Fampianarana SORATRA MASINA, Epistily ho an’ny Galatiana

Fampianarana SORATRA MASINA, Epistily ho an’ny Galatiana

Ny Epistily ho an’ny Galatiana no anjara hampianarina, karazana fitarihanteny na taridalana ho entina mamaky sy mianatra ity Epistily ity. Fampahafantarana amin’ny ankapobeny mahakasikasika ny Epistily no hataoko amin’izany. Hampiana indrindra isika zanaky ny Fifohazana, na ireo izay rehetra liana ny amin’ny bokin’ny Galatiana, amin’ny alalan’izao fitarihanteny izao, mba hahazo ny hafatra izay raketin’izany boky izany, mba hitomboantsika amin’ny fahalalana tsara ny inoana ka hanaovantsika hoe « Fantatro izay inoako ».

Inona moa no ilana izany fitarihanteny izany?
Raha any aoriana any ohatra ny zanatsika no mamaky ao amin’ny Tantaran’ny Fiangonana, ka mahita ny taratasy alefan’ireo raiamandrenin’ny fiangonana, amin’ny isa-piangonana, mandidy hoe: ferana ho 50 ny isan’ny mpiangona isan’Alahady, raha izay ihany no zavatra hitany, ka tsy mahalala ny tontolo izay nahatonga ny fanoratana izany taratasy izany izy ireo dia tsy hazava aminy ny anton’ny filazana na ny fandidiana hoe, atao 50 ihany ny isan’ny olona miangona isan’alahady. Fa raha fantany tsara kosa fa nisy aretina tamin’izany fotoana izany, ary nisy didy navoaky ny Fanjakana nametra fa 50 ihany no afaka miara-miangona, isan’alahady, ary atao iray metatra ny elanelana, sy ny fepetra ara-pahasalamana samihafa, dia hazava aminy ny niavian’ilay hoe 50, ka amin’izay fotoana izay dia tsy hanao foana hoe izy: isika isaky ny alahady dia tsy maintsy 50 ihany no miangona satria io no fampianarana hatramin’izay, fa kosa izy hanao hoe, nisy antony nahatonga an’io, ary izay antony izany tsy eo intsony ka afaka manao fepetra mihoatra, na hafa, noho izay fepetra noraisina tamin’izao fotoana izao ireo zanatsika any aoriana any ireo, raha mamaky izany teny izany.
Inona no tiana ho resahina amin’izany?
Raha mamaky ny Epistilin’ny Galatiana isika ka tsy mahalala ny zavatra nisy manodidina azy, ohatra hoe, ny antony nahatonga an’i Paoly hanoratra azy dia mety handray ara-bakiteny fotsiny, na mety handika vilana ny amin’izay hafatra raketin’izany boky izany. Io no tombony ahalalana ny amin’ny atao hoe Fitarihanteny na Taridalana, izay hatao eto, hamakiana ny Epistily ho an’ny Galatiana. Araka izany àry dia ndeha ho resahintsika izany atao hoe Epistily ho an’ny Galatiana izany.

Misy fijery samihafa momba ny Epistily ho an’ny Galatiana teo amin’ny Tantaran’ny Fiangonana fa ny fijerin’i Lotera no ho resahiko eto satria tena niaina ny hafatra izay raketin’ity Epistily ity i Lotera, ary niady ny hiainan’ny mpino rehetra izany hafatra nolazain’ny Epistily ho an’ny Galatiana izany. Hoy i Lotera: « Ny Epistily ho an’ny Galatiana dia i Katherine Von Borah-ko. » Izany hoe ilay ramatoa vadiny. Ny tiany ho resahina amin’izany dia tsy hoe mitovy amin’ny fitiavany an’i Ramatoa Katherine Von Borah ny fitiavany ny Epistily ho an’ny Galatiana, fa manambara ny fankamamiana loatra ity Epistily ity izy, satria ao anatin’ity Epistily ity no ahitany taratra ny ady natrehiny tamin’ny fotoana izay nanaovany ny Reformasiona. Raha nampianatra ny Fiangonana Katolika fa amin’ny alalan’ny asa atao irery ihany no ahazoana fahamarinana, na sitraka eo anatrehan’Andriamanitra, dia ny mifanohitra amin’izany kosa no hitan’i Lotera tamin’ny famakiana ny Epistily ho an’ny Galatiana. Izany hoe: Andriamanitra Izay tonga teto an-tany, tamin’ny alalan’i Jesosy Kristy Zanany, izay niaraka nihinana sy niray petsapetsa (izany hoe, niara-belona sy niaraka nandeha) isan’andro tamin’ny mpanota sy ny mpamorihetra, dia ireny karazan’olona izay nosokajiana ho faraidiny amin’ny faharatsiana, amin’ny lafiny ara-pivavahana teo amin’ny tontolo Jiosy ireny, no naman’i Jesosy, fa tsy ireo nitandrina ny lalàna ka nihevi-tena ho marina sy nihevitra ny hahazo sitraka amin’Andriamanitra amin’ny alalan’izany fitandremana ny lalàna izany. Raha izany no zavatra misy dia izao hoy i Paoly Apostoly: Tsy avy amin’ny lalàna intsony, izany hoe, tsy avy amin’ny asa atao vokatry ny fitandremana ny lalàna intsony, no ahazahoana sitraka avy amin’Andriamanitra fa avy amin’ilay Andriamanitra be fahasoavana Izay manamarina ny mpanota mino an’i Jesosy Kristy.
Io ady io no hitan’i Lotera ao amin’ny Epistily ho an’ny Galatiana, izay mandrara indrindra ny fiheverana ny asa soa izay atao ho fahazoana sitraka sy fahamarinana avy amin’Andriamanitra. Notsindrian’i Lotera, araka izany, fa ny Artikla lehibe indrindra ao amin’ny Epistily ho an’ny Galatiana, na amin’ny fampianarana Kristiana, dia tsotra : ny fanamarinana maimaim-poana, izany hoe, Andriamanitra manamarina ny mpanota amin’ny Finoana an’i Jesosy Kristy. Io no nitiavany azy na nankamamiany fatratra ny Epistily ho an’ny Galatiana, indrindra koa moa fa ny Epistily ho an’ny Romana.
Mampiasa betsaka ny Epistily ho an’ny Galatiana i Lotera, amin’ny asasorany, ho fanoherany izany fiparitahan’ny fampianarana mitaona ny Kristiana hiankina amin’ny asa soa ataony, mba hidirany ny lanitra, izany. Marihina tsara anefa fa izao, i Lotera dia tsy mandrara ny olona hanao asa soa fa ny azy dia tokana ihany: hamarinin’Andriamanitra ny olona, amin’ny finoana an’i Jesosy Kristy; izany finoana an’i Jesosy izany no renin’ny sitrapo tsara rehetra ka mahatonga ny olona hanao ny asa tsara rehetra. Tsy ny asa tsara anefa no anamarinana ny olona fa ilay asa tsara dia asan’ny olona nohamarinin’Andriamanitra. Mitondra fiovana eo amin’ny olona mpanota ny fanamarinan’Andriamanitra ka mahatonga azy hanao asa tsara.
Io no toerana ametrahan’i Lotera ny Epistily ho an’ny Galatiana: Manohitra ny ezaka ataon’ny olona rehetra mba hahatonga azy ho marina eo anatrehan’Andriamanitra, fa manindry mafy kosa ny asa ataon’Andriamanitra, ny fanomezan’Andriamanitra, ny fanafian’Andriamanira ny mpanota mibebaka, ny fahamarinana ao amin’i Kristy Jesosy, na ny fahamarinan’i Jesosy Kristy.

Iza àry no mpanoratra ary taiza no toerana nanoratana ny Epistily ho an’ny Galatiana ?
Araka ny Gal. 1:1 dia i Paoly Apostoly no nanoratra azy. Raha jerena ihany koa ny Gal. 5:2 dia mahita isika fa « Indro, izaho Paoly milaza aminareo fa raha mety hoforana hianareo, dia tsy hahasoa anareo na dia kely akory aza Kristy. » Izany hoe, ity boky ity dia mijoro ho vavolombelona amintsika fa i Paoly no nanoratra azy. Ary hitantsika ao amin’ny Gal. 1:11-snm fa misy tantaram-piainan’i Paoly ao, izay mitovitovy ihany koa amin’ny tantaran’i Paoly izay hitantsika ao amin’ny Asa. 9-snm. Izao no dikan’izany: raha ny boky na ny Soratra Masina no resahina dia ekena fa i Paoly no nanoratra.
Raha ny ivelan’ny SM kosa dia efa hatrany amin’ny taonjato faharoa no nisy raiamandrenin’ny fiangonana nanoratra any amin’ny asasoratr’izy ireo, izay nanindry mafy fa i Paoly Apostoly no nanoratra ny Epistily ho an’ny Galatiana.

Daty sy ny toerana nanoratana azy:
Manodidina ny taona 55 sy 56 no nanoratana azy, ka talohan’ny Epistily ho an’ny Romana izany .
Tokony ho tao Efesosy no nanoratana azy, araka ny Asa. 19:8, 10.

Ny amin’ny fiangonana nanoratana sy ny antony nanoratana azy:
Araka ny Gal. 1:2 sy ny Gal. 3:1 dia ny Fiangonana tany Galatia no nanoratana azy. Fa raha mandinika sy mamaky tsara ary mijery ny tantara ankoatry ny voaresaka ao amin’ny Soratra Masina isika dia izao: ny hoe Galatiana dia manondro zavatra roa satria sady anarana foko manokana izany, no anarana niantsoana ny olona rehetra avy amin’ny faritr’i Galatia, izay Province Romana tamin’ny taon-jato voalohany, ihany koa, dia ny faritr’i Torkia ankehitriny izany.
Izao no filazan’ny Mpandinika: raha anarana foko izy dia tao avaratry ny faritanin’ny Galatia no tena nipetrahan’ireo foko ireo, fa raha anarana Province kosa dia ilay Province iray manontolo. Araka ny fantatra anefa hoy ihany ny Mpandinika dia tsy nisy Jiosy ny tapany avaratra tamin’io faritr’i Galatia io. Fa raha mamaky ny Epistily ho an’ny Galatiana kosa isika dia hita fa tokony ho vondrondron’olona nisy Jiosy ny mpino no nanoratana azy, dia olona mahalala tsara ny fivavahana Jiosy. Satria hita ao ny atao hoe lalàna, Abrahama, indrindra fa ny filazan’i Paoly ao amin’ny tantarany hoe: taranak’i Abrahama isika. Izany hoe, olona tsy vahiny ny tantaram-pivavahana Jiosy no nanoratana ity Epistily ity.
Noho izany dia azo lazaina fa tsy tandrify ny filazana hoe ilay foko tao amin’ny tapany avaratra, izay mitondra ny anarana hoe Galate no nanoratana ity Epistily ity. Izay tohanana kosa dia ny hoe, ireo olona mpino tao amin’ny faritr’i Galatia no nanoratana, ary ny tapany atsimo indrindra no nahitana Jiosy Kristiana tamin’izany fotoana izany. Izany hoe, raha fehezina dia izao, ny mpino Kristiana Jiosy tao amin’ny tapany atsimon’i Galatia dia anisan’ny nanoratana ary tsy anarana fiangonana anankiray no nanoratana fa ny faritra atsimon’ny Galatia, ilay Province Romana tamin’izany fotoana izany, manontolo.

Ny antony nanoratana:
I Paoly no nanorina ny fiangonana tany Galatia. Nanao asa misiona tany izy. Ary araka ny Gal. 4:14 dia nahafinaritra ny fifandraisana nisy tamin’i Paoly Apostoly sy ireo mpino tao Galatia ireo. Izao no voasoratra ao: « ary ny teo amin’ny nofoko izay tonga fakam-panahy anareo dia tsy mba nohamavoinareo na nolavinareo; fa nandray ahy tahaka ny mandray anjelin’Andriamanitra hianareo, eny, dia tahaka an’i Kristy Jesosy aza. » Tsindriana ao anatin’izany ilay filazana hoe: tsara ny fifandraisana nisy teo amin’ny fiangonana tao Galatia sy i Paoly Apostoly.
Rehefa nandroso anefa ny tantara, taty aorian’ny nanaovan’i Paoly ny asa misiona, dia niova ny fifandraisana teo amin’izy ireo. Nisy mpitory filazantsara hafa mantsy tonga ka nitory filazantsara hafa, tsy araka izay nitorian’i Paoly Apostoly izany tao amin’ireo fiangonana ireo. Hitantsika ao amin’ny Gal. 1:6-8 izany, fa hoy i Paoly: « Gaga aho, raha mifindra faingana toy izao ianareo hiala amin’izay efa niantso anareo tamin’ny fahasoavan’i Kristy ho amin’ny filazantsara hafa, izay tsy filazantsara akory, fa saingy misy ny sasany mampitabataba anareo ka ta-hamadika ny filazantsaran’i Kristy. Fa na izahay, na anjely avy any an-danitra aza, no mitory filazantsara hafa aminareo afa-tsy izay efa notorinay taminareo, aoka ho voaozona izy. » Izany hoe, nisy mpitory vaovao tafiditra tany Galatia, izay lasa nahataona ny Kristiana tany, izay fiangonana naorin’i Paoly, tamin’ny alalan’ny asa misiona nataony, mba hanalavitra an’i Paoly Apostoly, fa nisarika azy ireo kosa hanara-dia azy sy ny fampianarany.
Nandresy lahatra azy ireo ireto mpitory ireto mba ho forana araka ny Gal. 6:12. Fa izao no voasaratra ao hoe: « Na iza na iza te-hiseho ho tsara amin’ny nofo, dia ireo no manery anareo hoforana, nefa noho izao ihany: fandrao henjehina noho ny hazo fijalian’i Kristy izy ». Araka ny Gal. 6:13 anefa dia tsy mba nahatandrina ny lalàna akory ny tenan’izy ireo na dia voafora aza, kanefa ankehitriny dia manery ny mpino ho forana ihany koa izy, hahazahoana famonjena sy fahamarinana eo anatrehan’Andriamanira, mba hireharehany amin’ny nofony. Nanaiky ihany ny amin’i Jesosy izy ireo fa saingy nampiany hoe: Tsy maintsy forana sy mitandrina ny lalàna ianareo vao azo ekena ho tena olom-boavonjy tokoa. Izany hoe, tsy ampy intsony aminy ny finoana an’i Jesosy Kristy fa mila ampiana ny fitandremana ny lalàna koa.
Izany zavatra izany dia lazain’i Paoly araka ny Gal. 5:11, 12 fa nanala ny fiangonana tamin’ny fahamarinana izay amin’ny finoana an’i Jesosy Kristy irery ihany ho loharanon’ny famonjena sy loharano hahazahoana fanamarinana avy amin’Andriamanitra, tsy amin’ny asa atao. Nanakorontana sy nanakotaba ny fiangonana izany fanerena ny olona ho forana, fandrao henjehina noho ny hazofijalian’i Kristy, izany.
Araka ny hevitry ny maro dia tokony ho Jiosy niova ho Kristiana avy any Jerosalema ireto manery hoforana ireto, izay lasa ka nitory filazantsara hafa tamin’ireo mpino, tany amin’ny faritra izay nitorian’i Paoly teny ka nanorenany fiangonana. Maro no voataona ka vonona hanaraka ireo, araka ny Gal. 3:1-5, ka ilazan’i Paoly hoe « Ry Galatiana adala, iza no nanimba anareo; kanefa teo imasonareo indrindra no nanehoana marimarina an’i Jesosy Kristy voahombo tamin’ny hazo fijaliana?… » sns. Izany hoe, voataona hiala amin’ny hazofijalian’i Kristy izy ireo mba ho forana sy hitandrina ny lalàna indray vao hiditra ny lanitra. Io no lazain’i Paoly hoe maro no voataona hiala amin’ny fahamarinana.

Fizaran’ny boky:
Azo zaraina ho telo tsotsotra izy ity ankoatry ny Fampidirana (Gal. 1:1-12) izay ikambanan’ny Epistily rehetra.
– Fizarana voalohany (Gal. 1:13-2:21), azo omena ny lohateny hoe: Paoly Apostolin’ny Filazantsaran’Andriamanitra ho an’ny jentilisa. Izany hoe, Aostolin’ny Jentilisa i Paoly;
– Fizarana faharoa (Gal. 3:1-5:12), ao ny fampianaran’i Paoly mahakasika ny amin’ny fanamarinana maimaim-poana, izay iresahany be dia be ny amin’ny lalàna.
– Fizarana fahatelo: 5:13-6:15, iresahany ny amin’ny Fanahy Masina.
Ny sisa dia karazana fanaovam-beloma sy firesahana ny amin’ny maha zava-boahary vaovao ny olona izay mino an’i Jesosy Kristy.

Ireto telo ireto no fotokevi-dehibe resahiny :
1.
Ny fiarovan’i Paoly ny maha Apostoly azy.
Hita ao amin’ny toko 1, 2 izany, izay iresahan’i Paoly ny maha Apostoly azy. Resahiny amin’izany, araka ny Gal. 1:1, fa tsy avy tamin’ny olona ny maha Apostoly azy, ary tsy avy tamin’ny alalan’ny olona ihany koa (na ny asan’ny olona na ny asan’ny tenany aza), fa avy amin’ny alalan’i Jesosy Kristy sy Andriamanitra Ray mivantana. Ary raha mamaky mitohy ny toko 1 sy 2 isika dia mahita ny filazan’i Paoly ny nandraisany ny filazantsara izay toriny ho tsy avy tamin’ny olona, satria tsy mba nampianarin’ny olona izy, fa fanambarana, na alasarona, izay nataon’Andriamanitra aminy no nahazoany izany.
Ny mahatonga an’i Paoly hiaro ny maha Apostoly azy dia tokana ihany: Voatohintohin’ireto olona izay milaza azy ho irak’Andriamanitra, avy any Jerosalema, ireto ny filazantsara toriny. Izany hoe, ho fiarovany ny filazantsara toriny dia tsy maintsy niaro ny maha Apostoly azy izy, ka nilaza marimarina fa avy amin’Andriamanitra izy. Araka ny ahalalana azy, raha ny tantaram-piainany, dia mpanenjika ny fiangonan’Andriamanitra i Paoly, ka nanenjika fatratra ireo izay nitory ny hazofijalian’i Kristy. Olona nihevitra ny tenany ho marina tamin’ny lalàna izy tamin’izany. Kanefa raha mamaky isika ao amin’ny Filipiana dia lazainy fa ataony ho taim-boraka ny zavatra rehetra nireharehany fahiny. Izany hoe, ataony ho tsinontsinona izay rehetra azony avy amin’ny lalàna noho ny amin’ny fihoaran’ny amin’ny hasoan’ny ao amin’i Kristy. Izany hoe, nanenjika ny fiangonan’Andriamanitra izy, dia izay mitory ny hazofijalian’i Kristy, ho fitandremany ny lalàna, sy ho fitadiavany ny fahamarinana izay takian’ny lalana, ka hahazoana sitraka avy amin’Andriamanitra. Kanefa fantany tamin’ny fanambaran’Andriamanitra fa diso hevitra izy tamin’izany.
Koa noho izany, ireto olona izay milaza ny tenany ho avy amin’Andriamanitra, ka manao tsinontsinona ny filazantsara torin’i Paoly sy ny tenany izay nitory azy, ireto dia ampitan’i Paoly hafatra toy izao ao ambadik’izay: Voalohany, tsy avy amin’ny olona ny maha Apostoly azy fa avy amin’Andriamanitra ka tokony ho henoina tsara ny hafatra lazainy. Faharoa, efa niaina tao ambany lalàna koa izy kanefa nahafoy izany noho ny amin’i Kristy satria tsy ao amin’ny lalàna intsony no ahazoan’ny olona famonjena sy fahamarinana eo anatrehan’Andriamanitra fa ao amin’i Jesosy Kristy irery ihany.
Tsy mila fanamarinana tena i Paoly Apostoly fa miresaka ny atao hoe fanamarinan’Andriamanitra. Izany hoe, zavatra omen’Andriamanitra, atafin’Andriamanitra izay mino an’i Jesosy ny fahamarinana tadiavin’Andriamanitra fa tsy zavatra izay enjehin’ny olona sy katsahiny fatratra. Koa noho izany, ho fiarovana ny filazantsara toriny indrindra, dia Ilay Artikla lehibe indrindra ao amin’ny Soratra Masina, hoy i Lotera, no mahatonga an’i Paoly hanizingizina ny maha Apostolin’Andriamanitra azy fa tsy noho ny fitadiavany voninahitra, tahaka an’izay fahitantsika ankehitriny.

2.
Zava-dehibe ao amin’ny Epistily ho an’ny Galatiana, ny firesahany ny amin’ny fanamarinana ny mpanota, kanefa andeha ho raisintsika avy amin’ny atao hoe lalàna izany, araka ny firesahan’i Paoly azy. Araka ny Gal. 2:16, dia izao no resahin’i Paoly momba ny lalàna « nefa nony fantatsika fa tsy hamarinina amin’ny asan’ny lalàna ny olona, fa amin’ny finoana an’i Jesosy Kristy, dia nino an’i Kristy Jesosy koa isika mba hohamarinina amin’ny finoana an’i Kristy, fa tsy amin’ny asan’ny lalàna, satria tsy misy nofo hohamarinina amin’ny asan’ny lalàna ». Tian’i Paoly ho resahina amin’izany fa tsy misy olombelona hahazo fahamarinana amin’Andriamanitra amin’ny alalan’ny fitandremana ny lalàna maro samihafa, izay hitantsika ao amin’ny Soratra Masina. Tsy misy izany, hoy i Paoly Apostoly, fa ny ahazahoana izany dia izao: ny finoana an’i Jesosy Kristy irery ihany.
Avy amin’Andriamanitra, araka izany, ny fahamarinana ananantsika Kristiana. Ary io no tsy maha mety levona ny fahamarinansika satria fahamarinana avy amin’Andriamanitra, Izay tsy mety levona, dia fahamarinana avy amin’Andriamanitra, Izay tsy miova, ny fahamarinantsika Kristiana fa tsy avy amin’ny lalàna. Ny lalàna aza hoy i Paoly Apostoly dia mitondra fanozonana, araka ny Gal. 3:10-snm hoe « Fa izay rehetra amin’ny asan’ny lalàna dia eo ambanin’ny fanozonana ». Izay rehetra olombelona ka miezaka ny hitady fahamarinana eo anatrehan’Andriamanitra amin’ny alalan’ny lalàna dia ambany fanozonana hoy i Paoly Apostoly satria tsy maintsy mitandrina ny lalàna rehetra izy, fa raha misy anankiray tsy tanterany izany dia voaozona izany olona izany. Kanefa izao hoy i Paoly, Kristy no voaozona nanafaka anay tao ambanin’izany lalàna izany.
Ny tsindriana dia izao, ny lalàna dia tsy lalana hahazahoana fahamarinana, na tohatra hiakarana any an-danitra, fa hoy i Paoly milaza azy, ao amin’ny Gal. 4, karazana mpitaiza ny lalàna, mpitaiza ny mpino mandra-pahatongan’i Jesosy Kristy. Izany hoe, rehefa tonga Jesosy dia tsy misy intsony ny asan’ny lalàna ho famonjena. Tsy manana anjara toerana eo amin’ny famonjena ny lalàna satria tsy asany izany fa Andriamanitra irery no Mpamonjy. Tsy azo afangaro izany araka ny Epistily ho an’ny Galatiana fa zavatra tena samy hafa. Ny lalàna aza, araka ny lazain’i Paoly eto dia manozona satria mitondra fanamelohana ho an’izay rehetra miezaka hitandrina azy hidirana ny lanitra. Ny finoana an’i Kristy Jesosy irery ihany kosa no hany ahazahoan’ny olona fahamarinana avy amin’Andriamanitra.
Noho izany ry havana dia izao: aza miezaka ny hahazo fahamarinana avy amin’Andriamanitra amin’ny alalan’ny ezaka ataontsika. Aza mieritreritra hahazo fahamarinana avy amin’Andriamanitra avy amin’ny fitandremantsika ny lalàna. Amin’ny lafiny iray aza dia izao, fanaovana tsinontsinona ny asa nataon’Andriamanitra tao amin’i Jesosy Kristy ny fanisana sy ny fandanjanao ny asa soa vitanao amin’ny fiainanao andavanandro, ho entinao mitaky amin’Andriamanitra mba hanokatra ny varavaran’ny lanitra hidiranao. Fa izay tokony hatao dia izao, raha manana izany eritreritra sy fomba fisainana izany isika zanaky ny fifohazana dia tokana no hataontsika, mila mibebaka isika, ary manatona an’i Jesosy Kristy, fa homen’Andriamanitra maimaim-poana izany fahamarinan’i Jesosy Kristy izany. Atafiny antsika ao amin’i Jesosy Kristy izany fahamarinana izany.
Izany no fampianarana hazonin’ny fiangonana ao amin’ny fampianaran’ny Epistily ho an’ny Galatiana.

3.
Ao amin’ny toko faha 5 i Paoly Apostoly dia miresaka ny amin’ny vokatry ny Fanahy, dia ny Fanahy Masina izay nolazaina fa raisina amin’ny finoana an’i Jesosy Kristy, vokatry ny fitoriana ny filazantsara, araka ny toko roa eo aloha. Araka ny Gal. 5:22, ny vokatry ny Fanahy, izany hoe, ny voa ateraky ny Fanahin’Andriamanitra dia resahin’i Paoly hoe: « fitiavana, fifaliana, fiadanana, fahari-po fahamoram-panahy, fanaovan-tsoa, fahamarinana, fahalemem-panahy, fahononam-po; tsy misy lalàna manohitra izany. Fa izay an’Kristy Jesosy dia efa nanombo ny nofony mbamin’ny faniriany sy ny filany tamin’ny hazo fijaliana. Raha velon’ny Fanahy isika, dia aoka handeha araka ny Fanahy ».
Izany hoe, raha notsindriana teo fa ny lalàna dia tsy misy idirany amin’ny famonjena antsika, dia lazaina eto kosa, ho antsika izay efa miaina ao amin’ny finoana, fa tsy midika izany akory hoe afaka manao izay sitraky ny fontsika hatao isika kristiana, ka ho afaka milalao fahotana satria tsy misy idiran’ny lalàna ny fiainantsika. Tsy izany ry havana, fa izao: ny olona nandray ny filazantsara dia nandray ny Fanahy Masina, ary iasan’ny Fanahy Masina ao anatiny. Raha miasa ao anatintsika ny Fanahy dia tsy hitondra antsika hanohitra ny lalàna Izy. Tsy misy Fanahin’Andriamanitra hitondra ny olona hijangajanga, ho tia ady, ho mamo lava; tsy misy Fanahin’Andriamanitra hitondra ny olona handeha hiala avy ao amin’i Jesosy Kristy; fa ny vokatry ny Fanahy dia tsotra, mitovy amin’izay lazain’ny lalàna ny itondran’ny Fanahin’Andriamanitra ny fiainan’ny olona izay mino an’i Jesosy Kristy. Izany hoe, ny fiainan’ny mpino dia fiainana mifanaraka amin’ny sitrapon’Andriamanitra lazain’ny lalàna.
Raha miteny izany anefa isika dia tsy hoe ilay asa ataontsika mifanaraka amin’ny sitrapon’Andriamanitra no ahazahoantsika fahamarinana fa izany fiainantsika izany dia vokatry ny fanamarinana ataon’Andriamanitra ho antsika. Tsy azo ampifamadihina mihitsy ireo. Tsy hoe noho ireo fahamarinana iainantsika dia afaka matoky isika fa ho azontsika ny lanitra, tsy izany, fa matoky isika satria ao amin’i Jesosy Kristy, Izay fahamarinantsika ary anamarinan’Andriamanitra antsika; ao ihany isika no mifahatra amin’ny ahazahoantsika an’izany atao hoe fanamarinana avy amin’Andriamanitra izany, fa tsy ny fiainantsika na ny asa soa ataontsika. Vokatry ny finoana na vokatry ny fanamarinana ataon’Andriamanitra antsika ihany ireo asa soa rehetra ireo.

Fehiny:
– Miaro ny maha Apostoly azy i Paoly satria voatohintohina ny filazantsara izay toriny dia ny fanamarinana maimaim-poana amin’ny finoana.
– Lavin’i Paoly an-kitsirano fa tsy avy amin’ny asan’ny lalàna ny ahazahoan’ny olona ny atao hoe fahamarinana. Tsy ny olona no miezaka hanatratra ny fahamarinana fa kosa, Andriamanitra no manamarina azy.
– Na izany aza anefa dia izao: tsy mampianatra i Paoly Apostoly fa baranahiny ny fiainana Kristiana ka ho afaka mijangajanga ny olona rehetra izay tonga Kristiana, na ho afaka manompo sampy, sy mangalatra, na ho afaka manao ny ratsy rehetra, fa kosa, ny olona izay nohamarinin’Andriamanitra dia ahitana taratra ny filazantsaran’ny famonjena ny fiainany manontolo, ahitana taratra ny sitrapon’Andriamanitra ny fiainany manontolo.

Voninahitra anie ho an’Andriamanira, Ray, Zanaka, ary Fanahy Masina, izay Azy hatramin’ny taloha indrindra, haharitra mandrakizay. Amena.

Share