Apokalypsy 4 : 1-8

Apokalypsy 4 : 1-8
Ry havana malala ao amin’ny Tompo, mamerina ny fisaorana an’Andriamanitra isika noho ny halehiben’ny fitiavany sy ny famindrampony ka mbola ahafahantsika indray koa mihaona amin’ny alalan’ny fandrenesana ny tenin’Andriamanitra, na dia tsy tafangona amin’ny toerana anankiray aza. Misaotra an’Andriamanitra koa fa tsy foana ny fandaharam-potoana izay nalamina sy narindra ny amin’ny Isankerintaonan’ny Tobilehibe Ankaramalaza fa dia tanterahina araka ny fandaminana, ka misaotra an’Andriamanitra noho ny fanomezany antsika ireo teknolojia ahafahana mizara izany. Dia manolotra ny fiarahabana antsika rehetra amin’ny anaran’i Jesosy no sady mirary ny fitahiany sy ny fahasoavany ho amintsika tsirairay.
Raha nanaraka tsara ny famakiana ny tenin’Andriamanitra teo isika, dia ataoko fa miaraka manaiky fa sarotra raisina avy hatrany ny tenin’Andriamanitra raha tsy misy zavatra hazavaina ny amin’ireo endrin-javatra sy ireo zavatra naseho an’i Jaona tamin’izany vanim-potoana izany. Kanefa mialoha ny hiresahantsika an’ireo, dia tsara ny hamintinantsika ny hevidehibe tiana ampianarina na hatolotra antsika miainga avy amin’ity Perikopantsika ity. Tsy hafa izany fa ny amphafantarana ny fiangonana ny amin’ny voninahitr’Andriamanitra sy ny fahamasinany ary ny fahalehibiazany manapaka sy mifehy izao rehetra izao. Io no atao hoe lesona lehibe azo ampitaina avy hatrany ny amin’ny tian’ity perikopa ity ampianarina antsika.
Raha jerena amin’ny ankapobeny amin’ny fomba somary maimaika ihany ny bokin’ny Apokalypsy iray manontolo, dia ireto zavatra vitsivitsy ireto no azo ambara sy lazaina amintsika :
Voalohany, misy hery roa mifanohitra mandrakariva miasa eto anivon’izao tontolo izao, nanomboka tamin’ny fahariana nataon’i Jehovah Andriamanitra izany ka mandrak’ankehitriny. Ireo hery roa ireo dia tsy hafa fa ny herin’Andriamanitra eo an-daniny, ary ny herin’i satana eo an-kilany.
Faharoa, miatrika ady mafy no sady tena sarotra ny zanak’Andriamanitra ka maro no azon’ny fakam-panahy, lasan’ilay hery toa mandresy sy misy fifaliana mandalo, ka maro no tsy maharitra amin’izay efa ninoany – dia i Jesosy Kristy izany.
Farany, Mpandresy hatramin’ny farany Andriamanitra ary manolotra fandresena izay tena zanany koa Izy.
Naseho an’i Jaona ny zava-miafina ao an-danitra, dia ny amin’ny voninahitr’Andriamanitra, ny hery sy ny fanapahana ananany ary ny fahamasinany sy ireo zavatra ho tonga any am-parany. Ny zavatra izay hita eto amin’ny Apok 4 dia manana endrika fanambarana apokalyptika ary toa mampifandray mihitsy ny faminaniana ao amin’ny Testamenta Taloha sy ny fahatanterahan’izany ao amin’ny Testamenta Vaovao. Tsy ny hanazava amin’ny antsipiriany ny trangan-javatra izay miseho eto amin’ity Apok 4 ity anefa isika, fa hijery kosa amin’ny ankapobeny ary hisintona avy hatrany hoe inona no lesona azo ampitaina ary ny ifandraisany amin’ny lohahevitra izay noresahintsika tery aloha.
Hita miresaka ny amin’ny seza fiandrianana ary ireo vatosoa sy avana ny and 2-3. Izany dia tsy hafa fa ny hanehoana ny hery sy ny fahefana ananan’Andriamanitra izay mifehy ny tantaran’izao tontolo izao, fa tsy ny devoly na ny satana no miantoka ny tantara sy ny fahatanterahana eto anivon’izao tontolo izao. Ambara amin’izany ihany koa ny voninahitra sy ny fiandrianana amin’ny Andriamanitra velona Azy, ka tsy misy azo lazaina sy ambara hiseho ho manam-boninahitra eto amin’izao tontolo izao afa-tsy Andriamanitra izay hatramin’ny taloha indrindra ka ho mandrakizay. Ambara ihany koa ny fanapahana ananan’Andriamanitra sy ny fahefahan’Andriamanitra mitsara ny hery rehetra misy eto anivon’izao tontolo izao ka afaka manary izay rehetra tsy mankato sy tsy mino ary tsy resy lahatra ny amin’ny maha Andriamanitra Azy.
Ny zavatra miseho eto amin’ny and. 2-3 dia mampahatsiaro ihany koa ny zava-miseho ao amin’ny Isaia 6 – dia ny fahitana hitan’Isaia ny amin’Ilay Andriamanitra Velona niseho tao amin’ny kianjan’ny Tempoly, tamin’ny voninahiny sy ny heriny ary ny fahefany ka nampihorohoro ny maha mpanota ny olombelona izay nosoloin’Isaia tena tamin’izany vanim-potoana izany, ka nilazan’Isaia tamin’izany hoe « Maty aho ; indrisy fa lehilahy mpanota ary maloto molotra no sady ao anatin’ny firenena mpanota ihany koa ». Mampiseho araka izany koa ny fipetrahan’i Jesosy eo amin’ny Tempoliny izany, izay miantoka ny fahamasinana sy ny fahamarinana ary maneho ny voninahitra manjaka mandrakizay eo amin’ny fiangonany – eto anivon’izao tontolo izao izany ary ny fiangonana rahatrizay koa, dia ny fiangonan’Andriamanitra izay ho tonga amin’ny fahatanterahany rehefa samy miala eto amin’ity fiainana ity isika.
Manome toky ny fiangonana miatrika ady mafy ny fandraisantsika ireo hafatra ireo satria mbola Andriamanitra no mifehy sy manapaka izao rehetra izao ary Izy no Tompony ; mbola miorina mafy ny fiandrianany sy ny fahefany – mpisandoka ihany i satana izay mamitaka ny olona. Raha amin’izao vanim-potoana misy antsika izao ry havana dia tsara ny andraisantsika lesona fa misy ny mpisandoka ka mieritreritra fa mpizara sy mifidy izay tiany hipetraka amin’ny seza fiandrianany. Izany dia porofoina amin’ny alalan’ny fanekena sy ny fiankohofana, amin’ny alalan’ny fizarana izay rehetra ilaina momba izao fiainana izao mba handresy lahatra olona maro ka hiala amin’Andriamanitra Velona izay Tompo sy Mpifehy ny tantaran’izao tontolo izao. Tsy zoviana amintsika ny fisian’ireo hery izay misintona ny maro hiala amin’ny finoana sy ny fanantenana an’Andriamanitra ka misy ny mihevitra fa tena andriamanitra tokoa ireo, satria amin’izao vanim-potoana misy antsika izao dia misy ny milaza ny tenany ho tena andriamanitra, Mesia, Jesosy tonga olona eto amin’izao tontolo izao. Misy koa ny mihevi-tena te-hanorina ny fanjakany ka hifehy ny tantaran’izao tontolo izao amin’izao vanimpotoana izao. Ambara eto anefa fa ny seza fiandrianana dia an’Andriamanitra ary Izy no mipetraka eo – tsy mipetraka ihany fa manapaka sy mifehy ny tantaran’izao tontolo izao ary mampanapaka koa sy mampanjaka ny mino Azy handresy ka tsy hatahotra ny hery avy amin’ny devoly sy satana. Miatrika ady mafy tokoa ny fiangonana ry havana, indrindra fa amin’izao vanimpotoana sarotra lalovan’ny firenena manerana izao tontolo izao izao, ary dia ao anatin’izany koa ny firenena Malagasy. Kanefa tsarovy fa mpandresy hatramin’ny voalohany ka hatramin’ny farany Andriamanitra ka mampandresy koa izay manana Azy. Izany no hitantsika rehefa mandinika ny Apokalypsy ny amin’ny taratasy izany nalefa tamin’ny fiangonana fito tany Azia Minora isika, dia manambara fa misy ady mafy izay tsy maintsy hatrehina ao ka hilazan’i Jaona Apostoly tamin’izany hoe « Izay maharesy » – anambarana izany fa miady isika, kanefa tsarovy fa mpandresy noho ny amin’i Jesosy Kristy Ilay tia antsika.
Eo amin’ny and 4, dia mbola mipetraka ny seza fiandrianana – tsy ilay seza fiandrianan’Andriamanitra ihany fa ilay seza fiandrianana izay natokana ho an’ny mpandresy koa. Voalaza ao fa misy seza fiandrianana efatra amby roapolo ary misy loholona efatra amby roapolo mipetraka eo amin’izany seza fiandrianana izany. Somary manahirana ihany ny fanazavan’ny mpandinika maro kanefa dia ireto hevitra anankiroa ireto no raisintsika ho fanazavana :
Voalohany, dia ny hitantsika ao amin’ny 1 Tantara 24 : 3-19 izay hilazana indrindra ny amin’ny nizarana ho antoko efatra amby roapolo ny taranak’i Arona nanao ny fisoronana teo anivon’ny Tempoly izany. Azo oharina ihany koa ho amin’ny fiangonana fanjakam-pisorona eto amin’izao tontolo izao, izay mizara ny tenin’Andriamanitra sy ny Sakramenta Masina ary mampianatra sy mitarika izao tontolo izao ho amin’ny fanekena ny tena sitrapon’Andriamanitra izay azo lazaina fa mpitondra ny tantaran’izao tontolo izao.
Faharoa, ambara amin’ireo ihany koa ny foko Isiraely roambinifolo sy ny Apostoly roambinifolo izay misolo tena ihany koa izao tontolo izao, ny firenena maneran’izao tontolo izao, ny vahoakan’Andriamanitra manerana izao tontolo izao – dia ny vahoaka voafidy ho fanjakam-pisorona, mpitondra ny famonjena ho an’ny hafa izay mitady izany famonjena izany. Ny tiana haseho dia izao : ny fahefana ananan’ny mino izay omen’Andriamanitra azy noho ny faharetany tamin’ny ady ka omena izany toeram-boninahitra izany ka hipetraka eo amin’ny seza fiandrianana ary hanapaka sy hitsara ny hery rehetra izay tsy mifanaraka amin’ny sitrapon’Andriamanitra. Jesosy Kristy tenany no efa nilaza izany, araka ny Matio 19 : 28 « Fa hoy Jesosy taminy : Lazaiko aminareo marina tokoa, fa rehefa mby amin’ny fanavaozana, ka hipetraka ambonin’ny seza fiandrianany ny zanak’Olona ; ianareo koa izay nanaraka Ahy, dia hipetraka eo amin’ny seza fiandrianana roambinifolo ka hitsara ny firenena Isiraely roambinifolo » Manamarina izany fa ireo loholona efatra amby roapolo mipetraka eo amin’ny seza fiandrianana manodidina ny seza fiandrianan’Andriamanitra ireo dia solotenan’ny vahoakan’Andriamanitra masina, marina, mino ny herin’Andriamanitra sy ny famonjena vitan’i Jesosy Kristy ka omen’Andriamanitra ilay toeram-boninahitra koa rehefa samy miala eto amin’ity fiainana ity, rehefa tonga amin’ny fanavaozana araka ny voalazan’i Matio teo – dia ny amin’ny handravana izao tontolo izao sy ny hery rehetra izay tsy mifanaraka amin’ny sitrapon’Andriamanitra, ka hampakaran’Andriamanitra ny fiangonany ho eo Aminy ka hipetraka amin’izany toeram-boninahitra izany.
Eo amin’ny and 5-6 dia misy fisehoana izay maneho ny tena maha voninahitr’Andriamanitra ny voninahitr’Andriamanitra : ny helatra, ny feo, ny kotrokorana, ny jiro fito – i.e ny Fanahy fiton’Andriamanitra ; ny ranomasina fitaratra, ny zava-manan’aina efatra feno maso aloha sy aoriana (tohizana amin’ny and. 7 fa ny tenany manontolo). Mbola hanamafisana ny fisehoan’Andriamanitra amin’ny heriny sy ny voninahiny ireo izay tsy zakan’ny olombelona mpanota hifanatrehana izany (ampit. Eksodosy 13 – ny nisehoan’Andriamanitra tamin’ny Zanak’Isiraely, talohan’ny nanolorana ny didy folo tamin’izany vanimpotoana izany, ka tsy zakan’ny fiangonan’Isiraely jerena izany voninahitr’Andriamanitra izany). Ireo fisehoana ireo dia anamarinan’Andriamanitra ny maha Andriamanitra Azy – lehibe, ambony, manapaka, mifehy izao tontolo izao ; ka tsy misy olombelona mpanota ho afaka mijoro eo anatrehany raha tsy efa nandray ny fanamarinana izy.
Tsy izany ihany fa mampahatsiahy ihany koa ny zavatra nitranga tamin’ny fotoana nanaovana Batisa an’i Jesosy – dia ny fisian’ny feo avy any an-danitra, ny lanitra misokatra, ny Fanahin’Andriamanitra midina teo amboniny ka nisy feo hoe « Ity no Zanako malalako, izay sitrako, Izy no henoy ». Ary ny teo amin’ny nihantonan’i Jesosy Kristy teo amin’ny hazofijaliana, dia mbola nisy trangan-javatra ihany koa nanehoana izany fisehoan’Andriamanitra izany ka nahatonga izay rehetra nanatrika teo tsy nahajanona ary tsy nahatazana ilay voninahitra maha Andriamanitra an’i Jesosy tamin’ny fotoana nahafatesany teo ambonin’ny hazofijaliana.
Ry havana, Andriamanitra lehibe tokoa ny Andriamanitsika ary Andriamanitra maneho amin’izay tia Azy ny tena voninahiny ka mahatonga izay rehetra tia Azy hametraka tanteraka ny finoany sy ny fanantenany ary ny tokiny ho eo Aminyirery ihany ka tsy hanana andriamanin-kafa fa Izy no Andriamanitra mifehy izao tontolo izao.
Ny jiro fito dia hazavaina mivantana fa ny Fanahy Fito (ampit. Isaia 11 : 2-5) Tanisaina ao anatin’izany izay toetran’izany Mesia sy ny Fanahin’Andriamanitra mitoetra ao Aminy izany ka hilazana fa ny Fanahin’ny Fahamarinana sy ny Fahamasinana ary Fanahy tonga lafatra sy tanteraka izany Fanahy ao amin’ny Mesia izany. Tsy izany ihany, fa efa mahalala mialoha ny amin’izay hotsaraina koa izany Mesia izany – porofon’izany ny fisian’ireo ranomasina sy biby manana maso maro : ranomasina mangarangarana tahaka ny vato krystaly, izany hoe transparent izany ka ahitana izay rehetra miseho eo ; ary ny maso maro ihany koa dia maso mahita sy mijery satria misy ny any aloha ary misy ny any aoriana, sady mahita izay any aloha no mahita koa ny any aoriana. Rehefa manao fitsarana Andriamanitra tsy amin’ilay fotoana hisehoan’ny olona sy izao tontolo izao eo amin’ny fitsarana no ahalalany azy fa efa fantany mialoha ny momba izao tontolo izao sy izay olona eto amin’izao tontolo izao. Izany no hilazan’ny tenin’Andriamanitra hoe « Ianareo dia efa voatsara » satria ny teny izay renareo no mitsara anareo. Arakaraka ny toe-tsaina sy ny toe-po iainan’ny olona sy ny fandraisany ny tenin’Andriamanitra reny isam-potoana no andraisany koa ilay fitsarana – mizara roa, ka na ny fitsarana hipetrahany eo amin’ny seza fiandrianana ho an’izay marina sy mino, na ny fitsarana ho an’ny amin’ny fahafatesana mandrakizay ho an’i satana sy izay rehetra manaiky azy.
Ny voninahitr’Andriamanitra sy ny fahamasinany ary ny fahalehibiazany manapaka izao rehetra izao. Aseho eto amin’ny alalan’ireo zava-manan’aina maro tanisaina eto ireo fa dia solotenan’ny zavaboahary manan’aina miaina eto ambonin’ny tany ireo, midera, mankalaza, manome voninahitra an’Andriamanitra ny amin’ny fiandrianany.
Eo amin’ny and. 8 dia fintinina izany ary lazaina in-telo – toy ny hilazan’Isaia 6 : 2 « Masina, Masina, Masina Jehovah Andriamanitra ». « Masina, Masina, Masina ny Tompo Andriamanitra Tsitoha, Ilay taloha sy ankehitriny ary ho avy » Ny dikan’ny hoe masina no entiko hamintinana ny tian’ny teksta hambara amintsika : ny hoe masina dia anondroana zavatra iray voatokana ampiasaina amin’ny zavatra manokana ka tsy azo afangaro na ampiasaina amin’ny zavatra hafa. Hitantsika eto ry havana fa tononina in-telo ny fahamasinan’Andriamanitra, dia ilay Andriamanitra voatokana iankohofan’izao tontolo izao, Ilay Andriamanitra Iray, Tokana, mizara fiainana ho an’izao tontolo izao ; Ilay Andriamanitra Tokana mitsara marina izay rehetra miseho eto anivon’izao tontolo izao ary Ilay Andriamanitra Tokana manome fiainana ho an’izay mino Azy. Izao anefa ny fahalementsika : mifangaro ny finoana an’Andriamanitra sy ny ivelan’ny finoana an’Andriamanitra. Matetika anefa dia afangaron’ny maro io – firy moa ny zanaky ny fiangonana no te ho tonga manam-boninahitra, te ho tonga mpanankarena, te ho tonga amin’ny sezam-boninahitra izay iriany no lasa mamitra-pihavanana miaraka amin’ny devoly sy ny satana satria hono raha mpivavaka marina dia tsy hahazo izany toerana izany. Izany tokoa ve no izy ? Tsia ! Ny zanaky ny fiangonana dia tokony hijoro amin’ny maha zanaky ny fiangonana azy, ny amin’ny finoany an’Andriamanitra, ny fijoroany amin’ny fahamarinana izay nihazonany an’Andriamanitra. Tsarovy tsara ireo tantara ao amin’ny Soratra Masina : nasaina niankohoka Daniela sy ny namany, fa tsy niankohoka izy, kanefa araka ny tsy niankohofany tamin’ilay andriamanitr’i Nebokadnezara no nahazoany toeram-boninahitra nametrahan’Andriamanitra azy ho amin’ny ambony indrindra. Fa isika kosa dia manakalo ny fanahintsika amin’izay mety ho simba sy hita amin’ity fiainana ity, ka aleo mandeha any amin’ny fahaverezana mandrakizay toy izay hiharitra ny ady ka ho mpandresy sy handova ny fiainana mandrakizay. Tsarovy anefa fa an’Andriamanitra ny voninahitra, ny fahamasinana, ny fahalehibiazana, ny fanapahana ary Izy koa no mpizara ny fiainana manomboka eto ka rahatrizay. Ny anjarantsika dia ny mahafantatra ny toerana misy Azy ka mamonjy Azy amin’ny fo feno fahamarinana, fahamasinana ka ho tonga mpandresy ka handova ny fiainana mandrakizay.
Amen
Share