EZAKA IOMBONANA HO AN’IREO PASTORA FLM AO MADAGASIKARA

Romana 12:13a « Miantrà ny olona masina araka izay ilainy. »

EZAKA IOMBONANA HO AN’IREO PASTORA FLM AO MADAGASIKARA

ZAVA-MISY AO MADAGASIKARA, TRANGA COVID 19

– Madagasikara, dia isan’ireo firenena ianjadian’ity valan’aretina COvid19 ity, mahatratra eo amin’ny 25 tapitrisa eo ho eo ny mponina ao aminy ary ny tahan’ny fahantrana dia efa mihoatra ny 80 % – isan’ireo mihoampampana tokoa manerantany, Ny Nosy Mena dia milahatra faha efatra avy any amin’ny faran’ireo firenena MAHANTRA indrindra eto an-tany.
– Eo ko any fitotongan’ny toe-karena izay anjakan’ny fihariana tsy manara-penitra, taloha sy mandritra izao krizy ara-pahasalam-bahoaka Covid 19 izao. 80% ny mponina malagasy dia miaina ao anatin’ny fahantràna lalina, ary 2 dollars isan’andro no ameloman-tena izay mitarika azy ho lasa bokan-trosa.
– Ny Rafitra ara-pahasalamana Malagasy, na dia mirindra aza, dia tsy hahafehy ny fivoaran’ity valan’aretina ity. 3% monja no tetibola natokana ho an’ny fahasalama raha toa ka 15% no amporisihin’ny Vondrona Afrikana amin’ny tetibolam-panjakana hatokana amin’ny fahasalam-bahoaka. 5 ho an’ny mponina 1 tapitrisa no isan’ny fandriana ampiasaina amin’ny fikarakarana marary mafy (sampan-draharaha momba ny réanimation) raha toa ka 4000 fandriana amin’ny mponina 1 tapitrisa izany any Eoropa, Ary tsy mba misy izany fiantohana Sosialy izany ao Madagasikara, anisan’izany ny eo anivon’ny FLM Malagasy.
– Na dia hita tokoa ireo asa soa ataon’ny mpitondra fahefana mba hiarovana ny mponina ary hiadiana amin’ny fihanakin’ny aretina COvid19; Dia tsapa kosa fa tsy ampy ny fampitaovan’ireo mponina malagasy hahatafita velona ary sarotra arak’izany ny hampiharany ireo toro-lalana ara pahasalamana.

PASTORA FLM, TRANGA COVID 19

– Taorian’ny toro-lalana sy fanapahan-kevitrin’ny manam-pahefana mahefa malagasy, mba hiadiana amin’ny fihanak’ity valan’aretina ity, dia tapaka fa hakatona ny fiangonana nanomboka ny 22 martsa 2020.
– Koa satria ny Fiangonana FLM tsy mba manana rafitra fiarovana Sosialy, ary hamafisin’ity fikatonan’ny Fiangonana voalaza etsy ambony ity, dia tsy manana loharanon-karena ny ankabeazan’ny Fiangonana ary tapaka arak’izany koa ny fidiram-bolan’ireo Pastora izay efa mitsipozipozy , efa talohan’izao Krizy ara-pahasalamana izao ary indrindra ihany koa taorian’izany Fikatonan’ny Fiangonana izany.
– Loza manambana ny ho fiparitahan’ity Coronavirus ity nefa dia manampitrotraka izany tokoa ny tsy fahampiana ara-bola sy ara-tsakafo manjo ireo Pastora manontolo sy ny fianakaviany.

HETSIKA FIRAISANKINA HO FANAMPIANA IREO PASTORA FLM « FANOHANANA PASTORA FLM »

« FANOHANANA PASTORA FLM »

– Manantateraka hetsika FIRAISANKINA mba hanampiana ireo Pastora FLM misandrahaka manerana ny Nosy isika, mba hisahanana NY ZAVATRA MAIKA TENA ILAINA ary aorian’izany kasaina ny hanao ezaka atao mba hanonitra ny loharanon-karena manontolo izay tsy voaray nandritra ity Krizy ara-phasalamana ity sy nandritra ny fikatonan’ny Fiangonana.
– Hatreto dia Alahady 8 no fitambaran’izany fikatonana Fiangonana izany, ary tena goavana ny fatiantoka naterak’izany teo amin’ny kitapom-bolan’ny Fiangonana sy ny vola miditra eo amin’ny Pastora.
– HETSIKA ARA-BAIBOLY FIOMBONANA : Asa 2 : 44-47 « Niaraka nivavaka, niaraka nianatra ny Tenin’Andriamanitra. Niaraka nihaino Toriteny, niaraka nandray ny Fanasan’ny Tompo, ary niombonany koa ny fananany. » Andeha re mba hiaraka hanohana ny Pastora FLM !
– RAFITRA MAHA SYNODALY : « Tsy teny filamatra fotsiny ny hoe MIARADIA, fa andeha re mba hanao zavatra hita maso sy tsapain-tanana : Samy hanome izay vokatry ny fony sy ny fitiavany marina tokoa isika rehetra tsy ankanavaka. Dia hizara fanomezana mitovy ho an’ny Pastora rehetra ! Tena tsy mifanaraka amin’ny rafitra iainantsika ny samy maka ho azy sy samy mihinana izay azony! »

FAMPIHARANA, HETSIKA « FANOHANANA PASTORA FLM »

ALAO HERY, NDEHA HIFARIMBONA HANDRAY ANJARA AMIN’ITY HETSIKA FIRAISANKINA ITY ISIKA KA HITONDRA IZAY ZAKANTSIKA HO FANAMPIANA IREO PASTORANTSIKA FLM.

Mba hanamorana izany hetsika izany, dia natsangana ireto sehatra manokana ireto ka hahafahan’ireo Hery velona rehetra mandefa ny « FANOMEZANA ».
– BOA MADAGASCAR
IBAN: MG46 0000 9050 0023 1832 8000 655
FANOHANANA PASTORA FLM
9, Rue R Stanislas ISORAKA
BP 1741
Antananarivo Ville
101 Madagascar

– Paositra money: 0026123183280006 FANOHANANA PASTORA FLM
– Mvola: +261 34 12 642 45. FOIBE FLM
– Airtel money +261 33 91 901 51. FOIBE FLM
– Orange money +261 32 86 458 39 FOIBE FLM
– western union, +261 34 12 642 45 FOIBE FLM
– Emadex: beneficiaire: Paositra money: 0026123183280006 FANOHANANA
– CROUDFUNFING LITCHI:

Noho ny fiaraha-miasa mahomby amin’ny « PAOSITRA MALAGASY » , nanome alalana antsika ho afaka hamorona kaonty marobe ho an’ireo Pastora, ary ny fandefasana sy ny fandraisana izany vola izany maimaimpoana. Dia ho afaka hizara mitovy sy ara-drariny izany fanampiana izany isika ary hamafisina ny mangarahara mba hampahomby ny ezaka ataon’ny tsirairay.

Alao Hery ry Zanaky ny Fiangonana Loterana Malagasy sy ianareo Havana aman-tsakaiza rehetra na lavitra na akaiky! Ianareo tsara sitrapo sy be fitiavana noho ny fitahiana efa noraisina tamin’i Jesosy! Ohabolana 3: 27 « Aza mamihina ny soa amin’izay tokony homena azy, Raha azon’ny tananao atao ihany. »

SARY
Fivoriamben'ny FFLET (Fiombonan'ny Fiangonana Loterana Eran-Tany)
VATAN-DRAKITRA LEETCHI
ANTOTAN’ISA
x
SARITANY
carte