Apokalypsy 14 : 1-12

Apokalypsy 14 : 1-12
Efa nampianarin’izay nanao fitarihanteny ny boky Apokalypsy, dia ao anatin’ny boky apokalyptika izay milaza zavatra miarina, sarotra takarina, ny amin’ny zavatra niseho tamin’ny fotoana lasa sy amin’izao ankehitriny izao ary amin’ny hoavy. Ary raha mijery ny boky manontolo isika, dia mahita fa misy zavatra efa iainatsika ankehitriny, sy mbola handrasana amin’ny hoavy ny zavatra ambaran’i Jaona Apostoly. I Jaona Apostoly no nanoratra ity bokin’ny Apokalypsy ity. Raha ny asa sorany any amin’ny filazantsara sy ny epistily dia milaza ny fitiavan’Andriamanitra sy ny fitiavany ny olona izy. Fa raha eto amin’ny Apokalypsy kosa, dia ny fahitana izay hitan’i Jaona Apostoly tany amin’ny nosy Patmo izay nanaovana sesitany azy, dia mahita ny hery sy ny fahefan’Andriamanitra no manjaka mandrakizay ary mandresy ny herin’ny devoly sy ny bibidia, izay manana ny heriny kanefa ambony lavitra noho izany ny herin’Andriamanitra.
Ny fahitana hitan’i Jaona eto dia ny Zanakondry mijoro eo an-tendrombohitr’i Ziona. Raha mijery ny Testamenta Taloha isika dia mahita fa io Ziona io no fisehoan’Andriamanitra amin’ny fanambaran-tenany, na amin’ny mahAndriamanitra mpamonjy sy manatrika ny fiainan’ny olony Azy . ary Andriamanitra miahy sy mijery ny fiainan’izay manara-dia Azy. Eto ny Zanakolona dia mitsangana eo amin’ny tendrombohitra Ziona, ary misy mpanara-dia azy, eo amin’ny 144000. Izany isa izany dia toa kely ny fahitantsika azy, kanefa manamarika ny fisian’ny olona manaraka ny dian’ny zanakondry, sy ny hasarotr’izany fanarahana Azy izany, satria ny manara-dia ny Zanakondry dia tsy vita moramora. Ary nolazainy eto fa ireto olom-boafidy ireto, nalaina tamin’ny tany ireto dia nanaraka ny Zanakondry na taiza na taiza no alehany. Ny Zanakolona anefa hoy ny filazantsaran’i Jaona dia izao : « Ny amboahaolo manan-davaka, ny voromanidina manana hialofany, fa ny Zanakolona kosa tsy manana izay ialofan’ny lohany. » Ny olona manaraka an’i Jeossy dia tsy maintsy mandà ny tenany ka mitondra ny hazo fijaliany. Ireo nanaraka an’i Jesosy ireo dia nanaraka Azy tamin’ny fahoriana, ny fihafiana, kanefa manoatra noho ny mpandresy izy satria Kristy kapiteny no mitarika ny fiainany.
Amin’izao fotoana izao dia be no mialokaloka sy miafina manaraka ny Zanakondry, milaza fa kristiana, mpiandry, pastora, mpandray ny fanasan’ny Tompo, zanaky ny Fifohazana. Eny, taranaka kristiana, kanefa inona no ataony? Hafa ny fiainany. Ny fiainany dia miafina ao anatin’ny akanjo fotsy, dia tahaka ny amboadia mitoha, mifono hodi-janakondry. Ary raha ny fanoharana any atsimo dia lazainy hoe: “Tsipiritsy homba foly, tsy namagny fa hamaro.” Izany hoe: miara –dia amin’ny fody ny Tsipiritsy, dia tsy fantatra izy hoe tena fody raha jerena ihany, fa izy tena karazany hafa. Be dia be ny kristiana tsipiritsy amin’izao fotoana izao. Sady tia ho deraina fa kristiana, nefa tsy miala amin’ny fanompoa-tsampy. Ireny dia lazain’ny epistily II tim 3:5 hoe: “Toa manana toe-panahy araka an’Andriamanitra, fa mandà ny heriny.” Dia sady mamitaka ny tenany izy no mamitaka ny hafa. Ny feony feon’i Jakoba, fa ny volovolony volovolon’i Esao. Tsy fantatra intsony izy na ilay tena izy, na sandoka, na pirate na ilay original, fa hita ao amin’ny fiainany izy toa kristiana, sadasada manan-tsoratra. Ireto olona nanara-dia an’i Jeossy ireto anefa dia izao: tsy misy fitaka sy lainga teo am-bavany. Firifiry moa ny kristiana tsy menatra mandainga amin’izao? Manao ny tenany hoe hanao diplomasia kely, lainga masina; na ny lainga mbola amboarina ho misy masina. Aoka ny teninareo ho eny eny, tsia tsia hoy ny volazan’ny Soratra Masina, izay mihoatra an’izay avy amin’ilay ratsy.
Tsy mahagaga raha izao ny zava-miseho amin’ny firenetsika, tonga ny valan’aretina miseho eo amin’izao tontolo izao, satria inona? Satria tsy misy kritsiana mijoro amin’ny fahamarinana, fa sadasada ny ankamaroany. Ireto olona 144000 ireo anefa dia navotana hiala amin’ny tany, lazainy fa tsy voaloto izy, ary ohariny hoe virjina. Milaza fahadiovana izany. Nodiovin’ny Zanakondry tamin’ny ràny masina sy sarobidy izy, ka na dia mpanota aza izy dia nohamasinina sy nohamarinina satria nanasa ny akanjony tamin’ny ràn’ny Zanakondry. Tsy manan-tsiny, tsy mpanao lainga. Taranaka mpanao ratsy isika, zanaka mpanao meloka, fa nahoana no lazaina fa tsy manan-tsiny izy? Niantoraka teo amin’ny hazo fijalian’i Jesosy izy, ary ny fahotany rehetra dia nomeny an’i Jesosy, ka ny fahamarinan’i Jesosy rehetra dia nomeny azy. Dia voasarona izy, ary io no mahatonga an’i Davida hilaza hoe: “Sambatra ny olona izay voavela ny helony sy voasarona ny fahotany.” Ireo no afaka manaraka ny Zanakondry.
Ny zavatra voalazan’ny teksta dia hoe nisy kotrokorana, kanefa nisy feon’ny lokanga izay mihira fihiram-baovao, nihira sy nidera fankalazana ny Zanakondry no nataony. Ary io hira hira io, tsy misy olona mahay azy. Ny mahagaga ao am-piangonana amin’izao ry havana, na dia ianarana ny hira dia zara raha mivoha ny vavan’ny Kristiana hianatra ny hira. Fa raha vao misy hira any amin’izao tontolo izao, mandala ao amin’ny television, na dia indray fotsiny, hatramin’ny refrain hainy. Mandiniha ry havana, fa ny hira izay hiraina ho an’ny zanakondry dia Hira fiderana ho an’izay navotana hiala amin’ny tany, ary hira fankalazana an’Ilay Zanakondry eo amin’ny seza fiandrianany. Misy sehon’anjely samihafa anefa eto amin’ny teksta. Milaza ny fitoriana ny filazantsara ny anjely voalohany sy mampiankohoka ny olona rehetra amin’ilay Andriamanitra. Izao no iankohofanao? Miankohoka amin’ilay bibidia ve ianao, na ilay devoly, na ny fahefan’ny maizina eto amin’izao tontolo izao? Dia sady mandohalika any amin’ny alitara ianao, mandray ny tena aman-dràn’i kristy nefa mandohalika koa any amin’ny sampy moderina na faharazana, ka milaza hoe soa ny manan-droa? Soa sady mahavoa. Mahavoa anao tokoa io satria mahavery anao, ary maharava ny fiainanao ho tahaka ny faharavan’i Babylona.
Ry zanaky ny fifohazana, mialà amin’ny fanompoan-tsampy na amin’ny endriny inona. Mazava ny Tenin’ny Soratra Masina ny didy voalohany : “Aza manana Andriamani-kafa fa Izaho ihany.” Nahoana no atakalonao zavatra hafa i Kristy? Ary raha i Paoly no milaza azy, dia hoy izy: “Inona no iarahan’i Kristy sy Beliala?” Mivoaha, misaraha aminy. Ny tiana holazaina amin’izany, tsy zanaky ny maizina intsony ianao, fa efa ao amin’i kristy. Fa raha ianao, izay efa nohavaozina indray mandeha no mandohalika any amin’ny fanompoan-tsampy, na ho inona dikany, ary lazaina hoe mba miditra fikambanana miafina, na satanika, na inona izany, dia ny fahatezeran’Andriamanitra no ho eo amin’ny fiainanao; misotro ny divain’ny fahatezerana ianao. Ary ny antony mahatonga anao manao izany, dia ny fitiavanao harena, vola, voninahitra, fahafinaretana amin’izao fiainana izao. Fa ny Tenin’Andriamanitra kosa dia mampisaina anao hoe:”Fa inona no soa azon’ny olona raha mahazo izao fiainana izao, nefa very ny ainy?” Ny anjely milaza hoe: “ny filazantsara hotoriana amin’ny fokom-pirenena sy ny hafa fiteny.” Ary hita izany ankehitriny fa voatory ny Tenin’Andriamanitra, amin’ny alalan’ny haino aman-jery, sy ny sera marolafy mba hilazana hoe Andriamanitra no atahory, ary hahatonga ny olombelona rehetra hiankohoka, ary ny lela rehetra hanaiky an’ilay zanakondry ho Tompo sy Mpamonjy azy, ary ny lohalika rehetra handohalika hanome voninahitra Azy. ny anjely manaraka dia milaza ny faharavan’i Babylona, izay symbole ilazana ny firenena mampiala ny olona amin’Andriamanitra. Koa na fahefana inona na fahefan’ny fanjakana inona mampiala amin’Andriamanitra dia ho rava izany, satria miady amin’Andriamanitra. Ary raha jerena ny Apokalypsy dia miverimberina matetika ny hoe: “Aoka ho mahatoky hatramin’ny fahafatesana ianao”. Ary lazainy hoe “Izay maharesy dia avelako.” Izany hoe: miady ny fahefan’ny maizina sy ny fahefan’ny mazava, kanefa ny handresy amin’ny farany dia ny fahefan’ny mazava. Iza no fidinao amin’ny fiainanao? Hiankohoka amin’ilay bibidia, na i Satana sy izao tontolo izao? Ianao ange dia efa novidian’i Jesosy tamin’ny rany e! Ny Zanak’Andriamanitra dia nalain’ny devoly fanahy ihany koa, nasainy handohalika eo aminy, nefa nandresy Jesosy. Handohalika amin’iza ianao? Handohalika amin’ny devoly ve ianao? Ny lazain’ny teksta dia izao: “Manana ny anarany eo amin’ny handriny araka ny rainy avy” Iza no rainao? Belzeboba ve no rainao? Fa Andriamanitra kosa dia Ra’n’ny olombelona rehetra. Ary teo amin’ny batisa ianao dia nilazany hoe: “Harovan’Andriamanitra anie ianao hatramin’izao ka ho mandrakizay; ataoko aminao ny mariky ny hazo fijaliana masina eo amin’ny handrinao sy eo amin’ny tratranao ho famantarana fa mino an’i Jesosy kristy izay voahombo tamin’ny hazo fijaliana ianao. Nahoana no mandohalika any amin’ny sampy matin’izao tontolo izao? Jesosy no Tompo sy Mpanjaka. Ary lazainy fa raha ianao no sady mandohalika any amin’ny Fiangonana no sady mitsongolika any amin’ny fanompoan-tsampy dia ho rava tahaka an’i babylona ny fiainanao ary hisotro ny divain’ny fahatezerana. Ary lazain’ny Anjely fa tsy handefitra amin’ny olona izay manao tsinontsinona an’Andriamanitra Izy, fa hatsipiny any amin’ny farihy mirehitra afo izay mandohalika amin’ny fahefan’ny maizina eto amin’izao tontolo izao, manakalo an’Andriamanitra amin’ny zavatra mety simba.
Ry havana, 1200°C ny hafanan’ny solifara, tsy vitan’izany fa mbola misy setroka izay mahasempotra. Io ve no tianao? Io ve no iainanao? Milaza aminao ny Tenin’andriamanitra: miverena ry zanaky ny fifohazana, raha manana anarana ho velona ianao kanefa maty ihany. Tsy azonao fitahina Andriamanitra. Ka hilazanao hoe miara-dia amin’ny Zanakondry ianao kanjo ianao tsy tena izy fa misandoka. Dia Holazainy anie ianao hoe: “Tsy fantatro ianao na avy taiza na avy taiza.” Na dia hilaza ianao hoe, tsy efa naminany tamin’ny anaranao ve izahay? Tsy efa namoaka demonia tamin’ny anaranao ve izahay? Dia hoy izy: “Tsy fantatro ianao na avy taiza na avy taiza. Ny olona manakalo an’i Jeossy amin’ny zavatra hafa izany, izay mialokaloka Aminy.
Ry kristiana malala, firy moa ny kristiana eto Madagasikara? Ahoana ny fomba fiteniny? Miala eo amin’ny vavany ve ny lainga sy ny fitaka? Sa afangarongaro ao ihany? Rehefa alahady dia masina indrindra, fa rehefa alatsinainy dia zavatra hafa, mampiasa mizana mandainga, kolikoly, mametraha kely any amin’ny birao sy ny toerana samihafa. Ahitsin’ny Tenin’Andriamanitra ianao, fa izany rehetra izany dia mariky ny fiankohofanao amin’ny bibidia izay misarika anao hiala amin’ny fanarahana an’Andriamanitra.
Josoa dia nilaza hoe: “Fidionareo anio izay hotompoinareo, na ny Andriamanitry ny razanareo tany an-dafin’ny ony; fa izaho sy ny ankohonako dia hanompo an’i Jehovah izahay.” Ry zanaky ny fifohazana, miverena, manenena, mialà amin’ny fanompoan-tsampy. Aoka izay manonona ny Anaran’ny Tompo hiala amin’ny ratsy fanaony. Ary hoy ny Tenin’Andriamanitra: “Izay maharesy no avelako hitafy lamba fotsy.” Iza ireo mitafy lamba fotsy? Ny Apokalypsy 7: 13 no manazava azy: “Ireo no avy tamin’ny fahoriana lehibe, niady, nenjehina, novonoina, natao an-tranomaizina noho ny finoana an’i Jesosy kristy. Kanefa tsy miala izy, fa fantany izay inoany.
Hamaranako azy, ny fiara raha manao marche arrière, dia mandeha rivotra ka mandeha mafy, fa raha izy no manao marche avant, dia mandeha amin’ny tourn’ny motera. Manaraka ny tourn’ny moteran’ny Fanahy Masina, dia hanara-dia ny Zanakondry. Fa raha ianao no mihemotra dia miridiridy mankany amin’ny fiainan-tsi-hita, any amin’ny afo mirehitry ny solifara. Enga anie ny zanaky ny fifohazana hiala amin’ny ratsy fanaony, amin’ny fahotana izay nahazatra azy, ka hijoro ho fanasina. Dia ho tanteraka aminy ny lazain’ny faneva hoe:”Izay maharesy dia avelako hitafy lamba fotsy, ary hanoratra ny anarany ao amin’ny bokin’ny fiainana aho ka tsy hamono izany.” Indro ny faharetan’ny olona masina amin’ny Tenin’Andriamanitra sy ny finoana an’i Jesosy kristy. Tano Jesosy fa tsy miova omaly sy anio, fa Izy ilay efa maty nefa velona.
Amen
Share