FIKAMBAM-BEHIVAVY LOTERANA

  TANTARANY :

Efa nisy FBL hatramin’ny fotoana niforonan’ny FLM. Ireo vadin’ny Misionery izay nitondra ny Filazantsara teto amintsika,no nampianatra sy nampivondrona ny vehivavy, ka nisian’ny Fikambanam-behivavy isan-toerana.  Niainga avy amin’io ny fiorenan’ny FBL isan’ambaratonga.

Ny  Foibe FBL kosa dia niorina tamin’ny 1965, vokatry ny fangatahana natao tany amin’ny Synoda Jeneraly nivory tany Betroka taona 1964.

Ireto no mpanorina Rtoa isany:  

  • RAZANALISOA Christine,
  • RAZANAMAMY Abeline ,
  • ZANARIVELO Delphine
  • JOHANA Ratsimandresy.

Nanampy azy ireo Dr RAMIARAMANANA Ralivao Marthe , RASOAMANANJARA Abel, RANOROMANGA Lucienne. Niampy ireo ray aman-dreny Pastora any amin’ny isan-tSynoda. Tononina manokana Pastora RAZAFIMANDIMBY tao MASOMBAHOAKA FIANARANTSOA  sy ireo Pastora tany amin’ny toerana misy sampan’ny Vehivavy. Ireo no angady nananana sy vy nahitana, nahazahoana ny Departemantan’ny Vehivavy Loterana.

Tamin’ny taona 1965 no teraka ny AFBL na ny Antenimieran’ny Fikambanam-behivavy Loterana. Satria lava loatra ity anarana  nanononana azy ity dia nisy fivoriana nanovana ny anarany, mba ho fohifohy dia natao hoe FBL = Fikambanam-Behivavy Loterana . Taloha dia efa nisy ny fivorian’ny vehivavy mpiray isan-taona. Hatreto dia niorina ny fihaonan’ny vehivavy mpiray Synoda nomena ny anarana hoe ZAIKAKELY. Hatreto  koa no niorina ny fivondronam-ben’ny Fikambanam-behivavy manerana ny FLM izay Synoda 6 (enina) tamin’izay.

 Fihaonambe na ZAIKABE izay natao isaky ny 3 (telo) taona  ary nafindrafindra tamin’ny isan-tSynoda no nandray azy.

TANJON’NY FOIBE FBL

Nanana tarigetra na ny vinany ny FBL izay nitondrana ny raharahan’ny Fikambanana toy izao avy ireo:

  •  1- Fitoriana ny Filazantsara amin’ny olona rehetra sy amin’ny olona manontolo.(Saina, tena, fanahy) 2- Fampianarana Soratra Masina, boky iray isan-taona no iarahana mianatra .na antsoina hoe boky lesona
  • 3- Fampianaram-pinoana
  • 4- Dinika mahasoa samihafa
  • 5- Fanofanana ny mpiandraikitra, ny Komity, Vady Pastora, Katekista, Evanjelistra – Mpanao raharaham-piangonana.
  • 6- Misy ny Hira Lesona isam-potoana nalaina tao amin’ny  fihirana FFPM ianarana sy hifaninanana (ara-naoty- feo efatra –manara-tSolfa )
  • 7- Manao asa fitoriana ny Filazantsara.
  • Nanampy ny RFF= Radio Feon’ny Filazantsara sy ny TMM= Tafika Masina Maharitra.
  • 8- Manao Asa Diakonaly: mikarakara ny vehivavy sahirana, sy ankizy kamboty- sy ny tsy an’asa
  • 9- Miady amin’ny herisetra. -Manohitra ny herisetra hatao amin’ny vehivavy sy ny ankizy.
  • 10-Miady amin’ny aretina VIH/SIDA.
  • 11-Manana Soritr’asa roa lehibe ho enti-mitory ny Filazantsara :

Gazety Diadema

Ivon-toerana Loterana Fampivoarana ny Vehivavy (ILOFAV)

FITADIAVAM-BOLA

Manao: Rakitra- Vokatra- Valopy –Insigne- Varotra Fampiratiana- Sakafo- na Concert koa indraindray.

 Azo atao rehefa zavatra tsy mifanohitra amin’ny Filazantsara sy tsy mifanohitra amin’ny Lalampanorenan’ny Fiangonana Loterana Malagasy.

 GAZETY DIADEMA 

Manana ny Gazety Diadema ny Foibe FBL, samy nikarokaroka ny hatao anarany ny Komity tany am-piandohany, ka DIADEMA no natao anarany.

 Ireo Tonian’ny GAZETY DIADEMA NIFANDIMBY

  • 1-RASOAMANANJARA Abel (Mamasoa ) 1977- 1990
  • 2-RAZAFIARIMALALA Josephine 1990- 1997
  • 3-RAOSERASALINA Evelinah Jeanne 1998-2008
  •  4-RAHELISOA Jeannette 2008-2017 hatramin’izao

 Tena niova ny endriky ny Gazety Diadema, nihatsara ny endriny.

– Maro ireo zava-boalaza ao anatiny.

Isaorana ireo Mpiandraikitra sy ny Talen’ny Trano Printy, ary ireo Vaomieran’ny Gazety, indrindra ny Komity KNFBL, nanaiky ho fitaovana nahatanteraka ny fanatsarana azy.

Nahatratra ny faha-40 taonany ny Gazety Diadema ankehitriny ary hanana ny tsangambatony ho fampitaovana azy.  Raha tsiahivina dia feno 12  taona ny FBL no teraka ny Gazety Diadema tamin’ny taona 1977.

Tamin’ny andron’ireto raiamandreny ireto:

  • RAZANALISOA Christine,
  • RAZANAMAMY Abeline ,
  • ZANARIVELO Delphine
  • JOHANA Ratsimandresy.

Nenitoa RAZANAMAMY Abeline no nipoiran’ny hevitra ary Mama Rasoamananjara  nantsoina hoe: Mamasoa no niandraikitra azy ity tamin’ny voalohany.

IREO NO TSANGAM-BATO FBL:

Tsangambaton’ny Jobily faha-30 taonan’ny FBL dia ny ILOFAV. Rtoa RALIVAO  Hélène no Talen’ny ILOFAV voalohany. Manao fampiofanana zaitra, nahandro, taovolo, sns… ny ILOFAV. Mandray Seminery sy lanonana samihafa koa. Mijery manokana ny amin’ny ho avin’ny zatovovavy amin’ny maha olona feno sy ny olona rehetra azy.

2- Ny tsangambaton’ny faha -40  taonan’ny Foibe FBL kosa dia io Trano Foibe FBL io.

 Iza avy no mpikambana FBL?

Mpikambana FBL avokoa ny vehivavy rehetra mpandray ny Fanasan’ny Tompo, ao amin’ny Fiangonana Loterana Malagasy.

Ny Sampana tanora dia azon’ny vehivavy mpandray ny Fanasan’ny Tompo hidirana, rehefa vita konfirmasiona izy, saingy tsy manala azy ireo amin’ny maha vehivavy FBL/FLM azy izany.

Anisan’ny FBL ihany izy araka izany. Misy aza Fiangonana eto amin’ny renivohitr’i Madagasikara no efa misalotra ny anarana hoe Maria Marta, izay manana ny zana-tsampana ihany  koa hoe: Rantsana Maria Marta. Ireo no taniketsa FBL/FLM Ambatovinaky.

Ny F.B.L no kitro ifaharan’ny Fiangonana Loterana Malagasy; 150 taona no nisiany. Izany hoe efa nisy ny FBL hatramin’ny nisian’ny saingy tsy niavaka, satria mbola tao anaty Fiangonana ihany ny asany. Rehefa nivoaka ny rindrina efatra ny asany, vao nanomboka ny Asa diakonalin’ ny Vehivavy Loterana.

Ny vadin’ireo Misionera no mpanorina azy tao amin’ireo toerana samihafa.

Nivondrona isan-toerana ny vehivavy Loterana, ka niorina isam-piangonana ny FBL, nitatra tany amin’ny fitandremana sy ny ambaratonga hafa koa; ary niteraka ny atao hoe: Antenimieran’ ny Fikambanam-Behivavy Loterana (AFBL) tamin’ ny taona 1965.

Foiben’ ny Fikambanam-Behivavy Loterana no anarany ahalalan’ ny maro azy ankehitriny. Fianarantsoa no Foibenn-toerany. Nifindra ho eto Antananarivo eto Ambohijanaka Morondava Antehiroka kosa no misy azy ankehitriny. Miray toerana amin’y Ivon-toerana Loterana Fampivoarana ny Vehivavy. (ILOFAV)

Daty niorenany : Niorina tamin’ny 1965 ny FBL notarihin’ireo Ray amandreny teo aloha voatanisa etsy ambany.

Miisa eo amin’ny 120.335 ireo mambra voasoratra. Ny fitoriana ny Filazantsara  amin’ny olona rehetra sy ny olona manontolo indrindra ny vehivavy no tanjona banjininy.

Ny Gazety Diadema no nataon’ny FBL mba hiandraikitra izany asa fitoriana izany.

Hampitany any amin’ny olona rehetra sy ny olona manontolo ny hafatry ny Filazantsara izay atao amin’ny alalan’ny fampianarana Soratra Masina, vatsimpanahy samihafa, fifampitam-baovao, sady natao ho “billetin de liaison” na fitaovam-pifandraisana ihany koa.

 Fomba maro  samihafa no nentiny nanatanteraka izany toy ny : Fanampiana ara-bola:

  •  Ny Fikambanana Mampiely Baiboly Malagasy,
  • Ny Sekolin’ny jamba (FOFAJA) sy ny marenina (FOFAMA)
  • Fanofanana ireo vadin’ny mpiasa sy ny mpiandraikitra FBL isam-paritra. FIVAMPI
  • Fiantohana ireo vehivavy nahazo fiantsoana handalim-pahaizana momba ny Teolojia, (TEOLOJIANA)
  • Fanorenana Akany sy Foibe izay ho toeram-panofanana sy ho toera-panarenana olona ho an’ny Tompo sy ny Firenena. Asa DIAKONALY samihafa.

Ny FBL manerana ny Nosy no Andry ifaharan’ny fijoroan’ny Foibeny sy fampandrosoana ny asany.

 Manao tongotra miara-mamindra sy soroka miara-milanja amin’ny Foibe koa ireo Foibem-piangonana Loterana sy ny hafa ary Fikambanam-behivavy Loterana any ivelany (WCC, LWF, WICAS, ELCA, WELCA, AACC) izay fivory mampalaky ny diany, ka ahatontosany ireo asa sy soritr’asa samihafa.                                    

-Tsy mitoka-monina ny FBL. Mifandray sy miara-miasa amin’ireo rahavavy hafa  eto an-toerana sy any ivelany, izay tsy voatanisa etsy ambony koa ny FBL toy ny : FAVPM./ FFPM, FFKM/ SEVKRI ;VKMM: vehivavy mpiara-mivavaka maneran-tany: Firenena hafa ivelan’ ny Madagasikara toa ny Tanzania, Cameroun, Ethiopia, Zaire, Zimbabwe, Nigeria ihany koa.