VLM : Vokovokomanga Loterana Malagasy

VLM :izay sampana ikambanan’ireo izay mifady ny zava-mahadomelina sy manentana ny olona hiala amin’izany.
Sampana mitaiza ny olona hanalavitra ny zava-mahadomelina. Misy rantsana ao anatin’izany sampana izany atao hoe
« Taninketsan’ny Vokovokomanga » izay natokana hanabeazana ny ankizy sy ny tanora.

Ny vokovokomanga amin’ny ankapobeny

Ny Vokovokomanga, izay fantatra amin’ny anarana hoe “croix bleue” dia tsy niforona ho azy tsy akory fa tao dia tao tokoa ny fototra nipoirany, ka mialoha ny hiresahana ny Vokovokomanga Loterana Malagasy dia tsara ny manao topi-maso kely ireo loharano niteraka ny ony.

Ny niorenan’ny Vokovokomanga

 Tany ampitan’ny ranomasina, tany mpamokatra voaloboka sy mpanao toaka no niandohan’ny vokovokomanga. Pastora Louis Lucien Rochat, nonina tany Cossonay any Suisse no nanorina ny fifadian-toaka voalohany tamin’ny 21 Septambra 1877, rehefa nahita ny fahavoazan’ireo mpiray tanindrazana aminy vokatry ny fisotroan-toaka. Tany am-piandohana dia fikambanan’olom-bitsy ny vokovokomanga; saingy niitatra tsy hay notohaina taty afara ka re eran-tany ny lazan’ny ”Croix-bleue”.

Ny nidiran’ny vovokomanga teto Madagasikara

Vehivavy Amerikana anankiray atao hoe Leawitte tonga teto Madagasikara ny taona 1888 no nampianatra ny olona hifady toaka ary nitaona sy nanao fampielezan-kevitra ny amin’ireo loza ateraky ny fidorohana zava-pisotro mahamamo. 16 Taona vitsivitsy taty aoriana izany hoe ny 3 Febroary 1893, dia nisy vehivavy vitsivitsy namaly ny antso ary nanorina fikambanana atao hoe: Fikambanan’ny vehivavy kristiana mpifady toaka. Telo amby telopolo (33) taona ny fikambanana no nahazo namana tamin’ny Fiangonana Protestanta ka i Pastora Jonah Rajemisa no loha-lalana tamin’izany, izay nampian’i Pastora Gustave Mondain, ary dia izy indray no niezaka nanorina ny tena fikambanana iraisan’i Madagasikara, rehefa nahazo namana tamin’ny sampana misiona samihafa toy ny London Mission Society (LMS), Norwegian Mission Society (NMS), Mission Protestante de France

Vokovokomanga Malagasy (VVM) no anarana nisalorany ary iray tarigetra tamin’ireo fikambanana tany ivelany. Tamin’ny 4 Jona 1928 dia neken’ny Fanjakana Malagasy ny Fikambanan’ny Vovokomanga izay fantatra tamin’ny anarana hoe: ”La Croix-Bleue Malgache”, Association anti-alcoolique de Madagascar, izay nahitana mpikambana maro tokoa: karana, sinoa, katolika, … Tsy mba nanavaka. Ny 29 Jolay 1955 no nivoaka ny didy hitsivolana nanendrena ny asan’ny Croix-bleue ho asa fanasoavam-bahoaka. Rehefa nahazo fahaleovan-tena ny Malagasy vao tena nitondra ny anarana raikitra ”Vokovokomanga Malagasy” izy.

Ny fitaran’ny asa

 Nitohy hatrany ny asan’ny vokovokomanga malagasy ary tsy ela dia niorina teo anivon’ny Fiangonana ny sampana VVM. Hatramin’ny taona 1977 dia nivondrona tao amin’ny VVM Malagasy Foibe ny fiangonana maro, na dia efa samy manana aza ny isam-piangonana, anisan’izany ny FLM. Taty aoriana dia niala tsy ho ao amin’ny foibe ny FLM ka dia tapa-kevitra hanamasaka ny sampana ao aminy. Sarotra ny asa, tsy mora velively ny hifanandrina amin’ireo mpanam-bola manana kompania matanjaka ara-toekarena izay manitatra ny fanaovana sy fampandrosoana ny varotra zava-pisotra mahamamo na eto na any an-dafy. Toa mahatsiaro tena ho atody miady amam-bato ihany ny Vokovokomanga; kanefa na dia izany aza dia tsapa ny herin’Andriamanitra amin’ireo ady rehetra atao. Andriamanitra dia afaka manampy sy hampahita ny lalan-kizorana raha tojo olana sarotra. Nitohy hatrany ny ady, izay ”ady tsy tamim-basy aman-defona ka hoe 51 mandratra, fa ady manasitrana ny efa voazioga aza. Tsy mamono na mandevona tahaka izay fandre; fa miaro sy mamelona, ady mitondra soa ho an’ny tsirairay, ho an’ny fianakaviana, ho an’ny firenena, ady manavotra amin’ny fahavoazana tsy tratry ny saina, ady mampitombo harena sy fahasalamana, ka hitoerana amin’ny fiainan-tsambatra tsy misy toa azy.”17 Niezaka mandrakariva ny fikambanana ny hanarina ireo efa tena mpidoroka voafatotra. Ao ihany koa ny fiarovana izay mbola tsy voa, indrindra ny zaza sy ny tanora. Io no tena misongadina ho anton’ny fijoroan’ny fikambanana ao ampiangonana. Miaro sy mitaiza ireo mbola tsy tafalatsaka ao anatin’ny fandriky ny fidorohana zava-mahadomelina satria ”Aleo misoroka toy izay mitsabo”. Ary tena zava-dehibe tokony himasoana lalina izany satria tsapa fa henjana tokoa ny fanabeazana manoloana ny fandrosoana sy fivoarana ankehitriny.

 Ny Vokovokomanga Loterana Malagasy (V.L.M.)

Sampana velona ao anatin’ny F.L.M. ny V.L.M., rehefa neken’ny Synoda Lehibe tamin’ny taona 1967. Ny andraikiny dia miaro sy mamonjy ary manarina ireo olona andevozin’ny zava-mahadomelina samihafa. Manao izay azony atao hampitsahatra ny fisotroana sy ny fifohana ary ny fampielezana ireny. Vain-dohandraharaha ny fitoriana ny Filazantsara sy fitarihana ny mpikambana hijoro ho vavolombelon’i Jesosy Kristy na ao am-piangonana izany na eo anivon’ny fiarahamonina.

 Ireto avy ireo tonia nifandimby hatramin’ny taona 1994:

  • Pastora RAOBELINA Rasolonjatovo Jules (SPAM) 1994 – 1997
  • Pastora RAMARO (SPBM) 1998

Ireo fivorianaiombonana (Zaikabe)

  • 1998 : Antsirabe (SPAM) ny zaikabe faharoa.
  • 2001 : Toliara (SPFT) ny zaikabe fahatelo,
  • 2004 : Antananarivo (SPAnta) ny zaikabe fahaefatra
  • 2007 : Toamasina (SPTm) ny zaikabe fahadimy
  • 2010 : Morondava  SPM zaikabe manaraka fahaenina
  • 2013 : Fianarantsoa, SPAf zaikabe fahafito
  • 2016 : Toliara, SPFT, Zaikabe fahavalo
  • 2019 : Antsirabe, SPAM ; Zaikabe fahasivy

Tsapa fa manao izay ho afany ny VLM indrindra eo amin’ny lafiny fampianarana sy fanentanana ataon’ny kristiana.

3.2.4.1. Ezaka sy Vinavina

 Maro ireo ezaka sy vinavina efa an-dalam-panantanterahana ao koa ny mbola kasaina hatao. Ny VLM Foibe dia hiezaka hanentana sy hampiofana ireo Tonia isantSynoda mba hampazoto azy ireo sy ahafantarany tsara ny asany ary ahafahany mizara ihany koa any amin’ny Fileovana sy Fitandremana rehetra any. Faniriana ny mba hananana orinasa mpanodina ranomboan-kazo ho solon’ny toaka, ao ihany koa ny mba hananana fitaovana manaram-penitra mba hahamora ny asa toy ny fiara 4×4, solontsaina ampiasaina any amin’ny birao, moto sns. Hetaheta ihany koa ny mba hirotsahana amin’ny ady atao amin’ny tsy fahaizana mamaky teny sy manoratra sy ny ady atao amin’ny aretina vokatry ny firaisana ara nofo VIH/SIDA.

Araka ny hevitray dia tsara raha mirotsaka mpikambana ao amin’ny VLM ny pastora sy ny mpiasam-piangonana. Izy ireo mantsy no fitaratra sy modely, ary ny sampana VLM tsy natao ho an’ny mpidoroka samy irery fa na ireo mihevi-tena ho salama koa aza dia tsara ny mirotsaka ho mpikambana mba hanatevin-daharana ny asa. Manaraka izany dia tsy ny fifadian-toaka ihany no tokony ho voizina betsaka amin’ny fampianarana ataon’ny VLM fa fifadiana izay rehetra mety ho zava mahadomelina ka manimba ny tempolin’Andriamanitra