Apokalypsy 22 : 1 – 5

Apokalypsy 22 : 1 - 5
Misaotra an’Andriamanitra isika ry havana, fa nomen’Andriamanitra ny bokin ‘ny Apokalypsy tamin’ny alalan’i Jaona mpaminany. Tsy Apostoly fotsiny ihany izy fa tena mpaminany lehiben’Andriamanitra, izay nanehoan’i Jesosy Kristy ny zava-miafin’ny fiainana mandrakizay.
Ny Apokalypsy, ry havana, dia tsy fampitahorana, tsy zavatra tsy tokony ho vakiana fa zavatra tena ilain’ny Kristiana ho fampaherezana manoloana ny ady sarotra. Nampaherezan’i Jaona Apostoly ireo Kristiana niharitra ny fanenjehana sy ny fampahoriana, niharitra ny fijaliana sy ny famonoana nataon’ny Emperora Romana tamin’izany vanim-potoana izany ny Apokalypsy. Fa hampaherezan’Andriamanitra antsika koa ry havana amin’izao andro farany izao, izay hanatrehantsika olana samihafa amin’ny fiainana, ny adim-piainana isan’andro isan’andro, ny areti-mandringana izay toa mampitahotra. Ao anatin’izany no hampaherezan’Andriamanitra antsika amin’ny alalan’izao Tenin’Andriamanitra homen’i Jesosy Kristy antsika izao.
Ny fanevantsika moa amin’izao isan-taonan’ny Tobilehibe izao dia maneho indrindra fa izay maharesy dia hitafy ny lamba fotsy, dia ilay lamba fosty feno fiadanana, ilay mampahatsiahy indrindra ilay tononkira manao hoe : Jesosy Kristy Tompo no lamba itafiantsika, Izy no Fahamarinantsika. Ary izany indrindra koa no ampaherezana sahady antsika, ry havana, amin’izao fanombohan’izao Tenin’Andriamanitra izao, mba tsy ho ketraka isika amin’ny ady izay lalovana. Ny Tenin’Andriamanitra ry havana dia maneho indrindra ny fihavian’ilay Jerosalema vaovao izay ho an’izay rehetra mpandresy amin’ny andro farany. Toa ohatran’ny manambara izany ry havana, fa hisy ny mpandresy, ary hisy izay ho resy amin’ny andro farany. Tsy hoe akory ny Kristiana rehetra no ho mpandresy, ary tsy hoe akory ny jentilisa rehetra no ho resy, fa mety ho sanatriavin’izany, ho maro ny Kristiana ho resy amin’ny andro farany, tsy hahatohitra ny fakam-panahy ataon’i Satana manoloana ny adim-piaianana eto amin’ity tany ity sy ny fahoriana eto amin’ity tany ity. Tsy hahatohitra ny fakam-panahy sy ny fitarihan-dratsy eto amin’ity izao tontolo izao ity, ka lasa niroboka ho any amin’ny làlan’ny fahaverezana. Amin’ny andro farany ireny olona ireny, izay tsy naharitra tao amin’i Jesosy Kristy Tompo, tsy naharitra fahoriana niaraka tamin’i jesosy Kristy Tompo, dia ireny ilay ho antsoina hoe : resy. Ary ho an’izay resy, ry havana, tsy manana anjara ao amin’ny fiainana mandrakizay izy, ho fafàna ao amin’ny bokin’ny fiainana ny anarany, hoy ny lazain’ny Tenin’Andriamanitra. Tsy hisy ilay onin’ny rano Velona izay hampisotroina azy, izay manambara fa hisy fiainana mandrakizay tsy mitsahatra ao aminy amin’izany andro farany izany. Tsy hisy ilay voa tsara izay avy amin’ny Hazon’aina izay maneho indrindra fa tsy misy fiafarany intsony izany fiadanana mandrakizay izany. Tsy hahita ny fahazavan’ny Tavan’Andriamanitra izany olona izany, tsy hahita ny fiadanana ao amin’Andriamanitra izany, ny hany ho tazany dia ny fahamaizinan’ny farihy mirehitra afo, ny fijaliana mandrakizay, ny fahoriana mandrakizay. Tsy afaka ny hifanatri-tava amin’izany Andriamanitra Ray sy Zanaka ary Fanahy Masina izany izy, ary tsy hahita an’izany fitsaharana izany.
Ny olona izay resy ry havana, mety ho mpanompon’Andriamanitra izany, mety ho Kristiana izany, dia ampahatsiahivina antsika androany, eto ampandrenesana izao tenin’Andriamanitra izao, fa amin’ny andro farany, amin’izay hihavian’i Jesosy Kristy Tompo eny amin’ny rahon’ny lanitra, dia Ilay Zanak’Olona, izay efa naminanian’i Daniela Mpaminany, ary mbola tsindrian’ny Apokalypsy ihany, amin’izany andro farany izany, dia hanavaka ny mpandresy sy ny resy Jesosy, ary izay rehetra resy, ry havana, dia hanana ny anjarany any amin’ny farihy mirehitra afo maharitra mandrakizay. Fa ny tenin’Andriamanitra efa miteny hoe : any amin’ny fikitroha-nify mandrakizay no toerana hisy ny mpierina, ny mpijangajanga, ny mpamono olona, izay rehetra mpanota tsy mety mibebaka teto amin’ity tany ity. Tsy mifidy karazan’olona izany, ry havana, mety ho jentilisa tsy mety miova mankao amin’ny finoana an’i Jesosy izany, fa mety ho Kristiana koa izany, izay voatariky ny fankam-panahin’i Satana nankany amin’ny làlan-dratsy, nahita niraviravian’i Satana amin’ny zavatr’izao tontolo izao sy ny mamirapiratr’izao tontolo izao. Tsy mifidy karazan’olona ny fanariana amin’ny helo ry havana, fa na dia malahelo fatratra aza Jesosy Kristy Tompo, na dia mitomany azy Jesosy amin’izany andro farany izanhy, hahita mpanompon’Andriamanitra maro mirohotra mankany amin’ny helo, inona no azo atao ? Tsy hahita ny ranon’ny Ony Velona, tsy hahita ny Hazon’aina, tsy hahita ny fahazavan’ny tavan’Andriamanitra, ho fahoriana mandrakizay no ho azy.
Koa ho anao izay Kristiana mihaino izao tenin’Andriamanitra izao, ny vanim-potoana izay lalovantsika dia vanim-potoana sarotra, vanim-potoana mampihemotra, vanim-potoana mahakivy, vanim-potoana mampi-te hamoy fo. Efa miharatsy izao tontolo izao, efa mihasimba izao tontolo izao, ny fahotan’ny olombelona : efitra mampisaraka antsika amin’Andriamanitra izany. Efa fotoanan’ny fandinihan-tena, fotoanan’ny fibebahana, fandrao dia tonga ny andro farany, ry havana, ka ho very any amin’ny helo isika mianakavy. Hitenenan’i Jesosy amin’ny andro farany : « tsy fantatro ianao na avy aiza, na avy aiza, mialà amiko fa olo-meloka, any amin’ny farihy mirehitra afo no toerana misy anao. » Sanatria ve hitenenan’i Jesosy an’izany aho, sanatria ve hitenenan’i jesosy an’izany ianao ? Tsia ry havana ! Handaha isika hiaraka handresy ny fakam-panahy amin’ny alalan’i Jesosy Kristy Tompo, Ilay tia antsika. Fa amin’izany andro farany izany ry havana, ho an’izay mpandresy, ho an’izay miaritra fahoriana, ho an’izay miaritra ny eso, ny latsa, ny fanenjehana, ny fijaliana teto amin’ity tany ity, dia tsy ho diso fanantenana izy, Andriamanitra tsy mba mivadika Ilay mampanantena azy, Andriamanitra tia antsika no mampanantena anao : « fa raha miara-miharitra Amiko ianao, hoy Jesosy, dia hiara-hanam-boninahitra Amiko. »
Asehon’Andriamanitra, asehon’i Jesosy amin’ny alalan’i Jaona Apostoly, amin’izany fahitana tsaratarehy izany, ny endriky ny fiadanana ao amin’izany Jerosalema vaovao homen’Andramanitra antsika rehetra izay mino izany. Asehon’i Jaona Apostoly tamin’ny alalan’izany fahitana izany, fa misy ny Onin’ny ranon’Aina managanohano tahaka ny vato kristaly, misy Onin’ny ranon’Aina tsy mety ritra, izany no zava-pisotro. Tsy ny zavatry ny tany, na ny rano teto amin’izao tontolo izao, na ny zava-pisotro izay mampiadana ny nofo teto amin’ity izao tontolo izao ity intsony, kanefa hitondra fahoriana ihany ao aoriana, tsy izany intsony no homena ny mino amin’izany andro farany izany, fa ny Onin’ny Ranon’Aina, izay miboiboika tsy mety ritra, ilay mivoaka avy amin’ny seza fiandrianan’Andriamanitra sy ny Zanak’Olona na ny Zanak’Ondry, toa ohatran’ny mampahatsiahy ilay Fanahin’Andriamanitra nampidininy teto amin’ity izao tontolo izao ity, ilay nivoaka avy amin’ny Ray sy ny Zanaka izany ry havana, dia Ilay Fanahy mitondra fiainana ho an’izay rehetra mino Azy. Izany no hampiadanana, izany no hampitsaharana ny fanahin’izay rehetra naharitra niaraka tamin’i Jesosy, izay rehetra niaritra fahoriana, manganohano tahaka ny vato kristaly (transparent), maneho ny fahamasinan’andriamanitra, maneho ny fahadiovan’Andriamanitra, tsy misy fitaka, tsy misy lainga, fampanantenana feno fiadanana, izany no atolotra anao amin’ny andro farany. Eny andaniny roa amin’ny Ony, hoy ny Tenin’Andriamanitra, dia misy Hazon’Aina maro maniry, ary mamoha voa roa ambin’ny folo karazany, tsy mitovy amin’ny zava-boahary teto amin’ity tany ity, tsy mitovy amin’ny voa nohanintsika teto amin’ity tany ity, fa ny hazo iray eto amin’ity izao tontolo izao ity, dia voa tokana ihany no avoakany : raha manga ohatra no hambolenao, dia manga ihany no avoakany. Fa amin’izany andro farany izany, dia hisy voa karazany roa ambin’ny folo. Maneho izany fa tsy misy fitsaharany, ary feno, feno dia feno ny fahombiazana, fahasoavana hanampy fahasoavana ny ao amin’i Jesosy, ka tsy takatry ny saina ny fiadanana, ny voan’ny fiaianana izay homen’Andriamanitra izay mihaona Aminy amin’izany andro farany izany. Dia tsy iza izany, fa izaho, ianao izay niharitra ny fahoriana, niharitra ny fijaliana, niharitra ny fanalam-baraka, ary nanaiky tahaka an’i Paoly Apostoly niharitra teto amin’ity izao tontolo izao ity.
Ny roa ambin’ny folo dia hanondroana ny Apostoly roa ambin’ny folo lahy, hanondroana ny foko roa ambin’ny folon’ny Israely, kanefa koa ankehitriny, dia hanondroanan antsika izay taranak’Israely vaovao, izay rehetra mino Azy manerana izao tontolo izao, ka niharitra fahoriana teto amin’ity izao tontolo izao ity, dia isika, ho anjarantsika izany. Hiadana amin’izany isika, hifaly amin’izany isika, tsy misy fahoriana ny dikan’izany, tsy hisy fahafatesana intsony ny diakn’izany, fa ho fiainana mandrakizay tsy misy fihafarany. Tsy hay ny manazava ny fiadanana amin’izany andro farany izany, ry havana, ny fahoriana vetivety izay lalovantsika ety, izao fahakiviana lalovantsika amin’izao vanim-potoana sarotra izay iaianantsika izao, tsinontsinona izany raha oharina amin’ny fiadanana izay homen’i Jesosy anao. Mahareta ao amin’i Jesosy, fa Izy no manome ny fitsaharana, Izy no manome antsika ny fiadanana, ary efa hambarany amin’ny Tenin’Andriamanitra fa mamoa ravina koa, misy ravina tsaratarehy, izay ravina ho fanasitranana. Tsy ilay balsama mpanasitrana tamin’ny andron’ny Zanak’Israely intsony, fa ravina mitondra fanasitranana maharitra mandrakizay manambara fa tsy misy aretina intsony amin’izany andro izany. Izany no fanasitranan’Andriamanitra : tsy hahita alahelo intsony ianao, tsy hahita tomany intsony ny mino amin’izany andro farany izany. Izany ry havana no hampanantenaina anao : tsy lainga, tsy fitaka ny Tenin’Andriamanitra fa Andriamanitra mampanantena ny zavatra tsara. Izany fanoharana rehetra izany ry havana, dia hanehoana fa fiadanana ny ao amin’izany Jerosalema vaovao no homen’Andriamanitra anao izany. Aza variana amin’ny Jerosalema taloha, aza variana amin’izay mety ho fiadanan’ity tany ity izay heverinao fa hifalianao, kanefa fito-polo na valopolo taona, mety ho latsak’izany aza, eto amin’ity tany ity, aza variana mifaly amin’izany, fa hevero ilay Jerosalema vaovao izay ho azonao amin’ny andro farany.
Amin’izany fotoana izany ry havana, tsy hisy intsony ny ozona. Eto amin’ity izao tontolo izao ity dia mizaka fahoriana isika, mety ho ozona nohon’ny fahotana izany, mety ho vokatry ny nataontsika izany, fa amin’izany fotoana izany, tsy misy ozona, tsy manozona Andriamanitra. Tsy misy fahoriana intsony amin’izany, tsisy fijaliana intsony amin’izany, ho fiadanana no miaraka amin’i Jesosy Kristy Tompo. Ary tsy hisy intsony koa ny alina. Mazava foana ny andro amin’izany fotoana izany. Ny alina izay mariky ny fanjakan’ny maizina tsy hanan-kery tsy hanam-pahefana ao amin’izany Jerosalema vaovao izany intsony. Ny fanjakan’ny maizina, ny fankan’i Satana, ny fanjakan’ny devoly sy ny forongony, tsy hanan-kery tsy hanam-pahefana ao amin’izany intsony. Any amin’ny farihy mirehitra afo no toerana misy azy miaraka amin’izay resy rehetra.
Fa ny fanjakan’Andriamanitra feno sy tanteraka no manjaka amin’izany, fiadanana tanteraka no manjaka amin’izany ary amin’izay fotoana izay, tsy ilaina intsony ny fahazavan’ny masoandro, tsy mila ny zavaboahary teto amin’ity tany ity intsony, tsy mila ny zava-boahary izay nampiasaina teto amin’ity tany ity intsony tahaka ny masoandro amin’izany fotoana izany fa ny fahazavan’ny tavan’Andriamanitra dia ampy sy feno. Mihoatra be, ampy ho an’izay rehetra tonga any, na firy na firy miditra ao amin’izany fiainana mandrakizay izany.
Efa niteny anie Jesosy e ! Hoe handeha Aho, dia hanamboatra fitoeranaho anareo. Efa homanin’Andriamanitr ahatry ny ela ry havana, izany Jerosalema vaovao ho antsika izany, izay hazavain’ny tavan’Andriamanitra ; hifanatri-tava amin’Andriamnitra isika, hahita an’Andriamanitra isan’andro ianao. Inona intsony no hampanahy ? Inona no mamapatahotra antsika ? Tsy ilaina intsony ny jiro fanazavana. Eto amin’izao tontolo izao ity dia mila jiro isika, mila labozia isika, mila jiro avy amin’ny herin’aratra isika mba hanazva ny tanàna sy ny tranontsika sy ny fiaianantsika. Tsy ilaina intsony ny zavatra izay vita main’ny tànan’olombelona ao amin’ny fiainana mandrakizay.
Izay avy amin’Andriamanitra dia efa ampy mahazava antsika, dia ny tavan’Andriamanitra mamirapiratra feno fiadanana, feno fitsaharana. Amin’izay fotoana izay dia hiadana ianao, ry havana. Tsy hisy fiafarany ny fiadanana. Matokia an’i Jesosy, aza kivy na ketraka amin’ity fiainana mandalo ity. Aza atao mampihondrika ny fonao ny zavatra mandalo, ny fahafatesana etsy sy eroa, vao maika izany ataovy mampiakatra ny finoanao ao amin’i Jesosy Kristy Tompo.
Ny hafatra ho anao eto am-pamaranana ry havana dia izao : sokafy ny Baiboly, vakio ny Tenin’Andriamanitra fa ao ihany no hampiorenany ny finoanao, ao ihany no hampahatanjahany ny finoanao mba tsy hahatonga anao ho reraka, rehefa variana mijery ny zavatra manodidina ianao. Eny, ny Tenin’Andriamanitra vakiana, i no iaianana, io no itokiana, io no manome anao ny fitsharana mandrakizay, dia Ilay Jesosy Kristy Tompo. Izy ilay Teny velona tonga teto amin’izao tontolo izao. Izy Ilay Teny tonga nofo, ao Aminy ihany no misy ny fitsaharana. Noho izany, aza kivy na ketraka ; amin’ny andro farany ianao dia ho mpandresy ary izay maharesy, dia hitafy ny lamba fotsy. Izay maharesy dia hiara-honina amin’Andriamanitra, ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina.
Mahereza, mahatanjaha, momba anao ny Tompo. Amen.
Share