FAFITO

Mirafitra mivantana aminy ireo sehatra, soritr’asa, tetik’asa rehetra mahakasika ny fampandrosoana ny tontolo ambanivohitra indrindra ireo izay mivoy ny asa mahakasika ny fambolena, fiompiana ary tontolo iainana.

Zavakendreny:

Mitory ny filazantsara amin’ny olona rehetra sy amin’ny olona manontolo. Manantanteraka ny vinan’ny FLM eo amin’ny lafiny fitoriana ny filazantsara sy fampandrosoana.

Miandraikitra mivantana ny fampiroboroboana ny asa fampandrosoana indrindra eo amin’ny lafiny fambolena, fiompiana, tontolo iainana.

Manana andraikitra ny hampiroborobo ny asa fihariana eny amin’ny tontolo ambanivohitra mba ho fitondran’ny FLM ny anjara birikiny eo amin’ny fampandrosoana ny firenena amin’ny alalan’ny asa fambolena sy fiompiana.

Manana ny “plan strategique” ny FAFITO izay miompana indrindra amin’ny:

Fampiofanana sy fanentanana mikasika ny:

  • Fampiasana teknika moderina sy manara-penitra ahozahoana vokatra tsara (eo amin’ny lafiny kalitao) sy betsaka mba hisian’ny ambim-bava eo amin’ireo mpamokatra sy ahafahan’izy ireo ihany koa mivarotra ny ampahan’ny vokatra mba ho loharanom-bola.
  • Fanaovana tahiry iombonana ( village loans and savings association) izay itarihina ny tsirairay hivondrona ao anaty fikambanana ka hiara-hiasa ho fanamorana ny fanatanterahina ny asa
  • Fikajiana ny tontolo iainana: ny mahazavadehibe ny tokony handraisana anjara amin’ny fikajiana ny tontolo iainana manoloana ny zavamisy eto Madagasikara sy manerana izao tontolo izao. Fandraisana anjara mivantana amin’ny alalan’ny fambolena hazo
  • Fampiasana angovo azo havaozina. Ny biogas izay lalana iray hampihenana ny fampiasana kitay sy saribao ary angovo azo lazaina ho tsy vidiana fa azo maimaim-poana.
  • Fanajana ny zon’olombelona eo amin’ny lafiny rehetra indrindra ny zon’ny vehivavy

Fomba fiasa:

  • Manantanteraka asa mivantana any amin’ireo mpahazo tombotsoa ( tantsaha, kristiana, …)
  • Miaramiasa amin’ireo soritr’asa an’ny FLM manatanteraka asa fampandrosoana
  • Miaramiasa amin’ireo sampana samihafa ao anatin’ny FLM
  • Miaramiasa amin’ireo sehatra samihafa ( fanjakana, ONG, …) mivoy ny asa fampandrosoana ny tontolo ambanivohitra

Tompon’andraikitra:

RAKOTOVAO Anten’Aina

Fifandraisana misy:

Miaramiasa amin’ny mpiaramiasa mpamatsy vola samihafa:

  • DANMISSION