Apokalypsy 22 : 6 – 16

Misaotra an’Andriamanitra nohon’ny fahatrarantsika izao taona 2020 izao izay ankalazàna ity isan-taona faha-79 ny Tobilehibe Ankaramalaza izao, izay ampahererzan’ny Tompo antsika mandrakariva amin’ny alalan’ny Teniny izay zarain’ireo Mpanompony mifandimby isan-tsokajiny.
Ny bokin’ny Apokalypsy manokana dia isan’ireo boky mitantara ny vanim-potoana sarotra nolalovan’ny Fiangonana kristiana voalohany ary izany rahateo no antony nanoratana ity boky ity mba ho fampaherezana ireo Kristiana niatrika izany ady mahamay izany eo am-piandrasana ny hihavian’i Jesosy Kristy Tompo hitsara ny velona sy ny maty, dia ny hamaliany ny fahavalony sy hanomezany kosa ny valim-pitia ho an’izay mahatoky, tsy nivadika na niala amin’ilay Teny izay nomen’Andriamanitra azy.
Ny bokin’ny Apokalypsy dia toy ny satroboninahitry ny Baiboly, ka tena sarobidy ny fananan’ny Fiangonana azy, indrindra amin’ny toe-javatra mafana atrehin’ny firenena iainantsika ankehitriny, dia tsy hafa fa izao valan’aretina mamely ny tany rehetra manerana izao tontolo izao. Efa ren’ny Apostoly tamin’i Jesosy mivantana fa ny zavatra hitranga amin’ny andro farany, sy ireo tantara masina izay voalaza koa tao amin’ ny Testamenta Taloha dia hisy andro mahory ary nambaran’i Jesosy mivantana izany ka hoy Izy : « Aty amin’izao tontolo izao no ahitanareo fahoriana nefa matokia, Izaho efa naharesy izao tontolo izao. »
Fampahatsiahivana izany toetr’andro mivaivay tsy maintsy handalovan’ny Fiangonana izany izao lazain’ny Fanahy amin’ny Apostoly Jaona izao, mba hiorenan’ny finoana Kristiana mafy orina ao amin’i Jesosy Kristy, dia ny fahafatesany sy ny fitsanganany tamin’ny maty ka nandreseny ny herin’ny fahavalo, izay hita fa mandrebireby, mandrahona, eny mampivarahontsana ny ankamaroan’ny velona.
Maneho ady ifanandrianan’i Jesosy amin’i Satana ny bokin’ny Apokalypsy : adin’ny fanjakan’ny maizina sy ny Mazava. Ao anatin’izany boky izany no ahariharin’ny Apostoly, vokatry ny fanamabaran’ny Fanahy Masina taminy fa na inona na inona ataon’i Satana, na inona na inona « plan » matipaika apetrany, dia ny fandresen’i Kristy sy ny olom-boafidiny no ahariharin’ity bokin’ny Apokalypsy ity ary miverimberina isaky ny taratasy fito nosoratan’ny Apostoly izany hoe : « izay maharesy ». Tsy voalaza ao izay resy, fa izay maharesy no tanjona amin’ny ady atrehin ‘ny Fanjakan’ny Mazava sy ny fanjakan’ny maizina.
Ny fitondram-panjakana nisy tamin’ny vanin’andro nanoratan’i Jaona dia nataon’i Satana fitaovana hampahory ny olom-boafidy ka nitondran’izy ireo faisana toy ny fanenjehana, ny famelàna azy ireo ho viravirain ‘ny bibidia, ny fandefasana seisn-tany, ary niafara koa tamin’ny fanapahan-doha na ny fahafatesana. Ny fikendren’ireo amin’izany dia ny hampitolefika ny Mpino, ny hivadihany amin’i Kristy, ny tsy anarahiny intsony ny sitrapon’Andriamanitra marina.
Mihoatra lavitra noho izany rehetra izany, teo anatrehan’ireto Apostoly sy ireo Kristiana voalohany, fa lehibe mihoatra nohon’ny fahoriana, ny fanantenana tao anatin’izy ireo. Ka na inona na inona nitranga teo amin’ny fiainany, dia izay nolazain’ny Fanahy Masina ho an’ny Fiangonana no zava-dehibe tao anatin’ny finoan’izy ireo ka tsy nataon’izy ireo maso mena, tsy natahorana fandrahonana, satria fantany fa ao amin’i Jesosy Irery ihany no Tompo sy fanalahidin’ny fiainana, ka izay vohainy dia mivoha ary izay hidiany, mihidy. Izy no tompon’ny teny farany, ary izany no lazainy hoe : « Alfa sy Omega ». Izy no manomboka, ary Izy koa no mbola hamarana ny tantara fa tsy Satana na oviana na oviana, na dia manana ny fikendreny amin’ny olombelona rehetra eto amin’ity izao tontolo izao ity aza izy.
Lazain’ny maro ho fanakatonana ny Fiangonana hono izao trangan-javatra misy eto amin’ny firenena izao : tsia ! Tsy hain’olobelona atao ny mampikatona ny Fiangonana fa efa nolazain’i Jesosy tamin’ny Apostoly fahiny izany fa « na dia ny vavahadin’ny Fiainan-tsy hita aza, tsy haharesy azy. » Ambara amin’izany fa tsy resin’ny fahatesana ny Fanjakan’Andriamanitra nahorin’i Kristy, izay tsy hafa fa fanjakam-piainana sy fiadanana amin’izay anolorany ny fiainany ho an’ny mpanota rehetra. Ny trano ihany no azon’ny olombelona akatona, fa ny fon’ny olona nandray an’i Jesosy kosa dia mivoha midanadana amin’izay nanoratan’Andriamanitra ny anarany ao anatin’ny Bokin’ny Fiainana. Ary izany no fikendren’Andriamanitra koa amin’izao isan-kerin-taona izao : dia izay anambarana fa izay olona mahasahy mijoro, mitandrina ny Teny izay nomen’Andriamanitra azy dia tsy ho fafàna ny anarany ao amin’ny Bokin’ny Fiainana.
Sarobidy izany fampanantenana omen’Andriamanitra izany satria Ilay Andriamanitra tsy mahay mandainga no miteny, Ilay Andriamanitra Tompony sy nanatanteraka izany Famonjena izany no manao fanambarana miezinezina fa ny olona rehetra izay mino an’i Kristy sy nandray ny famonjena nataony, dia azo antoka ny Fiainana Mandrakizay.
Na izany aza anefa, dia sedra mavaivay mahazo ny Fiangonana koa izao tranga mahazo ny firenena izao. Tokony ho eritreretina lalina satria mety ho fitaovana hanadiovan’Andriamanitra ny Fiangonana izao mba hibebahantsika ka hahatonga antsika rehetra hahay hanararaotra ny fotoana handalovana amin’ity fiaianana ity, arak’izay lazain’ny Apokalypsy izay miresaka ny trangan-javatra nisy tamin’ny Fiangonana tamin’ny fahizay nefa koa dia miresaka amintsika Fiangonana ankehitriny amin’izay hiatrehantsika fotoan-tsarotra ka mety hahatonga antsika ho reraka. Ao anatin’izany dia be dia be no miraviravy tànana amin’ny vanin’andron’ny fandrosoana iainantsika ankehitriny ka be dia be koa amin’izany ny Kristiana no manao fivavahana mandeha ara-pomba, mandeha ara-drian-drano ary eo anatrehan’izany, dia be dia be ny Kristiana manao « 2 francs cinquante » : sady tsy mafana no tsy mangatsiaka. Eo anatrehan’izany, dia be dia be ny mihemotra amin’ny finoana.
Ny Apokalypsy 1 : 3 dia manindry mafy fa sambatra ny mitandrina izay voasoratra amin’ity Boky ity, dia ny fihazonana an’i Kristy sy ny finoana Azy no lazaina. Ka na dia mandalo toe-javatra mafy aza izy, dia tsy ho azo hozongozonina izany fiorenany ao amin’i Kristy izany.
NIsy tantara tamin’ny fotoan’andro izay nisian’ny fanenjehana teto Madagasikara : nisy kristiana mafana fo, voatery tsy maintsy namonjy aina tamin’ny fanenjehana nataon’ireo fahavalo. Tao anatin’izany, satria basy mahery vaika no nentin’ireo nitady hamono azy, iraky ny fanjakana namono ireo izay mbola nivavaka tamin’i Jesosy tamin’izany, dia voatery tsy naintsy nandositra ireto Mpanompon’Andriamanitra anankiroa ireto. Ny iray voatifitra teny an-dàlana ka maty fa ny iray kosa mbola afaka nandositra nenjehin’ireto fahavalo anankiroa ireto. Reraka izy anefa ny farany ka tsy afaka nandositra intsony ary dia voatery tsy naintsy niafina ao anatina toerana iray izay noeritreretiny fa hahavonjy ny ainy. Rehefa niditra tamina kirihitr’ala anankiray izy, dia nahita lava-bato kely izay nahafahany nitsofoka. Rehefa tonga teo ireo mpanenjika dia nieritreritra fa mety ho tao anatin’ity lava-bato ity ilay olona nenjehiny farany. Kanjo rehefa nijery ilay lava-bato anefa izy, dia indro nisy faroratra na irony tranon-kala irony manampina ny vavan’ilay lavaka, ka hoy ny iray hoe : « tsy ato izy fa lasa nandeha any aloha, satria raha ato izy, dia tokony ho rovitra io tranon-kala na faroratra io. » Dia lasa izy ireo nandeha. Nony nahita azy ireo lasa ilay rangahy tao anaty lava-bato, dia nahatsiaro ny fitiavan’Andriamanitra sy ny famonjeny mahagaga, dia nisento hoe : « Misaotra Anao aho Jesosy ! ». Koa na inona na inona fikendren’ny fahavalo, na inona na inona fomba ataon’izao tontolo izao hanapotehana izay rehetra tian’Andriamanitra hotanterahina amin’ny olom-boafidiny, dia tsy misy haharombaka izay eo am-pelan-tànany. Ka toy izao no nahatonga ity faroratra ity : raha vao tafiditra tao anaty lavaka ilay rangahy, dia tapaka ilay ratsan-kazo izay nisy an’ity faroratra ity, ka nianjera ary nanampina ny vavan’ilay lavaka, ka izay no nahavotra azy. Izay no namonjen’Andriamanitra ny tenany mbola hahafahany indray manohy ny fitoriana ny Filazantsara eo am-piandrasana ny fihavian’ny Tompo.
Ambaran’ny Soratra Masina amin’ity bokin’ny Apokalypsy ity, fa ho avy faingana Izy, ary ao anatin’izany fahatongavany izany, ny olona mahatoky, izay mbola tsy nivadika na nivavaka tamina zavatra hafa tahaka izay ampitandremany eo amin’ny andininy faha- fa « tsy azo atao ny mivavaka amin’ny anjely » tahaka izay andraran ‘ny bokin’ny Eksodosy koa amin’ny sarin-javatra voasikotra maro samihafa : Andriamanitra ihany no ivavahana. Ary raha Andriamanitra no tondroina amin’ity Apokalypsy ity ; dia manondro an’i Kristy Ilay Andriamanitra mandresy ka amin’izay ananan’ny olona an’i Kristy, no ananany fandresena koa fa tsy ny fiankinana amin ‘ny zavatra eto amin’ity fiainana mandalo ity.
Na izany aza, dia mipetraka mandrakariva ny fanontaniana : « Nahoana no mitranga izao fiainana sarotra diavin’ny Fiangonana izao ? Nahoana no tsy maintsy mijery izao Andriamanitra ? » Amin’izany indrindra no hisedrany ny fiainan’ny mino amin’izay hahafahany mijoro ho mahatoky fa tsy hanara-drenirano fotsiny tahaka izay mahatonga ny sasany hoe rehefa mahita ny ratsy fanahy ambinina dia hanao tahaka izany koa. Izay andraràna hoe : « izay manao ny tsy marina aoka hanao ny tsy marina fa ho an’izay manao kosa, aoka hanao ny marina hatrany izy. Fa ny Tenin’ny Tompo voasoratra ao anantin’ny Soratra Masina sy ny fitandremana izany dia azo antoka hanana fiainana mandrakizay. Fiainana mandrakizay no tanjona ; fiaianana mandrakizay izay tsy ananan’ny fahafatesana anjara. Fiaianana mandrakizay izay iarahantsika manjak amin’i Krsity Mpandresy, mandova fiaianana, fiainana tsy misy tebiteby sy rahorahon’ady iintsony. Andriamanitra no tompon’ny teny farany.
Ny ajarantsika amin’izao andro farany izao dia ny mibebaka mba hanadiovan’ny Tompo antsika amin’ny ràny. Io no làlan-tokana ataon’Andrimanitra hahazoantsika famonjena. Io hahazoan’Andriamanitra mitondra antsika handova izany fiaianana feno fiadanana sy Paradisa izany araka izay lazainy hoe : « Sambatra ny olona izay manasa ny akanjony mba hananany fahefana amin’ny hazon’aina sy hidirany amin’ny vavahady ho ao an-tanàna. »
Ny fahatongavan’i Jesosy amin’ny andro farany sy izay andraisan’ny olona tsirairay Azy amin’ny finoana, dia famerenana antsika indray amin’ilay programa’ny Paradisa nomanin’Andriamanitra ho an’ny zanak’olombelona tamin’izay nahariana ny olomboelona izao tontolo izao. Fa izay tsy voahomana kosa dia ho any ivelany izy, izay laazin’ny Soartra Masina hoe : « Any ivelany ny alika, ny mpanao ody ratsy, ny mpijanjanga ». Inona moa izany ? Tsy hafa fa ny fiainana mampifangaro ny Masina sy ny vetaveta no atao hoe alika tsy mahay manaja ny Masina. Ny mpanao ody ratsy, dia izay mihevitra ny namany ho fahavalony ka miaina ny fialonana amin’ny alalan’ny famosaviana sns… Ny mpijangajanga, dia tsy hafa fa ny fahalotoam-pitondran-tena izay mihanaka etsy sy eroa, ny mpamono olona dia tsy hafa fa na mivantana io na ankolaka dia hanambarana ny fiaraha-monina ao anatiin’ny atao hoe : ady sy fikorontanana, ny fanompoan-tsampy, ny lainga sy ny fitaka maro samihafa. Ireo rehetra ireo no vavahady hanokafan’i Satana ny vavahadin’ny helo sy hamonoany ny anaran’ny olona ao anatin’ny bokin’ny fiainana raha mankasitraka hotaomin’ny Satana hanao izany izy. Fa amin’izay handavantsika izany, tahaka izay efa nataontsika koa tamin’ny batisa hoe : ifady ny devoly, sy ny asany ary ny fombany rehetra, no ilazàn’ny Tompo antsika kosa ho olon’ny fahasambarana, dia olona izay omen’Andriamanitra izany fiadanana maharitra mandrakizay izany.
Koa dia tandremo izao toetr’andro iainantsika izao no andro izay hiasàn’i Satana andro aman’alina, ary tsy matory andro, tsy matory alina izy eo ampanatanterahana ny fikasan-dratsiny.
Ny perikopa dia milaza fa tsy mora ny anarahana sy iaianana ny fanarahana an’i Kristy fa tsy maintsy mahafoy aina isika araka izay efa noalzainy tamin’ny mpianatra fahizay. Na ny Reny malalantdika aza dia nilaza izany : tsy azon’ny kamo sy ny malaina halaina ho lovany ny fiainana mandrakizay fa ny olona mahasahy, ny olona miady ka mandresy amin’ny fananana an’i Kristy, izany ihany no azo antoka fa handova fiainana.
Tsy ankasitrahan’i Satana ny fanolorantenantsika isan’andro amin’izay hanarahantsika Azy, ny amin’izay hitandremantsika ny Teniny sy ny hankatoavantsika ny sitrapony. Fa izay tadiavin’i Satana kosa dia ny hampiala antsika amin’izany amin’ny fomba maro samihafa : ka izay tsy azony amin’ny tambitamby dia rahonany amin’ny herisetra sy ny fandrahonana maro isan-karazany ho amin’ny fampiviliana antsika hiala amin’ny sitrapony.
Koa dia mampahery antsika izao Tenin’Andriamanitra izao amin’izay hahazoantsika indray ny fanakalaza ny isan-kerin-taona na dia amin’ ny fombahafa aza. Fa Kristy Ilay efa maty no efa nitsangana dia ho toy izany koa noo hhitsanganan’ny mpanota rehetra avy amin’ny vovoky ny fahafatesana miala amin’ny ota, mifindra ho amin’ny fanavaozana ny fanahy. Toe-panahy vaovao araka ny sitrapon’Andriamanitra no kendrena amin’izany dia nohon’ny nataon’ilay Zanak’Ondry izay nahafoy ny ainy ka ny Ràny latsaka tao Golgota fahizay, io no hanadiovany antsika, io no hanafahany antsika ho olony mba handova fiainana mandrakizay amin’izay hitoeran’Andriamanitra ho fiandohana sy hipetrahan’Andriamanitra ho fiafarana ka ny fiainan’ny mino dia manomboka ao main’i Kristy, miafara ao amin’i Kristy.
Dia mahereza, ny Tompo anie hanome antsika mandrakariva ny herin’ny faherezany ka hahafahantsika mifahatra tsara manoloana ny fanangolen’ny devoly, indirindra fa ny fitaka maro samihafa izay ampiasain’i Satana mba hamonoana ny anarantsika ao anatin ‘ny bokin’ny fiainana izay araka izay efa nolazaina : aza mifahatra amin’ny zavatra maro eto amin’ity fiainana ity fa mifalia fa voasoratra any an-danitra ny anaranareo. Koa dia « tano mafy izay efa anananao mba tsy hisy haka ny satroboninahitrao. »
Voninahitra anie ho an’Andriamanitra Ray, sy Zanaka ary Fanahy Masina izay efa Azy hatramin’ny taloha indrindra ka ho mandrakizay, Amen !
Share