NY FANAMBADIANA ARAKA NY FAMPIANARAN’i Martin LOTERA

NY FANAMBADIANA ARAKA NY FAMPIANARAN’i Martin LOTERA

FEHINY

FITARIHANTENY

          Manakaiky indray ity ny fetin’ny REFORMASIONA. Tsy tamin’ny andron’ny REFORMASIONA ihany no nilana ny fanavaozana fa mbola mila fanavaozana maro koa isika raha ny resaka fanambadiana no resahina. Nitondra fanavaozana lehibe tsy ara-pivavahana ihany fa na ny ara-tsosialy sy toe-karena eny hatramin’ny politika mihitsy koa aza ny REFORMASIONA. Isan’izay niharan’ izany fanavaozana lehibe izany koa ny resaka fanambadiana. Tsy ampy anefa ny milaza fotsiny fa nitondra fanavaozana teo amin’ny lafiny ara-panambadiana koa ny REFORMASIONA satria mirongatra izay tsy izy izao ny fijanganjagana sy ny olana maro mpanjo ny tokatrano, na ny eo amin’ny fiomanana izany na ny eo anatin’ny tokatrano. Efa mahazo laka koa any ivelany any ny fanambadian’ny lahy sy lahy na vavy sy vavy. Tsy manimba olona vitsivitsy fotsiny izany fa manimba firenena mihitsy. Tsy fandravana ny vatana sy ny toekarena fotsiny fa famonoana fanahy maro mihitsy koa. Koa ho fandraisana andraikitra amin’ny fitsaboana tokony hatao na ho an’ny fiangonana na ny vokatra tadiavin’ny firenena dia heverinay fa tandrify raha resahana sy ampianarina amin’izao vanim-potoana diavintsika izao ny resaka fanambadiana. Izany no nisafidianatsika ny hiresaka ny fanambadiana araka ny fampianaran’i LOTERA ho antsika eto amin’ny Gazety MPAMANGY.

 

NY FOTOTRA IORENAN’NY FAMPIANARAN’I LOTERA.

          Ny maha mpanota ny olombelona sy ny fahaverezana vokatr’izany ary ny maha Mpamonjy an’Andriamanitra sy ny fanamarinany ny mpanota no ivon’ny fampianaran’i Lotera. Tsy maintsy ho diso izay atao hoe fivavahana na finoana ka mivoaka izany fototra izany hoy Lotera. Tsy maintsy ho diso ny fampianarana, tsy maintsy ho diso ny fitondran-tenan’izay mihevitra sy mampianatra mihoatra noho izany. Eny diso koa ny fampianarana rehefa tsy azo iainana izay lazaina. Eny diso koa ny fitondran-tena rehefa tsy mampihatra izay ampianarina. Koa tsy afaka miresaka ny fanambadiana tena eken’Andriamanitra araka ny Soratra Masina araka izay ampianarin’i Lotera isika raha vao miresaka izany ivelan’ny hafatry ny REFORMASIONA.

          Mba ho masina sy madio ny fampianarantsika ny amin’ny fanambadiana dia tsy maintsy ny fototra maha kristiana antsika indrindra no iorenan’izany. Tsy fikatsahana ny fahatsarana moraly ihany toy izay hita tamin’ny andro antenantenany sy mbola misy mihazona amin’izao fotoana izao no kendren’i Lotera fa fanampiana ny olona nohavaozin’Andriamanitra tao amin’ny batisa mba hiaina ny batisany ka ho velona araka an’ Andriamanitra koa ao amin’ny fiainam-panambadiany. Araka izany ny fampianarana izay resahina etoana dia tsy ho tafita mihitsy ary tsy hisy vidiny amin’ny olona izay mbola miaina ivelan’ny batisa. Tsy hahomby koa amin’ny olona izay manana ny batisa saingy tsy velona tsara amin’ny finoana araka izay ampianarin’ny fiangonana. Izay velomin’ny Tenin’Andriamanitra marina sy madio tokoa no velomin’ny finoana. Izay velona amin’ny Tenin’Andriamanitra no velomin’ny fanavaozana ataon’Andriamanitra. Izay velomin’ny fanavaozan’Andriamanitra dia tsy ara-panahy ihany fa ao amin’ny fiainana ny fanambadiana mihitsy koa. Marina izany ho an’ireo miomana ho amin’ny fanambadiana, marina izany ho an’ireo miaina ao anatin’ny fanambadiana. Fototra ioerenan’ny fampianarany araka izany ny fiainana ny Soratra Masina. Tsy zavatra nokarohiny na noforoniny izany fa ny fiainany mihitsy. Tsy nahafahan’i Lotera nivelona araka an’Andriamanitra ny fanarahany an-tsakany sy an-davany ny fianana ara-pivavahana tao amin’ny Monastera. Ny fandinihina ny Soratra Masina sy ny fiainany izany no nitarihan’ny Fanahy Masina azy ka nahatonga izao fanavaozana lehibe na ny REFORMASIONA izao.

          Nampianatra i Lotera fa ny Tokatrano, ny Govenemanta ary ny Fiangonana dia andry telo lehibe eo amin’izay itondran’Andriamanitra ny voahary manontolo amin’ny filaminana tokoa. Fototra ioerenan’ireo rehetra ireo ny FITIAVANA KRISTIANA marina tsy misy fihatsarambelatsihy. Eto dia ny tokatrano kristiana miorina tsara amin’ny fitiavana kristiana no dinihintsika. Tsy afaka miresaka ny tena tokatrano kristiana isika raha vao tsy ao ny fitiavana kristiana marina. Koa na manao ahoana na manao ahoana dia tsy maintsy imasoantsika aloha ny fampianarana ny amin’ny finoana Kristina marina mifototra amin’ny FILAZANTSARA marina dia izay ahazoana mitory ny LALANA sy ny FILAZANTSARA izay Tenin’Andriamanitra tokoa. Fa amin’izay itoriana marina sy madio ny Tenin’Andriamanitra araka ny Soratra Masina no ahazoana manorina tokatrano sy miaina ao amin’ny tokatrano araka ny sitrapon’Andriamanitra.

         

NY FAMPIANAN’I LOTERA NY amin’ny FANAMBADIANA

          Niainga tamin’ny fomba fijery Katolika i Lotera ary niaina izany satria niaina sy nobeazina tao nandritra ny 34 taona i Lotera vao tonga ny REFORMASIONA na ny Fanavaozana. Efa 8 taona tao aorian’ny Reformasiona izy vao nanambady. Izany hoe tamin’ny faha-42 taonany izy vao nanambady. Fa tamin’ny 1522 kosa izy no efa namoaka ny fampianarany ny amin’ny FANAMBADIANA. Izany hoe roa taona taorian’ny nandroahan’ny Papa Léon X azy tsy ho Katolika vao nanoratra ity boky ity izy.

          Koa tamin’ny voalohany dia mbola noheverin’i Lotera ho Sakramenta ny mariazy ary natokana ho an’ny olona ivelan’ny fanompoana ny fiangonana izany. Tsy fanoherana ny lalàn’ny Fiangonana Katolika Romana anefa no nitondran’i Lotera ny fampianarany momba ny fanambadiana taty aoriana fa ny fahazahoany mazava ny fifandraisan’Andriamanitra amin’ny olona. Ny fampiharana ny fampianaran’ny REFORMASIONA ao amin’ny fanambadiana no tsy naha SAKRAMENTA azy io sy ny nanekeny fa mahazo manambady ary tokony tokoa na ny mpitondra fiangonana aza. Ambonin’izany ny nampianarany fa masina eo amin’ny fiainan’ny mino tokoa ny fanambadina. Io fahamasinana ao amin’ny fianana ny fanambadiana io no anindrian’i Lotera fa tsy lafiny firaisana ara-nofo fotsiny no maha fanambadiana ny fanambadiana. Ny tsy fahazoana mazava tsara izany fampianarana izany dia mampirongatra ny fitondrantena ratsy ka mampihanaka ny SIDA. Tsy sakramenta ny fanambadiana nefa manana ny fahamasinany araka ny nanendren’Andriamanitra azy tokoa. Koa ny fanandratana ny asan’Andriamanitra nitondra famelan-keloka sy fiainana mandrakizay ho an’ny mino dia mitarika ny olona hiaina ny fitondran-tena tsara araka an’Andriamanitra Raintsika. Eo dia resy tosika ny SIDA.

          Ho an’ny fiangonana tamin’ny andro antenantenany ary mbola misy maro mihazona ankehitriny dia isan’ny ezaka ilaina ahazoana famonjena ny fifadiana ny firaisana ara-nofo ka mampisongadina ny fahamasinana sy ahazoana sitraka amin’Andriamanitra. Fampianarina izay tsy araka ny olona nampianatra na mampianatra azy akory ny miaina azy ka dia mirongatra ny faharatsiam-pitondran-tena.

          Fa ho an’i Lotera dia isan’ny noharian’Andriamanitra ho amin’ny fanambadiana ny olona maro ary tsy misy ezaka atao hahazoana sitraka amin’Andriamanitra akory momba izany fa ny zanak’Andriamanitra novidiny tamin’ny ran’i Jesosy kosa dia faly hanaraka ny sitrapon’ny Rainy ka tsy hanimba tena amin’ny fanaranam-po araka ny filan’ny nofo. Hahafaly ny mino ny manaraka ny drafitr’asan’Andriamanitra momba ny fanambadiana.

          Ny fanmbadiana hoy Lotera dia andraikitra marobe tokoa ary tsy azo eritreretina ny fianana tsy misy vehivavy nefa tsy natao ho fitaovana fotsiny koa ny vehivavy. Samy efa voalamin’ Andriamanitra hatramin’ny famoronana izany. Koa ny REFORMASIONA dia nametraka ny toerana tandrify azy araka ny famoronana koa ny vehivavy. Tsy mba noresahin’i Lotera kosa anefa araka izay ivoizan’ny vehivavy maro ny fitakian-jo ankehitriny ny amin’ny Ordinasionan’ny vehivavy.

          Ho fanajana ny zon’ny vehivavy araka izay namoronan’Andriamanitra azy ny fikendren’Andriamanitra ny amin’ny fanambadiana dia nolavin’i Lotera tanteraka ny fomba sy fampianarana fanaon’izao tontolo izao ary mbola hita koa tao amin’ny fianan’ny fiangonana sasany ny fanekena ny fanambadiana antsokosoko na ny tokatrano maso. Samy tsy araka ny sitrapon’Andriamanitra ho an’ny olona na ny fanambadiana fanaon’ny biby, na ny fanambadiana andrana, na ny fanambadiana ifanarahana ho voafetra, na ny fanambadiana nenti-paharazana fanao tany Alemaina na ny teto Madagasikara. Tsy maintsy ho soratana ara-panjakana ny fanambadiana vao entina eo anatrehan’Andriamanitra sy ny fiangonana hoy Lotera. Ary ny fanambadiana rehetra na lazaina tsotra sy mivantana hoe ny firaisana ara-nofo rehetra mialoha io fanatonana an’Andriamanitra sy ny fiangonana io dia heloka. Tsy hoe heloka eo anatrehan’Andriamanitra ka andraisana fanamelohana rahatr’izay fa heloka izay manimba ny tena, manimba ny fanahy, manimba ny tokatrano izay haorina ao aorian’io hadalana io, manimba ny taranaka ho avy eny manimba ny firenena. Io no antony anaovan’i Lotera tsindrim-peo mafy momba ny hevitry ny didy hoe “Tsy maintsy hatohatra sy ho tia an’Andriamanitra isika.” Amin’izany no ahafantsika mitondra tena madio ka misoroka ny aretina rehetra mety ho tonga isan’ireny ny SIDA. Amin’izany no afaka hiseho koa ny vokatry ny Fanahy fa izay ahavelomantsika amin’ny finoana marina no ahafantsika mitondra tena tsara koa.

          Rehefa tonga ao amin’ny tokatrano ny olona dia marobe koa ny olana ary tsy vitsy ireo tsy tafatoetra ho Kristiana marina fa lasa manao varomora ny fiainana ka dia mangataka fisaraham-panam-badiana. Mazava ny Soratra Masina ny amin’io fa izay nakamban’Andriamanitra tsy hampisarahin’olona ary tsy tokony hisaraka raha tsy noho ny fahafatesana ihany. Izany indrindra no nitenenan’i Lotera hoe: Andriamanitra nanome ahy an’i Katy ary izaho nomeny an’i Katy. Sarobidy dia sarobidy ny fanomezan’Andriamanitra ka sady fanajana Azy mpanome no fanajana ny fanomezany koa ny fanajana ny vady. Maro loatra anefa ireo tsy mahaja ny vadiny ka tonga tsy manaja an’Andriamanitra nefa dia fantatra fa kristiana izao. Nantitraterin’i Lotera koa ny fanajana ny voady masina. Misy Fanekena sarobidy tokoa mantsy atao mandritra ny fanamasinana ny fanambadiana. Raha mianatra fotopianarana isika dia voalaza ao ny hasarobidin’ny Fankena. Andriamanitra tsy mivadika ny fanekena nataony amin’ny mino. Koa ny lehilahy dia tokony ho mahatoky amin’ny fanekena nataony ho an’ny vadiny teo anatrehan’Andriamanitra sy ny fangonana.

          Raha fintinina dia tsy sakramenta ny fanambadiana araka an’i Lotera nefa tena voalahatr’Andriamanitra ho manana toerana ambony tokoa. Tsy ahazoana famonjena tokoa ny fanambadiana nefa tena fanomezana ambony sy sarobidy avy amin’Andriamanitra izany. Ho an’ny olona rehetra dia tokony hanaja ny fanambadiana nefa mihoatra noho izany no tsy maintsy hanajan’ny Kristiana ny tokotranony.

          Amboniny noho ny fampianarana nataon’ny Katolika tsy hampanambady ny Pretra ny famporisihina ny olona ho amin’ny fanambadiana toy izay ho maimay. Ambaran’i Lotera fa araka ny naharaian’Andriamanitra ny olona dia tsy latsa-danja noho ny fahariana antsika hihina sy hitafy no nahariana antsika hanambady koa Andriamanitra mihitsy no nahary ny fanmbadiana ka ny fanajana ny toka-trano dia fanajana an’Andriamanitra mpamorona sady mpanome azy.

 

FEHINY

         
Avy amin’Andriamanitra ny fanambadiana ka tokony hanaja tena ny tanora rehetra mialoha ny tena fanambadiana. Ampahatsiarovina hanaja tena ny manambady rehetra mba ho mahatoky eo anatrehan’Andriamanitra isika rehetra mandram-podimandry. Tsy vitan’ny ezaka ataon’ny olona amin’ny herin’ny tenany fotsiny izany fa miorina indrindra amin’ny asa efa nataon’Andriamanitra sy ataon’ Andriamanitra ary hataon’Andriamanitra. Koa mba hahitantsika ny fahombiazana sy ny tena fiadanana ao amin’ny fiainan-tokantranotsika tsirairay dia aoka ho velona feno amin’ny Soratra Masina isika. Isan’izay fanambadiana tena notsiriritin’ny maro ny tokatranon’i Lotera sy ny fianam-pianakaviany manontolo. Irinao ho sambatra ve ny tokatranao? Mianara ary amin’ilay ombalahibemason’ny fiangonana, Dr Martin Lotera sy Katherina von Bora ilay nohafohezina amin’ny hoe KATY araka ny efa hitantsika teo aloha.

 

 

Rév Prof RAKOTONIRINA David

 

share