Daily Archives: 7 août 2019


07
Août 2019
Toriteny: Mat. 28:19a « Koa mandehana ianareo, dia ataovy mpianatra ny firenena rehetra. »

Ankaramalaza 2019; Zoma 02 Aogositra; 08:00 maraina (Fotoan-dehibe Fanokanana) Toriteny: Mat. 28:19a (Past. Dr Rakotonirina David, Filohan’ny FLM) Ny mampiavaka ity Faneva ity dia izy amerenana amintsika ilay Iraka Lehibe avy amin’ny Tompontsika ho antsika rehetra. Ny filazantsaran’ny Matio izay lazain’ny mpampianatra sasany koa ho Filazantsaran’ny Fanjakan’ny Lanitra dia mibanjina tanteraka ny famoriana ny olona rehetra ho tonga ao amin’izany Fanjakan’ny Lanitra izany. Vao miandoha kely ny Filazantsara ao amin’ny toko faha 4 aorian’ny nakana fanahy an’i Jesosy dia efa niseho miharihary izany tamin’ny fiantsoana ny Mpianatra hamory olona ho amin’ny Fanjakan’Andriamanitra. Ary eo amin’ny fisasahany latsaka,......

Tohiny