KTLM (Kristiana Tanora Loterana Malagasy)

Miorina efa ho an-taonany maro eto anivon’ny Fiangonana Loterana Malagasy ny Sampam-pikambanana miandraikitra ny fanabeazana sy fitaizana ary fitoriana ny Filazantsara amin’ny Tanora, antsoina hoe: Kristiana Tanora Loterana Malagasy na K.T.L.M., araka ny hitsivolana Laharana 60.133 tamin’ny Oktobra 1960. Ireo Tanora vita Batisa sy efa mpandray ny fanasan’ny Tompo na mbola tsy mpandray ny fanasan’ny Tompo, tsy manavaka fihaviana na firazanana, ary tsy mijery fihodirana na fahasembanana no mpikambana ao anatin’izany. Izany hoe hatreo amin’ny faha 14 taonan’ny tanora no hidirany ao anatin’izany sampam-pikambanana izany, satria io no fe-taona voatendrin’ny Fiangonana hianarany konfirmasiona. Ny tanora efa manana tokantrano, dia mbola anisan’ireo mpikambana ao anatin’izany fikambanana izany.

            Ny Fikambanan’ny Kristiana Tanora Loterana Malagasy manerana ny sahan’ny F.L.M, izay hita eo amin’ny sehatry ny Fiangonana, Fitandramana, Fileovana, Synodam-Paritany ary manaraka sy mino ny fotom-pinoan’ny F.L.M, no mahatonga ny FIRAISAN’NY KRISTIANA TANORA LOTERANA MALAGASY na ny F.K.T.L.M., izay manana ny foibeny eny amin’ny ny Ivon-toerana Fampandrosoana ny Tanora (IFT/F.L.M. Sabotsy Namehana). Io toerana io dia an’ny SA.FA.FI. teo aloha, ary efa nisy trano naorin’izy ireo teo no nohavaozina ary efa vita tanteraka izany ankehitriny. Ny K.M.S.L. faha 102 izay nivory tany Vangaindrano ny volana May 1999, no nanolotra izany toerana izany ho an’ny F.K.T.L.M.

            Teo aloha, izany hoe ny taona 1960-1996, dia ny hoe Fikambanan’ny Kristiana Tanora Loterana Malagasy no niantsoana ity sampam-pikambanana F.K.T.L.M. ity, fa taorian’ny taona 1996 ka mandraka ankehitriny kosa, dia ny hoe Firaisan’ny Kristiana Tanora Loterana Malagasy. Ny fikendrena tao anatin’izany, dia ny hanindriana ilay tena fiombonana misy ao anatin’ny Kristiana Tanora isan-tSynodam-Paritany.

Tsy manao politika, tsy miandany amin’ny antoko politika, ary tsy tohanan’ny antoko politika ny F.K.T.L.M., araka ny sata fototra mifehy ny Fiangonana Loterana Malagasy.

Ao amin’ny K.T.L.M. no ivondronan’ireo Antoko mpihira (Chorale), kristiana tanora mpanao fanatanjahantena; mpanao asatànana, mpamorona sy mpahay zavakanto isakarazany, izany hoe, ireo kristiana tanora rehetra eo amin’ny ambaratongam-piangonana misy azy.

Ny hoe :Kristiana Tanora, dia izay tsy mialoha an’i Kristy mihitsy eo amin’ny fiainany, eo amin’ny fitondran-tenany, eo amin’ny asany rehetra. Mametraka an’i Kristy ho ivon’ny fiainany amin’ny fotoana rehetra, amin’ny toerana rehetra misy azy. Izany hoe Kristy no Tompony, ka ny didy sy ny sitrapon’i Kristy no hany ekeny sy arahany ary tanterahany.

Ny Sata sy Fototra Ijorony eo Anivon’ny Fiangonana Loterana

Ny F.K.T.L.M. dia sampam-pikambanana mirafitra ao amin’ny Fiangonana Loterana Malagasy (F.L.M.), manaiky sy mankato ireo ambaratongam-pahefana rehetra araka ny lalàm-panorenana sy ny fitsipika manankery ao amin’ny Sampam-pikambanana. Miombona ao anatin’ny soatoavin’ny Fiangonana Loterana Malagasy, dia ny Finoana irery ihany, Soratra Masina irery ihany, Fahasoavana irery ihany.

Ny tanora manaraka sy mino ny fotom-pinoan’ny Fiangonana Loterana Malagasy no azo lazaina ho K.T.L.M. izay mikambana ao anatin’ny F.K.T.L.M. Ao amin’ny hoe Kristiana Tanora, dia izay maha-izy azy ny tanora ao amin’ny Kristy izay no voalohan-javatra. Tsy ny fahatanorana no mibaiko sy mandahatra ny fiainana maha-kristiana, fa ny maha-kristiana kosa no mibaiko sy mandahatra ny fiainana maha-tanora azy.  Ny F.K.T.L.M. dia manana rafitra izay mifehy azy, koa zava-dehibe ny hamantarana izany rafitra eo anivon’ny F.K.T.L.M . izany.

Ny Rafitra eo anivon’ny F.K.T.L.M.

Amin’ny maha sampam-pikambanana mirafitra ao anatin’ny Fiangonana Loterana Malagasy ny F.K.T.L.M., dia tsy afa-misaraka amin’ny fankatoavana ireo rafitra misy eo anivon’io Fiangonana io izy. Tsy maintsy mankato ireo rafitra isan’ambaratonga, ny mpikambana tsirairay, ary miezaka manatanteraka ireo fikendrena rehetra heverin’ny ambaratonga ambony amin’ny fampandrosoana ny fitoriana ny Filazantsara.

Toy izao ny rafitra misy eo anivon’ny F.KT.L.M., izay tsy afa-misaka amin’ny rafitra misy eo anivon’ny Fiangonana Loterana Malagasy, satria sampana mirafitra ao aminy.

Ny K.T.L.M. dia manana Komity isan’ambaratongam-pahefana, izay mihevitra ny hampandrosoana tsara ny raharaham-pikambanana, toy ny fivoriana, famoriam-bola, ny fifandraisana samihafa, ny fandraisana anjara amin’ny fiangonana. Manana Birao sy fomba fiasa anatiny ny Komity. Ireo solon-tena avy amin’ny komity sy Birao ao amin’ny ambaratoga ambany, no mivondrona ho tonga komity eo amin’ny ambaratonga ambony. Ny fitsipika anatiny no mametra ny isan’ny olona afaka miditra ao anatin’izany.

Ny soritr’asa nofaritan’ny K.T.L.M. eo amin’ny ambaratongam-pahefana ambony no fototra iaingan’ny K.T.L.M. isan’ambaratongany, rehefa mamaritra ny asa hotanterahina izy. Tafiditra ao anatin’izany ny vinan’ny F.L.M., amin’izay anjara manandrify azy.

Ny K.T.L.M. isan’ambaratongany, dia manana ny fitsipika izay entin’izy ireo, ho fampandrosoana ny asany, kanefa tsy mifanipaka amin’ny fitsipika anatiny eo amin’ny K.T.L.M. eo amin’ny ambaratonga amboniny sy ny fitsipikin’ny F.K.T.L.M. izany.

Marihina etoana fa miara-miasa amin’ny fikambanana hafa ato amin’ny sehatry ny F.L.M. ny K.T.L.M., ary ireo fikambanana kristiana tanora ao amin’ny fiangonana hafa (F.F.P.M., F.F.K.M.), ary koa ireo fikambanana tanora hafa, ka tsy mifanohitra amin’ny lalam-panorenan’ny F.L.M. 

Ny F.K.T.L.M. dia manana andraikitra lehibe tokoa amin’ny fitaizana ara-pinoana ny tanora eo anivon’ny Fiangonana Loterana Malagasy, mba ho tonga olom-banona ho reharehan’ny firenena.

Ny Andraikitry ny F.K.T.L.M.

Anisan’ny vaindohan-draharaha lehibe sahanin’ny F.K.T.L.M. ny mitaiza ny tanora amin’ny maha olombelona feno azy (saina, tena, fanahy) amin’ny alalan’ny fampianarana Soratra Masina, fampiofanana maro samihafa manoloana ny zava-misy iainan’ny tanora ankehitriny ary ny fitaizana ara-batana toy ny fanaovana fanatanjahantena.

Tanjona iray lehibe tratrarina ihany koa eo anivon’ny F.K.T.L.M. fampifandraisana ny tanora amin’ny samy tanora eto an-toerana sy any ivelany, amin’ny alalan’ny famangiana sy fifanakalozana traikefa. Efa maro ireo tanora no nahazo tombotsoa lehibe manoloana ny fifandraisana misy amin’ireo tanora eto an-toerana sy avy any ivelany.

Ny F.K.T.L.M. dia manana andraikitra lehibe amin’ny famporisihana ny amin’ny fisian’ny raiamandreny antsoina hoe: “Sakaizan’ny tanora” ho mpiara-miasa sy mpanohana ny tanora amin’ny lafiny rehetra. Izy ireo anefa dia tsy miditra mivantana amin’ny raharaha tokantranon’ny tanora, fa mijanona ho mpanohana sy ho filan-kevitra ihany mba hisorohana ny olana mety hitranga eo amin’ny tanora sy ny raiamandreny sakaiza. Manana ny zava-kendreny ihany koa ny F.K.T.L.M. manoloana ny andraikitra sahaniny.

Manana ny fikendreny ny F.K.T.L.M. eo amin’ny asa sahaniny, na eo amin’ny sehatry ny fiangonana izany na eo amin’ny sehatry ny firenana.

Anisan’ny fikendrena lehibe tanterahin’ny F.K.T.L.M. ny fitoriana ny Filazantsara amin’ny hafa, indrindra fa ny tanora namany izay mbola ivelan’ny vala, ka mitaona azy ireo ho ao anatin’ny Fiangonana. Ampiasaina ao anatin’izany ny fitoriana an-kira, ny fanaovana Tafika Masina, ny famangiana samihafa tanterahin’ny foibe, ny fampielezana Gazety Sakaizan’ny Tanora, fampiorenana ny foiben-toerana, fanaovana rakin-kira sy raki-tsary. Izany no hatao dia ho fitarihana sy fampianarana ireo tanora, ho vavolombelon’i Jesosy Kristy, eo amin’ny fiainany manontolo.

Ezaka iray lehibe tratrarin’ny F.K.T.L.M. ihany koa ny famelomana sy fanatsarana ny fanabeazana sy ny fitaizana ny tanora ao amin’ny Fiangonana, ary mamolavola ny tanora mba ho fitaovana tsara sy mahomby amin’ireo asan’ny Fiangonana sy ny andraikitra raisiny eo amin’ny firenena. Kendrena ao anatin’ny F.K.T.L.M. ny fanamafisana orina ny finoan’ny tanora, ho araka ny Soratra Masina, no mampianatra sy mitarika ny tanora ho vavolombelon’i Jesosy Kristy eo amin’ny fiainany manontolo. Ao anatin’izany no  hitaiza sy hampitombo ireo talenta sy fanomezam-pahasoavana nomen’YHWH ireo tanora ireo, ho fampandrosoana ny fiangonana sy ny fiaraha-monina manodidina azy. Voafoaka tanteraka ao anatin’izany ny fanabeazana ny tanora amin’ny maha olombelona feno azy: saina, vatana, fanahy. Manoloana izany rehetra izany dia efa maro ireo asa notanterahin’ny F.K.T.L.M. ho entina mitaiza sy manabe ireo tanora ao amin’ny Fiangonana, mba ho tanora mendrika ny Filazantsara sy ho reharehan’ny Firenena.

Ny Asa Nataon’ny F.K.T.L.M. sy ny Vokatr’izany

Voafaritra amin’ireto zavatra manaraka ireto izany asa tanterahan’ny F.K.T.L.M. izany: Fihaonamben’ny tanora sy famangiana K.T.L.M./S.P, fandalinam-pinoana sy lasy ara-baiboly, fandraisan’ny F.K.T.L.M. anjara amin’ny ady amin’ny MST/VIH/SIDA, ny fiarovana ny tontolo iainana sy ny amin’ny zon’olombelona, fampiofanana mpitarika tanora sy atrik’asa samihafa, fanabeazana ara-panatanjahan-tena, fifanakalozana tanora amin’ny any ivelany, fitantanana sy fampandehanana ny Ivon-toerana Fampandrosoana ny Tanora (IFT/F.L.M. Sabotsy namehana), ny Zaikabe, sns

Fihaonamben’ny Tanora sy Famangiana K.T.L.M. /S.P..

Manana fotoam-pivoriana ny K.T.L.M. isan’ambaratonga, ka farafahakeliny: Ny K.T.L.M. isam-piangonana dia mivory isan-kerin’andro. Ny K.T.L.M. isam-pitandremana dia mivory isan-droa volana. Ny K.T.L.M. isam-pileovana dia mivory isan-telovolana. Ny K.T.L.M. isan-tSynodam-paritany, dia mivory isan-taona, amin’ny alalan’ny Zaikakely. Ny K.T.L.M. eran’ny F.L.M. na ny F.K.T.L.M. dia mivory isaky ny telo taona amin’ny alalan’ny Zaikabe.

Anisan’ny antony iray mitondra fampandrosoana eo amin’ny samy tanora ny fisian’ny fifanakalozana traikefa eo amin’izy ireo. Ny fihaonambe no antoka iray isehoan’izany, satria afaka maneho ireo talenta ananany ny tsirairay.

Ezaka lehibe sahanin’ny biraon’ny F.K.T.L.M. ny manao famangiana ny K.T.L.M. isan-tSynodam-Paritany. Ireny famangiana ireny no ahafantarana tokoa, fa ny sampana Kristiana tanora dia sampana velona sy mandroso ato amin’ny F.L.M. Ny famangiana dia mitondra hery ho azy ireo hanatsarana hatrany ny fomba fiasan’ireo K.T.L.M. any amin’ny Synodam-Paritany. Maro ireo Tanora izay mamonjy Zaikakely na ireo fihaonamben’ny Tanora. Vokatr’izany dia ankalamanjana mandrakariva no hanatanterahana ny fivoriana matetika. Eo anatrehan’izany dia manana anjara toerana lehibe ny fandalinam-pinoana sy ny lasy ara-baiboly.

Fifanakalozana Tanora

Ny zava-dehibe kendrena ao anatin’izany dia ny fifanakalozana traikefa eo amin’ny samy tanora. Ny Komity Nasionalin’ny F.K.T.L.M. no mandahatra sy mandrindra ireo solontena avy amin’ny K.T.L.M. /S.P., ary ny Birao no miezaka amin’ny fahatanterahan’izany. Indro misy tabilao maneho ny fifanakalozana tanora misy eo anivon’ny F.K.T.L.M.

TaonaToerana nandehananaKTLM/S.P.IsaFaharetany
2005Norvezy AmerikaS.P.FT sy S.P.Ats S.P.A sy S.P.Tm4 211 Volana 4 Volana
2006Norvezy AmerikaS.P.Anta S.P.BM2 211 Volana 4 Volana
2007NorvezyS.P.AVA sy S.P.H211 Volana
2008NorvezyS.P.Fa.211 Volana
2009NorvezyS.P.Ats211 Volana

Toy izao kosa ny fandraisantsika ireo tanora tonga teto Madagasikara

TaonaFiavianyNandraisana azyIsaFaharetany
2005Norvezy (Fredskorpset) BrezilMorondava sy Fandriana IFT/F.L.M. Sabotsy Namehana4   26 volana   6 volana
2006Norvezy (NMS U) Cameroun   Norvezy (Fredskorpset)  Tana-Mahajanga Tana-S.P.AM (Ambohimandroso) Centre IFT/F.L.M. sy Morondava6 6   419 volana 19 volana   6 volana
2007NorvezyCentre IFT/ FLM46 Volana
2008NorvezyCentre IFT/ FLM46 Volana
2009NorvezyLycée Privé Martin Luther46 Volana

            Ireo tanora malagasy izay mandeha any norvezy dia miasa eo anivon’ny: Fiangonana Loterana Norveziana, miara miasa amin’ny sekoly (sport, music,…), mandray anjara amin’ny fivoriana na lasy izay karakarain’ny N.M.S. eo amin’ny sehatry ny ankizy sy ny tanora.

            Ho an’ireo tanora norveziana tonga eto amitsika dia miasa eo anivon’ny: Lycee Prive Martin Luther, AKAMA 67 Ha, CEG Sabotsy Namehana, Akany Avoko Faravohitra, Akany Kristiana ho an’ny zazavavy, SHALOM-Mahajanga. Mampianatra teny anglisy sy mampanao sport ary mizara traikefa momba ny asa tanana izy ireo. Ny fahatanterahan’izany, dia ny ezaka ny Biraon’ny F.K.T.L.M.

Ireo Tonia sy Filoha ary ny Biraon’ny F.K.T.L.M. ankehitriny

Tsy afa-misaraka tamin’ny fijoroan’ny F.K.T.L.M. ny fisian’ireo Pastora izay niandraikitra ny toeran’ny Tonia. Izy no misahana ny lafiny teknika rehetra amin’ny fampandrosoana ny fikambanana. Eo ihany koa ny Filoha izay mpiara-miasa akaiky aminy amin’ny fampandehanan-draharaha eo anivon’ny fikambanana. Koa ndeha hofantarina eto ambany ireo tonia sy filoha ary ny biraon’ny F.K.T.L.M. ankehitriny.

Ireo Tonian’ny F.K.T.L.M. nifandimby

Tao anatin’izay taona maro niorenan’ny fikambanana izay, dia efa nahatratra 8 ireo Pastora niandraikitra ny toeran’ny Tonian’ny F.K.T.L.M. Araka ny ny lalam-panorenan’ny F.L.M. dia isaky ny 4 taona no hanavaozana ny Tonian’ny F.K.T.L.M. ka ny K.M.S.L. no manatanteraka ny fifidianana azy ireo.