FLF (Foibe Loterana momba ny Fifandraisana)

Ny Foibe Loterana momba ny Fifandraisana (FLF) dia sampan-draharaha iray ao amin’ny Fiangonana Loterana Malagasy (FLM) izay hita ao Andranomadio Antsirabe.

TANTARANY

Radio Feon’ny Filazantsara (RFF) io no anarana voalohany izay nampitondrana ny soritr’asa ary niara-naorina taminy koa ny Foibe tany Addis-Abeba,Etiopia, satry avy tany no nanorenana ny milina fandefasam-peo sy ny Foiben’ny RFF rehetra manerana an’i Afrika sy Inde. Notokanana tamin’ny fomba ofisialy ny faha 18 Novambra 1962 ny Foibe teto Antsirabe, ny andro nandrenesana voalohany ny fandaharana kosa dia ny 26 Febroary 1963.Tamin’ny Taona 1985 dia tsapan’ny FLM fa tokony hitatra kokoa ny asan’ny RFF ka novana ho FOIBE LOTERANA momba ny FIFANDRAISANA ny anarany.

VOKATRY NY FLF

  • Fampiofanana sy Fampianarana Soratra Masina
  • Mozika
  • Informatique
  • Fitenim-pirenena (English,Français,Japonais,ary Allemand)

Te hahafantatra azy bebe kokoa, tsidiho ny tranokalan’ny FLF: www.flm-rff.org