Ny Fifohazana mahay manavaka ny Izy sy ny tsy izy

Ny Fifohazana mahay manavaka ny Izy sy ny tsy izy

𝐈𝐧𝐹𝐧𝐚 𝐧𝐹 𝐚𝐭𝐚𝐹 𝐡𝐹𝐞 𝐅𝐱𝐟𝐹𝐡𝐚𝐳𝐚𝐧𝐚 ?

Ny teny hoe Fifohazana dia mampametraka baraingo lehibe, satria ny teny hoe Fifohazana dia manambara olona matory, manana ny fandrenesana rehetra, ary rehefa mifoha izy, dia ilay nentiny natory teo ihany no hoentiny mifoha. Izany ve no atao hoe Fifohazana raha ao amin’i Jesosy Kristy Tompo ? Sary nalaina tamin’ny fiainana an-davanandro moa izany. Ary misy mandika ny Fifohazana aza hoe natory ianao, dia nofohazina, ka tsy nisy niova tao aminao, fa ny fatoriana fotsiny no niova, nifoha ianao rehefa avy eo. Ilay fahalalana, ilay fiainana sy ilay fomba rehetra nentinao natory, iny ihany no ifohazanao rehefa maraina ny andro.

Izay ve no atao hoe Fifohazana ? Raha araka ny Tenin’Andriamanitra, tsia. Ny teny hoe Fifohazana – satria ny teny mampisy sary ao anatin’ny saina, ary ny teny alaina avy ao anatin’ny fiarahamonina sy ny kolontsaina, dia izay teny izay no matetika mandiso, ary mety ho lasa fangalan-tahaka ny atao hoe Fifohazana. Maka tahaka ny ataon’ny hafa satria samy avy natory teo ihany no mifoha.

Fa ny Fifohazana araka ny Tenin’Andriamanitra dia tsy fifohazana fa fanalana avy ao amin’ny fahafatesana, famindrana avy amin’ny fahafatesana mankeo amin’ny atao hoe fiainana. Tsaroantsika ny anambaran’i Ezekiela mpaminany, nahita saha anankiray izy, izay feno taolam-paty, ary nasain’Andriamanitra niteny izy, dia nifanatona ny taolana, dia lasa nisy nofo, nisy hozatra, nisy fanahy ary niteny ka velona : izany no atao hoe Fifohazana – avy ao amin’ny fahafatesana no hafindra mankao amin’ny Fiainana (Ezekiela 37 : 1-12) Ka ilay teny hoe « Fifohazana » dia tsy mahalaza azy, fa « Fivelomana », « Fahavelomana », « Velona » – izay no tena izy : olona velona ao amin’ny Fanahin’Andriamanitra.

Hoy i Paoly Apostoly ao amin’ny Romana : « Fa izay tarihin’ny Fanahin’Andriamanitra no zanak’Andriamanitra. » Ary io Romana 8 io dia tena milaza mihitsy ny atao hoe Fahavelomana miaraka amin’ny Fanahin’Andriamanitra. Noho izany, tsy fangalan-tahaka na fombafomba maro samihafa ny atao hoe Fifohazana. Misy manko rehefa marary, na ao anatin’ny fahasahiranan-tsaina, na ao anatin’ny adim-piainana, tsy Jesosy no atoniny fa ilay fomba fanao. Ary izay no afangaron’ny olona : ahoana hoy ianao ? Marary aho izao, tsy salama aho izao, na manana adin-tsaina aho izao, manana adim-piainana aho izao, dia hoy ny olona hoe « Mba manatĂČna Asa sy Fampaherezana » fa tsy hoe « ManatĂČna an’i Jesosy ». Ilay fombafomba sy ilay fomba fanaovana, izay no ataho hoe mahasitrana fa tsy i Jesosy. Marina ny tenin’i Paoly Apostoly fa « Raha tsy natsangana Kristy, dia tsy natsangana koa isika ». (1 Kor 15 : 14 snm) Ny fidiran’i Kristy ao amin’ny fahafatesana ary nivoaka avy ao no diantsika, amin’izany hoe miditra tanteraka ao anaty fasana ary mivoaka avy ao ka miresaka fanavaozana. Hoy Jesosy tamin’i Nikodemosy « Raha tsy ateraka indray ny olonatsy mahazo mandova ny fiainana mandrakizay » (Jaona 3 : 3 snm) Hateraka avy ao anatin’ny fasana, avy ao anatin’ny fahafatesana, homena fiainana vaovao. Ny hoe « hateraka indray », omena fomba fiainana vaovao, dia tsaroako tsara ny fanazavan’i Mama, raha nilaza izany izy : « Ny olona izay ao amin’i Jesosy, havaozina. Ariana ny taloha – indro efa lasa ny zavatra taloha, ka tonga vaovao ireo (2Kor 5 : 17). Hafa amin’ny atao hoe « havaozina » amin’ny teny andavan’andro : misy arabe loadoaka, dia misy orinasa manamboatra ilay arabe, manavao ny arabe – ilay loadoaka no tampitampenana, fa ilay arabe mijanona amin’ny maha izy azy. Izay ve no atao hoe havaozina ? Izay ve no atao hoe miala avy amin’ny fahafatesana ka tonga amin’ny vaovao ? Tsia. Izao no nanazavan’i Mama azy : « avoaka daholo ny fanaka taloha rehetra ao aminao, ariana daholo izany ary avy eo ametrahan’i Jesosy fanaka vaovao ao aminao. » Esorina daholo izay maha nofo anao ka soloina Fanahy ianao. Fomba anambaran’i Paoly azy ao amin’ny Romana 7 : misy anakiroa izay miady ato anatiko – fanombohana izay. Tsy mahita tsiro ianao izany amin’ilay taloha, ka rehefa tonga ny vaovao miady ato anatintsika izany vaovao izany, tsy inona fa ny Fanahin’Andriamanitra sy ny Tenin’Andriamanitra manomboka manosika, mampiala, mamoaka ivelany ireo fanaka taloha rehetra izay nahazatra antsika. Ny toetra taloha, ny fahazaran-dratsy taloha, ny fomba fiainana taloha, izay rehetra namatotra antsika eto amin’izao tontolo izao ity no avoaka. Miady io ary rehefa miady io dia hoy i Paoly mamarana azy « Fisaorana an’Andriamanitra izay mampandresy antsika amin’ny alalan’i Jesosy Kristy Tompo ». Ny Toko fahavalo maneho fa ny Fanahy dia miady amin’ny nofo, fa ny fihevitry ny nofo tsy mba fihevitry ny Fanahy – io no manan -toetra be ao anaty.

Eo no ahafantarantsika ny hoe inona ny fifohazana izay tsy izy, raha mbola heverina ny teny hoe « Fifohazana », izay tsy izy dia izay eto amin’ity tany ity no lasa itadiavana an’i Jesosy, dia ny fiainana an-davan’andro. Miantso an’i Jesosy ho amin’ny fitiavan-tena tanteraka. Izay ilay tsy izy. Fomba fivavahantsika ilay hoe « Izay tsy voatononay nefa mahasoa anay dia tanteraho ho aminay ». Iza no tena ivon’ny fivavahanao ? Jesosy ve sa ny tenanao ? Fivavahana fitiavan-tena izany. Ny tena fivavahana dia izao : « tsy tonga Aho hanao ny sitrapoko, fa ny sitrapon’izay naniraka Ahy », hoy Jesosy, dia tsy inona fa ny hanome voninahitra an’Andriamanitra Ray.

Tsarovy ny vavaka nataon’i Jesosy raha hanangana an’i Lazarosy tamin’ny maty izy « Voninahitra ho an’Andriamanitra » Ka ny fiainantsika iray manontolo, ny momba antsika manontolo, ny vavaka ataontsika manontolo, tsy hoe izay rehetra mahasoa ahy ka tsy voatonon’ny vavako, fa ahoana ? Ny voninahitrao Jesosy, izay no tena izy amin’izay rehetra atao. Jereo tsara ny fomba niantsoana an’i Paoly : nankany Damaskosy, nianjera, lavo tamin’ny tany ary indro fa niteny tamin’ny mpaminany Jesosy fa ho avy eo i Paoly. Natahotra mafy izy ireo, fa hoy Jesosy hoe « Fanaka voavidy hitoriana ny Anarako » – io no tena izy. Lasa fanaka voafidy hitoriana ny asan’i Jesosy isika, ka na maty isika na velona, dia ho an’i Jesosy Kristy Tompo Mba tsy ho velona ho an’ny tenany ny olona, fa ho velona ho an’ny maro. Velona ho an’ny hafa fa tsy ho an’ny tenantsika. Io no tena fifohazana

Indraindray koa ny olona mampifangaro ny tena fifohazana amin’ny vokatry ny fifohazanan, sao miteny ny maro indraindray hoe tsy misotro toaka, tsy mihinam-paraky, tsy manao bal, ets. Heveriny hoe – raha mihaino tsara izany, tsy misy Jesosy ao anatin’izany afa-tsy ny tsy fanaovana zavatra maro. Tandremo sao misy mandika vilana hoe mahazo misotro toaka hono, mahazo bal hono, mahazo manao an’iry sy izatsy. Tsia ! Tsy izany no tiana hatongavana fa izao : tsy ny fadifady avy any ivelany no hitsaran’i Jesosy anao hoe fifohazana ianao. Fa inona moa no dikan’ny hoe tsy manao bal, tsy misotro toaka, tsy mihinan-tsakay, tsy misotro kafe ianao fa mijangajanga, manompo sampy, mpandainga, mpangalatra ? Inona no dikan’izany ? Ilay fifadiana sakafo ve ? Sao dia heverintsika ary fa ombiasy vaovao indray Jesosy, ka hoe raha te ho sitrana ianao dia aza mihinana tongolo gasy, aza mihinan-kisoa, aza mamoaka vilany amin’ny alina, aza manao an’iry na izatsy ets. Sao dia izany indray no iheveranao an’i Jesosy ? Satria mety misy mandray izany, ilay fomba fanao jentilisa taloha no afindrany ato amin’ny fanompoana an’i Jesosy, dia amin’izay hono izy dia niova.

Mampahatsiaro ahy tantara anankiray ity ry havana. Nanao tafika masina niaraka tamin’ny mpiandry vitsivitsy tany amin’ny faritra atsimo iny. Tonga tao amin’ny tokantrano anankiray izahay : notoriana ny teny, nibebaka, dia nanontany ilay olona « Ahoana ary izao no ataonay raha hivavaka ? » Dia hoy ilay mpiandry anankiray namana hoe « Ilay anarana hoe Rangita, na ilay sampy notononinareo, soloy fotsiny hoe Jesosy » Dia tena vavaka kristiana ve izany ? Ilay anarana fanompoantsampy fotsiny no soloina Jesosy. Izany ve no atao hoe fifohazana ? Ilay fombafomba fotsiny jentilisa novainao kely fotsiny dia mankato amin’i Jesosy ? Tsia. Betsaka no ohatran’izany : ilay fombafomba ivelany, izay no tazominy, dia izay no izy.

Tsarovy fa izay tsy manaiky an’i Jesosy ho Tompo, io no fanahy avy amin’ilay ratsy : io no atao hoe antikristy. Izay fanekena izay mahafaoka zavatra maro : nidina avy any andanitra Izy, tonga teto amin’ity tany ity Izy, naka ny toerantsika mpanota Izy, nitsangana tamin’ny maty Izy. Talohan’ny nanaovany an’izany rehetra izany anefa, niditra tao amin’ny karazam-piainana maro samihafa Izy, ary niditra hatramin’ny fanilikilihana sy ny tsy fitiavana Izy ; hatramin’ny fahaterahany ka hatramin’ny fahafatesany, dia ny fanilikilihana sy ny fanaovana tsinontsinona Azy no nidirany. Tao anatin’izany rehetra izany Izy no nanao ny fanompoana.

Ny hoe « Jesosy no Tompo » dia hoe Izy no andohalehana : tsy misy mahay manompo anao mihoatra noho i Jesosy, fa na dia ny ainy aza nafoiny ho anao, ary na dia ny fasana aza noreseny ho anao. Ary indro Izy fa nitsangana, mipetraka eo an-tanana ankavanan’Andriamanitra mbola mifona ho anao. Tsy misy mahay manompo anao mihoatra noho Izy. Mazava loatra fa izy no Tompo izay iankinanao.

Ny hilazana hoe « Jesosy tena Andriamanitra no sady tena olombelona », dia manambara fa ny tena firaisan’Andriamanitra amin’ny olombelona ary ny firaisan’ny olombelona amin’Andriamanitra dia ao amin’i Jesosy no lavorary sy tonga lafatra indrindra : na iza na iza te hiray amin’Andriamanitra, mangetaheta an’Andriamanitra ary te hanompo an’Andriamanitra, tokana ny LĂ lana – Jesosy, io no lĂ lana « Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana » hoy Izy, sy hoe « Tsy misy mankany amin’ny Ray afa-tsy amin’ny alalako », fa « Izaho sy ny Ray dia iray ihany ».

Fantany tsara fa tsy hanana famonjena isika, tsy hanana firaisana amin’Andriamanitra isika, izay tena mahavelona antsika. Velona isika satria velona i Kristy, ka ambarany tsara fa mba hahavelona antsika dia nambarany hoe « Tomoera amiko ianareo ary Izaho ao aminareo ». Lalina izany ! Eo amin’i Jesosy dia tafatoetra tsara ao amin’Andriamanitra ilay maha Olombelona Azy, ary tafatoetra tsara ao amin’ny maha Olombelona Azy ny maha Andriamanitra Azy – tsy azo sarahina fa tena Andriamanitra Izy ary tena Olombelona. Izay ao amin’i Jesosy izay – izay tena fifohazana izay – no tiany ho tonga eo amin’ny fiainantsika ary tena ho eo amintsika mandrakariva izany.

« Anaka, atolory Ahy ny fonareo ». Ny fo no tena mamitaka, itoeran’ny fanahy maro samihafa. Ambaran’i Paoly ao amin’ny Galatiana 5 izany hoe ireto ny asan’ny nofo. Raha tena dinihina io asan’ny nofo io dia ny maha fo ny fo. Ao amin’ny tenin’Andriamanitra, ny fo no maha olombelona antsika : ao no misy zavatra maro samihafa, io no mibaiko ny olombelona. Tsarovy fa rehefa atao Batisa isika, dia hoy ny Pastora « Manao Batisa anao aho ho amin’ny anaran’ny Ray – dia atao eo amin’ny handrina ; sy ny Zanaka – dia atao ety amin’ny fo, satria nahoana ? Izay be ao an-tsaina no mipetraka ao am-po, ary izay be ao anatin’ny fo no tsy afaka ao anatin’ny saina. Raha hoe « Atolory Ahy ny fonao » hoy Izy, dia izao : MialĂ  amin’ny fanahy sandoka, izay mampamarin-tena indraindray. « Tsy hita moa fa mba olombelona ihany » na hoe « Ka izay ny toetrako ka, izay no toe-poko, izay no momba ahy » « Atao ahoana fa io sisa no tsy resiko fa ny sisa resika daholo », izany hoe ilay fo dia tena mampitoetra tsara ilay Adama ela ao anaty ao. Raha io no atolotra an’i Jesosy, dia tonga tanteraka amin’ny vavaka manao hoe « Jesosy ĂŽ, ataovy malalaka homby anao ny foko », izany hoe manana fo malalaka, tahaka ny an’i Jesosy ary ny fo izay malalaka dia fanahy tokana ihany no ao anatiny : dia ny Fanahy Masina. Izay no maha Tempolin’ny Fanahy Masina mandehandeha an’i Jesosy Kristy Tompo. Tsarovy ny teniny : « Ravao ity tempoly ity, fa atsangako ao anatin’ny hateloana » Dia io no ambara any amin’ny Romana « Raha ny Fanahy izay nanangana an’i Kristy tamin’ny maty no mitoetra ao anatinareo, dia ho velona ianareo, na dia ho mety maty ihany aza ny tenananareo » izany hoe Jesosy, ny Fanahin’Andriamantira no tena ao anatiny ary ny Fanahin’Andriamanitra no tena mibaiko Azy, mahatonga ny fiainany manontolo ho tonga Teny tonga nofo.

Mamphatsiaro ilay tantaran’i Mama Nenilava renintsika : nandalo teo anatrehan’ny vahoaka maro izy, dia hoy ity olona anankiray « Nahita Baiboly mivelatra teo amin’ny fony aho », izany hoe ny fiainan’i Mama dia tena izay voasoratra ao anatin’ny Soratra Masina no lasa fiainany. Rehefa manome teny Soratra Masina izy, dia hainy tsianjery ny toko sy andininy, ary izay rehetra tonga ao aminy dia omeny teny Soratra Masina mifanaraka amin’ny fiainan’ilay olona, ary omeny teny izay milaza dieny mialoha izay ho avin’ilay olona. Mampametra-panontaniana izany fa izy izay tsy mba nandia fianaran’olombelona. Raha mamaky isika dia hita fa Jesosy tenany mihitsy no nampianatra azy ny Soratra Masina. Ny tenin’Andriamanitra dia tokony ho vita soratra eo amin’ny fiainantsika, tokony hovakiantsika mandrakariva, tokony hampianarintsika ny maro. Ny fampianarana tena tsara indrindra anefa dia ny mahay mamaky, mahay mitory ary hitan’ny olona eo amin’ny fiainanao andavan’andro izany tenin’Andriamanitra izany. Izay indrindra no atao hoe fifohazana tena izy.

Manomboka ao amin’ny tenanao ny fitoeran’ny tempolin’ny Fanahy Masina. Manomboka amin’ny ady atrehinao amin’ny eritreritrao, amin’ny masonao, amin’ny fandrenesanao, amin’izay rehetra ao anatin’ny fonao. Sady olona miady no sady mavitrika mandroso, sady miambina no mitombo. Tsy mitombo ho an’ny tenany fa mitombo kosa ho an’ny hafa : ny fisianao sy ny fisiako dia tsy izaho ho ahy na ianao ho anao, fa ho an’i Kristy, dia ny ho famonjena ny hafa.

Raha ny zava-boahary tsy manan-tsaina aza nataon’Andriamanitra ho famonjena ny hafa, vao mainka va isika manan-tsaina sy manam-panahy ? Ny rano eo amin’ny batisa, ny mofo (vary) sy ny divay (voaloboka) eo amin’ny Fandraisana ny Fanasan’ny Tompo – rehefa miray amin’ny Teny dia mahatonga famelan-keloka. Koa raha ny tsy tsy manan-tsaina sy tsy manam-panahy aza rehefa miaraka amin’ny Teny lasa famonjena ho an’ny hafa – fiasam-pahasoavana hoy isika ; mainka fa ianao izay manan-tsaina sy fanahy ary natao ho ankohonan’Andriamanitra teo amin’ny Batisa, nahoana no tsy ho tonga fitaovana eo am-pelatanan’Andriamanitra ho famonjena ny hafa ? Izay indrindra no nanendrena anao sy nanendrena ahy, satria ny fitiavana tsy fitiavana raha ny tenanao ihany no hovonjenao.

Mampandiso hevitra ny maro mantsy ny hoe « Ny finoanao no mahavonjy anao » Marina ara-bakiteny io, tsy misy mandiso an’io, fa io kosa tsy miteny manao hoe tsy ilaina ny fitiavana. Fa matoa misy ny finoana, mijoro ambonin’ny fitiavana izy ary maniry eo ambony fitiavana izy, mitombo eo ambony fitiavana izy – dia ny Fitiavan’Andriamanitra. Jaona 3 : 16 : fitiavan’Andriamanitra no tany fototra hanirian’ilay tena voaloboka, io tany io no mahatonga ny finoantsika hino an’i Jesosy. Koa raha mino an’i Jesosy ianao, voavonjy, dia mazava loatra fa tsy maintsy mizara sy manambara an’izany Jesosy izany amin’ny hafa isika – izay no tena fifohazana tena izy. Ny tenanao tempolin’Andriamanitra mandehandeha, ny teny avoakanao teny avy amin’ny Fanahy Masina. Tsy fialan-tsiny mihitsy ny hoe « Atao ahoana fa tenim-pahatezerana iny » na hoe « Sendra lavo izy ka nivoaka tampoka tao ambavany iny ». Amin’ireny fotoana ireny indrindra, izay tsy ahafahanao mifehy ny aloaky ny vavanao no ahitana izay tena mitoetra ao anatinao, na ilay tena Fanahin’Andriamanitra, ilay Fanahy manaiky hoe Jesosy no Tompo, izany hoe Jesosy mihitsy no mifehy, no antom-piainana, no miantoka ny iray manontolo.

Tsy ny resaka ara-panahy ihany. Marina fa hoe « Ny Fanahy no maha olona » araka ny fisainana Malagasy. Na ilay fanahy maha olona amin’ny fiainana Malagasy aza, tsy milaza ilay Fanahy izay ao anatin’ny Soratra Masina. Fa inona no hevitry ny hoe « Ny fanahy no maha olona » ? Izay miahy ny momba ahy – toy ny hoe ny fangady no fanaovana ny hady, ampiana fa- eo alohany dia lasa fitaovana fiasana. Ilay fanahy, ilay « ahy » nampiana « fa- » : io no mampieritreritra ny momba ahy, ary io no mampisongadina ny momba ahy. Ilay fanahy maha olona tena mamototra tsara ny fitiavan-tena – fitaovana entina mieritreritra ny momba ahy.

Tsy io no ambaran’ny Tenin’Andriamanitra fa ilay olom-baovao ao amin’i Kristy. « Izay tarihin’ny Fanahin’Andriamanitra no zanak’Andriamanitra » Izay tsy manana fisainana hafa, afa-tsy ny fisainan’ny Fanahy ao amin’i Kristy, Raha io Fanahy izy mitoetra ao anatintsika io no mahatonga antsika mino hieritreritra ny hafa. Io ilay asa vokatry ny finoana (Epistilin’i Jakoba) : ny Fanahy Masina fitiavana no miasa ao anatintsika.

Ny olon’ny fifohazana marina izany dia misokatra amin’ny famonjena ny hafa amin’ny ara-panahy sy amin’ny fiainana andavan’andro, misokatra amin’ny fanampiana ny hafa – izany no tena izy. Ilay fo ananan’i Jesosy no mahatonga an’io : raha tena dinihina dia tsy misy manana an’io fon’i Jesosy io raha tsy itoeran’ny Fanahin’Andriamanitra, satria fo feno famelan-keloka, fo tsy mitana alahelo. Izay indrindra ilay fifohazana tena izy.

Tsy mba mpampangetaheta anao ve izany miara-dalana amin’i Kristy izany ? Sa manao tahaka an’izy roalahy nankany Emaosy, niara-dia tamin’i Kristy, nampianariny nefa tsy nahafantatra akory hoe Kristy no miara-dia aminy ! Manasa anao ny Tompo hitoeran’ny Fanahin’Andriamanitra ka ny Fanahin’andriamanitra no tena hibaiko anao, no tena hitarika anao, ka dia ilay tena Fanahin’Andriamanitra marina no manjaka aminao, ilay Fanahy fitiavana an’i Kristy sy ny namana, ka ny didy voalohany no mibaiko ny fiainanao. Ka Izy Telo izay Iray no mitoetra ao anatinao. Eto dia mahafinaritra ny teny hoe Imanoela « Andriamanitra eo afovoantsika ». Fa ho antsika izay manaraka tsara ny perikopa isaky ny Alahady, aorian’ny Pentekosta, dia hoe « Alahady aorian’ny Trinite » Raha ny fiainana andavan’andro dia Jesosy no ivon’ny fiainantsika ; raha amin’ny fiainana andavan’andro koa, valavalanin’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina koa isika, ary isika no eo afovoany, manahiran-tsaina Azy. Raha izay no fiainanao dia tena ao anatin’ny Fifohazana tena izy ianao, ary hainao manavaka tsara ny fifohazana tsy tena izy amin’ny Fifohazana tena izy, fa mampifantoka anao sy mampiray anao ohatran’ny sampana amin’ny voaloboka izany Fifohazana tena izy izany, dia ao amin’i Jesosy Kristy Tompo. Ary ny fiainanao dia ho velona amin’ilay mofon’aina sy amin’ilay ranon’aina. Amin’izay fotoana izay, velona isika ho an’i Kristy, maty isika ho an’i Kristy.

Amen

Share