SAMPAN’ASA LOTERANA MOMBA NY FAHASALAMANA

SAMPAN'ASA LOTERANA MOMBA NY FAHASALAMANA

SAMPAN’ASA LOTERANA MOMBA NY FAHASALAMANA, « Mitsangàna, mihazavà, fa tonga ny fahazavanao, ary ny voninahitr’i Jehovah efa miposaka aminao. » Isaia 60:1
Notanterahina ny Asabotsy 24 Aogositra lasa teo ny fivorian’ny Komitim-pitantana (KM) ny SALFA,
izay natao tao amin’ny Foiben’ny Fiangonana Loterana Malagasy, Isoraka Antananarivo.
Noresahana nandritra izany fivoriana izany ny fanaovana tatitra izay nataon’ny isan’ambaratongam-pitondrana eo amin’ny SALFA:
– Tatitry ny Tale Jeneraly
– Tatitry ny Tale teknika
– Tatitry ny Tale misahana ny Fikarohana sy ny Fandrindrana
– Tatitry ny Tomponandraikitra ara-bola
– Tatitry ny Mpanaramaso
Ankoatry ny tatitra moa dia voaresaka tao ihany koa, ny Fankalazana ny faha 40 taona ny SALFA, izay ankalazaina ny 15-20 Oktobra ho avy izao.
Tao ihany koa ny nandraisana ny DAF(Directeur Administratif et Financier) vaovao dia ny Pastora ANDRIAMAMPIONONA Rivo.

Tonga nanatrika izany fotoana izany avokoa ireo komitim-pitantanana rehetra:
Foibe ny Fiangonana Loterana Malagasy ( Filoha – Filoha lefitra- Tonia lefitra)
Ireo solontenan’ny KMSL izay soloan’ny Filohan’ny Synodam-Paritany Fisakana (SPAFi),SPFT ary ny SPAVA
Solontenan’ny ireo Dispensaire andrenivohitra sy ny ambanivohitra
Ny Talen’ny Sekoly fanomanana Mpitsabo (SEFAM)
Ny Tale Jeneralin’ny SALFA sy ireo Dokotera tompon’andraikitra voalohany eo amin’ny SALFA Foibe.
Solotenam-panjakana avy amin’ny ministeran’ny Fahasalam-bahoaka sy ny Ministeran’ny Fitantanam-bola.

Nilamina ny fivoriana ka isaorana an’Andriamanitra, novoizina hatrany moa ny fanevan’ity Sampan-draharaha ity izay efa fantantsika ny hoe: »Izahay Mitsabo, Jesosy manasitrana »

share