Apokalypsy 2 : 1-11 « Izay maharesy dia havelako hihinana ny avy amin’ny hazon’aina »

Apokalypsy 2 : 1-11 « Izay maharesy dia havelako hihinana ny avy amin’ny hazon’aina »

𝐅𝐈𝐓𝐀𝐑𝐈𝐇𝐀𝐍-𝐓𝐄𝐍𝐘

Ny Apokalypsy (apokálypsis) na ny “Fanambarana” no Boky farany ao amin’ny Testamenta Vaovao (TV). Araka ny 1:1 amin’ny maha Apokalypsy azy dia Boky izay mampahalala ny marina izay voatahiry ho tsiambaratelo sy voahafina teo aloha izy. Fanambarana izay nomen’Andriamanitra ny Zanany, Jesosy Kristy, ny boky. Izy indray nampahalala izany tamin’ny olombelona tamin’ny alalan’ny fandefasany ny anjeliny mba hitondra ny hafany tamin’i Jaona mpanompony. Jaona kosa nanoratra izany ary, noho izany, dia tonga mpanoratry ny Bokin’ny Fanambarana izy (1:1). Faharoa, Boky faminaniana na tenin’Andriamanitra izay nampitondraina ny mpanompony koa anefa izy (ampit. 1:3; 22:6–7, 18–19). Fahatelo, amin’ny alalan’ny fanehoana ny mpandefa sy ny andefasana ao amin’ny 1:4a, ny fiarahabana ao amin’ny 1:4b–6 ary ny tso-drano farany ao amin’ny 22:21 dia manana ny toetry ny taratasy nosoratana ka nalefa koa izy. Ireo Fiangonana 7 tany Azia Minora no nandefasana ny Boky (ampit. Apo. 2–3). Kanefa mifono hafatra ho an’ny Fiangonana rehetra manerana izao tontolo izao amin’ny fotoana rehetra koa izy.

Ny Apokalypsy 2:1–11 moa no anjaratsika. Raha mijery ny Apokalypsy 2–3 isika dia hahatsikaritra fa ny dimy (Efesosy, Pergamosy, Tyatira, Sardisy ary Laodikia) tamin’ireo Fiangonana fito ireo dia samy voatenin’i Jesosy mafy avokoa. Antony: noho ny efa naha safiotra (i.e., metisy: fifangaroan-javatra roa mifanohitra) azy ireo. Izany hoe, efa tsy pure (madio tanteraka) araka izay naharian’Andriamanitra azy tamin’ny voalohany intsony. Ny tao Smyrna sy Filadelfia kosa dia nahatoetra tsara tamin’izay naharian’Andriamanitra azy ka tsy mba nahazo izany teny mafy izany.

Araka izany dia manana hafatra roa lehibe ho an’ny Fiangonana ny Boky.
(1) Ny dia ny hiverenan’izay efa safiotra ho amin’ny fahadiovana (purity) izay efa naharian’ Andriamanitra azy.
(2) Ny haharetan’izay nahatoetra tamin’izany fahadiovany izany hatramin’ny farany. Izy rehetra dia samy ampanantenaina ny fiainana mandrakizay ho lovany raha maharesy (ampit. 2:7, 11, sns.).
Ny Fiangonana tao Efesosy sy Smyrna izay nanoratana ireto taratasy roa voalohany anjaratsika ireto dia misolo tena izany karazam-Piangonana roa voalaza teo ambony izany: ny tao Efesosy (2:1–7) dia Fiangonana safiotra raha ny madio kosa ny tao Smyrna (2:8–11).

********************************************************
𝐈) 𝐍𝐲 𝐅𝐢𝐚𝐧𝐠𝐨𝐧𝐚𝐧𝐚 𝐭𝐚𝐨 𝐄𝐟𝐞𝐬𝐨𝐬𝐲: 𝐒𝐚𝐟𝐢𝐨𝐭𝐫𝐚𝐦-𝐏𝐢𝐚𝐧𝐠𝐨𝐧𝐚𝐧𝐚 (𝟐:𝟏–𝟕)

𝐈.𝟏 𝐅𝐢𝐭𝐚𝐫𝐢𝐡𝐚𝐧-𝐭𝐞𝐧𝐲
Araka ny Genesisy 3:1 dia voalaza fa ny menarana no fetsy indrindra tamin’ireo bibidia rehetra izay noharian’Andriamanitra noho Satana izay tonga nofo tao aminy. Izany no iantsoan’ny Apokalypsy azy hoe “ny menarana ela” (12:9; 20:2). Ny asan’ny Satana / Devoly dia ny mandavo sy mitaona ny olombelona hiala tamin’Andriamanitra sy ny làlana izay nampizorany azy. Anisan’ny tetika mahomby izay ampiasainy ny mandatsaka sy mamolavola ireo Kristiana maro ho tonga “elanelam-panahy-na Kristiana” na ho “safiotra-na Kristiana”. Ao amin’ny taratasy farany (Laodikia) ohatra dia nambaran’i Kristy Jesosy fa tamin’ny toetry ny “tsy mafana tsy mangatsiaka” na “matimaty” (3:15–16) izany efa maha safiotra na maha efa fifangaroan-javatra roa mifanohitra ny Fiangonana sy ireo Kristiana izay mandrafitra azy izany. Ny tokony ho toetrany araka izay efa naharian’Andriamanitra azy dia na izy tena mangatsiaka (i.e., manana ny toetra sy ny mahaizy azy manala hetaheta izay rehetra manatona azy) na izy tena mafana (i.e., manasitrana ireo marary rehetra tonga manatona azy) fa tsy matimaty. Ny matimaty dia sady tsy manala hetaheta no tsy manasitrana fa lasa poizina mamono izay misotro sy mitady fahasalamana eo aminy.
Sady fomba andavoan’ny Devoly ny Kristiana maro izany no fomba hamitahany ny maro izay maka tahaka azy sy manovo fampianarana avy amin’izany Fiangonana tahaka izany koa. Raha Jesosy no milaza ity safiotra-na Kristiana ity dia antsoiny hoe “amboadia mitafy hodi-janak’ondry” izany, i.e., tsy mba safiotra araka ny làlana ara-boajanahary fa tena fitambarana zavatra roa tsy natao hitambatra araka izay naharian’ Andriamanitra azy mihitsy kanefa dia ampisian’ny Devoly (ampit. magie). Iantsoana koa ireo mpihatsaravelatsihy rehetra izany. Fa ahoana no endrika nisehoan’izany teo amin’ny Fiangonana tao Efesosy, izay misolo tena ireo efatra namany, dia ny tao Pergamosy, Tyatira, Sardisy ary ny tao Laodikia izany?

𝐈.𝟐 𝐍𝐲 𝐇𝐚𝐟𝐚𝐭𝐫𝐲 𝐉𝐞𝐬𝐨𝐬𝐲 𝐡𝐨 𝐚𝐧’𝐧𝐲 𝐅𝐢𝐚𝐧𝐠𝐨𝐧𝐚𝐧𝐚 𝐭𝐚𝐨 𝐄𝐟𝐞𝐬𝐨𝐬𝐲 (𝟐:𝟏–𝟕)
Mialoha ny hijerentsika izany dia andeha ambara fohy ny mahakasika ny tanàna sy ny Fiangonana tao Efesosy. Aorian’izay ny fanambarana ny teny fankasitrahan’i Jesosy ny Fiangonana sy ny filazany ny fahalemeny, ny fandidiany azy ary ny teny fampaherezana.

𝐈.𝟐.𝐚 𝐍𝐲 𝐓𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚𝐧’𝐢 𝐄𝐟𝐞𝐬𝐨𝐬𝐲
Manaraka an’i Pergamosy izay renivohitry Azia Minora dia Efesosy no tanàna lehibe faharoa. Tanàna nahasintona olona maro tokoa noho izy fanaovana theatre (Asa. 19:29) sy Lalao Olympika tamin’izany fotoana izany. Fitodihan-tsambo voalohany tany Azia Minora koa izy ka lasa vavahady fidiran’ireo olona ambony sy vahiny rehetra tany. Teo ihany koa no nihaonan’ireo làlana lehibe izay namboarin’ny Romana tao Azia Minora. Noho izany rehetra izany dia tanànan’ny varotra lehibe izy.
Ara-pivavahana dia ivon’ny fanompoana ilay andriamani-bavin’ny fahavokarana nantsoina hoe Artemisy (lat. Diana) izay nanana tempoliny lehibe tao koa izy (Asa. 19:27, 35). Isaky ny lohataona moa no fanaovana ny fanompoana azy. Tena ratsy tokoa ny fanompoam-pivavahana natao tamin’ity Artemisy ity. Ny sari-vongany izay natao tànana dia ratsy endrika, feno nono ny tenany iray manontolo, kanefa dia noheverin’ny olona maro fa nilatsaka avy tany an-danitra izy (Asa. 19:35). Natrehan’ny mpisorona maro ny tempoliny. An’arivony ireo mpisorona vavy izay nanao ny ritoalim-pijangajangana (mpivarotena) nandritry ny fanompoana azy. Teo anivon’izany fomban-jentilisa mahatsiravina izany no nisy ny Fiangonana Kristiana tao Efesosy izay nitenenan’i Jesosy Kristy mivantana tamin’ny alalan’ity Boky ity.

𝐈.𝟐.𝐛 𝐍𝐲 𝐅𝐢𝐚𝐧𝐠𝐨𝐧𝐚𝐧𝐚 𝐭𝐚𝐨 𝐄𝐟𝐞𝐬𝐨𝐬𝐲
Ny Fiangonana tao Efesosy no niorina voalohany indrindra tany Azia Minora ary azo heverina fa renin’ireo Fiangonana enina hafa izay nandefasana ny Boky izy (ampit. Asa. 19:10). Paoly no nitondra ny Filazantsara tao (Asa. 18:18–26). Ny herin’ny Filazantsara izay notoriana tao dia nisy fiantraikany tao amin’izany tanàna izany sy ny faritanin’i Azia iray manontolo (Asa 19:10). Naneho ny heriny tao amin’i Paoly tamin’ny alalan’ireo asa mahagaga samihafa tao Andriamanitra (Asa. 19:11–12). Ireo Jiosy mpamoaka demonia izay niezaka nifaninana taminy ohatra dia sady novonoin’ilay demoniaka iray no nalainy baraka (Asa. 19:13–16). Niely nanerana ny tanàna ny nanjo azy ireo, ary izany no niteraka ny fankalazana ny anaran’i Jesosy tao (Asa. 19:17). Maro tamin’ireo mpanompo sampy, ireo mpanao majia sns. no nibebaka ka nitondra ny bokiny nodorona imasom-bahoaka (and. 18–19). Vokatr’izany no niorenan’ireo Fiangonana enina sisa nanodidina azy.
Ny fiovam-pon’ny maro tao Efesosy koa anefa dia nisy fiantraikany ratsy tamin’ny fiharian-karena izay nifamatotra tamin’ny fanompoana an’i Artemisy. Tsy nampandeha intsony ny fandraharahan’ireo mpanao sikotra ny sary vongan’ny Artemisy ohatra izany ka nahatonga azy ireo nanohitra mafy ny Kristianisma (Asa. 19:23–41). Ny fotoana izay nanoratana ny Boky moa dia efa 40 taona taorian’ny nahaterahan’ny Fiangonana tao Efesosy. Efa tsy tao intsony ry Paoly sy ireo Kristiana voalohany. Noho ny fiainan’ireo Kristiana taranaka vaovao tamin’ny toe-javamisy vaovao izay niseho tao dia nanindry mandry an’i Jaona Apostoly Jesosy Tompo mba hiteny sy hananatra azy ireo. Izany indrindra no anton’ity taratasy ity.

𝐈.𝟑 𝐍𝐲 𝐅𝐚𝐧𝐚𝐦𝐛𝐚𝐫𝐚𝐧-𝐓𝐞𝐧𝐚𝐧’𝐢 𝐉𝐞𝐬𝐨𝐬𝐲 𝐊𝐫𝐢𝐬𝐭𝐲 𝐭𝐚𝐦𝐢𝐧’𝐧𝐲 𝐅𝐢𝐚𝐧𝐠𝐨𝐧𝐚𝐧𝐚 𝐄𝐟𝐞𝐬𝐢𝐚𝐧𝐚
Izao no fanambaran-tenan’i Jesosy: “Ilay mihazona ny kintana fito eny an-tànany ankavanana sady mandeha eo afovoan’ny fanaovan-jiro volamena fito” (Apo. 2:1d). Na dia tsy milaza ny anarany mivantana aza ny mpiteny eto dia manazava kosa hoe “Iza Izy” amin’ny alalan’izany fanoritsoritany ny tenany izany. Ao amin’ny 1:9–20 dia manambara tena ho Ilay Tompon’ny voninahitry ny Fiangonana Jesosy Kristy. Ny filazan’ny tenany ho “Ilay mpihazona ny kintana fito eny an-tànany ankavanana sy Ilay mandeha eo afovoan’ny fanaovan-jiro volamena fito” dia efa nambarany tao amin’ny 1:13–16. Ny “kintana fito” dia symboly ilazana ireo mpitariky ny Fiangonana fito. Ny fihazoman’i Kristy azy ireo amin’ny tànany ankavanana dia midika fa mpanompony miasa ao ambany fahefany izy ireo: Izy no mampiasa azy ireo: olona miasa ao ambany fahambonian’ny fanapahany ao amin’ny Fiangonana izy ireo. Ny filazana kosa fa “Ilay Iray izay mandeha eo afovoan’ny fanaovan-jiro volamena fito” (i.e., ny Fiangonana fito; 1:20), dia manambara ny asany izay mizaha, mamantatra, mitsikera ary manombana azy ireo. Amin’ny maha Mpanapaka ambony Azy dia manana fahefana hiteny ny Fiangonana Izy.

𝐈.𝟒 𝐍𝐲 𝐓𝐞𝐧𝐲 𝐅𝐚𝐧𝐤𝐚𝐬𝐢𝐭𝐫𝐚𝐡𝐚𝐧’𝐢 𝐉𝐞𝐬𝐨𝐬𝐲 𝐊𝐫𝐢𝐬𝐭𝐲 𝐧𝐲 𝐅𝐢𝐚𝐧𝐠𝐨𝐧𝐚𝐧𝐚 𝐄𝐟𝐞𝐬𝐢𝐚𝐧𝐚
“Fantatro ny asanao sy ny fikelezanao aina sy ny faharetanao ary ny tsi-fahazakanao izay mpanao ratsy; ary hianao efa nizaha toetra izay milaza ny tenany ho Apostoly, kanjo tsy izy, ary hitanao fa mpandainga izy; ary manana faharetana hianao ka niaritra noho ny anarako sady tsy reraka. Kanefa izao no toetranao: halanao ny asan’ny Nikolaita, izay halako koa” (Apo. 2:2–3, 6). Ny hoe “fantatro” (oĩda) eto dia milaza fa fantatry ny Tompo antsipirihany sy tamin’ny fahafenoany ny fiaimpiainana sy ny mombamomba ny Fiangonana ary ireo Kristiana izay nandrafitra azy: na ny ratsy izany na ny tsara. Izany fahafantarany azy ireo izany no anton’ny fankasitrahany izay tokony hankasitrahana ary hanamelohany koa izay tokony ho melohina. Mialohan’ny nitenenany mafy azy ireo noho ny fihemorany dia nankasitraka azy noho ny asa tsara na fiainana tsara izay fantany tamin’izy ireo Izy. Maneho ny maha safiotra azy moa izany.
Noderain’i Jesosy manokana noho ny fikelezan’ainy ny Efesiana, i.e., ny fandaniany sy fampiasany ny heriny rehetra tamin’ny fanompoana Azy. Tahaka izany ny asa fiantrana sy ny asa-pivelomany izay nijoroany ho vavolombelon’i finoany an’Andriamanitra / Jesosy mitahy azy fa tsy Artemisy. Tahaka izany koa ny faharetany na fiaretany manoloana ny vanim-potoana sarotra sy feno fakam-panahy izay nanodidina azy: niainany tamim-pifaliana tao amin’i Jesosy Kristy ireny fahasarotana sy fahoriana samihafa izay nihatra taminy noho ny maha Kristiana azy ireo. Nitoetra ho mahatoky teo anatrehan’ny Jesosy Tompony izy ireo. Anankiray amin’ny fideran’i Jesosy azy ireo ny tsy fahazakany / tsy fileferany manoloana ireo olon-dratsy tao amin’ny fiarahamonina. Efapolo taona lasa izay no efa nanaran’i Paoly azy ireo mba tsy “hanome fitoerana ho an’ny devoly” (jereo Efe. 4:27), ary hatramin’izao dia mbola nitazona sy niaina tamin’ izany fananarana izany izy ireo. Ankoatr’izany dia nitandrina mafy ka nizaha toetra ireo izay nilaza ny tenany ho Apostoly kanjo tsy izy fa sandoka ny Fiangonana tao Efesosy. Tsy hadinon’izy ireo ny fananarana izay efa nataon’i Paoly taminy taona maro lasa izay hoe: “Tandremo ny tenanareo sy ny ondry rehetra izay nanaovan’ny Fanahy Masina anareo ho mpitandrina, hiandrasanareo ny Fiangonan’Andriamanitra, izay novidiny tamin’ny ràny. Fantatro fa rehefa lasa aho dia hisy amboadia masiaka hiditra eo aminareo izay tsy hiantra ny ondry. Ary avy aminareo no hiposahan’ny olona sasany mitory teny tsy marina hitaona ny mpianatra hanaraka azy. Koa miambena, ary tsarovy fa telo taona mipaka aho tsy nitsahatra nananatra anareo rehetra andro aman’alina tamin’ny ranomaso” (Asa. 20:28–31).
Ny mpampianatra sandoka dia loza tokoa ho an’ny Fiangonana. Jesosy dia efa nananatra hoe “mitandrema ny amin’ny mpaminany sandoka, izay mankao aminareo amin’ny fitafian’ny ondry, fa ao anatiny dia amboadia mitoha” (Mat. 7:15). Paoly koa dia nanambara mazava fa ireo mpampianatra sandoka ireo dia “mpiasa mamitaka, ka dia mampiova ny endriny ho tahaka ny Apostolin’i Kristy. Ary tsy mahagaga izany, fa Satana koa aza mampiova ny endriny ho tahaka ny anjelin’ny mazava… ny mpanompony koa … mampiova ny endriny ho tahaka ny mpanompon’ny fahamarinana…” (2 Kor. 11:13–15). Ary ny Apostoly Jaona dia nananatra ny Fiangonana ny amin’ny “mpamitaka efa lasa any amin’izao tontolo izao” (2 Jao. 1:7) ary niteny tamin’izy ireo fa raha misy olona mankeo aminy ka tsy mitondra ny fampianarana marina (Kristy Jesosy = Andriamanitra tokoa sady Olona tokoa) dia tsy mampandroso azy (2 Jao. 1:10).
Na dia teo aza ireo fahasarotana samihafa, ny fahoriana izay niaretany nandritry ny 40 taona dia tsy nilefitra manoloana ireo olon-dratsy sy ny fakam-panahy samihafa nanodidina azy ary indrindra ny fanoherany ireo mpampianatra sandoka sy ny fampianarany izy ireo. I.e., nahajoro tsara sy nitoetra ho mahatoky tamin’ny fiainana ny fampianarana marina izay efa natolotra azy izy ireo. Noho ny amin’ny anaran’i Jesosy sy ny asany izay efa nataony tamin’izy ireo no antony nanaovany izany rehetra izany.
Ao amin’ny and. 6 dia nambaran’i Jesosy hoe: “… halanao ny asan’ny Nikolaita, izay halako koa” (ampit. 2:12–15). Ny Nikolaita dia ireo olona izay nampifangaroharo ny fampianarana Kristiana tamin’ireo fomban-jentilisa manodidina ka nitarika ny olona ho amin’ny fitondrantena maloto sy fahalovana samihafa. Ao amin’ny taratasy ho an’ny Pergamosy dia ampitahaina amin’ny fampianaran-dison’i Balama izay nitarika ny Israely hivily làlana izany. Noho ny fampianaran-disony momba ny fahafahana Kristiana dia nitarika ny olona ho amin’ny fijangajangana sy ny fihinanana ny hena izay efa naterina tamin’ny sampy izy ireo (Apo. 2:14; ampit. Rom. 14:1–15:3; fampifangaroana ny fahafahana Kristiana sy ny fomba maloto fanaon’ny Jentilisa tao amin’ny tempolin’i Artemisy). Tsy mba tahaka izany, ny Fiangonana tao Efesosy dia nankahala izany kosa. Noderain’i Jesosy noho izany izy ireo (2:14–15). Na izany aza, efa safiotra ny Fiangonana tao: ny ivelany toa nanjakan’ny fitiavana araka an’Andriamanitra fa ny tao anatiny kosa dia ny fitiavan-tena, izay natao tety ivelany dia vokatry ny fikendren’ny fitiavan-tena ihany.

𝐈.𝟓 𝐍𝐲 𝐅𝐚𝐡𝐚𝐥𝐞𝐦𝐞𝐧’𝐧𝐲 𝐅𝐢𝐚𝐧𝐠𝐨𝐧𝐚𝐧𝐚 𝐄𝐟𝐞𝐬𝐢𝐚𝐧𝐚
“Kanefa manan-teny aminao Aho, satria efa niala tamin’ny fitiavanao voalohany ianao” (2:4). Na dia teo aza ireo zavatra samihafa izay nideran’i Jesosy ny Fiangonana Efesiana dia ny zava-dehibe indrindra izay tena namaritra ny mahaizy azy ny Fiangonana sy ireo Kristiana nandrafitra azy kosa no banga tao aminy. Na dia nitàna ny fampianarana marina sy nanohy hatrany ny fanompoana ny Tompo tamin’izany aza izy ireo, dia lasa toa kipantsona maneno ihany ny maro satria tsy tao aminy intsony ny fitiavana marina araka an’Andriamanitra. Na dia efa tao aminy aza izany fitiavana izany 40 taona lasa izay (ampit. Efe. 1:15; 3:17–19; 6:23), dia tena efa niaha-nangatsiaka be na foana mihitsy izany ankehitriny. Nitàna tokoa ny fampianarana izay natolotra ny Fiangonana ireo taranaka taty aoriana kanefa ny fitiavana izay fototry izany fampianarana izany kosa dia tsy tao aminy intsony fa very tanteraka: ny fitiavana an’i Jesosy sy ny fitiavana ny namana izay naseho tamin’ny asa fiantrana sy ny fifanompoana sns. (ampit. Zanak’Israely araka ny Jer. 2:2–13; Eze. 16:8–15). Ny fahafoanan’izany fitiavana izany dia nanokatra varavarana ho an’ny fanahy hafa izay nampiditra karazam-pitiavana hafahafa tao amin’ny Fiangonana toy ny fitiavan-tena, fankahalana sy fitsarana foana ny hafa, fisarantsarahana izay mariky ny fahafatesan’ny Fiangonana sns. Na dia teo aza ireo fahatsarana ivelany dia toy ny homamiadana izay nikiky sy nanimba ny Fiangonana sy ny fiaimpiainany izany.

𝐈.𝟔 𝐈𝐳𝐚𝐲 𝐀𝐧𝐝𝐢𝐝𝐢𝐚𝐧’𝐢 𝐉𝐞𝐬𝐨𝐬𝐲 𝐧𝐲 𝐅𝐢𝐚𝐧𝐠𝐨𝐧𝐚𝐧𝐚 𝐄𝐟𝐞𝐬𝐢𝐚𝐧𝐚
“Koa tsarovy izay nitoeranao fony tsy mbola lavo, dia mibebaha, ka manaova ny asa voalohany; fa raha tsy izany, dia ho avy aminao Aho ka hamindra ny fanaovan-jironao hiala amin’ny fitoerany, raha tsy mibebaka hianao” (Apo. 2:5). Mba ho fanasitranan’i Jesosy ny Fiangonany dia niteny sy nananatra mafy azy ireo Izy. Voalohany, nantsoiny mba hahatsiaro izay efa nitoerany taloha fony tsy mbola lavo izy ireo, i.e., ny vanim-potoana voalohany izay nandraisany feno sy tanteraka an’i Jesosy sy ny asany ka naha olom-baovao, ny naha havan’Andriamanitra sy ny olona masina rehetra azy (ampit. Efe. 2:11–22). Ny hoe “tsarovy” dia midika hoe “ataovy ho ankehitriny izany zavatra niseho taloha izany”. Ny fanadinoana izay efa nataon’Andriamanitra tamin’ny tena dia tena zava-doza tokoa izay fototry ny fihemorana. Noho izany indrindra no iantsoan’i Jesosy azy ireo hahatsiaro na hanao ho toy ny ankehitriny indray izany.
Faharoa izay mifamatotra amin’izany, dia antsoin’i Jesosy ho amin’ny fibebahana koa izy ireo: fiverenana indray amin’i Jesosy sy ny asany ka hahavelona ilay fitiavana izay mamaritra ny mahaizy azy ny Fiangonana sy ireo Kristiana izay mandrafitra azy (ampit. Efe. 2:11–22; Mat. 22:36–38). Ny hanaporofo izany fibebahana marina izany dia asam-pitiavana izay hataony tahaka ny efa nanaovany izany taloha (ampit. Efe. 4:1–7; 25–6:9). Ny tsy fibebahana na ny tsy fiverenana indray ao amin’i Kristy dia mahatonga ny fiharan’ny fitsaran’Andriamanitra amin’izy ireo, dia ny fanafoanana tanteraka izany Fiangonana izany (ampit. 1:20).

𝐈.𝟕 𝐍𝐲 𝐓𝐞𝐧𝐲 𝐅𝐚𝐦𝐩𝐚𝐡𝐞𝐫𝐞𝐳𝐚𝐧𝐚
“Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino izay lazain’ny Fanahy amin’ny Fiangonana. Izay maharesy dia havelako hihinana ny avy amin’ny Hazon’aina, izay eo amin’ny Paradisan’Andriamanitra” (Apo. 2:7). Ny taratasy dia faranan’i Jesosy amin’ny teny fampaherezana sy fampanantenana. Ireo taratasy fito ireo dia samy nofaranany tamin’ny teny fampaherezan’i Kristy hoe “Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino izay lazain’ny Fanahy amin’ny Fiangonana” avokoa (ampit. 2:11, 17, 29; 3:6, 13, 22). Manamafy ny andraikitra matotry ny mino amin’ny fihainoana amim-pitandremana ny feon’ Andriamanitra / Jesosy Kristy ao amin’izao taratasy izao izany satria izany ihany no mahatsara ny fiaimpiainany ao amin’ny Tompo Jesosy. Ny teny fampanantenany, tahaka izay lazainy amin’ireo Fiangonana enina hafa (ampit. 2:11, 17, 26; 3:5, 12, 21), dia teneniny amin’ireo izay mandresy.
Ny Apostoly Jaona dia mamaritra fa: “Fa izay rehetra naterak’Andriamanitra dia maharesy izao tontolo izao; ary ny fandresena izay enti-maharesy izao tontolo izao dia ny finoantsika. Iza moa no maharesy izao tontolo izao afa-tsy izay mino fa Jesosy no Zanak’ Andriamanitra?” (1 Jao. 5:4–5). Ny tena mpino marina rehetra no mpandresy, i.e., ireo izay manana ny finoana izay mitondra azy ho amin’ny firaisana amin’i Jesosy Kristy Zanak’Andriamanitra: ireo no manana ny hery avy Aminy ho entiny mandresy ny hery sy ny fahefan’ny ratsy rehetra.
Kristy dia mampanantena fa ireo mpandresy rehetra dia hihinana amin’ny hazon’ ain’ny paradisan’Andriamanitra. Ny resaka momba ny hazon’aina dia hita voalohany ao amin’ny Genesisy 2:9, ilay hazo tao amin’ny saha Edena. Noho ny fahotany, ny fihinanana ny hazon’ain’ny saha Edena dia loza ho an’ny olona: noraràna tsy hohaniny izany satria hahavelona azy amin’ny maha fahavalon’Andriamanitra azy mandrakizay (Gen. 3:22). Ilay hazon’ain’ny lanitra kosa (Apo. 22:2, 14, 19) dia ampanantenaina hohanina eto satria hitondra fahavelomana mandrakizay ao amin’Andriamantra izany. Ny hazon’aina eto izany dia symboly manondro an’i Jesosy Kristy sy ny hazofijaliana ary fiainana mandrakizay ao Aminy. Ny Paradisa eto dia ny lanitra na ny fonenan’ Andriamanitra mandrakizay (ampit. Lio. 23:43; 2 Kor. 12:4).

********************************************************
𝐈𝐈) 𝐍𝐲 𝐅𝐢𝐚𝐧𝐠𝐨𝐧𝐚𝐧𝐚 𝐭𝐚𝐨 𝐒𝐦𝐲𝐫𝐧𝐚: 𝐈𝐥𝐚𝐲 𝐅𝐢𝐚𝐧𝐠𝐨𝐧𝐚𝐧𝐚 𝐍𝐚𝐦𝐩𝐚𝐡𝐨𝐫𝐢𝐚𝐧𝐚 (𝟐:𝟖–𝟏𝟏)

𝐈𝐈.𝟏 𝐅𝐢𝐭𝐚𝐫𝐢𝐡𝐚𝐧-𝐭𝐞𝐧𝐲
Araka izay voalaza dia anisan’ny Fiangonana tsy mba nahitan’i Jesosy ny fahalemeny ity tao Smyrna ity: tsy safiotra fa madio tanteraka. Teo amin’ny tantara dia mazàna marina foana izao: arakaraka ny nanenjehana ny Fiangonana no vao maika nampitombo ny fahamasinany sy ny tanjany. Ny Soratra Masina dia mampitohy mandrakariva ny fanenjehana sy fahatanjahana ara-panahy: “Ry rahalahiko, ataovy ho fifaliana avokoa, raha iharan’ny fizahantoetra samy hafa hianareo, satria fantatrareo fa ny fizahantoetra ny finoanareo dia mahatonga faharetana” (Jak. 1:2–4). Ny fakan’ny fahavalo fanahy ny mpino Kristiana matetika dia ampiasain’Andriamanitra mba ho fitaovana ho fizahana toetra sy fisedrana azy ireo mba ho fanadiovana sy fampatanjahana azy ireo ao amin’ny Tompo (jereo Asa. 14:22; 2 Tim. 3:12).
Ny Fiangonana tao Smyrna dia nanana izany fahadiovana sy fahatanjahana vokatry ny fanenjehana izay nihatra tamin’izy ireo izany ary naharitra tamin’izany hatramin’ny farany. Ny mpiatsaravelatsihy dia tsy mba maharitra manoloana izany fanenjehana izany: tsy mahajanona amin’ny maha Kristiana azy manoloana ireo fahoriana samihafa izy ireny, i.e., ny fanenjehana ihany koa dia mamono tanteraka ny finoana tsy marina sy tsy miorim-paka tsara ao amin’i Jesosy Kristy. Na dia nampijaliana sy nampahantraina kosa aza ireo Kristiana tao Smyrna dia nihazona mandrakariva ny harem-panahy tao amin’i Jesosy izy ireo. Izany Fiangonana izany no anankiray tamin’ireo fito (miaraka amin’ny Filadelfia) izay tsy mba nandray teny mafy avy tamin’i Tompo Jesosy Kristy satria tsy nahitany fahalemena.

𝐈𝐈.𝟐 𝐍𝐲 𝐓𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚𝐧’𝐢 𝐒𝐦𝐲𝐫𝐧𝐚 (𝟐:𝟖𝐛)
Smyrna dia tanàna tranainy izay tsy dia fantatra loatra ny niandohany. Heverin’ny maro fa mety efa niorina tany ho any amin’ny taona 1000 BCE tany ho any. Ravan’ny fahavalony izy tamin’ny taona 600 BCE ary tsy tafatsangana indray raha tsy tamin’ny taona 290 BCE, ary nantsoina hoe Smyrna tamin’ny andron’i Jaona. Tanàna niray petsapetsa tanteraka tamin’i Roma i Smyrna ka dia tia ny kolontsaina sy ny fombam-pivavahana Romana ny mponina tao: hatramin’ny 195 BCE ohatra dia efa niorina tao ny tempoly izay fanompoana ny Amperora Romana. Na dia tanànan’ny toe-karena sy politikan’ny Romana tany Azia Minora aza Efesosy sy Pergamosy, dia ny tanàna tsara indrindra kosa i Smyrna. Izmir-n’i Turquie izany ankehitriny.

𝐈𝐈.𝟑 𝐍𝐲 𝐅𝐢𝐚𝐧𝐠𝐨𝐧𝐚𝐧𝐚 𝐭𝐚𝐨 𝐒𝐦𝐲𝐫𝐧𝐚 (𝟐:𝟖𝐚)
Ny Soratra Masina dia tsy ahitana ny fomba izay niorenan’ny Fiangonana tao Smyrna. Izay fantatra momba azy kosa dia avy amin’ity taratasy ity avokoa. Azo heverina fa Paoly nandritry ny asa ministerialiny tao Efesosy no nanorina izany (Asa. 19:10). Tamin’ny faramparan’ny taon-jato voalohany CE dia nandalo fahasarotana be izany Fiangonana izany. Ny tanàna moa dia toeram-panompoana ny Amperora. Tamin’ny fotoana izay nanapahan’ny Amperora Domitian dia tonga renivohitry ny fanoherana ny fanaovana fanatitra isa-taona ho an’ny Amperora i Smyrna. Vokany, nenjehina sy novonoina martiora ny Kristiana maro tao, toa an-dry Polycarp, izay novonoina martiora tamin’ny taona 150 CE tany ho any.
Ny teny grika Smýrna dia dikan’ny hebreo hoe miora, izay zava-manitra fanosotra ny velona (Mat. 2:11) sy ny maty (Jao. 19:39). Ny fampiasana azy tamin’ny maty dia lasa sary izay nanehoana ny fahalehibeazan’ny fahoriana izay nahazo ny Fiangonana tao Smyrna. Tahaka ny miora izay namoaka ny hanitra avy aminy vokatry ny famotipotehana azy ny Fiangonana tao Smyrna: ny famopotipotehana azy tamin’ny fanenjehana dia namoahany avy ao aminy ny hanitry ny toetrany mahatoky teo anatrehan’Andriamanitra. Porofon’ny fitiavany an’i Kristy izany fitoerana ho mahatoky tamin’ny finoana sy firaisana Taminy izany. Noho izany toetrany izany anefa dia nankahalaina sy nenjehina izy ireo. Kanefa ny fanenjehana azy vao maika nampitombo ny fitiavany an’i Kristy.

𝐈𝐈.𝟒 𝐍𝐲 𝐅𝐚𝐧𝐚𝐦𝐛𝐚𝐫𝐚𝐧-𝐓𝐞𝐧𝐚𝐧’𝐢 𝐉𝐞𝐬𝐨𝐬𝐲 𝐊𝐫𝐢𝐬𝐭𝐲 𝐭𝐚𝐦𝐢𝐧’𝐧𝐲 𝐅𝐢𝐚𝐧𝐠𝐨𝐧𝐚𝐧𝐚 𝐭𝐚𝐨 𝐒𝐦𝐲𝐫𝐧𝐚
“Ny Voalohany sy ny Farany, Izay efa maty, nefa velona indray” (Apo. 2:8d). Fanambaran-tenan’i Jesosy tamin’ny Fiangonana tao Smyrna izany. Ny famaritany ny Tenany ho “ny Voalohany sy ny Farany, Izay efa maty nefa velona indray” dia manondro Azy araka izay efa voalaza ao amin’ny 1:12–20 (ampit. 1:18). Ny hoe “Voalohany sy ny Farany” dia anaran’Andriamanitra ao amin’ny TT (Isa. 44:6; 48:12; ampit. 41:4), ka ny fiantsoana an’i Kristy Jesosy amin’izany eto (jereo koa ny 22:13) dia manamafy ny maha Andriamanitra Azy. Ny Mandrakizay Izy, Ilay Andriamanitra Izay velona mandrakizay sy tsy voafetry ny fotoana sy ny toerana ary izay ataon’olombelona, Izay efa nizy talohan’ny nahariana izao rehetra izao, ary mbola hizy na dia ho levona aza izao tontolo izao. Izany “Ilay hatrizay ka ho mandrakizay” izany anefa dia tonga Olombelona, maty ary nitsangana tamin’ny maty. Ho fanatanterahany ny fanavotana ny olombelona izay nampiraisina Taminy tamin’ny fanandevozan’ny ota sy ny Devoly ary ny fahafatesana mandrakizay no anton’izany (1 Pet. 3:18; Heb. 7:16; ampit. Rom. 6:9).
Nampahery sy nampitoetra ny Kristiana tao Smyrna ho mahatoky tamin’ny finoany ny fahalalana an’i Kristy amin’izany filazana Azy izany. Na dia nandalo fotoan-tsarotra sy nampahoriana aza izy ireo dia nino fa zavatra tsy haharitra aminy mandrakizay izany: noho ny fiombonany amin’i Kristy, Ilay hatrizay hatrizay ka ho mandrakizay, dia velom-panantenana izy ireo fa handresy tahaka Azy koa, eny na dia ny fahafatesana aza (Heb. 2:14; ampit. Jao. 11:25–26). Jesosy Kristy koa dia nitoetra ho mahatoky na dia nenjehana mafy sy tamin’ny fomba izay mahatsiravina indrindra aza(ampit. Heb. 12:3– 4). Noho izany, dia loharanon’ny hery izay azo antoka tanteraka fa hahafahan’ny mino miatrika izany koa (Heb. 2:17–18; 4:15).

𝐈𝐈.𝟓 𝐍𝐲 𝐓𝐞𝐧𝐲 𝐅𝐚𝐧𝐤𝐚𝐬𝐢𝐭𝐫𝐚𝐡𝐚𝐧𝐚 𝐡𝐨 𝐚𝐧’𝐧𝐲 𝐅𝐢𝐚𝐧𝐠𝐨𝐧𝐚𝐧𝐚 𝐭𝐚𝐨 𝐒𝐦𝐲𝐫𝐧𝐚
“Fantatro ny fahorianao sy ny fahantranao (nefa manan-karena hianao), ary ny fitenenan-dratsy ataon’izay milaza ny tenany ho Jiosy, kanjo tsy izy, fa synagogan’i Satana” (2:9). Tsy nisy niafina teo anatrehan’i Jesosy Kristy Tompo koa ny mombamomba ity Fiangonana ity. Ny fanombohan’ny fiderana ombam-pampaherezana azy ireo dia ny fanambarany fa “fantatro (oĩda) ny fahorianao (thlĩpsis) sy ny fahantranao (ptocheía)”. Ny voambolana fototra thlĩpsis (fahoriana, fangirifiriana, fijaliana, eng. tribulation) dia ampiasain’ny TV hilazana ny vokatry ny fanaporetana izay ataon’ireo mpanenjika ny Kristiana. Niaritra mafy izany ny Fiangonana tao Smyrna noho ny fitoerany ho mahatoky tamin’ny fanarahana sy finoana an’i Jesosy Kristy.
Antony telo no nahatonga izany fanaporetana sy fankahalana izany. Voalohany, ny Jentilisa maro tao Smyrna dia nafana fo tamin’ny fanompoana ny Amperora Romana nandritry ny taona maro. Azo lazaina fa ny lohany tamin’izany mihitsy ry zareo. Na dia noterena mba hanaja sy hanoa ny mpitondra fanjakana aza ny Kristiana (ampit. Rom. 13:1ff.), dia nandà ny fanaovana fanatitra ho an’ny Amperora sy ny fiankohofana taminy kosa izy ireo. Nampahatezitra ny Governemanta Romana izany ka nanenjehany azy ireo tamin-kerisetra.
Faharoa, ny Kristiana tao Smyrna dia nandà tsy handray anjara tamin’ny fivavahana jentilisa tamin’ny ankapobeny. Tsy ny fanompoana ny Amperora ihany no nolaviny fa ireo sampy isa-karazany, toy ny Zeus, Apollo, Aphrodite, Asklepios, ary izany Cybele izany. Ny fandàvan’ny Kristiana tsy hanaraka izany fivavaham-bahoaka izany, noho ny fanompoany an’Andriamanitra/Jesosy Kristy, dia niantsoan’ny Jentilisa sy nandàvany azy ireo ho atheists. Ny fiaimpiainana ara-piarahamonina tao Smyrna dia nifamatotra tamin’izany fivavahan-drazana izany, noho izany dia nohelohina ho lohany tamin’ireo mpiala an-daharana tamin’izany fiarahamonina izany ny Kristiana noho ny tsy fandraisany anjara tamin’izany (ampit. famadihana sy ny zanaky ny fifohazana).
Farany, ny mpino Kristiana tao Smyrna dia niatrika ny fitenenan-dratsy avy amin’ ireo izay nilaza fa mpitana ny fivavahana Jiosy kanjo tsy izy fa Synagogan’i Satana. Ireo Jiosy ireo dia nandà tanteraka an’i Jesosy Kristy sy ny asany (ampit. Jao. 8:44). Ny fampiasan’i Jesosy ny teny hoe blasphemy, izay nampiasaina mandrakariva hanambarana ny fankahalana an’Andriamanitra, dia manondro ny fanalam-baraka na ny fitenenan-dratsy Azy sy ny asany. Ireo Jodaista ireo dia nanameloka ny Kristiana ho cannibalism (mpihinana nofon’olona) noho tsy fahafantaran’izy ireo ny fototra sy hevitry ny Fanasan’ny Tompo. Nanameloka koa ny Kristiana ho mpijangajanga izy ireo noho ny fampiharany ny horoka masina tamin’ny fifampiarahabana sy fifanaovam-beloma (ampit. Rom. 16:16; 1 Kor. 16:20; 2 Kor. 13:12; 1 Tes. 5:26), mpandrava sy mpandao ny fianakaviana (ampit. Lio. 12:51–53), ary mpikomy ara-politika noho ny tsy fanekeny hanompo ny Amperora.
Mba ho fanapotehana ny Kristianisma àry dia nitory ny Fiangonana Kristiana tany amin’ny Amperora koa ny lohandohany avy amin’ny Jiosy tao Smyrna. Izy ireo anefa no lazain’i Jesosy eto ho Synagogan’i Satana, mpiombona amin’ny fanatanterahana ny fikendrena sy sitrapon’i Satana amin’ny alalan’ny fampiasana ny lainga tsara lahatra. Ireo Jiosy ireo dia nanambara tena fa Synagogan’Andriamanitra kanefa izany asany izany dia manaporofo fa Synagoga sandoka izy, i.e., ny mifanohitra amin’izany. Tsy zavatra vaovao moa izany fanenjehana sy fitenenan-dratsy ny Fiangonana Kristiana izany. Ny Asan’ny Apostoly dia efa nitantara izany matetika (oh., 2:13; 4:2–3, 18; 5:17–18, 28, 40; 6:9ff.; 7:54–60; 8:1ff.; 9:20–23; 12:1– 3; 13:6, 45; 14:2, 19; 17:5ff., 13; 18:6, 12–13; 19:9; 20:3; 21:27ff.; 23:12ff.). Tao Smyrna dia nanampy trotraka ny fankahalan’ny Jentilisa ny Fiangonana Kristiana izay nataon’ireo Jiosy ireo.
Tsy ny fanenjehana ihany no voalaza fa natrehan’ny Fiangonana tao Smyrna fa ny fahantrana ihany koa. Nampahantraina sy nandevozina noho ny maha Kristiana azy ireo ny ankamaroan’ny mpino: maro no voaroba fananana sy voaroaka tao amin’ny fianakaviany noho ny maha Kristiana azy. Teo anatrehan’izany rehetra izany anefa dia tsy nivadika tamin’ny Tompony, dia Jesosy Kristy izy ireo, tsy niala tamin’ny fitiavana Azy tahaka izay nataon’ireo tao Efesosy. Izany no nilazan’i Jesosy taminy fa manan-karena izy ireo: manana ny famonjena, ny fahamasinana, ny fahasoavana ao Aminy, ny fiadanana ary indrindra manana Azy Mpamonjy sy Mpampahery. Ny Fiangonana tao Smyrna dia nahantra ara-materialy kanefa nanan-karena ara-panahy, tsy mba tahaka ny Fiangonana tao Laodikia izay nanan-karena ara-materialy fa tena nahantra tokoa ara-panahy (ampit. 3:17).

𝐈𝐈.𝟔 𝐍𝐲 𝐁𝐚𝐢𝐤𝐨𝐧’𝐢 𝐉𝐞𝐬𝐨𝐬𝐲 𝐡𝐨 𝐚𝐧’𝐧𝐲 𝐅𝐢𝐚𝐧𝐠𝐨𝐧𝐚𝐧𝐚 𝐭𝐚𝐨 𝐒𝐦𝐲𝐫𝐧𝐚
“Aza matahotra izay efa hiaretanao; indro, ny devoly efa hanao ny sasany aminareo ao an-tranomaizina, mba ho voazaha toetra hianareo, ary hanam-pahoriana hafoloana” (2:10a). Taorian’ny fiderana nombam-pankaherezana ny Fiangonana tao Smyrna dia nananatra azy ireo Jesosy fa mbola be noho izany fahavoazany izany no mbola ho avy aminy. Mialohan’ny nilazany izany tamin’ny antsipirihany dia nananatra azy ireo Izy mba tsy hatahotra n’inona n’inona, na manao ahoana na manao ahoana hamafisan’izany fampahoriana mbola ho avy izany. Nampanantena hery avy Aminy ho entin’izy ireo manohitra sy miaritra izany Izy. Nambarany tamin’ny mpianany ao amin’ny Jaona 16:33 fa “Aty amin’izao tontolo izao no ahitanareo fahoriana; nefa matokia; Izaho efa naharesy izao tontolo izao”. Vokatr’izany, ireo mpino izay ory noho ny fanenjehan’ny Jentilisa azy dia hiteny miaraka amin’i Davida hoe “Andriamanitra no itokiako; ka tsy mba hatahotra aho; inona no hataon’ny olona amiko?” (Sal. 56:11). Ambaran’i Jesosy mazava fa handefa ny sasany amin’izy ireo any am-pigadrana ny Devoly.
Avelan’Andriamanitra hihatra amin’izy ireo izany, tsy hoe noho ny tsy fahaizany na noho ny tsy fananana hery hiaro azy ireo fa mba ho fizahantoetra azy ireo kosa. Ny fanadiovana sy fanamafisana ny finoan’izy ireo no anton’izany (ampit. 2 Kor. 12:9–10), ho fanaporofoana amin’i Satana ihany koa fa tsy hainy ny manapotika ny finoana madio sy marina ary mahatoky.
Azo lazaina ihany koa fa sehatra iadian’Andriamanitra sy Satana ny Fiangonana tao Smyrna. Teo anatrehan’ny fiezahan’i Satana hanapotika ny finoan’ny tena zanak’ Andriamanitra marina dia noporofoin’Andriamanitra ny heriny izay nanome sy anton’ izany finoana izany. Hoy Jesosy “Izaho manome azy fiainana mandrakizay, ka tsy ho very izy mandrakizay, ary tsy hisy handrombaka azy amin’ny tànako. Ny Raiko Izay nanome Ahy dia lehibe noho izy rehetra; ary tsy misy mahay mandrombaka amin’ny tànan’ny Ray” (Jao. 10:28–29); ary koa “Ary izao no sitrapon’Izay naniraka Ahy, dia ny tsy hamelako hisy very izay rehetra nomeny Ahy, fa hatsangako indray amin’ny andro farany izy” (Jao. 6:39). Amin’ny maha Mpisoronaben’izy ireo an’i Jesosy, dia hamonjy mandrakizay ireo rehetra izay efa nampanakekezina an’Andriamanitra tamin’ny alalany Izy satria velona mandrakizay ho Mpanalàlana azy ireo Izy (Heb. 7:25; ampit. Rom. 8:28–29).

𝐈𝐈.𝟕 𝐍𝐲 𝐓𝐞𝐧𝐲 𝐅𝐚𝐦𝐩𝐚𝐡𝐞𝐫𝐞𝐳𝐚𝐧𝐚 𝐟𝐚𝐫𝐚𝐧𝐲
“Aoka ho mahatoky hatramin’ny fahafatesana hianao, dia homeko anao ny satroboninahitra fiainana. Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino izay lazain’ny Fanahy amin’ny Fiangonana. Izay maharesy dia tsy hosimban’ny fahafatesana faharoa” (2:10b–11). Araka izay efa nambara teo aloha dia tsy mba anisan’ireo Fiangonana izay nahazo teny mafy avy tamin’i Jesosy ny tao Smyrna. Noho izany dia faranany amin’ny teny mamy ho fampaherezana azy ireo ny hafany. Ireo izay maharitra mitoetra amin’ny finoana marina sy madio mandra-pahafatiny dia hahazo ny satroboninahitra fiainana (ampit. Jak. 1:12), dia ny fiainana mandrakizay izany. Araka izay efa nambara teo ambony, ny hoe “Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino izay lazain’ny Fanahy amin’ny Fiangonana” dia manindry ny andraikitry ny Fiangonana amin’ny fitandremana sy fiainana amin’ny tenin’Andriamanitra. Ny tsy fahatratraran’ny fahafatesana faharoa azy ireo no tambin’izany. Na dia ho enjehina sy horahonana hatramin’ny fahafatesana aza izy ireo noho ny finoany dia tsy hahatratra azy ireo kosa ny fahafatesana faharoa, dia ilay fahaverezana mandrakizay ao amin’ny Helo izany (Apo. 20:14; 21:8).

********************************************************
𝐅𝐀𝐌𝐀𝐑𝐀𝐍𝐀𝐍𝐀 𝐒𝐘 𝐇𝐀𝐅𝐀𝐓𝐑𝐀

Ry havana, halan’Andriamanitra ny fiatsarambelatsihy: mpanafina ny faharatsiana ao anaty amin’ny alalan’ny fisehoana ho tsara ety ivelany. Halany ny fanononana hoe “Tempolin’i Jehovah, Tempolin’i Jehovah, Tempolin’i Jehovah ity”, ny toa fanajana Azy amin’ny molony kanefa ny fon’izay manonona izany dia tena manalavitra azy. Halany ny fahadiovana ivelany toy ny fasam-bao. Halany ny fahafaham-po amin’ny endrika sy ny fombafomba ivelany amin’ny fanarahana sy ny fanompoana Azy. Halany ny fanaovana fitan-droa toa dinta, ny fiaina sy fanaovana toy ny boloky lahy homam-boantseva: sady mankafy ny atsy no mankafy koa ny aroa. Halany ny fiaina sy fanaon’ny mpitari-bato vilam-bava: hafa ny tondroin’ny molony hafa ny ataon’ny tànany. Halany ny fiverenana hihinana indray izay efa naloa, halany ny fandoavana tapany ho an’ny hafa mba hahatonga ny hafa handoa erany ho azy: fomban’ny fitiavan-tena izany. Halany ny maha safiotra. Halany ny fandaozana ny maha izy azy araka izay efa nanavotany sy nahariany azy indray. Fanaovana tsinontsinona ny heriny tsitoha sy ny fikelezan’ainy noho ny fitiavany tamin’ny fanavotana azy izany no fanahafana an’i Satana izay rain’ny lainga. Tsarovy fa Andriamanitra mahafantatra antsipirihany sy amin’ny fahafenoany ny zavatra rehetra Izy ka tsy azo fitahana. Noho izany, hiharan’ny fanamelohany mandrakizay izay tsy mibebaka sy manatona Azy mba hamboariny indray.

Izay ankasitrahany kosa dia ny Fiangonana Kristiana izay fiombonan’izay madio tsy misy fangarony araka izay naharian’Andriamanitra azy, ny Fiangonana izay maharitra amin’ny maha fiombonan’izay noforonin’Andriamanitra sy nampihavaniny taminy tamin’ny alalan’ny Jesosy Kristy sy ny hazofijaliany ary fonenan’Andriamanitra amin’ny Fanahiny (Efe. 2:13–22) sy tarihin’izany mandrakariva azy (Rom. 8:14–23), ka ny fiaimpiainany ao anaty rehetra sy izay ataon’ny tànany, izay diavin’ny tongony ary izay sain’ny ati-dohany ary ny fitondrantenany rehetra amin’ny fotoana sy toerana rehetra dia samy ho vavolombelon’izany avokoa: vavolombelon’ny fitiavan’Andriamanitra izay mahazo laka ao am-pony. Izay maharitra amin’izany hatramin’ny farany no mpandresy ka ho satrohany ny satroboninahitra fiainana, ho velona mandrakizay. Izay manaiky ho tehirizin’Andriamanitra sy harovany mandrakariva manoloana izao tontolo izao izay mihazakazaka handrakotry ny aloky ny fahafatesana sy ny filàny no ho mpandresy (ampit. Jao. 17).

Ny fanontaniana ho antsika ry havana dia izao: 79 taona izay no namohazan’ Andriamanitra antsika tamin’ny alalan’ny mpanompony: aiza ho aiza ny zanaky ny fifohazana ankehitriny, moa tahaka ny Fiangonana tao Efesosy sa tahaka ny tao Smyrna? Antso ho amin’ny fibebahana izany ry havana: aza manamari-tena àry fa miverena amin’ Andriamanitra ary mahareta hatramin’ny farany ao amin’i Jesosy Kristy sy ny asam-pamonjeny dia ho mpandresy tahaka Azy ary handova ny fiainana mandrakizay tokoa isika.

Amena!

Share