TRANO PRINTY FLM

  “ Kristy no torinay amin’ny fanaovana Printy”.

Io no teny baikon’ny Trano Printy Fiangonana Loterana Malagasy na ny T.P.F.L.M izay miorina ety Antaninarenina. Ivon-toeram-pamokarana Literatiora kristiana no azo hamaritana ity trano printy ity. Maro ireo baiboly sy fihirana efa nataony printy. Ankoatr’izay dia manao printy ny  boky fianarana sy literatiora tsotra ihany koa izy. Azo lazaina fa ity toeram-piasana ity dia isan’ny nikolo sy nanandratra ny teny Malagasy mba tsy ho mena-mitaha amin’ny hafa.

Ny TANTARANY

Ara-tantara dia ny taona taona 1874  no niorina ny trano printy  ka “Imprimerie de la Mission Norvégienne” no niantsoana azy tamin’ izany. Ny NMS (Norvegian Missionary Society) no nanorina azy. Tanjona nokendren’izy ireo tamin’izany dia ny  fanontana printy ireo bokim-pivavahana tamin’ny teny Malagasy sy ny fana-paritahana ireo fitaovana amin’ny teny Malagasy tamin’ny alalan’ny gazety izay natontany dia ny NY SAKAIZAN’NY ANKIZY MADINIKA izay lasa NY SAKAIZAN’NY TANORA ny taona 1878, ary NY MPAMANGY taty amin’ny taona 1882. Anisan’ny fikendren’ny misiona norveziana koa ny mba hananan’ny Loterana trano printy manokana mba hanapariahana ny foto-keviny tamin’izany fotoana izany. Nanana olana teo amin’ny fitaovana ny “Imprimerie de la Mission Norvégienne” tamin’ny voalohany satria dia « Press kely » iray no nampiasainy. Ny fampiasana izany koa aza dia mbola nindramana an’Atoa Abraham Kington avy amin’ny (FFMA) noho tsy ny tsy fahaizana nampiasa azy. Ny taona 1877 noho izany vao nanomboka ny fampiasana  io presse kely io.

Ny taona 1952 kosa no niorina ny trano fanaovana printy Loterana na ny “IMPRIMERIE LUTHÉRIENNE” ao Antsahamanitra.

Tamin’izay dia  navondrona ho iray avokoa ireo trano fanaovam-printy nandalovana ka notantanan’ny Loterana (dia ny teny Andohalo sy Faravohitra izany). Mbola vahiny hatrany anefa no nitantana ity imprimerie ity tamin’izany. Taorian’ny fahaleovantenan’ny Fiangonana Loterana Malagasy (tamin’ny 1950) dia voaray ho mpiombom-pananana tamin’ireo Misiona vahiny kosa ny Malagasy. Ny taona 1974 dia natolotry ireo vahiny tamin’ny Fiangonana Loterana Malagasy  ny fitantanana manontolo ny Imprimerie Luthérienne. Niova ho Trano Printy Fiangonana Loterana Malagasy ny anarany ary i Andriamatoa Abel ARNESA no voatendry ho Tale Malagasy voalohany ny taona 1992. Ireto avy ireo Tale nifandimby :

ASAN’NY TPFLM

1 – Manao karazan’asa maro ny TPFLM ankoatra ny fanontana boky. Ireo asa ilain’ny fiangonana toy ny valopy, karatra, carnet, marim-pahatsiarovana, alimanaka, manisy soratra amin’ny baiboly na fihirana  ny peta-drindrina ireny arakaraka izay ilain’ny olona , ny faire part marriage izay mbola mampiavaka azy (en relief) , carte de visite plateau fasiana vera amin’ny fandraisana, tampon, mamboatra ny boky simba na manambatra boky samihafa, santionany ihany ireo.  Ambonin’izany dia tombony ho an’ny TPFLM ny fananana fivarotam-boky efatra ao Antananarivo sy ny fivarotam-boky mitety faritra

2 – Amin’ny maha sampanasan’ny Fiangonana manao asa printy, mamokatra boky, ary mampiely izany (imprimeur, editeur, diffiseur) dia manana ny vinany ny TPFLM izay tsy mifanalavitra aminn’ny vinan’ny FLM dia ny fampandrosoana ny olona rehetra  amin’ny maha olona manontolo ka ho lasa “éditeur numérique “ ny TPFLM any aoriana any.Tsy midika akory izany fa hatsahatra eo ny fanaovana printy ny boky amin’ny taratasy fa entina indrindra ho fanampiana ny vokatra, indrindra manoloana ny firoboroboan’ny tekonolojia ka eritreretina fa ho maro ny mpanjifa atsy ho atsy.

3 – Amin’ny andron’ny blaogy sy ny Internet, ary na dia nampitomboina isa ho telo aza ny fiteny ofisialy fampiasa any an-tanindrazana dia tsy mivaoana amin’ny foto-kevitra ijoroany ny TPFLM fa mbola mihevitra ny maha-zava-dehibe ny fanomezan-danja ny teny Malagasy amin’ny alalan’ny fanontana boky amin’ny teny Malagasy madio. Noho izany dia mbola isan’ireo tanjony foana ny mamporisika ny Malagasy handala sy hitia hatrany ny tenin-drazana satria iaraha-mahalala fa « ny sary sy ny feo mandalo fa ny soratra mitoetra