Apokalypsy 3: 1 – 6

Apokalypsy 3: 1 – 6
Ny Soratra Masina izay hianarantsika androany, ry havana, dia iray amin’ireo taratsy,na hafatra, ho an’ireo Fiangonana fito tany Asia Minora fahizay. Dia ny fiangonana faha-dimy, izay tany amin’ny tanàna anakiray antsoina hoe Sardisy.
Amin’ireo hafatra fito ireo, dia tsara ny manamarika fa ity hafatra ho an’i Sardisy ity no mafy indrindra. Raha olombelona tsotra amin’izao no lazaina hoe “maty”, nefa izy velona sy mihetsiketsika, dia zavatra roa no miseho: na hiteny ilay olona heo: “fahavaloko ianao”, na hiteny izy hoe “ maniratsira ahy ianao”: insulte izany. Olona velona, miamihetsiketsika, miasa, nefa lazain’i Jesosy mazava tsara fa: maty izy. Maty faha-velona.
Ireo hafatra fito ireo ry havana, dia misy zavatra hahafantarana azy, izay mampitovy azy. Voalazan’I Dr Barson omaly ny amin’ny resaka structure, firafitra, sns…, fa ny hanampiako azy dia ire teny izay miverimberina matetika ao amin’ireo hafatra ireo. Toy ny hoe: “Fantatro ny asanao”, “miambena”, “mibebaha”. Ary misy foana ny zavatra miabo izay tsara nataon’ilay Fiangonana, ary misy ny zavatra miiba izay hananaran’I Jesosy, araka izay efa voalaza omaly ihany izany. Fa ny tao amin’ny Fiangonana Sardisy kosa, vao manomboka mihitsy ilay hafatra, dia teny somary mahatafintohina ny Fiangonana: “Fantatro ny asanao. Manana anarana ho velona ianao, kanjo maty ihany.”. Maty faha-velona.
Hozaraiko telo miavaka tsara ity fampianarana izay ataoko ity, satria moa ireo hafatra fito ireo dia samy ahitantsika ilay fomba fitenin’i Jesosy, ilay fomba fanehoan-kevitry ny Tompo, izay miainga avy amin’ilay toetoetran’ilay tanàna, izay maha-izy azy an’ilay tanàna, ary dia io no hitondràn’I Jesosy hafatra ampianarany ny Fiangonana.
Noho izany:
1) Hojerentsika ireo lafika rehetra, na ara-tanatra, na ara-kolontsaina mikasika ity tanànan’I Sardisy ity, sy ny Fiangonana sy ireo zavatra rehetra manodidina ity Fiangonana tany Sardidy ity.
2) Hijery isika ny teksta, ny Apokalypsy 3: 1 – 6: hazavaintsika isaky ny andininy izany.
3) Hojerevantsika ny hafatra na ny lanjan’izany teny izany amintsika ankehitriny,: inona no lazainy amin’ny Fiangonana ankehitriny. Inona no lazain’izany amin’ny Fifohazana Ankaramalaza? Inona no lazain’izany amin’ny Fiangonana FLM? Inona no lazain’izany amin’ny Fiangonana kristiana eto Madagasikara amin’ny ankapobeny?
𝟏. 𝐍𝐘 𝐋𝐀𝐅𝐈𝐊𝐀 𝐀𝐑𝐀-𝐓𝐀𝐍𝐓𝐀𝐑𝐀 𝐒𝐘 𝐀𝐑𝐀-𝐊𝐎𝐋𝐎𝐍𝐓𝐒𝐀𝐈𝐍𝐀 𝐌𝐎𝐌𝐁𝐀 𝐍𝐘 𝐓𝐀𝐍𝐀𝐍𝐀 𝐒𝐀𝐑𝐃𝐈𝐒𝐘
• Ity tanànan’I Sardisy ity, ry Havana, dia renivohitry ny fanjakana Lydia fahizay. Nanana ny maha-izy azy ity tanànan’I Sardisy ity, satria, nanan-karena be izy, sady be voninahitra. Niavaka tamin’ireo tanàna izay manodidina azy. Ny tanàna manodidina azy ity moa izany dia Efesosy, sy ireo tanàna hafa izay hitantsika alohan’izao hafatra izao. Nisy renirano anankiray izay namakivaky ny tanànan’I Sardisy, ary voalaza fa ity renirano ity dia nisy volamena. Azontsika sary an-tsaina avy hatrany, fa naka izany volamena tao amin’ izany renirano izany, ny vahoaka sy ny mpanjaka , indirindra ity mapnajak malaza izay nitondra an’I Sardisy, antsoina hoe: Croesus. Izy no voalaza fa mpanjaka manan-karena indrindra tamin’ny faritra izay nisy an’I Sardisy io. Ny tanànan’I Sardidy ihany koa no voalaza fa nanao vola volamena voalohany, izay nifangaro volafotsy, noho ireo harena be dia be tao aminy.
• Nisy orinasa fanenoman-damba, fanamboarana lamba (textile) koa tao Sardisy izay niroborobo betsaka sy nampiditra vola betsaka tamin’ny fanjakana sy ny vahoaka izany.
• Ny tanànan’I Sardisy ihany koa dia tanàna azo lazaina fa feno fiarovana: stratégique izany. Satria nahoana? Ny tanànan’I Sardisy dia miorina eo ambony tendrombohitra avo dia avo, izay raha amin’ny fisainana maha-olombelona dia tsy tokony hisy mihitsy fahavalo ho tafakatra mihitsy, tena miorina farany izay ambony, ary tsy misy azo hananihana izany tendrombohitra izany. Izany moa no antsoina amin’ny teny grika hoe “Acropolis”. Fa tsy lavitra an’izany tanàna izay feno fiarovana izany koa, no misy an’ilay “Necropolis”, dia ilay fasana ngezabe izay fandevenana. Na izany aza anefa dia nirehareha tokoa ny mponina tao Sardisy, satria nihevitra izy fa tsy hisy fahavalo ho tafiditra mihitsy tao amin’ity tanàna ity, koa dia nandry fahizay izy. Ary dia tsy mba nieritreritra izany hoe fiambenana ny tanàna mihitsy aza. Noho izany, dia in-droa ny tanànan’I Sardisy no notafihan’ny fahavalo, ary dia tafiditra tao Sardisy ny fahavalo ka nandrava ny tanàna, ary resy ny tanànan’I Sardisy.
Ny voalohany dia tamin’ny 549 B.C. , dia ilay mpanjaka Persiana antsoina hoe Kyrosy. Niakatra, nitoby manodidina ny tanàna ny miaramilan’I Kyrosy . Nijery tsara ary hitany fa toa “impossible” mihitsy ny hianihana ao amin’ny tanànan’I Sardisy. Saingy, nijery tsara koa izy ireo, ary hitany ilay fomba fiakarana tao an-tanàna, dia nanomboka nihanika tsikelikely ny miaramila ka tafakatra. Akory ny hagagàny rehefa tafakatra tao izy fa tsy nisy mpiambina ny tanàna. Koa niditra moramora ny miaramila ka nanafika sy nandoro ny tanàna. Io no voalohany. Mampalahelo, ry havana, fa tsy mba nianatra izany lesona izany ny mponina tao Sardisy sy ny mpitondra fanjakana.
Fa tamin’ny taona 218 B.C. dia tafakatra tao an-tanàna indray koa ny mpanjaka Romana antsoina hoe: Antiochus Lehibe . Fa tamin’ity faharoa ity, dia nihaodihaody manodidina ny tanàna izy sy ny miaramilany, dia nahita tokoa fa tsy ho tafiditra ao izy. Noho izany dia nijanona teo nandritran’ny andro maromaro mihitsy izy nanara-maso tsara. Tampoka teo, nisy miaramila iray izay nianjera avy any ambony any ny fiarovan-dohany, dia tsy maintsy nidina teo amin’ilay manda ilay miaramila, naka ilay fiarovan-dohany taty ambany. Ary dia iny no hitan’ireo miaramila,ka iny no niakarany tao amin’ny tanànan’I Sardisy. Akory koa ny hagagàny fa tsy nisy mpiambina tao Sardisy , fa dia niditra moramora ny miaramila ary dia nandrava ny tanàna sy nandoro azy, ary dia resy ilay Sardisy izay feno fahatokian-tena fa tsy misy afaka miakatra ao.
In-droa miantaona no tratran’ny fahavalo Sardisy nohon ‘ny tsy fiambenana. Azontsika sary an-tsaina avy hatrany ny tenin’i Jesosy izay miverimberina hoe: “miambena”. Ary tamin’ny alina daholo no nidiran’ireo miaramila fahavalo roa ireo. Ary tsy nisy mpiambina.
• Ny ara-kolontsaina indray dia fantratra fa tanàna izay nifamezivezen’ny kolontsaina tokoa i Sardisy. Nisy tempolin-tsampy maro tao. Ny tena malaza tamin’izany moa dia ny tempolin’ilay andriamanitra antsoina hoe: Artémis. Andriamani-bavy izy io, izay nivavahan’ny mponina tao Sardisy. Ny anankiray koa dia ilay tempoly naorina ho an’ny Emperora romana atao hoe Vespasien. Satria tamin’ny taona 17 AD dia nisy horohoron-tany ngezabe izay namely ny faritr’i Sardisy, ka dia potika ringana ny tanànan’i Sardisy tamin’io taona 17 AD io. Ity mpanjaka Vespasien ity no nanorina azy indray. Nanolotra vola be dia be izy mba hanorenana indray ny tanànan’i Sardisy. Izany no antony nanorenana tempoly ho azy. Misy ihany koa ilay tempoly izay nivavahana tamin’ilay andriamani-bavy antsoina hoe: Cybele, izay nanana mpisorona ionoka marobe, nantsoina heo: Galli.
Nisy synagoga ngezabe koa tao Sardisy, izay manambara fa nisy fikambanana Jiosy izay nanana ny maha-izy azy tao. Ity synagoga ity, raha ny fikarohana nataon’ny mpikaroka no jerena, dia ngezabe tokoa satria mirefy eo amin’ny 54 m/20 m, izany hoe mitovitovy habe amin’ny tempolin’i Solomona fahizay. Ireo Jiosy ireo dia fantatra fa nanan-karena sy nanana ny maha-izy azy, ary misy tamin’izy ireo aza no nitondra fanjakana tao Sardisy. Fa, tsy mba voalaza mihitsy ao anatin’ny hafatra ho an’i Sardisy, fa nisy fifandonana tamin’ny Fiangonana Kristiana tao Sardidy ireto Jiosy ireto. Tsy voalaza izany.
• Ny fiangonana: ity Fiangonana Kristiana tao Sardisy ity, dia tsy fantantsika mihitsy ny momba azy. Azo antoka fa ity Fiangonana tao Sardisy ity dia naorin’ireo Kristiana izay nandray ny Filazantsara nentin’i Paoly avy ao Efesosy. Raha mijery ny Asa 19 isika, dia hita fa namangy ny faritr’i Efesosy i Paoly ary nitory ny Filazantsara tao. Ka heverina fa ireo Kristiana tao no nanorina ny Fiangonana tao Sardisy. Fantatsika tsara ny “ton” na ny fomba fitenin’i Paoly ao amin’izany epistily nosoratana ho an’i Efesosy izany. Ireo zavatra nampitandremany mafy, ireo zavatra notsindriany mafy sy nampianariny. Kanefa ho hitantsika rehefa avy eo fa nitandrina ve? nihaino ve? Nandray izany ve ny Fiangonana tao Sardisy?
Voalazan’i Jaona eto amin’ity hafatra ity fa tsy nitazona ny zavatra reny sy noraisiny ireto Kristiana ireto. Tsy mba nisy fahavalo izay nanafika avy any ivelany ny Fiangonana tao Sardisy. Raha mijery ireo fiangonana hafa isika dia hita mazava tsara fa nisy ireo fampianaran-diso: ny Nikolaïta, ny Fiangonana tany Laodikia dia voalaza fa sady tsy mafana no tsy mangatsiaka. Fa ny Fiangonana tao Sardisy, tsy misy an’izany. Fa tonga dia nolazain’i Jesosy fotsiny hoe: manana anarana ho velona, saingy, maty. Noho izany, tsy olona avy any ivelany no fahavalon’ny Fiangonana fa iza? Izy ihany. Ary io no tena maha-zava-doza an’ity Fiangonana tao Sardisy ity.
𝟐. 𝐇𝐀𝐅𝐀𝐓𝐑𝐀 𝐕𝐎𝐀𝐑𝐀𝐊𝐈𝐓𝐑𝐀 𝐀𝐎 𝐀𝐌𝐈𝐍’𝐍𝐘 𝐓𝐀𝐑𝐀𝐓𝐀𝐒𝐘 𝐇𝐎 𝐀𝐍’𝐍𝐘 𝐅𝐈𝐀𝐍𝐆𝐎𝐍𝐀𝐍𝐀 𝐒𝐀𝐑𝐃𝐈𝐒𝐘:
And. 1: Vao manomboka mihitsy ny and.1 dia milaza izy fa: “Ilay manana ny Fanahy fiton’Andriamanitra sy Ilay mitazona ny kintana fito ity miteny ity.”(andininy 3:1) izay tsy iza fa Jesosy Kristy.Ny fomba fiteny hoe “Fanahy fiton’Andriamanitra” dia mamapahatsiaro antsika ny ao amin’ny Isaia 11:2dia ilay Fanahy sy ny fahendrena omen any Mesia, rehefa tong any Mesia ka hitarika ny Zanak’ISraely. Izao no voalaza ao: “Ary ny Fanahin’i Jehovah (YHWH( hitoetra ao aminy(1),ny Fanahin’ny Fahendrena (2), Fahazavan-tsaina (3), ny Fanahin’ny Fanoloran-tsaina (4), Fanahin’ny Faherezana (5), ny Fanahin’ny Fahalalana (6), ary ny Fanahin’ny fahatahorana an’i Jehovah (YHWH) (Isaia 11:2).
Mbola miverina indray koa izany amin’ny fomba hafa amin’ny fampianaran’i Paoly azy ao amin’ny 1 Kor.12: 8-11, rehefa mampianatra ny amin’ny fanomezam-pahasoavana izay entin’ny Fanahy eo amin’ny Fiangonana izy. Mitantara zavatra marobe mihoatra ny fito.
Ka ny hoe “Fanahy fiton’Andriamanitra” dia ilazàna ny hoe fahafenoan’ny fanomezam-pahasoavana sy ny herin’ny Fanahy Masina izay ao amin’i Kristy Jesosy. Izy no manana ny fahafenoan’ny Fanahy. Io no ao amin’ny tànany ilany.
Ary amin’ny tànany ilany kosa dia misy ny kintana fito. Kintana fito izay tsy izay tsy fa ireo anjely fiton’ny Fiangonana fito tany Asia Minora fahizay. Izay tsy iza fa ireo mpitondra fiangonana, kireo mpitarika ny fiangonana, amin’ireo fiangonana fito ireo. Izay azo lazaina hoe ireo Pastoran’ny fiangonana fito. Izany hoe Ilay Jesosy izay manana ny hery sy ny fanomezam-pahasoavana sy ny toetran’ny Fanahy feno, no mitondra ny fiaianana sy mi-contrôler ireo fiangonana fito. Izany hoe tsy misy zavatra miafina amin’i Jesosy, ny amin’ireo fiangonana sy ny mpitarika ireo fiangonana ireo.
Fantatr’i Jesosy ny momba azy rehetra. Ary satria fantany ny antsipirihiny, dia lazainy ary ny momba azy: manana anarana ho velona, kanjo maty ihany. Ny teny hoe “anarana” amin’ny teny grika sy ny fomba fisainana teo amin’ny Greco-Romana, ry havana, dia nentina hilazàna ny “honneur”, voninahitra, prestige, ny laza ananana, ny maha-izy azy. Ary tena nanana izany tokoa ny fiangonana tao Sardisy, satria sady nanan-karena izy nohon’ny harena be tao amin’ilay tanàna, ary nieritreritra izy fa nahavita asa soa be aza angamba, saingy, rehefa Jesosy no mijery azy, na dia mihetsiketsika sy miasa sy manao zavatra be aza izy dia efa maty. Teny tokana fotsiny: MATY. Fahatesana ara-panahy goavana izany. Fahafatesana ara-panahy izay tsy fantatr’ireo efa maty ao anatin’ilay fikambanan’ilay fiangonana, fa saingy Kristy no mahita azy.
Tsy fantantsika mihitsy ny zavatra niainan’ity fiangonana ity. Mety ho fanenjehana, mety koa angamba ho fanompoan-tsampy. Jesosy tsy nitantara an’izany, tsy niteny ny antsipirihany fa tonga dia teny tokana: MATY ianao, na dia velona aza. Na dia toa velona aza dia indro fa MATY eo imasoko.
Nisy Eveka anankiray izay nitondra an’ity fiangonana tao Sardisy ity tamin’ny taonjato faha-II antsoina hoe: Melito. Ho antsika izay afaka mamaky ny asa soratr’i Melito, indrindra ilay toriteny izay nataony tamin’ny andro Paska dia mirefodrefotra mafana fo tokoa izy. Azo heverina fa nibebaka tokoa ity fiangonana ity rehefa nandray ity hafatra avy amin’i Jaona ity, ary nirehitra sy velona indray ny fiangonana. Kanefa ankehitriny ry havana, rehefa mankany any amin’io toerana io ianao, any Turquie, izay nisy an’i Sardisy, dia tsy misy izany tanànan’i Sardisy izany intsony fa “ruines”. Ny faharavàn’ilay tanàna sisa no hitanao. Ary village kely, tanàna kely sisa eo akaikin’i Sardisy, izay misy mpinadry ondry sy mpiompy omby, ary tsy misy singana Kristiana na iray aza ao amin’ity tanàna ity. Tena MATY ara-bakiteny tokoa ny fiangonana Sardisy. MATY “physiquement” sy “spirituellement” ny fiangonana tao Sardisy.
And. 2: Dia hoy Jesosy: miambena. Mampiasa an’ilay kisarisary amin’izay Jesosy, ilay nohazavaintsika tao amin’ny tapany voalohany: ireo miaramila nafika in-droa tamin’ny alina. Dia io no ampiasain’i Jesosy: Miambena ary, sao dia hatoako tahaka ny nanaovan’ireo fahavalo anao in-droa indray ianao. Avy tahaka ny mapangalatra Aho, ka tsy ho hitanao, tsy ho fantatrao ny ora izay hiakarako ao Sardisy.
Ny dikan’ny teny hoe: “ho avy toy ny mpangalatra aho”, dia manambara fitsarana fa tsy ny fiavian’i Jesosy amin’ny andro farany akory.
Mampitandrina ny fiangonana tao Sardisy Jesosy, fa raha mbola mitoetra ao anatin’izao fahafatesana ara-panahy izao izy, dia tsy maintsy ho tonga Kristy hitondra ny fitsarana. Tahaka ny nataon’ireo miaramila fahizay, izay nandrava ny tanàna, ka nandevona ny tanàna, ka “ho levona ianao” hoy Jesosy.
Izao ry havana no mampatahotra amin’ity fiangonana tao Sardisy ity: izaho izao dia mba efa nahita ihany fiangonana nakatona satria tsy misy mivavaka ilay olona, ka dia natao Supermarché ilay fiangonana. Tany Danemark no nahitako an’izany. Netin’ny olona nandehandeha aho no nahitako an’izany. Efa nahita koa aho fiangonana, cathédrale ngezabe, lasa musée, lasa bar fisotroan-toaka. Ireny efa mazava fa maty ny finoan’ilay olona, ka dia nakatona ilay fiangonana ary nampiasaina amin’ny zavatra hafa. Fa ity fiangonana tao Sardisy ry Havana, tsy mba izany no hita eto. Fa fiangonana mitsangana tsara, misy Kristiana mivavaka, mitory teny, mijoro vavolombelona, manao asa soa fa amin’i Jesosy dia MATY.Tsy misy, Aminy, ireo olona ireo. Ary voalaza mazava tsara fa tsy misy tanteraka ny asanao. Eo anatrehan’Andriamanitra, tsy misy vita.
Maka sary an-tsaina an’ilay tempoly ngeza be ho an’i Artémis izy, satria io tempoly io ry Havana dia natsangana, fa tsy mety vita. Tsy tanteraka tahaka ny tempolin’i Artémis no fijeriko ny asanao. Ary ianao mieritreritra ho tanàna tsy misy fahavalo tahaka an’i “Acropolis”, izay miorina eo an-tampon-tendrombohitra, fa ny fijeriko anao, hoy Jesosy dia “Necropolis”: fasana. Mafy izany teny izany. Noho izany, miambena, mibebaha.
Teny mahazatra antsika ilay “mibebaka”. Ary matetika zatra ny mibebaka ny maro. Ny tian’i Jesosy ho lazaina eto dia ilay FIOVANA . Ilay fiovam-penitra mahery vaika. Ilay fiverenana any amin’ny fototra, mba ho fantany, mba hiverina any amin’ilay niarany voalohany: “tsarovy izay noraisinao sy izay nampianarina anao.” Tsy izay renao, hoy Jesosy. Izaho tsy mitsara anao amin’izay nampianarina anao, Izaho tsy mitsara anao amin’izay zavatra tsy niainanao, fa amin’ireo zavatra izay noraisinao, izay hitako tsar ahoy Jesosy. Fa efa nampianarina ianao, ary renao tsar any tenin’ireo mpampianatra.
Ny epistily ho an’i Efesosy, dia novakiana sy nampianarina tao amin’ity fiangonana tao Sardisy ity ry Havana. Raha mijery isika ny sombintsombiny amin’izany taratasin’i Paoly izany, ohatra Efesiana 5: 14, dia izao no voalazan’i Paoly: “Koa izany no ilazàny hoe: Mifohaza ianao izay matory ary mitsangàna amin’ny maty dia hampahazava anao Kristy.” Mamohafoha ny rehetra ilay tenin’i Paoly izay nampianarina tao amin’ny fiangonana tao Sardisy. Voalazan’ny epistily ho an’ny Efesiana 6:11 koa ny amin’ilay fiadian’Andriamanitra: “Tafio avokoa ny fiadian’Andriamanitra, mba ahazoanareo hifahatra amin’ny fanangolen’ny devoly”. Tsy tadidin’ity fiangonana ity izany teny izany. Fa natory ny fiangonana.Tsy mba nifoha ary tsy nitafy ny fiadiana ilay fiangonana, fa resin’ny fanangolen’ny devoly.
Io no ampahatsiarovin’i Jesosy azy: “Tsarovy izay noraisinao. sy renao tamin’ireo mpanompon’Andriamnitra izay nitory ny Teny taminao.”
Ny fahavoazan’ny fiangonana, ry havana, ary mety mahazo antsika koa izany, eto Madagasikara, dia rehefa mandeha ny tantara, dia manomboka manadino ny olona. Adino ny fampianarana, manomboka adino ny anatra. Manomboka lasa fikambanana, institution, organisation. Fandaminana, planina no sisa, fa adino ilay tena Ivon’ny fiangonana, dia Jesosy Kristy. Adinon’ny maro Jesosy, fa ilay zavatra ivelambelany sisa.
Ary isika zanaky ny Fifohazana Ankaramalaza izay hiditra amin’ny jobily faha-80 taona: efa manadino ve isika? Mbola mahatadidy ireo zavatra nianarana, izay nampianarin’i KJesosy tamin’ny alalan’ny Mpanompon’Andriamanitra Mama Volahavana Germaine ve isika zanaky ny Fifohazana? Mbola ilay zanaky ny Fifohazana, ilay taranaka nafana fo tamin’ny fibebahana sy ny fitoriana ny teny ve no hiatrika an’i Jesosy amin’izao faha-80 taonan’Ankaramalaza izao? Fieritreritra izany. Ary moa mbola velona ny Fifohazana? Mbola velona ve ny Tobilehibe Ankaramalaza? Mbola velona ve ny Fiangonana Loterana Malagasy? Sa mihetsiketsika ivelany amin’ny fomba fisainana sy ny asa izay atao fotsiny? Io no fieritreritra.
And. 4: ahitantsika ny Vaovao Mahafaly izay lazain’i Jesosy. Kanefa, na dia vaovao mahafaly aza dia mbola mampatahotra ny Fiangonana ihany koa, satria voalaza fa “misy olona vitsy aty aminao aty Sardisy izay tsy nandoto ny fitafiany”. “Olona vitsy izay tsy nandoto ny fitafiany, ary hitafy lamba fotsy ireo”. Eo amin’ny and. 5 izy manazava izany: “ary hitafy lamba fotsy ireo ka hiara-mandeha amiko.”
Misy olona vitsy tao Sardisy, izay, na dia nivadika aza ny maro, na dia niala tamin’ilay fampianarana voalohany aza ny maro, na niala tamin’ilay Fitiavana voalohany aza ny maro, na dia nanompo sampy aza ny maro, na dia nifangaroharo tamin’ny fiainan’izao tontolo izao aza ny maro, ireto vitsy ireto, TSY nanaraka azy, fa nijoro hatramin’ny farany. Ary dia niaro ny fitafiany ho fotsy mangatsakatsaka, satria efa nofotsian’ilay Ràn’ny Zanak’Ondry tsy misy kilema izay latsaka teo amin’ny Hazo Fijaliana ny fitafiany.
Ny hoe “lamba fotsy” ry havana, dia miverina im-pito ao amin’ny bokin’ny Apokalypsy, ary misy hevitra maromaro fonosiny.
• Toko faha-3 and.18: voalazan’i Jesosy fa ireo Kristiana tao Laodikia dia nasainy hividy hodi-maso Aminy, sy nasainy nividy lamba fotsy Aminy, mba hanaronana ny fitanjahany.Satria amin’i Jesosy dia feno henatra ity fiangonana ity. Ary dia nasainy nividy lamba fosty Aminy, lamba fotsy voadio tamin’ny ràn’ny Zanak’Ondry. Manambara fahadiovana, fanamarinana ny hoe “lamba fotsy”.
• Toko faha-6 and.11: manambara ireo maritiora izay miandry ny fitsarana, dia nomena akanjo fotsy izy ireo. Ireo maritiora maro be izay miandry fitsarana dia nomena akanjo fotsy, izay mariky ny fahadiovana, mariky ny fanamarinana azy, satria hiditra ao amin’ny fitsarana izay mety hanameloka, fa izy dia efa voamarina.
• Toko faha-4 and.4: Ireo loholona 24 dia hita fa mitafy ny akanjo fotsy. Izay miaraka eo amin’ny Zanak’Ondry, eo anatrehan’ny seza fiandrianana . Ireto Loholona ireto dia mitafy akanjo fotsy, satria eo amin’ny présence –n’Andriamanitra izy. Ny fanatrehan’Andriamanitra Ilay Masina sy Madio sy Marina dia mitafy akanjo fotsy. Daniela koa nahita an’Andriamanitra: Jehovah Andriamanitra mipetraka eo amin’ny seza fiandrianan mitafy akanjo fotsy.
• Toko faha-7 and. 9; 13: mahita ireo vahoaka marobe izay mitanjozotra izay mitafy akanjo fotsy, ary voalazan’i Jesosy fa ireo ilay nanadio ny akanjony tamin’ny ràn’Ilay Zanak’Ondry tsy misy kilema: “Iza ireo avy amin’ny fahoriana lehibe”, hoy izy? “Tsy iza ireo, fa ireo no nanadio ny akanjony tamin’ny ràn’ny Zanak’Ondry”.
• Ny tafiky ny Lanitra ihany koa ry Havana, ny miaramilan’ny Lanitra, dia mitafy lamba fotsin’ny Fandresena. Ny tao amin’ny Greco-Romana fahizay, rehefa avy miady ny miaramila ka mandresy, dia mitafy lamba fotsy. fa tsy mitovy loatra amin’ny fisainana ankehitriny hoe saina fotsy sns…., fa mariky ny fandresena teo amin’ny Greco-Romana ary ao amin’ny Apokalypsy, ny lamba fotsy.
• Ary ireo avy amin’ny fahoriana lehibe araka ny hita ao amin’ny toko faha-7 and.14 izay efa voalaza teo, dia mitafy ny akanjo fotsy. Zavatra telo izy teo: fahadiovana, fanamarinana, fandresena. Mifangaro ao daholo. Fa misy anankiray ihany koa: satria ny jentilisa izay mandeha mivavaka ao amin’ny tempoly , dia tsy mahazo manatona an’ilay andriamanitra izay ivavahany amin’ny akanjony maloto, fa tsy maintsy akanjo madio no entiny manatona azy. Ary ity ihany koa ny sary anankiray izay ampiasain’i Jesosy eto: satria hanatrika Azy ao amin’ny tempoliny any an-danitra, amin’ilay toerana fipetrahany any an-danitra, dia tsy maintsy miakanjo. Hitantsika izay ao amin’ny Genesisy, rehefa lavo Adama sy Eva. Ny zavatra nataony voalohany dia ny nampiakanjo azy. Ny Saha Edena moa no pré-temple, ny fanombohan’ny atao hoe “tempoly.” Ary Mbola hitohy izany fampitafiana antsika amin’ny akanjo fotsy izany any an-danitra, satria hanatrika an’ilay Andriamanitra Masina sy Madio isika.
Zavatra telo no voalaza eo amin’ny and.5, izay omen’i Jesosy izay maharesy: 1) lamba fotsy/akanjo fotsy, 2) tsy hamono ny anarany eo amin’ny bokin’ny fiainana Izy (tsy hiditra loatra amin’io satria Mbola misy hanazava amin’ny manaraka), 3) hanaiky ny anarany eo anatrehan’Andriamanitra Ray i Jesosy Kristy: eo anatrehan’Andriamanitra Ray, sy ny anjely. Mampahatsiaro antsika an’ilay zavatra voalazan’i Jesosy fahizay izany: “Ary amin’izany, na zovy na zovy no hanaiky Ahy eo anatrehan’ny olona, dia ekeko kosa izy eo anatrehan’ny Raiko izay any an-danitra” Matio 10:32.
Misy olona sahiran-kevitra , ry havana, amin’ilay hoe: hofafàna ny anarana. Mety hofafàn’Andriamanitra ve ny anarako izay efa voasoratr’Andriamanitra any an-danitra? Mety nanoratra Andriamanitra dia diso indray ve izany Izy, dia nofafàna ny anarana?
Tsy izany loatra no tiany hambara. Ireo voavonjy no voalaza eto. Ny tiany hambara dia tsy hoe ho voafafa na hotazomina, fa azo antoka hoy Jesosy fa tsy misy hahafafa ao amin’ny Bokin’ny Fiainana ny anaran’ireo izay mitafy lamba fotsy izay manaraka Ahy.
Isika tsy mampianatra an’ilay prédestination conditionnelle, izay milaza fa ny olona rehetra dia voasoratra ao amin’ny boky daholo, fa izay tsy mandray an’i Kristy, tsy mino an’i Kristy dia fafàn’Andriamanitra. Tsy mampianatra izany isika. Fa ny tian’i Jesosy holazaina eto, dia, azo antoka, fa Izy mihitsy no hiaro izany olona izany eo anatrehan’Andriamanitra. Izy no manome toky hijoro ho Mpisolovava azy eo anatrehan’ny Ray ka tsy hisy hahafafa ny anarany ao amin’ny Bokin’ny Fiainana.
Fampanantenana an’ireo vitsy, ireo olom-bitsy tao Sardisy, izay niady mafy, izay tsy lavon’ny devoly tamin’ireo fanangolena maro, ireo fanompoan-tsampy, ireo fanenjehana, na ny fitiavan-tenany, fa nijoro, nivavaka, niorina tsara ary dia nodiovin’i Jesosy tamin’ny Ràny ary nomeny lamba fotsy.
Rehefa namaky an’ity aho, ry havana, amin’ny maha-Pastora ahy, dia tonga saina aho hoe: ilay Pastora, na ilay kintana tao Sardisy ve, tao anatin’ireto olona vitsy, izay voalazan’i Jesosy fa nitafy lamba fotsy ireto? Manantena isika fa tao anatiny izy. Fa raha izy no anankiray izay voalaza fa maty fahavelony, dia mampisaintsaina antsika pastora sy Mpitondra fiangonana ankehitriny tokoa izany. Ary izany dia mitarika antsika hiditra ao amin’ny tapany fahatelo farany.
𝟑. 𝐈𝐍𝐎𝐍𝐀 𝐍𝐎 𝐋𝐀𝐍𝐉𝐀𝐍’𝐈𝐙𝐀𝐍𝐘 𝐓𝐄𝐍𝐈𝐍’𝐀𝐍𝐃𝐑𝐈𝐀𝐌𝐀𝐍𝐈𝐓𝐑𝐀 𝐈𝐙𝐀𝐍𝐘?
Inona no lanjan’izany hafatra izany ho antsika ankehitriny: Fiangonana maty fahavelony? Hojerentsika ireo zavatra izay mahatonga ny Fiangonana ankehitriny ho faty fahavelona:
1) Ny fanompoan-tsampy kristiana: mety hieritreritra ianao hoe angamba izany ilay resaka fitiavam-bola be fahatany, fanompoan-tsampy, famadihana, …. Tsy izany loatra no tiako holazaina. Ny tiako hambara amin’ilay fanompoan-tsampy kristiana, dia ny fanompoan’ny olona ilay zavatra izay ampanaovin’i Jesosy azy, fa tsy ny fanompoany an’i Jesosy. Manompo ilay asa fanompoana izy, fa tsy manompo an’i Kristy. Efa voalazako tery ambony, ry Havana, fa rehefa mandeha ny fotoana, rehefa mandeha ny taona, dia miha-mangatsiaka ny fiangonana, manadino, ary lasa zatra aza. Ary, ao anatin’izany izy dia lasa ilay asa ampanaovin’i Jesosy no mahafatifaty azy sy hihazakazahany, fa tsy Jesosy intsony. Io no probleman’ny Fiangonana maro ankehitriny. Io no probleman’ny mpitondra Fiangonana ankehitriny. Ary mety ho tratran’izany ilay Pastora tao Sardisy: mihazakazaka amin’ilay asa fanompoana ary mandohalika amin’ilay asa fanompoana , fa tsy mandohalika amin’i Jesosy Ilay Tompon’ny asa fanompoana.
Ny olana amin’ireo olona izay manao izany, ny olana amin’ny fiangonana izay manao izany dia izao: miala amin’ilay Ivon’ny Fiangonana izy. Tsy mampaninona azy na mihosona ao anaty fitondrantena maloto sy mendrika aza izy, fz izy manao ny asan’i Jesosy ihany. Tsy mampaninona Azy na dia handany volabe izy historian-teny sns…, fa ny fifandraisany amin’i Jesosy efa tapaka. Efa maty ao aminy ny finoana. Ny mahafalifaly azy dia ny mahita ny olona izay manodidina azy, ny olona izay milaza fa mpanompo tsara sy mahatoky izy, mpanompon’i Jesosy izay fatra-panao ny asany, saingy, amin’i Jesosy dia efa MATY izy. Io no fahavoazan’ny Fiangonana. Io no fahafatesan’ny Fiangonana.
Maro ny Fiangonana no mihazakazaka amin’izany fasan’ny fanompoan-tsampy kristiana izany ry Havana. Ary ampahatsiarovina antsika, androany, amin’izao idirantsika amin’ny faha-80 taona izao, ianao ve Mpiandry manompo an’i Jesosy? Sa Mpiandry manompo ny asan’i Jesosy? Ianao ve Pastora manao ny asan’i jesosy, mandohalika amin’ny asan’i Jesosy sy manompo ny asan’i Jesosy, sa manompo an’i Jesosy?
Mampieritreritra ny Tobilehibe Ankaramalaza: Mbola mandohalika amin’i Jesosy, Mbola mivavaka amin’i Jesosy, Mbola mibebaka amin’i Jesosy ve ny Fiangonana sy ny Fifohazana Ankaramalaza? Sa manao ny asan’i Jesosy, ary afa-po izy, rehefa mahavita ilay asan’i Jesosy. Io no mamperitreritra. Fanompoan-tsampy kristiana.
2) Ny fampianarana sy teolojia matin’ny Fiangonana: azontsika sary an-tsaina tsara ny tao Sardisy: efa mba niezaka ilay Pastora nampianatra, nanitsy, nananatra. Asa na fampianarana manao ahoana no nampianariny ka nahatonga ireto olona iray fiangonana maty teo amin’i Kristy. Ary Mbola misy marobe tahaka an’izany ankehitriny, ary mila hitandremantsika amin’ny fifandraisantsika amin’ireo fiangonana hafa, na avy any ivelany, na eto Madagasikara, ireo fampianarana sy teolojia maty izay mamono ny Fiangonana.
Haka ohatra fotsiny aho ny amin’ilay fampianarana hafahafa momba ny “homosexualité”: ny fanambadian’ny mitovy fananahana. Lehilahy sy lehilahy, vehivavy sy vehivavy no entina miditra ao am-piangonana dia tsofina rano ny fanambadiany. Fampianarana sady tsy ara-baiboly no fampianarana maty.
Ao ihany koa ireo fampianarana izay mitady hamono ny Fifohazana tsikelikely, izay toa fampianarana manintona, nefa rehefa jerenao tsara izy, dia fampianarana mamono ny maha-mpanompon’Andriamanitra : ny vehivavy ohatra, tsy avela history teny ao am-piangonana. Fampianarana mamono ny Fifohazana izany. Tokony hitsangana ny Fifohazana hijoro, raha Mbola te ho velona amin’ny finoana sym aha-izy azy, izay nahorina vehivavy, izay nahorina vehivavy nitory teny teto Ankaramalaza sy eran’i Madagasikara, eran’izao tontolo izao. Tsarovy, fa ny vehivavy no nitory sy nanorina ny Fiangonana sy ny Fifohazana Ankaramalaza. Ry Havana, tsy azontsika lavina izany. Ampangino ireo fampianaran-diso tsy ara-Baiboly rehetra izay hiditra sy hanimba ny Fifohazana ka hampangina ny vehivavy tsy history teny ao am-piangonana.
3) Ny fahazarana: ity dia mahazo ny olona maro: ZATRA. rehefa mandeha ny fotoana, rehefa mandeha ny taona, dia manomboka zatra ny Kristiana: zatra mandray fampianarana, zatra mitory teny, zatra mivavaka, zatra mibebaka, zatra ny maty ihany koa. Efa tsy fantany intsony hoe efa maty izy, satria efa zatra ao anatin’izany fahatesana izany. Tahaka ny olona voan’ny coronavirus izay tsy maheno tsiron-kanina intsony. Tahaka an’izany ny Kristiana maro izay toa mandeha ho azy fotsiny ny Tenin’Andriamanitra sy ny fampianarana, fa tsy heno intsony ny tsirony, ary tsy manova ny fiainany intsony ny Tenin’Andriamanitra, satria ZATRA. Zatra mibebaka, zatra ilazàn’i Pastora hoe: “voavela ny helokao”.
Tsarovy ry havana, fa ho avy ny fotoana izay hilazàn’i Jesosy hoe: “TSY voavela ny helokao, efa maty ianao, mibebaha!” Adino ilay zavatra nianarana.
Izaho manokana dia nanatrika ny faha-50 taona, mbola velona tamin’izany i Mama Nenilava, ary nahita azy ny masoko tamin’izany fotoana izany. Tamin’ny faha-50 taona. Mbola misy tadidiko. Ary maro amin’ireo teny nataony, teny fampaherezana talohan’ny fanokanana Mpiandry tamin’ny taona 1991, izay faha-50 taonan’ny Tobilehibe Ankaramalaza, mbola tadidiko mandrak’ankehitriny. Ny teny naverimberiny tamin’izany dia ny FITIAVANA. Efa antitra izy tamin’izany, ary isan’ny teny izay naverimberiny ny FIRAISANA. FITIAVANA, FIRAISANA. Izany teny JESOSY izany moa dia tsy afaka tao am-bavany. Ireo olona nanatona azy dia nolazainy: “Tsy izaho no izy, fa Jesosy. Tsy mpaminany aho fa evanjelista. tsy vady no angatahina amin’i Jesosy, tsy trano no angatahina amin’i Jesosy. Angataho amin’i Jesosy ny FO TOROTORO. Angataho Aminy ny hanomezany anao ny Fanjakan’ny lanitra!”
Mbola tadidin’ny Tobilehibe Ankaramalaza ve ireo fampianarana rehetra ireo? Sa efa fahazarana sisa? Fahazarana sisa ny mamonjy Tobilehibe, fahazarana sisa ny mamonjy fampianarana sy fampiorenana, asa sy fampaherezana. Fahazarana, ZATRA ny fiangonana.
Mbola iainan’ny Tobilehibe Ankaramalaza ve sy ny zanaky ny Fifohazana, Mbola iainan’ny FLM ve ilay FITIAVANA nampianarin’i jesosy tao amin’ny Tobilehibe Ankaramalaza? Ilay FIRAISANA tao amin’ny Tobilehibe Ankaramalaza? Mbola mifankatia ve ny zanaky ny Fifohazana? Mbola iray ve ny zanaky ny Fifohazana? Mbola mivavaka amin’i Jesosy sy mibebaka amin-dranomaso amin’i Jesosy ve ny zanaky ny Fifohazana Tobilehibe Ankaramalaza, sa ZATRA mandre sy ZATRA mibebaka?
Fanompoan-tsampy kristiana, fampianarana sy teolojia maty ary ny fahazarana, ireo no aretina, ireo no virus izay mamono tsikelikely ny Fiangonana, ka ilazàn’i Jesosy, fa manana anarana ho velona, kanjo, maty ihany.
Ny vaovao mahafaly ho antsika ry Havana: ireo fiangonana fito ireo, dia tsy kisendrasendra ny nifidianan’i jesosy azy. Fai reo fiangonana fito ireo dia miteny amin’ny fiangonana rehetra, amin’ny fotoana rehetra. Misy olona vitsy izay tsy nandoto ny fitafiany. Misy olona vitsy izay mitafy akanjo fotsy. Ireo no ahoreno tsara, hoy Jesosy. Ahoreno tsara ny zavatra saika ho faty.
Mampitodika antsika Fifohazana, mampitodika antsika Mpanompon’Andriamanitra rehetra: ahoreno tsar any zavatra efa saika ho faty. Ahoreno tsar any zavatra Mbola velona, ajoroy ny fampianaran’ny Fifohazana, ampahatsiarovy ny taranaka ankehitriny , ataovy ho hitanay taranaka ankehitriny, ny zavatra nampianarina anareo taranaka tany aloha. Mba hianaranay amin’ny fitondran-tena, sy ny fomba fihetsika ary ny fiteny.
Ampianaro ny zanaky ny Fifohazana ny fampianarana MARINA, mba tsy ho Fifohazana maty, na Fiangonana maty fahavelony ny fiangonantsika.
AMEN!
Share