MIRD (Malagasy Integrated Rural Development )

SAHANASA FAMPANDROSOANA MAHAFAOBE Eny AMBANIVOHITRA eto Madagasikara

Ankapobeny:

  • Fe-potoana I  :   2009-2013
  • Fe-potoana II :   2014-2018
  • Isan’ny mpiasa :   48(F 21:43%, H 27: 57%)
  • Foibe :   Immeuble SALFA   Andohalo Antananarivo
  • Fampandrosoana mahafaobe
  • Fambolena sy fiompiana
  • Fampianarana sy fanabeazana
  • Fahasalamana
  • Tontolo iainana
  • Miralenta
  • Fampahefana ny rafitra FANILO

TANJONA ANKAPOBENY : Fandraisana anjara amin’ny fampahefana ny tantsaha vehivavy sy lehilahy amin’ny fanatsarana ny fiainany anaty tontolo iainana voakajy sy mirindra.

PAIK’ADY :

  • Famporisihana ny fampidirana ny mponina iaraha-miasa amin’ny fanatanterahana ireo dingana ara-pampandrosoana rehetra (Fanadihadiana, Famolavolana, Fanatanterahana, Fanaraha-maso …)
  • Famporisihana ny fampandraisana anjara ny tantsaha vehivavy sy lehilahy sy ny fampisitrahana ara-drariny ny tombontsoa
  • Fampahefana ireo lamina sy rafitra ifotony (Komity FANILO, Komitin’ny asa, Komitin’ny fotodrafitrasa, Mpanao asa antsitrapo.)
  • Fanamorana ny fandraisan’ny Synoda ireo teknisiana maharitra)
  • Fampitana fahalalana amin’ny teknisiana maharitra (STT) sy ireo MAFA Fampitana fahalalana andalan-tohatra (en cascade) Fanamorana ny fananganana foto-drafitrasa
  • Fanamorana ny fanatanterahana loharanom-bola maharitra

NY TANTERAKA

  • Toerana 330 nanatanterahana fanadihadiana eo ampiandohana —Rafitra FANILO mitsangana sy miasa tamin’ny toerana 78
  • MAFA 1.959 (V1.115, L884) voaray sy miasa
  • Fanentanana sy fampiofana ary fanaovana tantsoroka ireo tantsaha (5504, F2597 H 2907)
  • Loharanombola maharitra ataon’ny Fiangonana sy ny tantsaha (890) no tafatsangana
  • Komitin’ny asa sy Komitin’ny Foto-drafitrasa eny ifotony miisa 219 sy Fikambanana tantsaha miisa 364 no tafatsangana sy miasa
  • Fotodrafitrasa miisa 162 no tafatsangana : centres d’approvision-nement en intrants agricoles, micro barrages /réseaux hydrauliques, vitrines, fermes pilotes, couloirs de vaccination, GCV, bassins piscicoles, puits, salles de classe,  latrines….)

NY FAMPANDROSOANA

FIVOARANA TSY ANKIATO MANKANY AMIN’NY TSARA KOKOA HATRANY