Jeremia 17 : 5-13

Jeremia 17 : 5-13
Misaotra an’Andriamanitra isika fa na dia ao aza izao toe-draharaha izay mamely izao tontolo izao, dia izao valan’aretina iarahantsika mahalala izao, dia manana izao fotoana izao isika, na dia amin’ny alalan’izao seraseram-pifandraisana izao aza ampitana amintsika ny tenin’Andriamanitra izay iainantsika amin’izao isankerintaon’ny Tobilehibe Ankaramalaza ity. Misaotra ny Birao sy ny Komitin’ny Tobilehibe Ankaramalaza izay nanome anay anjara ny toriteny ny amin’ity anio ity ka dia ho voninahitr’Andriamanitra irery ihany izany, ary mifampivavaka isika mba hotahian’i Jesosy Kristy Tompo tokoa ka hitondra fanavaozana ho antsika izao isankerintaona miavaka indrindra izao.
Rehefa mijery ny sora-mandry eo ambony isika, dia misy tsimbalivaly izay asehon’ity teksta ity ka toa manao fampitahana ny amin’ny olona izay matoky an’Andriamanitra sy izay tsy matoky an’Andriamanitra, na izay mametraka ny fiainany amin’Andriamanitra sy ny olona izay tsy mametraka ny fiainany amin’Andriamanitra, namitoky amin’ny tenany amin’izay maha izy azy, fa tsy mitoky amin’ilay Andriamanitra izay Tompony. Raha jerena ity teny ity, dia hita fa misy lohahevitra telo lehibe ny teksta izay anjarantsika eto ; mifandraika indrindra izany amin’ireo teny sasantsasany ato amin’ny perikopantsika araka ny handrenesantsika azy eto.
¤¤¤¤¤¤¤¤¤¤
1. Tsy maintsy hahita fahavoazana sy fahapotehana ny olona izay tsy matoky an’i Jehovah, na mandao an’i Jehovah (and. 5-6) izany hoe ny olombelona dia tsy mahay mivelona tsy misy an’Andriamanitra – io no asehon’ny mpaminany Jeremia ; tsy mahay miaina tsy misy an’Andriamanitra ny olona (Apok 3 : 17) Raha miresaka amin’ny vahoaka Isiraely ity mpaminany ity, ny amin’ny hadalana izay nisy teo amin’ny olona rehefa nandroso nihatsara ny fiainany, nandroso, toa nahazo fahasoavana be dia be, dia niantehitra tamin’izany izy. Nirona tamin’izany ny fisainan’ny olona ka dia nanadino Ilay Mpanao azy.
Fa na dia nisy aza toa fahatsiarovana an’Andriamanitra teo amin’ny fiainany tamin’izany andro izany, dia lasa zary fombafomba amam-panao – na ny fotoam-pivavahana tany amin’ny tempoly, ny fanateram-panatitra sy ny toy izany dia lasa fombafomba, endrika tety ivelany fa ny fon’ny olona tsy nitoky tamin’i Jehovah Andriamanitra.
Kanefa izao, hoy Jeremia : tsy mahay mivelona tsy misy an’Andriamanitra ny olona. Ka dia toy ny manozon-tena ihany – ny ozona mantsy dia tsy hafa fa fiantsoana ny hery anankiray ivelan’ny tena hanapotika ny fiainana ; ka tahaka manapotika ny fiainany ihany ny olona izay mieritreritra ny tenany ho tompon’antoka amin’ny tenany, ka mandà an’Andriamanitra. Andriamanita no efa nanome aina sy fiainana ho an’ny olona ary Izy no anton’ny ivelomany ka mahavelona izao rehetra izao. Izao zavaboahary rehetra izao – na ny fihetsiketsehany, na ny fahavelomany ; dia tsy hafa fa avy amin’Andriamanitra ilay mamelona sy miahy ary mikarakara azy. Ambaran’ny Soratra Masina fa « Izy no mihazona azy tsy ho levona. » Jehovah no mihazona izao zavatra hary rehetra izao. Ka amin’izany dia hanana fahapotehana tokoa ny fiainan’izay manalavitra an’Andriamanitra. Tsy hahita fiadanana izy. Raha ny trangan-javatra teo amin’ny fiainan’ny Isiraely amin’izao andron’i Jeremia izao, ka nahatonga an’i Jeremia hananatra azy ireo, dia toa nisy fiadanana tokoa teo amin’ny Isiraely – niantsoantso fiadanana izy ireo, kinanjo tsy fiadanana fa fiadanana eo ambonin’ny loza – dia ny fihatahana na ny fisarahana amin’Andriamanitra velona. Fifaliana eo ambonin’ny loza. Tahaka ny tsikafonkafona mivelona ambony rano, fa tsy hitoetra eo mandrakizay – toa velona tsara ; fa rehefa tonga ny tondra-drano dia hofaon’ny rano ka tsy fantatra izay hiafarany. Tahaka izany ny fiadanan’ny olona izay tsy miorina ao amin’Andriamanitra velona. Toa manana faniriana tsara ihany fa saingy eo ambony loza. Ka io indrindra no hitenenana eto fa ho tahaka ny olona mahantra any an-tany hay, ka tsy mba hahita na dia avy aza ny soa, fa olona izay miaina ao anaty fahoriana tokoa. Mety hahita fifaliana vetivety vokatry ny fanapahankevitry ny fony, fa ho tonga fahantrana tsy anantenam-panafana izany (and.6)
¤¤¤¤¤¤¤¤¤¤
2 Ny olona izay matoky an’i Jehovay ampitahaina amin’ilay mahatoky ny tenany teo, mialoka amin’ny tenany, manao ny tenany ho andriamanitra. Tao amin’ny Isiraely, na dia tao aza ireo izay nieritreritra fa ireo fahasoavana hitany sy iainany vetivety ka nianteherany amin’izay nataon’ny tenany, dia tena tompon’ny fiadanana. Fa nisy olona izay nitoky tamin’i Jehovah, kanefa toa mahita fahoriana – isan’izany i Jeremia, izay ampaherezina. Ary misy koa ireo hafa izay nialoka tamin’i Jehovah Andriamanitra tokoa. Io no lazain’i Jeremia eto, omena toky hoe ho feno fitahiana tokoa izay mialoka eo ambanin’ny fitahian’i Jehovah (and.7-8) na dia toa mety mahita fahoriana aza amin’izany andro izay ijoroany amin’izany fitokiana amin’i Jehovah izany. Azo tarafina izany amin’izay voasoratra ao amin’ny Apok 2 : 8-10.
Izany koa no mahavelon-kira an’i Davida amin’ireo Salamo maromaro (Salamo 1, 23, 128,…) Lazain’i Davida fa ny fialofana eo amin’i Jehovah – na dia eo anatrehan’ny toerana na aloky ny fahafatesana, na dia toa hotsinontsiniavin’ny olona aza izany ; dia misy valiny lehibe. Fa Andriamanitra haneho ny fahasoavany amin’izany olona izany ka dia ho tahaka ny hazo ambolena eo amoron’ny rano velona izay mamoa amin’ny fotoana, araka izay nikendren’Andriamanitra ny aminy. Ka na dia ao aza ny toa mety ho fahasahiranana lalovana, dia tsy hanana ahiahy izy satria mamaka tsara amin’ny loharano velona, sady mahazo tany izay haniriana, ka tsy ho tahaka izay nolazaina teo hoe tahaka ny tsikafonkafona ho very any amin’izay tsy hita noanoa. Tsy izay kasain’ny fony ihany amin’izay no ho tanteraka aminy, fa izay kendren’i Jehovah ny aminy koa koa. Rehefa nijery ny ary alohaloha ary isika, (Jeremia 11) dia hita ao ny tenin’i Jehovah hoe « Izaho mahalala ny hevitra iheverana anareo, dia hevitra hitondra fiadanana fa tsy loza, mba hanome anareo fiadanana ny amin’ny farany » i.e. Andriamanitra manana fikendrena ny amin’ny olona ary mahalala ny toerana sy izay mombamomba hampahavokatra azy araka ny sitrapon’Andriamanitra.
¤¤¤¤¤¤¤¤¤¤
3 Inona no mahatonga ny olona tsy ho tafatoetra amin’izany fikendren’Andriamanitra izany ? Tsy hoe tsy fantatry ny zanak’Isiraely ny sitrapon’Andriamanitra – tena fantany izany, fa manana fiavonavonana ny fon’ny olona ary ambaran’ny Soratra Masina fa « hatramin’ny nahariana azy, dia ratsy ny fon’ny olona ». Ny fiavonavonan’ny fon’ny olona no mitarika azy hihevitra fa tompon’ny tenany izy ka handà an’i Jehovah (and. 9-13)
Tsy vao amin’izao androntsika izao – izay hisian’ireo karazam-pampianarana sy fanehoan-kevitra eto amin’izao tontolo izao ny amin’ny hoe fanatontoloana sy fampisongadinana ny maha olona ny olona ka mitarika ny olona handà ny amin’Andriamanitra, no hitrangan-javatra ; fa na dia tamin’ny andron’i Jeremia koa aza dia efa velona tao anatin’ny fon’ny olona ny fiheveran-tena ho zavatra ka nanadino an’Andriamanitra Mpanao azy. Tsy hafa fa izany no nahatonga ny olona hanao ny tilikambon’i Babela – handeha hitambatra isika hanao tilikambo ka hiangona eo isika hanatratra ny lanitra, fa Andriamanitra nampikororoana ny fiteniny ka dia tafasaraka ny olona, rava ny fikendrena. Tsy hafan’ izay fikendren’ny fanatontoloana iainantsika izao izany, amin’izay iavonavonan’ny fon’ny olona ka ieritreretany hanatratra ny hevitr’Andriamanitra ary hahatonga azy handà an’Andriamanitra fa dia hanangana tilikambo vaovao ny olona ka ho iray izao tontolo izao, ary dia handà an’Andriamanitra, ny herin’Andriamanitra sy ny fisiany. Ka amin’ny alalan’izay lojika sy ny fahaizan’ny olombelona no ananganany andriamanitra ho an’ny tenany. Io no ambaran’i Jeremia eto hoe « Ny fo dia mamitaka noho ny zavatra rehetra sady manana aretina tsy azo sitranina »
Tsy amin’ny fiheverana ny fanatontoloana ihany no hitrangan’izany zavatra izany, fa amin’izay anarosaronan’ny olona ny fiheveran’ny fony amin’ny fihatsarambelatsihy takonana tsy hiseho ety ivelany fa ny fony mandà an’i Jehovah, ka dia lazaina eto fa ho tahaka ny tsipoy mikotrika ny tsy atodiny izany (and. 9-11, cf. Apok 3 :14-24) Fa teo amin’ny fivavahana Isiraely, dia nieritreritra – na ny mpisorona na ny mpanatitra sorona ; fa inona no ilain’i Jehovah afa-tsy ny matavy, ka rehefa entina eo anatrehan’i Jehovah ny matavy hatao fanatitra, dia ho afa-po amin’izany Jehovah. Ka tsy mampaninona na milomano amin’ny fahotana, amin’ny fanao tsy mety rehetra, tsy araka an’Andriamanitra – tsy mampaninona na manao izany aza, fa rehefa atao ny sorona, dia afak’iny sorona iny avokoa ny fahotana rehetra.
Fiheverana diso atsangan’ny olona ny amin’izay fihevitr’Andriamanitra izany – io no tsipoy mikotrika ny tsy atodiny. Ny olona mieritreritra an’Andriamanitra ho tahaka ny andriamianitry ny jentilisa ka andriamanitra mila zavatra avy aminy, dia hahafa-po an’Andriamanitra izany. Fa lazaina eto fa izany no fiavonavonan’ny fon’ny olona. Amin’ny andron’ny fanatontoloana, dia miezaka ny olona amin’ireo fikambanana samihafa – toa fikambanana mpanao asa soa nefa mandà an’Andriamanitra sy ny heriny. Amin’ny alalan’ireny dia mihevitra ny olona fa afaka mihatsara sy mihasoa araka ny ezaka ataon’ny tenany hahalavorary izao tontolo izao, hahatonga fiadanana eto tsy misy an’Andriamanitra, i.e. ny olona dia mieritreritra fa hain’ny olona atao ny mahita fifaliana sy fiadanana – tsy ilay fiadanana atolotr’Andriamanitra, na ilay fifaliana atolotr’Andriamanitra, fa fifaliana avy amin’izay ataon’ny tenany ho azy. Fa Andriamanitra tsy miady laharana amin’izany. Tsy izany no tena fototry ny fiadanana sy ny fifaliana eto amin’izao tontolo izao, fa izay ataon’Andriamanitra, dia ny amin’i Jesosy Kristy izay nomeny an’izao tontolo izao. Io no famitahan’ny fo lazain’i Jeremia eto, ka hitenenany hoe « Ny fo dia mamitaka mihoatra noho ny zavatra rehetra sady manana aretina izay tsy azo sitranina »
Fa izay tadiavin’Andriamanitra dia ny hitodika Aminy izay Loharanon’ny fanantenana sy loharanon’ny soa. Mety ho hain’ny mpihatsaravelatsihy takonana tsy hiseho ety ivelany ny fo mandà an’i Jehovah – amin’izay mety fanaovan-tsoa samihafa araka izay noheverina teo, na amin’izay mety ho fihetsika aseho ety ivelany amin’ny fanompoana samihafa ataon’ny olona ; fa Ilay Mpandinika ny fo sy Mpamantatra ny voa dia haneho ny vokatry ny asan’ny olona ety ivelany – eny, hataony izany amin’ny fiafaran’izao tontolo izao satria Jehovah ihany no mampanjary sy mampahavokatra ny asan’ny olona, koa izay vokatra tsy avy amin’i Jehovah dia ho tsinontsinona izany (and. 13 cf. Apok 3 :1-6) Io no itenenan’i Jesosy – raha naniraka ny mpianany Izy ka niteny taminy ny amin’ny hoe « Ny sampany rehetra izay mamoa dia amboarina mba hamoa bebe kokoa » ary tsy izany ihany fa « Izaho manendry anareo mba handeha sy hamoa ary mba haharetan’ny vokatrareo, mba homen’ny Ray anareo izay rehetra angatahinareo amin’ny Anarako, na inona, na inona ». Ka tsy avy amin’izay ataon’ny olona ho an’Andriamanitra fa araka izay ataon’Andriamanitra no ahavokarany ny sitrapon’Andriamanitra.
Ireo zavatra ireo no hafatra ampitondrain’i Jehovah ho an’Isiraely eto, mba hanitsiana azy amin’ny lalan-diso izay hizorany. Tsy voasaron’ny toa endrim-pitahiana izay tsy izy, hitany sy tsapany kanefa tsy avy amin’i Jehovah ny fon’izy ireo. Fa ny tena fitahiana sy ny fiadanana avy amin’i Jehovah dia tsy hafa fa avy amin’ny fon’ny olona izay mibebaka marina, ka miala amin’ny lalan-dratsiny, amin’ny làlana izay tsy ankasitrahan’i Jehovah mety ho nizorany ka mibebaka marina sy mahafoy izany. Ka ny fiadanana ao ambadik’izany fiantorahana amin’i Jehovah izany no tena fiadanana, ka hanairan’i Jeremia azy ireo.
¤¤¤¤¤¤¤¤¤¤
Inona ary no ifandraisan’izao teksta izao amin’ny Perikopantsika sy amin’ny fanevantsika amin’ity taona ity ?
Rehefa jerentsika izay ambaran’ny Apokalypsy eto – iza moa ilay miteny ka manafatrafatra ny fiangonana, miresaka ny amin’ny fiangonana eto ? Tsy hafa fa Ilay Tompon’izao rehetra izao ka milaza ny tenany hoe « Izaho no Voalohany sy Farany » Io no hilazan’i Jehovah Andriamanitra ny amin’ny tenany, hilazan’i Jesosy Kristy Tompo ny fiangonana koa ny amin’ny tenany : Izy no Alfa sy Omega i.e. izay atomboky ny olona atao sy ny amin’izay iafaran’ny ataon’ny olona dia tsy hafa fa mihanjahanja eo anatrehany avokoa izany, ka tsy ny fanaovana ihany fa na ny fikasana hanao ihany koa aza, dia efa eo ampelatanany.
Samy manana ny toetrany sy ny fiheveran’ny fony toy ny zava-manan’aina, toy ny olona – persona ; ireo fiangonana fito tany Azia Minora anoratana ireto taratasy ireto. Ambaran’Ilay Voalohany sy Farany fa tsy misy izay tsy fantatr’Andriamanitra ny ao anatin’ireo fiangonana ireo – ny fikasany, ny fieritreretany, izay ataony ; dia mihanjahanja eo anatrehan’Andriamanitra toy izay ataon’ny Zanak’Isiraely tamin’ny andron’i Jeremia koa. Raha tsy hijery isika ohatra ny ao amin’ny Apok 3 ny amin’ny fiangonana tao Laodikia fa Jesosy dia miresaka amin’izy ireo hoe « Fa hoy ianao, manan-karena sy efa nihary fananana be aho ka tsy manan-java-mahory ; kanjo tsy fantatrao fa hianao no ilay ory sy mahantra sy malahelo sy jamba ary mitanjaka ; dia manoro hevitra anao Aho, hividy amiko volamena voadio tamin’ny afo, mba hanan-karena hianao, ary fitafiana fotsy hotafinao, mba tsy hisehoan’ny henatrao noho ny fitanjahana ary odi-maso hahosotrao ny masonao mba hahiratanao » (and 17-18) Satria nieritreritra ny fiangonana tany Laodikia fa manana fahatanterahana, mahajoro tsara, mahavita ny zavatra rehetra, afaka manao an’izao sy izao mamirapiratra ny fiangonana sy ny fiainan’ny Kristiana. Fa lazain’i Jesosy fa sady marary maso, no mitanjaka, no mahantra ity fiangonana ity satria ny fo tsy mety mibebaka dia tahaka izany ka mieritreritra manana ny voninahitry ny fitafiana, kanjo mitanjaka. Mifandraika indrindra amin’ny lohahevitra voalohany izany : tsy avelan’Andriamanitra handeha ho azy ny fiangonana izay manimbazimba ny voninahiny. Fa tsy vitsy ny fiangonana na isika fifohazana no mitanjaka tahaka izany, kanefa dia efa notafian’Andriamanitra ny voninahiny. Eto dia ampahatsiarovina. Mety hahita fifaliana sy fahafinaretana amin’izany fanaovana tsinonintsonina ny fiainany izany ihany ny olona kanefa dia hotsarain’Andriamanitra amin’izany izy.
Voalaza koa, raha hijery kely ny amin’ny fiangonana ao amin’ny Apok 2 – Smyrna – Ilay efa maty fa velona indray dia mahafantatra ny aminy, toa ory izy nefa manan-karena, misy ny miteny ratsy azy. Fa izao, tsy mahazaka fahoriana izy na dia toa mahajoro azy. Misy fahoriana izay mety handalovan’ny fiangonana tokoa, dia tahaka izay andalovan’ny fiangonana amin’izao androntsika izao izany – fa hiafara amin’ny fitahiana. Ho feno fitahiana ny olona izay mialoka eo ambanin’ny tànan’i Jehovah ; araka izay lazain’i Davida ao amin’ny Salamo 23 hoe « Na dia mandeha mamaky ny lohasaha aloky ny fahafatesana aza aho, dia tsy hatahotra ny loza ». Mieritreritra ny fahavalon’ny fiangonana sy ny fifohazana fa rehefa mikatona ny isantaonan’ireo toby sy ny fahazoan’ny fifohazana mifanerasera, dia hainy foanana izany fiainan’ny fifohazana izany. Ambara eto ny toky sy fanantenana ho an’ny zanaky ny fifohazana, fa hoy izy hoe « Aza matahotra izay efa hiaretanao. Indro ny devoly efa hanao ny sasany aminareo ao an-tranomaizana mba ho voazaha toetra ianareo ary hanam-pahoriana hafoloana » Tena fahatanterahana izany hafoloana izany – izany no iainantsika izao, tahaka ny ataon’ny devoly an-tranomaizana ny fiangonana sy ny fifohazana ka dia tsy miseho masoandro. Nefa hoy ny Tompo hoe « Aoka hatoky hatramin’ny fahafatesana » ka ilay fitahiana amin’izay dia tsy ilay fitahiana andrasana amin’izao fiainana izao, fa andrasana ho amin’ny fiainan-ko avy koa. Ireo rehetra ireo sy ny maro hafa koa dia tsy hafa fa izay kendrena hampahery antsika indrindra, dia izao : ho tsinontsinona ny fiangonana izay mirehareha sy miavonavon-kevitra ka manadino an’Antramanitra Mpanao azy, i.e. hihevitra ny amin’izay ataon’ny tenany fa tsy izay ataon’Andriamanitra. Mety misy lafin-javatra maro azo jerena ny amin’izany – ny hihevitra, raha ny amin’izao tranga iainantsika izao, ho tsinontsinona ka avy amin’ny devoly izany, ka tsy haka lesona sy hamantatra ny sitrapon’Andriamanitra ny amin’izay fa hoe avy amin’ny devoly dia toherina be fahatany – fa hendry manoloana izany tranga izany ka mamantatra koa ny sitrapon’Andriamanitra, dia tahaka izay nataon’i Jesosy – rehefa nanohitra ny mpianatra tamin’ny nisamborana Azy, ka nitenenan’i Petera hoe sanatria Aminao izany, ka nikapa ny sofin’ny miaramilan’ny mpisoranabe tsy hisambotra an’i Jesosy. Fa hoy Jesosy « Ny Zanak’olona tsy maintsy mandeha amin’izay nanoratana Azy » i.e. ny sitrapon’Andriamanitra dia tsy maintsy tanteraka amin’izay nikendren’Andriamanitra azy mba hanehoany ny heriny sy ny fahefany eto amin’izao tontolo izao sy amin’ilay fahavolony koa – dia i satana fahavalo. Tsy amin’izay fiheveran’ny olona ami’nny endrim-pandresena araka ny fiavonavonan’ny fon’ny olona ny fiheveran’Andriamanitra ny amin’ny fandresena. Izay mampahomby sy mampandresy ny fiangonana dia tsy hafa fa ao amin’Ilay Voalohany sy Farany – dia i Jesosy Kristy. Izy no fiandohana sy fiafaran’ny tantaran’izao tontolo izao. Ny olona izay miankina Aminy dia matoky fa na manao ahoana na manao ahoana trangan-javatra iainany sy vakivakiany eto amin’izao fiainana izao dia tsy very izy, fa ao aminy Jesosy. Io no ilazana eto amin’ny teny fanevantsika hoe « Izay maharesy tsy hamono ny anarany ao amin’ny bokin’ny fiainana Aho »
Voninahitra anie ho an’Andriamanitra Ray sy Zanaka ary Fanahy Masina, izay Azy hatramin’ny taloha indrindra ka ho Azy mandrakizay. Amen !
Share