ASA MISIONA IVELANY

Ny Asa Misiona any Ivelany (A.M.I.) izany dia Programa iray ao amin’ny Fiangonana Loterana Malagasy izay mitory Filazantsara any ivelan’i Madagasikara amin’ny tany vitsy kristiana sy amin’ny firenena efa kristiana nefa mangatsiaka ankehitriny.

IREO TOERANA ANATANTERAHAN’NY AMI NY ASANY

  • TANZANIE
  • NOUVELLE GUINEE
  • BANGLADESH
  • COMORES
  • MAURICE
  • SEYCHELLES
Fandorana ody taorian’ny fanaovam-batisa

FANAPAHAN-KEVITRA

*1- Ny KMSL faha-134 tany Toliara dia nanapa-kevitra fa amin’ny fivoriana iombonana isan’ambaratonga rehetra ato amin’ny FLM Isan-droavolana, Isan-telovolana, Isan-taona, Zaikakely, Zaikabe, ary ny Isan-taona amin’ny Tobi-pifohazana rehetra  dia hanao rakitra ho fanohanana ny asa fitoriana Filazantsara any ivelan’i Madagasikara.

*2- Misy koa ny Sakaizan’ny Asa Misiona izay mivavaka sy manohana izany Asa Misiona any ivelany izany. Misy Karatra zaraina ho an’ny Sakaiza rehetra. *

*3- Tapaky ny KMSL faha 135 tany Toamasina fa ny Fiangonana isan’ambaratonga dia antsoina mba hanana Masoivoho (tendrena na manolon-tena an-tsitrapo): hifandray amin’ny Mpandrindra, hanentana amin’ny fivoriana, ary handefa ny vola mivantana any amin’ny Mpandrindra.

FAMPIRISIHANA

Jesosy manantena anao ho mpiara-miasa Aminy ka aza manda na manamafy fo. Inona moa izaho sy ianao nefa tiany!

Jesosy manantena ny fanoavanao sy ny fitiavanao Azy. *Tsaroanao koa ve fa saika ho very mandrakizay isika raha tsy nisy nitondra Filazantsara teto amintsika?  Andao isika fa anjarantsika koa izao ny mitondra izany Filazantsara izany. *Raha manao ny an’Andriamanitra ho lohalaharana isika vao ny antsika dia ho fitahiana lehibe avy ao amin’ny tenantsika tsirairay izany, ny isam-baravarana ary ny firenentsika manontolo. *Ho fitahiana ho an’ny firenana rehetra i Madagasikara.