« Izay maharesy dia homeko mana miafina »

« Izay maharesy dia homeko mana miafina »
𝐅𝐈𝐓𝐀𝐑𝐈𝐇𝐀𝐍𝐓𝐄𝐍𝐘
Ny anankiroa amin’ireo taratasy fito nalefan’i Jesosy tamin’ny alalan’i Jaona mpanompony ho an’ny fiangonana fito tany Azia Minora (cf. Apok. 1:9-11; 2-3) no anjarantsika eto. Raha ampahatsiahivina fohy dia ireto avy ireo fiangonana fito izay nandefasana taratasy: 1) Efesosy, 2) Smyrna, 3) Pergamosy, 4) Tyatira, 5) Sardisy, 6) Filadelfia, ary 7) Laodikia. Ny anankiroa anjarantsika eto àry dia ny taratasy ho an’ny fiangonana tany Pergamosy sy ny taratasy ho an’ny fiangonana tany Tyatira.
Misy rafitra iombonany ireo taratasy fito ireo, fa samy ahitana ireto zavatra manaraka ireto: 1) fomba manokana entina manondro ny mpandefa dia i Jesosy, 2) ny toetry ny fiangonana andefasana, ary 3) fananarana sy teny fampanantenana avy amin’ny mpandefa ho an’ny andefasana.
Vokatra izany, amin’ny fampitana ny hafatra ho antsika fiangonana ankehitriny miainga avy amin’ny taratasy nosoratana ho an’ny fiangonana tany Pergamosy sy Tyatira, dia hanaraka io rafitra iombonan’ny taratasy fito io isika. Izany hoe, amin’ny anazavana ny vontoan’ny taratasy tsirairay anjarantsika (Pergamosy sy Tyatira), dia horesahina ao 1) ny fomba manokana entiny manondro ny mpandefa, 2) ny toetry ny fiangonana andefasana, ary 3) ny fananarana sy ny teny fampanantenana avy amin’ny mpandefa ho an’ny andefasana.
Koa mizara roa lehibe ny fampianarana. Mandinika ny vontoatin’ny taratasy nosoratana ho an’ny fiangonana tany Pergamosy ny fizarana voalohany. Mandinika ny vontoatin’ny taratasy nosoratana ho an’ny fiangonana tany Tyatira ny fizarana faharoa. Fa ampiasaina ho méthode enti-mandinika ny taratasy tsirairay kosa anefa ireo singa anankitelo iombonan’ny taratasy fito.
¤¤¤¤¤¤¤¤¤¤¤¤¤¤¤¤¤¤¤¤¤¤
𝐈. 𝐍𝐲 𝐓𝐚𝐫𝐚𝐭𝐚𝐬𝐲 𝐡𝐨 𝐚𝐧’𝐧𝐲 𝐅𝐢𝐚𝐧𝐠𝐨𝐧𝐚𝐧𝐚 𝐭𝐚𝐧𝐲 𝐏𝐞𝐫𝐠𝐚𝐦𝐨𝐬𝐲 (𝟐:𝟏𝟐-𝟏𝟕)
Araka ny voalaza etsy ambony, dia ampiasaina ho méthode enti-mandinika ny taratasy anankiroa anjarantsika amin’ity anio ity ireo singa anankitelo iombonan’ny taratasy fito. Izany hoe, ireo singa anankitelo ireo no entina mitsinjara ity fizarana ity. Noho izany, misy zana-pizarana telo ity fizarana voalohany ity:
1) ny fomba manokana entina manondro ny mpandefa,
2) ny toetry ny fiangonana tany Pergamosy,
3) ny fananarana sy ny teny fampanantenana avy amin’ny mpandefa ho an’ny andefasana.
𝐈.𝟏 𝐍𝐲 𝐟𝐨𝐦𝐛𝐚 𝐦𝐚𝐧𝐨𝐤𝐚𝐧𝐚 𝐞𝐧𝐭𝐢𝐧𝐚 𝐦𝐚𝐧𝐨𝐧𝐝𝐫𝐨 𝐧𝐲 𝐌𝐩𝐚𝐧𝐝𝐞𝐟𝐚
Araka ny efa efa natsidika eo amin’ny fitarihanteny dia i Jesosy no mpandefa ny taratasy ho an’ny fiangonana fito tany Azia Minora, ka anisan’izany ny fiangonana tany Pergamosy. Samy hafa anefa ny fomba entina manondro an’i Jesosy amin’ireo taratasy fito ireo. “Ilay mihazona ny kintana fito eny an-tànany ankavanana sady mandeha eo afovoan’ny fanaovan-jiro volamena fito” no iantsoana azy ao amin’ny taratasy ho an’ny fiangonana tany Efesosy (2:1b).
“Ny Voalohany sy ny Farany, Izay efa maty, nefa velona indray” kosa no iantsoana Azy ao amin’ny taratasy ho an’ny fiangonana tany Smyrna (2:8b). “Ilay manana ny sabatra roa lela maranitra” no iantsoana Azy eto amin’ny taratasy ho an’ny fiangonana tany Pergamosy (2:12b).
Tsara homarihina fa ny fomba entina milaza ny mpandefa na i Jesosy ao amin’ny taratasy tsirairay dia ampahany nalaina amin’izay voalaza ao amin’ny 1:13-16.
Ny fomba entina milaza an’i Jesosy eto amin’ny taratasy ho an’ny fiangonan’i Pergamosy, dia hita eo amin’ny 1:16b. Ilazana ny natioran’ny teny mivoaka avy amin’ny vavan’ny mpandefa ny taratasy io. Ny sabatra roa lela mantsy, raha ny Heb. 4:12 no entina manazava azy, dia ilazana ny herin’ny tenin’Andriamanitra. Fa toy ny sabatra roa lela ny tenin’Andriamanitra. Izany hoe, toy ny sabatra roa lela ny tenin’ilay mpandefa ny taratasy ho an’ny fiangonan’i Pergamosy, “ka manindrona hatramin’ny fampisarahana ny aina sy ny fanahy ary ny tonona sy ny tsoka, ka mahay mamantatra ny eritretritra sy ny fisainan’ny fo.”
Mahafantatra ny zavatra rehetra ilay mpandefa taratasy. Koa tsy mahagaga raha fantany ny toetry ny andefasana, araka ny teniny hoe: “Fantatro izay onenanao.” (2:13a).
𝐈.𝟐 𝐍𝐲 𝐭𝐨𝐞𝐭𝐫𝐲 𝐧𝐲 𝐅𝐢𝐚𝐧𝐠𝐨𝐧𝐚𝐧𝐚 𝐭𝐚𝐧𝐲 𝐏𝐞𝐫𝐠𝐚𝐦𝐨𝐬𝐲
Mizara roa ny filazana ny toetry ny Kristiana tao amin’ny fiangonan’i Pergamosy, roa mifanipaka, mifanao atsimo sy avaratra – andaniny, toetra tsara, fa ankilany kosa, toetra ratsy.
Voalohany, ao ny toetra tsara, araka izay hita eo amin’ny 2:13 hoe: “Fantatro izay onenanao, dia ao amin’ny itoeran’ny seza fiandrianan’i Satana; ary mitàna mafy ny Anarako hianao ka tsy nandà ny finoana Ahy, na dia tamin’ny andron’i Antipasy martiorako aza, izay lehilahy nahatoky Ahy, dia ilay novonoina teo aminareo, teo amin’izay onenan’i Satana.” Ny toetra tsaran’ny fiangonana tao Pergamosy dia ny fihazonana mafy an’i Jesosy sy ny tsy fandavana ny Anarany – nanam-pinoana an’i Jesosy ny fiangonana tany Pergamosy: io no toetra tsarany.
Ny toetra tsara ananan’ny fiangonan’i Pergamosy, raha fintinina, dia ny fitanany mafy ny finoana an’i Jesosy Kristy na dia eo aza ny fisedrana isakarazany atrehiny. Fa monina eo amin’ny toeran’ny seza fiandrianan’i Satana izy (cf. 2:13a) ary enjehina (cf. 2:13b), kanefa tsy mivadika, fa mihazona mafy ny finoany. Finoana no toetra tsaran’ny fiangonana tany Pergamosy.
Faharoa, ao ny toetra ratsy, araka izay hita eo amin’ny 2:14-15: “Kanefa manan-teny kely aminao Aho, fa misy eo aminao izay mitàna ny fampianaran’ i Balama, ilay nanome fo an’i Balaka hanisy fahatafintohinana teo anoloan’ny Zanak’ Isiraely, hihinana hena naterina tamin’ny sampy sy hijangajanga. Ary toy izany koa, misy eo aminao izay mitàna ny fampianaran’ny Nikolaita tahaka ny an’ireny.” Roa koa ny hadalany: ny fanarahany ny fampianaran’i Balama sy ny fampianaran’ny Nikolaita.
Voalohany, ao ny fanarahana ny fampianaran’i Balama. Izany fampianarana izany, araka ny hitantsika eto, dia mitaona ny olona “hihinana hena naterina tamin’ny sampy sy hijangajanga (2:14). Tsara homarihina fa izay lazaina ho fampianaran’i Balama eto dia tsy hita mivantana ao amin’ny tantaran’i Balama araka izay ahitana azy ao amin’ny Nomery 22-24. Manaraka izany, tsy mitovy amin’ny voalaza eto ihany koa izay voalaza ho làlan’i Balama na fahadisoan’i Balama araka izay hita ao amin’ny 2 Pet. 2:15 sy Jod. 11. Fitiavana karama na tamby tsy marina no voalaza ao amin’ireo teksta ireo. Noho izany, izay ilazan’i Jaona azy araka ny perikopantsika eto no raisintsika. Izany hoe, fitaomana ny olona hihinana hena naterina tamin’ny sampy sy hijangajanga no antsoina eto hoe fampianaran’i Balama.
Fahadisoana goavana anefa ny fihinanana hena naterina tamin’ny sampy sy ny fijangajangana satria fandikana ny zavatra nameperan’ny Apostoly ny Kristiana Grika na jentilisa mba tsy hatao, araka ilay taratasy nalefan’ny Apostoly ho azy ireo, izay hita ao amin’ny Asa. 15:23b-29. Io no ahafahantsika milaza fa tena fahadisoana ho an’ny fiangonana sy ny Kristiana ny fihinana hena naterina ho amin’ny sampy sy ny fijangajangana – ara-bakiteny sy ny fandrafiana an’i Jesosy amin’ny fanompoana andriamani-kafa
Faharoa, ao ny fanarahana ny fampianaran’ny Nikolaita. (2:15). Ny fampianaran’ny Nikolaita, araka izay nandrenesantsika azy omaly, dia fampianarana mitaona ny olona ho amin’ny fitondrantena maloto isakarazany satria fampianarana mampifangaro ny fampianarana kristiana sy ny fombafomba jentilisa. Mifandray ny fampianaran’i Balama sy ny Nikolaita – mitaona ho amin’ny fitondrantena maloto, fijangajangana ara-bakiteny, fanompoan-tsampy ary fampifangaroana ny finoana an’i Jesosy.
Matanjaka amin’ny finoana nefa ratsy fitondrantena ny fiangonana tany Pergamosy.
𝐈.𝟑 𝐍𝐲 𝐅𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚𝐫𝐚𝐧𝐚 𝐬𝐲 𝐧𝐲 𝐓𝐞𝐧𝐲 𝐅𝐚𝐦𝐩𝐚𝐧𝐚𝐧𝐭𝐞𝐧𝐚𝐧𝐚 𝐡𝐨 𝐚𝐧’𝐧𝐲 𝐅𝐢𝐚𝐧𝐠𝐨𝐧𝐚𝐧𝐚 𝐭𝐚𝐧𝐲 𝐏𝐞𝐫𝐠𝐚𝐦𝐨𝐬𝐲
“Koa dia mibebaha”, hoy Izy, “fa raha tsy izany, dia ho avy aminao faingana Aho ka hamely [anao] amin’ny sabatry ny vavako” (2:16). Noho ireo toetra ratsy hitan’i Jesosy teo amin’ny fiangonan’i Pergamosy ireo, dia nananatra azy Izy mba hibebaka. Tadidio fa ilay sabatry ny vavany dia maranitra toy ny sabatra roa lela, ka raha izany no hamely anao dia ho tapa-doha eo ianao, ho faty. Fibebahana, izany hoe fialana amin’ireo fomba ratsy, araka ny fampianaran’i Balama sy ny Nikolaita ka miverina amin’ny fitondrantena marina; eny miverina amin’ny fitondrantena madio – satria ny fiangonana tany Pergamosy nanam-pinoana fa ratsy fitondran-tena. Ampifanarahina amin’ilay finoana tazomina ilay fitondrantena: io ilay fibebahana takian’i Jesosy.
Fa ho an’izay maharesy kosa dia nampanantenainy mana miafina sy vato fotsy izay misy anaram-baovao tsy fantatr’olona afa-tsy izay mandray azy ihany (2:17b). Izay maharesy, hoy izy – izany hoe izay miala, mahatohitra ireo fitondrantena sy fanangolen’i Balama sy ny Nikolaita ireo, ka miaina amin’ny finoana velona an’i Jesosy, mifanaraka amin’ny finoana ny fitondrantena – dia homeny mana miafina, vato fotsy ary anaram-baovao. Ny mana miafina dia tsy hafa fa i Jesosy. I Jesosy mantsy no mana na mofo nidina avy tany an-danitra, araka ny hitantsika ao amin’ny Jao. 6:30-35. Ny vato fotsy misy anaram-baovao kosa indray dia ilazana ny fahazoan-dàlana – tapakila, billet – hiditra ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra. Azo adika koa hoe famelan-keloka ny vato fotsy: izay voavela heloka no mahazo miditra ao amin’ny fianana mandrakizay. Fiainana mandrakizay ao amin’i Jesosy sy miaraka amin’i Jesosy, araka izany, no nampanantenain’i Jesosy izay maharesy, araka ny taratasy nalefany ho an’ny fiangonana tany Pergamosy.
𝐈.𝟒 𝐅𝐞𝐡𝐢𝐧𝐲
Ilay Mpandefa mahafantatra ny zavatra rehetra: fantany ny fiangonana tany Pergamosy fa manana toetra tsara – dia ny FINOANA; kanefa manana toetra ratsy – ratsy fitondrantena ary manaraka ny fampianaran’i Balama sy ny an’ny Nikolaita. Manoloana ilay faharatsiam-pitondrantena dia miangavy azy Jesosy mba hibebaka. Fa manoloana ilay finoana ananany kosa – eny, manoloana ilay fibebahana ataony aza, dia mampanantena fiainana mandrakizay ho azy ireo Jesosy.
¤¤¤¤¤¤¤¤¤¤¤¤¤¤¤¤¤¤¤¤¤¤
𝐈𝐈 𝐍𝐲 𝐓𝐚𝐫𝐚𝐭𝐚𝐬𝐲 𝐡𝐨 𝐚𝐧’𝐧𝐲 𝐅𝐢𝐚𝐧𝐠𝐨𝐧𝐚𝐧𝐚 𝐭𝐚𝐧𝐲 𝐓𝐲𝐚𝐭𝐢𝐫𝐚 (𝟐:𝟏𝟖-𝟐𝟗)
Manaraka ny rafitry ny fizarana voalohany etsy ambony, dia misy zana-pizarana telo ihany koa ity fizarana faharoa ity:
1) ny fomba manokana entina milaza ny mpandefa,
2) ny toetry ny andefasana, dia ny fiangonana tany Tyatira,
3) ny fananarana sy ny teny fampanantenana avy amin’ny mpandefa ho an’ny andefasana.
𝐈𝐈.𝟏 𝐍𝐲 𝐅𝐨𝐦𝐛𝐚 𝐌𝐚𝐧𝐨𝐤𝐚𝐧𝐚 𝐄𝐧𝐭𝐢𝐧𝐚 𝐌𝐢𝐥𝐚𝐳𝐚 𝐧𝐲 𝐌𝐩𝐚𝐧𝐝𝐞𝐟𝐚
“Ny Zanak’Andriamanitra, Izay manana maso toy ny lelafo, ary ny tongony tahaka ny varahina manganohano” no ilazana ny mpandefa ny taratasy ho an’ny fiangonana tany Tyatira (2:18b). Io dia famerenana izay voalaza eo amin’ny 1:14b-15a. Ny maso toy ny lelafo dia midika fa manana maso mahita ny zavatra rehetra i Jesosy. Izany hoe, tsy misy miafina Aminy fa mazava eo anatrehany avokoa ny zavatra rehetra, satria ny lelafo dia mampazava ny toerana rehetra lalovany. Ny tongotra tahaka ny varahina manganohano kosa dia maneho fijoroana amin’ny maha izy azy azy ny tena. Tsy miovaova i Jesosy fa mitazona ny identité-ny na ny maha izy azy Azy mandrakariva. Miharihary eo anatrehany ny zavatra rehetra ary tsy miova amin’ny maha Izy Azy Jesosy.
𝐈𝐈.𝟐 𝐍𝐲 𝐓𝐨𝐞𝐭𝐫𝐲 𝐧𝐲 𝐅𝐢𝐚𝐧𝐠𝐨𝐧𝐚𝐧𝐚 𝐭𝐚𝐧𝐲 𝐓𝐲𝐚𝐭𝐢𝐫𝐚
Tahaka ny fiangonan’i Pergamosy, dia mizara roa ihany koa ny toetry ny fiangonana tany Tyatira – misy ny toetra tsara ary dia misy koa ny toetra ratsy.
Voalohany, ao ny toetra tsara, dia ny fitiavana, ny finoana (fahatokiana), ny fanompoana, ary ny faharetana. Tsy vitan’izany fa be noho ny asany voalohany ny asany farany (2:19). Izany hoe, raha finoana no nampalaza ny fiangonana tany Pergamosy, dia asa tsara kosa no nampalaza ny fiangonan’i Tyatira.
Faharoa, ao ny toetra ratsy, dia ny fandeferana tamin’ilay vehivavy Jezebela izay mpanoloky ny mpanompon’Andriamanitra ho amin’ny fijangajangana sy ny fihinana hena naterina tamin’ny sampy (2:20). Miverina indray ilay hoe fijangajangana sy ny fihinanana hena naterina tamin’ny sampy. Ny hoe Jezebela dia anaran’ny vadin’ny mpanjaka Ahaba, araka izay hita ao amin’ny 1 Mpanj. 16:31-33, ka tsy voatery ho tena anaran’ilay vehivavy nitarika ny olona tao Tyatira ho amin’ny fijangajangana sy ny fihinanana hena naterina tamin’ny sampy. Fa satria vehivavy ratsy fanahy sady mpanompo sampy i Jezebela vadin’ny mpanjaka Ahaba, dia io no antony nanomezana ny anarany ho an’ity vehivavy tao Tyatira ity. Fijangajangana sy fihinanana hena naterina tamin’ny sampy no toetra ratsin’ny fiangonana tany Tyatira.
𝐈𝐈.𝟑 𝐍𝐲 𝐅𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚𝐫𝐚𝐧𝐚 𝐬𝐲 𝐧𝐲 𝐓𝐞𝐧𝐲 𝐅𝐚𝐦𝐩𝐚𝐧𝐚𝐧𝐭𝐞𝐧𝐚𝐧𝐚 𝐡𝐨 𝐚𝐧’𝐧𝐲 𝐅𝐢𝐚𝐧𝐠𝐨𝐧𝐚𝐧𝐚 𝐭𝐚𝐧𝐲 𝐓𝐲𝐚𝐭𝐢𝐫𝐚
Vokatra izany toetra ratsy nananan’ny Kristiana tao amin’ny fiangonan’i Tyatira izany, dia nananatra azy ireo i Jesosy mba hibebaka; fa raha tsy mibebaka dia “hataony amin’ny fahoriana lehibe”, eny, hovonoiny mihitsy aza. (2:21-23). Raha fintinina dia hoe “Mibebaha”
Ambonin’izany, mampahery sy manome fampanantenana azy ireo ihany koa Izy ka milaza fa izay tsy manaraka ny fampianaran’i Jezebela dia “tsy hovesarana entana hafa”. (2:24). Eny, izay maharesy dia homena fahefana amin’ny jentilisa. (2:26-28) ary homena kintana fitarikandro (2:28) Ireo rehetra ireo anefa raha haravona, dia mitondra mankany amin’ny fiainana mandrakizay ihany koa. Jesosy avokoa no avohitr’ireo fanomezana ireo. I Jesosy no voatendrin’Andriamanitra hanjaka amin’ny firenena rehetra sy ny zavaboahary rehetra. Koa raha milaza Izy eto fa homeny fahefana amin’ny jentilisa izay maharesy, dia midika izany fa havelany hiara-manjaka Aminy izay maharesy; izany hoe, hiara-manjaka Aminy ao amin’ny fanjakany. Raha lazaina amin’ny fomba hafa dia homeny fiainana mandrakizay.
𝐈𝐈.𝟒 𝐅𝐞𝐡𝐢𝐧𝐲
Ilay Mpandefa dia manana maso tahaka ny lelafo ka mazava eo anatrehany avokoa ny zavatra rehetra. Mpanao asa tsara, asa diakonaly ny fiangonana andefasana, nefa mijangajanga ary mihinana hena naterina tamin’ny sampy. Ny anatra ho azy dia fibebahana, fialana amin’ny fitondrantena ratsy. Ny teny fampanantenana kosa dia ny fiainana mandrakizay.
¤¤¤¤¤¤¤¤¤¤¤¤¤¤¤¤¤¤¤¤¤¤
𝐅𝐀𝐌𝐀𝐑𝐀𝐍𝐀𝐍𝐀
Sady ahitana toetra tsara no ahitana toetra ratsy ny fiangonana tany Pergamosy sy Tyatira. Ny toetra tsara nananan’ny fiangonana tany Pergamosy dia ny fihazonana mafy ny finoana an’i Jesosy na dia nandalo fisedrana mahamay aza. Ny an’i Tyatira kosa indray dia asa tsara. Mitovy anefa ny toetra ratsy nananan’izy roa, dia ny fijangajangana sy ny fihinanana hena naterina tamin’ny sampy; fa ny an’i Pergamosy fotsiny miampy ny fanarahana ny fampianaran’ny Nikolaita.
Misy eo amin’ny fiangonantsika ankehitriny koa ireo toetra tsara sy toetra ratsin’ny fiangonan’i Pergamosy sy i Tyatira ireo. Misy dia misy tokoa ireo Kristiana mitana mafy ny finoany an’i Jesosy Kristy, tahaka ny Kristiana tao amin’ny fiangonan’i Pergamosy, na inona na inona zavatra sedrainy. Ary misy dia misy ihany koa ireo Kristiana manao asa tsara vokatry ny finoana tahaka ny Kristiana tao amin’ny fiangonan’i Tyatira. Eny, misy ny Kristiana mihazona miaraka ireo lafiny roa ireo amin’ny fiainany.
Fa misy dia misy kosa anefa ireo milaza ny tenany ho Kristiana saingy mampirafy an’i Jesosy amin-javatra hafa. Kristiana “varangara lafiky”, araka ny tononkiran’ny Groupe Evangélique Mpitohazara, “mikipaky arỳ, mikipaky atsỳ”. Kristiana bolokilahy homam-boantseva, ka fy ny atsy, mamy ny aroa. Amin’izao valan’aretina COVID-19 izao dia be dia be ny Kristiana varangaralafiky toy izany, andramandramana daholo izao rehetra izao, eny fa na dia ny fandehanana any amin’i dadarabe aza, mba hanasitranana amin’ity valan’aretina ity. Ho anao izay manana izany toetra izany, dia hoy i Jesosy aminao anio: “Mibebaha tsy ho faty! Mibebaha mba ho velona”
Fa ho anao izay maharitra amin’ny finoana an’i Jesosy kosa na inona na inona zavatra sedrainao, sady mitondra tena tsara araka ny sitrapon’Andriamanitra, no manao asa tsara, dia homeny mana miafina sy hataony mpanapaka amin’ny jentilisa. Izany hoe, homeny fiainana mandrakizay ianao. Ka hoy indrindra ny teny fanevantsika amin’ity isakerintaona faha 79 ity manamafy izany: “Izay maharesy … dia tsy hamono ny anarany eo amin’ny bokin’ny fiainana tokoa Aho.” Tsy hovonoiny ao amin’ny bokin’ny fiainana ny anaranao. Io no entintsika mamintina ny hafatra eto hoe ho anao izay mihazona mafy ny finoana an’i Jesosy, eny fa na dia ao anatin’ny confinement aza, dia homeny mana miafina, izay maharesy dia mahazo an’i Jesosy. Tano mafy àry izay anananao, dia i Jesosy, mba tsy hisy haka ny satroboninahitrao.
Amen !
Share