana tamin’ ny mpiasa voatery nalefa “chomage technique” izy ireo fa averina ihany rehefa voavaha ny olana. Io lamina io dia niarahan ‘ny Foibe FBL sy n y Filoha FLM izay solontenan’ ny Foibe FLM satria araka ny fanampahan-kevitry ny KMSL faha 140 ny Foibe FLM midina mijery ny olana eny ifotony. Natsangana ihany ko any komitin’ ny fanarenana hiantsoroka ny asa. Ny Tonia Nasionalin’ ny FBL no nanaovan’ ny tale ILOFAV ny fifamindran’asa. Araka izany dia izy no miandraikitra ny asa mandra- panedrin’ ny KNFBL izay ho solon’ ny Tale. Isaorana Jesosy fa nahazo famatsiam-bola avy LWF ny FBL ho fampiofanana ny tanora lahy sy vavy isaky ny synoda toy fianarana Soratra Masina, mandoko trano ary nahandro isankarazany. Izany no natao dia ho fitsinjovana ny ILOFAV no fanokafana ny sain’ ny tanora ho amin’ ny asa fameloman-tena. Anisan’ ny olana eny amin’ ny ILOFAV koa ny fahasahiranana amin’ ny jiro sy rano. Koa ho fampihenana ny fandaniana momba izany dia amin’ io famatsiam-bola avy LWF io no hametrahana sinibe fitehirizan-drano avy amin’ ny ranon ‘orana sy “Panneaux solaire” eny amin’ ny Foibe FBL.

Tamar Campaign: Ny volana Novambra 2018 no lasa tany Etiopia ny solontenantsika 3 niofana momba ny Tamar Campaign rehefa nahazo fankatoavana tamin’ ny Foibe FLM. Ny volana Janoary no nampahafantarana antsika ny momba izany tamin’ ny fivoriambe izay natao tao Antsirabe 26 Janoary 2019. Efa nahavita fampiofanana efatra ny mpampiofana dia ireto: SPAnta, SPMEL, SPAL, SPAM, STPL Atsimoniavoko ary ny KTLM. Isaorana Ny NMS nampindrana vola nentina nanomboka ny fampiofanana tamin’ ny mbola tsy fahatongavan’ ny vola famatsiana momba ny fampiofanana. Isaorana ny Tompo fa efa tonga ny vola tsy ho ela dia hanomboka indray ny fampiofanana araka ny fandaminana niarahana tamin’ ny Birao Foibe FLM. Mandritry fampiofanana dia kendrena mba hisy lehilahy vehivavy, ary ny tanora ireo olona manatrika ny fampiofanana.

 

Momba ny Vehivavy Teolojiana: Mihamitombo ihany ny isan ‘ny vehivavy teolojiana efa mihoatra ny 300 ny Vehivavy teolojiana ato amin’ny FLM ary hita fa nandany vola be ny fiangonana tamin’ ny fanofanana azy ireny. Raha jerena dia samy lany vola sy fotoana ny fiangonana, mpianatra ary mpampianatra tamin’ ny fampianarana azy ireny.

 

28

 

Ny 2016 dia tsy naroso tany KSL ny fandihinana ny ordinasionan’ ny vehivavy sao re mba efa fotoanany izao ny hieretretana ny fandefasana ny momba izany amin’ ny KSL 2020. Rehefa mandeha na misolo tena ny FLM any fivoriam-piangonana samihafa ny vehivavy Teolojiana dia sahirana ihany amin’ ny ankanjo famantarana ivelany. Ny pastora dia mazava fa manao ny “chemise sy ny collar” ny masera any katolika manana ny akanjony. Mangataka indrindra ny KMSL raha mba misy ankanjo ofisialy ho entin ‘ny vehivavy Teolojiana eo fivoriam-piangonana eo amin’ ny FLM, na any amin’ ny Fiangonana rahavavy sy any ivelany. Mangaihay ihany mantsy izahay zanakareo indraindray fa averin’ ny diakona satria tsy fantany sarotra ny hilaza tena foana hoe “Teolojiana aho”.

 

VLM: Araka ny fandaminana nataon’ ny KMSL dia hanatanteraka Zaikabe-9 VLM Vokovokomanga Loterana Malagasy. Ny 15—20 Oktobra 2019 sady fankalazana Jobily faha-50 taona ny VLM izany dia hatao ao amin’ ny FLM Mahazoarivo Antsirabe- SPAM.

 

FD/FLM: KN FD FLM faha III dia notanterahina tao amin’ ny FLM Tsaramandroso Mahajanga SPBM ny 20- 24 Mars 2019. Ny Zaikabe FD/FLM voalohany hatao ao amin’ ny FLM Antsirabe Antampontanana ny 25-29 Septambra 2019– SPAM .

 

FSFLM: Nanantateraka ny fivoriany ny birao FSFLM,ho fanomanana ny Zaikabe faha -10 izay hatao ny 29 Oktobra- 03 Nov. 2019 , any Ihosy – SPH Tamin’ ny fivoriana tany Moshi Tanzania niarahana tamin’ ny mpitarika ny fiangonana aty afrika ny 13-17 May 2019 dia tsikaritra fa tsy hita amin’ ny tatitra nataon’ ny sekteran’ ny Afrika ny asa fambolen-kazo namatsiana vola ny FSFLM. Aoka isika izay nahazo famatsiam- bola mba hanao voalohan-draharaha ny tatitra ny vokatry ny asa sy ny tatitra ara-bola amin’ ny isan’ny ambaratongan-drafitra misy antsika.

 

III.FIVORIANA NATREHINA SY NOTARIHINA

Consultation: Natao tao Isoraka ny fivorian ‘ny mpiara -miombon’antoka amin’ ny FLM ny 27-28 Febroary 2019. Ireto avy ireo nanana solontena nanatrika ny fivoriana: ELCA, NMS, DANMISSION, GHM, CBM, DEFAP, Fiangonana Sinoa. Ireto ny loha hevitra niompanan’ ny dinika:

  • Fiarahabana sy fizarana vaoavao avy amin’ ny mpiara miombon’antoka
  • FLM sy n y mpiara- miombon’antoka eo fanajana rafitry ny FLM
  • Fifanekem-piaraha – miasa eo amin’ ny FLM sy ny mpiara- miombon ‘antoka

-Tetibola ho amin’ ny fanaraha- miasa ny tetikasa

  • Fanohanana ny tetikasa momba ny tafo trano fiangonana
  • Fijerena izay ho fandrindrana sy fanatsarana ny fitantanana ara-bolan’ ny FLM (andraikitry ny DAFPP sy ny Mpandini-bola anatiny, Mpanidini-boaln’ ny KMSL).

Consulation ny Mpitarika aty Afrika niarahana amin’ ny FFLET : Tany Moshi Tanzania no nanatanterahana izan fivoriana izany ny 14-17 May 2019 nanana solontena 7 isika FLM notarihin’ ny Filohan’ ny FLM :

  • Past Dr RAKOTONIRINA David, Filoham-piangonana
  • Past Dr RAKOTO Endor, filoha lefitra LUCCEA teo aloha namonjy fivorian’ ny LUCCEA
  • Rtoa MANANATO Toromare, fikambanan’ny vehivavy Afrikana Teolojiana
  • Past Dr MAHAFALY Barson Mpampianatra ao amin’ ny SALT
  • Past RADO Rafalimanana, mpianatra ao amin’ ny SALT solontena ny tanora
  • Rtoa RABAONIRINA Esther, Mpiandraikitra ny asan’ ny vehivavy
  • Rtoa RANDRIAMANISA Domoina, loholona

 

Nisy fivoriana ho an ‘ny vehivavy sy ny tanora nialoha ny fivoriam-be ny 13 May 2019.

Ny zava-dehibe nisongadina tamin’ io fivoriana io dia fiheverana ny asa misiona mba hahakasika ny maha olona manontolo “Rethinking Holistic mission in Africa today”. Nisy fianarana Soratra Masina sy ny atrikasa samihafa. Manana hafatra lehibe ho antsika io fivoriam-be io fa vao hadika amin’ ny teny Malagasy. Nanao fivoriam-be tsy ara-potoana nataon’ ny LUCCEA izay maha mpikambana antsika.

 

29

 

Nadinihan-draharaha sy nanaovana fifidianana. Ireto no voafidy : Filoha : presiding Bishop Frederick Onaeli Shoo, Filohan’ ny Fiangonana ELCT, Filoha Lefitra: Past Yonas Yigezu DIBISA, Filohan’ ny Fiangonana Mekane Yesus Etiopia, Mpitahirivola: Rtoa ALPHOSINE Vehivavy avy any Rwanda, Pastora MOLWOLO sekeretera Jeneraly mbola ny teo aloha ihany avy ao Kenya. Pastora SOLANGE, mpandrindra ny asan ‘ny vehivavy avy Repoblika Demokratikan’ ny Congo, ny an’ ny tanora kosa dia avy aty amintsika ka ny filohan’ ny FLM no manolotra ny anarana.

 

PROJET LIOKA: Mbola mitohy ihany ny fandikan-tenim-paritra ataon’ ny Projet Lioka. Ny 06 Novambra 2018 dia nisy fivoriana niarahana tamin’ ny tompon’andraikitry ny project lioka Rtoa LEONIE,mpampianatry ny SALT (TT sy TV natrehin’ ny Tonia lefitry ny FLM tao Antaninarenina Antaninarivo. Mizotra tsara ny asan’ izy ireo ary ny olontsika FLM no betsaka manampy amin’ ny fandikan- teny.

Misy Baiboly voadika amin’ ny teny Antadroy nataon’ Atoa Steve Lellelid miparitaka any atsimo . Vitsivitsy ihany no vao voavaky fa tsy mbola voajery daholo . Misy fanamarihana anefa ny fandikanteny sasany any Efesiana sy Kolosiana indrindra Kol 3:8 dia tena misy teny tsy hay vakina ao am-piangonana. Tsara ny boky ho an ‘ ny mpikaroka, ny famakiana azy ao am-piangonana no mbola tsy tandrify .

 

FFPM: Mitohy ny fiombonana amin’ ny fotoam-pivavahana iraisana isam-bolana eo amin’ ny Foibe FFPM. Ny programa doctoral no toa manembatsembana kely ny fiombonantsika, enga anie ka ho voavaha io resaka io.  Ny fivoriam-ben n’ ny FFPM dia fa ho tanterahina any Toliara ny 12-18 Novambra 2019.

 

KM SAMIHAFA:

-TPFLM:

Notanterahina ny 20 Martsa 2019 ny KM /TPFLM izay notarihin’ny Filohan’ny FLM  natrehin’ ny Tonia Lefitra koa.

 

-FOFAMA FOFAMA, ary FAFITO:

Samy natao tany tany Antsirabe ny 27-28 Martsa 2019 ny komintim-pitantan ‘ izy telo ireo. Hita fa miezaka ny FOFAMA amin’ ny fitantanana sy fampandrosoana ny asa fa ny ezaka lehibe kosa hoan’ ny sampan- draharahan’ ny FLM rehetra ao anatin izany ny FOFAMA dia ny fiheverana ny fizakan-tena dieny mbola misy manampy isika. Efa manao ny sasany fa mbola hita fa bitika raha mitaha amin’ ny Tetibola iasana.Ny Zavatra nisongadina indrindra raha ny FOFAJA no resahana dia ny fiveranan’ ireo Mpiara – miombon’ antoka (NMS, CBM) amin’ ny famatsiana ny sekoly. Nisy zavatra nifanarahana tsara mba hampizotra tsara ny fiaraha- miasa. Ny FAFITO dia hita fa misedra fahasahiranana ara-bola ry zareo, ny tale dia tsy mahazo ny karamany ara-potoana. Nifampiraharahana tamin’ ny DANMISSION ny famahana ny olana ka inoana fa ho voavaha. Tamin’ ity fivoriana ity ihany koa no nanambaran ‘ny DANMISSION fa tsy hanana solontena mipetraka eto Madagasikara ry zareo fa hody Rtoa AGYEDHO solontena izay niasa eto amintsika arak a ny fandaminana avy amin’ ny Foiben’ ny DANMISSION.

 

SHALOM: Ny 22 Martsa 2019 dia notanterahina tany Mahajanga fivorian ‘ny Komitim-pitantanana sady nankalazana an’Andriamanitra tamin’ ny alalan’ny Jobilin’ny Pastora RANDRIANARIJAONA DANIEL Stephan ny 23 Martsa 2019. Noho ny fandaminana amin’ ny asa dia tsy afaka namonjy io fotoana io fa ny Filohan’ ny FLM no nandeha tany, Tonia FLM lasa tany ivelany.

 

AMLT: Isaorana ny Tompo fa notanterahina tany FLM Morarano Toamasina ny

5 Aprily 2019 ny KM AMLT rehefa tsy nivory nandritry fotoana lava noho ny tsy fisian’ ny vola fa samy nianto -tena. Noraisina ny tatitra nataon’ ny Tale ka hita ireto no zava-nisy :

-Nijanona tamin’ ny fiaraha -miasa tamin’ ny AMLT ny ONG internationale ny Sailors Society izay anisan ‘ny mpamantsy volan ‘izy ireo. Tsy dia nipetraka tsara ny maha mpiara miombon ‘antoka ny FLM sy ny AMLT ka na io fijanonann’ izy ireo dia tany Tale ihany no nampandrenesany amin’ ny telefonina fa tsy taty amin’ ny Foibe FLM. Araka izany dia tsy mankeny seranan-tsambo Toamasina intsony Rtoa Tale AMLT ary tapaka ny karama manomboka ny vola May. Araka ny tatitra azonay tamin’ ny tale dia ny fiara izay nampiasainy dia misoratra amin’ ny FLM. Araka ny lalanan ‘ ny ONG anefa hono dia miverina aminy daholo ny fitaovana nomeny nampiasaina rehefa tsy miara – miasa aminy intsony. Araka ny mailaka izay nalefan ‘ny tale dia toy izao ny fandaminana : eo anatrehan’ ny Birao Foibe FLM izy no mamerina ny fitaovana rehetra amin’ ny Pasteur Alain, solontenan’ ny sailors society aty Madagasikara. Rtoa tale no tena manana fanazavana ampy momba izany.

 

30

 

Ho fitsinjovana ny fitohizan ‘ny asa dia namolavola tetikasa hiarahana NMS sy LWF ny komitim- pitantanana izay nivory. Harafitra koa lasitra fifanekem-piara- miasa amin’ ireo izay hiarahana miasa amin’ ny hoavy . Ny vina amin’ ny ho avy dia fikendrena ny fisokafan’ ny asa amin’ ny toerana izay manamorona ny rano fa tsy ho toerana iray ihany satria Nosy ny tanintsika.

 

SALFA: Nivory tany ILO park Ambohimalaza ny komity teknika, tonga nanatrika izany koa ny Tonia lefitra. Isaorana fa io fotoana io no nahafahana nifanakalo hevitra ny amin’ ny adidy omena ny hopitaly na eo anivon’ ny synoda na ny Nasionaly. Ny soso-kevitra dia mba hisy fifampiresahana eo anivon’ ny filohan’ ny synoda sy ny tompon’andraikitra momba ny fitsinjarana ny adidy mba hijerevana ny tanjaky hopitalintsika ary tokony andefasana taratasy ny voakasika rehefa manapaka ny adidy ny KMSL.

 

Komitin’ ny Fandrindrana (COCO):

-AMI: Notanterahina tamin’ ny 9 Aprily 2019 tao Isoraka ny fivoriana izay nandraisana ny tatitra sy ny tetibola hiasana ary ny vaovao tsara ho fantatra samihafa. Isaorana antsika manohana ny asa, ampirisihina koa ireo izay tsy mbola mandefa rakitra fanohanana lehibe tokoa ny asantsika any ivelany .

 

– SMT: 9 Aprily 2019 no nivory tao Isoraka ny komity . Tsy mbola vita tsar any tetibola ka tsy mbola nakatoavina fa any KMSL indray no mijery azy .Ankoatry ny fivoriana dia nisy koa fivoriana indroa koa niarahana tamin’ ny ELCA ho fandavorariana ny fiaraha- miasa iarahana amin’ izy ireo.

 

Miara- Mianatra: Ny 10 May 2019 no nivory ny komitin’ ny fandrindrana ny miara -mianatra nandinihana ny asa sy nanolorana koa ny tatitra. Isaorana fa misy fifanampiana eo amin’ny FOFAMA, FOFAJA, MEN, SFM amin’ ny fandavoraina ny asa satria tena zava mahasoa ny fisian’ ny “synergy”.

 

IV- FAMANGIANA:

Ny fotoana andehanana no anararaotana koa mamangy sy mijery ny fiainan’ny fiangonana. Saika namonjy isan- kerintaona teny Toby Nenilava ny 9-15 Janoary 2019 voatazon’ ny lalana mandrevo vokatry ny oram- be teny andalana ka tsy tratra ny fotoana. Na izany aza dia nanararaotra ireo asa azo natao aany atsimo. 9 km tsy hiditra an ‘ny Beloha dia voatery niangona tao fa tsy misy handehanana ny rano amin’ ny arabe Ny zavatra hita dia izao : tsy ampy fitaovana hampianarana izy na ny baiboly sy ny fihirana ny an ‘ny mpiatarika ihany no ifandimbiasana @ vakiteny ,eny fa na ny alimanaka dia tsy mbola nahazo . mahafinaritra anefa fa manao ezaka ry zareo na mpiangona vitsy aza vola 150. 000ar no amin’ ny kesy hanaovana fanorenana fiangonana. Ny dia nahalalana ny fiainan’ ny fiangonana, ao ny Fiangonana izay mirentirenty ambolena avy ny fampihaingona ivelany nefa dia misy fiangonana izay itoriana ny Teny sy izarana sakramenta tahaka ny valanondry. Tamin’ ny volana Janoary nandalovana tany dia nirongatra mafy ny kitrotro maro ny ankizy maty, olon-dehibe ihany koa . Isaorana ny Foibe FLM sy ny tale jeneraly SALFA sy ny mpiara- miasa aminy namaly antso vonjy izay natao tany an-toerana. Kominina 3 no nomen ‘ny fanjakana niasantsika FLM (Antanimora, , Maroalopoty ,Anjeke Ankimlenkira). Nandeha tamin’ ireo toeran voalaza ireo solontena SALFA Dr Heunric,Tonia lefitra ary ny Filoha SPAA. Tonga dia nitsabo olona eo 80 mahery ny Dr tamin ny famangiana. Ny Fonja, SB tao Ambovombe Androy koa dia nahazo fitsaboana maiamaipoana tamin’ ny kitrotro.

 

Nampalahelo fa nisy matin’ ny kitrotro ny zanaky ny mpianatra SB Mahavelo. Mahafinaritra ny asan ‘ny Tonia TMM/ SPAA fa na be ny asany dia miandraikitra ny fitaizam-panahy ao amin’ ny fonja (22 vita batisa, 15 konfirmasiona,14 katokomena ary 1 absolisiona ) sy ny amin’ ny Hopitalim-panjakna izy. Mamonjy fanahin’ olona maro ny asa ataontsika fiangonana amin’ ireny toerana ireny Aoka ny SP tsirairay mba hanana mpiandraikitra fitaizam-panahy eo fonja , Hopitaly , miaramila ary oniverisite . Mila mijery akaiky izany isika fiangonana fa mirongatra ny finoana silamo sy ny vavolombelon’ ny Jehovah izay mamangy. Mahavelom-bolo fa nahavita trano birao foibe ny SPAA tsangambaton’ ny faha 20 taonany. Nohararaotina no jerena novangina koa ny asa fampandrosoana ( fiompiana sy fambolena ) izay iarahan’ ny SPAA sy ny DANMISSION ka hita fa mizotra tsara ny asa amin’ ny ankapobeny Tamin’ ny famonjena KM/AMLT dia nijery ny asa tao amin’ ny SPTM koa, mahafinaritra fa nahavita trano Foibe ny SPTM ary tranom-pitandremana ho an’ ny FLM Morarano. Noho n’ ny fandaminana dia ny ny Tonia Lefitry ny FLM KSPAnta ( 24-28 Aprily 2019) fa ampaham-potoana ihany no natrehin’ ny Tonia FLM satria nanatrika koa KSPAtsim sy ny Jobilin’ ny filoha SPAtsim izy. Vita soa aman-tsara tamin’ io KSPAnta io koa ny famaranana Jobilin’ ny Past RAZAFINDRAKOTO A. Georges mivady, filoha SPAnta.27-28 Avrily 2019. Isaorana ny mpiara -miasa rehetra tonga nifanotrona teny FLM 67Ha.

 

31

 

32

V- FAMPIOFANANA SY ATRIKASA NATAO:

– Fampiofanana momba ny Tamar campaign:

Ny 8 Martsa 2019 teny FLM 67 Ha,, KTLM SPAnta 9 Martsa 2019 tao amin’ ny Foibe FBL Ambohibao,14 Martsa 2019 STPL Atsimoniavoko, ary15 Martsa 2019 tao amin’ ny Foibe SPAM.

Tamin’ny fampiofanana dia nisy fitarainana mafy nataon’ ny mpianatra hivoaka nivoaka tamn’ ny asam- baomiera ny ami n’ny fitarazon’ ny ordinasiona amin’ ny mpianatra mivoaka. Maniry indrindra izy ireo ny mba handinihan ‘ny KMSL indray io resaka io.

 

-Fiofanana : momba ny “ gender and Justice policy” niarahana amin’ ny vehivavy sy ny tanora aty Afrika tany Moshi,Tanzania

 

VAOVAO HAFA:

  • May ny tranom-pitandremana Ambatovinaky ny 6 May haitrano vokatry tsy fetezana teo amin‘ ny herinaratra saika simba tao avokoa ny fanananan’ Pastora IMBOASALAMA mianakavy. Nahafinaritra ny fifarimbonana niarahan’ ny mpianakavin’ ny finoana ny alarobia 8 May2019 Nisy fotoam-pivavahana sy fifampaherezana tao FLM Ambatovinaky dia tonga nanatrika izany ny solontena ny Fobe FLM niaraka tamin’ ny sampana sy ny fandrindrana nanome fanampiana araka izay azo atao.
  • Miha antitra ny trano izay ipetrahan’ ny Tonia lefitra amin ‘izao. tokony misy fijerena ny “fil “sy nny hazo fa efa lo sy boboka mba hirosohana ny loza tampoka .

 

Natao teto Antananarivo, Anio 21 May 2019.

Jesosy irery ihany !

Ny Tonia Lefitry ny Fiangonana Loterana Malagasy

 

share