Joda: 17-25

Joda: 17-25
Ry Fiangonana malala, ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’Andriamanitra Raintsika sy Jesosy Kristy Tompo, Amen.
Mananika ny Fiangonana ankehitriny ny faharatsian’izao tontolo izao, izany hoe tafiditra amin’ny olom-boahantso ny fisalasalana ny amin’izay nampianarina sy izay nampinoana azy dia ny fiazonana an’i Jesosy Kristy ho Tompo sy Mpamonjy noho ny hetraketrak’izao tontolo izao. Tamin’ny vanim-potoana nanoratana ny Epistilin’i Joda izany eny fa na dia izao ankehitriny izao koa dia ao anaty tahotra sy tebiteby ny kristiana maro, ny olom-boahantso maro ny amin’ny fanahiana ny amin’ity fiainana izay lalovana ity. Miantso ny olom-boafidy Andriamanitra fahiny tamin’ny alalan’ity Epistily ity : hitandrina tsara ny Teny izay nampianarina azy sy izay nampinoana azy. Ka hamantatra ny sitrapon’Andriamanitra manoloana ny fiantsoana antsika izany, satria ao amin’Andriamanitra ny planin’ny fiainantsika ,ary Izy irery ihany no mahay ny fahatsarana rehetra eo amin’ny fiainantsika izany. Ary ny Fiangonana fahiny izay nanoratan’i Joda koa dia voapentimpetin’ny fampianarana maro isan-karazany izay te hampiala azy tamin’ny fiantsoana, izay te hampiala azy amin’ny fanohavana ny Tenin’Andriamanitra. Ka dia nanoratra izao Epistily izao Joda. Paoly Apostoly ampitenenin’Andriamanitra amin’ny alalan’ny Fanahy, nananatra an’i Timoty zanany malalany : « Fa ny Fanahy milaza marina fa amin’ny andro aoriana dia hihemotra amin’ny finoana ny sasany , manaiky fanahy mamitaka sy fampianaran’ny demonia . » Joda koa eto raha manokatra ny Perikopa antsika dia mamerina ny Fiangonana izy hiorina amin’izay efa nanorenana azy ao amin’i Jesosy Kristy ka mampahatsiaro ny Teny rehetra. Araka ny ahitantsika ny andininy faha 17 : « fa tsarovinareo ry malala ny Teny voalazan’ny Apostolin’i Jesosy Kristy Tompontsika fahiny». Mampihazona ny mino rehetra ny Tenin’Andriamanitra izay fahavelomana no sady fiainana ary miantoka koa ny fahavelomana sy ny fiainana eto amin’ity tany iainantsika ity, ka hanalavirana ny tahotra sy ny tebiteby maro ny amin’ny fanenjehana koa izany ataon’ireo tsy matahotra an’Andriamanitra amin’ny olom-boahantso koa izany rehetra izany. Ity Epistily ity amin’ny ankapobeny dia milaza ny loza mihantra amin’ny mpampianatra sandoka ary mampirisika ny mpino hiezaka mafy hiaro ny finoany. Izany hoe Epistily mifono teny fananarana, mikendry fampirisihana ny olom-boahantso hiazona ny fahatsaran’Andriamanitra, izay miantso azy ao amin’ny fahasoavany hanoa sy hiazona ny Tenin’Andriamanitra ho fahavelomana sy fiainana. Ka tsy ho mora havilin’ny fiainan’izao tontolo izao izay tena manao ny afany tokoa ankehitriny hahatonga ny olon’Andriamanitra hiala amin’ny fanompoana marina an’i Jesosy Kristy Tompontsika izany.
Hoy i Paoly ihany ao amin’ny 2Tim1 : 12 mampianatra ny Fiangonana tamin’izany vanim-potoana izany, no mampianatra antsika ihany koa hijoro ho vavolombelona ny amin’izay nampianarina sy nampinoana antsika : « Ary noho izany koa no iaretako izao zavatra izao ka tsy menatra aho satria fantatro izay inoako , ary matoky aho fa izy dia mitahiry izay zavatra natolotro ho Azy mandrapiavin’izay andro izay . Tano amin’ny finoana sy ny fitiavana ao amin’ny Kristy Jesosy ny mariky ny teny tsy misy kilema izay efa renareo tamiko ».
Izao androntsika ankehitriny izao koa dia miteny amintsika toy izany koa ny Tenin’Andriamanitra, ny hiazonantsika ny Tenin’Andriamanitra izay mahasalama sy mahavelona tokoa, lazain’i Paoly eto hoe : « teny tsy misy kilema ». Izany Tenin’Andriamanitra izany no hany hahitantsika ny voninahitr’Andriamanitra izay tia antsika, ny voninahitr’Andriamanitra izay miahy sy momba antsika , izay manambara ny lalana hizorantsika manoloana ny ady sarotra iainantsiaka Fiangonana koa ankehitriny. Mandalo izany ady sarotra izany ny Fiangonana izay hita tamin’ny nanoratan’i Joda izany, ny fampianaran-diso tamin’izany vanim-potoana izany, antsoina hoe : « antinomisme » izay efa nitera-doza teo amin’ny Fiangonana izay nampianatra ny finoana kristiana ho afaka amin’ny fitandremana ny lalàna noho ny firaisany amin’Andriamanitra, fampianarana izay manohitra ny lalàna na ny rafitra izay nifampitaizana tao amin’ny Fiangonana tamin’izany vanim-potoana izany, ka hahatonga ny Fiangonana ho toy ny fanjakan’ny Baroa. Ary dia mbola hita tamin’izany ihany koa ny fampianarana izay nentin’ny fampianarana libertina tamin’izany vanim-potoana izany, ka izay kendrena ny amin’ny fampianaran-diso tamin’izany dia ny fampitahorana ny olona, ny hampiala ny olona amin’ny Fiangonana. Ao ihany koa ny fampianaran-diso izay hahatonga ny olona tsy hiaina araka izay kendren’Andriamanitra fa hanohitra ny Tenin’Andriamanitra ka hahalasa ny Fiangonana ho fanjakan’ny Baroa.
Ity dia mampitandrina antsika zanaky ny Fifohazana ankehitriny ity fampianarana ity , fa matetika isika dia milaza ny hoe : eo ambany fitarihan’ny Fanahy Masina ka manao tsinotsinona ny rafitra , eny ny boky manga aza dia heverintsika tsinotsinona, izay mandrafitra ny asantsika zanaky ny Fifohazana, fa hoentin’ny fanahy sy tarihin’ny fanahy hono isika. Mampitandrina antsika izany ny amin’ireto fampianarana maro ihany koa izay efa nisy tamin’ny nanoratanan’i Joda izay nampianatra ny Fiangonana tsy handeha amin’izay fanohavana ny Tenin’Andriamanitra fa handehanana ny amin’ny fanoherana ny Tenin’Andriamanitra izany fampianarana izany.
Mampitandrina fatratra ny amin’ireo olona misoloky ny anaram-pivavahana ho enti-mampianatra ny tsy fahamasinana rehetra ny Epistily. Ary raha jerentsika ny andininy faha 5, 6, 7 dia ny ao amin’ny fampitandremana ataon’i Joda dia naka fanazavana ny amin’ireo olona ratsy fanahy voalazan’ny Testamenta Taloha izy : ny finoan’Israely tany an’efitra, ny mponina tao Sodoma, ny anjely nihetry, ary hitantsika amin’ny andininy faha 11 fa nampitahaina tamin’i Kaina mpialona ny rahalahiny, mpiodina ary Balama mpampianatra sandoka (Joda : 5, 6, 7). Izay amerenan’ny Tenin’Andriamanitra ny olona ny amin’izay lalana am-pomban’Andriamanitra , ny amin’ny fikendreny sy ny fikasany. Fa Andriamanitra ihany koa izay tonga amin’ny fahatezerana , ny amin’izay tsy manaiky Azy ny amin’ny Teniny izany.
Raha ny teksta anjarantsika dia izay efa nolazain’Paoly teo aloha ny hoe : « fantatro izay inoako », io no fikendrena, fanorenam-pinoana momban’ny famonjena. Amin’izao andininy faha 17 anjarantsika izao dia mandray ny andininy faha 3 ery aloha, mivaky toy izao amin’ny anaran’i Jesosy : « Ry malala, raha manao izay zotom-po rehetra hanoratra aminareo aho hilaza ny amin’ny famonjena iombonantsika , dia nisy nahatery ahy hanoratra aminareo , hananatra mba hiezahanareo mafy hiaro ny finoana izay efa voatolotra in-dray mandeha monja ho an’ny olona masina ». Fanorenam-pinoana no anjarantsika eto, ka izany dia fanorenam-pinoana indrindra ny amin’izay anantsika an’Andriamanitra ny amin’ny Teniny sy ny asan’ny Fanahiny ihany koa izany. Satria mahazo vahana haingana eo amin’ny Fiangonana ireo mpaminany sandoka sy mpilaza lainga ireo , mahazo vahana ao amin’ny Fiangonana ireo mpaka an-keriny ihany koa, mpanao sinto-mahery antsika zanak’Andriamanitra ka hiala amin’ny fanompoana marina an’i Jesosy Kristy.
Ny fanorenam-pinoana velarin’i Joda araka ny Perikopa eto ary dia mifototra amin’ny asan’Andriamanitra amin’ny Fanahiny izay niteraka antsika indray ho olom-baovao, ka sady mandray ny herim-pahasoavana ao amin’Andriamanitra anatanterahany ny sitrapony ao anatin’izany isika no mandray hery ihany koa hanoherana ny velam-pandrika ataon’ilay ratsy dia ny devoly izany. Io tena lazainy ao amin’ny andininy 19 sy 20, ny amin’ny herin’Andriamanitra Tsitoha izay ampombany antsika ny amin’ny Fanahiny ka hijoroantsika koa ny amin’ny asan’Andriamanitra velona ao amintsika, hanoherantsika ny asan’ny nofo : « Ireo no mahatonga fisarahana, dia olona araka ny nofo ihany,fa tsy manana ny Fanahy . Fa ianareo kosa ry malala, dia ataovy izay handrosoanareo amin’ny finoanareo masina indrindra, ka mivavaha ao amin’ny Fanahy Masina ».
Ka izay tiana ambara eto indrindra dia izay amerenan’Andriamanitra ny olom-boahantso ny amin’ny fiantsoana fototra dia ny Batisa masina izany , ary ao amin’izany Batisa masina izany koa no hiterahan’Andriamanitra antsika indray ho vaovao eo anatrehany izany. Io no ahariharin’i Joda eto amin’ity teksta ity . Ka ny lazain’i Paoly hoe : nofo dia izao : isika tena, saina, fanahy, amin’ny maha olombelona mpanota , ka ny tena sy saina ary fanahintsika mirona mandrakariva amin’ny filana, amin’ny fitiavan-tena, amin’ny fanadinoana an’Andriamanitra. Io no tondroana hoe : olona araka ny nofona Adama ela izany. Teo amin’ny Batisa isika no nateraka indray ka teraka tamin’izany koa ny olona vaovao ao anatintsika ao izay naterak’Andriamanitra noho ny fahasoavany lehibe, noho ny famindrapony lehibe. Io olona vaovao io dia manaiky ny feon’ny Fanahin’Andriamanitra, mino sy matoky ny famonjena vitan’i Jesosy. Ny olona vaovao dia miandany amin’i Jesosy, miandany amin’ny olon’Andriamanitra rehetra ka mandà sy manohitra ny fakam-panahy ataon’ny devoly, manohitra ny filan’ny nofo ary manohitra ny fampianaran-diso rehetra. Ary izany olona vaovao izany no olona izay mijoro ny amin’izay nampianarana azy sy izay nampinoana azy koa. Gal 5 : 19-21 : no ilazan’i Paoly hoe : « Fa miharihary ny asan’ny nofo dia izao : fijangajangana, fahalotoana, fijejojejoana,fanompoan-tsampy, fanaovana ody ratsy, fandrafiana, fifandirana, adilahy, fiafonafonana, fifampiandaniana, fisarahana, fitokoana,fialonana, fahamamoana, filalaovan-dratsy, ary ny toy izany , izay lazaiko aminareo rahateo, tahaka ny voalazako fahiny koa, fa izay manao izany dia tsy handova ny fanjakan’Andriamanitra .» Dia tanisain’i Paoly koa ireo vokatry ny Fanahy : izay tsara, madio, ankasitrahan’Andriamanitra ary tiany hiseho eo amin’ny fiainantsika. Vokatry ny Fanahy izay mitondra aina, fiadanana, fifaliana, mitondra rivotra madio eo amin’ny fiarahamonina ka mahatonga antsika ho tena fanasina sy fahazavana eto amin’izao tontolo izao. Hoy ihany Paoly ao amin’ny Gal 5 : 22-24 : « Fa ny vokatry ny Fanahy kosa dia fitiavana, fifaliana, fiadanana, fahari-po, fahamoram-panahy, fanaovan-tsoa, fahalemem-panahy, fahononam-po ; tsy misy lalàna manohitra izany. Fa izay an’i Kristy Jesosy dia efa nanombo ny nofony mbamin’ny faniriany sy ny filany tamin’ny hazofijaliana ». Fa ny mandeha araka ny Fanahy dia ny miazona sy manaiky ny tenin’i Jesosy, ny mandresy ny filan’ny nofo amin’ny fiambenana, ny fibebahana, ny fahazotoana mihaino sy mankato ny tenin’Andriamanitra, ny tsy manao tsirambina ny fiasana izay efa nomen’Andriamanitra hampahery antsika.
Inona izany fiasana nomen’Andriamanitra hampahery antsika izany ?
Ny fiaraha-mivory izany, ny fahatsiarovana mandrakariva ny maha olom-boafidy antsika mandrakariva izany : izay lazaina ho fiaraha- mivory eto dia ny fiombonan’ny olona masina, ny amin’ny fifanompoana main’ny fifankatiavana, izay kendrena indrindra dia izany. Izay maneho ny amin’ny maha olon’Andriamanitra voavidin’ny ràn’i’ Jesosy ka mandositra ny fahalovana eto amin’ity izao tontolo izao ity. Ka izay olona mandray ny Fanahy Masina dia olona miazona an’Andriamanitra ny amin’ny Teniny ka tsy mety ho fitaovan’i satana hitondra fahalovana ny amin’ny maha zanak’Andriamanitra izany. Ary isika zanaky ny Fifohazana dia hangataka amin’Andriamanitra mandrakariva, ka tokony hanontany tena mandrakariva koa fa sao dia efa fitaovana aho hitondra fahalovana ao amin’ny fanompoana an’i Jesosy, sy hitondra fahalovana koa ny amin’ny asan’i Jesosy koa, fitaovana hahatonga ny olona tsy hanana firaisana amin’i Jesosy Kristy Tompontsika izany.
Ny mandeha araka ny Fanahy dia mandeha araka ny fitiavana ka raha izao teksta anjarantsika izao dia ity no ivony, izay tian’i Joda hiainan’ny Fiangonana izay anoratany ny Epistily dia ity fiainana ny fitiavana ho an’ny olom-boahantso ity izany. Jerentsika ny andininy faha 21 hatramin’ny 23 fa ao anatin’izany fitiavan’Andriamanitra izany no isehoan’ny famindrapony ka ihanoan’Andriamanitra ny vavaka ataontsika, ary azahoana koa famelan-keloka eo anatrehan’Andriamanitra : « Ary tehirizo ny tenanareo ao amin’ny fitiavan’Andriamanitra, miandry ny famindrapon’i Jesosy Kristy Tompontsika ho fiainana mandrakizay. Ary hamindrao fo ny sasany izay miahanahana ; ary ny sasany sariho avy amin’ny afo ho famonjena azy ; ary ny sany indray hamindrao fo amin-tahotra, ka mankahalà na dia ny akanjo voapentimpetin’ny nofo aza ». Tsy ny fitiavana araka izao tontolo izao izay tsy mahalala an’Andriamanitra no lazaina eto fa ny fitiavana izay nitiavan’i Jesosy Kristy antsika araka ny teny hoe : « Aoka ho tahaka ny nitiavako anareo no mba hifankatiavanareo kosa, izany no ahafantaran’ny olona rehetra fa mpianatro ianareo raha mifankatia ». Izay ampianarin’Andriamanitra antsika ankehitriny ry havana, ny amin’ny asan’ny Fanahy dia ny fiverenantsika zanaky ny Fifohazana amin’ny fitiavana voalohany. Miantso antsika amin’izany ny Tenin’Andriamanitra ankehitriny ry havana, ny amin’ny fitiavana voalohany , fa amin’izany fitiavan’Andriamanitra izany no andraisantsika koa ny famindrapo avy aminy, izay mahaaro koa ny fiainantsika na dia ao anatin’ny horohoro sy tahotra aza isika ry havana .Ao amin’izany fitiavana izany ihany koa hihainoan’Andriamanitra ny vavaka sy fitarainana ataontsika, ka izao ny Epistily Joda eto dia manambara indrindra ny hiazonantsika an’Andriamanitra ny amin’ny fahamarinany izay tia antsika ka hanangonantsika ihany koa ny amin’ny fibebahana amin’Andriamanitra marina eo amin’ny fiainantsika isan’andro.
Ka ao anatrehan’izany fibebahana izany sy ao anatrehan’izany fandraisantsika ny herin’ny Fanahy Masina eo amin’ny fiainana, noho ny fanohavantsika ny Tenin’Andriamanitra izany, dia tsarovy ry havana, omen’Andriamanitra hery amin’izany koa isika, ny ahazantsika handositra sy hanohitra ny asan’i satana, ary izao ny fanevantsika ny amin’ity Isantaonan’ny Tobilehibe Ankaramalaza ity dia mazava indrindra ny lazaina ato amin’ny Apok 3 : 5a : « izay maharesy dia hitafy lamba fotsy tahaka ireo koa, ary tsy hamono ny anarany eo amin’ny bokin’ny fiainana tokoa Aho ». Miantso fiainam-pandresena ho antsika zanaky ny Fifohazana ry havana izao fanevantsika izao, ka izany fiainam-pandresena izany dia miompana amin’ny herin’ny Fanahy Masina izay nomen’Andriamanitra antsika ao amin’ny fitiavana an’Andriamanitra sy fanohavana ny Teniny, sy ny fanohavana ny anjara asa izay niantsoana antsika tsirairay no fahatanterahan’izany hery izany ho antsika. Koa dia fianam-pandresena ao anatin’ny fiainan’ny faneken’ny Batisa, izany no fiainan’ny Kristiana marina. Ka ny fiainatsika ao anatin’ny fanohavana ny faneken’ny Batisa dia hametraka antsika mandrakariva ny hanao lohalaharana an’Andriamanitra sy ny fitiavana Azy ny amin’ny Teniny ka lazaina hoe : miverina amin’ny fitiavana voalohany ary izany no takiana amintsika. Miantso antsika ny amin’izany Tompo eto ry havana, ny amin’ny fiainana ny Tenin’Andriamanitra, izany no fiainan’ny olona mandresy ka mitafy ny lamba fotsy izay takian’ny Tenin’Andriaamnitra ho antsika eto.
Voninahitra ho an’Andriamanitra Ray sy Zanaka ary Fanahy Masina izay Azy hatramin’ny taloha indrindra ka ho Azy mandrakizay.
AMEN
Share