Lio. 10:23-37 (Toriteny Fanokafana)

Avy hatrany dia mametraka soratra ao an-tsaina isika ny amin’ity tantara ity, ka ny amehezana sy ny amintinana azy dia ny amin’ilay tantaran’ilay Samaritana namindra fo no azo lazaina fa fototra eto amin’ity Tenin’Andriamanitra omena antsika ity. Isika dia tsy dia hijery zavatra lavabe, na ny mialoha an’izao Tenin’Andriamanitra anjarantsika izao, fa hojerena eto kosa ny amin’ity lehilahy anankiray izay voalaza fa Mpahay lalàna izay nitsangana teo anatrehan’i Jesosy, ka ny fitsanganany teo dia ny haka fanahy an’i Jesosy. Mody nitady famonjena izy, izany no nitarihany ny teniny sy nanatrehany an’i Jesosy; hita amin’ny teniny manaraka eto anefa fa tsy dia izany loatra no tao an-tsainy fa ny haka fanahy Azy, satria rehefa nanontanian’i Jesosy ny amin’izay votoatin’ny lalàna izy dia hita ho olona tena efa mahalala izany sy olona efa tena nihevitra fa nanatanteraka izany atao hoe lalàna izany izy, kanefa inona indray no mbola anontaniany an’i Jesosy.

Fantatra koa anefa fa tsy ho zakany na ho hainy ny hitandrina izany didy lehibe sy lalàn’Andriamanitra izany. Fantatra fa tena tsy ho hainy izany. Ny zavatra tandrify azy sy fantany dia ny fijerena ny tenany manokana, dia ny fijereny ny fiainany ka tsy ahitan’ny manodidina azy akory. Ny didy lehibe anefa dia ny fitiavana an’Andriamanitra, araka ny teny eto, sy ny fitiavana ny namana, izay mijery ny hafa, ka ny tokony hataony dia ny manaiky ny ho resilahatra avy hatrany fa tsy zakany izany, tsy ho vitany izany, tsy ho tanteraka mihitsy eo aminy ny hitandrina an’izany didy lehibe ao anatin’ny lalàna izany. Kanefa izao, menatra izy ny hiaiky fa tsy vitany na tratrany izany, fandrao ho hita mazava fa tsy ampy ny fahalalany, tsy ampy ny fahaizany, ny fahendrena aza toa tsy misy akory mba hahazoana an’izany famonjena izany. Tena sarotra amin’ny Fariseo manko ny hiaiky diso tahaka izany, ka hanaiky ho tsy mahavita na tsy mahatanteraka toy izany.

Te hanamarina ny tenany izy eto, hiziriziry sy hizahozaho eo anatrehan’i Jesosy amin’ny alalan’ny fanamarinantena dia nitady fialan-tsiny tamin’i Jesosy, raha mitohy ny tantara. Eny, fanamarinana tena no nataony ary vela-pandrika no napetrany teo anoloan’i Jesosy ka nametraka fanontaniana tamin’i Jesosy izy hoe: iza àry no namako?

Anisan’ny foto-pisainana nananan’ny Fariseo ny manaiky ny olona ho namana, fa ny tiany hambara sy ho lazaina ao anatin’izany anefa dia tsy ny olona rehetra mifanerasera sy miara-miaina aminy akory, no mendrika hiantefan’izany fitiavana ny namana izany. Iarahantsika mahalala ny atao hoe namana. Tsy mba izany famaritantsika izany anefa no tao an-tsainy, ary io no nahatonga azy nametraka izao fanontaniana izao tamin’i Jesosy mba hanavahany ny tenany sy hilazany fa izy samy izy ihany, dia ny Fariseo sy ny Mpanora-dalàna tahaka azy no tokony hifamatotra ao anatin’izany fifankatiavana izany. Izy mantsy tsy mba mitia olona hafa izany, na inona tranga na inona misy eo amin’ny fiainany.

Ho setrin’izany ary dia milaza Jesosy eto fa izay tia an’Andriamanitra tokoa dia tsy maintsy mitia ny rahalahiny na ho tia ny namana koa. Izay tia an’Andriamanitra tokoa eo amin’ny fiainany na amin’ny fahavelomany dia tsy maintsy ho tia ny namana, na ho tia ny rahalahiny koa. Ary ny rahalahy sy ny namana dia tsy hafa fa ny olona rehetra. Io ilay kendren’ny tenin’Andriamanitra hatolotra sy havoitra. Tsy hafa ny rahalahy eto fa izay rehetra manam-pofonaina, tsy hafa ny tokony ho namana eto, fa izay rehetra manam-pofonaina koa, ka velona, mandeha amin’ity tany ity, na fantatra, na tsy fantatra aza., Tsy maintsy ho eritreretina ao anaty ho namana avokoa ireo. Raha izany àry, dia hatramin’ny fahavalo aza dia tokony hanehoam-pitiavana avokoa. Hatramin’izay manana ady aminao, hatramin’izay manana lonilony aminao, hatramin’izay tsy mifandia tany hitsahina eto amin’ity tany ity noho ny fiainana an-tany aza dia hoy ny hafatr’i Jesosy eto: tiavo izy ireo. Ary eto dia zavatra tsy azo sarahina amin’ny fitiavana an’Andriamanitra ny fitiavana ny namana. Koa raha milaza ho tia an’Andriamanitra ny olona kanefa tsy tia ny namana dia heverina ho zava-poana izany. Atodika mankany àry isika, ny amin’izany fitiava-namana izany.

Mialoha ny hanohizana ny tantara dia misy tany izay tsara ho fantatra ihany, sy toerana tokony ho azo an-tsaina, eto amin’izao tantara izay omen’i Jesosy antsika eto izao. Misy tany anankiray, eo anelanelan’i Jerosalema sy Jeriko, izay nandalovan’ity lehilahy, izay ambara ato amin’ny Perikopantsika fa naratra mafy saika maty ity. Io toerana io dia toerana mangina, karazana toerana tsy falehan’ny olona matetika angamba, noho izany fahanginany izany, « desert » hoy ny fiteny azy amin’ny fiteny vahiny. Izany hoe, toerana tena tsy ahitana tanàna, toerana tsy ahitana olona mifamezivezy mihitsy fa any antsefatsefany, na anelanelan’ny vohitra sy ny tany foana any ka mangina tokoa. Any indrindra no mitranga ny tantara izay naharesy an’ity lehilahy anankiray. Tsara ho fantatra mialoha fa Jiosy io lehilahy io.

Nobaboin’ny fahavalo izy, nendahany ny lambany, notraohiny, noratrainy, novonoiny ka toy ny efa ho faty mihitsy vao nilaozany. Voalaza fa nandalo teto ireto olona samihafa ireto. Ny lohalaharana tamin’ny fandalovana ka nandalo tamin’ity marary ity voalohany dia ny mpisorona. Nandalo ara-bakiteny tokoa izy, ny masony ihany no natopiny, fa ny tongony kosa nikisaka nanalavitra, no sady mitazana mijery an’ilay mitsirara eo amin’ny tany sady feno ratra. Nijery fotsiny ilay mpisorona. Toy izay koa ny nanaraka azy dia ny Levita, araka ny voalaza eto. Ireo Mpisorona sy Levita ireo dia tsy hafa fa olona mpanao raharaham-piangonana daholo, olona mahalala tsara ny fiainam-piangonana sy ny raharaham-piangonana ka tsy vahiny amin’ny fanatontosana ny raharaham-piangonana sy ny fanompoam-pivavahana ao amin’ny fiangonana.

Nony lasa izy ireny dia indro ny fahatelo, lehilahy iray, izay lazaina eto ny fiaviany sy ny firazanany fa Samaritana. Mety tsy ho nampoizin’ilay marary hamonjy azy izy. Ny Mpisorona sy ny Levita izay iray firenena sy iray fivavahana aminy aza tsy niraharaha azy akory fa vao mainka ity Samaritana ity! Mety ho tao an-tsain’ilay marary izany. Tsy nampoiziny anefa fa ilay Samaritana indray no naneho ny tena fitiava-namana taminy, ka nasehony ho hita sy ho tazana ary ho azo tsapain-tanana izany. Tsy mba nitana am-po ny fahasamihafana izy fa naneho fitiavana kosa ka niantrana ity lehilahy Jiosy ity teo anatrehan’ny fahavoazana nanjo azy. Famindram-po no nasehon’ilay Samaritana ka nahatonga azy hijanona, nahatonga azy handray, nahatonga azy hitsapa azy mihitsy aza ka namehy ny feriny sy nitondra azy ho an’ny amin’ny toeram-pitsaboana. Hitantsika amin’izao fa tia an’ilay azom-pahoriana ity Samaritana ity.

Tsy sahy nandà izany ilay Fariseo rehefa nanontaniana ny heviny, satria samy nandalo teo, samy naneho ny fombany teo, samy naneho ny teo-tsaina sy toe-panahiny nananany teo ny Mpisorona sy ny Levita, samy mpivavaka, koa nahoana no ilay Samaritana no ahitana an’ilay fanatanterahana ny didin’Andriamanitra izay nasain’Andriamanitra ho tazomina sy hatao, tamin’ny alalan’ny fitiavana? Na dia tsy tiany ho tononina aza ny teny hoe Samaritana, fa hoy izy: « ilay namindrafo taminy », dia mazava fa Ilay Samaritana no tondroiny amin’izany ho valin’ilay fanontanian’i Jesosy.

Manao fara-anatra anefa Jesosy eto ry havana ka miteny hoe mandeha ianao ka manaova toy izany koa. Anatra ho antsika rehetra koa izay mandre izao Tenin’Andriamanitra izao izany. Tranga anankiray no voatantara eto kanefa mampiseho fomba sy toetra maro samihafa noho ny fikendren’Andriamanitra te-hampianatra antsika ny fitiavany sy ny fitiavana ny namana. Maro ny olona mandinika ity Tenin’Andriamanitra ity, ka mandray ity teny izay nataon’i Jesosy eto ity, fa isika olombelona hoy izy no ilay azon’ny Jiolahy. Eny, isika izay manatrika izao tenin’Andriamanitra izao no toy ny ilay olona notsaboin’ny Samaritana, dia ilay lehilahy azon’ny Jiolahy tao an’efitra ao.

Iza ilay Jiolahy? Io ilay devoly izay mamandripandrika sy te hampiaina anao araka ny sitrapony. Miditra ao anatintsika amin’ny fotoana samihafa izy, ary manenika ny tenantsika ka manao tahaka ny lamba irakofana sy itafiana amin’ny fiainantsika. Tratra aho, tratra ianao, azony teny an-dalana tamin’ny fotoana samihafa. Amin’ny toerana mangina no iasany. Ary io no anisan’izay ampirisihan’i Jesosy antsika hivavaka alina, ary Jesosy dia miteny mihitsy hoe: miareta tory, mivavaha ianareo mba tsy hidiranareo amin’ny fakampanahy.  Ao anatin’ny aizina mikitroka mihitsy no anjakajakan’i devoly ka itadiavany ny toe-po sy ny toe-panahy ananantsika.

Ny Mpisorona sy ny levita dia tsy namindra fo fa nandalo antsika fotsiny. Fa mandalo kosa ilay Samaritana, ilay Samaritana mamindrafo izay tsy hafa fa Jesosy Kristy Tompontsika. Izy no ilay Samaritana tsara fanahy, izay mitodika amintsika olombelona rehetra, tsy manavakavaka, tsy mizaha tavan’olona, ary vonona hizara ny fitiavany eo anatrehan’ny tranga rehetra eo amin’ny fiainantsika. Izy no ilay namehy, namatotra ny ferintsika sy namonjy antsika ho afaka teo ampelatanan’ilay ratsy, tsy ho tratry ny fihazakazahan’ny Jiolahy intsony. Nasehony miharihary izany fitiavana antsika mpanota mahantra izany, sy ny fanafahana antsika avy tao ambanin’ny ziogan’ny satana, io ilay fanoloran-tena, io ilay fitsaboana, io ilay fanitranana ny ratra, io ilay fitondrana  ho eo amin’ny Ray ka tsy avelany raha tsy sitrana isika rehetra. Naharihary teo ambony hazofijaliana izany, aharihariny tamin’ny alalan’ny tenany sy ny rany izany izay mbola anomezany toky antsika mandrakarivaa. Ary mitodika amintsika mandraka androany Jesosy ka mampifankatia ny olony amin’ny alalan’ny teniny dia ny Filazantsara novakiana teo araka ny voasoratra ao amin’i Jaona « didy vaovao no omeko anareo dia ny mba hifankatiavanareo. » Hafatry ny Tompo, napetrany amintsika eto koa izany.

Ny tena zava-dehibe koa eto dia ny fampisehoan’ny Jesosy ny fototry ny lalàna dia ny fitiavana an’Andriamanitra, sy ny ho tia ny namana koa, satria tahaka izany ny fitiavany izay nitiavany antsika. Fitiavan’Andriamanitra tia ny mahantra izany, fitiavan’Andriamanitra tia izay rehetra mitalaho, izay rehetra maniasia amin’ity tany ity dia antsoiny mba hitoeran’i zany fitiavana izany.

Be dia be ny ratra mahazo antsika ataon’i Satana eto, samy manana ny karazany avy, kanefa lohalaharana amin’ny fikendren’Andriamanitra mandrakariva eo amin’ny fiainantsika ny hitiavantsika an’Andriamanitra na inona misy, na inona midona, na inona mihatra amin’ity fiainana ity, ary izany dia aseho amin’ny fiarahamonina sy ny mpiara-belona eto amin’ity fiainana ity, ary io no anaporofoana fa manana an’i Jesosy ilay fitiavana, manana an’i Jesosy ilay mpanasitrana ny olona, manana an’i Jesosy ilay mpamindrafo isika. Koa aoka àry ho mpamindrafo ianareo tahaka ny Rainareo izay mpamindrafo.

Ary ny fiainan’ny zanaky ny Toby dia manana ny fanevan’ity Tobilehibe Soatanàna ity, anankiray izay efa nambara teo dia ny didy vaovao izay faneva hatrany amin’ny niandohany ka niposahan’ny mazava teto amin’ity faritra misy antsika ity. Io ilay faneva, ary mbola mitana izany ny FLM ka mampiseho miharihary izany eto Soatanana. Fa vao miditra ny vavahadin’ity fiangonana ity isika dia mahita ny soratra mibaribary eo fa ity no FLM Soatanana Fitiavana. Tian’Andriamanitra loatra isika hiaina izany fitiavana izany. Andao àry . Inona moa no hahasaraka anao amin’ny fitiavan’i Kristy ? Tano izany, hazony izany fa tsy misy maharombaka izay eo am-pelatanan’ny Tompo raha miaina ka velon’izany fitiavan’i Kristy izany isika.

Voninahitra anie ho an’Andriamanitra Ray sy Zanaka ary Fanahy Masina izay hatramin’ny taloha indrindra ka ho mandrakizay.

Share