FIANGONANA LOTERANA MALAGASY

Ny Fiangonana Loterana Malagasy, izay hafohezina amin’ny hoe FLM, dia fiangonana kristiana protestanta eto Madagasikara izay nateraky ny fitambaran’ireo fikambanana misionera loterana tamin’ny taona 1950 niasa teto Madagasikara, sady miray amin’ny Fiangonana Loterana maneran-tany izay nipoitra avy tamin’ny Reformasiona nataon-dry Martin Lotera.

Ny tantarany

Ny niandohany

Ny niandohan’ny Fiangonana Loterana teto Madagasikara dia vokatry ny fitoriana ny Filazantsara nataon’ireo misionera avy tamin’ny Misiona Norveziana (anglisy: Norwegian Missionary Society – NMS, na norveziana: Norsk Misjonsselskap) nanomboka ny taona 1866 sy ny Misiona Amerikana (Americana Lutheran Church – ALC) nanomboka tamin’ny taona 1888. Tao Betafo no niorina ny trano fiangonana loterana voalohany teto Madagasikara ary i John Engh no pastora loterana voalohany tao. Ny pastora Rakoto Andrianarijaona no Filohan’ny FLM voalohany.

Fivoarany

Ny Fiangonana Loterana Malagasy dia fiangonana tsy mitsaha-mitombo indrindra amin’ny fiangonana loterana maneran-tany. Isan-kerinandro dia misy fiangonana vaovao iray fara fahavitsiny misokatra manerana ny Nosy.

Miisa 4 000 000 any ho any ny mpino loterana eto Madagasikara.

Rafitra synodaly

Ny Fiangonana Loterana Malagasy dia voalamina araka ny rafitra synodaly ka ahitana an’izao: ny fiangonana isan-toerana maromaro mifanakaiky no mitambatra ho fitandremana, ny fitandremana maromaro mifanakaiky no mivondrona ho fileovana, ny fileovana maromaro no miray ho synodam-paritany ary ireo rehetra ireo no mamorona ny FLM manontolo izay tantanan’ny Synoda Lehibe. Pastora daholo no mitandrina azy ireo afa-tsy ny fiangonana tsy renivohi-pitandremana izay sahanin’ny katekista. Fifidianana eo anivon’ny synodam-paritany no mamaritra ny fanomezana pastora ny fitandremana sy ny fileovana.

Ny Birao Foibe sy ny Synoda Lehibe

Ny Birao Foiben’ny Fiangonana Loterana Malagasy no tompon’andraikitra voalohany amin’ny fitantanana ny FLM. Izy no birao mpanatanteraka ny Komitin’ny Synoda Lehibe (KSL) sy ny Komity Mpiandraikitra ny Synoda Lehibe (KMSL). Toa izao ny mpikambana ao aminy :

  • Filoha: PAstora Dr RAKOTOZAFY Denis
  • Filoha Lefitra: Pastora RATSITONTANIRINA Gastrien, Filoha SPMa
  • Tonia: Pastora Kotobesoa
  • Tonia Lefitra: Toromaree Mananato, Teolojiana.
  • Mpitahirivola: Atoa RAZAFIHARISON Andriamanantena

Ny Synoda Lehibe dia fitambaran’ny synodam-paritany rehetra. Ny Komitin’io Synoda Lehibe io (na KSL) dia mivory isaky ny 4 taona. Ary ny Komity Mpiandraikitra ny Synoda Lehibe (KMSL) dia mivory indroa isan-taona.

Ny Synodam-Paritany

Manana Synodam-Paritany (SP) miisa 23 ny FLM ka toa izao izy ireo sy ny filohany :

  • SP Avaratrimania (SPAM) : Pastora Ratolojanahary Andriamanampisoa.
  • SP Afovoany (SPAf) : Pastora Mahay Jaonary.
  • SP Fiherenana (SPFT) : Pastora Razafimahatratra Angelos Modeste.
  • SP Betioky Atsimo (SPBA) : Faramana Frigson.
  • SP Atsinanana (SPAts) : Pastora Rabery
  • SP Menabe (SPM): Pastora RAZANASOZA Vangay
  • SP Toamasina (SPTm) : Toto Chrysostome Joseph
  • SP Boina Mahajanga (SPBM) : Pastora ANDRIAMONGOLANDY Tsirimampisa David
  • SP Fisakana (SpaFi) : Pastora ANDRIAMANARINJATO Maholisoa Johanesa.
  • SP Faradofay (SPFa) : Pastora Manarintsoa Rakotondravony Soloson.
  • SP Ambovombe Androy (SPAA): Pastora Mampitohy Elia.
  • SP Antsiranana (SPA) : Pastora RALAIVAO Jocelyn
  • SP Manakara (SPMa): Pastora Ratsitontanirina Gastrien.
  • SP Nosivolo (SPN): Pastora Rafamantanantsoa Zafimbelo Nelson.
  • SP Anala (SPAN) Pastora RANAIVOSOLO Jaona
  • SP Horombe (SPH): Pastora ZAFIMANJARY Jose Thierry
  • SP Antananarivo (SPAnta): Pastora Ratefiarivony Jacques Audace.
  • SP Melaky (SPMel): Pastora Razafindrainiparisolo Mamy R.
  • SP Alaotra (SPAl): Pastora Ramanandraibe Helson Martin.
  • SP Avaratra Atsinanana (SPAvA): Pastora Fidel
  • SP Andriry Betroka(SPAB): Pastora Andriamihaja Jean Norbert.
  • SP Sofia (SPSofia):Pastora Toto Armand.
  • SP FLM Eoropa (SPFLME): Pastora Dr. Rakotondreazaka Habberstad.
  • SP Ambodiharan’i Vondrozo (SPAV): Pastora LAKY Gregoire
  • SP Atsimonimania (SPAtsim): Pastora RAKOTOMALALA Rene

Sampan-draharaha sy sampana velona

Ny Fiangonana Loterana Malagasy dia manavaka ny atao hoe « sampan-draharaha » , « sampana velona » ,  » fandrindrana  » ary ny « sehatrasa ».

Ireo sampan-draharaha ao amin’ny FLM

  • Tafika Masina Maharitra (TMM)
  • Trano Printy Fiangonana Loterana Malagasy (TPFLM)
  • Fampianarana sy Fanabeazana Loterana (FFL)
  • Foibe Fampianarana Teolojia Loterana (FFTL)
  • Foibe Loterana momba ny Fifandraisana (FLF)
  • Sampan’Asa Loterana momba ny Fahasalamana (SALFA)
  • Foibe Fanabeazana ny Jamba (FOFAJA)
  • Foibe Fanabeazana ny Marenina (FOFAMA)
  • Fanentanana Fambolena sy Fiompiana (FAFAFI)
  • Asa Misiona Loterana amin’ny Tantsambo (AMLT)
  • Asa Fitoriana amin’ny Hasila (SHALOM)

Ireo fandrindrana FLM

  • Asa fitoriana ny Filazantsara (Evangelisation)
  • Asa Misiona Ivelany (AMI)
  • Fampandrosoana eo Anivon’ny Loterana (FAniLo)
  • Soritrasa fampandrosoana faobe ny ambanivohitra (MIRD Program)
  • Asa fandrindrana ny Diakonia (Diakonia)
  • Ady ataon’ny FLM amin’ny VIH SIDA (VIH sy SIDA)
  • Fandrindrana Nasionaly momba ny Fitantanana ( DAF PP)
  • Exploitation
  • Soritrasa momba ny Fananantany Loterana ( SOFATAL)
  • Voina mahatratra
  • Ivon-toerana Loterana (IRA)
  • Fizakantena
  • Hatanjaho ny FLM (Empower FLM – Ity ny Fiangonantsika – Ampiasao ny talentanao)
  • Fandrindrana Nasionaly momba ny Fifandraisana amin’ny fiombonam-piangonana (LWF, LUCA, COE, LUCCEA, CETA, FFKM, FFPM, FMBM).

Sehatrasa SRFL : Sehatrasa momba ny raharaha fampihavanana sy ny Lalàna

Ireo sampana velona ao amin’ny fiangonana

  • Sekoly Alahady Loterana Malagasy (SALoMa)
  • Fiombonan’ny Kristiana Tanora Loterana Malagasy (FKTLM)
  • Vokovokomanga Loterana Malagasy (VLM)
  • Fikambanana Skoto eto amin’ny FLM (FS.FLM)
  • Fikambanam-Behivavy Loterana (FBL)
  • Fikambanan-Dehilahy Loterana (FDL)
  • Firaisan’ny Fifohazana Loterana (FIFIL)
  • Fikambanan’ny Diakona FLM (FDFLM)

Fifandraisany amin’ny fiangonana eto Madagasikara

Mikambana ao amin’ny Fiombonan’ny Fiangonana Kristiana eto Madagasikara (FFKM) izay ivondronany amin’ny Eglizy Katolika Apostolika Romana (EKAR) sy ny Fiangonan’i Jesoa Kristy eto Madagasikara (FJKM) ary ny Eklesia Episkopaly Malagasy (EEM) ny FLM. Mpikambana ao amin’ny Fiombonan’ny Fiangonana Protestanta eto Madagasikara (FFPM) koa izy miaraka amin’ny FJKM.

Fifandraisany amin’ny any ivelan’i Madagasikara

Mifandray sy mikambana ao amin’ny World Council of Churches (« Fiombonan’ny fiangonana maneran-tany ») nanomboka tamin’ny taona 1966 ny FLM. Mikambana ao amin’ny Lutheran World Federation (malagasy: Fiombonan’ny Fiangonana Loterana Eran-Tany na FFLET) sy ny All Africa Conference of Churches (« Fiombonan’ny fiangonana eran’i Afrika ») koa izy.

Mifandray amin’ny Lutheran Church–Missouri Synod (LCMS) ny FLM sady nankato tamin’ny alalan’ny fifidianana tamin’ny 25 Mey 2018 ny hampisy firaisana bebe kokoa amin’ny samy Kristiana loterana. Voaray ho mpikambana feno ao amin’ny International Lutheran Council (ILC) ny FLM tamin’ny fivoriambe natao tao Antwerp any Belzika tamin’ny 25-26 Septambra 2018.

Saika nanapaka ny fifandraisany amin’ny Evangelical Lutheran Church in America (ELCA) ny FLM noho ny naneken’io fiangonana io ny fitsofan-dranom-panambadian’ny samy lehilahy na ny samy vehivavy, sy ny fanokanana ho mpitondra fiangonana ny lehilahy manambady lehilahy na ny vehivavy manambady vehivavy. Sahala amin’ny nataon’ny fiangonana loterana hafa toy ny fiangonana loterana etiopiana Evangelical Mekane Yesus Fellowship in North America (ao Amerika) sy ny Ethiopian Evangelical Church Mekane Yesus (ao Etiopia) izay nanapaka izany fifandraisana izany koa.

Ny finoany

Soratra Masina

Amin’ny Fiangonana Loterana Malagasy dia ny boky kanonika ao amin’ny Baiboly (ilay ampiasain’ny Protestanta), dia ny Testamenta Taloha sy ny Testamenta Vaovao no Soratra Masina anorenany ny finoany sy ny fampianarany.

Fampianaram-pinoana

Ireto avy ireo boky mirakitra ny fampianaram-pinoan’ny Fiangonana Loterana Malagasy:

  • ny Boky Symbolika,
  • ny Konfesiona Aogostana,
  • ny Foto-pianarana kely, nosoratan’i Lotera.

Fanekem-pinoana

Ny fanekem-pinoana apostolika

"Mino an’Andriamanitra Ray Tsitoha, Mpanao ny lanitra sy ny tany aho; Ary mino an’i Jesosy Kristy, Zanaka lahy Tokana Tompontsika. Izay notorontoronina tamin’ny Fanahy Masina, naterak’i Maria Virijiny, nijaly raha nanapaka i Pontio Pilato, nohomboana tamin’ny hazofijaliana, maty ka nalevina, nidina tany amin’ny fiainan-tsi-hita, nitsangana tamin’ny maty tamin’ny andro fahatelo, niakatra ho any an-danitra, mipetraka eo ankavanan’Andriamanitra Ray Tsitoha, avy any no hihaviany hitsara ny velona sy ny maty. Mino ny Fanahy Masina aho, ny Fiangonana Masina manerana izao tontolo izao, ny fiombonan’ny olona masina, ny famelan-keloka, ny fitsanganan’ny tena amin’ny maty ary ny fiainana mandrakizay. Amena."

Ny fanekem-pinoana niseana

"Izaho mino an’Andriamanitra Tokana, Ray tsitoha, Mpanao ny lanitra sy ny tany ary ny zavatra rehetra, na ny hita na ny tsy hita.
Izaho mino an’i Jesosy Kristy Tompo Tokana, Zanak’Andriamanitra Lahitokana; nateraky ny Ray talohan’ ny fotoana rehetra; Andriamanitra avy amin’Andriamanitra; fahazavana avy amin’ny fahazavana, Andriamanitra marina avy amin’Andriamanitra marina; nateraka fa tsy noharina; miray Sobstansa (Izy maha-Izy Azy) amin’ny Ray; amin’ ny alalany no nahariana ny zavatra rehetra. Noho isika olombelona sy ny famonjena antsika no nidinany avy any an-danitra, ary tonga nofo notorontoronin’ny Fanahy Masina tao an-kibon’ i Maria virijina ka natao olombelona; nohomboana tamin’ny hazo fijaliana koa hisolo antsika fony nanapaka Pontio Pilato; nijaly ary nalevina; ary nitsangana indray tamin’ny andro fahatelo araka ny Soratra Masina; niakatra ho any an-danitra; mipetraka eo ankavanan’ny Ray, ary ho avy indray amim-boninahitra hitsara ny velona sy ny maty, ary tsy hanam-pahataperana ny fanjakany.
Izaho mino ny Fanahy Masina, Izay Tompo sady Mpamelona; Izay avy amin’ny Ray sy ny Zanaka; Izay itsaohana sy omem-boninahitra miaraka amin’ny Ray sy ny Zanaka; Izay niteny tamin’ny alàlan’ny mpaminany.
Izaho mino ny Fiangonana tokana, masina, apostolika, manerana izao tontolo izao. Izaho manaiky ny batisa iray ho famelan-keloka, ary miandry ny fitsanganan’ny maty sy ny fiainana mandrakizay. Amena."

Filamatra

Noraisin’ny FLM ho teny filamatra ny Solae izay namintinana ny fototra iorenan’ny reformasiona, dia ny hoe; « Fahasoavana irery ihany » (Sola gratia), « Finona irery ihany » (Sola fide), « Soratra Masina irery ihany » (Sola Scriptura) ary « Jesosy irery ihany » (Solus Christus). Manampy an’io ny hoe « An’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra » (Soli Deo gloria).