Apokalypsy 7 : 9-17

Apokalypsy 7 : 9-17
Mandalo fotoana manahirana izao tontolo izao noho ity areti-mandoza. Very hevitra ny maro, eny fa na dia isika kristiana zanaky ny fifohazana aza, ary toa kivy mihitsy satria ilay tenim-pahefana izany nahazatra ren’ny sofina ao amin’ny Asa sy Fampaharezana voalazan’ny Marka 16 : 18 hoe « hametra-tanana ny marary izy, dia ho sitrana ireny » Toa tsy mandaitra intsony izany teny izany. ny fiangonana hidiana, eny fa na dia ny isantaona amin’ny Tobilehibe izay heverina ho fanovozan-kery amin’ny andro sarotra, hidodododoana amin’ny manahirana rehetra, dia izao iarahantsika mahalala izao ary tsy afaka miatrika isika rehetra fa aty an-tokantrano no mihaino izao fanambarana sy fankalazana izao.
Nefa ry hava-malala dia làlana izay ataon’Andriamanitra mba hiariharian’ny maha Tompo sy Mpamonjy Azy ny zava-misy sy miseho amin’ny tany sy ny firenena izao. Ny teny izay anjarantsika eto amin’ity Apok 7 : 9-17 ity dia anisan’isay mampiseho indrindra fa ny herin’Andriamanitra, ny herin’ny Zanak’Ondry, ny herin’i Jesosy Kristy dia tsy voafetran’izao tontolo izao fa efa nomena Azy ny hery sy ny fahefana rehetra any an-danitra sy ety an-tany.
Ity teny ity izay eo anelanelan’ireo fanambarana ny tombonkase fahenina sy ny fahafito ao amin’ny Apok 6 dia loza mahatsiravina mampiseho ny fahatezeran’Andriamanitra no resahina ao. Ny toko faha-7 kosa dia manambara ny setrin’izany ary ilay anarana izay resahina ao amin’ny toko faha-6 hoe « tombonkase » dia manambara ny amin’ny fitsaran’Andriamanitra araka izay voalazan’ny bokin’ny Apok 6 : 16-17, 11 :18 ; 14 :10. Ireo no manambara ny amin’ilay hoe tombonkase – dia ny fahatezeran’Andriamanitra. Ny Zanak’Ondry mihitsy no voalaza ao amin’ny toko faha-6 :1 fa mamaha ny tombonkase, dia ny loza izay hihatra amin’izao tontolo izao. Mialohan’ny fanokafana ilay tombonkase fahafito anefa dia eo no miseho ny amin’ny Zanak’Ondry izay mampiseho ny hery sy ny voninahiny koa ka ambarany fa mpiandry ondry mihaino ny feon’ny ondriny Izy. Miseho avy aminy ny fiposahan’ny masoandro ny antso hoe « Aza manimba ny tany, na ny ranomasina, na ny hazo, mandra-panisiana tombonkase eo amin’ny handrin’ny mpanompon’Andriamanitra ». io no milaza fa miahy sy mijery ary miandry ny ondriny Izy, ary ny ondriny – araka ny filazantsaran’i Jaona – dia mihaino ny feony ka manaraka Azy.
Eo indrindra no mipetraka ny fanontaniana manao hoe Iza no arahin’ny zanaky ny fifohazana amin’izao fotoana andro mahory tahaka an’izao ?
Na dia mifofofofo mafy aza ny herin’ny ratsy dia misy hery sy fahefana izay tsy azo tohaina, ka hoy izy « Aza manimba ny tany ». Ny hoe « asiana tombonkase » dia tsara ny ahalalantsika rehetra fa mari-panana izany (cf. Efesiana 1 : 13-14 – izay mampiseho indrindra fa olona nalain’Andriamanitra ho an’ny tenany, ampit. 1 Petera 2 :9) Tsy misy afaka mamotika na manimba antsika amin’ny fiainana ara-panahy. Mety voatohitohina, mandre maharary ny amin’ny nofo kanefa izay voaisy tombonkase dia tena fananan’Andriamanitra ary tsy azony simbana. Efa voaisy tombokase ve ianao ? Tenenin’i Jaona ireo voaisy tombonkase ireo fa 144.000. samy manana ny fanazavany izany isa izany ireo mpanao heviteny, fa izao fotsiny no fanambarana tsotra sady mazava ambaran’ny Apokalypsy hoe « olona betsaka tsy tambo isaina avy tamin’ny firenena rehetra sy ny fokompirenena sy ny olona ary ny samihafa fiteny ». Misy milaza fa ny ao amin’ny antokom-pivavahany ary misy milaza fa izao ireo olona 144.000 ireo. Fa tsotra sady mazava izany : avy amin’ny fokom-pirenena, avy amin’ny olona samihafa fiteny – ireo no voalaza ao fa tsy ny avy amin’ny antokom-pivavahana anankiray izay niambo tena ho marina noho ny hafa.
¤¤¤¤¤¤¤¤¤¤¤¤
Ka raha mitranga ary izao zava-manahirana izao dia ny fanontaniana hoe 𝐌𝐛𝐚 𝐦𝐚𝐧𝐚𝐨 𝐚𝐡𝐨𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐡𝐚𝐳𝐨𝐚𝐧𝐭𝐬𝐢𝐤𝐚, 𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐧𝐝𝐫𝐚𝐢𝐬𝐚𝐧𝐭𝐬𝐢𝐤𝐚 𝐧𝐲 𝐓𝐞𝐧𝐢𝐧’𝐀𝐧𝐝𝐫𝐢𝐚𝐦𝐚𝐧𝐢𝐭𝐫𝐚 ?
Ny loholona anankiray izay voalaza ao amin’ny Baiboly dia isan’ny very hevitra ihany koa ka nanontany, nahita ireo olona voaisy tombonkase ireo ka nanao hoe « Iza ireo miakanjo akanjo fotsy lava ireo ary avy taiza izy ? » Valiny tsotra no nambara : ireo no avy tamin’ny fahoriana lehibe ary ny akanjony dia nosasany sy nofotsiany tamin’ny ràn’ny Zanak’Ondry » Io fahoriana lehibe io dia tsy hafa ry havana fa ny fotoana hitsaran’Andriamanitra izao tontolo izao izay fehezin’ny antikristy ankehitriny, hisehoan’ny fanenjehana sy ny fampahoriana maro isan-karazany miteraka izao fahantrana, fahoriana, areti-mandoza mihatra amin’izao tontolo izao. Izao anefa, io fampahoriana io dia nambaran’i Jesosy hoe « Matokia, Izaho efa naharesy izao tontolo izao » ary ao anatin’izao fahoriana izao indrindra no anambarany amintsika « Mankanesa aty Amiko ianareo izay miasa fatratra sy mavesatra entana fa Izaho no hanome anareo ny fitsaharana ».
Maro no tsy mahazaka ny latsa sy ny fanenjehana ataon’ireo olona maro manodidina : aiza ny Andriamanitry ny Kristiana manoloana izao, toa tsy mahavonjy. ? Izay no nahatonga ny resaka tary aloha hoe na dia ilay tenim-pahefana voambara tao amin’ny Marka aza dia tonga adino satria mitady fahasitranana, fahafahana amin’ny fotoana fohy ny olona. Eto anefa dia tiana ny mampahatsiahy fa ny Zanak’Ondry dia nandrara mba tsy handringana an’ireo izay mbola tsy voaisy marika tamin’ny fiandohan’ny tantara teo « Aza mamono na manimba ny tany » Fa ireto kosa – izay resahiny ato anatin’ny tenin’Andriamanitra ;dia misy ireo izay efa maty maritiora noho ny fanenjehana, noho ny fankahalana, noho ny fitoriana ny tenin’Andriamanitra : ireo no aseho miharihary fa efa noarovan’Andriamanitra ny fanahiny ka tsy afaka maninona azy intsony izao tontolo izao, ka na dia misy aza ny fanenjehana, ny fampahoriana, dia tsy haninona intsony ireo.
Ny zavatra izay voalaza fa hiseho amin’ny andro hiaviany – ary io no tsara marihina amintsika ; maro ny mpivavaka no mivavaka mba ho afa-pahasahiranana, mba tsy hisy ny zava-manahirana. Kanefa ny tenin’Andriamanitra dia mamporisika antsika hoe « Araraoty ny andro azo anaovan-tsoa fa miharatsy izao fiainana izao » Aza miandrandra zavatra hihatsara fa miharatsy izao fiainana izao. Fa izay tadiavina sy kendren’Andriamanitra amintsika manoloana ity toe-java-misy ity dia izao : isika hahatsiaro hiantoraka hoe manana Mpiandry Tsara izay efa nanolotra ny ainy hamonjy ny olony. Izao vanim-potoana izao koa dia fanararaotan’ireo mpaminany sandoka – izay efa voalazan’ny Matio 24 : 24 hoe « Fa hisy Kristy sandoka sy mpaminany sandoka hitsangana ka haneho famantarana lehibe sy fahagagana, ary raha azo atao, na dia ny olom-boafidin’Antra aza dia hofitahiny ». Ireo indrindra ankehitriny no milaza amintsika Kristiana fa aiza ny Andriamanitra, indrindra indrindra isika zanaky ny Fiangonana Loterana izay nisehoan-javatra, nisehoana dona maromaro teo amin’ny fiainantsika hatrany amin’ny Fikambanam-behivavy izay nahafatesan’ny mpiandraikitra teo aloha tamin’ny fomba mahatsiravina, nisian’ny fahalasan’ny Raiamandreny maro samihafa – ao ny Filohan’ny Fiangonana mirahalahy, izay nifandimby, nifanakaiky ny fahalasany ; dia eo anatrehan’izany dia toa lasa mitsara tena fa ho tsy marina na tsy manompo marina an’Andriamanitra. Tsia ry havana, tsy izany velively fa mampiseho kosa fa mampiseho ny heriny i satana, kanefa hery voafetra ihany. Io satana io dia te hitaona antsika hivily, ary voalazan’ny 2 Korintiana 11 : 13-15 fa manova ny endriny i satana ho tahaka ny anjely, koa dia amin’izany koa dia tsy atao ho zavatra mahagaga fa ny mpanompo samihafa dia manova ny endriny ho tahaka ny an’ny mpanompon’Andriamanitra ka mitaona antsika, hilaza amintsika fa hisy fanafahana.
Ry havana malala, mampitandrina antsika ity tenin’Andriamanitra ity fa maro no hamitaka hitaona antsika hiala amin’ny lalan’ny fahamarinana. Nefa tsarovy fa na dia misy ny zavatra mampahory, mampijaly mihatra amintsika dia izao : ny Zanak’Ondry izay eo afovoan’ny seza fiandrianana no Mpiandry sy Mpiaro antsika ary hanome ho antsika ny akanjo fotsy tahaka ireo izay efa nodioviny tamin’ny ràny ny akanjo ka efa nomeny ny sampan-drofia izay asehony amin’ny maha olomboavonjy azy. Isika koa raha afaka miharitra, manaiky hanompo Azy ka mihaino ny feony, dia anisan’izay olom-bonjena ka hahatonga ny hafa hanontany hoe « Iza ireo miakanjo akanjo fotsy ireo », anisan’ny hilahatra amin’izany isika handray ny fiadanana izay ambara hoe na ny masoandro dia tsy hampaninona azy, ary tsy hahare hanoanana intsony, i.e. ny zavatra izay mampahory antsika sy mahatery antsika amin’izao andro ankehitriny izao – rehefa eo anoloan’ity Zanak’Ondry ity – dia tsy hisy hampaninona intsony. Koa miorena tsara amin’ny finoana ary matokia fa efa naharesy izany ilay Zanak’Ondry izay miantso ahy sy miantso antsika, fa Jesosy no Tompo sy Mpamonjy.
Voninahitra anie ho an’Andriamanitra Ray sy Zanaka ary ny Fanahy Masina izay efa Azy hatramin’ny taloha indrindra ka ho mandrakizay. Amen !
Share