SALOMA (Sekoly Alahady LOterana MAlagasy)

Tantara ny niandohan’ny sekoly alahady tato amin’ny FLM

Hatramin’ny  fotoana nahatongavan’ireo Misionera dia tsy nitsahatra izy ireo no nampianatra Soratra Masina ny ankizy saingy ny hita taratra dia ny fananganana sekoly no tena nimasoan’izy ireo, mba hahamora ny fampitana ny fampianarana ny ankizy hahay mamaky teny sy manoratra. Tao am-piangonana anefa no nanantanterahana izany. Hoy indrindra ny voalazan’i Dr Borchgrevink rehefa namangy ny fiangonana tany atsimo izy: “iankinana’ny lalana rehetra  ny fahaizana mamaky teny sy ny manoratra, ka dia toy izao no mety atao amin’izany.

  1. Ny mpampianatra tsy maintsy manaraka fitsipika tsara,izay arahina amin’ny renim-piangonana ny amin’ny fampianarana vakinteny.
  2. Tsy maintsy ataon’ny mpampianatra ny handahatra ny mpianany ho kilasy samihafa araka ny fahaizany.
  3. Indray mandeha na indroa isan-taona tokony hisy fanadinana.
  4. Holazaina any amin’ny isanenim-bolana ho avy ny fiangonana izay manana sekoly mahavaky teny sy ny isany (marihina fa ny trano fiangonana matetika no natao trano sekoly).

Hita ihany koa tamin’ny lahateny nataon-dRazafimanantsoa kolejy faharoa tamin’ny isan’enim-bolana tany Fianarantsoa, 2 May1890,ny amin’ny raharahan’ny mpampianatra,dia ny hiahy ny tenan’ny mpianatra mba ho salama, ny hitarika ny sainy mba ho hendry , ary hamonjy ny fanahiny izay tena fotony indrindra. Hitarika azy hanatona ny Mpamonjy mba hahazoany ilay fahendrena no voalohany, dia fahatahorana an’iJehovah amin’ny fanajana sy ny hena-maso marina, toy ny zanaka manoa ray aman-dreny; ary ho zanak’Andriamanitra handraisany famelan-keloka, handovany fiainana mandrakizay. Nisy ihany anefa ny kilema araka ny voalazan’iBorchgrevink : “Ny fampianarana ny tantara avy amin’ny Soratra Masina dia tsy tanteraka, fa teksta vitsy foana no vitan’ny sasany, ny vakiteny koa.”

  • Ny Sekoly Alahady tamin’ny taona 1916.

Tamin’ny taona 1916, dia namoaka boky mirakitra ny fomba fanampiana avy amin’ny terantany sy ny fitantanam-piangonana eto Madagasikara i L.Meling izay nilaza ny mampiavaka ny Sekoly Alahadintsika, dia ny fisiany fampianarana indroa isan-kerinandro (Ny Alahady sy ny Alakamisy), ary koa ny fisian’ireo mpampianatra mbola tanora izay miandraikitra ny ankizy madinika. Ny zavatra ampianarina dia ny tantaran’ny Baiboly, ny katekisma famakiana sy fianarana ny Baiboly, ary hira. Ary rehefa nojerena ireo rejistry ny fiangonana dia ny fikambanam-behivavy no nandray anjara betsaka tamin’ny fanentanana sy fanetsiketsehana ny Sekoly Alahady tamin’izany.

  • Ny gazetin’ny Sekoly Alahady voalohany

Nahatsinjo izany ny koferansan’ny Misionera teto ampovoatany fa ny Sekoly Alahady no taniketsan’ny fiangonana. Toa tongatonga ho azy eo am-bavantsika izany ka rariny ny iarahantsika miredona hoe: “Ny Sekoly alahady vanona no iankinan’ny ho toetry ny Fiangonana any aoriana.” Ary dia nanapa-kevitra izy ireo tmin’ny Marsa 1935 ny amoahana ny gazetin’ny ankizy. Navoaka voalohany tamin’ny 24 avril 1936 ny gazety voalohany, natontan’ny “imprimerie de la mission Norvegienne” tao Antananarivo, daty malaza tena dian-tongotr’i Kristy eo amin’ny Sekoly Alahady Malagasy. Nahitana toriteny tsotra,tantara,poezy, hira misy solfa, ankamatatra antonona ny ankizy, eny fa na dia pejy efatra monja aza ilay gazety. Navoaka in-droa isam-bolana, ary nampitondraina ny lohanteny hoe: “Sekoly Alahady.”

  • Ireo boky Sekoly Alahady voarafitra tsara.

Teo aloha dia saika ny Pastora sy ny Katekista no niandraikitra ny fampianarana Sekoly Alahady,indrindra tany ambanivohitra. Ka matetika ny katekista iray dia manana mpianatra hatrany amin’ny 80 ny isany. Mbola hita taratra  amin’ny fiangonana sasany izany ankehitriny.Tamin’ny taona1961, dia voatendry ho tonian’ny Sekoly Alahady voalohany i Mademoiselle Constance Lovaas, Misionera Amerikana tao Ambovombe. Ary dia nametraka fomba fiasa maty paika avy hatrany izy:            Hiomana tsara ny mpampianatra mba tsy hanolotra sakafo mata ho an’ny ankizy.

  • Hanaja fotoana mandrakariva ny mpampianatra.
  • Aoka ho fantatry ny ankizy fa tia azy ny mpampianatra. Raha tsy izany dia tsy hisy vokatra.
  • Hivavaka ho an’ny asa, indrindra fa ho an’ny tenany sy ho an’ny ankizy mpampianatra.
  • Ho voazara kilasy maromaro araka ny taonany ny mpianatra,araka izay atao amin’ny isan-toerana.

Ny zavatra kendrena amin’izany dia ny hitaona ny ankizy hahalala an’I Jesosy Mpamonjy,hanazatra azy hamaky ny Soratra Masina sy ho tia vavaka ary hitarika ny fo amam-panahy hahatsiaro fa vavolombelon’iJesosy Kristy izy ireo, na dia mbola madinika aza.

  • Ireo bokin’ny Sekoly Alahady.

Ny tamin’ny taona 1960 dia ireto: 

  • Tonga Jesosy ilay malalako.(Cours preparatoire)
  • Avia hanaraka ahy (Cours elementaire)

Ny tamin’ny taona 1961:                  

  • Jesosy no mpamonjiko.
  • Izaho no nifidy anareo.

Ny tamin’ny taona1962 : Ny lalana tsara.

Ny tamin’ny taona1963:  Ny feon’ny Raiko.

Nanao antso avo tamin’ny alalan’ny konferansan’ny tanora Loterana izy mba handray anjara amin’ny fampianarana Sekoly Alahady ny tanora kristiana rehetra isam-piangonana,fa tsy ankinina amin’ny Pastora sy ny Katekista irery intsony izany. Tamin’ny 1963 dia navoaka koa ny boky fianarana mampianatra Sekoly Alahady, ka nolazain’i Mlle Lovaas fa hasondrotra ankehitriny ny fampianarana Sekoly Alahady: boky vaovao mahafinaritra sy misy toro-hevitra manokana ho an’ny mpampianatra izay iantsoana ny tanora sy ny olon-kafa manam-pahaizana, mba ho azo zaraina araka ny ambaratongam-pampianarana samihafa ny ankizy, hizarana amin’ny lafiny ara-pedagojia sy ara-psykolojia, ary fakafakaina ho fantatry ny ny mpampianatra tsara ny foto-kevitra hampianariny.

  • Ny sakaizan’ny Sekoly Alahady:

Nanampy izany dia nijoro ihany koa ny atao hoe:”Sakaizan’ny Sekoly Alahady” tamin’ny taona 1964. Araka ny lahantsoratra navoakan-dRamatoa Razanamalala Esther tao amin’ny mpamangy tamin’ny 1964. Haorina isam-piangonana izany, ka ny mambra ao anatiny dia ny mpampianatra Sekoly Alahady sy ny olona tia ny fanokoloana ny ankizy madinika, ara-tena sy ara-panahy. Ny zava-kendrena dia hikaroka hevitra sy hanampy ara-tsaina sy ara-bola hahatanteraka ny fampandrosoana ny Sekoly Alahady isam-piangonana, toy ny fiasana ilaina Boky, gazety. Ny fomba fiasa dia manangana birao izay mampivory indray na indroa isam-bolana, ary mifandray amin’ny komitin’ny Sekoly Alahady (KOSA) ao amin’ny FLM.

Ireo Tonia nitondra ny Sampana Sekoly Alahady

  •  1961-1964: Mlle Constance Lovaas.
  •  1964-1969: Mlle Tordis Sandvik.
  •  1969-1972: Mlle Eldrid Aamland.
  •  1972- 1976: Mlle Tordis Sandvik.
  •  1976-1980: Past Ola Sandland.
  • 1980-1984: Past Sigmund Edland.
  • 1984-1992: Past Soavy Jean Noel.
  • 1992-2014: Past Rajoma Tsimbazafy.
  • 2014: Past Andriamiandra Noel Rasolofompanorenana

Ireo boky ampiasain’ny Sekoly Alahady

Mbola ireo boky nampiasaina tamin’ny andron’iMlle Lovaas no ampiasaina amin’izao dia misy ihany anefa ny ezaka  hampandroso satria efa niampy ireoboky ireo toy ny :

  • Fanilon’ny tongotro: kilasy D.
  • Inty no lalana ka andehano: kilasy E.
  • Tomoera Amiko: kilasy F.
  • Miorena tsara: kilasy olon-dehibe.

Ireo fivorian’ny sampana Sekoly Alahady

Teo aloha dia tsy mbola nisy ny Zaikaben’ny sampana, fa ny natao nandritra ny fotoana maro dia ny lasy ho fampiofanana ireo mpampianatra sekoly Alahady manerana ny sahn’ny FLM. Ka aùin’ny fotoana izany no anomezana azy ireo fiofanana, toy ny ny psykolojian’ny ankizy. Misy ihany koa ny fampianarana ny toetra mahampanabe ny mpampianatra, manana faharetana,manaja ny fotoana fanomboana sy ny firavana, mahafehy tena eo amin’ny fiteny sy fihetsika,manana fahefana (entitra fa tsy mora misandaotra).

Mihamaro hatrany ny isan’ny ankizy ao amin’ny fiangonana,ary matetika aza dia tsy ampy ny kristiana manolo-tena hampianatra, ka mbola mila fanentanana lehibe ary koa mila fanofanana ireo mpampianatra Sekoly Alahady ireo mba ho tena taniketsan’ny fiangonana tokoa ny Sekoly Alahady.

Ny taona 2019 no nanomboka ny Zaikabe voalohany izay natao tao Fianarantsoa.

Ny maha-sampam-pikambanana fototra ny saloma ato amin’ny FLM

Hita taratra teo ny maha taniketsan’ny fiangonana ny Sekoly Alahady fa raha mijery ny tantara teo koa isika dia fantatra fa ny fitoriana ny filazantsara dia niainga tamin’ny fampianarana mamaky teny sy manoratra ka nanomboka tamin’ny fitaizana ireo madinika ny nimasoan’ireo Ray amandReny tany aloha toy ny nataon’i Lotera nanampy ny fiangonana sy namporisika azy ireo ka nanao ny foto-pianarana lehibe sy ny kely. Mbola  notohizan’ireo misionera izay nitondra ny filazantsara taty Madagasikara ihany koa izany ka natomboka tao am-piangonana ny fanorenana ny Sekoly izay vao voarain’ny fanjakana,ary ny tena manaitra aza dia avy amin’ny fitoriana ny filazantsara no nahazoana izao teny Malagasy izao.

Raha ny amin’ny Fiangonana misy ankehitriny kosa no jerena dia maro ireo sampam-pikambanana hita ao amin’ny Fiangonana fa tsy mbola misy io Sekoly io fa ny sampana Sekoly Alahady ihany no ahitana io, ary dia hita fa tena mianatra tokoa ny Soratra Masina raha ampitahaina amin’ny sampana tanora izay variana tokoa amin’ny hira fa tsy manome toerana ny fianarana Soratra Masina. Ny Sekoly Alahady ihany koa mba mihira fatsy natao ho tena anton-javatra fa avela amin’ny maha hira azy.

Tsara ho fantatra  fa ny  fivoaran’ny asa aterakin’ny fampianarana Sekoly Alahady ao am-piangonana na eo amin’ny fiainam-pinoan’ny Fiangonana na eo amin’ny ho aviny ary ny zaza voataiza amin’ny Sekoly Alahady dia antoky ny faharetan’ny Fiangonana eny hatramin’ny firenena koa aza

Ny Sekoly Alahady dia tsy voafetran’ny taona sy ny maha-lahy sy vavy sy ny saranga , sy ny andrikitra ary ny sokajin’olona isan-karazany. Afaka milatsaka ho mpampianatra na ho mpianatra ny rehetra ka mangetaheta hianatra Soratra Masina sy ho mpampianatra, fa io no ahazoany laika rehetra sehatra hampianatra Soratra Masina. Fototra ihany koa izy satria voafepetra tsara ao amin’ny fanaovana Batisa izay mahatonga ny kristiana ho nateraka indray ho zanak’Andriamanitra sy ny fepetra  amin’ny ahazoan’io zaza io fianarana mba ahalalany ny Soratra Masina ka ny tena maha-kristiana dia ny Batisa. Ny nahatonga an’i Jesosy nametra-panontaniana tamin’iPetera hoe: “Moa tia ahy va ianao?” (Jao. 21:16). Nanaiky Petera ka nomena andrikitra amin’ny famahanana ny ondrikely.

Ny endrim-pitaizana ao anatin’izany fianarana Sekoly Alahady izany

Ny mpampianatra dia ilaina ahalala ireto zavatra dimy (5) ireto  ary ho ampianariny ny ankizy ihany koa:

  1. Mampahafantatra ny ankizy ny maha mpanota azy eo anatrehan’Andriamanitra (Rom 3.10-12,23).
  2. Manondro an’I Jesosy Kristy ho any lalana iray tokana hahazoan’ny mpanota famelan-keloka sy fanamarinana (Rom 3.21-22).
  3. Hitaiza ny ankizy amin’ny fahalalana ny hasarobidin’ny Batisa maha-zanak’Andriamanitra azy.
  4. Mananatra ny ankizy handinika Soratra Masina sy hivavaka hitomboana amin’ny toe-panahy araka an’Andriamanitra.
  5. Mitarika ny ankizy hanolotra ny ny tenany sy ny fony ho an’i Jesosy noho ny finoany azy,ka hahaizany hijoro ho vavolombelon’i Kristy amin’ny fiainany manontolo.

Ny fampiharana izany amin’ny fampianarana ataony no ahitany ny fandrosoana sy hampahavokatra ny asany, izay ho hita eo amin’ny fiainan’ny ankizy.

Tsara ho fantatry ny mpampianatra:

Tsy ampy ny mamory zaza ka mampianatra azy ny tantara sy ny tsianjery, Raha tsy hitany amin’ny fiainany andavanandro ny lesona ianarany ao Amin’ny Sekoly Alahady

Raha tena mpampianatra marina dia tsy maintsy miomana tsara amin’ny lesona ampianarina mba ahazoany manolotra zavatra tandrify ny fiainan’ny zaza.Tsy tokony hisy ny mpampianatra hieritreritra fa zavatra mora  ny fampianarana Sekoly Alahady, asa sarotra io ka mila fiomanana  isanandro. Ny mpampianatra izay mihevitra ny tenany fa ho mahay ka tsy te-hiomana intsony dia tsy tokony hampianatra. Ny mpampianatra dia tokony hazoto mamaky ny Baiboly sy ny boky hafa koa . Tamin’ny andron’iMlle Lovaas Tonia Sekoly Alahady Loterana voalohany no nametraka fomba maty paika hampianarana ny Sekoly Alahady.

  • Fampianarana hivavaka (Mat.6.5-15).
  • Famporisihana haharitra amin’ny vavaka (Lio 18.1).
  • Famporisihan’i Paoly hivavaka tsy hitsahatra (1 Tes 5.17).
  • Faharetana mivavaka (Kol 4.2, Fil 4.6).