JOBILY FANKASITRAHANA NY TONIA NASIONALIN’NY SHALOM

JOBILY FANKASITRAHANA NY TONIA NASIONALIN’NY SHALOM

KOMITY MPITANTANA SHALOM (Foibe Shalom Antanimalandy SPBM) – JOBILY FANKASITRAHANA NY TONIA NASIONALIN’NY SHALOM sady FILOHA MPAMAKY LAY HO AN’NY SP BOENY MAHAJANGA Pastora RAKOTOARIJAONA Daniel Stephan sy Rtoa Teolojiana RASOANANDRASANA Noeline Lucie vadiny, naharitra 40 taona teo amin’ny zara fanompoana : 1979-2019 (FLM Tsaramandroso) ny 22-24 Marsa 2019

Notazonin’ireto Raiamandreny ireto mafy sady tsy afaka tao am-pony teo amin’ny fiainam-panompoany ny fampianaran’ireo mpampianatra Teolojia Pratika ngezalahy tany Ivory fahiny manao hoe : “Aoka ho anjaran’I Jesosy irery ny fiantsoana sy ny fanendrena anao ho Pastora, fa aza mifidy toerana heverinao ho tsara, sao ilaozan’I Jesosy miasa irery, ka sendra olana saro-bahana”. Faharesen-dahatra lehibe tao anaty noho IO ANTSON’ANDRIAMANITRA SY FANENDRENY IO no naneken’izy mivady hamaky tany amin’ny faritr’i Boeny, na dia zanaky ny SP Atsinanana (Pastora) sy ny SP Avatrimania (Teolojiana) aza izy ireo, Lesona sy hafatra avelan’izy ireo ho antsika zanaka mpandimby ankehitriny izany.

Koa atsipy ny tady eo an-tandroky ny omby ary atsipy ny teny ao am-pon’izay mahalala.

share