II Tesaloniana 2 :1-12

II Tesaloniana  2 :1-12
Misaotra an’Andriamanitra mandrakariva isika noho ny fiahiany ny fiainantsika, manana indray izao tombom-potoana manokana hahavelomana izao. Manatrika ady sarotra isika eo amin’ny fiainantsika ankehitriny, tsy zava-miafina amintsika rehetra izany, kanefa matoky isika fa ny Tompo momba antsika mandrakariva, miahy sy miantoka ny fiainantsika manontolo. Amin’ny handraisantsika ny tsodrano isa-potoana dia anambarana isika hoe: «hitahy anareo anie ny Tompo ka hiaro anareo». Tsy mivadika amin’izay efa nekeny ny Tompo Andriamanitsika ka mahatanteraka izany amin’ny fotoana rehetra. Koa dia matoky Azy isika fa miaro antsika tokoa Izy.
Miarahaba antsika rehetra manaraka izao fandaharana vokarin’ny Tobilehibe Ankaramalaza izao araka ny fitarihan’ny Fanahy Masina ireo tomponandraikitra rehetra isa-tokony avy, ka mampiasa itony teknolojiam-pifandraisana itony, mba hiombonantsika amin’ny fandrenesana ny Tenin’Andriamanitra, fianarana Soratra Masina ary fampitomboana fahalalana ara-pinoana ao anatin’izao Isataona faha-79 izao. Fantatra fa tena tsy fidiny ho antsika izao, kanefa marina mandrakariva amin’ny sehatra rehetra ny Tenin’Andriamanitra hoe: «ny zavatra rehetra dia miara-miasa hahasoa izay tia an’Andriamanitra», Rom.8: 28. «Ekeo ihany ankehitriny, fa izao no mety amintsika hahatanteraka ny fahamarinana rehetra», Mat.3: 15. Raisintsika amin’ny fifaliana ny tranga rehetra, satria tsy misy kisendrasendra ao amin’Andriamanitra fa misy antony avokoa, ary fotoana handinihan’ny tsirairay avy tena koa izao, hiorenana tsara amin’ny finoana anatin’izao andro farany iainantsika izao. Ady no atrehina, tsy amin’ny fahavalo hita maso fa tena ara-bakiteny ny hoe: ny fanahy ratsy eny amin’ny rivotra no hifanandrinantsika. Mampahery antsika anaty ady Andriamanitra ka manome antsika izao faneva izao, mandrisika antsika hatrany hiorina, fa mpandresy no anarantsika miaraka amin’i Jesosy, ary amin’izany dia tsy ho faty eo amin’ny bokin’ny fiainana ny anarantsika Izay mino an’i Jesosy mampandresy antsika !
Tsy mifanalavitra ara-potoana tamin’ny nanoratan’i Paoly ny taratasy voalohany ho an’ny Tesaloniana ity taratasy faharoa ity, ary na ny vontoatiny aza dia lazain’ny mpandinika fa tsy dia mifanalavitra ihany koa. Fanamafisana izay efa nolazainy tamin’ny taratasy voalohany ihany no ambarany amin’izao taratasy faharoa izao. Raha misy izay mampiavaka azy, hoy ny mpandinika, dia ny fihenteran’i Paoly miteny kokoa raha oharina amin’ny taratasy voalohany. Amin’ny taratasy voalohany dia toy ny miteny amin’ny ankizy vao anarina voalohany i Paoly, fa amin’ny faharoa kosa dia efa manao teny hentitra, mafy kokoa ary somary manao teny mahery kokoa izy.
Ny hampahery ireo mpino vao niova fo manoloana ny fanenjehana mahazo azy ireo no kendren’i Paoly amin’ny soratra, sy ny hampirisika azy ireo hanana fitsipi-pitondram-piainana tsara eo amin’izy ireo ary hitondra fanitsiana momba ny fampianarana diso ny amin’ny fiainam-pinoana izay nitady hahazo laka teo amin’ny fiangonana. Ity farany ity no tena ataon’i Paoly mavesa-danja amin’ny taratasiny, nisy nivoy fatratra ny amin’ny fampahafantarana ny mpino tamin’izany fa efa tanteraka amin’izao ankehitriny izao ny andro farany. Vokatr’izany dia reraka noho ny fampitahorana samihafa natao taminy ireo mpino vaovao, ka misy ireo kivy satria be loatra ny fampianarana diso momba izany andro farany izany, nahatonga fitebitebena sy tahotra samihafa.
Fitaka moa no tena fikendren’ireny mpampianatra diso ireny, fitaka entina handroboka ny mpino hanaraka ny fampianarany, entina hamilivily ny finoan’ny maro hiala amin’ny finoana tena izy. Nohararaotin’ireny mpampianatra sandoka ireny ny fahafantarana fa ho avy ny andron’ny Tompo, dia mamorona toe-javatra samihafa izy ireny ilazana fa izao sy izao no hitranga.
Isan’ny fomba fiady entin’ny fahavalon’ny finoana manozongozona ny mpino ny fampihorohoroan-tsaina. Ataony izay hahaketraka ny saina amin’ny tranga samihafa, mahakivy, ary mahareraka ny saina izany, misy fiantraikany amin’ny fo. Rehefa mitranga izany dia mipepipepy mitady famonjena ny olona ary tsy mahatsiaro izay lalana tokony hizorany intsony fa manaiky mora izay itarihana azy. Fahitantsika amin’ny fiainana andavanadnro izany, fa raha tojo ny sarotra sy ny manahirana ny olona dia tsy mahalala izay tokony ataony intsony fa izay hahavoavonjy azy dia tanterahiny avokoa :
Ohatra : Sahirana mitady zaza fa tsy miteraka ny mpivady: hararaotin’ny maizina izany hitarihana ny olona handeha hanao izao fomba samihafa izao mba hahatanteraka ny fanirina hanan-janaka, eny fa na dia mifanohitra amin’ny fahamasinan’Andriamanitra aza.
Ohatra hafa : Te ho afaka amin’ny fahasahiranana ara-bola ny olona, hararaotin’ny satana izany handemena ny fiorenany, ka hanambatambazany ny olona hanaiky azy amin’ny fomba samihafa. Izany no mahatonga ny mpino hisedra zava-tsarotra isan-karazany satria ny saina mihitsy no donin’ny satana mba hihozongozona, ary rehefa ny saina no voadona, dia mahatonga tsy fiorenana tsara intsony izany, ka na ny finoana an’Andriamanitra ilay mahefa ny zavatra rehetra aza dia tonga mihazohazo.
Izany no nahazo ireto kristiana tany Tesalonika, nampihorohoroana ny amin’ny fiavian’ny andron’ny Tompo. Haingana ny namonjen’i Paoly azy ireo tamin’ny taratasiny, nampiorina tsara ireto mpino ireto amin’ny fampahafantarana ny marina momba izany andron’ny Tompo izany, ka mbola omeny antsika ankehitriny koa.
Tsy zava-baovao amintsika mantsy ny mandre etsy sy eroa trangan-javatra tena mampihorohoro, tafiditra ao anatin’ny filazana ny andro farany. Isan’izany ohatra ny areti-mandoza izay mihatra amin’ny tanintsika ankehitriny izao. Mampiorohoro ny maro izany !
Ianao ve efa mahalala fa ao anatin’izao andro mampahory ny tany manontolo izao dia niforona tsy lavitra antsika, fa atsy Afrika Atsimo ny Fiangonan’ny Satana? Eglise du Satan? Ianao koa ve efa mahalala fa misy izay efa sahy miseho masoandro amin’izay manao tsinontsinona an’ Andriamanitra ka milaza fa tsy mahefa na inona na inona izao Jesosy izao matoa tsy foana ny valan’aretina? Ao anatin’izao andro sarotra izao koa no misy mampiasa ny fahafahany miteny, milaza fa ny fahombiazana dia tsy misy idiran’Andriamanitra fa avy amin’ny tenanao ihany fa lany andro amin’ny fivavaham-poana ianareo mitoky amin’izany Jesosy izany! Toy izany no fandemen-tsaina afafin’ny satana amin’izao ankehitriny izao, mba handemena ihany koa ny finoan’ny maro. Nanjo ireo kristiana tany Tesalonika, indrindra nihatrika izany horohoro izany.
Raha manana izao perikopa izao isika, dia omen’Andriamanitra mba hahatonga anao hahajoro tsara amin’ny finoana, ka na inona na inona fisehon’ny mpanozongozona, ianao kosa ho tena hahajoro tsara miaraka amin’ny finoana marina. Ampianariny antsika fa tsy maintsy hisy ny fihemorana, ny apostazia, hoy ny filaza teolojika azy, fialana amin’ny finoana, fanoherana ny finoana. Hiseho ihany koa ny anti-kristy, lazain’i Paoly amin’ny fiteniny eto hoe ilay lehilahin’ota. Anti-kristy izay hiseho amin’ny endriny samihafa, ao ny fanoherana ny maha-Kristy an’i Jesosy, amin’ny fanaovana tsinontsinona an’i Jesosy, amin’ny filazana fa tsy Andriamanitra Jesosy. Fa ao koa ny fisehoany amin’ny fisandohana ho ny kristy! Rebirebena amin’izany resaka rehetra izany ny sain’ny maro mba ho valalanina. Hiseho avokoa anefa izany rehetra izany. Ho an’izay mpanaraka itony facebook itony dia matetika mahita video maneho hoe: nisy trangan-javatra hafahafa toy izao niseho tamin’ny lanitra tary ananona, dia aseho eo amin’izany video izany fa misy sarin’olona hita amin’ny rahona, misy fahazavana mahagaga mipoitra eny amin’ny lanitra, sns…
Ampitandremin’ny Tenin’Andriamanitra mafy isika ankehitriny mba hiambina tsara tsy ho voafitaka, hiala amin’ny finoana marina. Mety hanao izay hampino anao tokoa Satana sy ny ekipany rehetra amin’ny fanaovana fahagagana mandainga, araka ny filazan’i Paoly azy eto mihitsy. Tena betsaka ankehitriny no milaza fa itenenan’i Jesosy, Jesosy mihitsy no maniraka azy hanao an’izao sy izao, sns… Misy aza asain’ny fanahy miteny aminy mihitsy hoe: mandehana ianao mivavaka, mandehana ianao manao an’izao any am-piangonana, hita izao anefa fa fanahy mamitaka no miteny aminy, ataony izay haharesy lahatra ilay olona hanaraka ny teniny, fa rehefa kelikely eo dia tarihiny amin’izay hiala amin’ny fahamarinan’Andriamanitra tena Andriamanitra. Izany no fiasan’ny antikristy, ny fanahy sandoka. Misy aza mitsangana ho fiangonana mihitsy, toa marina amin’ny endriny ivelany, kanefa mpamorika ny olona ho amin’ny fahaverezana, kristy sandoka no ao aminy.
Manafatara antsika, mampianatra antsika ny Tenin’Andriamanitra ankehitriny : Aza taitran’ireny rehetra ireny, hoy i Paoly. Atrehina avokoa izany rehetra izany, fa tsy atao hampihozongozona ny finoanao. Ny anjaranao dia ny miandry amin’ny fanantenana ny fiavian’ny Tompo amin’ny fahatanterahany tokoa. Tsy mampaninona izay ady atrehina ao anatin’izany fiandrasana izany, tsy maninona izay hamafin’ny famelezan’ny fahavalo mikendry anao hiongotra avy teo amin’i Jesosy, fa ny anjaranao dia ny tsy mivadika amin’izay efa ninoanao. Tena ampoizina satria efa ampiomanan’i Jesosy ny mpanaradia azy rahateo fa ho mafy izany andro farany izany, kanefa omeny toky koa izay rehetra manaraka Azy fa tsy hamela ny olony hiady irery Izy. Tena mafy ny ady isan’andro, ary amin’ny hampiorenana ny mino azy indrindra no ametrahan’i Jesosy fanontaniana ho fandinihan-tena hoe: «raha avy ny Zanak’olona, moa hahita finoana ety ambonin’ny tany va Izy?», Lio.18: 8. Moa hahita finoana aminao ve izany Zanak’olona izany ?
Aminao no iantefan’izany fanontaniana fampandinihan-tena izany. Fotoan’ny Isataonan’ny Tobilehibe Ankaramalaza izao. Manao ahoana no iainanao izany hoe: Isataona izany raha tsy afaka mamonjy ny Toby Masina ianao? Mbola manome fahafahana anao handre ny Teniny Andriamanitra ka mampisy itony fandaharana itony, raisinao amin’ny finoana ho mbola fiasan’Andriamanitra ve izao ka hazoto sy hankamamy ny fihainoana ny Teniny eto amin’ity fandaharana ity ianao, sa hoy ianao hoe tena tsy mety amiko fa any Ankaramalaza ihany no tena izy? Iza no omenao tsiny? Raiso amin’ny fifaliana izay atolotr’Andriamanitra anao, ho fampiorenana anao, fandrao dia voavilin’ny satana amin’ny fandrebirebena ny sainao ianao sanatria ka ny fimonomononana no be noho ny fahanginana mihaino ny Tenin’Andriamanitra. Ady atrehinao avokoa izao toe-java-misy izao, saingy atreho amin’ny finoana, satria efa miady ho anao ny Tompo.
Aza manaiky horebireben’ny sain-dratsin’ny satana hamily anao hiala amin’ny finoana marina, «miorena tsara, aza miova», hoy ny Tenin’Andriamanitra, 1 Kor.15: 58a. Tena ho avy ny Tompo hitsara izao tontolo izao ; Fa ao anatin’izany fitsarany izao tontolo izao izany no handraisany izay rehatra nifikitra taminy marina tokoa, handraisany izay rehetra mifikitra amin’ny finoana Azy marinatokoa, tsy niala taminy, tsy nihozongozona fa nitoetra maharitra teo aminy. Izany no didim-pitsarana izay andrasantsika fatratra, izay hitoerantsika eo amin’i Jesosy. Ka raha tonga ny fanonatnian’i Jesosy hoe : «hahita finoana ety ambonin’ny tany ve Izy», dia isika rehetra no hiombom-peo am-pifaliana hamaly an’i Jesosy hoe : Mino Aho!
Ho hitanao fa amin’ny fifaliana tokoa no hitsenana izany fiavian’ny Tompo eny amin’ny rahon’ny lanitra izany. Fa tsy isan’izay olona hatahotra ianao ka hiantso ny tendrombohitra hoe « rakofy izahay ! ». Ka na manao ahoana na manao ahoana mbola faharetan’ny ady izay atrehina amin’ny fiandrasana izany fiavian’ny Tompo izany dia miandry amin’ny fanantenana mandrakariva ianao. Miandry amin’ny finoana ianao ary manantena ao anatin’ny fifaliana ny amin’izay handraisan’i Jesosy anao ho isan’ny mpiombon-dova aminy mandrakizay, mandrakizay.
Voninahitra ho,an’Andriamanitra Ray sy Zanaka ary Fanahy Masina, izay Azy hatramin’ny taloha indrindra ka ho mandrakizay.
Amen!
Share