Teksta: Apok 12 :1-6

Teksta: Apok 12 :1-6
« NY FAHITANA NY AMIN’NY FIANGONANA MANDRESY ».
Ry hava-malala izay manatrika izao toriteny izao, ho aminareo mandrakariva anie ny fahasaoavana sy ny fiadanana avy amin’Andriamanitra Raintsika sy Jesosy Kristy Tompo.
Tiana ampahatsiahivana fohy ry havana, aty am-boalohany ny mahakasika ny bokin’ny Apokalypsy. Araka ny fantantsika dia Jaona Apostoly no nanoratra azy, ary izany dia tao anatin’ny vanim-potoana izay nampirehitra nivaivay ny fanenjehana kristiana, tokony ho tamin’ny taona 90 tao aorian’ny nahaterahan’i Jesosy Kristy izany. Ilay amperora romana antsoina hoe : Domitien tokoa mantsy dia nijoro ho andriamanitra ka nitaona ny vahoaka mba hivavaka sy hiankohoka aminy. Dia nasiana ny sariny tany amin’ny tempolin-tsampy rehetra tamin’izany fotoana izany. Koa izay rehetra mandà tsy hivavaka amin’izany amperora izany dia nokilasina ho toy ny olona izay manao heloka bevava teo amin’ny fankambe ary nisy ny natao sesitany tahaka an’i Jaona Apostoly, nisy ny nalaina ny fananany, ary nisy aza tena novonoina ho faty mihitsy.
Nosoratana ny bokin’ny Apokalypsy mba ho fampaherezana ny kristiana izay miatrika fahoriana, miatrika fanenjehana. Ny perikopa izay anjarantsika izao dia tafiditra ao amin’ny toko faha 12 ka hatramin’ny faha 22, izay milaza indrindra ny amin’ny hoe : ny filazana zavatra ho avy. Izany hoe ny toko faha 12 ka hatramin’ny faha 14 dia hitanisana ireo fahitana hitan’i Jaona Apostoly tany an-danitra, dia milaza ireo fahitana samihafa sy famantarana kanefa dia omena ny lohateny lehibe dia ny hoe : « NY FAHITANA NY AMIN’NY FIANGONANA MANDRESY ».
Amin’ny maha famantarana azy ny fahitana izay nasehon’Andriamanitra tamin’i Jaona Apostoly dia misy ireo sary samihafa izay naseho azy, izay endriky ny ety an-tany ihany fa ny fahitana ny fahalalana ireny sary samihafa ireny dia ahafahana mamantatra izay votoatin-kevitra sy tian’Andriamanitra ambara amin’ny mpamaky.
Mizara telo lehibe izao Toriteny izao :
1- Ny Fiangonana sy ny fahavalony eo amin’ny andininy voalohany ka hatramin’ny faha efatra
2- Ny fiarovan’Andriamanitra ny Mesia sy ny Fiangonana
3- Ny voatin-kevitra lehibe izay hafatra omen’Andriamanitra antsika amin’ny alalan’izao Toriteny izao.
Manahoana tokoa ary izany hoe : ny Fiangonana sy ny fahavalony izany ?
1- Ny Fiangonana sy ny fahavalony eo amin’ny andininy voalohany ka hatramin’ny faha efatra
Ny vehivavy izay ambara eto tsy iza fa ny Fiangonan’Andriamanitra, dia ao anatin’izany ny mino an’Andriamanitra : ireo izay nohamarinina amin’ny finoana dia tsy iza fa ny taranak’i Abrahama : ny Jiosy ao amin’ny Testamenta taloha izay novonjena tamin’ny finoana izay mbola ho avy sy ny mino ao amin’ny Testamenta Vaovao, izay vonjena sy hohamarinina ny amin’ny finoana efa tanteraka dia ny fanavotana vitan’i Jesosy Kristy teo amin’ny hazofijaliana izany. Izany hoe ny Fiangonana izay resahina eto dia ny Israelin’Andriamanitra : ny Jiosy izay mino sy ny kristiana ao amin’ny Testamenta Vaovao. Resahina matetika eto izany vehivavy izany satria io no endriky ny Fiangonana, ary voalaza eto fa mitafy masoandro izy, ny volana no eo amin’ny tongony ary misy satro-boninahitra kintana roa ambin’ny folo eo amin’ny lohany. Hilazana ilay voninahitra lehibe hatafin’Andriamanitra ny Fiangonana kristiana izany : mitafy ny masoandro ravehivavy izay ilazana fa izy ilay fahazavany eto amin’izao tontolo izao araka ny ambaran’i Jesosy ao amin’ny Mat 5 :14. Manaparika fahazavana, mitondra aina eto amin’izao tontolo izao ny Fiangonan’Andriamanitra, mitondra fahavelomana amin’ny alalan’ny Tenin’Andriamanitra izay toriny ny Fiangonana. Ary Jesosy Kristy rahateo ilay milaza ny tenany hoe : « izaho no fahazavan’izao tontolo izao » : izany no votoatin’ny Tenin’Andriamanitra izay torintsika Fiangonana. Miseho amin’izany mpitondra fahazavana, mitondra fiainana izany eto amin’izao tontolo izao isika amin’ny alan’ny asa tsara, asa diakonaly izay ataontsika, ary indrindra indrindra ny fijoroantsika vavolombelona amin’ny fitondratena tsara sy fiainana ny fifankatiavana. Izany no maha vavolombelon’i Jesosy antsika, izany no maha fahazavana ny Fiangonana eto amin’izao tontolo izao.
Ambara eto fa eo ambany tongotry ravehivavy ny volana : misy jentilisa izay mivavaka amin’ny volana, ny volana izay fantantsika fa miovaova ny endriny raha tarafina jerena avy aty an-tany izy. Maro amin’ny manam-pahaizana aza no manao ny volana ho fanaperana amin’ny fahalalana siantifika. Nanao ahoana tokoa moa ny hafaliantsika zanakolombelona raha nanitsaka ny volana voalohany ireo manam-pahaizana amerikana tamin’izany fotoana izany ? Anefa ry havana tsarovy fa izany hevitra mikasika ny volana izany dia izao hoe : eo am-paladian’ny Fiangonana, tsinotsinona izany manoloana ny fahalalana izay omen’Andriamanitra ny Fiangonana.
Eo an-dohan’ny Fiangonana dia misy ilay satro-boninahitra roa ambin’ny folo, ny kintana mamirapiratra : entina ilazana ny Tenin’Andriamanitra nampitondrainy ny Apostoly roa ambin’ny folo, ary ao an-dohantsika, ao an-tsaintsika Fiangonana zanak’Andriamanitra mandrakariva izany Tenin’Andriamanitra izany . Ity satro-boninahitry ny Fiangonana ity dia ambara amin’ny teny fototra amin’ny teny grika hoe : « stephanos »izay midika hoe : mariky ny fandresena, satro-boninahitry ny fandresena. Ary ny teny hoe : maharesy na hoe naharesy raha vakiana ao amin’ny bokin’ny Apokalypsy manontolo dia miverina in-telo ambin’ny folo. Tsarovy ilay lohahevitra lehibe izay nambara teo dia ny hoe : « Fiangonana manana fandresena ». Izany dia ambra ao amin’ny Dan 12 :3b : « mamerina ny maro amin’ny fahamarinana » : izay ilazana ny mpitory ny hafatr’Andriamanitra dia toy ny kintana mandrakizay doria. Izany famantarana ny amin’ny vehivavy izany dia maneho ny Fiangonana, ny fahalebiazany, ny heriny sy ny fahefany eo amin’ny voary manontolo eto amin’izao tontolo izao, izay ataon’Andriamanitra ho azy.
Voalazan’ny andininy faha roa eto fa mihetsi-jaza, marary ary nitaraina mafy ravehivavy efa ho teraka : io dia ilazana ilay fahoriana lehibe izay hiantra eto amin’izao tontolo izao, indrindra ho amin’ny kristiana, izay ambaran’i Jesosy ao amin’ny Mat 24 : 8 : fa amin’izany no hisy firenena hitsangana hamely firenena , fanjakana hitsangana hiady amin’ny fanjakana, hisy ny mosary, horohoron-tany, ka dia ho ketraka ny finoan’ny maro. Milaza ny fahorian’ny vehivavy efa ho teraka izany, ary io efa ambaran’i Mika mpaminany koa ao amin’ny Mika 4 : 9,10 / Isa 26 : 17. Eto dia tsy misy azon’ny Fiangonana atao afa-tsy ny mitaraina, miantoraka, amin’ilay Andriamanitra izay Tompo mpamelona azy.
Famantarana faharoa izay voalaza eto dia milaza ny amin’ ilay dragona izay fahavalon’Andriamanitra hatramin’ny voalohany raha ny baiboly no jerena. Ary io dia efa voalaza rahateo ao amin’ny Gen 3 :15 : ilazan’i Jehovah Andriamanitra amin’ilay menarana ela ny hoe : « Ary hampifandrafesiko ianao sy ny vehivavy, ny taranakao sy ny taranany, iey hanorotoro ny lohanao ary ianao kosa hanorotoro ny ombelahin-tongony ».
Ity teny hoe dragona ity raha ny teny fototra hebreo no jerena dia entina indrindra manondro trondro lehibe ao amin’ny ranomasina dia ny trozona izany araka ny Job 7 : 12 : ilazana menarana ihany koa izany araka ny Eks 7 : 9, 10 ary ao amin’ny Testamenta Vaovao dia ny grika milaza fa izany dragona izany dia manondro an’i satana Apk 12 : 13 : satana ilay mpandainga, mpiapanga ny olon’Andriamanitra eo anatrehan’Andriamanitra. Ny lokony mena eto dia midika fa lian’ady, lian-drà satana ilay menarana ela. Ny lohany fito, ny tandroka folo, ny diadema fito eo amin’ny lohany dia samy milaza izany fahafenon’ny hery sy ny tanjak’ity fahavalon’Andriamanitra ity. Ny fanjakan’i satana miisa fito dia isan’Andriamanitra, isan’ny fahamasinana, ny fahafenoana izany ary manambara ny fanatrehan’Andriamanitra eto amin’izao tontolo izao, indrindra fa amin’ny Fiangonana. Ny telo dia manondro ny Trinité, telo izay iray, ny efatra araka ny Baiboly dia manambara ny olombelona izany. Ny tandroka eto, tandrok’ity dragona ity dia midika ho hery lehibe izay ananany, ary ny satro-boninahitry ny dragona eto dia tsy ilay ambra tamin’ny teny grika hoe : « stephanos » hoe : mariky ny fandresena fa antsoina hoe : « diademata » izany hoe : satro-boninahitry ny mpanjaka izany. Ny Tenin’Andriamanitra dia milaza an’i satana ho andrian’izao tontolo izao Jao 12 :31. Hita eto ary fa mpisandoka ihany, mpisandoka ny herin »Andriamanitra satana mba ahafahany mamitaka ny olona satria ny hevitry ny isa fito, ny folo ilay satro-boninahitry ny mpanjaka teo dia noraisin’i satana nataony eny an-dohany.
Hita eto ry havana fa endrika mahatsiravina sy mampihoro-koditra izany endrik’i satana izay ambaran’ny Baiboly, nampahitan’Andriamanitra an’i Jaona Apostoly izany. Voalaza eto koa fa manala ny ampahatelon’ny kintana eny amin’ny lanitra izy amin’ny alalan’ny rambony ka nazera taty an-tany izany : ilazana ny hery lehibe izay ananan’i satana hatrany an-danitra izany. Kanefa, dia voafetra izany herin’i satana izany satria raha ny ampahatelon’ny kintana any an-danitra ihany no nazerany dia manambara fa voafetra ny heriny. Fa Andriamanitra mbola Tompon’ny hery sy fahefana, mbola mifehy ity fahavalo ity Dan 8 : 10 : « Dia mijanona eo anatrehan’ity vehivavy hiteraka ity ilay dragona mba handrapaka ny zanany ». Ary dia mbola hita ihany koa izany fahefan’ilay dragona voafetran’Andriamanitra satria tsy afaka manao na inona na inona amin’ity vehivavy izay Fiangonanan’Andriamanitra ity izy fa miandry fotsiny, mijanona fotsiny, tsy afaka manao na inona na inona.
Fa iza moa ity zaza izay haterak’ity vehivavy ity ?
Tsy iza io fa ilay Zazalahy izay hateraka dia Jesosy Kristy, ilay Mesia voatendrin’Andriamanitra hanapaka ny firenena rehetra amin’ny tehim-by. Jesosy ilay Mpiandry tsara hiandry ny ondrin’Andriamanitra. Mikendry handrapaka avy hatrany ity Zazalahy vao teraka ity ilay dragona eto. Midika izany hoe : tsy avelan’i satana hanatanteraka ny asa ety an-tany izay efa nanirahan’Andriamanitra Ray Azy Jesosy. Ary indrindra indrindra, ilay asa fanavotana eo amin’ny hazofijaliana. Fa raha toa ka tsy afaka manao izany Jesosy dia tsy hisy olombelona ho voavonjy na dia iray aza. Hitantsika tsara izany haromontan’i Heroda mpanjaka nandripaka ny zazalahy rehetra vao teraka tao Jerosalema fony vao teraka Jesosy Zaza, ary dia nitohy hatrany hatrany tamin’ny androm-piainan’i Jesosy ny fanenjehana. Azy amin’ny endriny maro samihafa hatramin’ny nahafatesany teo amin’ny hazofijaliana. Kanefa, izany fahafatesan’i Jesosy izany hitondra famelan-keloka, fanavotana ho antsika mpanota.
Porofon’ny hery lehiben’Andriamanitra ry havana, manoloana an’i satana fahavalo indrindra izany tsy fahafahany manao na inona na inona fa voafetran’Andriamanitra ihany izany heriny izany
Ny tehim-by eto ry havana dia manambara ny maha Mpiandry an’i Jesosy, ny tehina dia ampiasain’ny mpiandry ondry, kanefa ilay tehim-by dia tsy manambara ilay fanapahana, manambara ny herisetra akory, fa manambara kosa ilay fitsarana izay hatao amin’ny andro farany, hitsarany ny olona rehetra ka handripahany ireo rehetra izay fahavalon’ny Fiangonan’Andriamanitra : Isa 11 : 1-5/ Ezek 34 : 16b . Jesosy tsy mba mpanjakazaka fa malemy fanahy Mat 11 : 28, 29
2- Ny fiarovan’Andriamanitra ny Mesia sy ny Fiangonana
Fiangonana izay miatrika fanenjehana tokoa, tsy nambara eto ry havana ary tsy voalaza eto ny amin’izay asa nataon’i Jesosy tety an-tany, teo amin’ilay fahaterahana ary avy hatrany dia nakarina ho any an-danitra ho any amin’ny seza fiandrianany Izy. Ny antony dia tsotra ihany : amin’ny fomba fiteny semetika dia ny fiandohana sy fiafaran-javatra tantaraina no tena ventin-kevitra tiana ampitaina fa tsy dia ilay eo anelanelany loatra satria na ny fahatrerahan’i Jesosy, ny fahafatesany sy ny fitsanganany tamin’ny maty io ilay tena zava-dehibe, ireo ilay zava-dehibe indrindra Apk 12 : 11 : ny amin’izay hiadina amin’ilay Mesia. Tsy maintsy tonga nofo ny Mesia, haka vatana sy tena aman-drà tahaka antsika olombelona mba hitondrany otantsika hofantsihina eo amin’ny hazofijaliana. Tsy maintsy maty Izy mba ho famelan-keloka ho antsika, ary tsy maintsy hitsangana amin’ny maty ho fanamarinana antsika eo anatrehan’Andriamanitra Ray. Zava-dehibe indrindra izany, ary novonjen’Andriamanitra ny Mesia volaza eto satria Izy efa nanolotra ny tenany manontolo hatramin’ny fahafatesana, natolony ny ainy ho fanavotana antsika. Ary Paoly Apostoly amin’ny Epistily ho an’ny Romana dia nilaza fa Andriamanitra dia nanangana an’i Jesosy zanany tamin’ny maty.
Eo amin’ny andininy faha enina eto ry havana dia voalaza fa lasa nandositra tany an’efitra ravehivavy, ny Fiangonanan izany, ary misy fitoerana efa namboarin’Andriamanitra ho azy. Famelomany azy mandritra ny andro voafetra. Aoka ho tsapantsika ny kristiana fa izay te ho mpanompo marina an’Andriamanitra dia tsy maintsy vonona hiatrika fanenjehana, vonona horoahina hiala amin’izay toerana misy azy. Manana ny toerany, ny tantarany manokana ao amin’ny Baiboly ny tany efitra izay toerana nitondran’Andriamanitra ny Israely sy niarovany azy avy tany Egypta, toerana fisedrana ny finoan’ny vahoakan’Andriamanitra, ny mpanompony koa izany tany efitra izany.
Fantantsika ny tantaran’i Davida izay nirenireny nandritra ny volana maro tany an’efitra rehefa nohenjehin’i Saoly mpanjaka izy. Ary ny mpaminany tahaka an’i Elia sy Elisa dia tany an’efitra ihany koa ny fotoana izay niasany, Jesosy rahateo rehefa vita batisa dia nentin’ny fanahy tany an’efitra efapolo andro, efapolo alina ihany koa. Hanehoana indrindra ry havana izany tany efitra izany mba hisedrana ny finoantsika kristiana. Kendren’Andriamanitra amin’izany ny mba hiantorahantsika hiankinantsika amin’Andriamanitra irery ihany amin’ny zava-tsarotra indrindra indrindra. Ataon’Andriamanitra ho fitaizana ny finoantsika Fiangonana izay hiaran’ny fanenjehana ihany koa izany. Ao no hiarovany antsika, ao no hamelomany antsika, ary efa nanehoany ny voninahiny amintsika mandritra ny androm-piainantsika manontolo fa tsy mamela antsika ho irery Izy.
Ry havana, mba saintsaino, anontanio ny tenanao raha mba isan’izay mahatsiaro fa voahenjika satria mitondra ny anarana hoe : kristiana ianao, mitory ny Filazantsara ianao. Fa mazava ny tenin’i Paoly Apostoly ao amin’ny 2Tim 3 : 12 « fa izay rehetra te ho velona amin’ny toe-panahy araka an’Andriamanitra ao amin’i Kristy Jesosy dia henjehina ». Lamba hitafiana amin’ny maha kristiana toy izay nahazo an’i Jesosy Kristy ny fanenjehana. Koa aoka tsy ho taitra amin’izany isika. Voalaza mazava ny amin’ny faharetan’ny fotoana izay hiarovan’Andriamanitra, hamelomany an-dravehivavy any an’efitra dia 1260 andro, izany hoe : 42 volana na telo taona sy tapany. Fotoana izay ahatsiarovana ilay mosary lehibe tao Israely tamin’ny andron’i Ahaza mpanjaka sy fotoana izay naminanian’i Elia 1 Mpanjaka 17 sy 18 : tsy nisy orana nilatsaka tamin’izany fotoana izany, ka dia tonga ny mosary, sahirana ny olona. Ny fotoana eto ry havana, eto amin’ity telo taona sy tapany ity voalaza eto ity dia fotoana eo anelanelan’ny niakaran’i Jesosy Kristy any an-danitra sy ny fiaviany indray hitsara ny olona rehetra. Vanim-potoana izay iainantsika Fiangonana koa izany, amin’izao vanim-potoana izao, vanim-potoana anjakan’ny faharatsiana, ny fanenjehana ny kristiana, ny mpanompon’Andriamanitra mandrapahafoanan’Andriamanitra izany amin’ny hiavian’i Jesosy Kristy. Izao anefa, ny telo taona sy tapany dia atsasaky ny fito taona, fito taona izay voalazany hoe : « amin’ny fahafenoana». Izany hoe : Andriamanitra dia mametra ny fotoana izay hizakantsika kristiana fahoriana amin’izay endriky ny fanenjehana samihafa mahazo antsika , noho ny indrafony , ny fiantrany antsika.
Iza amintsika ry havana no tsy mitalaho mivavaka amin’Andriamanitra mandrakariva amin’izao vanim-potoana izao hoe : Rahoviana no mba hifarana fanjakazakan’izao valanaretina izao Corona virus izao? Rahoviana Jesosy no hifarana izao fa mafy loatra ?
Fantatr’Andriamanitra ny zavatra mitranga eto amin’ny firenentsika, ny fiainantsika tsirairay avy. Tsarovy fa manana ny fotoanany Andriamanitra, Izy no mametra ny zavatra rehetra amin’ny heriny na inona na inona herin’i satana mitadyhampahory ny olony. Kanefa tsy ho ketraka isika fa hijoro sy hanana fanantenana haharitra amin’ny vavaka mandrakariva.
Inona ary ry havana no hafatr’Andriamanitra omeny antsika ?
.
3- Ny voatin-kevitra lehibe izay hafatra omen’Andriamanitra antsika amin’ny alalan’izao Toriteny izao.
Isika Fiangonana ny fikambanan’ny olom-boavonjin’Andriamanitra noho ny ràn’i Kristy teo amin’ny hazofijaliana izay namelan’Andriamanitra ny helontsika, nanadiovany antsika ka nananganany antsika ho zanany. Notafin’Andriamanitra voninahitra isika, ary isan’ny mpandresy kanefa mbola eo am-piadiana mandrakariva amin’ny ratsy hatramin’izao.Tsarovy fa manam-pahavalo isika Fiangonana dia satana sy ny mpanompony izay tsy faly amin’ny maha olom-boavonjy antsika ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra. Fa matetika dia manadino isika kristiana, fa isika indray no lasa mifamono, mifanenjika, mifampifahavalo. Adino ilay fahavalo tokana dia satana sy ny miaraka aminy izany. Tsarovy fa Jesosy no efa nandresy izao tontolo izao ary vonona hizara fandresena amintsika, tsy mitsahatra izy miteny amintsika manao hoe : « izaho no Mpiandry tsara, ary tsy misy maharombaka izay eo an-tanako ». Na inona na inona, na manao ahoana na manao ahoana fisafoakan’i satana, dia izao efa mandrovo-tsihy izy. Aoka tsy ho ketraka amin’izany filanjana ny hazofijaliana izany fa voafetran’Andriamanitra ny herin’ny fahavalontsika. Andriamanitra no Tompo mifehy ny tantara, mitondra ny Fiangonana, mitondra ny fiainantsika tsirairay avy, mitsinjo antsikany masony, ary mamelona antsika ny Teniny sy ny Sakramenta Izy. Miasa amin’ny fomba rehetra hamelomany ny fiainnatsika manontolo.
Vanim-potoanan’ny fanenjehana kristiana izao ry havana, na amin’ny endriny mivantana, na an-kolaka. Iza moa no mifaly voalohany raha toa ka mikatona ny fiangonan’Andriamanitra, tsy afaka mamonjy ny tempolin’Andriamanitra isika ? Tsy iza fa satana sy ny mpanompony izany.
Mandalo tany efitra ary ny Fiangonana kristiana ankehitriny ary ho fizahan-toetra ny finoako sy finoanao indrindra izany. Moa matoky ilay Jesosy, ilay efa tia antsika sy namonjy antsika ve isika ? Koa aoka mba hiambina, hibebaka mandrakariva, hiaritory sy hivavaka, hibanjina an’i Jesosy Kristy fa Izy ilay Tompo sy mpanefa ny finoantsika. Manome toky Jesosy fa izay maharesy hoy Izy araka ny fanevan’izao Isantaonan’ny Tobilehibe Ankaramalaza amin’ny taona 2020 izao dia hovonoiny ao amin’ny bokin’ny fiainana ny anarany. Koa hifikiro Jesosy amin’ny alalan’ny fanekenao ny fitarihan’ny Fanahy Masina anao, fa Andriamanitra efa nametraka ao an-tsainao, ary efa nanoratra ny ao am-ponao ny lalàny mba hahazoanao, eny hahazoantsika mankato, mandeha arakan’ny sitrapon’Andriamanitra.
Ho Azy ny voninahitra hatramin’ny taloha indrindra ka ho mandrakizay.
AMEN
Share