SHALOM

TANTARAN’NY SHALOM-FLM

TARIDRESAKA

Ny Sahalom-FLM ihny koa dia isan’ireo sampam-draharaha ato amin’ny Fiangonana Loterana Malagasy. Ka izay maha izy azy dia ny asa misiona na ny iraka manokana atao amin’ny havana Mozolmana. Izany dia fizaràna, amin’ny alalan’ny teny sy ny asa, ny fitiavan’Andriamanitra izay tonga amin’ny fahafenoany, ao amin’i Jeosy. Koa dia ataon’ny Shalom ho fenitry ny fanompoana ny miasa amim-pitiavana mba hahazoana mampanjaka ny fiadanana : « Akory ny hatsaran’ny tongotr’iry mitondra teny soa mahafaly ery an-tendrombohitra sady mitory fiadanana! » Isaia 52 :7. Koa ny mba hahatonga izany ho fiainan’ny Fiangonana eo am-pamitana iraka, no antony nifidianana ny anarana hoe : Shalom izay midika hoe fiadanana.

Hoy i Pastora RAFALIMANANA Florimond Deyris, tamin’ireo Mozolmana marobe, izay nanasa mba hanazava ny  fampianarana Kristiana: « Ny Shalom dia toy ny tanan’ny Fiangonana Loterana Malagasy mankany amin’ny Mozolmana : tsy mivokona hamely tontondry, fa mitsotra mba hizara fiadanana, amin’ny teny sy ny asa. Ary dia amin’ny alalan’io tanana io noahafantaran’ny Mozolmana ny fitiavana Kristiana sy ahatsan’ny Fiangonana Loterana Malagasy koa ny fandraisan’ny Mozolmana izany fiadanana tononiny izany.»

VOTOATIN’NY TANTARA

Ny Shalom-FLM dia nanomboka tamin’ny taona 1997. Izany hoe : efa 20 taona mahery kely. Azo zaraina ho toy izao manaraka izao ny vanim-potoana efatra ny tantran’ny Shalom-FLM:

1-Shalom 1997 – 2000: Vanim-potoana fanombohana

Mba ho fanatanterahana ny fanirian’ny FLM, tamin’ny KMSL 81 tao Ambatovinaky ny 29 Novambra – 5 Desambra 1988, hananganana asa misiona manokana ho fifandraisana Kristiana – Mozolmana, dia notapahina tamin’ny KMSL 99 tao Manakara ny 10 – 16 Novambra 1997, ny fananganana ny Shalom-FLM. Olona 4 avy tato amin’ny FLM no namolavola azy (ELCA 2, NMS 1, Malagasy 1).

Fitetezana Fiangonana, Fitandremana, Fileovana, SP nampiofana no natao. Tsy mbola resy lahatra ny olona ary fahagagana ho an’ny Fiangonana ny nandre ny hoe “Kristiana hifandray amin’ny Mozolmana”. Ny STPL Betela Marovoay no nanombohana fampianarana manokana momba ny finoana Silamo sy ny fifandraisana Kristiana-Mozolmana. Nanafatra mpampianatra sy mpitarika fivavahana Silamo avy tany Mahajanga tamin’izany nitafa tamin’ny mpampianatra sy ny mpianatra STPL. Nafana ny ady hevitra nefa liana ny mpianatra sy ny mpampianatra.

Ny fandaharan’asa fahasalamana tany avaratra (FAV) no nanombohana ny asa sosialy nataon’ny Shalom ka ny ELCA DGM no namatsy ara-bola. Efa niasa talohan’ny niorenan’ny Shalom ny FAV. Taty aoriana (2004) vao narafitra tamin’ny Shalom izy. Nahafantaran’ny olona ny asan’ny Fiangonana teo anivon’ny fiaraha-monina Mozolmana ny nisian’ny FAV tany avaratra. Tsy voafaritra nazava loatra anefa ny tanjona nanorenana ny FAV tamin’ny voalohany. Fitsaboana fototra ho an’ny tambanivohitra no natao fa tsy nisy fitoriana ny Vaovao Mahafaly ka somary nandringa ny asa. Taty aoriana vao nasiana Evanjelistra tamin’ny toeram-pitsaboana tsirairay. Zary lasa trano fiangonana indray ny toeram-pitsaboana ka somary nampiahotra ny olona tsy kristiana nanatona fitsaboana.

Ny Tonia, Pastora Rakotoarijaona Daniel S. sy nyTonia Lefitra, Pastora Arild Bakke M. (Misionery NMS) ihany no mpiasan’ny Shalom tamin’ny voalohany. Saingy na ny Tonia aza tsy mbola matihanina tamin’izany.

Ny tapany farany tamin’ity vanim-potoana fanombohana ity (1999 – 2000) vao nisy famaritana ny andraikitra sy ny zava-kendrena amin’ny ho avy, ka nandefasana ny Tonia nianatra tany ivelany ary ny Tonia Lefitra no lasa Tonia. Koa dia i Pastora Fidinantenaina Claudias Loubien, mpampianatra tamin’ny STPL Marovoay no natao indray ho Tonia Lefitra.

2-Shalom 2001 – 2004: Vanim-potoana namaritana mazava ny tanjona

Nofaritana ny PAS (2001 – 2003) ka tamin’ny SPA, SPBM, SPMa no nimasoana izay samy nahazo fampiofana 4 – 6 isan-taona. Nofaritana koa ny andraikitra nanandrify ny Shalom Foibe. Ho fanatsarana kokoa ny asan’ny Shalom dia natao matihanina ny Tonia Lefitra (Malagasy). Nofaritana dimy ny zava-dehibe nokendrena tamin’ny asan’ny Shalom hatreto:

  1. Mitondra ny Filazantsara amin’ny namana amim-panajana sy am-pilaminana
  2. Mizara ny fitiavan’Andriamanitra amin’ny alalan’ny toeram-pitsaboana sy ny Sekoly
  3. Mampiofana ny Kristiana mba hifandray tsara amin’ny namana Mozolmana
  4. Mampahery ny finoan’ireo Kristiana miara-monina amin’ny namana Mozolmana
  5. Mampiely literatiora sy trakta maneho ny fitiavan’Andriamanitra ny olona rehetra

Nanaraka ny sisin-dranomasina ny ankamaroan’ny asan’ny Shalom ka nanapa-kevitra fa ilaina ny hananana sambo manokana. Nanamboatra sambo ka vita sady mafy no tsara. Fitaovana nilaina tamin’ny famangiana tokoa ny sambo shalom. Io sambo io no isan’ny nahafantaran’ny olona maro teto an-toerana sy tany ivelany ny Shalom. Famatsiam-bola avy ivelany (NMS) no nanamboarana azy. Nefa nazoto nandray anjara koa ny Fiangonana teto an-toerana tamin’ny fitondrana ny “boky volamena” tamin’ny toerana nampiofanana.

SAMBO SHALOLOM

Ny indro kely tamin’ity sambo ity dia tsy afaka nitody an-tanety fa lalindrano ary nihorirana be rehefa nandeha lay ka niteraka tahotra tamin’ny mpandeha tsy zatra. Izay koa no nahasarotra ny fivarotana azy taty aoriana fa tsy mifanaraka amin’ny filan’ny olona amin’ny fari-dranomasin’i Madagasikara izay betsaka marivo raha ampitahaina amin’ny faridranomasin’i Norvezy nangalana ny modelin’ilay sambo. Na izany aza nahavitana famangiana betsaka tokoa ny sambo sady namonjy ain’olona tra-doza teny ambony ranomasina. Sakaizan’ny misiona (NMS, ELCA, Danmission) maro no nazoto nandeha tamin’ilay sambo nijery ny asa nataon’ny Shalom tany ambanivohitra sady nandray anjara betsaka tamin’ny fampandehanana ny sambo.

3-Shalom 2005 – 2008:Vanim-potoana nivelaran’ny asa

Nivelatra kokoa ny asa ka nitatra hatrany amin’ny SPMel. Nitarina tamin’ny SPBM ny toerampitsaboana FAV teo aloha fa niova ho FAF ny anarany. Nandray Gestionnaire vaovao izay niaranandrafitra ny teti-bola niasana. Nasiana mpandrindra ireo programa samy hafa tato amin’ny Shalom: Evangelisation, Fahasalamana, Fampianarana. Natsangana ny Komity mpitantana ireo Sekoly 14 sy ny toeram-pitsaboana 7 ka izy ireo no nanara-maso ny asa, nanao programan’asa. Nanomboka ny fiaraha-miasa Shalom tamin’ny Provert sy ny Ambassade Norveziana ary ny Danmission ka ireo Sekoly Maitso Shalom 14 dia samy nahazo tombontsoa avokoa, mba hampivelarana miharihary ny asa misiona, izay tanterahina amin’ny fitiavana mba hahatonga fiadanana.

Nahatratra 17 ny Fiangonana niorina ary 182 ireo namana Mozolmana no nandray an’i Jesosy hatramin’ny niorenan’ny Shalom. Nisy tokoa ireo vokatra azo avy tamin’ny tatitry ny Toniam-paritra, Evanjelistra, mpitsabo ary ny mpampianatra. 

Tonga tao an-tsaina ny hanitarana ny asa hatrany amin’ny Nosy havana. Tamin’ny 3 – 10 Oktobra 2007 no namangiana ny Nosy Comores. Nila Pastora vitsivitsy manam-pahaizana momba ny fivavahana Silamo sy ny fifandraisana Kristiana-Mozolmana mba hahazoana manitatra ny asa ka nandefa Pastora niofana tany ivelany ho fanomanana izany, dia i Pastora isany : Randriatsifofo Patrick ; Ndriamanja Maximilien Bernard ; Rafalimanana Florimond Deyris ; ary Raoelinarivo Claudin.

Ity vanim-potoana ity no nitsirian’ny hevitra avy tamin’ny mpamatsy vola fa tokony ho Misionery aloha no hitondra ny sampana Shalom hatramin’ny taona 2010 ka rehefa vita ny famindran-draharaha amin’ny Malagasy dia ho mpanolo-tsaina teknika mandritra ny taona iray na mihoatra ny Misionery raha angatahin’ny FLM.

Nisy zavatra somary nampanahy tamin’ity vanim-potoana ity fa nampiomana ny mpamatsy vola fa tsy ho ela dia hihena ny famatsiam-bola ho an’ny Evanjelistra sy ny Toniam-paritra fa hiditra amin’ny “Fiangonana Misionaly” ny FLM. Ny asan’ny Shalom anefa nitarina ho amin’ny SPTm sy ny SPAnta. Hotanterahin’ny mpamatsy vola ny zavatra nampanantenainy fa tapitra tsy hitohy intsony ny an’ny Danmission/fanabeazana, NMS/sambo.

Na izany aza, niasa sy nilofo fatratra tamin’ny asa ny mpiasa Foibe sy ny tany ambanivohitra nefa tsy araka ny fisasarana ny valim-pitia tokony ho nomena noho ny fe-petran’ny mpamatsy vola tsy azo nihoarana.

4-Shalom 2009 – 2012:  Fiomanana amin’ny Fiangonana misionaly

Niverina indray tamin’ny Malagasy ny fitantanana ny Shalom nefa mbola nisy Misionery niara-nitondra taminy (Tonia Lefitra sy mpanolotsaina).

Tamin’ity vanim-potoana ity no nosarahina tamin’ny Shalom ny asa tany Comores fa napetraka tamin’ny Programme Sud-Sud saingy nisy hatrany ny fiaraha-miasa. Ny Shalom no nanofana ireo olona nalefan’ny Sud-Sud niasa tany Comores. Tsy nisy tsy tanteraka ny fampiomanana nataon’ny mpamatsy vola. Tamin’ity vanim-potoana ity no tapaka ny famatsiam-bola Danmission/fanabeazana, najanona ny sambo, najanona ny ankamaroan’ny Evanjelistra, nahena ny fanampiana ara-bola ireo Toniam-paritra.Mba hanampiana ny fanohanana ny asa dia nohamafisina ny fampidiram-bolatamin’ny tranom-bahiny.

Na dia izany aza no toe-draharaha ara-bola, dia nisy ihany ny vokatra, saingy tsy nisy tatitra feno intsony tonga taty amin’ny Foibe.

Nahafaly fa nomen’ny FLM mpiara-miasa vaovao roa : Past Randriatsifofo Patrick, izay mpandrindra Evanjelisation  sy Past Ndriamanja Maximilien Bernard, mpampiofana.

Na najanona aza ny Evanjelistra dia niroso tamin’ny fomba fiasa vaovao ny Shalom, mba ho fiatrehana ny Fiangonana misionaly. Nahazo famatsiam-bola tamin’ny NMS, nanorenana ny Ivon-toerana fampiofanana (Centre de Dialogue) ka Pastora, Evanjelistra, Katekista, Mpiandry, Diakona, Loholona 400 latsaka no efa nandrato fahalalana tao. Nialoha ny fampihodinana ny Ivon-toerana sy ny asa amin’ny ankapobeny anefa dia nangataka mpiasa fanampiny tamin’ny FLM indray ny Foibe Shalom, ka voafidy ho Tonia Lefitra sy mpandrindra ny Evangélisation vaovao i Pastora Rafalimanana Florimond Deyris.

Tamin’ny taona 2013 dia notombanan’i Pastora Rakotoarijaona Daniela S. ho namana Mozolmana tsy latsaky ny 300 no efa vita batisa nandray famonjena nandritra ny 15 taona niasan’ny Shalom. Fiangonana 35 no niorina. Raha ny fahasarotan’ny asa dia azo lazaina fa vokatra tsara izany nefa tsy mbola tonga tamin’ny tanjona. 

5-Shalom 2013-2018: Fisokafana

Misokatra amin’ny fiaraha-miasa amin’ny Synodam-paritany rehetra ato amin’ny FLM amin’ny alalan’ny fampiofanana mitetivohitra (SP; Fileovana; Sampana; SB; STPL…) sy ny izay tanterahina ao amin’ny Ivon-toerana. Misokatra amin’ny fiaraha-miasa amin’ny Sakaizan’ny Shalom amin’ny alalan’ny fanaovana Tafika Masina amin’ny toerana tsy mbola misy Fiangonana sy be Mozolmana.

Misokatra bebe kokoa amin’ny fifandraisana Kristiana-Mozolmana, amin’ny alalan’ny fanaovana “workshop” sy asa iombonana ho fampandrosoana ny firenena (manadio sy miaro ny tontolo iainana).

Amin’izao fotoana izao dia mbola misy hatrany ireo vokatry ny asa, na eo amin’ny filaminana vokatry ny fambolena fifandraisana ao anatin’ny fiadanana, na ireo izay resilahatry ny fivavahana kristiana.

FAMARANANA

Tsy mora ny asa, ary indraindray dia toa mihatra aman’aina, kanefa noho ny mbola fombàn’ny Tompo, dia ventesin’ny mpiasa hatrany ny teny faneva hoe:« Akory ny hatsaran’ny tongotr’iry mitondra teny soa mahafaly ery an-tendrombohitra sady mitory fiadanana! » Isaia 52 :7.